[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Levitikosy
Accès direct aux chapitres du Lévitique : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27
1 [Ny fanatitra odorana] Ary Jehovah niantso an'i Mosesy
ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo
manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no
haterinareo ho fanatitrareo.
3 Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy
misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no
hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.
4 Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra
dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
5 Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary
ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina
amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
6 ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia
horasainy tsara.
7 Ary ireo zanak'i Arona mpisorona dia hanisy
afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo amin'ny afo.
8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia
handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo ambonin'ny kitay eo
amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
9 fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany
amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin'ny
alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah.
10 Ary raha ondry na osy no ateriny ho
fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
11 Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo
anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanopy ny rà
manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
12 Dia horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy
ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo
izay eo ambonin'ny alitara;
13 fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany
amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo
ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo
ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
14 Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah
ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
15 Ary haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara
izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo
ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ràny;
16 ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao
anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona;
17 ary hosamahany amin'ny elany no fameraka
azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny
alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
*
1 [Ny fanatitra hohanina] Ary raha misy
manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony
fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo
amboniny.
2 Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona,
zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny
diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho
fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra
atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
3 Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho
an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
4 Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy
amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny
koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady
voahoso-diloilo.
5 Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny
lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy
misy masirasira.
6 Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo;
dia fanatitra hohanina izany.
7 Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny
vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
8 Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra
hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny
mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.
9 Ary ny mpisorona haka ny
fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona
eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana
ho an'i Jehovah izany.
10 Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia
ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny
afo ho an'i Jehovah izany.
11 Ny fanatitra hohanina rehetra, izay
aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy
ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah;
12 fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no
hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny
alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao
rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny
fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.
14 Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho
an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy
amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra
hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.
15 Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao
ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.
16 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny
fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny
ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah
izany.
*
1 [Ny fanati-pihavanana] Ary raha
fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy
misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah.
2 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny
fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny
alitara.
3 Dia hangalan'ny mpisorona ny
fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4 sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay
eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny
voany no fanaisony izany.
5 Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho
fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo
ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
6 Ary raha ondry na osy no ateriny ho
fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy,
no hateriny.
7 Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia
hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
8 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny
fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo
zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
9 Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka
hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo
(faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny
saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
10 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay
eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny
voany no fanaisony izany.
11 Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona
eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah izany.
12 Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy
eo anatrehan'i Jehovah izy.
13 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy,
dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia
hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
14 Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
15 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay
eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny
voany no fanaisony izany.
16 Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo
ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.
17 Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny
taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy
hihinana sabora na rà akory ianareo.
*
1 [Ny fanatitra noho ny ota] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka
mandika ny anankiray amin'ireny:
3 raha ny mpisorona voahosotra no manota ka
mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy
noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.
4 Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary
hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izy ka hamono azy eo
anatrehan'i Jehovah.
5 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny
ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana;
6 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo
amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny efitra
lamba ao amin'ny fitoerana masina;
7 ary hotentenan'ny mpisorona rà ny tandroky ny
alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny
trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin'ny vantotr'ombilahy dia
haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
8 Ary halainy avokoa ny saborany rehetra
amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany
sy ny saboran-tsinainy,
9 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay
eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;'hataony indray manala amin'ny
voany no fanaisony izany,
10 tahaka ny fanalana azy amin'ny omby izay
atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
11 Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny
henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny
tain-drorohany,
12 dia ny tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no
havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay fitoerana madio fanariana
ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny
fanariana ny lavenona no handoroana azy.
13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely
rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary
mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka
meloka,
14 rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia
hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra
azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
15 Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny
tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny
vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.
16 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny
ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana,
17 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony
amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra
lamba.
18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo
amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny
trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.
19 Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka
handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara.
20 Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka
ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy
izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia
havela ny helony.
21 Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny
ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany;
dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.
22 Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka
mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah Andriamaniny amin'izay tsy tokony
hatao ka meloka,
23 ary misy mampahafantatra azy ny fahotany
izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;
24 ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny
osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny famenoana ny fanatitra dorana eo
anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
25 Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony
ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny
alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
26 ary ny saborany rehetra dia hodorany ho
fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny
mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
27 Ary raha misy amin'ny vahoaka manota tsy
nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao
ka meloka,
28 ary misy mampahafantatra azy ny fahotany
izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho'ny
fahotany izay nataony.
29 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny
fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra
dorana.
30 Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony
ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra
dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
31 Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra,
tahaka ny fanesorana ny saboran'ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro
azy ho fofona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah;
ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
32 Ary raha zanak'ondry no entiny ho fanatitra
noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
33 ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny
fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny
famonoana ny fanatitra dorana.
34 Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony
ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo
am-bodin'ny alitara.
35 Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra,
tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana,
ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana
ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
*
1 Ary raha misy manota, satria mandre ny
feon'ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy
manambara izy, ka mahameloka azy izany,
2 na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na
ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na
ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka
mahaloto sy mahameloka azy izany,
3 na misy mikasika ny fahalotoan'olona, dia
izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa
fantany izany, ka mahameloka azy,
4 na misy mianiana ka miteniteny foana amin'ny
molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin'ny olona foana
ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin'ny
anankiray amin'ireo izy:
5 koa raha meloka amin'ny anankiray amin'ireo
izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
6 ary hitondra ny saziny ho an'i Jehovah noho
ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho
fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny
fahotany.
7 Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia
hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i Jehovah izy ho saziny
noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray
kosa hatao fanatitra dorana.
8 Dia hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona
izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka
hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny vozony, fa tsy hohenteriny
izy.
9 Ary hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara
ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo ambodin'ny
alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
10 Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra
dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny
fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
11 Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny
domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny
fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny
ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa
fanatitra noho ny ota izany.
12 Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona
izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy
aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra
atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
13 Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy
noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny
helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.
14 [Ny fanati-panonerana] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
15 Raha misy olona manao izay mahadiso ka
manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny
fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa
sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho
fanati-panonerana.
16 Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina
dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona;
ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao
fanati-panonerana, dia havela ny helony.
17 Ary raha misy olona manota, satria manao
izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy
fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
18 dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy,
araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona; ary ny
mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa
tsy fantany, dia havela ny helony;
19 dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka
tamin'i Jehovah tokoa izy.
20 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
21 Raha misy olona manota, satria manao izay
mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina
azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na
ota nampahory ny namany,
22 na nahita izay zavatra very ka mandainga
amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona,
23 satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra
izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina
azy, na izay zavatra very hitany,
24 na izay rehetra nianianany tsy tò; dia
hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka
homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
25 Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i
Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho
fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona.
