[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Joba
Accčs direct aux chapitres de Job : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42
1 [Ny amin'ny toetr'i Joba sy ny fizahan-toetra azy
voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy
mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
2 Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
3 Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo
sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro
be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany
lehilahy izany.
4 Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao
fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny
telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
5 Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro
fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy
ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao
efa nanota ny zanako ka nandā an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i
Joba mandrakariva.
6 Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo
zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana
tafaharo taminy.
7 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza
ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny
tany aho ka nivezivezy teny.
8 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika
an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa
olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao
hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?
10 Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy
sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny
asan'ny tānany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.
11 Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay
ananany rehetra raha tsy handā Anao eo imasonao aza* izy e![Na: hahafoy Anao
mihitsy]
12 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo
an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny
tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
13 Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy
nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
14 ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka
nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
15 dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo
azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho
irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
16 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray
koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary
nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia
izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa
tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka
nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia
izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
18 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa
tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro
divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
19 ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany
an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny
trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra
hilaza aminao.
20 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny
lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka
21 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy
tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary
Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah
22 Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota
Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
1 [Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba,
sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia
avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga
teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.
2 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza
ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny
amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika
an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa
olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy?
Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra
azy foana aza ianao.
4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao
hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny
ho-fefin'ny ainy.
5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny
taolany sy ny nofony raha tsy handā Anao eo Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy
Anao mihitsy]
6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo
an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i
Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny
tampon-dohany.
8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha
nipetraka teo an-davenona.
9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny
fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho
faty.
10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny
anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no
horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra
izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
11 Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy
ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany
avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary
nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
12 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny
izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka
nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka
ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.
13 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany
hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia
indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
*
1 [Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo
azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
2 nanao hoe:
3 Foāna anie ny andro nahaterahako sy ny alina
izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary
aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava
hamirapiratra aminy;
5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana
hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra
mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]
6 Izany alina izany aoka ny aizim-pito
hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho
tonga amin'ny isan'ny volana;
7 Indro izany alina izany aoka ho momba izy;
Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
8 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay
mahay mamoha ny dragona;
9 Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka
hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny
hodimason'ny maraina izy,
10 Satria tsy nanidy ny varavaran'ny
kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
*
11 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka
e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
12 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no
nisy nono hinonoako?
13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka
niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
14 Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny
tany, izay nanao* ireny tanāna efa rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana
lehibe]
15 Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady
mameno volafotsy ny tranony;
16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka
nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
17 Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy
hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy
mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny
mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
*
20 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary
fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?
21 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady
mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
22 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny
fasana,
23 Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady
voafefin'Andriamanitra manodidina.
24 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary
migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
25 Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako
no manjo ahy.
26 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakāna
aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
*
1 [Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza
Temanita ka nanao hoe:
2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao?
Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana
miraviravy efa nampaherezinao;
4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny
lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy
ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
6 Tsy ny fivavahanao* va no tokinao? Ary tsy fanantenanao
va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
*
7 Masėna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy
nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy
fahoriana no mijinja izany.
9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny
fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
10 Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary
ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby,
ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
*
12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko
nahare siosio avy taminy,
13 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina,
raha sondrian-tory ny olona,
14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny
taolako rehetra izany.
15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka
nampitsangam-bolo ny tenako.
16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho;
Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao
hoe:
17 Ho marina noho* Andriamanitra va ny zanak'olombelona?
Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']
18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny
anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy
tamin'ny vovoka no nihaviany*, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao
amin'ny vovoka fiorenany]
20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina
azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy,
nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
1 Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza
amin'ireo masina no hotodihinao?
2 Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely
saina dia matin'ny fialonana.
3 Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray
dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
4 Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo
am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5 Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na
dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
6 Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy
mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
7 Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia
tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
8 Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho,
ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
9 Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy
zava-mahagaga tsy hita isa,
10 Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny
tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
11 Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho
amin'ny fahafinaretana ny miory,
12 Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy
hahefan'ny tānany na inona na inona hahasoa ny tenany;
13 Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra
azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;
14 Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao
amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny
alina;
15 Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny
vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.
16 Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny
faharatsiana kosa mihombom-bava
*
17 Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay
anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;
18 Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary
ny tānany ihany no manasitrana.
19 Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny,
amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
20 Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny
fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra
Izy;
21 Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy
hatahotra, raha avy ny fandringanana;
22 Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary
tsy hatahoranao ny bibi-dia;
23 Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao;
Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
24 Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha
mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
25 Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao
ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
26 Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha
mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.
27 Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero
ary izany, ka fantaro tsara.
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Enga anie ka holanjaina tokoa ny
fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!
3 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any
an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
4 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka
amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana
Andriamanitra milahatra hamely ahy.
5 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na
mimāmā va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
6 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba
misy tsirony va ny tafotsin'atody*? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]
7 Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no
tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
*
8 Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra
ahy anie izay iriko!
9 Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny,
halefany anie ny tānany ka hahamaito ny aiko,
10 Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na
dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandā ny tenin'ny
Iray Masina aho.
11 Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny androko]
12 Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
13 Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary
tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
*
14 Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny
sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
15 Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny
ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky
ritra,
16 Izay mainty azon'ny ranomandry Sady
iafenan'ny oram-panala;
17 Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha
maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;
18 Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
19 Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba
manantena azy;
20 Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy,
kanjo nangaihay.
