[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Daniela
Accès direct aux
chapitres de Daniel : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12
1 [Ny amin'i Daniela sy ny
namany telo lahy] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny
Joda, no nankanesan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy
nanaovany fahirano azy.
2 Ary ny Tompo nanolotra an'i
Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao
an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin'ny tany Sinara
ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin'ny
trano firaketan'andriamaniny.
3 Ary ny mpanjaka nandidy
an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely,
dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,
4 dia zatovo izay tsy nisy
kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy
manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka
sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
5 Ary ny mpanjaka nampanokana
hanina ho an'ireo isan'andro avy tamin'ny haniny sy avy tamin'ny divay izay
fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra
eo anatrehan'ny mpanjaka izy.
6 Ary tamin'ireo dia nisy avy
amin'ny taranak'i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7 Ary izy ireo nomen'ny
lehiben'ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania
nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe
Abednego.
8 Ary Daniela ninia tao
am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny
mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny
lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
9 Dia nataon'Andriamanitra
nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.
10 Ary hoy ilay
lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay
nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita
ny tarehinareo mahia noho ny an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy
amin'ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11 Dia hoy Daniela
tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i
Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12 Masìna ianao,
izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana
hohaninay sy rano hosotroinay.
13 Dia aoka hizahana
eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy
amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny
mpanomponao.
14 Ary nanaiky izany
teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15 Ary nony tapitra
ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny
zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.
16 Dia najanon'ilay
mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny
azy.
17 Ary ireo zatovo
efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy
sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny
nofy rehetra.
18 Ary nony tonga ny
andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa
niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy.
19 Ary ny mpanjaka
niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy
Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka
izy ireo.
20 Ary ny amin'ny
fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia
hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay
teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.
21 Ary Daniela
nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.
1 [Ny nofin'i
Nebokadnezara, sy ny nilazan'i Daniela ny hevitr'izany] Ary tamin'ny taona
faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny
fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
2 Dia nasain'ny
mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana
hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo
anatrehan'ny mpanjaka.
3 Ary hoy ny mpanjaka
taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
4 Dia niteny tamin'ny
mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka
ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia
holazainay ny heviny.
5 Dia namaly ny
mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho*; raha tsy
hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary
ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
6 Fa raha milaza ny
nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary
voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.
7 Dia namaly indray
ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia
hambaranay ny heviny.
8 Fa ny mpanjaka
namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria
hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
9 Fa raha tsy
hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa
ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako
mandra-pahatongan'izay andro mahamety*; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho
fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny
andro]
10 Ny Kaldeana namaly
teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin'ny tany mahay
milaza izany nofin*'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay
lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary
ny Kaldeana.[Ar. tenin']
11 Ary sarotra ny
zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny
mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.
12 Dia vinitra sady
tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny
olon-kendrin'i Babylona rehetra.
13 Ary navoaka ny
didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny
hovonoina.
14 Dia novalian'i
Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka,
izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;
15 eny, namaly izy ka
nanao tamin'i Arioka, lehibe voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy
toy izany ny teny avy amin'ny mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela
ilay teny.
16 Dia niditra
Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny
mpanjaka ny hevitry ny nofy.
17 Ary Daniela
nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary
Azaria namany,
18 mba
hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany
zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny
olon-kendrin'i Babylona rehetra.
19 Dia naseho
an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia
nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra Daniela.
20 Eny, niteny
izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay
mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
21 Ary Izy no
mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana
mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay
mazava saina.[Ar. manova]
22 Izy no
mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny
maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
23 Hianao, ry
Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy
hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao;
fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
24 Ary noho
izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka
handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe:
Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka
aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
25 Dia nentin'i
Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita
lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry
ny nofy.
26 Ny mpanjaka
namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay
manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
27 Dia namaly
teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny
mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny
mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka;
28 kanefa misy
Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra
an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny
fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:
29 Ny aminao,
ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy
rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho
avy.