26 Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo
anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana
nataony.
*
1 [Lalàna ho an'ny mpisorona ny amin'ny
fanaterany ny fanatitra samy hafa, sy ny hizarazarana azy] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao
no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny
fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny
afon'ny alitara hirehitra eo.
3 Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony
rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia
handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo
ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara.
4 Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy
fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay
fitoerana madio.
5 Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo
ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny
fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny
saboran'ny fanati-pihavanana.
6 Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo
ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty.
7 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra
hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo
anoloan'ny alitara.
8 Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara
toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona
rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo
ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana
ho an'i Jehovah.
9 Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona
sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay
fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny
trano-lay fihaonana.
10 Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina;
fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany;
masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny
fanati-panonerana.
11 Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no
mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny
fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho
masina izay rehetra manendry izany.
12 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
13 Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany,
izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto
ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany
maraina, ary ny antsasany hariva.
14 Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana
diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny
fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
15 Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay
voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah
izany ka hodorana ho fofona avokoa;
16 fa ny fanatitra hohanina rehetra izay
aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
18 Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany hoe:
Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo amin'ny famonoana ny
fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan'i Jehovah;
ho masina dia masina izany.
19 ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no
hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny
kianjan'ny trano-lay fihaonana.
20 Ho masina izay rehetra manendry ny henany;
ary raha misy fitafiana ipitihan'ny ràny, dia hosasanao eo amin'izay fitoerana
masina izay ipitihany.
21 Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia
hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana
sy hosasan-drano izany.
22 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no
mahazo mihinana azy; masina dia masina izany.
23 Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà
ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny
fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.
1 Ary izao no lalàna ny amin'ny
fanati-panonerana: masina dia masina izany.
2 Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no
hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny
lafin'ny alitara.
3 Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny
saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay
eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin'ny voany
no fanaisony izany.
5 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo
ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia
fanati-panonerana izany.
6 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no
mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina
dia masina izany.
7 Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny
fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa: ho an'ny mpisorona izay
manao fanavotana aminy izany.
8 Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra
dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny hoditr'izany fanatitra dorana
nateriny izany.
9 Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy
am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin'ny vilany fandrahoana, na
amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona manatitra azy.
10 Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay
voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny zanak'i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy
izy.
11 Ary izao no lalàna ny amin'ny
fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah:
12 Raha misy manatitra izany ho
fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy
masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady
voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy sady voaharo
diloilo.
13 Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira
dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay
ataony ho fanati-pisaorana.
14 Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho
fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny
fanati-pihavanana izany.
15 Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay
ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy
havela ho tra-maraina.
16 Fa raha fanati-panalamboady na
fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no
hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny.
17 Fa ny sisa amin'ny henan'ny fanatitra dia
hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo.
18 Ary raha tahìny hihinanana amin'ny andro
fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na
hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay
mihinana amin'izany dia ho meloka.
19 Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza
dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo; ary ny amin'ny hena, dia izay madio
rehetra no mahazo mihinana azy;
20 fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa
mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay an'i Jehovah, dia hofongorana
tsy ho amin'ny fireneny.
21 Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na
fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana
amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho
amin'ny fireneny.
22 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
23 Mitenana amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza
mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, nany an'ny
osy.
24 Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy
ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa
aza mihinana azy ianareo.
25 Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby
fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia hofongorana
tsy ho amin'ny fireneny.
26 Ary aza mihinana rà eny amin'izay rehetra
itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby fiompy.
27 Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy
ho amin'ny fireneny.
28 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
29 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay
manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an'i
Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany.
30 Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra
atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny,
ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
31 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo
ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo
zanany.
32 Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny
mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny fanati-pihavananareo.
33 Ny anankiray amin'ny zanak'i Arona izay
manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka
ankavanana ho anjarany.
34 Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka
asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny
fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany
mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely.
35 Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy
amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro
ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,
36 dia izay nandidian'i Jehovah homena azy avy
amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay
amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby.
37 Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana
sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy
ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
38 izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao
amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely
hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.
*
1 [Ny nanokanana an'i Arona sy ny zanany ho
mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy
ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota
sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
3 Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
4 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i
Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny
fiangonana.
5 Ary hoy Mosesy tamin'ny fiangonana: Izao atao
izao no raharaha izay nandidian'i Jehovah.
6 Ary Arona sy ny zanany dia nentin'i Mosesy
nanatona ka nampandroiny tamin'ny rano.
7 Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary
nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda
dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony
fehin'ny efoda taminy izany.
8 Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka
nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
9 Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary
ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin'ny
hamama, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
10 Ary nalain'i Mosesy ny diloilo fanosorana
dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
11 Dia namafazany impito teo ambonin'ny alitara
ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy
ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
12 Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny
diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
13 Ary dia nentin'i Mosesy nanatona koa ny
zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia
nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
14 Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy
izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany
tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
15 Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà,
ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony
efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka
nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
16 Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy
ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho
fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
17 Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny
henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny
toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
18 Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao
fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny
ondrilahy.
19 Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà
manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
20 Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia
nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
21 Ary ny taovany sy ny tongony nosasany
tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny
tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah
an'i Mosesy.
22 Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy
anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny
tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
23 Dia novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny
rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny ravin-tsofin'i Arona ankavanana sy
tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana.
24 Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona,
ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny
ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa
dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
25 Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny
safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim'ny fonom-boany ary
ny sorony ankavanana.
26 Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy
masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany iray tamin'ny mofo tsy
misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin'ny mofo
manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry ankavanana.
27 Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy
ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah.
28 Dia nalain'i Mosesy tamin'ny tànany indray
ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny fanatitra
dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah.
29 Dia nalain'i Mosesy koa ny tratran'ondry ka
nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy
avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
30 Ary nangalan'i Mosesy ny diloilo fanosorana
sy ny rà izay teo ambonin'ny alitara ka nafafiny tamin'i Arona sy tamin'ny
fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny fitafian'ny zanany koa; dia
nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany
koa Izy.
31 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany:
Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no
hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana,
araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
32 Ary izay sisa amin'ny hena sy ny mofo dia
hodoranareo amin'ny afo.
33 Ary tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro
fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
34 Tahaka ny efa natao androany no nandidian'i
Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
35 Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay
asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana
ahy.
36 Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra
efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.
1 [Ny nanombohan'i Arona sy ny zanany ny
raharahany] Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny
zanany ary ny loholon'ny Isiraely.
2 Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely
ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy
tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.
3 Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà
osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy
iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
4 ary omby sy ondrilahy hatao
fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary fanatitra
hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.
5 Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho
eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka
nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
6 Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay
nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr'i
Jehovah.