21 Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny
fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
22 Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza
zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
23 Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho
amin'ny tanan'ny mpitohatoha?
*
24 Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro
izay nahadisoako aho.
25 Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona
kosa moa ny anatra ataonareo?
26 Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho
amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
27 Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary
ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
28 Fa ankehitriny, masėna ianareo, mba atreho kely aho,
dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
29 Masėna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy
fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny
fahamarinako.
30 Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?
1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy
tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?
2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama
miandry ny karaman'ny asany,
3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory,
ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana
re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*, ary mivadibadika indrindra aho
mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]
5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny
hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany
tsy misy fanantenana.
7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony
ny masoko.
8 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny
masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany
koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary
tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
*
11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny
noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.
12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao
fiambenana?
13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako,
hampitony ny fitarainako ny fandriako.
14 Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary
mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
15 Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny
fahafatesana aza toy izay izato fitofezako* izato;[Heb. taolako]
16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela;
Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
*
17 Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka
ampandinihinao azy ny fonao,
18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra
isaky ny indray mipi-maso?
19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy
Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany,
ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga
enta-mavesatra amiko aho?
21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra
ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy
fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
*
1 [Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada
Sohita ka nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho
rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha
hamadika ny rariny?
4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny
azy ny fahadisoany.
5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka
mifona amin'ny Tsitoha.
6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy*
anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe
indrindra no hiafaranao.
*
8 Fa masėna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro
ny hevitra hitan'ny razany
9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany
ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza
aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny
fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa
malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
13 Toy izany no lalan'izay rehetra manadino
an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy
fanahy]
14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny
tokiny.
15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny;
Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
16 Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny
rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;
17 Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny
fakany ary mahazo any anelanelany;
18 Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia
handā azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
19 Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary
hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy
manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy
hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
*
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina
ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
3 Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny
Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no
nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala
akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany,
ka mihozongozona ny andriny;
7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary
manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra
sy mandia ny onjan-dranomasina;
9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy
ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any
atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina,
eny, fahagagana tsy hita isa.
*
11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary
mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no
hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny
mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny
hifandaharako aminy;
15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory;
Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy
ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17 Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka
manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany
zava-mangidy.
19 Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro
ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny
vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako
izay ho velona.
*
22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny
marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23 Raha misy loza* mahafaty tampoka, dia mihomehy ny
fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]
24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tānan'ny ratsy fanahy;
Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza,
kosa ary?
25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny
ka tsy nahita soa akory.
26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha* izy, tahaka
ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]
*
27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra
tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro
fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho
no hanasa-tena foana?
30 Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio
ny tanako amin'ny ranon-davenona,
31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay
Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana
hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny
tānany aminay roa tonta.
34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy,
ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa
tsy hatahotra foana aho.
1 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy
hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
2 Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy;
Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.
3 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa
nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?
4 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny
fijerin'ny zanak'olombelona?
5 Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na
tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
6 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay
fahotako,
7 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary
tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
8 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao
tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
9 Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga
aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!
10 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy
ny ronono-mandry?
11 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao
tamin'ny taolana sy ny ozatra.
12 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao
no niaro ny aiko.
13 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny,
fantatro fa tao aminao izao:
*
14 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao
ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
15 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza
aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana
aho.
16 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny
liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao
ahy.
17 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva
hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo
mifanontona no mamely ahy.
*
18 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany
am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy
maso nahita ahy akory.
19 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy
tany an-kibo ho any am-pasana.
20 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara
Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia
ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
22 Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny
an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny
famirapiratana any.
*
1 [Ny teny voalohany nataon'i Zofara] Dia
namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
3 Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
4 Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro,
ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5 Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava
hamaly anao!
6 Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa
tsy hita lany* izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra
avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
7 Takatry ny sainao va ny fomban*'Andriamanitra? Ary
tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an']
8 Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao?
Lalina noho ny fiainan-tsi-hita*! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]
9 Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny
ranomasina.
10 Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana,
dia iza moa no mahasakana Azy?
11 Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny
heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy*.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy
heverin'ny olona akory]
12 Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena,
ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona*.[Na: Nefa ny
olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny
boriki-dia]
*
13 Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy
ny tananao,
14 Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario
lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
15 Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy
tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
16 Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo
no hahatsiarovanao azy.
17 Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny
andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
18 Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery
manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.
19 Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary
maro no hila sitraka aminao.
20 Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very
avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialāna aina ihany no hany sisa azony
antenaina.
*
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary
hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa;
Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy
izany?
4 Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay
niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina
tsy manan-tsiny.
5 Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny
hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa*.[Na:
Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka
tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]
*
6 Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy
manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny
tānany ho andriamaniny
7 Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy,
ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
8 Ary makā saina* amin'ny tany, dia hampianatra anao izy.
Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo
madinika]
9 Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra
ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra
ireny no tsy mahalala]
10 Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny
fofonain'ny olombelona rehetra?
11 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny
vava va no manandrana ny hanina?
12 Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny
fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13 Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery;
Izy no manana hevitra sy fahalalana.
14 Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy
ny olona Izy, ka tsy hovohana.
15 Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary
alefany indray ka mahasimba ny tany.
16 Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy
eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
17 Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.
18 Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny
mahazaka ny valahany.
19 Alāny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny
mafy orina ela dia ravany.
20 Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny
fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.
21 Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary
ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.
22 Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary
mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.
23 Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa,
mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
24 Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy
ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
25 Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza
ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
1 Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny
masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
2 Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy
latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3 Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana,
ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4 Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy
mahomby ianareo rehetra,
5 Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho
fahendrenareo izany!