30 Ary izaho
aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy
akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny
mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
31 Hianao, ry
mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany
dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny
tarehiny dia nahatahotra.
32 Ny lohan'izany
sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny
kibony sy ny feny dia varahina,
33 ny ranjony
dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
34 Nijery ianao
ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary
teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
35 Dia
niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny
volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny
rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga
tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray
mamely monja]
36 Izany no
nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
37 Hianao, ry
mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra
fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
38 ka ny
zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany,
dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia
ianao izany loha volamena izany.
39 Ary
manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary
hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany
rehetra.
40 Ary ny
fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy
mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra
ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
41 Ary satria
hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy
tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by
ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42 Ary toy ny
rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny
fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
43 Ary toy ny
nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany
amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny
vy miharo amin'ny tanimanga.
44 Ary amin'ny
andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay
tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa,
fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa
hitoetra mandrakizay.
45 Fa toy ilay
nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana,
sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny
volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny
zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
46 Dia
niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra
fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
47 Ny mpanjaka
namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia
Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho
zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
48 Ary
tamin'izany ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ho lehibe, ka nanome azy
zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny
fehiny rehetra, sy ho lehiben'ny mpanapaka ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
49 Ary Daniela
nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary
Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo
am-bavahadin'ny mpanjaka.
*
1 [Ny
nanipazana an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao anatin'ny lafaoro nisy afo
mirehitra] Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny
hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka
Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
2 Ary
Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy
ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny
mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay
sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
3 Dia nivory
hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny
solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny
mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy
isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i
Nebokadnezara ireo.
4 Ary dia nisy
mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry
firenena sy samy hafa fiteny:
5 Rehefa mandre
ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy
ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka
mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara
mpanjaka,
6 ary na iza na
iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao
anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
7 Koa tamin'ny
fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny
sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno
isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa
natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy
hafa fiteny rehetra.
8 Ary
tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga* ny Jiosy.[Ar.
nihinana ny nofon']
9 Dia niteny
izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona
mandrakizay anie ianao.
10 Ry mpanjaka
ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny
anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia
ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona
volamena;
11 fa izay tsy
miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo
mirehitra.
12 Koa misy
Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia
Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao
akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka
amin'ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
13 Dia niteny
tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina
Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo
lehilahy ireo.
14 Dia niteny
Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy
Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo
amin'ny sariolona volamena izay natsangako?
15 Ankehitriny
raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny
samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny
zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay
nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy
miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany
Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
16 Dia namaly Sadraka
sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy
misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.
17 Indro,
Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo
mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.
18 Ary na dia
tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy
hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
19 Dia feno
fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary
Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny
lafaoro.
20 Ary izay
lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i
Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo
mirehitra.
21 Dia
nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny
akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo
anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
22 ary satria
mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny
lelafo ireny lehilahy izay nanipy* an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar.
nampiakatra]
23 Ary izy telo
lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny
lafaoro nisy afo mirehitra.
24 Dia
talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny
mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao
anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry
mpanjaka ô.
25 Ary hoy izy:
Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa
tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa
zanak'ireo andriamanitra.
26 Dia nanatona
ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry
Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha,
ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary
Abednego.
27 Dia
nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny
mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery
hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny
lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy.
28 Nebokadnezara
niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy
Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka
nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka
amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
29 Ka dia manao
lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra
izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego
dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy
andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
30 Ary Sadraka
sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny
fehiny.
31 [Ny nofy
nananaran'Andriamanitra an'i Nebokadnezara, sy ny nahatanterahan'izany nofy
izany] Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy
ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra,
nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
32 Sitrako ny
hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo
Indrindra tamiko.
33 Akory ny
halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny
fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
*
1 Izaho Nebokadnezara
niadana tao an-tranoko ary faly finaritra* tao an-dapako.[Ar. maitso]
2 Nanonofy zavatra
nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia
naharaiki-tahotra ahy.
3 Ka dia nandidy aho
mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny
hevitry ny nofy.
