[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Titosy
Accès direct aux chapitres de Tite : 1, 2, 3
1 [Fiarahabana] Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy
Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra
sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka
an'Andriamanitra,
2 amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay
nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
3 fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny
tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra,
Mpamonjy antsika;
4 ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana
iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray
sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 [Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny
faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako anao tany Kreta,
dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona* amin'ny
isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [* Gr. presbytera]
6 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady
tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy
na ho maditra.
7 Fa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny,
fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora
tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena,
marina, masina, mahonom-po,
9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina,
mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema* sady handresy
lahatra ny mpanohitra. [* Gr. salama]
10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka,
indrindra fa ny avy amin'ny voafora -
11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika
mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
12 Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy:
"Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda".
13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia
anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, [* Gr. salama]
14 tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny
olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona
madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na
inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
16 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà
Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay
tsy manao asa tsara na inona na inona.
1 [Ny mety hataon'ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy
ny mpanompon'olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia
milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema*; [* Gr. salama]
2 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona,
ho hendry, hatanjaka* amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana.
[* Gr. salama]
3 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy
izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny
divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
4 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny
vadiny, ho tia ny zanany,
5 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony,
ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy* ny
tenin'Andriamanitra. [* Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat. 9,3]
6 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
7 ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho
fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny
fahamaotinana,
8 ny teny tsy misy kilema*, izay tsy azo tsinina, mba ho
menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [* Gr. salama]
9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao
izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
10 tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy
mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy
antsika, amin'ny zavatra rehetra.
11 Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay
famonjena ny olona rehetra,
12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka
an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy
ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana
ankehitriny izao,
13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny
voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [*
Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba
hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho
an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.
15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny
fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
1 Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy
manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,
2 tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho
mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.
3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka,
dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo
sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
4 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra,
Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5 dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay
nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny
fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
6 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i
Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7 mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga
mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
8 Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia
tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao
asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny
tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy
mahasoa sady zava-poana izany.
10 Izay mpanao hevi-diso*, rehefa nanarinao indray maka
na indroa, dia ialao, [* Na: olona mitokana ho azy]
11 satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady
manota no manamelo-tena koa.
12 Rehefa maniraka an'i Artema ny Tykiko ho atỳ
aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny
ririnina any aho.
13 Mazotoa hamoaka an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy,
mba tsy hisy zavatra hilainy.
14 Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara
hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
15 Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko.
Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie
ny fahasoavana.