[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2 Mpanjaka
Accès direct aux chapitres de 2 Rois : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25
1 [Ny nahararian'i Ahazia, sy ny nilazan'i Elia fa ho
faty izy] Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
2 Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo
amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao
taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na
ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia.
3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira
hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo
amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i
Ekrona, ianareo?
4 Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny
farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
5 Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ny iraka,
ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
6 Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra
nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka izay
naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa
tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin'i
Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala
amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
7 Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay
niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
8 Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy
volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy izy:
Elia Tisbita izay.
9 Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo
anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy
izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy
ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, mid́na ianao, antsoin'ny
mpanjaka.
10 Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy
dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo
milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia
nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo
fehiny.
11 Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray
mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka
nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, mid́na faingana ianao,
antsoin'ny mpanjaka.
12 Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha
lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any
an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra
nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
13 Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo
anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy
dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy
nanao hoe: Maśna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo
imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
14 Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany
an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny
dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko
ankehitriny.
15 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia:
Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka
nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka.
16 Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no
lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba,
andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny
Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho
faty tokoa.
17 Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah
izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka
nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata,
mpanjakan'ny Joda.
18 Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy
efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
*
1 [Ny nampakarana an'i Elia ho any an-danitra,
sy ny fahagagana voalohany nataon'i Elisa] Ary nony efa hampakarin'i Jehovah ho
any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala
izy sy Elisa.
2 Ary hoy Elia tamin'i Elisa: Maśna ianao,
mijaṇna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha
velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho.
Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
3 Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky
ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no
hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Dia hoy izy:
Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
4 Ary hoy Elia taminy: Maśna ianao, ry Elisa,
mijaṇna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha
velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho.
Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
5 Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko
nanatona an'i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i
Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny,
fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
6 Ary hoy Elia taminy: Maśna ianao, mijaṇna
eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa
Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia
lasa nandeha izy roa lahy.
7 Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny
mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy
kosa nitsangana teo amoron'i Jordana.
8 Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy,
dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina
izy roa lahy.
9 Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy
Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka
aminao aho. Ary hoy Elisa: Maśna ianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao
mba ho ahy.
10 Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa
raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy
izany kosa, dia tsy ho anao izany.
11 Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa
lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary
Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
12 Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso
hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin'ny Isiraely sy ny
mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny
fitafiany ka notriariny roa.
13 Ary nalainy ny kapôtin'i Elia izay latsaka
avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana.
14 Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay
latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah,
Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany,
ka dia nita izy.
15 [Ny niverenan'i Elisa nankany Jeriko sy
Betela, ary ny fahagagana nataony] Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny
mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa
mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny
tany teo anatrehany.
16 Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo
lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; maśna ianao, aoka handeha hitady ny
tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i Jehovah izy ka nazerany any
an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza
maniraka ianareo.
17 Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny,
dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy
hateloana ireny, fa tsy nahita.
18 Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola
tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao
hoe: Aza mandeha?
19 Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna
izany tamin'i Elisa: Maśna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity,
tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy
mampahavanon'anaka*.[Na: tsy mahavanom-boly]
20 Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka
asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
21 Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny
rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa
nahatsara* ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan'anaka
intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]
22 Ka dia tsara* ny rano mandraka androany
araka ny teny nataon'i Elisa.[Heb. sitrana]
23 Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany
Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy
madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola;
miakara, ry ilay sola!
24 Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona
azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an'ala
namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy madinika ireo.
25 Dia niala teo Elisa ka nankany
an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.
1 [Ny nikambanan'i Jorama, mpanjakan'ny
Isiraely, sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, hiady tamin'ny Moabita] Ary Jorama,
zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo
ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa
ambin'ny folo taona izy.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa
izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra
ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy izy;
3 nefa izy nikikitra tamin'ny fahotan'i
Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala
tamin'izany.
4 Ary Mesa, mpanjakan'i Moaba, nanana ondry
betsaka; ary nandoa hetra ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia zanak'ondry
iray hetsy sy ny volon'ondrilahy iray hetsy*.[Na: ny volon-janak'ondry iray
hetsy sy ondrilahy iray hetsy]
5 Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin'ny
mpanjakan'ny Isiraely ny mpanjakan'i Moaba.
6 Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria
tamin'izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.
7 Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin'i
Josafata, mpanjakan'ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan'i Moaba efa niodina
tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha
aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko
dia soavalinao.
8 Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika?
Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr'i Edoma.
9 Dia nandeha ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny
mpanjakan'ny Joda ary ny mpanjakan'i Edoma; ary nandeha nanodidina
lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an'ny miaramila sy ny biby fiompy
izay nentiny.
10 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Indrisy!
Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
11 Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin'i
Jehovah va eto hanontaniantsika amin'i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin'ny
mpanompon'ny mpanjakan'ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa,
zanak'i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan'i Elia.
12 Ary hoy Josafata: Ao amin'izy io tokoa ny
tenin'i Jehovah. Dia nidina nankany amin'i Elisa ny mpanjakan'ny Isiraely sy
Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.
13 Ary hoy Elisa tamin'ny mpanjakan'ny
Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin'ny
mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan'ny
Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba
hatolony eo an-tànan'i Moaba.
14 Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah,
Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an'i
Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
15 Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa
nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an'i Elisa ny tànan'i Jehovah.
16 Ary hoy Elisa: Izao no lazain'i Jehovah:
Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
17 Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na
ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba
hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
18 Ary ho zavatra kely ihany eo imason'i
Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
19 Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny
tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny
loharano rehetra ary hanipy vato amin'ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
20 Ary nony maraina, tokony ho tamin'ny fotoana
fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin'ny lalana
mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21 Ary rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy
miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin'izay rehetra
nahatam-piadiana* no ho miakatra, ka dia niandry teo amin'ny sisin-taniny.[Heb.
nahasikina]
22 Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady
efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin'ny rano, dia hitany ny rano
tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23 Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa
ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin'izao, ry
Moaba!
24 Kanjo nony efa tonga teo an-tobin'ny
Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra
teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin'ny tanin'ny Moabita ka
mbola namely azy ihany.
25 Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy
vato tamin'ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano
rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato
intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin'ny
mpandefa antsamotady ka nasiany.
26 Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy
tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba
hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa tsy afaka izy.
27 Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao
hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda. Dia
niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any
amin'ny taniny izy.
1 [Ny nampitomboan'i Elisa ny diloilon'ilay
vehivavy maty vady] Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany,
nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa
natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako
mirahalahy ho andevony
2 Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho
anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny
ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray
tavoara monja.
3 Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin'ny
namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.
4 Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka
hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin'izany
vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5 Dia niala teo aminy ravehivavy ka
nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra
ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
6 Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny
zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany
intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7 Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny
lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka
anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
8 [Ny amin'ilay vehivavy Sonemita sy ny zanany]
Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy
mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia
nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9 Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro,
fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika
mandrakariva.
