[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Habakoka
Accès direct aux chapitres de Habakuk : 1, 2, 3
1 [Ny fandozana nataon'ny Kaldeana, ary ny fitarainan'ny
mpaminany noho izany] Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan'i Habakoka
mpaminany.
2 Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa
tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
3 Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery
fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady
miseho ny fifandirana.
4 Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny
rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana
miangatra* .[Heb. miolana]
5 Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia
gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia
holazaina aminareo aza.
6 Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena
masiaka* sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay
tsy azy.[Heb. mangidy]
7 Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany
ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8 Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka
noho ny amboadia* hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny
mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana
izy.[lopa]
9 Hampidi-doza no ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany
no atrehiny fatratra*, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.[Na: atrehan'izy
rehetra]
10 Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny
mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra
tovon-tany* izy ka mahafata azy.[Heb. vovoka]
11 Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo
heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
12 Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah
Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no
nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
13 Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy
Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina,
raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
14 Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any
an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
15 Aingainy amin'ny fintana izy rehetra, Samboriny
amin'ny haratony Ary sarihany amin'ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo
izy.
16 Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny
haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no
ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
17 Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony
va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
*
1 [Ny nilazan'i Jehovah tamin'ny mpaminany ny amin'ny
handringanana ny Kaldeana] Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro
eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko
amin'ny fitarainako.
2 Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny
fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny
mihazakazaka hovakina aza*.[Na: mba hihazakazahan'izy mamaky azy]
3 Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary
mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy,
andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.
4 Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy
ao anatiny, Fa ny marina ho velon'ny finoany*.[Na: fa ny marina amin'ny finoana
no ho velona]
5 Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy
mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita*, Eny, toy
ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy
Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy..[Heb. Shoela]
6 Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra
ireto ? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana* hanoherana azy va izy ka hanao hoe:
Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny
zavatra nalaina ho tsatòka[Heb. fampanonona]
7 Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy
hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?
8 Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba
hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny ran'ny olona sy ny
fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao
aminy.
9 Lozan'izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho
an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, Mba tsy ho tratry ny
tanan'ny loza
10 Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an'ny
taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra
amin'ny ainao ianao.
11 Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, Ary ny
sakamandimby ao amin'ny trano* no hamaly azy.[Heb. hazo]
12 Lozan'izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-drà Sy
manorina tanàna amin'ny heloka!
13 Indro, tsy avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, va no
hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny firenena noho ny zava-poana?
14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i
Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
15 Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay
manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;
16 Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy
koa, ka mitanjaha*; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i
Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao. [Na: aoka ho hita fa tsy
voafora ianao]
17 Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny
fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza
natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
18 Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No
misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra
lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana?
19 Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary
amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo ? He! voapetaka
takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
20 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina;
Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!
*
1 [Vavaka nangatahan'ny mpaminany famindram-po]
Ny fivavak'i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
2 Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka
raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan'ny taona, Ataovy
fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny
indrafo.
3 Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny
iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana*. Manarona ny lanitra ny
voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.[Sela]
4 Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy
tàna-masoandro avy eo amin'ny tànany;12 Ary ao no fieren'ny heriny.[Na: avy eo
anilany]
5 Eo alohany no andehanan'ny areti-mandringana, Ary
areti-mandripaka* no mivoaka avy eo aoriany.[Na: zava-mahamay]
6 Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka
mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry
ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
*
7 Mahita ny lain'i Kosana azom-pahoriana aho, Sady
mipararetra ny ambain-dain'ny tany Midiana.
8 Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah
? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No
dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao ?
9 Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny
fikapohan'ny teny*. [Sela] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.[Na: ny
fiainana tamin'ny firenena dia teny]
10 Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra;
Mirotsaka* ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana
ho amin'ny avo.[Heb. Mandalo]
11 Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny
fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry
ny lefonao mamirapiratra.
12 Amin'ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin'ny
fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
13 Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny
voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon*'ny ratsy fanahy, Ka
ahariharinao hatreo an-tenatenany** ny fanorenany. [sela][*Heb.
lohan'][**an-katony]
14 Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan'ireo
miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany
mangingina ny ory izy.
15 Mitety ny ranomasina amin'ny soavalinao Hianao, Dia
eny amin'ny rano be miavovona.
*
16 Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro
mipararetra noho ny feo; Azon'ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa
tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran'ny mpanao
an-diany hamely ny olonao.
*
17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy
voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy
mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary
tsy misy omby ao am-pahitra,
18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy
hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy
ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho
an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.