[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Estera
Accès direct aux chapitres d’Esther :
1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10
1 [Ny fanasana lehibe nataon'i Ahasoerosy, ary
ny nanesorana an'i Vasty vadiny] Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity
Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho
fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
2 dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka
teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra,
Ahasoerosy mpanjaka,
3 tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao
fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany
koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo
komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;
4 ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby
zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha
momba ny fahalehibiazany.
5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona
rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny
mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny
tranon'ny mpanjaka;
6 ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy
manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny
masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara
volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara
ary marmora mainty.
7 Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny
kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain'andriana
araka ny fanomen'ny mpanjaka.
8 Ary ny nisotroan'ny olona dia araka ny
tenin'andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian'ny mpanjaka ny
mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan'ny olona araka izay sitrapony avy.
9 Ary Vasty, vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao
fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny tranom-panjakana, izay an'i
Ahasoerosy mpanjaka.
10 Ary tamin'ny andro fahafito, nony faly ny
fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy
Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy* fito izay nanompo teo
anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka, [Heb. ionoka]
11 ba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka,
ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba
haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha
izy.
12 Fa Vasty, vadin'ny mpanjaka, nandà ny
tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy* ka tsy nety nankany. Dia tezitra
loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.[Heb. ionoka]
13 Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny olon-kendry
izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo
anatrehan'izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
14 ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara,
Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin'i Persia sy
Media, izay nahita ny tarehin'ny mpanjaka ka nipetraka tamin'ny fitoerana aloha
teo amin'ny fanjakana):
15 Ahoana no hanaovana an'i Vasty, vadin'ny
mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy
mpanjaka, nentin'ny tsindranolahy* izy? [Heb. ionoka]
16 Dia namaly Memokana teo anatrehan'ny
mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny mpanjaka ihany no
nanaovan'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin'ny mpanapaka
rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy
mpanjaka;
17 fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao
zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho
tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy
an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
18 Ary na dia amin'izao andro izao aza ny
andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia
samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho
loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy
didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny
lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i
Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny
mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.
20 Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra
(fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome
voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka
izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka,
22 ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny
isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy,
ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny
lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
*
1 [Ny nifidianana an'i Estera ho vadin'i
Ahasoerosy] Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran'i Ahasoerosy
mpanjaka, dia nahatsiaro an'i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa
nitsarana azy.
2 Ka dia hoy ireo zatovon'ny mpanjaka izay
nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
3 ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any
amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin'ireny ny
zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy
amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary
aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka
hanjaka hisolo an'i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia
nataony.
5 Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana
renivohitra. Mordekay no anarany, zanak'i Jaira, zanak'i Simey, zanak'i Kisy,
avy tamin'ny taranak'i Benjamina,
6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema
tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay
nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona.
7 Ary izy nitaiza an'i Hadasa (Estera izany),
zanakavavin'ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary
razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin'i Mordekay ho zanany izy,
rehefa maty rainy sy reniny.
8 Koa nony re ny tenin'ny mpanjaka sy ny
lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin'ny fehin'i
Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny
fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia
teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny
anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao
an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra
ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na
ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
11 Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo
anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran'i Estera
sy izay anaovana azy.
12 Ary nony tonga ny andro hidiran'ny zazavavy
tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny
roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra
tamin'izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary
enim-bolana tamin'ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny
vehivavy),
13 koa nony hiditra ao amin'ny mpanjaka ny
zazavavy tamin'izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin'ny
tranom-behivavy ho ao an-tranon'ny mpanjaka.
14 Tamin'ny hariva no nandeha izy, ary nony
maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran'ny vehivavy, ho
amin'ny fehin'i Sasegaza, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpitandrina ny
vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin'ny mpanjaka intsony izy, raha tsy
tian'ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
15 Ary rehefa tonga ny anjara-andron'i Estera,
zanakavavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay izay efa nandray azy ho
zananivavy, hidirany ao an-tranon'ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona
izy mihoatra noho izay notononin'i Hegay, tsindranolahin*' ny mpanjaka,
mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason'ny olona rehetra
izay nijery azy.
16 Dia nentina ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka
Estera, ho ao an-tranon'ny fanjakana, tamin'ny volana fahafolo (volana Tebeta
izany) tamin'ny taona fahafito nanjakany.
17 Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny
vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho
ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana
izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.
18 Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho
an'ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan'i Estera izany; ary
nanendry andro fifaliana ho an'ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome
zavatra araka ny fanomen'ny mpanjaka.
19 Ary raha nisy virijina novorina fanindroany,
dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka Mordekay.
20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay
fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan'i Mordekay azy ihany; fa ny
tenin'i Mordekay dia nankatoavin'i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy
ihany.
21 Tamin'izany andro izany, raha Mordekay
nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy
isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka
nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka izy.
22 Ary fantatr'i Mordekay izany ka nambarany
tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka; dia nambaran'i Estera tamin'ny mpanjaka kosa
izany araka ny nampilazain'i Mordekay azy.