10 Maśna ianao, andeha isika hanao efi-trano
kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary
fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
11 Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao
Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
12 Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy
ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany
izy.
13 Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao
amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao
ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka
va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra
atỳ amin'ny fireneko aho.
14 Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho
anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa
antitra ny lahy?
15 Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony
nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16 Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha
avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia,
ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.
17 Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka
nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa
taminy.
18 Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany
amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro,
19 Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako!
ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny
izy.
20 Dia notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho
any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.
21 Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo
amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka
nivoaka izy.
22 Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe:
Maśna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy
anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny lehilahin'Andriamanitra aho, dia
hiverina indray.
23 Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any
aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy
ravehivavy: Ka nahoana aza?
24 Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy,
ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra
akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
25 Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny
lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny
lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony:
Ilay Sonemita lahy iry;
26 maśna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka
ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany
va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.
27 Ary rehefa tonga tany amin'ny
lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa
Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany
izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa
tsy nanambara tamiko.
28 Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao
va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?
29 Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary
ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao,
aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary
apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
30 Ary hoy ny renin'ny zazalahy: Raha velona
koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho.
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.
31 Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny
tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia
niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny
zazalahy.
32 Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro,
maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
33 Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao
izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.
34 Ary niakatra izy ka nandry niampatra
tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony
tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny
zazalahy.
35 Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina
niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny
masony.
36 Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe:
Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy,
dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37 Dia niditra ravehivavy ka niantoraka
tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka
lasa nivoaka.
38 [Ny nanatsaran'i Elisa ilay hanina saiky
nahafaty, sy ny nampitomboany ny mofo roa-polo hahavoky ny olona zato lahy] Ary
Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny
zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny
zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny
zanakalahin'ny mpaminany.
39 Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha
hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany
iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany
tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
40 Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary
raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy
mahafaty* ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.[Heb. fahafatesana]
41 Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany
tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia
tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
42 Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa
nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra,
dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy
Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
43 Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no
fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny
olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa
tsy lany.
44 Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana
izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.
1 [Ny nanasitranana an'i Namàna, sy ny
nampijaliana an'i Gehazy noho ny ratsy nataony] Ary Namàna, komandin'ny
miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady
nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery
izy, nefa kosa boka.
2 Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka
nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely;
ary nanompo ny vadin'i Namana io.
3 Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka
mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy
amin'ny habokany izy.
4 Ary niditra Namana ka nilaza tamin'ny tompony
hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay avy tany amin'ny tanin'ny
Isiraely.
5 Dia hoy ny mpanjakan'i Syria: Andeha ary
mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia
lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely
ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
6 Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin'ny
mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy
ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namàna mpanompoko aho
hankatỳ aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.
7 Ary nony efa novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely
ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho
ka hahafaty na hahavelona, no anirahan'ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana
olona amin'ny habokany? Koa maśna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko
mihitsy izy.
8 Ary rehefa ren'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra,
fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'ny Isiraely, dia naniraka tany amin'ny
mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy
hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin'ny
Isiraely.
9 Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny
sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa.
10 Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza
hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao,
ka hadio ianao.
11 Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe:
Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary
hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo
ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.
12 Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra
va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka
hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
13 Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy
hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain'ny mpaminany ho nataonao,
moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa,
dia hadio ianao?
14 Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana
impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga
tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
15 Ary niverina nankao amin'ny
lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary
nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy
Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany koa
maśna ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao.
16 Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay
itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy;
fa tsy nety Elisa.
17 Ary hoy Namana: Maśna ianao, moa tsy homena
tany zakan'ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba
hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa,
fa ho an'i Jehovah ihany.
18 Nefa ny amin'izao zavatra izao dia aoka
havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao
an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako, ka mba miankohoka
ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky
ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.
19 Ary hoy izy taminy: Mandehana soa
aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra*.[Heb. kiba iray
anaram-pandrefesana tokony ho maily iray]
20 Fa hoy Gehazy, zatovon'i Elisa,
lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana*
ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa
Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.[Heb.
Aramiana]
21 Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary
nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana
tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
22 Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko
naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky
ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa
maśna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
23 Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa
ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo
roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy
izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
24 Fa nony tonga tao amin'ny havoana izy, dia
nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny
ireo, ka dia lasa izy.
25 Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny
tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy
taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
26 Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka
taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao
ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na
tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na
ankizivavy va izao?
27 Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra
aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro,
boka fotsy toy ny oram-panala.
1 [Ny nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky
latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro,
tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
2 Maśna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka
samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary
hoy izy: mandehana ary ianareo.
3 Fa hoy ny anankiray: Maśna ianao, aoka mba
hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany
aho.
4 Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga
tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
5 Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka
tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko,
nindramina iny.[Heb. ny vy]
6 Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no
nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka
natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
7 Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia
narosony ny tànany, ka noraisiny.
8 [Ny nataon'i Elisa hamonjena ny Isiraely
tamin'izy niadian'ny Syriana] Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely
ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
9 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa
naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany
Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.
10 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany
amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka
nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
11 Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i
Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy
hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely?
12 Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy,
ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza
amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano
fandrianao aza.
13 Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay
itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao
Dotana izy.
14 Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary
miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
15 Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny
lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary
kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko!
Ahoana no hataontsika?
16 Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba
antsika dia be noho ny momba azy.
17 Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona
aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny
mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno
soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
18 Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa
nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena
ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa.
19 Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary
tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny
lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
20 Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia
hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah
nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.
21 Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny
Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va
izy?
22 Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa
asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsiṕkanao? Rosoy mofo sy rano
eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.
23 Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny
mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia
nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely
intsony ny mpitoha adin'i Syria.
24 [Ny nataon'i Elisa tamin'ny nisian'ny mosary
mafy tany Samaria] Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan'i Syria,
namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an'i Samaria.
25 Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro,
nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely
valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
26 Ary raha nitsangantsangana teny ambonin'ny
manda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo
aho, ry mpanjaka tompoko.
27 Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen'i
Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny famoloana va, sa amin'ny
famiazam-boaloboka?
28 Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no
alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny
zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
29 Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay;
ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika?
kanjo nafeniny ny zanany.
30 Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny
mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny
manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana* no nataony
manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]
31 Dia hoy izy: Hataon'Andriamanitra amiko anie
izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan'i Elisa,
zanak'i Safata.
32 Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny
loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa
raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny
loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny
lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho
mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny
tompony?
33 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro,
nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i
Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?