4 Dia niditra ny
ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo
anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
5 Fa nony farany dia
niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro,
sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia
nambarako teo anatrehany hoe:
6 Ry Beltesazara,
lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao
anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny
fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.
7 Fa izao no
fahitan'ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo
afovoan'ny tany, ary fatratra ny hahavony.
8 Nihalehibe sy
nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy
dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.
9 Tsara tarehy ny
raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra;
teny ambaniny no nialokalofan'ny bibidia, ary teny amin'ny sampany no
nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
10 Nijery tamin'ny
fahitan'ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina
anankiray nidina avy tany an-danitra.
11 Niantso mafy izy
ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo
ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy
eny amin'ny rantsany.
12 Nefa avelao
amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio
fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny
anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;
13 aoka hovana ny
fony tsy ho fon'olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho
fetr'andro fito no holanina aminy.
14 Didin'ny mpiambina
izany zavatra izany; eny, avy amin'ny tendrin'ireo masina izany zavatra izany,
hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny
olona ka manome izany ho an'izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny
azy.
15 Izany no
nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà
ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay
nampahafantatra ahy ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy
fanahin'ireo andriamanitra masina no anatinao.
16 Dia gaga
vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny
naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka
tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe:
Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay
fahavalonao.
17 Io hazo
hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny
lanitra, ary ny fijery azy hatramin'ny tany rehetra,
18 ny raviny
dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny
rehetra, teny ambaniny no nitoeran'ny bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no
nitoeran'ny voro-manidina,
19 ianao
indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao
efa nitombo ka mipaka amin'ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny
tany.
20 Ary ny
nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra
nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny
ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary
aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny
bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
21 izao no
heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra
amin'itompokolahy mpanjaka:
22 Horoahina
hiala amin'ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary
hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary
fetr'andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no
manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
23 Ary ny
nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa
fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
24 Koa aoka
hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento
mampitsahatra* ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra*
ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
25 Izany
rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.
26 Ary nony
afaka roa ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony
tao Babylona izy.
27 Ary ny
mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho
lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny
fahalehibiazako?
28 Raha mbola
teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany
an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana
hoe: Ny fanjakana niala taminao.
29 Fa horoahina
hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao;
hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao
ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona
ka manome izany ho an'izay tiany.
30 Tamin'izay
indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala
tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny
andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny
hohony ho toy ny an'ny vorona.
31 Ary rehefa
tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra,
ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary
nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana
mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
32 ary ny
mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony
amin'ireo maro be any an-danitra sy amin'ny mponina etỳ an-tany Izy; ary
tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
33 Tamin'izay
dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny
voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko
nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy
ny fahalehibiazana malaza.
34 Koa
amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny
Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny
lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
*
1 [Ny fanasana
nataon'i Belsazara, sy ny sora-tanana niseho teo amin'ny rindrina] Belsazara
mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo
anatrehan'ireny no nisotroany divay.
2 Nony efa
nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy
izay nalain'i Nebokadnezara rainy avy tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba
hisotroan'ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny
vaditsindranony.
3 Dia nentiny
ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny
tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy
ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro taminy.
4 Eny, nisotro
divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy
vy sy hazo ary vato.
5 Tamin'izay
dia nisy rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny
lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita
ilay rantsan-tanana nanoratra.
6 Dia
nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka
dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
7 Dia niantso
mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary
ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na
zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina
volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo
lahy amin'ny fanjakana izy.
8 Dia niditra
avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na
nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
9 Dia natahotra
indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ
ny mpanolo-tsainy.
10 Ary ny
renin'ny mpanjaka niditra tao amin'ny trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka
sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka
ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny
eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
11 Misy
lehilahy ato amin'ny fanjakanao izay manana fanahin'ireo andriamanitra masina
ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy
fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra; ka
nataon'i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho
lehiben'ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
12 fa fanahy
hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny
sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin'izany Daniela izany,
izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa
holazainy ny hevitry ny teny.