7 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny
alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka
manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny
fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i
Jehovah.
8 Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny
ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny tenany.
9 Ary nentin'ny zanak'i Arona ho eo aminy ny
rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny
alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin'ny alitara;
10 fa ny saborany sy ny voany roa ary ny
ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo
ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;
11 ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany
tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.
12 Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny
zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara
izy.
13 Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia
natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo
ambonin'ny alitara.
14 Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia
nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny fanatitra dorana teo ambonin'ny
alitara.
15 Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona,
ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny olona, dia
namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray
teo.
16 Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka
nanao azy araka ny fanao.
17 Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra
hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny
alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.
18 Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy
hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona
nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
19 Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy
ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny
lehibe,
20 dia napetrany teo ambonin'ny tratran'ireo ny
saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany;
21 fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa
dia nahevahevan'i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah, araka
izay nandidian'i Mosesy.
22 Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify
ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra
noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
23 Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny
trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i
Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.
24 Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i
Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara;
ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
*
1 [Ny nitondran'i Nadaba sy Abiho afo tsy izy,
sy ny nataon'Andriamanitra noho izany] Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy
naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo
manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy
nandidiany azy.
2 Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i
Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan'i Jehovah izy.
3 Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay
nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo
anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
4 Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy
Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe:
Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny
ivelan'ny toby.
5 Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy,
mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan'ny toby, araka izay efa
nolazain'i Mosesy.
6 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i
Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny
akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny
olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak'Isiraely rehetra, no
hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr'i Jehovah.
7 Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo
fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
8 Ary Jehovah niteny tamin'i Arona ka nanao
hoe:
9 Aza misotro divay na toaka ianao, na ny
zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo
(ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany),
10 ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy
ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
11 ary mba hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny
didy rehetra izay nasain'i Jehovah holazain'i Mosesy taminy.
12 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i
Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa
amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Jehovah, ka hano eo anilan'ny
alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany.
13 Ary hano eo amin'izay fitoerana masina
izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
14 Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony
asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao mbamin'ny
zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo
avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely.
15 Ny sorony asandratra sy ny tratrany
ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao amin'ny afo dia ho entiny mba
hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anao sy ny
zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian'i Jehovah.
16 Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay
natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin'ny
zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
17 Nahoana no tsy nohaninareo teo amin'ny
fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina dia masina izany, ary efa
nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana
ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
18 Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin'ny
fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin'ny fitoerana
masina ianareo, araka izay nandidiako.
19 Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra
dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha
tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo
imason'i Jehovah va izany?
20 Ary raha ren'i Mosesy izany, dia
nankasitrahany.
*
1 [Ny lalàna ny amin'ny biby madio sy maloto]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no
ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany:
3 Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka
tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
4 Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro
dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy,
nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy,
nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy,
nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy
ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
8 Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny
fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
9 Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia
izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na
ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo;
10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany
kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra
mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano;
fahavetavetana aminareo ireny;
11 eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy
ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
12 Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao
anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
13 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo
amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny
gypa sy ny ankoay
14 ary ny papango sy ny voromahery,
isan-karazany,
15 ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
16 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny
vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
17 ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny
vorondolo lehibe
18 ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora
madinika
19 sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary
ny takidara sy ny manavy.
20 Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra
sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny
zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay
manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.
22 Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny
valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany,
ary ny hagaba, isan-karazany.
23 Fa ny zava-mandady rehetra izay manana
elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary
izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia
hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
26 Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy
mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto
izay rehetra mikasika azy.
27 Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany,
amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo;
haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
28 Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny
fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
29 Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby
izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry,
isan-karazany,
30 ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny
hometa ary ny tana.
31 Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra
izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto
mandra-paharivan'ny andro.
32 Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny
fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho
fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano
izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.
33 Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay
ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny
vilany dia hovakinareo.
34 Ary ny hanina fihinana rehetra, izay
asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny
fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.
35 Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny
fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa
maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
36 Kanefa ny loharano na ny lavaka
famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny
fatin-javatra eo no haloto.
37 Ary raha misy fatin'ireo latsaka amin'ny
voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
38 Fa raha misy voan-javatra nalona tamin'ny
rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
39 Ary raha misy maty izay biby fihinanareo,
dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny fatiny.
40 Ary izay mihinana amin'ny fatiny dia hanasa
ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra ny fatiny
dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny andro
41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na
mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
42 Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay
rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby
tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa
zava-betaveta ireny.
43 Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby
mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto
anareo izany.
44 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia
manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza
mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany.
45 Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo
niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho
masina ianareo, satria masina Aho.
46 Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona
sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny
zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,
47 mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny
biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.
*
1 [Ny lalàna ny amin'ny fanadiovana ny vehivavy
velom-bao] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny
andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany no hahalotoany.
3 Ary amin'ny andro fahavalo dia hoforana ny
zaza.
4 Ary telo amby telo-polo andro no
hitoeran-dravehivavy amin'ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masina
izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro
fidiovany.
5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto
tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo
andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny izay mahadio azy.
6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny
zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho
fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka
ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny
mpisorona ireo.
7 Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i
Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny
ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
8 Ary raha tsy tratry ny ananany ny
zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny
anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny
ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
*
1 [Ny lalàna ny amin'ny habokana sy ny aretina
mitovitovy aminy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny
nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny
hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona
mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;
3 koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo
amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary
efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany;
ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
4 Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa
eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana
ilay marary.
5 Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro
fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny
hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
6 ary raha zahan'ny mpisorona indray amin'ny
andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo
amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa
ny fitafiany izy, dia hadio.
7 Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny
manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana
azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
8 Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa
manitatra eo amin'ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy:
habokana izany.
9 Raha misy habokana amin'ny olona, dia ho
entina any amin'ny mpisorona izy;
10 ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany
fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo,
ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,
11 dia habokana efa ela teo amin'ny hoditry ny
nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory
izy, fa efa maloto.
12 Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin'ny
hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary hatramin'ny lohany ka
hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona,
13 ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa
manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa
efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
14 Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo
aminy, dia haloto izy.
15 Ary raha zahan'ny mpisorona ny nofo
mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena:
habokana izany.
16 Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga
fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
17 ary raha zahan'ny mpisorona ilay marary, ka
hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy, fa efa
madio.
18 Ary raha misy fery sitrana eo amin'ny
hoditry ny nofo,
19 ary misy fotsy mamontsina eo amin'ny holatry
ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin'ny mpisorona izy.
20 Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina
noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia
hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery
izany.
21 Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa
tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka
ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;
22 ary raha nanitra mihitsy teo amin'ny hoditra
izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
23 Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka
tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny
mpisorona hoe madio.