23 Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra
izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary
nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
*
1 [Ny fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay, sy
ny hevitra nataony handringanana ny Jiosy] Rehefa afaka izany zavatra izany,
dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka
nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra
izay teo aminy.
2 Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo
am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana;
fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na
niankohoka.
3 Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo
am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny
mpanjaka?
4 Nefa na dia niteny taminy isan'andro aza
ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba
hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza
tamin'ireo izy fa Jiosy.
5 Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba
nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
6 Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny
haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny
firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny
fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
7 Tamin'ny volana voalohany (volana Nisana
izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka,
nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan'andro
isan'andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny
folo (volana Adara izany)
8 Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka:
tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa
isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny
sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny
hamela azy ho eny;
9 koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana
mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny
mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka.
10 Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny
peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita,
fahavalon'ny Jiosy.
11 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena
anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
12 Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka
tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana
izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny
governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any
amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny
fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka
notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.
13 Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny
tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba
hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na
antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia
tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo
(volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
14 Ny kopen'ny teny izay natao didy ho amin'ny
isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan*'ny olona rehetra
hampiomana azy ho amin'izany andro izany.[Na: dia novakina tamin']
15 Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny
tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny
mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very
hevitra.
1 [Ny alahelon'ny Jiosy, ary ny nataon'i
Mordekay sy Estera mba tsy hahatanterahan'i Hamana izay nokasainy] Nony
fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka
nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan'ny tanàna ka
nitaraina sy nidradradradra mafy;
2 ary tonga teo anoloan'ny vavahadin'ny
mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin'ny vavahadin'ny
mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
3 Ary tany amin'ny isan-tokony tamin'ny fanjakana
rehetra nalehan'ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka
nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin'ny
lamba fisaonana aman-davenona.
4 Ary niditra ny ankizivavin'i Estera sy ny
tsindranolahiny* ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin'ny
mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin'i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba
fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.[Heb. ionoka]
5 Ary Estera niantso an'i Hatàka,
tsindranolahin*' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny
azy ho any amin'i Mordekay, mba hahafantarany izay anton'izany.
6 Dia nivoaka Hatàka nankany amin'i Mordekay ho
eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka;
7 dia nambaran'i Mordekay taminy izay rehetra
efa nanjo azy sy ny isan'ny vola izay nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano
firaketan'ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
8 Ary nomeny azy koa ny kopen'ny lalàna, izay
nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin'i Estera
hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin'ny mpanjaka mba hifona
aminy sy hangataka eo anatrehany ho an'ny fireneny.
9 Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin'i
Mordekay tamin'i Estera.
10 Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i
Mordekay hoe:
11 Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona
isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny
mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina,
dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka
amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina
hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
12 Dia nolazaina tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera.
13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe:
Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao
an-tranon'ny mpanjaka;
14 fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao,
dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny
Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no
mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho
amin'ny fanjakana?
15 Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray
Estera ka nanao hoe:
16 Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato
Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana
na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary
amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa
raha tàhiny maty aho, dia maty.
17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra
nandidian'i Estera azy.
1 [Ny naneken'ny mpanjaka ny tenin'i Estera, sy ny
fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay] Ary nony tamin'ny andro fahatelo, dia
niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin'ny kianja anatiny
amin'ny tranon'ny mpanjaka, dia teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka, ary ny
mpanjaka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana tao an-dapa,
tandrifin'ny vavahadin'ny trano.
2 Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin'ny
mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny
mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia
nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
3 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry
Estera, vadin'ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny
antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
4 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny
mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin'ny fanasana izay efa
namboariko ho azy.
5 Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba
hanao araka ny tenin'i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin'ny
fanasana izay efa namboarin'i Estera.
6 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera teo
am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no
tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
7 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy
tadiaviko:
8 Raha mahita fitia eto imason'ny mpanjaka aho, ka
sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia
aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin'ny fanasana izay hamboariko ho azy
indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin'ny mpanjaka ihany aho.
9 Dia nivoaka tamin'izany andro izany Hamana, sady faly
sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka
izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno
fahatezerana taminy izy.
10 Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany
an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
11 Ary nambaran'i Hamana tamin'ireo ny voninahitry ny
hareny sy ny hamaroan'ny zanany mbamin'Izay voninahitra rehetra nomen'ny
mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny
mpanompon'ny mpanjaka.
12 Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin'ny
mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin'ny mpanjaka ho
amin'ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin'ny mpanjaka aho
koa rahampitso.
13 Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy
mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an'i Mordekay Jiosy mipetraka eo
am-bavahadin'ny mpanjaka aho.
14 Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany
rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha
maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana
miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary
sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
*
1 [Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny
alahelon'i Hamana noho izany] Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny
mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan'ny
mpanjaka izany.
2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no
niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny
mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i
Ahasoerosy mpanjaka.