1 Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i
Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely
iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana*, ary ho sekely iray koa ny
vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.[Heb. sea]
2 Fa namaly ny lehilahin'Andriamanitra ilay
mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany ka nanao hoe:
Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany
zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany,
nefa tsy mba hihinananao.
3 Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan'ny
vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto
mandra-pahafatintsika?
4 Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia
misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika,
dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka
raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa
izy, dia ho faty ihany isika.
5 Dia niainga izy rehefa takariva hankany
amin'ny tobin'ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin'ny toby izy, indro, tsy
nisy olona akory tao.
6 Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan'ny
Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny soavaly, dia ny
firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan'ny
Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Egyptiana hiady
amintsika.
7 Dia niainga izy ka riatra nandositra
tamin'iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy
ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.
8 Ary rehefa tonga teny an-tsisin'ny toby ireo
boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro,
dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany;
ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay anankiray koa sady naka avy
tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
9 Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao
ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika;
raha hitoetra eto mandra-pahamarain'ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha
isika hilaza ao an-tranon'ny mpanjaka.
10 Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny
vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Syriana izahay,
ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory aza, fa soavaly mifatotra
sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
11 Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy,
ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon'ny mpanjaka.
12 Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka
niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon'ny
Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin'ny toby
izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy
dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.
13 Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe:
Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin'izay sisa ato an-tanàna
(indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka
ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha
izany.
14 Dia nalainy ny soavalin'ny kalesy roa; ary
ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana,
ka izahao.
15 Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo;
ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny
Syriana, raha nandositra tamin'ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka
nilaza tamin'ny mpanjaka.
16 Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin'ny
Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny famarana, dia sekely iray monja no
vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny
vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.
17 Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny
mpanjaka tamin'ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka
teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain'ny
lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny
mpanjaka.
18 Koa dia tanteraka ilay teny nolazain'ny
lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao
am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin'ny vary hordea
indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin'ny koba tsara toto
eran'ny famarana;
19 ka izany mpanafika malaza izany no namaly
ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny
lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho
hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.
20 Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona
nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.
1 [Ny amin'ny nahazoan'ilay vehivavy Sonemita
ny tranony sy ny taniny] Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin'ilay
zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny
ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa
niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin'ny
tany.
2 Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny
tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny
fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina.
3 Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy
tany amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin'ny
mpanjaka izy ny amin'ny tranony sy ny taniny.
4 Ary ny mpanjaka niteny tamin'i Gehazy, zatovon'ny
lehilahin'Andriamanitra, hoe: Maśna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe
rehetra nataon'i Elisa.
5 Ary raha mbola nilazalaza tamin'ny mpanjaka
ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin'ny
zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny
taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa
ilay zanany maty novelomin'i Elisa.
6 Ary nony nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy,
dia nilaza. Ary dia notendren'ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny
hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra
hatramin'ny andro nialany tamin'ny tany ka mandraka ankehitriny.
7 [Ny nilazan'i Elisa tamin'i Hazaela ny
handimbasany an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Elisa tonga tany
Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy nanambara
taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.
8 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: Mitondrà
fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin'Andriamanitra,
ary manontania izay tenin'i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va
aho amin'izao aretiko izao?
9 Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra
fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva
efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada
zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe:
Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
10 Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao
aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa* Jehovah efa naneho ahy fa ho
faty tokoa izy.[Na: (Tsy ho sitrana ianao; fa)]
11 Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy;
ary dia nitomany ny lehilahin'Andriamanitra.
12 Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao,
tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin'ny
Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin'ny
sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy
hotatahanao.
13 Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny
mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa
Elisa namaly hoe: Efa nasehon'i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan'i
Syria.
14 Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany
amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao?
Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
15 Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny
lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada,
ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
*
16 [Ny nanjakan'i Jehorama sy Ahazia tamin'ny
Joda] Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba,
mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata,
mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.
17 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao
nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
18 Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny
Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanakavavin'i
Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
19 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda
noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro
mandrakizay ho an*'ny taranany.[Na: izy sy]
20 Tamin'ny androny no niodinan'i Edoma ka tsy
nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
21 ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy
rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay
nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra
nody*.[Heb. ho any an-dainy]
22 Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda
mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin'izany andro izany.
23 Ary ny tantaran'i Jehorama sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va?
24 Ary Jehorama lasa nodimandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida; ary Ahazia
zanany no nanjaka nandimby azy.
*
25 Ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo
nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i
Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,
26 Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao
nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia
Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.
27 Ary nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i
Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny
taranak'i Ahaba, fa vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany izy.
28 Ary niaraka tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba,
izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny
Syriana nahavoa an'i Jorama.
29 Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina
tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony
izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama,
mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela,
satria narary izy.
1 [Ny nanosorana an'i Jeho ho mpanjaka, sy ny
namonoan'i Jeho an'i Jorama sy Ahazia ary Jezebela] Ary Elisa mpaminany niantso
ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina,
dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any
Ramota-gileada;
2 ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho,
zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary mid́ra, ka manaingà azy hiala amin'ny
namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
3 ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino
amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho
mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza
mijanona.
4 Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny
mpaminany*, nankany Ramota-gileada.[Na: ilay zatovo mpaminany]
5 Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo
ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao
aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy
ô.
6 Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano,
dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny
Isiraely oloko.
7 Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao
ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny
ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
8 Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra;
ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na
ny afaka eo amin'ny Isiraely;
9 Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny
taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
10 Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany
Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka
lasa nandositra.
11 Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny
tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny
ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany
an-dralehilahy sy ny heviny.
12 Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao
aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i
Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.
13 Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy
ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny
anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
14 Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy,
nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i
Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
15 Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina
tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady
tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no
sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any
Jezirela.
16 Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka
nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda,
efa nidina hamangy an'i Jorama.
17 Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny
tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka
amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà
mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana
va?
18 Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray
hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary
hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny
mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany
Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka:
Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato
aoriako ianao.
20 Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny
aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny
fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
21 Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny
ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny
Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho,
ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
22 Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao
hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha
mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka
ataony?
23 Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady
niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
24 Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsiṕka teny
an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny
sorony, ary ny zana-tsiṕka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao
anatin'ny kalesiny.
25 Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao
izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho
sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i
Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
26 Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny
ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy
Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.
27 Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda,
izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy.
Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo
anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i
Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
28 Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny
kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao
an-tanànan'i Davida.
29 Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo
nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda.
30 Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony
nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty* ny masony, sady noravahany
ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.[Heb. antimony]
31 Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia
hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
32 Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka
nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo
teo nitsirika azy.
33 Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia
nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny rindrin-trano sy ny soavaly ny
ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
34 Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy
nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka
aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
35 Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy
nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany
ihany.