*
6 Masėna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay
alahatry ny molotro.
7 Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina
an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
8 Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho
an'Andriamanitra va ianareo
9 Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho
azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?
10 Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra
mangingina ianareo.
11 Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary
tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
12 Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona
foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13 Mangina, ka mialā amiko ianareo, mba hitenenako; Fa
aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
*
14 Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho?
Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho*.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
15 Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany
aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy,
tsy manam-panantenana aho]
16 Ary izao no ho famonjena ahy: Ny*
mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary ho famonjena ahy
Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]
17 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny
sofinareo ny filazāko.
18 Indro, fa efa voatoriko* ny adiko; Fantatro fa
hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
19 Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia
hangina aho ka hiala aina.
*
20 Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko,
dia tsy hiery Anao aho;
21 Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy
hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
22 Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka
valio aho.
23 Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao
izay fiodinako sy fahotako aho.
24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho
fahavalonao?
25 Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no
ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
26 Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao
ahy, ny heloky ny fahatanorako;
27 Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo
Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.
28 Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra
hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
1 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady
vontom-pahoriana.
2 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana*, ary
mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]
3 kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny
masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny
fitsarana*![Na: fitsaranao]
4 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy
misy na dia iray akory aza.
5 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny
isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
6 Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba
hitsaharany, ka hifaliany amin*'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]
7 Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia
kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
8 Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza
ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
9 Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray.
Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
10 Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny
olona, ary aiza izy?
11 Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony
mihena ka ritra,
12 Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka
tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy
hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
*
13 Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny
fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary
hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
14 Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany,
dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny
fahafahako*.[Na: fiovako]
15 Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba
halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
16 Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo
ny fahotako va Hianao?
17 Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako;
Ary voazaitranao ny heloko.
18 Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera,
dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;
19 Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny
vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.
20 Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy;
Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
21 Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary
mietry ireo, nefa tsy hitany.
22 Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy,
ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
*
1 [Ny teny fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly
Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka
hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,
3 Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny
teny tsy mahatsara?
4 Eny, foananao ny fahatahorana
an'Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]
5 Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary
mianatra ny lelan'ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na
dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]
6 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy
izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
*
7 Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na
naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?
8 Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka
voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9 Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina
azonao, ka tsy ato aminay koa?
10 Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay,
eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11 Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy
amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?
12 Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
13 Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady
miteniteny foana ny vavanao?
14 Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay
tera-behivavy no mba ho marina?
15 Indro, ireo anjeliny* aza tsy mahatoky Azy, ary ny
lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
16 Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny
olona izay misotro heloka toa rano!
*
17 Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa
hitako no holazaiko,
18 Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny,
dia izay azony avy tamin'ny razany;
19 Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa
firenena nisisika teo aminy.
20 Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra,
dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
21 Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana
aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22 Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy;
Andrasan'ny sabatra izy.
23 Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza
re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24 Fahoriana sy fahaporitana* no mampitahotra azy;
Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy
ahiahy]
25 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra
izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26 Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia
amin'ny foitran'ampingany matevina,
27 Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka
ny valahany;
28 Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano
tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
29 Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka
tsy ho vokatra* ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy
ny vary efa vokatra]
30 Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony
hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.
31 Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa
zava-poana no ho valiny homena azy.
32 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy
izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
33 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy
ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
34 Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy*,
ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]
35 Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana,
ary ny kibony mamorom-pitaka.
*
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona
mahasorisorena foana ianareo rehetra.
3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy
manesika anao hamaly ahy ihany?
4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba
tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo
aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
5 Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo
mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.
*
6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko;
Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny
ankohonako rehetra.
8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao*, ka dia
vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia
tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
9 Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy,
mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny
masony amiko;
10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny
namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
11 Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho,
ary natsipiny ho eo an-tānan'ny mpanota.
12 Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro
ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho
marika hokendreny.
13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipėkany; Mamaky ny voako
Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy
tahaka ny lehilahy mahery Izy.
15 Lamba fisaonana* no voazaitrako hanarona ny hoditro,
ary nalāko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]
16 Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny
hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba
nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka
tsy ho voahazona ny fitarainako!
19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any
an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.
20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia
mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,
21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany
Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako*.[Heb. sakaizany]
22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha
any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
1 Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko;
Efa miandry ahy ny fasana.
2 Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary
tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
3 Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no
hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
4 Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny
fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
5 Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho
pahina kosa ny mason'ny zanany.
*
6 Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny
firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
7 Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa
toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8 Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny
tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40
9 Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay
madio tanana no hitombo hery.
10 Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay
olon-kendry eo aminareo aho.
*
11 Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay
hevitra fikirin'ny foko indrindra;
12 Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho
efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
13 Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita*
fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
14 Ny fasana* no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny
kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalōvana]
15 Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
16 Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*
izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
*
1 [Ny teny fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly
Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
3 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka
ny maloto eo imasonareo?
4 Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana,
noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala
amin'ny fitoerany?
5 Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy
fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
6 Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy,
ary ny jirony eo amboniny dia maty.
7 Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany
ihany no mandavo azy.
8 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo
amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
9 Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary
voahazon'ny tadivavarana
10 Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra
azy sy ny tonta eny an-dalana.
11 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka
mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
12 Liana azy ny loza*, ary ny fandringanana dia vonona eo
anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]
13 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba
ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.
14 Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra
itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra
indrindra izy.