24 Ary raha misy main'ny afo eo amin'ny hoditry
ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
25 ary zahan'ny mpisorona ka hitany fa efa
niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny mifaritra mangirana, ary lalina
noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny may
izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
26 Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa
tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny
hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana
izy,
27 ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro
fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataony hoe
maloto: habokana izany.
28 Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy
mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia
mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa
fahamaimaizana ihany izany.
29 Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana
aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,
30 ary zahan'ny mpisorona ny aretina, ka lalina
noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia
hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo
amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
31 Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka
tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia
hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
32 Ary raha zahan'ny mpisorona ny aretina
amin'ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, atỳ tsy
misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
33 dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy
hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona
kongonina.
34 Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro
fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny
aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona
hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
35 Fa raha nanitatra teo amin'ny hoditra
mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
36 dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany
fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo
intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
37 Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina,
ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary
hataon'ny mpisorona hoe madio.
38 Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy
mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy
mangirana,
39 ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa misy
mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia
aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin'ny hoditra izany, madio izany.
40 Ary ny amin'ny lehilahy
mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
41 Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin'ny
handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
42 Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy,
na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin'ny
loha sola, na amin'ny mazavaray izany
43 Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa
tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo
amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,
44 dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny
mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina.
45 Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba
triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady
hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
46 Amin'ny andro rehetra izay haharariany
amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra
mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.
47 Amin'ny fitafiana izay misy habokana, na
fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,
48 sy izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany,
na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin'ny
hoditra,
49 raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny
fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay
ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka
haseho amin'ny mpisorona.
50 Ary hozahan'ny mpisorona ny aretina ka
hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
51 Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro
fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho
tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia
habokana mafy izany, ka dia maloto.
52 Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny
tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao
tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana
amin'ny afo.
53 Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany
fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny fitafiana, na teo amin'izay ho tenany,
na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,
54 dia hasain'mpisorona hosasana izay misy
izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
55 ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona
indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy
nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na
amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.
56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany
fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny
fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny
tenany, na izay ho fahany.
57 Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny
fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo
amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka
hodorana amin'ny afo izay misy izany.
58 Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany,
na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha
afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.
59 Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo
amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho
fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio,
na hanaovana azy hoe maloto.
*
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
2 Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro
fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy;
3 dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona
ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka,
4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo
sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina;
5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo
ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha;
6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo
sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo
amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano
mandeha.
7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka
amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy
hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary
rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy
hafitoana.
9 Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny
volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny
volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro
amin'ny rano, dia hadio izy.
10 Ary amin'ny andro fahavalo dia haka
zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy
kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo
diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
11 Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy
hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
12 dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny
mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka
hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
13 Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny
famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny
fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny
fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
14 Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny
fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay
hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
15 ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny
mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
16 dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony
ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito
eo anatrehan'i Jehovah.
17 ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia
hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy
ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay
nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
18 ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny
mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy
eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
19 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny
noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny
fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
20 ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra
dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho
an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
21 Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny
ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva
izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha
voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
22 ary domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary
ny anankiray hatao fanatitra dorana.
23 Dia ho eniny any amin'ny mpisorona ireo
amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah.
24 Dia horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondrilahy
izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho
fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
25 Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao
fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka
hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny
ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
26 ary hangalan'ny mpisorona ny diloilo ka
haidiny eo ampela-tànany ankavia;
27 dia hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony
ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo
anatrehan'i Jehovah;
28 dia hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo
izay eo an-tànany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny
ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay
nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
29 ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona
dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo
anatrehan'i Jehovah.
30 Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na
ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
31 dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny
ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra
hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo
anatrehan'i Jehovah.
32 Izany no lalàna ny amin'ny boka, raha tsy
tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
*
33 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
ka nanao hoe:
34 Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay
omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany
fanananareo,
35 dia handeha ny tompon-trano ka hilaza
amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.
36 Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny
entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny
zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona
hizaha ny trano;
37 ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa
mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary
milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,
38 dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona
ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
39 Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro
fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny
rindrin'ny trano izy,
40 dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato
izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;
41 dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra,
ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny
tanàna.
42 Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka
hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
43 Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka
mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky
sady voalalotra ny trano,
44 ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany
fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano
izany, ka dia maloto izy.
45 Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny
hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny
ivelan'ny tanàna.
46 Ary izay miditra ao amin'izany trano izany
amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro;
47 ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany;
ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
48 Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka
mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa
voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa
afaka ny aretina.
49 Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky
ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
50 Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay
misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray;
51 dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy
ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay
novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny
trano impito.
52 Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona
izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy
amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky.
53 Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny
vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio
izany.
54 Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra
sy ny kongonina,
55 ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy
amin'ny trano,
56 ary ny amin'ny mamontsina sy ny manako-pery
ary ny mifaritra fotsy mangirana,
57 hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana
sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.
*
1 [Ny lalàna ny amin'ny fitsihana sy ny
fadim-bolana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy
rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
3 Ary izao no ho fahalotoany, raha marary
mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana
ihany izany.
4 Maloto ny fandriana rehetra izay andrian'ny
marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
5 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia
hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
6 Ary izay mipetraka amin'ny zavatra izay efa
nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary
haloto mandra-paharivan'ny andro.
7 Ary izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika
dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny
andro.
8 Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary
mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto
mandra-paharivan'ny andro
9 Ary haloto ny lasely rehetra izay
itaingenan'ny marary mitsika.
10 Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo
ambaniny dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra izany zavatra
izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
11 Ary izay rehetra voakasiky ny marary
mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin'ny rano, dia
hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
12 Ary hovakivakina ny vilany tany izay
voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo
rehetra.
13 Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary
mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa
fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio.
14 Ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra
domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan'i Jehovah, eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin'ny
mpisorona izy.
15 Dia haterin'ny mpisorona ireo, ny anankiray
hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia
hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
16 Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia
hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
17 ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany
rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto
mandra-paharivan'ny andro izany.
18 Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia
samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
19 Ary raha misy vehivavy mararin'ny
fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia
haloto mandra-paharivan'ny andro.
20 Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny
andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia
haloto koa.
21 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia
hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
22 Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay
efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
23 Ary raha ao amin'ny fandriana izany, na ao
amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto
mandra-paharivan'ny andro.
24 Ary raha misy lehilahy mandry
amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy,
ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
25 Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela,
na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadim-bolany aza, na raha misy
mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy
amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany
ihany.
26 Ny fandriana rehetra andriany amin'ny
andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany
tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka
ny fahalotoany amin'ny fadim-bolany.
