[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Mpitoriteny
Accès direct aux chapitres de l’Ecclésiaste : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12
1 [Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra
rehetra] Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana
dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
3 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra
izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?
4 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka
iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5 Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika
sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.
6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra,
mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina,
nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no
iverenany indray.
8 Maivana* ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza**;
ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.[*Heb. Feno
fahasasarana][**Na: Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain'ny olona
lazaina]
9 Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa
natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ
ambanin'ny masoandro.
10 Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao,
dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.
11 Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa
dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
12 [Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin'ny
fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany
Jerosalema;
13 ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka
amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa
mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.
14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ
ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany
rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]
15 Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy
mba azo isaina*.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy tambo isaina]
16 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo
fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny,
ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
17 Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy
hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra*
foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]
18 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay
mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
1 [Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra
momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo:
Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny
fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
2 Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny
fifaliana hoe: Mahefa inona?
3 Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny
divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary
hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka
tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao
tanim-boaloboka,
5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa
samy hafa karazana tao;
6 nanao kamory aho handemana ny ala be
zana-kazo;
7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady
nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy
mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary
fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo
mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona,
dia vady sy vaditsindrano betsaka*. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be
dia be]
9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay
rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato
amiko ihany.
10 Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia
tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana
aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no
anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.
11 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra
nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy
misambo-drivotra* foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ
ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]
12 [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny
fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro
itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny
fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby
ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
13 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara* noho
ny fahadalana, toy ny fahatsaran**'ny mazava noho ny maizina.[*Heb.
mihoatra][**Heb. fihoaran']
14 Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny
adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy
roa tonta.
15 Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo
ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho?
Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
16 Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay
na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy.
Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
17 Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho
ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy
misambo-drivotra* foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]
18 Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay
nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay
handimby ahy izany,
19 ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa
izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko
tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
20 Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana
ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.
21 Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny
fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory
no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa
izany.
22 Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra
sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?
23 Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny
fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy
manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
24 Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy
misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia
efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra* [Na: Tsy misy tsara amin'ny
olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny
fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa]
25 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra
noho izaho?).
26 Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny
fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona
sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy
misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
1 [Ny filaharan'ny zavatra samy amin'ny fotoany avy, sy
ny mbola hitsaran'Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary ny anton'ny nanaovana ny
olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary
samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra:
2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana;
Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
3 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao
ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
4 Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao
ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
5 Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro
anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
6 Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao
ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
7 Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao
ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
8 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny
andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
9 Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?
10 Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra
ny zanak'olombelona hisasarany.
11 Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny
fotoany avy; ary ny mandrakizay* dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy
hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny
farany.[na: izao tontolo izao]
12 Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy
ny mifaly sy ny manao tsara*, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa]
13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra
amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia
haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia
ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
15 Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho
avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay
efa lasa*. [Heb. voaroaka]
16 Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny
masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny
fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
17 Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny
marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra
sy ny asa rehetra.
18 Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona
izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra* azy, ka ho hitany fa raha ny tenany
ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra]
19 Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary
zavatra sendrasendra foana koa ny biby*, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa
tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany
no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa
samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa izay manjo ny zanak'olombelona dia manjo ny
biby koa]
20 Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy
tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny* vovoka indray izy rehetra.[Na:
hody]
21 Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra
any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na
tsia*? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony,
na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]
22 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny
olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay
ho avy any aoriany?
1 [Ny manjo ny olona noho ny fampahorian'ny sasany azy,
sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny ataon'ny mpitondra azy] Dia hitako
koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny
ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny
tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
2 Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra
noho ny velona izay mbola velona,
3 nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary,
izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.
4 Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra
rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy
misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
5 Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
6 Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny
eran-tànan-droa misy fisasarana* sady misambo-drivotra** foana.[*Na: Tsara ny
fiadanana eran-tànan'ila noho ny fisasarana,][**Na: Homan-drivotra]
7 Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny
masoandro:
8 Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy
manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary
ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy
tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9 Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny
fisasarany.