15 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny
lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
16 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka* ny
rantsany eo ambony.[Na: malazo]
17 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo
amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
18 Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny
maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.
19 Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny
izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.
20 Ny manjo azy dia italanjonan'ny any
andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
21 Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary
izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
*
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny
fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
3 Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy
misoroka izay hampahory ahy ianareo.
4 Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no
andrian'ny fa hadisoako.
5 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka
mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa
nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
7 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly
ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary
nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.
9 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny
satro-boninahitra teo an-dohako.
10 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho;
Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
11 Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony
ho fahavalony aho.
12 Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary
manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
13 Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona
nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
14 Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako
efa nanadino ahy.
15 Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny
ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona
aminy amin'ny vavako aho.
17 Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny
zanak'ineny aho.
18 Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha
te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
19 Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia
manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
20 Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko,
ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
*
21 Mamindrā fo amiko, mamindrā fo amiko ianareo, ry
sakaizako ô; fa ny tānan'Andriamanitra efa mikasika ahy.
22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa
ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho
voatomboka eo amin'ny boky ireny!
24 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady
voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!
25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny
Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb.
Goela][**Na: ho farany]
26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady
afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita
an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]
27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no
hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb.
voako]
28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy
fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb.
anatiko][**Heb. ahy]
29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana
dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
*
1 [Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara
Namatita ka nanao hoe:
2 Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho* ny
fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]
3 Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny
fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
4 Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay
nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,
5 Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary
indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44
6 Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka
mitehika amin'ny rahona ny lohany,
7 Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny* ihany izy; Izay
nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]
8 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny,
ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.
9 Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany
no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
10 Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary
ny tānany ihany no hampody ny hareny.
11 Ny taolany dia feno ny herin'ny
fahatanorana*, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy
fantatra]
12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka
afeniny ao ambanin'ny lelany,
13 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao
amin'ny lanilaniny ihany,
14 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka
aferon'ny vipera no ao anatiny.
15 Harena no nateliny, nefa aloany indray;
Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny;
Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy
riaky ny tantely sy ronono.
18 Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa
tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny
hafaliany.
19 Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka
naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20 Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia
tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
21 Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy
haharitra ny fiadanany.
22 Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza
ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
23 Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany
mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho
hanina ho azy.
24 Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia
hahavoa azy miboroaka ny tsipėka varahina;
25 Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny
tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy
azon'ny fahatahorana mafy.
26 Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny
raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao
amin'ny lainy.
27 Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany
hitsangana hiampanga azy,
28 Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho
levona izany amin'ny andro fahatezerany.
29 Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy
amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
*
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho
fampiononanareo ahy.
3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao;
Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsā ihany indray ianareo.
4 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako?
Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena
vava.
6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady
toran-kovitra ny tenako:
7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady
tratrantitra no be hery?
8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany,
ary ny zafiny eo anoloany.
9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra,
ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny
ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry
aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy
ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
13 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana
izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny
fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
14 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe:
Mialā aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa
ho azonay, raha mivavaka aminy?
16 Indro, tsy avy amin'ny tenany* ihany ny
fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo
an-tānany]
*
17 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny
ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika
ireny* noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]
18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika
indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.
19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly
ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany,
mba hahalalany.
20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo
azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.
21 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany
mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa
Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb. avo]
23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny
fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
24 Feno ronono ny fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka
ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
25 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny
kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
26 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno
olitra ny tenany.
*
27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy
amelezanareo ahy;
28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha*? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
29 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha
amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny
zava-mahagaga*, ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]
30 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy
fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha
misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy*? [Na: Azy]
32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola
hitazana* ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]
33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona
rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.
34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny
famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
*
1 [Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly
Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao,
sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany
anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa
ny helokao?
6 Fa efa naka tsatōka tsy ahoan-tsy ahoana
tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra*.[Heb.
mitanjaka]
7 Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta
ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
8 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny
manan-kaja ihany no nitoetra teo.
9 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
10 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina
anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
11 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka
mandifotra anao?
12 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny
hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
13 Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no
fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
14 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy;
Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
15 Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona
fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.
16 Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka
ny fanorenany,
17 Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialā
aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay*? [Heb. azy]
18 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho
lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
19 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny
mihomehy ireny hoe:
20 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny
hareny betsaka efa levon'ny afo.
*
21 Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany
no hahatongavan'ny soa aminao.
22 Masėna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny
vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny,
raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
24 Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny
akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny
volamena avy any Ofira;
25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy
akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao.[Na tsara, na azo
amin'ny fisasarana]
26 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka
hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny
voadinao dia hefainao.
28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina
aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
29 Raha misy mietry*, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny
manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]
30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny
tananao no hamonjena azy.
*
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Mbola atao ho fikomianao* ihany ny
fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na:
mangidy]
3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka
ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho.
Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy
hamantatra izay holazainy amiko.
6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
7 Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra
taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary
miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
9 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy;
Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
10 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany
toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
*
11 Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany
no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
12 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany
noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na: anjara-haniko]
13 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na
inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary
zavatra maro toy izany no ao aminy;
15 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha
misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
16 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha
no mampangovitra ahy;
17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny
maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy
mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]
1 Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha,
ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?
*
2 Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry
sady miandry azy.
3 Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny
ombin'ny mpitondratena ho tsatōka.
4 Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia
miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
5 Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no
fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny
zanany.