27 Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany
dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izy ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
28 Fa raha sitrana amin'ny faharariany
ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
29 Ary amin'ny andro fahavalo dia haka domohina
roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin'ny
mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
30 Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao
fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao
fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny
faharariany izay nahaloto azy.
31 Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny
Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty
azy ny fahalotoany.
32 Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika,
sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,
33 ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary
ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry
amin'ny vehivavy maloto.
*
1 [Ny Andro Fanavotana] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak'i Arona, tamin'izy nanatona teo
anatrehan'i Jehovah ka maty;
2 dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i
Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy;
dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay
eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo
ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
3 Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao
amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota
sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
4 Akanjo lava masina rongony fotsy no
hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary
fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no
hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo
azy.
5 Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia
handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao
fanatitra dorana.
6 Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy
izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho
an'ny tenany sy ny ankohonany izy.
7 Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka
hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana.
8 Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa:
ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'i Azazela.
9 Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay
niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
10 Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho
an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana
fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.
11 Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy,
izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho
azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao
fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany.
12 Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy
amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona
voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra
lamba.
13 Ary hataony eo amin'ny afo eo anatrehan'i
Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra
fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
14 Dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy ka
hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny
atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany
ny rà impito amin'ny fanondrony.
15 Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao
fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra
lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ny vantotr'ombilahy
ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
16 Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana
masina izy noho ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny
fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an'ny trano-lay fihaonana,
izay mitoetra eo aminy, eo afovoan'ny fahalotoany.
17 Ary aza avela hisy olona ao amin'ny
trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny fitoerana masina
Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany
ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
18 Dia hivoaka ho eo amin'ny alitara eo
anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny alitara; dia hangalany ny
ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka hatentiny amin'ny tandroky ny
alitara eo amin'ny zorony efatra.
19 Dia hofafazany ny rà impito amin'ny
fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin'ny fahalotoan'ny
Zanak'Isiraely.
20 Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an'ny
fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny
osilahy velona.
21 Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny
osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Isiraely
rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany
eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin'ny lehilahy
voatendry hankany an-efitra.
22 Ary ho entin'ny osilahy ho any an-efitra ny
helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
23 Dia hiditra ao amin'ny trano-lay fihaonana
Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao
amin'ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.
24 Dia handro amin'ny rano eo amin'izay
fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny
fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao
fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona.
25 Ary ny saboran'ny fanatitra noho ny ota dia
hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara.
26 Ary ilay mandefa ny osilahy ho an'i Azazela
dia hanasa fitafiana ka handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
27 Ary ny vantotr'ombilahy natao fanatitra noho
ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao
amin'ny fitoerana masina ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny
ivelan'ny amin'ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana
tain-drorohany.
28 Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana
sy handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
29 Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo:
amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo
ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo
aminareo.
30 Fa amin'izany andro izany no hanaovana
fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny
fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo
31 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany,
ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
32 Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy
hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana
rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina.
33 Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana
masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny
olona rehetra amin'ny fiangonana.
34 Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana
fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny
fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
*
1 [Ny amin'ny hamonoana ny biby hatao
fanatitra, sy ny amin'ny mifady rà] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
2 Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny
Zanak'Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian'i Jehovah:
3 Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely no
mamono omby, na zanak'ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan'ny toby,
4 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an'i Jehovah
eo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany
olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,
5 mba ho entin'ny Zanak'isiraely ho an'i
Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ho amin'ny mpisorona,
ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny
ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah izany.
6 Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin'ny
alitaran'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka handoro ny
saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
7 Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an'ny
Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin'ny taranany fara
mandimby izany.
8 Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin'ny
taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana,
na fanatitra hafa alatsa-drà,
9 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an'i Jehovah, dia hofongorana
tsy ho amin'ny fireneny.
10 Ary na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely,
na amin'ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny
olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy.
11 Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko
anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny
rà no manao fanavotana, satria aina izany.
12 Koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely
hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.
13 Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na
amin'ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia
haidiny amin'ny tany ny ràny ka hototofany;
14 fa ny amin'ny amin'ny nofo rehetra, dia ny
ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana
ny ran'ny nofo; fa ny ràny no ain'ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy
dia haringana.
15 Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na
vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa
fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao
hadio.
16 Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy,
dia ho meloka.
*
1 [Lalàna ny amin'ny hanamasinana ny
fanambadiana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo:
3 Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta,
izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako
anareo, ary aza manaraka ny fombany.
4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no
hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa
raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no
Jehovah.
6 Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy
ianareo: Izaho. no Jehovah.
7 Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa
reninao izy, ka aza mandry aminy.
8 Aza mandry amin'ny renikelinao; fa
nandrian'ny rainao izy.
9 Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny
rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany;
aza mandry aminy.
10 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny
zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy
roa.
11 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny
renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12 Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa
havan-drainao akaiky izy.
13 Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa
havan-dreninao akaiky izy.
14 Aza mandry amin'izay nandrian'ny
rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.
15 Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa
vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16 Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa
nandrian'ny rahalahinao izy.
17 Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny
zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny
zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18 Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny
rahavaviny izay mbola velona.
19 Ary aza mila vehivavy mararin'ny
fadim-bolany handry aminy.
20 Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao,
handoto ny tenanao aminy.
21 Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho
an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no
Jehovah.
22 Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry
amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23 Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny
tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra
fady indrindra izany.
24 Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra
izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay
efa horoahiko eo anoloanareo.
25 Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy
Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.
26 Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko
ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany,
na ny vahiny eo aminareo
27 (fa izany fahavetavetana rehetra izany no
nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
28 mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy
handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
29 Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana
izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
30 Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba
tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona
talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
*
1 [Didy maro samy hafa] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah
Andriamanitrareo.
3 Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo,
ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
4 Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy,
ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
5 Ary raha mamono zavatra hatao
fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay hankasitrahana
anareo izany.
6 Amin'izay andro amonoanareo zavatra hatao
fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa
tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo izany.
7 Ary raha hanina amin'ny andro fahatelo izany,
dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;
8 fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria
nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny izany olona izany.
9 Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo
ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay
latsaka avy amin'ny vokatrao.
10 Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny
sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny
malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
11 Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
12 Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny
anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
13 Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na
mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka
alina.
14 Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra
mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no
Jehovah.
15 Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza
miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no
hitsaranao ny namanao.
16 Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza
mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.
17 Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara
dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
18 Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray
firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
19 Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa
karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana
mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy
hafa karazana mifamahofaho.
20 Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay
voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy,
dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.
21 Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i
Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray
hatao fanati-panonerana;
22 ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay
ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana
izay nataony; dia havela izany fahotany izany.
