[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Amosa
Accčs direct aux chapitres d’Amos : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9
1 Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao
Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia,
mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy,
mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.
2 [Ny loza hanjo ny firenena enina amin'ny jentilisa sy
ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona
ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary
maina ny tampon'i Karmela.
3 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i
Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria kodia vy no
nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
4 Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny
tranoben'i Beni-hadada izany.
5 Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako
tsy hisy mponina* ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina
fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.
[Na: mpanapaka]
6 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i
Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria lasany ho babo avika ny
olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
7 Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny
tranobeny izany;
8 Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy
hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho
faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
9 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i
Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria natolony ho any Edoma ny
babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
10 Fa haterako afo ny mandan'i Tyro, ka handevona ny
tranobeny izany
11 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i
Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nanenjika ny rahalahiny
tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira
mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
12 Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben'i
Bozra izany
13 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny
taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria notatahany izay
bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
14 Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka
handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy
rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;
15 Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo
mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
1 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i
Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nodorany ho sokay ny
taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
2 Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i
Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny
fanenon'ny anjomara;
3 Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka
hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
4 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i
Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nataony tsinontsinona ny
lalān'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny
laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]
5 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i
Jerosalema izany.
6 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana
telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria namidiny
volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]
7 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo*
an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona
mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako
masina; [Na: ho eo]
8 Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatōka izy no mitsilailay
eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy* ao
an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]
9 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia
olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny,
nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
10 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny
tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba
handovanareo ny tanin'ny Amorita,
11 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany,
ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy
Jehovah.
12 Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny
mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
13 Indro, Izaho no hitambesatra aminareo* toy ny
fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]
14 Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny
mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
15 Izay mitana tsipėka tsy hahajanona, ary ny
faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny
ainy;
16 Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia
handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
*
1 [Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao
teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io
taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
2 Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra
ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo
rehetra.
3 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
4 Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha?
Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
5 Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha
tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
6 Tsofina va ao an-tanāna ny anjomara, ka tsy hatahotra
ny vahoaka? Misy loza ao an-tanāna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha
tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
8 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah
Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
9 Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any
amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria
ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana* ao anatiny. [Na:
ny ampahorina]
10 Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah,
dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
11 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo
manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny
tranobenao.
12 Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry
ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy
izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo
an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
13 Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba,
hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
14 Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana
ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara
ka hianjera amin'ny tany.
15 Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho;
Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
1 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka]
Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny
an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy
manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo* hoe: Mitondrā
hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny]
2 Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe:
Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa
aminareo amin'ny fintana.
3 Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy
amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona* ianareo**, hoy
Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana (?)]
4 Mankanesa any Betela, ka manotā, ary any Gilgala, ka
manotā fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drā ary isan-kateloana
ny fahafolon-karenareo;
5 Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana,
ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no
sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao
an-tanānanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo
rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho
aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanāna iray
no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanāna iray kosa tsy mba nampilatsahako
azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba
nilatsahany ka maina.
8 Dia nivembena ny tanāna roa aman-telo nitady rano tany
amin'ny tanāna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany
ianareo, hoy Jehovah.
9 Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy
ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny
aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala*; Nefa tsy niverina
tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky]
10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta
ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo;
Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy
niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra
an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo
ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao
izany aminao Aho, dia miomāna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô.
13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na
rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny
maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah,
Andriamanitry ny maro, no anarany.
*
1 [Ny handravana ny fanjakan'Isiraely] Henoinareo izao
teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry
taranak'Isiraely;
2 Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony;
Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
3 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanāna namoaka
arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo,
folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
4 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely;
Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
5 Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza
mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga
tsinontsinona.
6 Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao
hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy
hanana izay hahafaty ny afo,
7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty
ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.
8 Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy,
ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho
alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny
tany: Jehovah no anarany,
9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka
dia mihatra amin'ny tanāna mimanda ny fandravana.
10 Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary
ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo
am-bavahady]
11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra
sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany
ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra
ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra
ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly* ianareo ary mamadika
ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao
andro izao, fa andro mampahory izao.
14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho
velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay
efa nolazainareo.
15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary
aoreno eo am-pitsarana* ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro,
hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]
16 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry
ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe
rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany
hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
17 Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia
hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
18 Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
19 Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera,
ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia
kekerin'ny menarana.
20 Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy
fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
21 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy
ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.
22 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra
hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho
fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
23 Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo*, fa maharenina
Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo* Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]
24 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny
fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
25 Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra
alatsa-drā ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i
Isiraely?