6 Any an-tsaha izy maka vilona sy
mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
7 Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria
tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
8 Kotsan'ny ranonoram-baratra any
an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy
manam-pialofana.
9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary
maka tsatōka amin'ny ory.
10 Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy
manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
11 Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny
mpampahory azy* izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta
ihany.[Heb. tambohon'ireny]
12 Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary
mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy
atao.
13 Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba
mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.
14 Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny
mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny
mpangalatra.
15 Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny
maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
16 Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony
antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
17 Fa ny aizim-pito* no marainan'ireo rehetra
ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito* izy.[Heb. aloky
ny fahafatesana]
18 Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny
anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka
izy.
19 Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny
ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita* ny mpanota.[Heb. Sheola]
20 Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho
an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy
fanahy*,[Heb. faharatsiana]
21 Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka
ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
22 Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny
ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho
velona intsony aza.
23 Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy,
sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24 Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao
intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana
tahaka ny salohim-bary.
25 Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga
ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
*
1 [Ny teny fanintelony nataon'i Bilidada] Dia
namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
2 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy,
manao fihavanana any amin'ny avo Izy.
3 Azo isaina va ny miaramilany? Ary
fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy*? [Na: Amin'iza no tsy iposahan'ny
fahazavany?]
4 Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo
anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
5 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary
ny kintana aza tsy madio eo imasony;
6 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana,
ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
*
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka
nanao hoe:
2 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka
ny sandry malemy!
3 Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy
nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
4 Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no
nivoaka avy tao aminao?
5 Ny matoatoa dia ampanaintainina Any
ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.
6 Ny fiainan-tsi-hita* miharihary eo
anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola]
7 Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny
ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.
8 Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano,
nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.
9 Manakona ny seza fiandrianany tsy ho
hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.
10 Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano.
Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.
11 Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny
teny mafy ataony.
12 Ny heriny no entiny mampanonja ny
ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba*; [Izahao ix. 13]
13 Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tānany
no nitomboka ny menarana mandositra.
14 Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany
aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny
fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao
hoe:
2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandā tsy
hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko
ny Fanahin'Andriamanitra.
4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy
hanonom-pitaka ny lelako.
5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho!
Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny
foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.
7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy
marina izay mitsangana hanohitra ahy.
8 Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha
maito ny ainy, ka* tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny
mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
9 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha
ozoim-pahoriana izy?
10 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso
an'Andriamanitra mandrakariva va izy?
*
11 Hampianatra anareo ny amin'ny tānan'Andriamanitra aho,
ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.
12 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa
nahoana ianareo no manao hevi-poana?
13 Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy
amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:
14 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra
ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
15 Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana*, ary
tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]
16 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary
mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
17 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy
izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
18 Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary
tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;
19 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa
nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
20 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka:
Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
21 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa
azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
22 Asian*'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary
mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tānany izy;[Heb. Torahan', na
Tifirin']
23 Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka
ampialainy amin'ny fonenany*.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra
azy]
1 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany
fahazoana volamena, izay diovina.
2 Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina
arendrika avy amin'ny vato.
3 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha
hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky
ny fahafatesana;
4 Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy
ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany
lavitra ny olona izy.
5 Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao
ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6 Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy
akoram-bolamena ao aminy
7 Lālana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy
hitan'ny mason'ny voromahery,
8 Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary
tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
9 Maninjitra ny tānany amin'ny vatokaranana
ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
10 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary
izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
11 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy
mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
*
12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no
fitoeran'ny fahalalana?
13 Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy
hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko
izy, hoy ny ranomasina.
15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy
tsy azo lanjaina ho vidiny;
16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny
beryla saro-bidy sy ny safira aza.
17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy,
ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato
krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina
aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
20 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no
fitoeran'ny fahalalana?
21 Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra
izany ary takona amin'ny voro-manidina.
22 Hoy Abadona* sy Ifahafatesana: Ny sofinay
ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]
23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho
any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24 Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany
ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
25 Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra
ny rano amin'ny famarana.
26 Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy
lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny,
nanorina azy Izy sady namantatra azy;
28 Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny
fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialāna amin'ny ratsy no
fahalalana.
1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba
ka nanao hoe:
2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny
aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!
3 Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary
ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;
4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha
niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;
5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny
zanako*;[Na: ny ankizilahiko]
6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry
aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
7 Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanāna
aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary
niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra
tamin'ny lanilaniny.
11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary
Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty
izay tsy nanan-kamonjy.
13 Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny
fon'ny mpitondratena nampifaliko*.[Heb. nampihobiko]
14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny,
tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
15 Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny
mandringa.
16 Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona
tsy fantatro aza nodinihiko.
17 Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny
babo teo am-bavany
18 Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako
aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19 Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra
amin'ny sampako mandritra ny alina.
20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny
tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny
fanolorako saina izy.
22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary
nitetevan'ny teniko izy.
23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary
nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana
taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.
25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany,
eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny
misaona aho.
1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay
tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry
ny ondriko akory aza.
2 Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tānan'ireo.
Izay efa very fahatanjahana?
3 Manjenjena* noho ny tsi-fisian-kanina sy ny
mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny
loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]
4 Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala
izy, ary ny fakan'ny anjavidy* no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
5 Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady
akoraina toy ny mpangalatra.
6 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy
itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
7 Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary
mitangorona eo ambanin'ny amiana.
8 Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy
manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.
9 Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny,
efa ambentinteniny aho.
10 Ataony toy ny zava-betaveta aho ka
halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
11 Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka
nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
12 Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako;
Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza
amiko.