36 Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary
hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia
Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny
nofon'i Jezebela,
37 Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha,
ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
1 [Ny namongorana ny taranak'i Ahaba sy ny
rahalahin'i Ahazia ary ny mpaminanin'i Bala, sy ny nanjakan'i Jeho tamin'ny
Isiraely] Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho
nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin'ny mpanapaka any
Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak'i Ahaba nanao hoe:
2 Ary raha tonga atỳ aminareo ity
taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin'ny tomponareo, ary ao aminareo ny
kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
3 dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin'ny
zanakalahin'ny tomponareo, ary apetraho amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ka
miadia ary ho an'ny mpianakavin'ny tomponareo.
4 Dia raikitahotra indrindra ireo ka
nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka
hataontsika ahoana no fahajanona?
5 Ary ny lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny
tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao
hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy
hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
6 Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho
nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankaṭ ny teniko, dia tapaho ny lohan'ireo
zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela
rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao
amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.
7 Ary nony efa tonga tany amin'ireo ny
taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy,
ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin'i Jeho tany
Jezirela.
8 Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe:
Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho:
Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.
9 Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary
nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho
nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra
ireto?
10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka
an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny amin'ny taranak'i Ahaba; fa
Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia mpanompony.
11 Ka dia novonoin'i Jeho izay sisa rehetra
tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy
mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia
iray akory aza.
12 Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony
mby tany an-trano fivorian*'ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,[Na:
Bet-ekda]
13 dia nifanena amin'ny rahalahin'i Ahazia,
mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe:
Rahalahin'i Ahazia izahay ary mid́na mba hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy
ny zanakalahin'ny andriambavy.
14 Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia
nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka famorian-drano tao an-trano
fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray
akory aza.
15 Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i
Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary
nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba
namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray
tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny
kalesy izy.
16 Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka
izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo amin'ny kalesy izy.
17 Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia
namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria
mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.
18 Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao
taminy hoe: Ahaba nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy
fatratra.
19 Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny
mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza
avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho
fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina
izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
20 Ary hoy Jeho: Manendre* fivoriana masina ho
an'i Bala. Koa dia nanendry* andro izy.[*Heb. Manamasina][Heb. nanamasina]
21 Ary Jeho naniraka tany amin'ny Isiraely
rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy
tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka
feno hika ny trano.
22 Dia hoy Jeho tamin'ny mpitahiry ny
fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny
fitafiana ho azy izy.
23 Ary Jeho sy Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao
an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy
izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i
Bala ihany.
24 Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana
sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo
ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto
an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
25 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra
dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka
vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra
izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao
amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
26 Ary namoaka ny orin-kazo izay tao
an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.
27 Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny
tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
28 Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy
ho amin'ny Isiraely.
29 Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i
Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo
ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
30 Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa
nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao
tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra
amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatramin'ny zafindohalika.
31 Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin'ny
lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny fony rehetra; fa tsy niala
tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
32 Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i
Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely
rehetra
33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny
tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera,
izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
34 Ary ny tantaran'i Jeho sisa mbamin'izay
rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
35 Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby
azy.
36 Ary ny andro izay nanjakan'i Jeho tamin'ny
Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
*
1 [Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy,
ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ary nony hitan'i Atalia, renin'i
Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana
rehetra.
2 Fa Joseba. zanakavavin'i Jehorama mpanjaka
ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny
mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano
fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
3 Ary niery enin-taona tao aminy tao
an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany.
4 Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka
haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo* sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao
an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah,
ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.[Heb. Kariana]
5 Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo:
Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny Sabata dia hiambina ny tranon'ny
mpanjaka;
6 ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora;
ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon'ny mpiambina, dia hiambina ny
trano ianareo ka hiaro azy.
7 Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay
rehetra miala amin'ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon'i Jehovah hiarovana
ny mpanjaka.
8 Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo,
samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary
arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.
9 Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra
nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka
tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata ary nankany amin'i Joiada
mpisorona.
10 Ary ny kapiteny nomen'ilay mpisorona ny
lefona sy ampingan'i Davida mpanjaka izay tao an-tranon'i Jehovah.
11 Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana
ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka
hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
12 Dia nentin'i Joiada nivoaka ny
zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany
ny Vavolombelona*; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona
nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka![Dia ny Didy Folo]
13 Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny
mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'i
Jehovah izy.
14 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana
teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka
trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady
nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe:
Fikomiana! fikomiana!
15 Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny,
mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan'ny laharana izy,
ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara
hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy.
16 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia
nandeha tamin'ny lalana fandehanan'ny soavaly ho any an-tranon'ny mpanjaka
ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
17 Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy
ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny
mpanjaka sy ny vahoaka koa.
18 Ary ny vahoaka rehetra niditra tao
an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia
notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny
alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah.
19 Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny
mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon'i
Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny mpiambina no nalehany hankao
an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka izy.
20 Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry
fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny
mpanjaka.
*
1 [Ny nanjakan'i Joasy tamin'ny Joda, sy ny
nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka:
2 Ary tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Jeho
no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
3 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i
Jehovah tamin'ny androny rehetra izay nanoloran'i Joiada mpisorona saina azy.
4 Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana;
ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo
manitra teo amin'ny fitoerana avo ihany.
5 Ary hoy Joasy tamin'ny mpisorona: Ny vola
amin'ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, dia ny
volan'ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin'ny tomban'olona ary ny
vola rehetra Izay nentin'ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon'i Jehovah,
6 aoka horaisin'ny mpisorona amin'ny
olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin'ny trano, na amin'inona na
amin'inona no hitany misy simba.
7 Kanjo hatramin'ny fahatelo amby roa-polo
taona nanjakan'i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny
simba tamin'ny trano.
8 Ka dia niantso an'i Joiada mpisorona sy ny
mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy
nanamboatra ny simba amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin'ny
olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin'ny trano
ny vola.
9 Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola
amin'ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin'ny trano.
10 Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia
noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan'ny alitara tamin'ny sisiny
ankavanana eo am-pidirana amin'ny tranon'i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona,
mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah.
11 Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata,
dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola
izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady nisainy.
12 Ary ny vola voalanja dia natolotr'ireo ho eo
an-tanan'ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah; ary
ireo kosa namoaka azy ho amin'ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay
nanamboatra ny tranon'i Jehovah
13 sy ho amin'ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika,
ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin'ny tranon'i Jehovah
sy holanina amin'izay rehetra hanamboarana azy.
14 Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na
lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona
na inona, natao ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny volafotsy nampidirina tao;
15 fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin'ireo
nanamboatra ny tranon'i Jehovah.
16 Ary tsy nampamoahiny ny olona izay
notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.
17 Fa ny vola natao fanati-panonerana sy
fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, fa an'ny
mpisorona kosa izany.
