[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Ezra
Accès direct aux chapitres d’Esdras : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10
1 [Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody, sy
ny nanomezany azy ny fanaka avy tao amin'ny tempoly] Ary tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny
fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay
nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy,
sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
2 Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny
fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny
lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay
any Joda.
3 Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny
anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny
tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any
Jerosalema.
4 Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany
ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby
fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any
Jerosalema.
5 Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy
ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra
hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
6 Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan'ireo
tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary
zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny sitrapo.
7 Dia navoak'i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon'i
Jehovah, izay efa nalain'i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao
an-tranon'ireo andriamaniny.
8 Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia
nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony
an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.
9 Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia
volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
10 kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy
manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
11 efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy
volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany
Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.
1 [Ny anaran'ny Jiosy nentin'i Zerobabela nody] Ary izao
no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay
nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary
niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
2 dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa
sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy
Rehoma ary Bana. Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
3 Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy
roa arivo;
4 ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby
telon-jato;
5 ny taranak'i Ara dia dimy amby fito-polo amby
fiton-jato;
6 ny taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy
Joaba, dia roa ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
7 ny taranak'i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby
roan-jato sy arivo;
8 ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby
sivin-jato;
9 ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
10 ny taranak'i Bany dia roa amby efa-polo amby
enin-jato;
11 ny taranak'i Bebay dia telo amby roa-polo amby
enin-jato;
12 ny taranak'i Azgada dia roa amby roa-polo amby
roan-jato sy arivo;
13 ny taranak'i Adonikama dia enina amby enim-polo amby
enin-jato;
14 ny taranak'i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa
arivo;
15 ny taranak'i Adina dia efatra amby dimam-polo amby
efa-jato;
16 ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby
sivi-folo;
17 ny taranak'i Bezay dia telo amby roa-polo amby
telon-jato;
18 ny taranak'i Jora dia roa ambin'ny folo amby zato;
19 ny taranak'i Hasoma dia telo amby roa-polo amby
roan-jato;
20 ny zanak'i Gibara dia dimy amby sivi-folo;
21 ny zanak'i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;
22 ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;
23 ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby
zato;
24 ny zanak'i Azmaveta dia roa amby efa-polo;
25 ny zanak'i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo
amby efa-polo amby fiton-jato;
26 ny zanak'i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby
enin-jato;
27 ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby
zato;
28 ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby
roan-jato;
29 ny zanak'i Nebo dia roa amby dimam-polo;
30 ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby
zato;
31 ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby
dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
32 ny taranak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
33 ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby
roa-polo amby fiton-jato;
34 ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby
telon-jato;
35 ny zanak'i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo
arivo.
36 Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia,
avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
37 ny taranak'Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;
38 ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby
roan-jato sy arivo;
39 ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
40 Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak'i Jesoa sy
Kadmiela, avy tamin'ny taranak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
41 Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak'i Asafa dia
valo amby roa-polo amby zato.
42 Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao:
Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i
Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby
zato izy rehetra.
43 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny
taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
44 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaha, ny taranak'i
Padona,
45 ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagabaha, ny
taranak'i Akoba,
46 ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, ny taranak'i
Hanana,
47 ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara, ny taranak'i
Reaia,
48 ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i
Gazama,
49 ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i
Besay,
50 ny taranak'i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky
ny Nefisita,
51 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofa, ny
taranak'i Harora,
52 ny taranak'i Bazlota, ny taranak'i Mehida, ny
taranak'i Harsa,
53 ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny
taranak'i Tema,
54 ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
55 Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao:
Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Peroda,
56 ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i
Gidela,
57 ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny
taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amy.
58 Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i
Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
59 Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa
sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany
izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):
60 ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i
Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.
61 Ary ny avy tamin'ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny
taranak'i Habaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy
tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny
anarany.
62 Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy
hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
63 Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana
ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray
mitondra ny Orima sy Tomima.
64 Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby
telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
65 afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby
telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy
roan-jato teo aminy;
66 ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato;
ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
67 ny ramevany dia dimy amby telo -polo amby efa-jato; ny
borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
68 Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa
tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo
hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.
69 Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola
voavory hanaovana ny asa, dia darika* volamena arivo sy enina alina ary mane
volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.[Izahao 1 Tan. xxix. 7]
70 Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona
sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry
varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.
*
1 [Ny nanombohana ny raharaham-pivavahana indray, sy ny
nanorenana ny tempoly] Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka
teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny
olona iray izy.
2 Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona
rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny
alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny,
araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.
3 Dia naoriny teo amin'ilay efa niorenany ihany ny
alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana
teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.
4 Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao
amin'ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin'ny fanatitra
dorana isan'andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry
hatao isan'andro avy.
5 Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra
dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny
fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin'i Jehovah ary ny avy
amin'izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah.
6 Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito no
niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah izy. Nefa tsy mbola
natao ny fanorenan'ny tempolin'i Jehovah.