13 Mandrava ny lalako sy manararaotra ny
andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
14 Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no
fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany*.[Na: Raha mbola miezinezina,
dia mimaona izy]
15 Voatodika hamely ahy ny fampitahorana:
Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny
famonjena ahy
16 Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny
fanahiko. Fenjān'ny andro fahoriana aho.
17 Ny alina mampahalō* ny taolako ho afaka
amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]
18 Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona
ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
19 Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka
efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
*
20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy
Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
21 Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny
tananao no andrafianao ahy.
22 Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka
alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho
tsinontsinona aho.
23 Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana
aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.
24 Kanefa tsy manainga ny tānany va ny olona, raha
ianjeran'ny rava*? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha
mila ho potraka izy]
25 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy
nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
26 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy;
Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
27 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy
nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
28 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady
tsy mahita masoandro*; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na:
Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro]
29 Rahalahin'ny amboadia* aho Ary naman'ny
ostritsa.[Na: jakala]
30 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka,
ary efa karankaina noho ny hafanana* ny taolako.[Heb. fahamainana]
31 Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny
mitomany ny sodiko.
1 Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana
indray no fijery zazavavy*? [Heb. virijina]
2 Fa raha izany, dia inona no anjara avy
amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?
3 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy
fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
4 Moa tsy Andriamanitra* va no mijery ny lalako ka manisa
ny diako rehetra? [Heb. Izy]
5 Raha tāhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka
tamin'ny fahafetsena.
6 (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny
mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
7 Raha tāhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na
nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka
ho fongotra izay amboleko.
9 Raha tahėny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka
namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
10 Dia aoka kosa ny vadiko halain*'ny sasany, ary aoka
olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an']
11 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony
hotsarain'ny mpitsara;
12 Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany
ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13 Raha tāhiny aho nandā ny rariny izay an'ny
ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
14 Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra?
Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
15 Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no
nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany
am-bohoka?
16 Raha tāhiny aho nandā Izay nirin'ny malahelo
ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,
17 Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy
mba nihinanan'ny kamboty
18 (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora
aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny
mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
19 Raha tāhiny aho nahita olona efa ho faty
noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
20 Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany*, ary tsy
nanafāna azy ny volon'ondriko;[Heb. valahany]
21 Raha tahėny aho naninjitra ny tanako
hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
22 Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala
amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny
taolam-panaviko.
23 Fa mampahatahotra ahy* ny loza avy
amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny
fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
24 Raha tāhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na
nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
25 Raha tāhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy
noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;
26 Raha tāhiny aho nijery ny masoandro, raha
namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,
27 Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny
tanako ny vavako
28 (Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho
nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);
29 Raha tāhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay
nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
30 (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako
hangataka ozona hanjo azy);
31 Raha tāhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no
tsy voky tamin'ny henany*? [Na: Iza moa no tsy voky tamin'ny fianakaviany?]
32 Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny
varavarako manatrika ny lalana;
33 Raha tāhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka
an'i Adama* ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
34 Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary
natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy
nivoaka ny varavarana
35 Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny
soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay
manana ady amiko!
36 Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary
hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
37 Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary
tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.
38 Raha tāhiny mitaraina hiampanga ahy ny
taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
39 Raha tāhiny aho nihinana ny vokatra, nefa
tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:
40 Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary
tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
*
1 [Ny teny nataon'i Eliho] Ary nitsahatra tsy
namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
2 Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho,
zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no
nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra
izy.
3 Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no
nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa
nanameloka an'i Joba*.[Na: teny havaliny an'i Joba hanamelohany azy]
4 Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha
vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
5 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy
telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
6 ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela,
Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia
niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
7 Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary
aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
8 Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny
zanak'olombelona sy* ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]
9 Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary
tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
10 Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy
hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
11 Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika
ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
12 Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he!
tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
13 Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny
fotony*: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]
14 Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary
tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
*
15 Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy
namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
16 Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa
mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
17 Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny,
izaho hanambara izay fantatro;
18 Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy
ato anatiko.
19 Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny
divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
20 Hiteny aho mba hisy hiainako tsara;
Hiloa-bava aho ka hamaly.
21 Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary
aoka tsy handrobo olona.
22 Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany,
dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
1 Kanefa, masėna ianao, ry Joba; mihainoa ny
alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny
lelako.
3 Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary
ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
4 Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy,
ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.
5 Raha hainao, valio ary aho, miomāna ianao, ka
miatreha tsara.
6 Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka
anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.
7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia
hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
*
8 Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary
efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:
9 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy
manan-tsiny aman-keloka;
10 He! mitady izay handrafiany ahy
Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
11 Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky
hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
*
12 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho;
Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.
13 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho
ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony*? [Na: Noho ny tsy amaliany ny
tenin'olombelona?]
14 Kanefa misy fanao iray
itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,
15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny
alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
16 Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka
manisy tombo-kase ny fananarany azy,
17 Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy
hampifady azy ny fireharehana.
18 Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy,
ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.
19 Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany
koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;
20 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia
ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.
21 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany
ny taolany izay tsy hita teo;
22 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny
ainy manatona ny mpaka aina.
23 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray
amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,
24 Ary* hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo
izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]
25 Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony,
hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;
26 Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka
hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny
zanak'olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany
Izy]
27 Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa
nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny
nataoko;
28 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any
an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.
29 Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra
indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,
30 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho* any an-davaka, mba
hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na: hiala]
*
31 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha
ianao, fa izaho mbola hiteny.
