[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Hagay
Accès direct aux
chapitres d’Aggée : 1, 2
1 [Famporisihana ny olona
hanao ny tempoly] Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny
taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah
nentin'i Hagay mpaminany tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany
Joda, sy tamin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony
hihaviana hanaovana ny tranon'i Jehovah.
3 Dia tonga ny tenin'i
Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
4 Moa andro tokony
hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa
rava ity trano ity?
5 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
6 Efa namafy be ianareo, nefa
kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy
afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo
karama hatao an-kitapo loaka.
7 Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
8 Miakara any
an-tendrombohitra*, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako
izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.[Na: amin'ny tany havoana]
9 Nanampo be ianareo, kanjo
indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah,
Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao
ny tranonareo avy.
10 Ary noho izany dia ny
aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany
tsy hahavokatra.
11 Ary niantso ny fahamainana
Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny
diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin'izay
rehetra efa nisasaran'ny tanana.
12 Ary Zerobabela, zanak'i
Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra
amin'ny vahoaka, dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay
mpaminany, araka ny nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo
anatrehan'i Jehovah ny olona.
13 Ary nambaran'i Hagay,
irak'i Jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe:
Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
14 Dia notairin'i Jehovah ny
fanahin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin'i
Josoa, zanak'i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra amin'ny
vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Andriamaniny,
15 tamin'ny andro fahefatra
amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i
Dariosa.
*
1 [Ny voninahitry ny tempoly
vaovao, sy ny fitahiana ho azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro fahiraika
amby roa -polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah
nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
2 Lazao amin'i Zerobabela,
zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i Jozadaka,
mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe:
3 Iza no mbola sisa
aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao
ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo
ity?
4 Nefa mahereza
ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i
Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka
miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
5 araka ny teny
fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko
dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia
hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
7 ary hampihorohoroiko
koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko
voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
8 Ahy ny volafotsy,
ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
9 Ny voninahitr'ity
trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro.
10 Tamin'ny andro
fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona faharoa
nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany
nanao hoe:
11 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha maka hevitra amin'ny mpisorona hoe:
12 Raha misy mitondra
hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na
izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho
tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
13 Ary hoy Hagay:
Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia
namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.
14 Dia namaly Hagay
nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity
firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan'ny tànany rehetra; fa
izay ateriny ao dia maloto.
15 Koa masìna
ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy
mbola nisy vato nifanongoa tao amin'ny tempolin'i Jehovah;
16 fony tamin'izany
andro izany raha nisy nankamin'ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha
nisy nankamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny
famarana, dia roa-polo ihany.
17 Ny vary main'ny
rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin'ny asan'ny
tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
18 Masìna ianareo,
hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia hatramin'ny andro
fahefatra amby roa-polo amin'ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin'ny andro
nanorenana ny tempolin'i Jehovah.
19 Mbola ao
an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny
ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin'izao andro
anio izao no hitahiako anareo.
20 Ary tonga
fanindroany tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby
roa-polo nanao hoe:
21 Lazao amin'i
Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
22 dia hahohoko ny
seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena;
ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny
sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
23 Amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela
mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase
ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.