13 Dia nampidirina
teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i
Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i
Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
14 Efa reko ny
aminao, fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina
sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
15 Ary vao teo dia
efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io
soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny
izy;
16 ary efa reko ny
aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa
raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia
hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny
mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao.
17 Dia namaly Daniela
ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary
ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny
soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
18 Ny aminao, ry
mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana
sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao;
19 ary noho ny
fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy
hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany
hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay
tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
20 Fa nony
niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin'ny fireharehana ny fanahiny, dia
naetry niala tamin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, ary ny voninahiny
nesorina taminy;
21 dia noroahina
niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby,
ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby
izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa
Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany
no tendreny ho mpanjakany.
22 Ary ianao, ry
Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany
rehetra izany;
23 fa niavonavona
tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia
nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao
mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny
andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay
tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady
Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
24 Ary noho
izany dia Izy no nihavian'ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
25 Ary ny teny
voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina*.[Oparesina = sy Paresina]
26 Izao no hevitry ny
teny: Mene, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;
27 Tekela, efa
voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
28 Paresa,
zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.
29 Ary Belsazara dia
nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo
volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny
fanjakana.
30 Ary tamin'io alina
io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.
*
1 Ary Dariosa Mediana
no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro
niainany.
2 [Ny amin'ny
nanipazana an'i Daniela tao an-davaky ny liona] Sitrak'i Dariosa ny hanendry
solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny
fanjakana rehetra.
3 Koa tamin'ireo dia
nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba
hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
4 Izany Daniela izany
dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy
hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana
rehetra.
5 Koa ny komandy
lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny
fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo,
satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
6 Dia hoy ireo
lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny
amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
7 Dia somaritaka
nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary
izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie
ianao.
8 Ny komandy lehibe
rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny
mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy
didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato
anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao
ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
9 Ankehitriny, ry
mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny
lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
10 Ary noho izany dia
nasian'i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
11 Nony fantatr'i
Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny
varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa
intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo
anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.
12 Dia somaritaka
nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo
anatrehan'Andriamaniny.
13 Dia nanatona izy
ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka
nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao
fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro
afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka
namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana
izay tsy azo ovana.
14 Dia niteny ireo ka
nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny
taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry
mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy.
15 Dia tezitra
indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny
hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy
mandra-pilentiky ny masoandro.
16 Dia somaritaka
nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka
hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny
Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
17 Dia nandidy
ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny
ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao
mandrakariva anie hamonjy anao.
18 Ary nisy
vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny
fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana
ny teny ny amin'i Daniela.
19 Dia nody
tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy
nisy zava-maneno* nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na:
zazavavy mpandihy]
20 Dia nifoha
maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona.
21 Ary nony
tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo;
eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela,
mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao
mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va?
22 Namaly ny
mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
23
Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy
handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa,
ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
24 Dia faly
indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia
nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino
an'Andriamaniny.
25 Ary ny
mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia
natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona
nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny
vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]
26 Tamin'izany
Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy
hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny
fiadananareo.
27 Manao lalàna
aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela
eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra
mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany.
28 Izy no
mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy
etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny
liona.
29 Ary izany
Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i
Kyrosy Persiana.
* *
1 [] Fahitana
niseho tamin'i Daniela ny amin'ny fanjakana efatra lehibe, sy ny
hitsaran'Andriamanitra ireo.Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara,
mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana* tao
am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.[Ar.
fahitan'ny lohany]
2 Dia niteny
Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo,
ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
3 Ary nisy biby
efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.
4 Ny voalohany
dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra
ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa
toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.
5 Ary indro koa
ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady
nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no
voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
6 Ary nony
afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay
nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra,
ary nomena fanapahana izy.
7 Nony afaka
izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra,
biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy
lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia
nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady
nanana tandroka folo.
8 Nodinihiko ny
tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary
novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana
maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
9 Mbola nijery
ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka
teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny
volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo
mirehitra.