18 Ary tamin'izany dia niakatra Hazaela,
mpanjakan'i Syria, ary namely an'i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra
hamely an'i Jerosalema koa izy.
19 Ary Joasy, mpanjakan'ny Joda, naka ny
zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny Joda razany, dia Josafata sy
Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena
rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao
an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin'i Hazaela, mpanjakan'i
Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
20 Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany?
21 Ary nitsangana ny mpanompon'i Joasy ka
niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo*, ao am-pidinana mankany
Sila.[Heb. fiarovana]
22 Fa Jozakara, zanak'i Simata, sy Jozabada,
zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin'ny razany
tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i Joahaza sy Joasy zanany
tamin'ny Isiraely, ary ny nahafatesan'i Elisa] Tamin'ny taona fahatelo amby
roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i
Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito
ambin'ny folo taona izy.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy,
fa nanaraka ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny
Isiraely; tsy niala tamin'izany izy.
3 Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra
tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria,
sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, mandrakariva izy.
4 Ary Joahaza nifona tamin'i Jehovah, dia
nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian'ny Isiraely, fa nampahory azy
ny mpanjakan'i Syria.
5 Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny
Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny
teo aloha ny Zanak'Isiraely.
6 Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny
taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany
ihany, ary na dia ilay Aseraha* aza dia mbola tao Samaria
ihany.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
7 Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i
Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila
an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao
azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
8 Ary ny tantaran'i Joahaza sisa mbamin'izay
rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
9 Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
*
10 Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo
nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza,
tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.
11 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i
Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin'izany ihany izy.
12 Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay
rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy
efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
13 Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza fiandrianany; ary Joasy dia
nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
*
14 Ary Elisa dia nararin'ny aretina izay
hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany aminy ka
niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry
ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
15 Ary hoy Elisa taminy: Makà tsiṕka sy
zana-tsiṕka. Ary dia naka tsiṕka sy zana-tsiṕka izy.
16 Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely:
Henjano ny tsiṕka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin'ny
tanan'ny mpanjaka.
17 Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana.
Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy:
Zana-tsiṕkan'ny famonjen'i Jehovah, dia zana-tsiṕkan'ny famonjena hahavoa ny
Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
18 Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsiṕka. Dia
noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary
nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
19 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia tezitra
taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho
nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no
hamelezanao ny Syriana.
20 Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny
mpitoha adin'ny Moabita nananika ny tany amin'ny fitsingerenan'ny taona.
21 Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita
ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha
vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka
nijoro tamin'ny tongony.
*
22 Ary Hazaela, mpanjakan'i Syria, nampahory ny
Isiraely tamin'ny andro rehetra nanjakan'i Joahaza.
23 Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy
ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy
ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
24 Ary maty Hazaela, mpanjakan'i Syria; ary
Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo
an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela
teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy
azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.
*
1 [Ny nanjakan'i Amazia tamin'ny Joda] Tamin'ny
taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao
nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao
nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i
Joasy rainy ihany no nataony.
4 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa
mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny
amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny
fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
6 Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba
novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy,
izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany,
ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny
fahotany avy ny olona.
7 Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao
amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela,
izay mbola anarany mandraka androany.
8 Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany
amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe:
Avia, aoka isika hihaona.
9 Fa Joasy mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany
amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona
naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy
ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka
nanosihosy ny tsilo.
10 Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia
nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka
mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao
mbamin'ny Joda koa ianao?
11 Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra
Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona
tany Beti-semesy izay any Joda.
12 Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka
samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
13 Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i
Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany
Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny
màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
14 Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny
volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy
tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia
niverina ho any Samaria izy.
15 Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny
heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
16 Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny
razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary
Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17 Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i
Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada,
mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
18 Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
19 Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema,
dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
20 Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny,
dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy.
21 Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka
an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona tamin'izay, ka nampanjaka azy
handimby an'i Amazia rainy.
22 Izy no hanamboatra an'i Elota ka nampody azy
ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka.
*
23 [Ny nanjakan'i Jeroboama II tamin'ny
Isiraely sy ny nampodiany ny voninahitry ny fanjakana ho tahaka ny teo]
Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy,
mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny
Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
24 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i
Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
25 Izy no nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka
azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay*, araka ny
tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony,
dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.[Heb. Arabà]
26 Fa efa hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra
ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady
tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
27 Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny
tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama,
zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
28 Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay
nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata,
izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
29 Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka
nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i Azaria tamin'ny Joda, ary ny
nanjakan'i Zakaria sy Saloma sy Menahema sy Pekahia ary Peka tamin'ny Isiraely]
Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny
Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda.
2 Enina ambin'ny folo taona izy, fony vao
nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy;
4 kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa
mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny
amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka
mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama,
zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
6 Ary ny tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany?
7 Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin'ny
razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Jotama
zanany no nanjaka nandimby azy.
*
8 Tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo
nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama,
tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
9 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama,
zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
10 Ary Saloma, zanak'i Jabesy, nikomy taminy,
dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
11 Ary ny tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
12 Izany no ilay tenin'i Jehovah nolazainy
tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny zafindohalika dia hipetraka amin'ny
seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
13 Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka
tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary
nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
14 Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany
Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria
ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15 Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny
nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Isiraely izany.
16 Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka
namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy
namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao
notatahany.
17 Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo
nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady,
tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
18 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama,
zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
19 Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy
hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba
hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
20 Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny
mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy
isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i
Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
21 Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay
rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely va izany?
22 Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
23 Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i
Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema,
tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
24 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay
nampanotany ny Isiraely.
25 Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia
nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao
amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy
tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
26 Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay
rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely izany.
27 Tamin'ny taona faharoa amby dimam-polo
nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia,
tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
28 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay
nampanotany ny Isiraely.
29 Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny
Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona
sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny
tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
30 Ary Hosea, zanak'i Elaha, nikomy tamin'i
Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin'ny
taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia.
31 Ary ny tantaran'i Peka sisa mbamin'izay
rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely izany.
*
32 [Ny nanjakan'i Jotama tamin'ny Joda]
Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely,
no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda.
33 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao
nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
34 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony.
35 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa
mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny
amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny
tranon'i Jehovah.
36 Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay
rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Joda va izany?
37 Tamin'izany andro Izany no vao
nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i
Remalia, hanafika an'i Joda.
38 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary
Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
1 [Ny nanjakan'i Ahaza tamin'ny Joda] Tamin'ny
taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, no vao
nanjakan'i Ahaza, zanak'i Jotama, mpanjakan'ny Joda.
2 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka,
ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon'i Davida rainy izy;
3 fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny
Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny
fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny
Zanak'Isiraely.
