[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Jeremia
Accčs direct aux
chapitres de Jérémie : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48, 49, 50, 51, 52
1 [Ny niantsoana an'i Jeremia
ho mpaminany, sy ny nanambarana taminy izay ho raharahany] Ny tenin'i Jeremia,
zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,
2 izay nanambarana ny tenin'i
Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny
taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany,
3 sy tamin'ny andron'i
Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona
fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda,
dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.
4 Tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
5 Hatry ny fony ianao tsy
mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy
mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
6 Ary hoy kosa aho: Indrisy,
Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza
manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao,
ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
8 Aza matahotra azy ianao; fa
momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
9 Dia naninjitra ny tānany
Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao
am-bavanao ny teniko,
10 ary indro Aho manendry
anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana
hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
11 Ary tonga tamiko indray ny
tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho:
Rantsan-kazo mahatsiaro* no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe
"hazo mahatsiaro", satria mamony alohan'ny hazo sasany]
12 Dia hoy Jehovah tamiko:
Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
13 Ary tonga tamiko
fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary
hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
14 Dia hoy Jehovah tamiko:
Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.
15 Fa, indro, hantsoiko
firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy,
ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema
avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanāna rehetra any Joda.
16 Ary hifandahatra aminy Aho
noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo
manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny
tānany.
17 Fa ianao kosa dia
misikėna, ary miomāna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza
matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
18 Indro, Izaho hanao anao ho
tanāna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra,
na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
19 Fa hiady aminao ireny,
nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
*
1 [Ny fivadihan'ny Isiraely
ampitahaina amin'ny tsi-fiovan'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah hoe:
2 Mandehana, ka miantsoa eo
anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan'ny
fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao
nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin'ny tany tsy
mbola nifafy zavatra;
3 Masina ho an'i Jehovah ny
Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia
nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
4 Mihainoa ny tenin'i Jehovah,
ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely!
5 Izao no lazain'i Jehovah:
Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy
sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
6 Ary izy tsy nanao hoe: Aiza
Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady
nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany
karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na
nonenan'olona?
7 Ary nitondra anareo niditra
ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra
tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady
novetavetainareo ny lovako.
8 Ny mpisorona tsy nanao hoe:
Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalāna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra* koa
nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka
ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]
9 Koa mbola hifandahatra
aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa.
10 Fa mitā ho any amin'ny
moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho
tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
11 Moa nisy firenena
efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny
oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.
12 Talanjona
amin'izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy
Jehovah;
13 Fa zava-dratsy roa
loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka
famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
14 Moa mpanompo va
Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
15 Hamely azy no
ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao
nodorana ny tanānany, ka tsy nisy mponina.
16 Ny mponina tao
Memfisa* sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.[Heb. Nofa]
17 Moa tsy ny
nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dalana
va no nahatonga izany taminao?
18 Koa inona no
anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora*?
Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano
amin'ny Ony**? [*Neily][**Eofrata]
19 Ny haratsianao no
anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa
ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy
nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
20 Fa hatramin'ny ela
no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy
ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny
ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
21 Fa Izaho namboly
anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana
no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
22 Fa na dia misasa
sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia
mbola voasoratra* eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto]
23 Ahoana no
anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho?
Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry
ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,
24 Sy ry
borikivavi-dia tamāna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny
faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy
dia tsy ho sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy.
25 Aza esorina ny
kapa amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy
misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
26 Toy ny
fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny
taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary
ny mpaminaniny,
27 Dia izay manao
amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka
ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany
kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangāna, ka vonjeo izahay.
28 Fa aiza ireny
andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy
anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanānanao, ry Joda, no
isan'ny andriamanitrao.
29 Nahoana no
mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy
Jehovah.
30 Foana ny
namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana*
ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana]
31 Ry taranaka,
dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely
va Aho, na tany maizim-pito*? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy
izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i
Jehovah]
32 Hanadino ny
firāvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny
ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.
33 Kanto izany
fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao*![Na: Ka
na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao]
34 Ary koa eo
an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny,
tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.
