[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Filemona
1 [Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i
Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary
Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2 ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila
namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha
mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana* izay anananao
ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [* Na: ny finoanao]
6 mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny
finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao
aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy
handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa
anti-panahy* sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy
aminao. [* Na: ambasadôra]
10 Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay
naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa]
11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa
antsika, dia ianao sy izaho;
12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny
aiko;
13 saiky nohazoniko tatỳ amiko izy
hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;
14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho
aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena
ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny
mba hanananao azy mandrakizay,
16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa
mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho
anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy
izy.
18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na
mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19 izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho
no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza
ianao.
20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao
amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.
21 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako
aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22 Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa
manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
23 Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i
Kristy Jesosy,
24 sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka,
mpiara-miasa amiko.
25 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i
Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.