10 Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra
ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11 Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa
hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12 Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony
tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
13 Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra
adala ka tsy laitra anarina intsony;
14 fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia
nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy*. [na: fa na dia nateraka
tamin'ny fanjakany aza izy, dia tamin'alahelo ihany]
15 Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ
ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana
handimby ny teo.
16 Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra
anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy
misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
17 [Ny mety hatao
amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny
tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no
tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy
izy.
Chapitre 5
1 Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo
anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao
etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
2 Fa ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny
haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala.
3 Raha mivoady amin'Andriamanitra ianao, aza manao
ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
4 Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.
5 Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao;
ary aza manao eo imason'ny anjely* hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho
tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan'ny tananao? [Na:
iraka;]
6 Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy
izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
7 [Ny mbola hitsarana ny mpampahory sy ny mpamadika ny
rariny ary ny maha-zava-poana ny harena sy ny tokony hifaliana amin'izay
omen'Andriamanitra] Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana
ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony
kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
8 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany
ny fisian'ny mpanjaka amin'izay tany volena.
9 Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay
fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa
izany.
10 Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana
azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny
ihany?
11 Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be
izy; fa ny haben'ny ananan*'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.[Na: ny
fahavokisan']
12 Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin'ny
masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, nefa mampidi-doza amin'ny tenany;
13 sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary
miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
14 Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny,
dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho
entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
15 Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany
indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an'ny
rivotra?
16 Ary koa, homa-maizina amin'ny androny rehetra izy sady
manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.
17 Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny
mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny
olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany
omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
18 Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola
aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy
hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
19 Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria
ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.
1 [Ny fahantran'ny sasany noho ny tsy ahitany soa amin'ny
zavatra ananany] Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ary
mitambesatra amin'ny olona izany:
2 dia olona izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sy
voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy
omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany izy, fa olon-kafa no homana
azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
3 Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra,
ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba
alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa
noho izy.
4 Fa toa zava-poana no nihavian'io, ary mandeha ao
amin'ny maizina izy, sady ho voasaron'ny aizina ny anarany,
5 ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy,
mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.
6 Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy
nahita soa, tsy ho any amin'ny fitoerana iray ihany va no alehan'izy rehetra?
7 Ny fisasarana rehetra ataon'ny olona dia ho an'ny
vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8 Fa inona no soa azon'ny hendry noho ny adala? Inona no
azon'ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason'ny velona?
9 Ny fahitan'ny maso dia mahafinaritra noho ny
firenirenin'ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na:
Homan-drivotra]
10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela,
ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy.
11 Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no
soa azon'ny olona?
12 Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao
fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny
aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany
atỳ ambanin'ny masoandro?
1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny mahasoa ny olombelona]
Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo
ny andro ahafatesana.
2 Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny
mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona
rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
3 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza
ny tarehy, mety tsara* ihany ny fo.[Na: faly]
4 Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana;
fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.
5 Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny
mihaino ny hiran'ny adala.
6 Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany,
dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.
7 Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny
kolikoly mahasimba ny fo.
8 Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara
ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
9 Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny
fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.
10 Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha
noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.
11 Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa
ho an'izay mahita masoandro izany.
12 Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny
vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny
fahendrena.
13 Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy
izay nataony ho meloka?
14 Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro
mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny
olona akory izay ho avy any aoriany.
15 Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko
mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona
amin'ny haratsiany.
16 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra;
nahoana noho simbanao ny tenanao?
17 Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho
faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
18 Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny
tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany
rehetra izany.
19 Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny
mpanapaka folo ao an-tanàna.
20 Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao
tsara ka tsy manota.
21 Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao
handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
22 fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba
efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
23 Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny
fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
24 Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza
no mahatakatra azy?
25 Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy
handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny
faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
26 ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy,
izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay
ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho
azony.
27 Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha
nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
28 Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao:
lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy
arivo* dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb. teo amin'ireo dia tsy
nisy vehivavy hitako,etc]
29 Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra
mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
1 Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala
izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary
voaova ny fahadontoan'ny endriny.
2 Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho
ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.