3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no
fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny
zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao?
Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka
tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny amin'ny hanantonana an'i Mordekay
amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
5 Ka hoy ny zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro,
Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy:
Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra?
Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka
homem-boninahitra afa-tsy izaho?
7 Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny
amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,
8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa
niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy
satro-boninahitra ny lohany;
9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no
hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka
voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka
homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly,
dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany
hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
10 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana
ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka
izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza
asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
11 Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly,
ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia
nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe:
Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
12 Ary Mordekay niverina nankeo amin'ny
vavahadin'ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady
nalahelo no nisaron-doha.
13 Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny
sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra
sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa
niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa
ho lavo eo anatrehany tokoa.
14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo,
dia tonga ny tsindranolahin*' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny
amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]
1 [Ny nanonganana an'i Hamana sy ny namonoana
azy] Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho
ao amin'ny fanasana
2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo
am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera,
vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no
tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina
izany.
3 Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe:
Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka,
dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny
fangatahako;
4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba
haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho
andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny
fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera,
vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao
izany akory?
6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy
fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka
Hamana.
7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana
niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin'ny trano; ary Hamana kosa
nitsangana hangataka ny ainy tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany
fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy.
8 Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin'ny trano
ho ao amin'ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin'ny
farafara nandrian'i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin'ny
mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny
vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan'i Hamana
9 Ary Harbona, tsindranolahy* anankiray, izay teo
anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i
Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon'i Hamana hanantonany
an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny
amin'io izy. [Heb. ionoka]
10 Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa
natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran'ny
mpanjaka.
1 [Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny nahazoan'i Estera
teny avy amin'ny mpanjaka ka hamela ny Jiosy hiaro tena] Tamin'izany andro
izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny
tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka,
fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy
2 Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay
efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia
notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
3 Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady
niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy
nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
4 Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny
tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka
5 ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita
fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka
eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i
Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy
amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?
Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka
sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera,
ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny
Jiosy;
8 ary ianareo kosa dia manorata amin'ny anaran'ny
mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratra
fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa
voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin'ny peratra
fanombohan'ny mpanjaka
9 Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka,
tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana
izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any
amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny
isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato
toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny
fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
10 Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy
mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny
taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly
haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
11 ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia
navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka
handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy,
mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany
12 amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony
eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny
folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).
13 Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony
eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy
ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly
haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny
mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
15 Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny
mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka
satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy
madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy
fifaliana ary voninahitra.
17 Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny
an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia
nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro
mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny
fahatahorana ny Jiosy.
*
1 [Ny naharesen'ny Jiosy ny fahavalony izay nikasa
handringana azy] Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa
ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny
tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny
Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no
naharesy izay nankahala azy),
2 dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny
isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy
hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny
olona rehetra ny fahatahorana azy.
3 Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana
sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia
nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.
4 Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary
ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy
nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
5 Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy
sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony
tamin'izay nankahala azy izy.
6 Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono
sy naharingana diman-jato lahy;
7 ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata
8 sy Porata sy Adalia sy Aridata
9 sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
10 izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i
Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba
norobainy tsy akory.
11 Androtrizay ihany dia nambara tamin'ny
mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.
12 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny
mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana
diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no
nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola
tadiavinao? Fa homena izany.
13 Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny
Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso,
ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.
14 Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany
Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.
15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny
andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato
lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16 Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny
mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy
arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)
17 tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana
Adara; ary nitsahatra izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho
andro fanasana sy firavoravoana izany.
18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny
andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra
ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka
dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.
19 Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay
nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo
amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary
fifanateran-javatra.
20 [Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy ny
fahalehibiazan'i Mordekay] Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany
sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny
isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
21 mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin'ny folo
sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Adara isan-taona,
22 dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny
fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny
fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy
fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.
23 Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia
araka izay efa nosoratan'i Mordekay taminy,
24 satria Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny
Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana
izany) handreseny sy handringanany azy;
25 fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia
nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny
hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, ary mba hahantona amin'ny
hazo izy sy ny zananilahy.
26 Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia
araka ny anarana hoe Pora*. Ary araka ny teny rehetra tamin'izany taratasy
izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa nanjo azy izany [Pora =
Filokana]
27 dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa
izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa
izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
28 ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo
amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny
fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy
ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny
taranany.
29 Ary Estera, vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i
Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin'ny fahefana rehetra hanamafy
izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.
30 Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra
izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i
Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
31 mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin'ny
fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka.
azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny
fifadian-kaniny sy ny fitarainany.
32 Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza
ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.
*
1 Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany
sy ny nosin-dranomasina.
2 Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy
ny heriny mbamin'ny filazana ny fahalehibiazan'i Mordekay, araka izay
nanandratan'ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'i Media sy Persia va izany?
3 Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an'i
Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin'ny Jiosy ka nankasitrahan'ny rahalahiny
maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin'ny
olona rehetra iray firazanana aminy.