7 Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary
ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy
diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin'ny ranomasina any
Jopa, araka ny teny efa azony tamin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia.
8 Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa
taorian'ny nahatongavany tany amin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia
niantomboka Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny
rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany
Jerosalema avy tany amin'ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah.
9 Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny
rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa
tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy
ny Levita rahalahiny.
10 Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia
nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra
trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny
nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
11 Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i
Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely.
Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny
fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
12 Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny
fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany
mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no
nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
13 ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay
fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re
lavitra ny horakoraka.
*
1 [Ny nataon'ny Samaritana hisakanana ny Jiosy tsy hanao
ny tempoly sy ny nandraran'ny mpanjakan'i Persia azy tsy hanao intsony] Ary
nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny
fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
2 dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny
fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa
mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no
namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona,
mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
3 Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny
fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo
aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao
trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa
nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.
4 Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny
Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
5 sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy
hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka
hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
6 Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any
aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
7 Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i
Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i
Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony
tarehin-tsoratra Syriana* sady nataony teny Syriana* koa.[Heb. Aramiana]
8 Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia
nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an'i
Jerosalema toy izao:
9 Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny
namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny
Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
10 mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe
sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany
sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ...
11 Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any
amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony
etỳ .....
12 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay
niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka
manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao
ary manamboatra ny fanorenany koa.
13 Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io
tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba,
na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.
14 Koa satria mahazo ny fivelomanay* avy amin'ny lapan'ny
mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana,
ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay, [Heb. mihinana ny
sira]
15 mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho
hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna
io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana
niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
16 Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha
hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin'ny
etỳ an-dafin'ny ony etỳ intsony ianao.
17 Dia nampitondrain'ny mpanjaka ny valiny ho any
amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany sisa izay
nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany an-dafin'ny ony, nanao hoe:
Fiadanana .....
18 Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay
dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
19 ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa
nanandra-tena nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna
io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
20 Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany
Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony ka nandoavana hetra sy
haba ary sara.
21 Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo,
mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
22 Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany;
fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an'ny
fanjakana?
23 Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma
mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny taratasin'i Artaksersesy
mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin'ny Jiosy izy ka
nampitsahatra azy an-keriny*. [Heb. amin-tsandry aman-kery]
24 Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay
tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa
nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
*
1 [Ny namporisihan'i Hagay sy Zakaria ny Jiosy handroso
hanao na tempoly indray, sy ny naneken'i Dariosy, mpanjakan'i Persia, ny
hanaovany azy] Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido,
naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry
ny Isiraely izay tao aminy.
2 Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa,
zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema
indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
3 Ary tamin'izany andro izany ihany koa dia nankany
amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy
Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy
anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
4 Ary izao koa no nataonay* taminy Iza avy no anaran'izay
lehilahy manao io trano io? [Na: (nataony)]
5 Nefa ny mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda,
ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy
ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany.
6 Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay,
governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny
Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ho any
amin'i Dariosy mpanjaka;
7 eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy
teny toy izao: Ho an'i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin'ny tany
Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra lehibe, izay atao amin'ny vato
vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny rindrin-trano, ary mandroso tsara
izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
9 Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza
no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
10 Nanontany ny anarany avy koa izahay mba
hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;
11 ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia
mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa
vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy
nahavita azy.
12 Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry
ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana,
mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho
babo tany Babylona.
13 Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy,
mpanjakan'i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io
tranon'Andriamanitra io.
14 Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny
tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany
Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy
mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao
hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
15 ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha,
apetraho ao amin'ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny
tranon'Andriamanitra hatsangana eo amin'ilay efa niorenany ihany.
16 Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny
tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka
ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
17 Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano
firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka
hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny
sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.
1 Ary tamin'izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka
nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany
Babylona.
2 Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin'ny tanin'ny
Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara
izao:
3 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy dia nandidy
izy nanao hoe: Ny amin'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao
mihitsy izany ho fanateran'ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny
fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny
sakany,
4 dia vato vaventy telo andalana sy hazo vaovao iray
andalana; ary aoka haloa avy amin'ny tranon'ny mpanjaka izay lany;
5 ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra, na ny volamena
na ny volafotsy, izay nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany
Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin'ny tempoly
any Jerosalema indray ireo, samy ho amin'ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao
an-tranon'Andriamanitra avokoa.
6 Koa amin'izany, ry Tatenay, governora any an-dafin'ny
ony, sy ry Setara-bozenay mbamin'ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin'ny
ony, mihataha ianareo.
7 Aza misakana ny fanaovana io tranon'Andriamanitra io;
aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon'ny Jiosy hanao io tranon'Andriamanitra
io eo amin'ilay efa niorenany ihany.