10 Ony afo no
nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina
no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11 Dia mbola
nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka;
eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo
amin'ny afo mirehitra izy.
12 Ary ny
amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany
ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
13 Ary mbola
nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny
zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia
nampanakekeny teo anatrehany.
14 Ary nomena
fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy
ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana
mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
15 Izaho
Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
16 Dia
nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny
fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny
hevitry ny zavatra.
17 Ireo biby
lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
18 Nefa ny
olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana
mandrakizay alaovalo.
19 Dia naniry
hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho
izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady
nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
20 ary ny
amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy
telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny
zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
21 Mbola nijery
ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
22
ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary
tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
23 Izao no
nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ
ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany
rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
24 Ary ny
tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany;
ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary
handresy mpanjaka telo.
25 Ary hiteny
hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary
hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo
ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny
fetr'andro.
26 Fa hipetraka
ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny
farany izy.
27 Ary ny
fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny
lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia
fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
28 Hatramin'izao no
faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy
indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao
am-poko ihany izany zavatra izany.
*
1 [Ny amin'ny
fahavalo anankiray izay nampahory ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny taona
fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho
Daniela, taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.
2 Ary nahita tamin'ny
fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny
lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana
aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.
3 Dia natopiko ny
masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony,
izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho
ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
4 Hitako ny ondrilahy
manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby
nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa
nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe*.[Na: niavonavona]
5 Ary raha mbola
nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny
tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka
lehibe teo anelanelan'ny masony.
6 Ary izy nankeo
amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo
amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.
7 Ary hitako nanatona
ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary
nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay
ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy
nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8 Ary dia nihahery
indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe;
ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry
ny lanitra.
9 Ary nisy tandroka
kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo
sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.
10 Ary nihalehibe izy
ka nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny
tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
11 Eny, nihalehibe
izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny
fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.
12 Ary nisy maro be
mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany
ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
13 Dia nandre ny
masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny
hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva* sy ny fahotana mahatonga
fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka?
[Na: ny amin'ny fanatitra isan'andro]
14 Ary hoy izy
tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro*; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao
hodiovina** ny fitoerana masina. [*Heb. hariva sy maraina][**Heb. ho marina]
15 Ary nony nahita ny
fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana
tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
16 Ary nandre
feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela,
ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
17 Ary dia nankeo amin'ilay
nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka
nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io
fahitana io dia milaza ny farany.
18 Ary raha niresaka
tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina
nampitsangana ahy.
19 Dia hoy izy:
Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho
amin'ny fotoana any am-parany izany.
20 Ilay ondrilahy
hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia.
21 Ary ny osilahy
lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny
masony dia ny mpanjaka voalohany.
22 Ary ny amin'ilay
efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra
hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
23 Ary ny hiafaran'ny
fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana,
izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
24 Ary ho be ny
heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony;
ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina.
25 Ary ny fahafetseny
koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka
handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny
Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely
azy tsinona.
26 Ary dia marina ny
amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro
izany.
27 Ary izaho Daniela
dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia
nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny
fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
1 [Ny vavaka nataon'i
Daniela, sy ny teny nolazaina taminy ny amin'ny herinandro fito-polo] Tamin'ny
taona voalohany nanjakan'i Dariosa, zanak'i Ahasoerosy, avy amin'ny taranaky ny
Mediana, izay nampanjakaina tamin'ny fanjakan'ny Kaldeana,
2 tamin'ny taona
voalodany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin'ny boky ny isan'ny taona
nampahafantarin'ny tenin'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany, izay hahataperan'ny
fito-polo taona amin'ny hahafoanan'i Jerosalema.
3 Ary nampanatrehiko
an'Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin'ny
fifadian-kanina ny lamba fisaonana* ary ny lavenona.[Heb. lamba malailay]
4 Ary nivavaka
tamin'i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô,
Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po
ho amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
5 efa nanota izahay
sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao
sy ny fitsipikao izahay,
6 ary tsy nohenoinay
ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy
ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
7 Anao ny
fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin'izao anio
izao, dia an'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na
ny akaiky na ny lavitra, dia any amin'ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy
noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao;
8 eny, anay ny
fangaihaizana, Tompo ô, dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny
razanay, satria efa nanota taminao izahay.
