[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Filipiana
Accès direct aux chapitres des Philippiens : 1, 2, 3, 4
1 [Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy
Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i
Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina* sy ny diakona izay any Filipy; [* Gr.
episkopo]
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo
4 mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo
rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
5 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara
hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
6 ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao
anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
7 fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria
efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo
rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny
filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo
rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.
9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo
bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra*, mba
ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo, [* Na:
samy hafa]
11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny
alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
12 [Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny
fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy
dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
13 ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny
mpiambina andriana rehetra* mbamin'ny olona hafa rehetra; [* Gr. mpiambina
pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria]
14 ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao
amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny
tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
15 Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i
Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;
16 fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry
ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
17 fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i
Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
18 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny
atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no
torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
19 Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany
noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana* ny Fanahin'i Jesosy Kristy, [* Na:
fanomezan']
20 araka ny hafatratry ny faniriako sy ny
fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny
fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no
hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny
fahafatesana.
21 Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny
fahafatesana no hahazoako tombony.
22 Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no
hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
23 fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho,
maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
24 kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no
mahasoa anareo kokoa.
25 Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa
hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy
fifaliana amin'ny finoanareo,
26 mba hitombo noho ny ataoko ny
firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako atỳ aminareo
indray.
27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo
ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho
tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray
ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
28 ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina
ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana
izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra.
29 Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy,
tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
30 dia manana izany ady izany ianareo, izay
hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
1 [Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra
tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy] Koa raha misy
famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana,
raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
2 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo
saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
3 tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana,
na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany
ho mihoatra noho ny tenany.
4 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny
namany koa.
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i
Kristy Jesosy koa,
6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia
tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny
mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia
nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana
tamin'ny hazo fijaliana.
9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy
nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no
handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ
an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
11 sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo
ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
12 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo
mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa
aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny
famonjena anareo.
13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana
na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
14 Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana
sy ny tsi-fisalasalana,
15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo,
dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra,
izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
16 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako
amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny
fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo
rehetra.
18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary
miaraha mifaly amiko.
19 [Ny amin'i Timoty sy Epafrodito] Nefa
manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho
atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
20 Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko* aho
na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. [* Na: aminy]
21 Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy,
fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
22 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha
toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka
manompo ny rainy.
23 Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako
izay ho toetro.
24 Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola
ho avy faingana koa.
25 Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko
hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no
miaramila namako ary irakareo* sy mpanompo hanome izay nilaiko. [* Gr.
apostolinareo]
26 Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo,
satria efa renareo fa narary izy.
27 Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa
Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao
hanana alahelo mifanontona aho.
28 Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo,
rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
29 Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana
indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;
30 fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny
ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
1 [Anatra nataon'i Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana
izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin'ny fitondran-tena tsara
rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia* ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny
manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [* Na: veloma]
2 Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny
tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema.
3 Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny
Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy
mitoky amin'ny nofo;
4 kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany
aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho;
5 fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny
fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny
Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
6 araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana*; araka
ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. [* Gr. eklesia]
7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa
noho ny amin'i Kristy.
8 Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra
rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko,
Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny
mba hahazoako an'i Kristy;
9 ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny
fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy,
dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;
10 eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany
tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny
endriky ny fahafatesany,
11 raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny
maty.
12 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka
sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
13 Ry rahalahy, tsy mbola ataoko* fa efa nahazo ny
tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka
miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [* Na: (tsy nataoko)]
14 eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny
lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony* ao amin'i Kristy Jesosy. [* Na: ho
any ambony]
15 Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany;
fa hasehon'Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
16 Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola
hizorantsika.
17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho
izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo
matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa
fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny;
19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny,
ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy.
20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary
avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
21 Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika
ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay
ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
1 Ary amin'izany, ry rahalahy sady malalako no
mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo
ianareo, ry malalako.
2 Mananatra an'i Eodia aho, ary mananatra an'i
Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo izy.
3 Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena
mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo
amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa,
izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
4 Mifalia* mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray:
Mifalia*. [* Na: veloma]
5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny
fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny
fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.
7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra
noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy
Jesosy.
8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona
marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na
inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza,
raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo
ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny
fiadanana.
10 [Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny
fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano.
Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray
ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola
nahita andro hanaovana ianareo.
11 Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho
efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
12 Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na
aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho
noana aho ary hanam-be sy halahelo.
13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery
ahy.
14 Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka
niantra ahy.
15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny
niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy
fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana,
afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia]
16 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho
ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
17 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa
mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
18 Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy
aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra
nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady
ankasitrahany.
19 Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho
anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.
20 Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra
mandrakizay mandrakizay. Amena.
21 Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i
Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
22 Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra
fa ny ankohonan'i Kaisara.
23 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy
Kristy Tompo.