8 Ary izaho manao didy ny amin'ny hataonareo amin'ny
loholon'ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon'Andriamanitra izany: aoka ny
haren'ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana
marina izay lany ho an'ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
9 Ary izay zavatra ilainy, na zanak'omby, na ondrilahy,
na zanak'ondry, ho fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, na vary
tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian'ny mpisorona any
Jerosalema, dia aoka homena azy isan'andro isan'andro tsy tapaka izany,
10 mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho
an'Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka
mbamin'ny zanany.
11 Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao
teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny tranony, ary haorina, dia
hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
12 Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany
teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny
tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema
izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
13 [Ny nahavitana ny tempoly, sy ny nitokanana azy] Ary
tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy
Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa
nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.
14 Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina
noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano
izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny
didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.
15 Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny
volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka.
16 Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita,
na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io
tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana;
17 ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io
dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho
fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny
folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.
18 Dia nanendry ny mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy
ny Levita ho amin'ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an'Andriamanitra
izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy.
19 Ary ny olona izay efa nody avy tamin'ny fahababoana
dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana
voalohany;
20 fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny
tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa
nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny
tenany,
21 Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy
tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny
fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely,
22 ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny
mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa
nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy
ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia
Andriamanitry ny Isiraely.
*
1 [Ny nandehanan'ny Jiosy maro koa izay nentin'i Ezra avy
tany Babylona] Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy,
mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i
Hilklay
2 zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
3 zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
4 zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
5 zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara,
zanak'i Arona mpisoronabe;
6 io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona
(mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny,
araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
7 Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny
sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry
varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito
nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
8 Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy
tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.
9 Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany
no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny
volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny
tànan'Andriamaniny taminy.
10 Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah
ka hankaṭ izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
11 Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i
Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny
tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
12 Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra
mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
13 Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny
fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka
aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
14 Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy
mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny
lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
15 ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa
naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry
ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
16 ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao
eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona,
dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any
Jerosalema.
17 Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy
zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy
amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao
an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao
amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny
sitrapon'Andriamanitrareo.
19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana
ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any
Jerosalema.
20 Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy
haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny
mpanjaka.
21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa
ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa
na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny
lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
22 na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary
tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy
misy fatrany aza.
23 Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra
dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa
nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny
zanany?
24 Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona
rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary
ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na
haba, na sara.
25 Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao
izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona
rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao;
fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
26 Ary na iza na iza tsy mety mankaṭ ny
lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na
hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
27 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika,
Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i
Jehovah any Jerosalema.
28 sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny
mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny
mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah
Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra
amiko.
*
1 [Ny olona niaraka tamin'i Ezra, sy ny nankanesany ho
any Jerosalema] Ary izao no lohan'ny fianakaviana sy filazana ny firazanan'ny
olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin'ny nanjakan'i
Artaksersesy mpanjaka:
2 Gersoma, avy tamin'ny taranak'i Finehasa; Daniela, avy
tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny taranak'i Davida;
3 Zakaria, avy tamin'ny taranak'i Sekania (avy tamin'ny
zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-Polo amby zato lahy voasoratra araka ny
firazanany;
4 Elihoenay, zanak'i Zerahia, avy tamin'ny taranak'i
Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;
5 ny zanak'i Jahaziela, avy tamin'ny taranak'i Sekania,
mbamin'ny namany telon-jato lahy;
6 Ebeda, zanak'i Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina,
mbamin'ny namany dimam-polo lahy;
7 Jesaia, zanak'i Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama,
mbamin'ny namany fito-polo lahy;
8 Zebadia, zanak'i Mikaela, avy tamin'ny taranak'i
Sefatia, mbamin'ny namany valo-polo lahy;
9 Obadia, zanak'i Jehiela, avy tamin'ny taranak'i Joaba,
mbamin'ny namany valo ambin'ny folo amby roan-jato lahy;
10 ny zanak'i Josifia, avy tamin'ny taranak'i Selomita,
mbamin'ny namany enim-polo amby zato lahy;
11 Zakaria, zanak'i Bebay, avy tamin'ny taranak'i Bebay,
mbamin'ny namany valo amby roa-polo lahy,
12 Johanana, zanak'i Hakatana, avy tamin'ny taranak'i
Azgada, mbamin'ny namany folo amby zato lahy;
13 ary ny avy tamin'ny taranak'i Adonikama, zandriny
taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin'ny
namany enim-polo lahy,
14 Otahy sy Zaboda, avy tamin'ny taranak'i Bigvay,
mbamin'ny namany fito-polo lahy.
15 Ary novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahava izy, ka
nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho,
dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia iray akory aza.
16 Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy
Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona
ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
17 Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any
Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima
rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao
fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.
18 Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray
taminay no nitondrany olon-kendry anankiray* ho any aminay avy tamin'ny
taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany
mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy, [Na: an'Isi-sekela]
19 ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary,
mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
20 ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy
ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina
anarana avokoa ireo.