4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady
nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ny havoana
ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
5 Ary tamin'izany dia niakatra hanafika an'i
Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny
Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
6 Tamin'izany andro izany Rezina, mpanjakan'i
Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i Syria ka nandroaka ny
Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
7 Ary Ahaza naniraka olona ho any amin'i
Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho;
miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely,
izay efa mitsangana hiady amiko.
8 Ary nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny
volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny
mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
9 Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria
ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny
olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
10 Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an'i
Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara
tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny
fombany rehetra ho any amin'i Oria mpisorona.
11 Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka
ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan'i
Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
12 Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny
mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo
amboniny.
13 Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny
fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny
ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara.
14 Ary ny alitara varahina kosa, izay teo
anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano dia eo
anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka nataony teo avaratry ny
alitarany.
15 Ary Ahaza mpanjaka nandidy an'i Oria
mpisorona hoe: Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana
maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin'ny
fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin'ny
fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka rehetra ary ny
rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia
hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola hataoko
fanontanian-javatra
16 Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay
rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka.
17 Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny
fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe*
dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony
teo ambony lampivato.[Heb. ranomasina]
18 Ary ny Fialofana tamin'ny Sabata, izay natao
teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an'ny mpanjaka, dia
nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan'i Asyria.
19 Ary ny tantaran'i Ahaza sisa, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
20 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary
Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i Hosea, sy ny naharavan'ny
fanjakan'ny Isiraely, ary ny fototry ny nahatonga izany] Tamin'ny taona faharoa
ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea,
zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy,
nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely teo alohany.
3 Niakatra hanafika azy Salmanesera,
mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra* ho azy Hosea.[Heb.
fanomezana]
4 Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina
Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy
nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony
isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao
an-trano-maizina.
5 Dia niakatra ny mpanjakan'i Asyria ka
nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo
taona.
6 Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea
no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany
Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny
onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.
7 Ary ny nahatongavan'izany dia noho ny
nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka tamin'ny tànan'i Farao,
mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
8 ka nandeha araka ny fanaon'ny jentilisa izay
noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay
nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.
9 Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy
marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny
amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka
hatramin'ny tanàna mimànda.
10 Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha
ho azy teny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso
rehetra izy;
11 ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny
fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon'ny jentilisa izay noroahin'i
Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an'i
Jehovah.
12 Fa nanompo sampy, izay nandraran'i Jehovah
azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13 Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita
rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà
amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna
rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko
ho aminareo.
14 Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny
hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an'i Jehovah Andriamaniny.
15 Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay
nataony tamin'ny razany mbamin'ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary
nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny
jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran'i Jehovah azy mba tsy halainy
tahaka.
16 Ary nahafoy ny didin'i Jehovah Andriamaniny
rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an'ny tenany, dia ombilahy kely
roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny
amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.
17 Ary nampandeha ny zananilahy sy ny
zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena
hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
18 Koa dia tezitra indrindra tamin'ny Isiraely
Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny
firenen'i Joda ihany.
19 Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny
didin'i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon'ny Isiraely
koa.
20 Dia narian'i Jehovah ny taranak'Isiraely
rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan'ny mpamabo azy
mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21 Fa nendahany niala tamin'ny taranak'i Davida
ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an'i Jeroboama, zanak'i Nebata; ary
Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an'i Jehovah ka nampanota azy
indrindra.
22 Ary ny Zanak'Isiraely nandeha tamin'ny
fahotana rehetra nataon'i Jeroboama, fa tsy niala tamin'izany izy
23 Mandra-panaisotr'i Jehovah ny Isiraely tsy
ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka
dia lasan-ko babo niala tamin'ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any
mandraka androany.
24 [Ny nametrahana olona hafa firenena tao
amin'ny tany Samaria, sy ny amin'ny fivavahan'ireny] Ary ny mpanjakan'i Asyria
nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka
namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia
nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany.
25 Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy
natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka
nahafatesan'ireny izy.
26 Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i
Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i
Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka
dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho
ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany.
27 Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho
ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary
aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao
amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
28 Dia tonga ny mpisorona anankiray avy
tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia
nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.
29 Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny
andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo,
izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao
amin'ny tanàna nitoerany avy.
30 Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an'i
Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an'i Nergala; ary ny olona avy
any Hamata nanao an'i Asima;
31 ary ny Avita nanao an'i Nibaza sy Tartaka;
ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin'ny afo ho an'i Adrameleka Anameleka,
andriamanitr'i Sefarvaima.
32 Dia natahotra an'i Jehovah ny olona, ary
izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin'ny
fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny trano eny amin'ny
fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
33 Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola
nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon'ny firenena izay efa
nangalana azy avy.
34 Mandraka androany dia mbola manao araka ny
fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an'i Jehovah, ary tsy dia manao araka
ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian'i Jehovah ny
taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
35 Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe:
Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo
azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
36 Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy
tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka
Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy
no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
37 Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary
ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva;
ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
38 Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia
aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo;
39 Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka
hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo
rehetra.
40 Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka
ny fanaony taloha ihany.
41 Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo
firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny
zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny
mandraka androany.
*
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny
naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely] Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i
Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i
Ahaza, mpanjakan'ny Joda.
2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao
nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny
anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
4 Izy no nandrava ny fitoerana avo sy
namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny
menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro
ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany
nataony hoe Nehostana*.[Nehostana = Ilay varahina]
5 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no
nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na
ny teo aoriany, na ny teo alohany
6 Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala
tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
7 Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina* tamin'izay
nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ka tsy
nanompo azy.[Na: hita ho hendry]
8 Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny
fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka
hatramin'ny tanàna mimànda.
9 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i
Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha,
mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria,
hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
10 Ary nony tapitra ny telo taona, dia
afak'ireo ny tanàna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona
fahasivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no nahafahana an'i Samaria.
11 Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra ny
Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron'i Habora,
onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana,
12 Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah
Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
13 [Ny niadian'i Sankeriba tamin'i Hezekia] Ary
tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka
nahafaka azy.
14 Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka
tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho,
fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa
an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta
volamena telo-polo.
15 Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra
izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka.
16 Tamin'izany andro izany no nanendahan'i
Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny
tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho
an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
17 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i
Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy
hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga
tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan'ny
lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy
lamba.
18 Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia
nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy
Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
19 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao
amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i
Asyria: Inona izato itokianao?
20 Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana
saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
21 Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara
torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona iny, dia manindrona ny tànany
miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky
azy.
22 Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah
Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay
noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity
alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
23 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko,
mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona
hitaingina azy.
