[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Nahoma
Accès direct aux chapitres
de Nahum : 1, 2, 3
1 [Ny handravana an'i Ninive
noho ny fandozany] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Ninive, dia ny
bokin'ny fahitan'i Nahoma Elkosita.
2 Andriamanitra saro-piaro sy
mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah
dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
3 Mahari-po Jehovah sady be
hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin'ny tadio sy ny tafio-drivotra no
lalan'i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
4 Miteny mafy ny ranomasina
izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela.
Ary malazo koa ny vonin'i Libanona.
5 Mihorohoro eo anatrehany ny
tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny
tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
6 Iza no
mahatoetra eo anoloan'ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny
fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny
vatolampy.
7 Tsara
Jehovah, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,Ka mahalala izay mialoka aminy.
8 Fa amin'ny
riaka manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho
any amin'ny* maizina.[Na: henjehin'ny; na henjehiny amin'ny]
9 Inona no
heverinareo ho enti-manohitra an*'i Jehovah ? Fahafonganana no hataony, Tsy
hiverina fanindroany ny fahoriana.[Na: ahoana no hevitrareo ny amin'i]
10 Fa na dia
miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton'ny divay mahery fibobohany,
Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina* izy.[Na: dia ho levona toy ny
vodivary karankaina]
11 Avy tao aminao no
nivoahan'ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an'i Jehovah Sady
mamoron-kevi-dratsy.
12 Izao no lazain'i
Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany
izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
13 Fa ankehitriny
hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
14 Ary Jehovah efa
nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy
ho ao an-tranon'ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny
sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa
latsa-danja ianao.
*
1 Injany! any
an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory
fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy
handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy
rehetra.
2 Misy
mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho
ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
3 Fa Jehovah
efa mampody ny voninahitr*'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr*'Isiraely;
Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.[*Na: miverina
ho amin'ilay reharehany][**Na: toy ny amin'ny reharehany]
4 Nomenaina ny
ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy
vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny
lefona.
5 Ampiezahina
eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny
harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
6 Tsaroany ny
lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho
any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
7 Vohana ny
vavahadin-drenirano, Ary reraka* ny lapa.[Heb: miempo]
8 Izao no
voatendry: ampitanjahina izy, dia* lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko
azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.[Na: Hozaba dia nampitanjahina
ka]
9 Fa Ninive dia
tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna,
mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
10 Mamaboa
volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny
habetsahan'ny fanaka mahafinaritra rehetra.
11 Indrisy!
foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny
valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
12 Aiza ilay
lavaky ny liona sy firemben'ny liona tanora ? Ilay nandehanan'ny liona sy ny
liom-bavy mbamin'ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
13 Dia ilay
liona namotipotika izay ampy ho an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny
Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.
14 Indro,
hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny
kalesinao* Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany
ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]
*
1 Lozan'ny
tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
2 Injany! ny
fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny
soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
3 He! ny
fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny
famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny
voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,
4 Noho ny
habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana,
Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny
fankatovany.
5 Indro, hamely
anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny
moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy
amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
6 Dia
hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana
ianao.
7 Arv izay
rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako
izay hampionona anao ?
8 Tsara noho No-amona
va ianao? Ilay nitoetra
teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be* no rovany, Ary ny
rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina]
9 Ny Etiopiana
sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana
no mpanampy azy*.[Heb. anao]
10 Nefa na izy
aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny
an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny
lehibeny rehetra nogadrana.
11 Hianao koa
ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
12 Ny manda
mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina
izy, dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza.
13 Indro,
vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny
vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny hidinao.
14 Manangona
rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka,
ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
15 Any no
handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny
fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny
valala.
16 Nataonao
betsaka noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka* ny
valalavao ka lasa manidina.[Na: mandevona]
17 Ny
andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao* dia toy ny valalavao, Izay
mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny
masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na:
mpanoratrao]
18 Rendrehana ny
mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely
eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.
19 Tsy mety
mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana
ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao
mandrakariva?