35 Nefa hoy ianao:
Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra
aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
36 Nahoana ianao no
maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny
nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.
37 Izany koa dia
hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina
amin'ireo ianao.
1 Fa hoy Izy*: Raha
misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa
mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany
izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo
miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.[Na: hoy ny olona]
2 Andrandrao amin'ny
tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona
taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny
fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
3 Ka dia voasakana ny
orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia
handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
4 Moa tsy hitaraina
amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy,
hatry ny fony aho mbola tanora?
5 Ho tezitra
mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa
niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka
izany.
6 [Ny amin'ny
nanariana ny Isiraely, sy ny mbola handraisana azy indray] Ary hoy Jehovah
tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay
nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy
ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
7 Ary nataoko fa
rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina
izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
8 Ary hitako fa na
dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny
fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany
aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
9 Ary tamin'ny
fihorakorahan'ny fijangajangany* no nandotoany ny tany, ary nijangajanga
tamin'ny vato sy ny hazo izy.[Na: Noho ny fijejojejoany sy ny fijangajangany]
10 Fa na dia izany
rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda
mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
11 Ary hoy Jehovah
tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
12 Mandehana, ka
torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely
mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo
Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
13 Kanefa kosa ekeo
ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy
nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba
nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
14 Miverena, ry zaza
mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray
isan-tanāna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
15 Dia homeko
mpitondra* araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra** anareo amin'ny fahalalana
sy ny fahendrena.[Heb. mpiandry ondry][**Heb. hiandry]
16 Koa rehefa mitombo
sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no
tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy
hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na
hanao fiara intsony.
17 Amin'izany andro
izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory
any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy
handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
18 Amin'izany andro
izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka
hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny
razanareo ho lovany.
19 Ary Izaho efa
nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia
lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko,
ka tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.
20 Kanefa toy ny
vehivavy misintaka miala amin'ny lahy*, dia toy izany tokoa no nisintahanareo
niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.[Heb. sakaizany]
21 Injay! feo re any
an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan'ny
Zanak'Isiraely; Fa nivilivily tamin'ny nalehany izy ary nanadino an'i Jehovah
Andriamaniny.
22 Miverena ianao, ry
zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay,
fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.
23 Foana tokoa ny
horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana*; Marina fa ao amin'i
Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.[Na: Foana tokoa ny
fihorakorahana any amin'ny havoana]
24 Fa lanin'ilay
mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia
ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
25 Aoka handry ao
amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray,
satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny
razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny
feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
1 Raha hiverina
ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha
hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy
foana,
2 Fa hianiana
amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah,
dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
3 [Ny hanjo ny
Joda sy Jerosalema, raha tsy mibebaka izy] Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny
Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo*, fa aza mamafy amin'ny tsilo.
[Na: Miasā tany vaovao ho anareo]
4 Miforā ho
an'i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any
Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny
ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
5 Ambaraonareo
ao amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany
ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha
isika hiditra amin'ny tanāna mimanda.
6 Manangāna faneva
manandrify an'i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga
loza sy fandringanana be avy any avaratra.
7 Misy liona miakatra
avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa
mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanānanao,
ka tsy hisy mponina.
8 Ary noho izany dia
misikėna lamba fisaonana* ianareo, ka mitomania sy midradradradrā; Fa ny
firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy afaka amintsika.[Heb; lamba malailay]
9 Ary amin'izany
andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho
kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
10 Dia hoy
izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy
Jerosalema tamin'ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin'ny
aina ny sabatra.
11 Amin'izany
andro izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy
rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny
oloko zanakavavy*, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.[Na: Ny lalān'ny
oloko zanakavavy dia rivotra mahamay, etc]
12 Dia ho tonga
avy amiko izay rivotra mahery noho ireny*; Ary ankehitriny Izaho kosa
hifandahatra aminy.[Na: Dia ho tonga etỳ amiko ny rivotra mahery izay avy
amin'ireny]
13 Indro, avy
toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery
ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
14 Ry
Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao!
Mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
15 Fa injany!
misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin'ny tany havoan'i
Efraima,
16 Lazaonareo
amin'ny firenena, torio amin'i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any
an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanānan'ny Joda.
17 Manodidina
azy ireo toy ny fanaon'ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy
Jehovah.
18 Ny alehanao
sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy
izany sady mihatra amin'ny ainao.
19 Endrey ny
kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko*! Mitoloko ny foko,
ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry
fanahiko.[Heb. Endrey ny rindrin'ny foko!]
20 Fandravana
mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava
indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
21 Mandra-pahoviana
re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?
22 Fa adala ny oloko,
Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha
ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
23 Nojereko ny tany,
ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy
nanam-pahazavana izy;
24 Nojereko ny
tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra
nihozongozona;
25 Nojereko, ka,
indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
26 Nojereko, ka,
indro, ny saha mahavokatra* aza efa tonga efitra, ary ny tanānany rehetra dia
rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.[Na:
karmela]
27 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
28 Noho izany dia
hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany
Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
29 Noho ny
fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipėka dia efa mandositra
avokoa ny tanāna rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala* sy mananika ny
vatolampy izy; Lao avokoa ny tanāna rehetra, ka tsy misy mponina intsony
ao.[Heb. rahona]
30 Ary hanao
ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka
volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny
itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny
ainao aza no hotadiaviny.
31 Fa efa
nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny
vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay
misefosefo sady mamelatra ny tānany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko
azon'ireo mpamono olona.
*
1 [Ny
faharatsian'ny olona, izay nahatonga ny loza namely azy] Miveziveze eny
an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao
ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady
ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.
2 Ary na dia
misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tō izany.
3 Jehovah ô,
tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy
nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy;
Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
4 Ka dia hoy
izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny;
5 Handeha ho
any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i
Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka
zioga sy nanito fatorana.
6 Koa noho
izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia*
avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanānany, ka izay rehetra
mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny
fiodinany.[lopa]
7 Koa nahoana
Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay
tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko* izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra
niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.[Na: efa novokisako]
8 Tahaka ny
soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny
vadin'ny namany avy.
9 Tsy hovaliako
va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
10 Miakara eo
amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory
ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy.
11 Fa efa
nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.
12 Nahafoy an'i
Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy
hahita sabatra na mosary isika;
13 Ny mpaminany
dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny*; Eny, izany no hanjo
azy.[Na: ny teny]
14 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany,
indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay
hazo ka holevoniny.
15 Indro, efa
hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy
Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy
fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
16 Ny tranon-jana-tsipėkany
dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
17 Ary hohaniny
ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy,
hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny
aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanāna mimanda izay itokianao.
18 Nefa na dia
amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
19 Ary raha hoy
izy*: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany
tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo
andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any
amin'ny tany izay tsy anareo.[Heb. ianareo]
20 Ambarao ao
amin'ny taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe:
21 Henoy izao,
ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary
manan-tsofina, fa tsy mandre:
22 Izaho va tsy
atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao
ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka
na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia
mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
23 Fa ity firenena
ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,
24 Ary tsy manao
anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay
mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy;
Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.
25 Ny helokareo no nampiala
izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
26 Fa misy hita fa
ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy,
mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
27 Toy ny
tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia
tonga lehibe sy mpanankarena izy.
28 Efa mihatavy izy
ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara
ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba
tsarainy.
29 Tsy hovaliako
amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
30 Zava-mahagaga sy
mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;
31 Ny mpaminany
maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko
mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?
1 [Ny fahantomotry ny
loza voalaza] Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana hiala an'i
Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan'afo* ao
Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.[Na:
manangāna famantarana]
2 Ziona zanakavavy
dia ampitoviko amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka*.[Na: Aringako
ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia Ziona zanakavavy]
3 Ao aminy no
alehan'ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy
handany ny ao akaikiny avy izy.
4 Mitaova ianareo
hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangāna, ka andeha isika hiakatra
antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny
hariva.