26 Tsia, fa ny nitondra* ny tabernakelin'ny mpanjakanareo
sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo**, dia ny kintan'ny
andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [*Na: Dia ho entinareo][**Na: Tsia
fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]
27 Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy
ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
*
1 Lozan'ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao
an-tendrombohitr'i Samaria, dia ireo malaza eo amin'ny firenena malaza
indrindra sady hatonin'ny taranak'Isiraely.
2 Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa
ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any Gatan'ny Filistina; Tsara noho
ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin'ireo va ny taninareo?
3 Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola
lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
4 Dia ireo izay mandrimandry ao amin'ny farafara ivoriny
sy mitsilailay eo amin'ny fandriandriany ary homana ny zanak'ondry avy amin'ny
andian'ny ondry sy ny zanak'omby avy ao am-pahitra,
5 Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary
mamorona zava-maneno toy ny nataon'i Davida,
6 Dia ireo izay misotro divay amin'ny lovia famafazana
sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban'i Josefa.
7 Koa amin'izao dia ho voalohany amin'izay hobaboina
ireo, ary hatsahatro ny hobin'izay mitsilailay foana.
8 Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin'ny tenany, hoy
Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan'i
Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanāna mbamin'izay
rehetra ao anatiny.
9 Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano
iray, dia samy ho faty ireo.
10 Ary ny havan'izay maty, na izay handevina*
azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny
amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy:
Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i
Jehovah. [Heb. handoro]
11 Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano
lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
12 Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy
olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary
ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
13 Dia ianareo izay mifaly amin'ny zava-poana ka manao
hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
14 Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry
taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo
hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny
tani-hay.
*
1 [Ny fahitana ny amin'ny valala, sy ny afo, ary ny
Pilao] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny
voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay
nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.
2 Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany,
dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelā heloka! Hataon'i Jakoba
ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
3 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
4 Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah
Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy
nila handany ny zara-lova izany.
5 Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho,
mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
6 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah
Tompo.
7 Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo
ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady nisy pilao teny an-tānany.
8 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary
hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely
oloko Aho, fa tsy handefitra aminy* intsony;[Heb. handalo azy]
9 Dia ho foana ny fitoerana avon'Isaka, ary ho rava ny
fitoera-masin'Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak'i
Jeroboama.
10 [Ny natao tamin'i Amosa tao Betela, sy ny teny nataony
tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia,
ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo
amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,
11 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary
hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely.
12 Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha
mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihināna hanina any, ary
maminania any;
13 fa aza maminany eto Betela intsony; fa
fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
14 Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba
mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty* aviavy**
ihany aho,[*Na: mpandraotra][**sykomora]
15 saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka
nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko.
16 Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza
maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny
taranak'Isaka;
17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga
ao an-tanāna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny
taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany
maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.
*
1 [Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa
ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo
tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
2 Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah
tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy* intsony
Aho. [Heb. handalo azy]
3 Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa* amin'izany andro
izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy.
Mangina re! [Na: tempoly]
4 Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny
malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany
5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny
voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary,
ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana
mandainga
6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray
lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
7 Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao
hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
8 Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny
mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily
sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
9 Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia
halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary
ny tany;
10 Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo,
ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana* ny
valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny
fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.
[Heb. lamba malailay]
11 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay
hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano,
fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary]
12 Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany
amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny
atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
13 Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta
ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
14 Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka
manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny
fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
*
1 [Ny fahitana ny amin'ny handravana ny fanjakana be ota,
sy ny hananganana indray ny tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana
teo anilan*'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny
tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy
dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy
izay sisa ho afaka akory. [Na: ambonin']
2 Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* aza
izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra
aza izy, dia avy any no hampidinako azy. [Heb. Sheola]
3 Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia
any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny
ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny
menarana, ka hanaikitra azy.
4 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza
izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy
ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
5 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka
dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka
tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
6 Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady
manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny
an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
7 Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha
amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka
avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany
Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
8 Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina
ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy;
Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
9 Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko
any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary
amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray
akory aza.
10 Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra
amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra
anay.
11 Amin'izany andro izany dia hatsangako indray
ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao;
Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
12 Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy
amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay
manao izany.
13 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay
hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra
ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana
rehetra hiempo.
14 Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny
fahababoana, dia hanangana ny tanāna efa rava izy ka honina ao, ary hanao
tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka
hihinana ny vokatra.
15 Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy
hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah
Andriamanitrao.