24 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy
iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa
matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
25 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe:
Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
26 Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna
ary Joa tamin-dRabsake: Maśna ianao, teny Syriana* no ataovy aminay
mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona
eny ambonin'ny mànda.[Heb. Aramiana]
27 Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin'ny
tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao,
fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay
tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb. ny
tainy][**Heb. ny amaniny]
28 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny
feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny
mpanjakan'i Asyria:
29 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety ho
fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tanako izy tsy
akory.
30 Ary aza mety hampahatokin'i Hezetia an'i
Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy
hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
31 Aza mihaino an'i Hezekia; fa izao no
lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa
atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia
misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
32 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any
amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany
misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho
velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy manome
vohony anareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
33 Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny
mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
34 Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy
Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy
an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
35 Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra
amin'ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no
hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
36 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly
azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza
misy mamaly azy.
37 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny
tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny
raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny
fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
1 [Ny amin'ny namonjena an'i Jerosalema, sy ny
nandringanana ny miaramilan'i Sankeriba, mbamin'ny nahafatesan'ny tenany] Ary
raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy
lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
2 Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny
tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba
fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.
3 Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i
Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby
ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny
teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony
hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa
ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia
mpanjaka.
6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny
tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia
izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao
anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko
lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay
nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala
tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka,
mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona
indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe:
10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia,
mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao
hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11 Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo
mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany* azy; ka ianao kosa
va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny
firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i
Edena, izay tao Telasara?
13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i
Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny
iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka
namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah
nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny
kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra
ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka
mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i
Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona.
17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo
mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty
afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy
vato; ka dia azony nosimbana.
19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô,
mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny
fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô,
no Andriamanitra.
20 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka
hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i
Asyria, dia efa nohenoiko.
21 Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny
amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy
virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
22 Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary
hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any
ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
23 Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe:
Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao
afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia
hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany
midokadoka.
24 Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho*,
ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any
Egypta**. [*Na: ranon'ny firenena hafa][Heb. Mazora]
25 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny
fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany?
ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho
tonga korontam-bato ianao.
26 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady
raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary
tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary
maty raha vao mitsiry.
27 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny
ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
28 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga
ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary
hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay
nihavianao ianao.
29 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa:
Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary
amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa
dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay
vokatra eo.
30 Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia
mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
31 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy
sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah,
Tompon'ny maro, no hanao izany.
32 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny
mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa
zana-tsiṕka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany
hamelezany ity.
33 Ny lalana izay nihaviany ihany no
hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
34 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy
noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
35 Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i
Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao
an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa,
indreo, efa maty avokoa ireo.
36 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
37 Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka
andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra
izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary
Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany
ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny
nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary
Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka
nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
3 Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny
nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary
ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna*
afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: [Na: kianja]
5 Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka
ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa
nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana
anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
6 Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny
andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i
Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida
mpanompoko.
7 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia
nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
8 Ary hoy Hezekia tamin'i Isaia: Inona no
famantarana fa hositranin'i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon'i Jehovah
raha afaka ampitso?
9 Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao
avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
handroso hàdiny* folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo? [Heb. ambaratonga]
10 Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny
handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny
folo.
11 Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i
Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo
amin'ny dialin'i Ahaza.
12 Tamin'izany andro izany no nampitondran'i
Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy
fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
13 Ary Hezekia nandray* azy ka naneho azy ny
trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra
ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay
rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na
ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.[Heb. nihaino]
14 Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia
mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao
ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia
avy tany Babylona.
15 Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany
tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany
avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.
16 Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny
tenin'i Jehovah:
17 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any
Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka
voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona,
hoy Jehovah.
18 Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny
koa; ka ho tandonaka* any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.[Heb.
ionoka]
19 Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny
tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy
fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
20 Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny
rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao
an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda
va izany?
21 Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny
razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
*
1 [Ny nanjakan'i Manase sy Amona] Roa ambin'ny
folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy
tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo
anoloan'ny Zanak'Isiraely.
3 Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay
noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha,
tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo
anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
4 sady nanao alitara tao an-tranon'i Jehovah
koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny
anarako.
5 Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa
tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy.
6 Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady
nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny
mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka
nampahatezitra Azy.
7 Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia
napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona
zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny
firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
8 Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely
intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka
hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay
nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
9 Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy
hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy
ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
10 Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany
mpanompony hoe:
11 Satria Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao
fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita
izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny sampiny,
12 dia izao kosa no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'i Jerosalema sy ny Joda
Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
13 Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny
famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema
Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
14 Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho
eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon'ny fahavalony rehetra
izy,
15 satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy
ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny razany avy any Egypta ka
mandraka androany.
16 Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i
Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota
izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
17 Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'izay
rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
18 Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny
razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin'ny sahan'i Oza; ary
Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
*
19 Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao
nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia
Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any Jotba.
20 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa
izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.
21 Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa
nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka
teo anatrehany.
22 Ary nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny
razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.
23 Ary ny mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy
taminy ka namono azy tao an-tranony.
24 Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy
tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
25 Ary ny tantaran'i Amona sisa, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
26 Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny
sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny
nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahirana ny Bokin'ny Lalàna] Valo taona
Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any
Bozkata.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah
kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba
nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
3 Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i
Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i
Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe:
4 Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe,
hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny
mpiandry varavarana tamin'ny olona;
5 ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao
raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo
ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny
trano,
6 dia ho an'ny mpandrafitra sy ny
mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika
hanamboarana ny trano.
7 Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola
natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
8 Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra:
Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia
an'i Safana ny boky ka novakiny.
9 Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny
mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola
izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay
voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
10 Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny
mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo
anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
11 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao
amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
12 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia
mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana
mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:
13 Mandehana ianareo, ka manontania amin'i
Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky
vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny
tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra
voasoratra ho antsika.
14 Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy
Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i
Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao
amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy
ireo.
15 Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo
ho atỳ amiko hoe:
16 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho
hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay
rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda.
17 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro
ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay
rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka
tsy hosakanana.
18 Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay
naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay
novakinao,
19 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo
anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna
ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana
ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa
efa nihaino, hoy Jehovah.
20 Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao
ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy
mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
1 [Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy
marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany
tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory
tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra.
2 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary
nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany
Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely
na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny
fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny
fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy
hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony
rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankaṭ ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra
ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny
fanekena.
4 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo
mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra
izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra
hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny
amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
5 Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny
andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo
manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny
manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i
Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka* ary
ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.[Heb. Mazotoa; izahao Joba xxxviii. 32]
6 Ary ny Aseraha navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah
ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany
tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin'ny
fasam-bahoaka.
7 Ary noravany ny tranon'ny olona nanolo-tena
hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia ireo
nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
8 Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny
tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny
mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany
ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i
Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny
vavahadin'ny tanana.