3 Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra
amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
4 fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza
no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
5 Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana*
amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy
fitsarana;[Heb. mahalala]
6 fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy
avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky* ny olona.[Na: fahorian']
7 Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no
hampahafantatra azy izay hihaviany?
8 Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na
manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady,
ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.
9 Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny
nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny
masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
10 Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka
tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny
masina ka nohadinoina tao an-tanàna*; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra
izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay
efa nanaovany izany]
11 Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy
atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
12 Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka
ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra
an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
13 Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny
aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo
anatrehan'Andriamanitra.
14 Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny
tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy
olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa
izany.
15 Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny
olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny
miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay
nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.
16 [Ny tsi-fahatakaran'ny saina ny
fitondran'Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana amin'izay soa hita ary
hahazotoana amin'izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko ny foko hahalala
fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy
mahita torimaso na andro na alina),
17 dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy
takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia
mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no
manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
1 Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko
avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo
an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia
samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany
rehetra izany.
2 Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny,
zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio
ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra
hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota,
ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.
3 Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ
ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady
feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny
andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
4 Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina*;
fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.[Na: Fa iza no ho afaka? Ny
amin'ny velona rehetra dia mbola misy hantenaina]
5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa
tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa
hadino ny fahatsiarovana azy.
6 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany,
dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay
atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
7 Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary
sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela
ny asanao.
8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy
ho diso menaka ny lohanao.
9 Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao
rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin'ny masoandro, dia
ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao
sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin'ny masoandro.
10 Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny
herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny
fiainan-tsi-hita* izay alehanao.[Heb. Sheola]
11 [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny hery] Ary hitako
atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny
fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina,
ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny
fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
12 Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny
hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny
fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro mahory,
raha mahavoa azy tampoka izany.
13 Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ
ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
14 Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny
mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda
lehibe hamelezany azy.
15 Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa
nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba
nahatsiahy ilay malahelo.
16 Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo
hamavoina ny fahendren'ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
17 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny
fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fahazotoana ary
ny fahamarinana] Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho
ny fitreron'izay mpanapaka adala.
18 Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny
mpanota iray mahasimba ny soa be.
1 Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory
ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia
mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
2 Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny
fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.
3 Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny
adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa
adala.
4 Raha tezeran'ny mpanapaka ianao, aza miala
amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
5 Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny
masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;
6 Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary
ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana ambany.
7 Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly,
ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
8 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay
mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.
9 Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky
hazo no ho voany.
10 Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy
maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria
mahalavorary ny raharaha izany.
11 Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana
ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
12 Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry
ny adala kosa mitelina ny tenany.
13 Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana,
ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14 Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay
ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
15 Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana
mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
16 Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny
lehibenao homa-maraina!
17 Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena
karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana
mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
18 Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny
hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.
19 Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo
ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.
20 Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao
aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao
aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny
manana elatra dia hanambara ny teny.
1 Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao
ihany izy rehefa ela.
2 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa
tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin'ny tany.
3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny
tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo
amin'izay ianjerany ihany no handriany.
4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay
manahy* ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery]
5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra,
na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany
no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny
hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo
aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny
mijery ny masoandro;
8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly
amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny:
izay rehetra ho avy dia zava-poana.
9 [Anatra ho an'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny
hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola
tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao;
ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka
ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra
izany.
10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy
hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy
zava-poana.
1 Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao,
dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay
hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;
2 dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana
sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa
latsaka ny ranonorana;
3 fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary
hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa
vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely,
4 ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny
an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona,
raha vao maneno ny voronkely*, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na:
ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony]
5 ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy
zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza
ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony* fa
mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona
mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy]
6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy
mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo
an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,
7 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo,
fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.
8 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny,
zava-poana ny zavatra rehetra!
9 [Teny farany] Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia
nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary
nandahatra ohabolana maro izy.
10 Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay
mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana.
11 Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy
ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen'ny mpiandry iray izy;
12 ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy
farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.
13 Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no
faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no
tokony hataon'ny olona rehetra.
14 Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho
amin'ny fitsarana ny* zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]