5 Mitsangāna, ka
andeha isika hanao latsak'alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana
an'i Jerosalema; Io ilay tanāna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
7 Toy ny loharano
mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy
fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny
faharatrana.
8 Minoa anatra ianao,
ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko
tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
9 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay
sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny* ny tananao toy ny mpioty
voaloboka.[Na: harona]
10 Iza no
hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy
mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin'i Jehovah ka tsy ankamaminy.
11 Fa ny
fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin'ny
ankizy madinika eny an-dalambe sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa na
lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin'ny ela
niainana koa;
12 Ary ho
lasan'ny sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro
amin'ny mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
13 Satria izy
rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny
mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
14 Fa
nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny
nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
15 Nomenarina
izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy
mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliako azy
dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
16 Izao no
lazain'i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay
lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no
izory, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy
hizotra izahay.
17 Ary nasiako
mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy ianareo*: Tsy
hihaino izahay.[Heb. izy]
18 Koa
henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
19 Henoy, ry
tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, dia ny vokatry ny
heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalāko.
20 Nahoana no
itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any
amin'ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny
zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
21 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka
dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona
mbamin'ny namany.
22 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, dia firenena
lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany;
23 Tsipika sy lefona
no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny
ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho
amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
24 Efa renay ny
lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny,
fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
25 Aza mivoaka ho any
an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy
fampangorohoroana manodidina.
26 Ry oloko
zanakavavy, misikėna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova
fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho
avy tampoka amintsika ny mpandringana.
27 Ho mpizaha toetra
ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy
hizahanao toetra ny alehany.
28 Tena maditra
avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao
ratsy avokoa izy rehetra.
29 May ny tafoforana,
levon'ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, fa tsy
voaisotra ny ratsy.
30 Ataon'ny olona
hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah.
*
1 [Fananarana ny
olona izay niankina foana tamin'ny tempoly sy ny fombam-pivavahana] Izao no
teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Mitsangana eo
am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe:
Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto
vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.
3 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo
sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.
4 Aza matoky ny teny
lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity.
5 Fa raha ataonareo
tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona
amin'ny namany ianareo,
6 Ary tsy mampahory
ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rā marina amin'ity
tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
7 Dia hamponeniko
amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo,
hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.
8 He! ianareo matoky
ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
9 Hay! hangalatra sy
hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tō sy handoro
ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy
fantatrareo?
10 Nefa mbola avy
miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany
ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana
rehetra ireto!
11 Moa ataonareo ho
zohy fieren'ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro,
ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
12 Fa mandehana
ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any
am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.
13 Koa ankehitriny,
hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny
taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy
nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
14 Koa dia ho toy ny
nataoko tamin'i Silo no hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako
sady itokianareo, sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
15 Ary hesoriko hiala
eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny
taranak'i Efraima rehetra.
16 Koa aza mivavaka
ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho
azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
17 Tsy hitanao
va ny ataon'ireo any an-tanānan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema?
18 Ny zaza
manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba
hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho
an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
19 Moa Izaho va
no ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
20 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina
amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha
ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
21 Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra
dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-drā, ka mihināna hena.
22 Fa tsy ny
amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo
na nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta;
23 Fa izao kosa no
nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho
oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
24 Kanjo tsy nihaino
izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo
ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
25 Hatramin'ny andro
nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany dia
nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha
maraina koa isan'andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
26 Nefa tsy nihaino
Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao
ratsy mihoatra noho ny razany aza.
27 Ary na dia
holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na
dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.
28 Koa lazao aminy
hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino
anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany.
29 Hetezo ny volonao,
ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra
mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
30 Fa manao izay
ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao
amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
31 Ary izy nanorina
ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema,
handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba
nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
32 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny
taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny
hateren'ny tany.
33 Ary ny
fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy
hisy hanaitaitra azy.
34 Dia
hatsahatro any an-tanānan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly
sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa
ho lao ny tany.
