[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2
Tesaloniana
Accès direct aux chapitres de 2 Thessaloniciens : 1, 2, 3
1 [Ny hafalian'i Paoly noho ny faharetan'ny Kristiana tao
Tesalonika sy ny finoany ary ny fitiavany] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy
ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy
Kristy Tompo:
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva
izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra
ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
4 ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny
fiangonan*'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny
fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- [* Gr. eklesia]
5 famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany -
mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no
iaretanareo
6 fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly
fahoriana izay mampahory anareo,
7 ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa
mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny
anjelin'ny heriny,
8 amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala
an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,
9 dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia
fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny
heriny,
10 raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony
masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria
ninoana ny fanambaranay taminareo.
11 Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba
hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny
amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana,
12 mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy
Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy
Jesosy Kristy Tompo.
1 [Fanitsiana ny hadisoan-kevitry ny sasany ny amin'ny
andron'ny Tompo] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin'ny
fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
2 mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na
hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily
izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo.
3 Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy
izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota,
dia ilay zanaky ny fahaverezana,
4 ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra
atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny
tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
5 Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany
aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
6 Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba
hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny.
7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny
tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny
ihany*. [* Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy]
8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay
holevonin'i Jesosy Tompo* amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny
fisehoan'ny fihaviany; [* Na:(holevonin'ny Tompo)]
9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny
hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay
ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy
izy.
11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny
fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina,
fa nankasitraka ny tsy marina.
13 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy
misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny
Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo
famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
14 sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny
filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.
15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny
fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na
tamin'ny epistilinay.
16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra
Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy
fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,
17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo
amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.
1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba
handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
2 ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy
ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo
tsy ho azon'ny* ratsy. [* Na: Ilay]
4 Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay
zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny
fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra
izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay
noraisiny taminay.
7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay;
fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
8 ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro
aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na
dia iray akory aminareo aza;
9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba
hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia
nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra
tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona.
12 Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao
amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay
azy ihany.
13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny
fanaovan-tsoa.
14 Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin'ity
epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra
azy.
15 Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny
rahalahy.
16 Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo
fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny
Tompo.
17 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly; izao no
famantarana eo amin'ny epistily rehetra; izao no soratro.
18 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy
Tompontsika.