23 Ary raha tonga any amin'ny tany ianareo ka mamboly
hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no
hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;
24 ary amin'ny taona fahefatra dia ho masina ny
voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an'i Jehovah;
25 fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny
voany ianareo, mba hitomboan'ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
26 Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy
na manandro.
27 Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza
manaratra ny vaokanao.
28 Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty,
na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah.
29 Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy
hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
30 Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako
masina: Izaho no Jehovah.
31 Aza mivily hanaraka izay manao azy ho
tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo
aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
32 Mitsangàna raha eo anatrehan'ny fotsy volo
ianao, ka manajà ny tavan'ny anti-panahy, ary matahora an'Andriamanitrao: Izaho
no Jehovah.
33 Ary raha misy mivahiny aminao eo amin'ny
taninareo, aza manao sarotra aminy.
34 Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka
ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba
vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
35 Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana,
na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjana, na amin'ny famarana.
36 Mizana marina, vato marina, efaha marina,
hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra
anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
37 Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny
fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
1 [Ny amin'ny fampijaliana hatao amin'izay
mandika ireo lalàna ireo] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na
iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany
ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
3 Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany,
ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an'i Moloka
ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.
4 Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny
vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an'i Moloka ny zanany,
5 dia hanandrina izany olona izany sy ny
ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay
rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.
6 Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao
azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy,
dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin'ny
fireneny izy.
7 Dia manamasina ny tenanareo ianareo, ka aoka
ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho
no Jehovah, Izay manamasina anareo.
9 Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny
reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny
dia ho aminy ihany.
10 Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny
vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa,
na ny mila, na ny ilainy.
11 Ary ny olona izay mandry amin'ny
vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy
roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
12 Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny
vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady
indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
13 Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny
lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy
roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
14 Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy
mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy
fahavetavetana eo aminareo.
15 Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny biby,
dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
16 Ary raha misy vehivavy manatona handry
amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny
ràny dia ho aminy ihany.
17 Ary raha misy lehilahy manambady ny
anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny
fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany,
ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny
ralehilahy ka meloka.
18 Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny
vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny ràny
izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny, dia hofongorana tsy ho
amin'ny fireneny izy roroa.
19 Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao,
na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany
ka ho meloka.
20 Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny
vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin'izay nandrian'ny
rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
21 Ary raha misy lehilahy maka ny
vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin'izay nandrian'ny
rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
22 Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny
fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako
anareo honenana.
23 Ary aza manaraka ny fanaon'ny firenena izay
efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
24 Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo
handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono
sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin'ny
firenena samy hafa.
25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny
vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na
amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay
navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
26 Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria
masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho
Ahy.
27 Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy
ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato
azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
*
1 [Lalàna ny amin'ny fahamasinan'ny mpisorona]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona,
zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,
2 afa-tsy amin'ny tahaka ny tenany, dia ny
reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
3 ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka
ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto
ny tenany.
4 Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy,
satria andriana eo amin'ny fireneny izy.
5 Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny
vaokany, na hitetika ny tenany.
6 Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy
hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
7 Aoka tsy hanambady izay vehivavy
mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa
nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
8 Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao
no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina
anareo.
9 Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto
ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana
amin'ny afo.
10 Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny
rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy
ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
11 Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka
tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza.
12 Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana
masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny
diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
13 Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola
virijina izy.
14 Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny
voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy
amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
15 Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany
eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
16 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
17 Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy
kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka
tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny;
18 Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo
manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny
manana amby,
19 na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
20 na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy
pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny
torotoro vihy.
21 Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona
mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra
ny hanin'Andriamaniny.
22 Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny
zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
23 kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny
efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto
ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
24 Ary Mosesy dia nilaza izany tamin'i Arona sy
ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra.
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao
hoe:
2 Mitenena amin'i Arona sy ny zanany mba
hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina izay hamasinin'ny
Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho no Jehovah.
3 Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin'ny
zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina
izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo
anatrehako: Izaho no Jehovah.
4 Na iza na iza amin'ny taranak'i Arona no boka
na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Ary izay
rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan'ny azy,
5 na izay mikasika biby mandady na mikisaka
izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,
6 ny olona izay mikasika izany dia haloto
mandra-paharivan'ny andro ka tsy hihinana amin'ny zava-masina, raha tsy mandro
amin'ny rano.
7 Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio
izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin'ny zava-masina, satria fihinany izany.
8 Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby,
dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.
9 Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana
izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin'ny nanamavoany azy: Izaho
Jehovah no manamasina azy.
10 Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana
zava-masina; na izay mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy
tsy mahazo mihinana zava-masina.
11 Fa raha misy olona novidin'ny mpisorona, dia
hahazo mihinana amin'izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin'ny
fihinan'ny mpisorona koa.
12 Ary raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady
olon-kafa, dia tsy hihinana amin'ny fanatitra avy amin'ny zava-masina izy.
13 Fa raha misy zanakavavin'ny mpisorona maty
vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy
toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa
aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
14 Ary raha misy olona mihinana tsy nahy
amin'ny zava-masina, dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady
hampiany ho tonga avy fahenina:
15 Ary aoka tsy hisy hametaveta ny
zava-masin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'i Jehovah,
16 na hahatonga ota aman-keloka noho ny
nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
*
17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
18 Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny
zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny
vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany
voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra
dorana,
19 dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na
omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
20 Izay rehetra misy kilema dia tsy
haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
21 Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho
an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby
izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no
hateriny mba hankasitrahana azy.
22 Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny
kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy
haterinareo ho an'i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin'ny afo eo ambonin'ny
alitara ho an'i Jehovah.
23 Na omby, na ondry, na osy, izay misy
sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra
hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
24 Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra,
na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an'i Jehovah; ary
aza manao izany eo amin'ny taninareo.
25 Ary raha misy entin'olona hafa firenena aza
izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin'Andriamanitrareo,
satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
26 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
27 Raha misy omby, na ondry, na osy, vao
teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin'ny andro
fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah.
28 Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny
osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
29 Ary raha mamono zavatra hatao
fanati-pisaorana ho an'i Jehovah ianareo, dia amin'izay hankasitrahana anareo
no hamonoanareo azy.
30 Amin'izany andro izany ihany no hihinanana
azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah
31 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany:
Izaho no Jehovah.
32 Ary aza manamavo ny anarako masina; fa
hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
33 Izay nitondra anareo nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo; Izaho no
Jehovah.
*
1 [Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny
fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny
amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana
masina, dia izao no izy:
3 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro
fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha
akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra
izany.
4 Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i
Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy:
5 Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny
volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny
mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy
fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;
8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina
koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
9 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
10 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa
tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia
mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona
ianareo;
11 ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i
Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no
hanevahevan'ny mpisorona azy.
