[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Joda
1 [Fananarana ny
amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i
Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy
voatahiry ho an'i Jesosy Kristy;
2 hampitomboina ho
anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
3 Ry malala, raha
manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena
iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba
hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho
an'ny olona masina.
4 Fa misy olona
sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany
fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny
fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia
Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy
Tompontsika]
5 Ary
ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra
rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia
naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.
6 Ary ny anjely izay
tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny
fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.
7 Ary toy izany koa,
Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy
koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany
fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
8 Kanefa toy izany
koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana
ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX
3]
9 Fa Mikaela
arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i
Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra
anao anie Jehovah".
10 Fa ireo kosa dia
miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany
fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny
tenany. [* Na: andotoany]
11 Hahita loza izy!
fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny
fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora
izy.
12 Ireo no harambato
voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana
aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy
rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty,
voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina]
13 onjan-dranomasina
mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho
azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
14 Ary Enoka koa,
ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny
ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina
15 hitsara ny olona
rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy
rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra
izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
16 Ireo dia
mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny
miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
17 Fa tsarovinareo,
ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18 fa efa nilaza
taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny
filan'ny haratsiam-panahiny.
19 Ireo no mahatonga
fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na:
tsy mba manana fanahy]
20 Fa ianareo kosa,
ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra,
ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;
21 ary tehirizo ny
tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy
Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
22 Ary amindrao fo ny
sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy]
23 ary ny sasany kosa
sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo
amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
24 Ary ho an'izay
maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo
anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,
25 ho
an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy
Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny
fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.