21 Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny
ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy
hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay
rehetra.
22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy
mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny
an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy
tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny
fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
23 Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany
tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
24 Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny
mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny
mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa
naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely
rehetra izay vory teo;
26 eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy
dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary
talenta volamena zato
27 sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny
darika* arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.
[Izahao 1 Tan. xxix. 7]
28 Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i
Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia
fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
29 Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny
mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita
ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny
efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.
30 Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy
sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao
an-tranon'Andriamanitray.
31 Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro
faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny
tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny
fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
32 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia
nijanona hateloana aloha.
33 Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana
ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i
Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara,
zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy
Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
34 an-isany sy an-danjany izany rehetra izany;
ary voasoratra tamin'izany andro izany ny lanjany rehetra.
35 Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny
fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia
vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina
amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo
ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
36 Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony
tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony
etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.
*
1 [Ny alahelon'i Ezra, raha nahare fa ny Jiosy
efa nifanambady tamin'ny firenena hafa, ary ny nibebahan'ny olona tamin'izany]
Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao
hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny
olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy
ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny
Amorita ihany izy.
2 Fa efa naka tamin'ny zanakavavin'ireo ho
vadiny sy ho vadin'ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin'ny olona
tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no
nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany.
3 Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia
nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny
somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
4 Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra
noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa
niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana
iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
5 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva
dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko
indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro
aho
6 ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy
mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro
mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny
lanitra;
7 fa hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka
androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny
mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa,
hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin'izao
anio izao.
8 Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny
fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy
sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana* eo amin'ny fitoerany
masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely
amin'ny fahandevozanay izahay.[Izahao Isa. xxii. 23]
9 Fa andevo izahay, nefa tsy
nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo
famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay
famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava
eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana
no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
11 dia ilay nampilazainao ny mpaminany
mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny
fahalotoan'ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy
noho ny fahalotoany;
12 koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny
zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay
hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny
soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay.
13 Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra
izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay
araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka
toy izao ihany,
14 fa raha handika ny didinao indray izahay ka
hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay
mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?
15 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina
Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto
izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona
eto anatrehanao izahay.
1 Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady
nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo
aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy
mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
2 Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny
taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso
amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny
tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny
amin'izany zavatra izany.
3 Koa aoka izahay hanao fanekena
amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny
anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika;
ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4 Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto
koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
5 Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny
lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny
izany; dia nianiana ireo.
6 Dia nitsangana niala teo anoloan'ny
tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana,
zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na
nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy
tamin'ny fahababoana.
7 Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema
ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana
mba hivory any Jerosalema;
8 ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny
hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina* ny
fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy
tamin'ny fahababoana izy.[Heb. hatao herema]
9 Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany
Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny
andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana
akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany
zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10 Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao
taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa
firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny Isiraely.
11 Koa mitsora amin'i Jehovah, Andriamanitry ny
razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin'ny olona tompon-tany sy ny
vehivavy hafa firenena.
12 Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona
mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
13 nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny
andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita
indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany
zavatra izany;
14 koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto
ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika
avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ
amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy
ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny
firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.
15 Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza,
zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita
niandany taminy koa.
16 Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny
fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany
amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa
notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana fahafolo.
17 Ary nony tonga ny andro voalohany tamin'ny
volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny lehilahy rehetra Izay efa
naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18 Ary ny hita teo amin'ny taranaky ny
mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo
amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy
Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
19 dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny
izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
20 Ary ny avy tamin'ny taranak'Imera dia Hanany
sy Zebedia;
21 ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia
Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
22 ary ny avy tamin'ny taranak'i Pasora dia
Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
23 Ary ny avy tamin'ny Levita dia Jozabada sy
Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
24 ary ny avy tamin'ny mpihira dia Eliasiba;
ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
25 Ary ny avy tamin'ny Isiraely koa: ny avy
tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara
sy Malkia ary Benaia;
26 ary ny avy tamin'ny taranak'i Elema dia
Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
27 ary ny avy tamin'ny taranak'i Zato dia
Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
28 ary ny avy tamin'ny taranak'i Bebay dia
Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
29 ary ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia
Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
30 ary ny avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba
dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary
Manase;
31 ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia
Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
32 sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
33 ny avy tamin'ny taranak'i Hasoma dia Matenay
sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
34 ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Maday sy
Amrama sy Oela
35 sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
36 sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
37 sy Matania sy Matenay sy Jasao
38 sy Bany sy Binoy sy Simey
39 sy Selemia sy Natana sy Adaia
40 sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
41 sy Azarela sy Selemia sy Semaria
42 sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
43 ny avy tamin'ny taranak'i Nebo dia Jeiela sy
Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
44 Ireny rehetra ireny no samy efa naka
vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany
tamin'ireny