12 Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny
amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho
fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
13 Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba
tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao
amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina
momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
14 Ary aza mihinana mofo, na lango, na
salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho
an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara
mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
15 Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny
Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva,
dia fito herinandro mipaka.
16 Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no
hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina
vaovao ho an'i Jehovah indray.
17 Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny
fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa
ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra
ho an'i Jehovah izany.
18 Ary manatera miaraka amin'ny mofo
zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray
ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra
atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
19 Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho
ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.
20 Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny
mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah
mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho
anjaran'ny mpisorona.
21 Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana
masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny
taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
22 Ary raha mijinja ny vokatry ny
tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza
tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny
vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
24 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny
andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia
fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.
25 Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa
manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
26 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
27 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana
fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary
hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah.
28 Ary aza manao raharaha akory amin'izany
andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.
29 Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory
amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
30 Ary ny olona rehetra izay manao raharaha
akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.
31 Aza manao raharaha akory; ho lalàna
mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay
rehetra honenanareo.
32 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany,
ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana,
rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no
hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
33 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
34 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny
andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no
hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo
hafitoana ho an'i Jehovah.
35 Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana
masina: aza manao tao-zavatra akory.
36 Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana
masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah
ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
37 Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i
Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny
afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra
hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra,
38 afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah
sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny
fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah.
39 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia
tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany
dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
40 Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny
hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary
hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
41 Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho
an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo
hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo
azy.
42 Ao amin'ny trano rantsan-kazo no
hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy
hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa,
43 mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy
ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka
avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
44 Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny
Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny fanamboarana ny jiro sy ny fanaovana
ny mofo aseho] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao
diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
3 Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny
Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy,
hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva;
ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.
4 Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no
handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
5 Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo
roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray.
6 Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra
tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray
toerana.
7 Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny
isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
8 Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva
eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena
mandrakizay.
9 Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka
hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona
izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.
10 [Ny amin'ny fampijaliana izay miteny ratsy
ny anaran'i Jehovah mbamin'ny valin'ny famonoana] Ary nisy lehilahy anankiray
nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa
lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy
Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
11 Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny
vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no
anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy);
12 ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay
ho didin'i Jehovah.
13 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
14 Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona,
ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka
ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
15 Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na
iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka,
16 Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia
hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na
tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
17 Ary izay mahafaty olona dia hatao maty
tokoa.
18 Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra
azy: biby solon'ny biby.
19 Ary raha misy obona manakilema ny namany,
dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
20 tapaka solon'ny tapaka, maso solon'ny maso,
nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy
kosa.
21 Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra
azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
22 Fitsipika iray no hitondrana anareo, na
vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23 Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely,
dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely
dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Lalàna ny amin'ny taona sabata sy ny Jobily]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga
any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an'ny
tany, dia sabata ho an'i Jehovah.
3 Enin-taona no hamafazanao ny taninao,
enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
4 fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana
ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah; aza mamafy amin'ny taninao ianao,
ary aza mamboatra ny sahanao.
5 Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny
voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy
tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an'ny tany izany.
6 Ary izay maniry ho azy amin'ny sabatan'ny
tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny
mpikarama sy ny vahiny eo aminao
7 sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo
amin'ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia
fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron'ireo sabatan-taona fito ireo dia
sivy amby efa-polo taona.
9 Dia mitsofa anjomara avo feo amin'ny andro
fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo
anjomara eran'ny taninareo.
10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka
miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho
anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny
mpianakavinareo avy.
11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo
izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa
nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin'izay tsy
namboarinareo;
12 fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay
vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
13 Amin'izany taona Jobily izany dia samy hody
amin'ny taninareo avy ianareo.
14 Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny
namanao ianao, aza misy manao sarotra:
15 araka ny isan'ny taona aorian'ny Jobily no
hividiananao amin'ny namanao; ary araka ny isan'ny fararano no hivarotany
aminao.
16 Araka ny hamaron'ny taona no hampitomboanao
ny vidiny, ary araka ny havitsin'ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa
araka ny isan'ny fararano no hivarotany aminao.
17 Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa
matahora an'Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
18 Ary araho ny didiko, ary tandremo ny
fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin'ny tany ianareo.
19 Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana
ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
20 Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no
hohaninay amin'ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny
vokatray;
21 dia hataoko aminareo ny fitahiako amin'ny
taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin'ny telo taona.
22 Ary hamafy amin'ny taona fahavalo ianareo ka
hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona fahasivy; mandra-pahatongan'ny
vao no hihinananareo ny tranainy.
23 Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy
ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
24 Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo
amin'ny tany rehetra izay lovanareo.
25 Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka
nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny
rahalahiny.
26 Ary raha tsy manan-kavana hanavotra
ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
27 dia aoka hanisa ny taona hatramin'ny
nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an'ny lehilahy izay
nivarotany azy; ka dia hody amin'ny taniny izy.
28 Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana
izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan'ilay nividy azy ihany
mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin'ny Jobily, ka hody
amin'ny taniny ralehilahy.
29 Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana
ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny
herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no hahazoany manavotra azy.
30 Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny
herintaona kosa ilay trano ao amin'ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty
ho an'izay nividy azy sy ho an'ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia
amin'ny Jobily aza.
31 Fa ny trano ao amin'ny vohitra izay tsy misy
manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany
izany, na ho afaka amin'ny Jobily.
32 Kanefa ny amin'ny tanànan'ny Levita, ny
trano ao amin'ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon'ny Levita avotana ihany na
oviana na oviana.
33 Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho
afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny
trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny Zanak'Isiraely.
34 Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia
tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
35 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay
miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao
tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa
matahora an'Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
37 Aza mampanàna vola aminy, ary aza
mampisambotra hanina hahazoana tombony:
38 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay
nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, hanome anareo ny tany
Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
39 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka
mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
40 fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny
mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan'ny taona Jobily no
hanompoany anao.
41 Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody
amin'ny mpianakaviny sy amin'ny tanin-drazany koa.
42 Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
43 Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora
an'Andriamanitrao.
44 Ary ny amin'izay ho andevolahinao sy
andevovavinao, dia amin'ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo
azy.
45 Ary amin'ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy
amin'ny taranany izay haterany eo amin'ny taninareo no hividiananareo koa; ary
dia ho fanananareo izany.
46 Ary hataonareo lovan'ny zanakareo mandimby
anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny
Zanak'Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
47 Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay
monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa
ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao, na amin'ny taranaky ny vahiny;
48 na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana
indray; ny anankiray amin'ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
49 na ny rahalahin-drainy, na ny
zanak'olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin'ny mpianakaviny no
mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
50 Ary dia hisainy amin'izay nividy azy
hatramin'ny taona nivarotana azy ka hatramin'ny taona Jobily; ary ny vola
nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan'ny taona; dia ara-kevitry ny
andron'ny mpikarama no hiheverana azy.