9 An'ny Tompo
Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina
taminy izahay
10 ka tsy nihaino ny
feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy
napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
11 Eny, ny Isiraely
rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia
naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i
Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
12 Ary notanterahiny
ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay,
ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin'ny lanitra rehetra
dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
13 Araka ny
voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy no nahatongavan'izao loza rehetra izao
taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay
amin'ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
14 Koa izany no
nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah
Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino
ny feony.
15 Koa ankehitriny,
Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta tamin'ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio
izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
16 Tompo ô, mifona
aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy
ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny
helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho
latsa amin'izay rehetra manodidina anay.
17 Fa ankehitriny, ry
Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary
ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao masina izay efa foana, satria
Tompo Hianao.
18 Andriamanitra ô,
atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny
fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny
fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin'ny
halehiben'ny indrafonao.
19 Tompo ô,
mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela
Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia
nantsoina amin'ny anaranao.
20 Ary raha mbola
niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin'ny fahotan'ny Isiraely fireneko
aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitro ho an'ny
tendrombohitra masin'Andriamanitro,
21 eny, raha mbola
niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny
fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho
tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
22 Ary izy
nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava
saina anao aho.
23 Tamin'ny
niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao
aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao
ny fahitana.
24 Fito-polo
herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka
ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka
sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny
faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy
tombo-kase][**Heb. mpaminany]
25 Koa aoka ho
fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy
hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito
herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy
ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na:
ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]
26 Ary rehefa afaka
ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny
vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina;
ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy
fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
27 Ary hanorina
fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra
alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary
amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny
fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo
an-tampon'][**Na: ny efa lao]
*
1 [Toky ho an'ny
olon'Andriamanitra fa tsy ho resin'ny fahavalony izy] Tamin'ny taona fahatelo
nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay
atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala
ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
2 Tamin'izany andro
izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
3 Tsy nihinana
hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra
diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
4 Ary tamin'ny andro
fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana voalohany, raha teo amoron'ny ony
lehibe aho (Hidekela izany),
5 dia nanopy ny
masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka
tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
6 tahaka ny krysolita
ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny
masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny
feony toy ny feon'olona maro be;
7 ary izaho Daniela
ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita
izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.
8 Ary dia nilaozana
ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery
tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery
intsony tamiko.
9 Nefa nandre ny
teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka
tamin'ny tany.
10 Ary, indro, nisy
tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola
nangozohozo ihany.
11 Ary hoy izy
tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa;
fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny
izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
12 Dia hoy izy
tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao
ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko
ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
13 Fa ilay
andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa
indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe*, no tonga hanampy ahy;
ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.[Heb.
voalohany]
14 Ary avy
hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola
hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
15 Ary nony nilaza
izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy
nahateny.
16 Ary, indro, nisy
anankiray miendri-janak'olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka
niteny nanao tamin'ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon'ny
fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
17 Fa aiza no
ahazoan'ity izaho mpanompon'ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary
tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa
tato amiko.
18 Ary nisy
indray nanana endrik'olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
19 ka nanao
hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza,
eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe:
Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
20 Dia hoy izy: Moa
fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady
amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny
andrianan'i Grisia.
21 Fa hambarako
aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina
amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
Chapitre 11. 1 Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa Mediana dia nitsangana
hampahery sy hanatanjaka azy aho.
2 [Faminaniana koa ny
amin'ny zavatra mbola hiseho] Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia
haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia;
ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery
izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i
Grisia.
3 Ary hisy mpanjaka
mahery hitsangana, izay hanapaka amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka
izay sitrapony.
4 Ary rehefa
mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra
efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay
nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo.