32 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany;
Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
33 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa;
Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry;
Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava* no manandrana
hanina.[Heb. lanilany]
4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka
hiara-mamantatra izay tsara isika.
5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy
nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;
6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny
zana-tsipėka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay
manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.
8 Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady
miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?
9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana
amin'Andriamanitra.
10 Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo
manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha
ny hanao meloka!
11 Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny
azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
12 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy
mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza
no nanorina izao tontolo izao?
14 Raha tāhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny
ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
15 Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina
amin'ny vovoka ny olona.
*
16 Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka
mihainoa ny teniko
17 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay
marina sady mahery va no hohelohinao?
18 (Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana
ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),
19 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary
tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tānany avokoa
izy rehetra.
20 Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny
mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia
lasa tsy esorin-tanana.
21 Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny
alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
22 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny
mpanao ratsy.
23 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao
mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina
aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
25 Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia
mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
26 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy
ireo* eo imason'ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
27 Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy
nitandremany ny lalany akory,
28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo
anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
*
29 Mangina* Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava
Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona
tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
30 Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho
voafandrika ny vahoaka.
31 Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va
nanao hoe: Efa nanandra-tena* aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]
32 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy
aho, dia tsy hanao intsony?
*
33 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny
olona, no efa nandā ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho*, koa izay
fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa
nandā, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]
34 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry
izay mihaino ahy hanao hoe:
35 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny
teniny tsy amim-pahendrena.
36 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva
Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!
37 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany;
Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady
amin'Andriamanitra.
1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako
mihoatra noho ny an'Andriamanitra?
3 Fa hoy ianao: Mahasoa ahy* manao ahoana moa? Ary inona
no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako? [Heb. anao]
4 Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.
5 Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry
habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
6 Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha
maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
7 Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na
inona no horaisiny avy amin'ny tananao?
8 Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy
ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
9 Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona;
Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery,
10 Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao
ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,
11 Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny
biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny
voro-manidina?
12 Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny
fireharehan'ny ratsy fanahy.
13 Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra,
ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
14 Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby
eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
15 Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia
tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
16 Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro
tsy amim-pahalalana.
1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola
misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.
3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao
ahy aho.
4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka
amin'ny fahalalana no eto aminao.
*
5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba
mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.
6 Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome
rariny ho an'ny ory.
7 Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny
mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia
tafasandratra.
8 Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy
amin'ny tadin'ny fahoriana.
9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa
nanandra-tena izy ireny.
10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka
mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny
fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana
12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana
ka ho faty tsy amim-pahalalana.
13 Fa ny mpihatsaravelatsihy* dia mirakitra fahatezerana;
Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy
eo amin'ny olom-betaveta*,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin'ny fijangajangana
ho fanompoan-tsampy;]
15 Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra
mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
16 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena
ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho
eo ambonin'ny latabatrao.
17 Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy
ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana*;[Na: Dia hifanaikaiky ny
ady sy ny fanamelohana;]
18 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny
fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.
19 Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana
va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
20 Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny
olona amin'ny fitoerany.
21 Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy
ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
*
22 Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny
fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
23 Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany?
Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
24 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny
olona an-kira.
25 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny
zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny
saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho
ranonorana aman-javona izany,
28 Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny
olona maro be.
29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny
fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny
Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady
anomezany hanina betsaka.
32 Mifono fahazavana ny tānany, ary baikoiny iny mba
hahavoa ny fahavalony*;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]
33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby
aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
1 Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona
azy hiala amin'ny fitoerany.
2 Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny
rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.
3 Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy,
ary ny helatra* hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany]
4 Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona;
Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia
tsy sakanany ny helatra.
5 Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony;
Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
6 Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny
ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia
ny ranonorany mivatravatra mafy.
7 Mampiohona* ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy
hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
8 Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka
mamitsaka ao an-davany.
9 Avy any atsimo* ny tadio, ary entin'ny
rivotra avy any avaratra** ny hatsiaka.[*Heb. efi-trano][**Heb. avy amin'ireo
mpanahakahaka]
10 Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy
ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
11 Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny
rahon'ny helatra* dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
12 Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy
ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao
tontolo izao*,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany]
13 Na alatsany ho famaizana raha tokony ho
an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa*.[Na: alatsany ho famaizana, na
hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
*
14 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba
diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.
15 Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra
ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony? [Heb. fahazavany]
16 Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona
matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?
17 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho
mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,
18 Moa ianao niara-nanao taminy va, raha
namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano
natao an-idina?
19 Mba ampianaro anay ary izay holazainay
aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
20 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona
maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]
21 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any
amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
22 Avy any avaratra no ihavian'ny mazava
mitarehim-bolamena*; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb.
ihavian'ny volamena]
23 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny
hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba
mampahory*.[Na: mamaly]
24 Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery
izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny
hendry am-po rehetra]
*
1 [Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny
tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana
amin'ny teny tsy misy fahalalana?
3 Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho,
ka valio:
4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao,
raha hainao.
5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary
iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza
no nametraka ny vato fehizorony,
7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby
avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina,
raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito
ho fonony,
10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy
sy varavarana
11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana
ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
*
12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va
ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
13 Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka
hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase
ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny tarehiny, [Heb. fitafiana]
15 Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy,
ka ho tapaka ny sandry naingaina.
*
16 Moa efa niditra hatrany amin'ny
loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny
lalina?