1 Amin'izany
andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny
mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny
taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,
2 ka haeliny eo
anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra,
izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa
niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao
zezika eny ambonin'ny tany.
3 Ary ny sisa
rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra
nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
4 [Ny
nikirizan'ny olona tamin'ny fanaovan-dratsy, sy ny hamafin'ny loza hanjo azy]
Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy
hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
5 Nahoana ity
firenena eto Jerosalema ity* no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra?
Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.[Heb. ity firenena
Jerosalema ity]
6 Nihaino Aho,
ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny
haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily
mankamin'ny alehany avy* tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.[Na: samy
mivily eny am-pandehanany]
7 Na dia ny
vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy
ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny
oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.
8 Ahoana no
anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalān'i Jehovah? Nefa ny
fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.
9 Mahazo
henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin'i Jehovah
dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?
10 Ary noho
izany dia homeko ho an'ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an'izay maka azy,
satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na
mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
11 Fa
nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny
nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
12 Nomenarina
izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy
mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy
dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.
13 Hakifako tokoa
izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo
ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.
14 Nahoana isika no
mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanāna
mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho
faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i
Jehovah.
15 Nanantena
fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana*, fa indro
fampitahorana.[ Na: fahafinaretana]
16 Ny fiefonefon'ny
soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny
soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao
aminy, dia ny tanāna sy izay monina ao.
17 Fa indro Aho
handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra
anareo ireny, hoy Jehovah.
18 Indrisy! enga anie
ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato
anatiko.
19 Injany! misy feo
fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah
tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy
ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy
amin'ny firenena hafa?
20 Lasa ny fararano,
tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.
21 Torotoro aho noho
ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
22 Moa tsy misy
balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy
tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?
23 Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko,
mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!
Chapitre 9
1 [Ny alahelon'i
Jeremia noho ny faharatsian'ny olona] Enga anie ka hahita fitoerana any
an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka
hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray
tetika izy.
2 Manenjana ny lelany
toy ny fanenjana tsipėka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no
mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka
hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
3 Samia miaro tena
amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza;
Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha
manaratsy.
4 Izy rehetra samy
mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany
handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.
5 Ny fonenanao dia ao
anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.
6 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho;
Fa ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy?
7 Zana-tsipėka
mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana
amin'ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
8 Tsy hovaliako va
izy amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy
izany?
9 Noho ny amin'ny
tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any
an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy
mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimāmān'omby re intsony, ary na ny
voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
10 Ary Jerosalema dia
hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia*; ary ny tanānan'ny Joda hataoko
lao tsy hisy mponina.[Na: jakala]
11 Iza no olon-kendry
mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara
izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy
mandeha mamaky eo aminy?
12 Ary hoy Jehovah:
satria nahafoy ny lalāko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary
tsy nihaino ny feoko,
13 Fa nandeha araka
ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,
14 Dia izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako
zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;
15 Ary haeliko any
amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko
azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
16 Izao no lazain'i
Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira
fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
17 Ary asaovy
haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny
ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika.
18 Fa misy feo
midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra
isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano
nitoerantsika.
19 Nefa mihainoa ny
tenin'i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny
vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra
hira fahalahelovana ny namany avy.
20 Fa ny fahafatesana
efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba
handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny
an-kalalahana.
21 Ataovy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny
zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan*'ny mpijinja, Izay tsy misy
manangona azy.[Heb. any aorian']
22 [Ny amin'ny
tsi-fahatokian-tena, sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay mitsara marina]
Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary
aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy
hirehareha amin'ny hareny;
23 Fa izay
te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany
Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana
etỳ ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
24 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora
koa*,[Na: izay toy ny tsy voafora]
25 Dia Egypta sy Joda
sy Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety
sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora,
ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
*
1 [Ny mahatsinontsinona
ny sampy, ary ny fampisehoana ny voninahitr'i Jehovah sy ny fahatezerany] Henoy
ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Aza mianatra ny fanaon*'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo
famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.[Heb.
didin']
3 Fa ny fanaon'ny
firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tānan'ny
mpiasa amin'ny famaky;
4 Volafotsy sy
volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy,
mba tsy hihetsiketehany.