51 Raha mbola maro ny taona sisa, dia
ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin'ny vola vidiny teo aloha.
52 Any raha vitsy kosa ny taona sisa
mandra-pahatongan'ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry
ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
53 Tahaka izay karamaina isan-taona no
hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
54 Ary raha tsy voavotra amin'izay izy, dia ho
afaka amin'ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
55 Fa mpanompoko ny Zanak'Isiraely, dia
mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
*
1 [Fitahiana sy ozona] AZA manao
andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao
tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny
taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
2 Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako
masina: Izaho no Jehovah.
3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny
didiko ianareo ka mankatò izany,
4 dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany
Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
5 Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny
taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny
taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny
taninareo.
6 Any homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo
ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka
amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
7 Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho
lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
8 Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary
ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho
lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9 Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny
taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
10 Any hihinana ny tranainy ianareo, sady
hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11 Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo
aminareo; ary tsy ho halan'ny fanahiko ianareo.
12 Ary handeha eo aminareo Aho ka ho
Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
13 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay
nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony
ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo
mijoro,
14 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy
mankatò ireo didy rehetra ireo,
15 ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo
ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny
fanekeko,
16 Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy
fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay
manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo,
fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17 Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy
eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka
anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
18 Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo
amin'izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny
fahotanareo.
19 Ary horavako ny reharehan'ny herinareo, ka
hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny
herinareo ho lany foana;
20 fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any
tsy hamoa ny hazo amin'ny tany.
21 Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo,
ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny
fahotanareo.
22 Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia,
ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy
isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
23 Any raha tsy mandray ny anatro amin'izany
ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
24 Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka
hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25 Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho
valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny
tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary
hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo ianareo.
26 Raha tapahiko ny vary, izay tohan'ainareo,
dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary
an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
27 Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin'izany
indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
28 dia hamely anareo amin'ny fahatezerana kosa
Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
29 Dia hihinana ny nofon'ny zanakareo-lahy sy
ny zanakareo-vavy ianareo.
30 Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy
hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako
eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko ianareo.
31 Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny
fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
32 Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona
amin'izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33 Ary ianareo dia haeliko any amin'ny
jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny
taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
34 Ary amin'izany ny tany dia hanonitra ny
sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin'ny tanin'ny
fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
35 amin'ny andro hahafoanany rehetra no
hitsaharany ho solon'izay tsy nitsaharany tamin'ny sabatanareo, raha mbola
nonina teo ianareo.
36 Ary ny amin'ny sisa aminareo any amin'ny
tanin'ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny
feon'ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny
mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
37 Ary ho lavo mifanindry toy ny
mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo
anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
38 Any dia ho lany ringana any amin'ny
jentilisa ianareo, any ho lanin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo.
39 Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any
amin'ny tanin'ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
40 Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny
razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin'ny nanoherany Ahy,
41 ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho
any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry amin'izany ny fony tsy voafora,
any hanonitra ny amin'ny helony izy,
42 dia hotsarovako ny fanekeko tamin'i Jakoba
sy ny fanekeko tamin'Isaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama; ary hotsarovako
koa ny tany.
43 Ary ny tany hilaozan'ny olona ka hanonitra
ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny
amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan'ny fanahiny ny didiko.
44 Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any
amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao
lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah
Andriamaniny.
45 Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny
fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo
Imason'ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
46 lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay
nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra
Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.
*
1 [Lalàna ny amin'ny voady sy ny
fahafolon-karena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mltenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha
misy olona hanala voady, dia ho an'i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
3 Ary ny hataonao tomban'ny lehilahy
hatramin'ny roa-polo taona ka hatramin'ny enim-polo taona dia sekely volafotsy
dimam-polo araka ny sekely masina;
4 fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa
no hataonao tombany.
5 Ary raha hatramin'ny dimy taona ka
hatramin'ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban'ny
lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
6 Ary raha hatramin'ny iray volana ka
hatramin'ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban'ny
zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban'ny zazavavy.
7 Ary raha hatramin'ny enim-polo taona no ho
miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin'ny folo no hataonao
tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
8 Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa
izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy, ary ny
mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan'ilay nivoady no
hanombanan'ny mpisorona azy.
9 Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho
an'i Jehovah, dia ho masina ho an'i Jehovah izay rehetra omena amin'izany.
10 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny
tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny tsara; ary raha biby no
atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony.
11 Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra
ho an'i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy;
12 ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na
ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy.
13 Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia
hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany.
14 Ary raha misy olona manamasina ny tranony ho
an'i Jehovah, dia hotombanan'ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa
araka izay hataon'ny mpisorona tombany no izy.
15 Ary raha tian'ny tompony havotana ny tranony
izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany,
dia ho azy ny trano.
16 Ary raha misy olona manamasina ho an'Jehovah
ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra
famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy
dimam-polo.
17 Raha misy manamasina ny taniny, raha vao
afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy.
18 Fa raha misy manamasina ny taniny ao
aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa,
dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
19 Ary raha tian'ilay nanamasina azy havotana
ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho
tapaka ho azy.
20 Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa
nivarotra azy tamin'olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.
21 Fa raha afaka amin'ny Jobily ny tany, dia ho
masina ho an'i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho
tompony.
22 Ary raha misy manamasina ho an'i Jehovah ny
tany novidiny, izay tsy amin'ny zara-taniny,
23 dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry
ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao
tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah.
24 Amin'ny taona Jobily no hodian'ny tany
amin'izay nividianana azy, dia ho an'izay tompon-dova.
25 Ary ny tombany rehetra izay hataonao dia ho
araka ny sekely masina: ho gera roa-polo ny sekely iray.
26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia
izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na
omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany.
27 Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka
izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana
izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany.
28 Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan'ny
olona ho an'i Jehovah amin'izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay
fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masina dia masina ho an'i Jehovah ny
zavatra rehetra izay atokana.
29 Ny olona rehetra izay atokana dia tsy
havotana, fa hatao maty tokoa.
30 Ary ny ampahafolon'ny vokatra rehetra ao
amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na avy amin'ny saha, dia an'i Jehovah;
masina ho an'i Jehovah izany.
31 Ary raha misy tian'ny tompony havotana ny
ampahafolon'ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy.
32 Ary ny amin'ny ampahafolon'ny omby, na ny
ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra mandalo eo ambanin'ny
tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah.
33 Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy
hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny
takalony ka tsy havotana.
34 Ireo no didy izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.