5 Ary hahery ny
mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho
izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
6 Ary rehefa afaka
taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny
mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny
fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka
na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka
azy mbamin'izay nampahery azy tamin'izany andro izany*.[Na: dia samy amin'ny
fotoany avy]
7 Fa hisy solofony
anankiray avy amin'ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny
miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany
ireo, dia hahery izy.
8 Ary ny andriamaniny
koa mbamin'ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny
volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely*
ny mpanjakan'ny avaratra izy.[Na: haharitra ela noho]
9 Ary ho tonga
amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny
ihany.
10 Fa hanomana tafika
ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy
ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny
fiarovana mafiny aza.
11 Ary dia hisafoaka
ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny
avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo
an-tànany.
12 Ary raha miainga
ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa
tsy hahery.
13 Fa hiverina ny
mpanjakan'ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary
rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy
fitaovana betsaka.
14 Ary amin'izany
andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza
indrindra amin'ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo
izy.
15 Ka dia ho avy ny
mpanjakan'ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na
ny sandrin'ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery
hahombiazany.
16 Fa izay avy hamely
azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary
izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny
an-tànany.
17 Dia hivonona tsara
handeha amin'ny herin'ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny
fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy;
ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
18 Ary hitodika
mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny
latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.
19 Dia hitodika
hankany, amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy
ho lavo izy ka tsy ho hita.
20 Ary hitsangana
handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin'izay
tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io,
nefa tsy amin'ny fahatezerana, na amin'ny ady.
21 Ary hisy olona
famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny
fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny
fahafetsena,
22 ary ireo miaramila
toy ny safotra* no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny
andriana vita fanekena aminy koa.[Heb. sandrin'ny safotra]
23 Eny, rehefa
mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy
aza ny olona entiny.
24 Hiditra tsy
ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy
nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo
ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana
mandra-pahalanin'ny fotoana.
25 Ary hanaitra ny
heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary
ny mpanjakan'ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery
indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
26 Eny, izay homana
ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny
safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
27 Ary ny fon'ireo
mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany
lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany.
28 Ary hiverina ho
any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny
fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy
29 Amin'ny fotoana
dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
30 fa ny sambon'i
Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny
fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy
ny fanekena masina.
31 Ary hisy
miaramila* hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny
fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny
fahavetavetana mahatonga fandravana.[Heb. sandry]
32 Ary izay mivadika
ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala
an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy*.[Na: dia hahery
ka hahefa]
33 Ary izay hendry ao
amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy
ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.
34 Ary rehefa lavo
izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny
fihatsaram-belatsihy.
35 Ary hisy ho lavo
koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy
ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.
36 Ary ny mpanjaka
hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny
andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny
andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa
izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
37 Ary tsy hahoany
akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany
akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.
38 Fa ny
andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy
volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny
andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.
39 Dia homban'ny
andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy
dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy
ny tany ho valim-pitia.
40 Ary amin'ny
faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny
avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana
toy ny safotra.
41 Hiditra ao amin'ny
tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho
afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona.
42 Haninjitra ny
tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
43 Fa hahalasa ny
rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny
Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
44 Fa hisy
siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka
dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
45 Ary haoriny eo
anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny
trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy
hisy hamonjy azy.
1 Ary amin'izany
andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny
zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy
hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia
ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.
2 Ary maro amin'izay
matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana
mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
3 Ary izay hendry dia
hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho
amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
4 [Teny farany] Ary
ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy
mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika*, ka hitombo ny
fahalalana.[Heb. hivoivoy]
5 Dia nijery aho
Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny
ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
6 Ary hoy ny
anankiray tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano
amin'ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo?
7 Ary ilay lehilahy
mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny
tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana
tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary
antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny
olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
8 Ary nandre izany
aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no
hiafaran'ireo zavatra ireo?
9 Dia hoy izy:
Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase
mandra-pihavin'ny andro farany.
10 Maro no hodiovina
sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy
ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no
hahafantatra.
11 Ary hatramin'ny
andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana
mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
12 Sambatra izay
miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
13 Fa mandehana ianao
mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny
anjaranao amin'ny andro farany.