[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2 Timoty
Accès direct aux
chapitres de 2 Timothée : 1, 2,
3, 4
1 [Ny fahatsiarovan'i Paoly
an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny
sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay
ao amin'i Kristy Jesosy,
2 mamangy an'i Timoty, zanako
malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Misaotra an'Andriamanitra
aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa
tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro
aman'alina;
4 ary maniry hahita
anao aho* (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho [* Na: fa
andro aman'alina dia maniry hahita anao aho];
5 fa nisy nahatsiarovako
ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao
anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa
izany.
6 [Famporisihana an'i
Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra.
] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny
fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny
fametrahako ny tanako.
7 Fa tsy
nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
8 Koa aza menatra ny
ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho
mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,
9 Izay namonjy
antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika,
fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy
Jesosy hatry ny fony fahagola;
10 fa naharihary
ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana
ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana
sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
11 ny amin'io
filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra*. [*
Na: [mpampianatra ny jentilisa]
12 Ary noho izany koa
no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako,
ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy*
mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy]
13 Tano amin'ny
finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy
kilema, izay efa renao tamiko.
14 Ilay zavatra tsara
natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay
mitoetra ao anatintsika.
15 Fantatrao fa efa
nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
16 Homen'ny Tompo
famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko
matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
17 fa raha tany Roma
izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
18 (ny Tompo anie
hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny
hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
1 [Famporisihana
an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia
aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2 Ary izay zavatra
efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona
mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
3 Miaraha miaritra ny
mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.
4 Ny miaramila
manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao.
mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
5 Ary raha misy
manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy
manezaka araka ny lalàna.
6 Ny mpiasa tany izay
misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
7 Diniho izay
lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.
8 Tsarovy Jesosy
Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida,
araka ny filazantsarako,
9 izay iaretako
fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny
tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
10 Izany no iaretako
ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa
famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.
11 Mahatoky izao teny
izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12 raha miaritra
isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
13 fa na dia tsy
matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny
tenany.
14 [Ny mety hataon'i
Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no
ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny,
satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
15 Mazotoa manolotra
ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo
henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra
mahitsy amin']
16 Fa halaviro ny
fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
17 ary ny
teniny dia handany tahaka ny aretina mihady*; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [*
Gr. gangrena]
18 izay nania
tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia
mamadika ny finoan'ny sasany.
19 Kanefa ny
fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao
tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny
olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."
20 Fa ao
an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka
hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
21 Koa raha
misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka
homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho
amin'ny asa tsara rehetra.
22 Fa mandosira
ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana,
fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
23 Fa mandava ny
fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady
izany.
24 Ary tsy mety raha
miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay
mampianatra, mahalefitra,
25 mananatra ny
mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy
fibebahana hahalalany tsara ny marina,
26 ka hody ny sainy
ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny
sitrapony*. [* Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay
nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny
mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]
1 [Ny amin'ny
fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia
hisy andro mahory.
2 Fa ny olona
ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy*, tsy
manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao
blasfemia; izahao Mat. 9,3]
3 tsy
manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy
tia ny tsara,
4 mpamadika,
kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany
an'Andriamanitra,
5 manana ny
endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa
dia halaviro.
6 Fa isan'ireny
izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy
adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,
7 mianatra
mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
8 Ary tahaka ny
nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana,
dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
9 Kanefa tsy handroso
intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo
koa.
10 [Famporisihana
an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa
nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako,
ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
11 ny nanenjehana
ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia
ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra
izany.
12 Eny, izay rehetra
te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy
Jesosy, dia henjehina.
13 Fa ny ratsy fanahy
sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no
fitahina.
14 Fa ianao kosa dia
mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay
nampianatra anao izany;
15 fa hatry ny fony
vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho
amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
16 Izay soratra
rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana,
ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny
fahamarinana,
17 mba ho tanteraka
ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
1 Eo
anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty,
ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
2 mitoria ny teny,
mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra,
mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
3 Fa ho avy ny andro
izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy
sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]
4 ary hampiala ny
sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
5 Fa ianao kosa
mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny
evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
6 Fa izaho dia efa
hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho
fanatitra aidina]
7 Efa niady ny ady
tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
8 hatrizao dia
tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo,
Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho
an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
9 [Fanaovam-beloma sy
hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
10 fa Demasy efa
nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika;
Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
11 Lioka ihany no ato
amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana
izy.
12 Tykiko dia
nirahiko ho any Efesosy.
13 Ilay kapôty
navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny
boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
14 Aleksandro,
mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny
asany;
15 tandremonao ihany
izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
16 Tamin'ny
nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao
ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
17 Kanefa ny Tompo
nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko
ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho
novonjena tao am-bavan'ny liona.
18 Ary ny Tompo
hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany
any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
19 Manaova veloma
amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;
20 Erasto nitoetra
tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
21 Mazotoa
hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy
Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.
22 Ho amin'ny
fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.