[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Nahoma
Accès direct aux chapitres de Nahum : 1, 2, 3
1 [Ny handravana an'i Ninive noho ny fandozany]
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Ninive, dia ny bokin'ny fahitan'i Nahoma
Elkosita.
2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah;
Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny
rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
3 Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina
ny meloka; Amin'ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan'i Jehovah. Ary rahona no
vovoky ny tongony.
4 Miteny mafy ny ranomasina izy ka mahatankina azy Ary
mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin'i
Libanona.
5 Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo
ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny
mponina rehetra ao aminy.
6 Iza no mahatoetra eo anoloan'ny fahavinirany?
Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny
fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
7 Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin'ny andro
fahoriana,Ka mahalala izay mialoka aminy.
8 Fa amin'ny riaka manafotra no anafoanany ny
fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin'ny* maizina.[Na:
henjehin'ny; na henjehiny amin'ny]
9 Inona no heverinareo ho enti-manohitra an*'i Jehovah ?
Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.[Na: ahoana no
hevitrareo ny amin'i]
10 Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady
vonton'ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina*
izy.[Na: dia ho levona toy ny vodivary karankaina]
11 Avy tao aminao no nivoahan'ny anankiray izay
misain-dratsy ho enti-manohitra an'i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
12 Izao no lazain'i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka
mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory
anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
13 Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao,
Ary hotosako ny famatorana anao.
14 Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho
velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon'ny
andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao
ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
*
1 Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny
mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro
firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao
intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
2 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno
ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
3 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr*'i
Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr*'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy
Ary nanimba ny sampam-boalobony.[*Na: miverina ho amin'ilay reharehany][**Na:
toy ny amin'ny reharehany]
4 Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny,
Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy
ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
5 Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka
mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy,
Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
6 Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo
tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin'ny manda ireny,
Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
7 Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka* ny
lapa.[Heb: miempo]
8 Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia*
lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady
miteha-tratra.[Na: Hozaba dia nampitanjahina ka]
9 Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay
nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy
miherika.
10 Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy
hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan'ny fanaka mahafinaritra rehetra.
11 Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny
fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny
rehetra.
12 Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben'ny
liona tanora ? Ilay nandehanan'ny liona sy ny liom-bavy mbamin'ny zana-diona,
Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
13 Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho
an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha
ny fonenany.
14 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao* Ary hovonoiko sabatra ny
liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny
feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]
*
1 Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy
fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
2 Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny
fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny
kalesy!
3 He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly!
Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny
habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny,
voafingampingan'ny faty ny olona,
4 Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga
tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny
fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany.
5 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka
hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny
fahamenaranao.
6 Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko
tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7 Arv izay rehetra mijery anao dia handositra
anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no
hitadiavako izay hampionona anao ?
8 Tsara noho No-amona va ianao? Ilay
nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be* no rovany,
Ary ny rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina]
9 Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady
tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy*.[Heb. anao]
10 Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko
babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny;
Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
11 Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa
hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
12 Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy
misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao
am-bavan'izay hihinana aza.
13 Indro, vehivavy no olonao ao aminao;
Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny
hidinao.
14 Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano;
Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny
lafaoro fandoroam-biriky.
15 Any no handevonan'ny afo anao Sy
handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao ianao;
Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
16 Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin'ny
lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka* ny valalavao ka lasa manidina.[Na: mandevona]
17 Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny
mpifehinao* dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha
mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka
tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao]
18 Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i
Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny
olonao. Ka tsy misy mamory azy.
19 Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo
sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana
anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?