9 Fa ny mpisorona tamin'ny fitoerana avo tsy navela
hanatitra teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo
niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin'ny rahalahiny ihany izy.
10 Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin'ny lohasahan'ny
taranak'i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky
ny afo ho an'i Moloka intsony.
11 Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda
ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah,
teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa*, izay tao Parvara**, dia
nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.[*Heb.
ionoka][**Tokony ho anaran-trano madinika sasany teo an-kianjan'ny tempoly]
12 Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny
tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i
Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny
mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona
ny vovony.
13 Ary nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo
anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia
ireo nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa
havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i
Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
14 Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady
nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan'olona ny nitoerany.
15 Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo
izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia
noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary
nodorany koa ny Aseraha.
16 Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny
an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo
ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay
notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra*.[Izahao 1 Mpanjaka xiii. 2]
17 Dia hoy izy: Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary
hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay
avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin'ny alitara eto
Betela izao.
18 Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany
akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan'ilay
mpaminany avy tany Samaria.
19 Ary ny trano rehetra tamin'ny fitoerana avo,
izay teny amin'ny tanànan'i Samaria, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely ka
nahatonga fahatezerana, dia noravan'i Josia koa ka nataony araka izay rehetra
efa navony tany Betela.
20 Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny
mpisorona amin'ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin'ny alitara, sady nandoro
taolan'olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
21 Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra
hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao
amin'ny bokin'ity fanekena ity.
22 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany
hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin'ny andro
rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda;
23 fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo
nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an'i Jehovah
tany Jerosalema.
24 Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny
mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay
hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana
ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao
an-tranon'i Jehovah.
25 Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo
alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny
rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; sady tsy nisy
tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
26 Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin'ny
firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin'ny Joda
noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i Manase Azy.
27 Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala
eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna
Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
28 Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'izay rehetra
nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda
va izany?
29 Tamin'ny andro nanjakan'i Josia no
niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany amoron'ny ony Eofrata hiady
amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin'i Farao.
Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
30 Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony
tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny
tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka Joahaza, zanak'i Josia, dia
nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
31 [Ny nanjakan'i Joahaza sy Joiakima ary
Joiakina] Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo
volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i
Jeremia, avy any Libna.
32 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy
tahaka izay rehetra nataon'ny razany.
33 Ary nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any
amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny
sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
34 Ary Farao-neko nanendry an'i Eliakima,
zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary ny anarany novany ho
Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
35 Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen'i
Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny
didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny
tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
*
36 Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy
vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny
anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia, avy any Romaha.
37 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy
tahaka izay nataon'ny razany.
1 Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no
niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary nanoa azy telo taona
Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
2 Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny
Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny
miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin'ny
Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny
mpaminany mpanompony.
3 Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no
nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny
fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony
4 sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa
nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan'i Jehovah hamela ny
helony.
5 Ary ny tantaran'i Joiakima sisa mbamin'izay rehetra
nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda
va izany?
6 Ary Joiakima lasa nodimandry any amin'ny
razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7 Ary ny mpanjakan'i Egypta tsy nivoaka avy
tany amin'ny taniny intsony; fa lasan'ny mpanjakan'i Babylona izay rehetra
an'ny mpanjakan'i Egypta hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka hatramin'ny
ony Eofrata.
*
8 Valo ambin'ny folo taona Joiakina, fony izy
vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny
anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin'i Elnatana, avy any Jerosalema.
9 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy
tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10 Tamin'izany andro izany no niakaran'ny
mpanompon'i Nebokadnezara. mpanjakan'i Babylona, hamely an'i Jerosalema, ary
nataony fahirano ny tanàna.
11 Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan'i
Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
12 Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka
nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy
ny mpanapaka mbamin'ny tandapany*;[Heb. ionoka] ary nentin'ny mpanjakan'i
Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.
13 Ary navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny
rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka, dia
nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely,
tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay nolazain'i Jehovah.
14 Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema
rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray
alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa
navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
15 Ary nitondra an'i Joiakina koa ho babo any
Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka sy ny tandapa*
sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho
any Babylona.[Heb. ionoka]
16 Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito
arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy
mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
17 Ary Matania, rahalahin-drainy, no
notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i Joiakina, ka novany
hoe Zedekia no anarany.
18 [Ny nanjakan'i Zedekia, sy ny nandravana
an'i Jerosalema, ary ny toetry ny olona sisa sy Joiakina] Iraika amby roa-polo
taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i
Jeremia, avy any Libna.
19 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.
20 Fa ny fahatezeran'i Jehovah no
nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho
eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
1 Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana
fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia dia tonga Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema indray
ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
2 Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin'ny
taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
3 Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana
fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona
tompon-tany.
4 Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra
alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny
manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny
tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny
tani-hay*.[Heb. Arabà]
5 Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny
mpanjaka ka nahatratra azy teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka
nandao azy ny miaramilany rehetra.
6 Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina
niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao
izy.
7 Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny
teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony
tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
8 Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana
fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny
mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
9 ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny
mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia
nodorany tamin'ny afo avokoa.
10 Ary ny manda manodidina an'i Jerosalema dia
noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny
mpiambina.
11 Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay
efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia
nentin'i Neborazadana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
12 Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho
mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
13 Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny
fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe* izay teo an-tranon'i
Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny
varahina.[Heb. ny ranomasina]
14 Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny
sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay
nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
15 Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia
famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa
16 ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary
ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah;
ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
17 Valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray,
ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny
harato sy ny ampongabendanitra amin'ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany
koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.
18 Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia
mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa
telo lahy;
19 ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray,
mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny
mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila,
izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay
hitany tao an-tanàna;
20 dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina,
ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
21 Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any
amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala
tamin'ny taniny.
22 Fa ny amin'ny olona izay sisa tany amin'ny tanin'ny
Joda, izay navelan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia Gedalia, zanak'i
Ahikama, zanak'i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
23 Ary nony ren'ny komandin'ny miaramila rehetra
mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin'i Gedalia tany Mizpa
Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i
Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia ireo sy ny
olom-peheziny avy.
24 Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny
ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera
amin'ny tany, ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
25 Ary tamin'ny volana fahafito, dia avy Isimaela,
zanak'i Netania, zanak'i Elisama, isan'ny fianakavian'ny mpanjaka, mbamin'ny
olona folo lahy koa ka namely an'i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny
Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
26 Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe,
mbamin'ny komandin'ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.
*
27 Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny
volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny
namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i
Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany* hiala tao
an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb. nasandratra ny lohany]
28 Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany
nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
29 Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao
an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny
andro niainany rehetra.
30 Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny
mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro
rehetra niainany.