17 Moa efa naharihary taminao va ny
vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny
fahafatesana?
18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny
fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
*
19 Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny
mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
20 Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny
alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa
teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!
*
22 Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala
va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
23 Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny
andro misy ady sy tafika?
24 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny
rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?
25 Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana
mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,
26 Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy
itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,
27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary
hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka
ny ranon'ando?
29 Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny
vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?
30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny
fanambonin'ny lalina.
*
31 Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao,
ary mahavaha ny Telonohorefy?
32 Mahavoaka ny Mazarota* amin'ny fotoany va ianao? Ary
mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]
33 Fantatrao va ny lalān'ny lanitra? Ary manendry ny
fanapahan'ireny ny tany va ianao?
34 Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va
ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo
hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho
fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny
fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no
nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy
manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon*'ny lanitra, [Heb. siny
hoditra]
38 Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho
bainga?
39 Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy
mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
40 Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika
ao amin'ny kirihitrala?
41 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina
amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
1 Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any
amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
2 Mahisa ny andro ahatanterahany* va ianao? Ary fantatrao
va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]
3 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
*
4 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra
ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
5 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no
namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
6 Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira
ho fonenany?
7 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanāna; Tsy ahoany
akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
*
8 Any an-tendrombohitra rehetra any no
fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao
am-pahitrao amin'ny alina?
10 Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao
am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha
va izy?
11 Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
*
12 Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va
izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
13 Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny
ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
14 Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany
izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
15 Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra
ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
*
16 Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy
ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
17 Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy,
ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
18 Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia
ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
19 Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo
mihofahofa ny vozony?
20 Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao?
Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
21 Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny
heriny; Mandroso hanetra ny ady* izy.[Heb. fiadiana]
*
22 Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary
tsy mianotra amin'ny sabatra.
23 Mifioka eny amboniny ny zana-tsipėka* sy ny lefona
manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipėka]
24 Miriotra mafy* amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana
izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara**. [*Heb. Mitelina
ny tany][**Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany]
25 Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka
izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny
fitabataban'ny manamboninahitra.
26 Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy
mampamelatra ny elany hianatsimo?
27 Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery
sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
28 Eny amin'ny harambato no itoerany sy
anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.
*
29 Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra
ny masony.
30 Mitsentsitra rā ny zanany, ary izay
itoeran'ny faty dia any izy.
*
*
*
1 [Ny naneken'i Joba ny fahadisoan-keviny, sy
ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
2 Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny
mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
3 Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao
hoe:
4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao?
Hitampim-bava aho izao.
5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony;
Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
6 Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah
ka nanao hoe:
7 Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka
ampahafantaro Aho:
8 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va
ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
9 Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary
mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
*
10 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia
famirapiratana sy voninahitra;
11 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny
avonavona rehetra, ka ampietreo.
12 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongāny; Ary
apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
13 Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony
ao amin'ny fiafenana ny tavany.
14 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao
ny tananao ankavanana.
15 He! jereo ange ny behemota*, izay nataoko tahaka ny
nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra tahaka ny omby
izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao]
16 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny
ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera;
Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny
18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina,
eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
19 Voalohany amin'ny asan*'Andriamanitra izy;
Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']
*
20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra,
izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
21 Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any
am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny
hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy
izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.
24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra
ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
25 Mahasarika ny mamba* amin'ny farango va
ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?[Heb. leviatana]
26 Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao,
na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
27 Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka
aminao?
28 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho
andevonao mandrakizay va izy?
29 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary
hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?
30 Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy
amin'ny mpandranto?
31 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka
amin'ny lohany?
32 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady,
dia tsy hanindroa intsony ianao.
1 Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia
ny fijery azy aza?
2 Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa
no mahajanona eo anatrehako?
3 Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
4 Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny
tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.
5 Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na
iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?
6 Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany?
Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
7 Reharehany ny faharaoraon'ny kirany*, mihidy
avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;[Heb. ampingany]
8 Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo
anelanelany.
9 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo
sarahina,
10 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny
masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.
11 Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no
mipariaka avy aminy.
12 Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy
amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana*.[Na: afon-kerana]
13 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo
mivoaka avy amin'ny vavany.
14 Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka
eo alohany ny fampahatahorana.
15 Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany;
Mafy ireny ka tsy azo endahana.
16 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy
tahaka ny vato fikosoham-bary.
17 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny
mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
18 Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy
mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipėka.
19 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo
momoka ny varahina.
20 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipėka;
Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.
21 Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy;
Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
22 Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany
maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.
23 Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao
am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
24 Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
25 Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay
voaforona tsy hahalala tahotra.
26 Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia
rehetra izy
*
1 [Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra
azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy
azo ferana ny fisainanao.
3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana?
Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy
takatry ny saiko.
4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany
Anao aho, ka ampahafantaro.
5 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa
ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny
lavenona aho.
*
7 Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny
izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny
sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filāzan'i
Joba mpanompoko ny filāzanareo Ahy.
8 Koa ankehitriny makā vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy
fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra
dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no
hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy
marina tahaka ny filāzan'i Joba mpanompoko ny filāzanareo Ahy.
9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary
Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia
nankasitraka an'i Joba.
10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka
ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny
Izy.
11 Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra
ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana
taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana
rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola*
iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]
12 Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny
voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina
arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
13 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
14 ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny
anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
15 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny
zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova
tamin'ny anadahiny izy.
16 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba
taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny
zafin-dohaliny aza.
17 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela
niainana*.[Heb. voky andro]