5 Toy ny hazo voasana
ho sari-drofia* izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba
afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy
soa.[palma]
6 Tsy misy tokoa izay
tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.
7 Iza no tsy
hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny,
amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy
misy tahaka Anao.
8 Fa ketrina sy adala
avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
9 Volafotsy voafisaka
nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa
sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay
zavatra izy rehetra.
10 Fa Jehovah no
Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay.
Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny
fahavinirany
11 (Izao no
holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra
sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny
lanitra ireny)
12 Dia Ilay nanao ny
tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary
namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
13 Raha mampirohondrohona
ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny
tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy
amin'ny firaketany.
14 Efa ketrina avokoa
ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra
voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina,
sady tsy misy fofon'aina ao aminy.
15 Zava-poana ireny,
dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
16 Tsy mba tahaka
ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely
no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
17 Angony ny
korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny
haterena!
18 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton'antsamotady
ny mponina amin'ny tany, ary hataoko tery izy mba hahitany.
19 Mahita loza aho,
fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako
izao, ka dia hozakaiko ihany.
20 Rava ny laiko, ary
tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy
misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
21 Fa efa ketrina ny
mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia
miely ny ondry andrasany rehetra.
22 Injany! misy
siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny
tany avaratra mba hahatonga ny tanānan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny
amboadia.
23 Jehovah ô,
fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny
hahalavorary ny diany
24 Jehovah ô, anaro
aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao
hataonao tonga tsinontsinona aho.
25 Aidino amin'ny
jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay
tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy
nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
*
1 [Ny nivadihan'ny
Isiraely tamin'ny fanekena nataon'i Jehovah taminy, sy ny nanao azy noho izany]
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Mihainoa ny
tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina
any Jerosalema,
3 Ary ataovy aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona
tsy mankatō ny tenin'izao fanekena izao,
4 Izay nandidiako ny
razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko,
ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo,
ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
5 Mba hotoviko ny
fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany
tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka
nanao hoe: Ho izany tokoa anie*, Jehovah ô![Heb. Amena]
6 Ary hoy Jehovah
tamiko: Torio any an-tanānan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny
rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy
izy.
7 Fa nananatra mafy
ny razanareo Aho tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe:
Mihainoa ny feoko.
8 Nefa tsy nihaino
izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny
ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena
izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
9 Ary hoy koa Jehovah
tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any
Jerosalema.
10 Fa izy niverina
nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa
nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny
taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.
11 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony
handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
12 Dia handeha ny
tanānan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny
andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy
azy akory amin'ny andro fahoriany.
13 Fa araka ny
isan'ny tanānanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny
lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra.
Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
14 Koa aza mivavaka
ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho
azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino
azy Aho.
15 Hanao inona ao
an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy,
ary ny hena masina dia esorina aminao*; Raha azon-doza ianao, mifalia ary![Na:
Nahoana ny malalako no manao fahavetavetana eto an-tranoko? Moa ny voady sy ny
hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra?]
16 Hazo oliva maitso
sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny
fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.
17 Fa Jehovah,
Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny
ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany
ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
18 [Ny teny nasain'i
Jehovah nolazaina ny amin'ny mponina tao Anatota, izay nitady hamono an'i
Jeremia] Ary nampahafantarin'i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin'izany dia
nasehonao ahy ny fanaony.
19 Fa izaho dia
tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao
no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany,
ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana
intsony ny anarany.
20 Nefa, ry Jehovah,
Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho
hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
21 Koa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao
hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao,
22 izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra,
ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;
23 Ka tsy hisy
hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona
hamaliana azy.
1 [Ny fitarainana
nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah
azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa
aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy
fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
2 Nambolenao izy, ka
dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy,
nefa manalavitra Anao amin'ny fony*.[Heb. voany]
3 Fa Hianao, Jehovah
ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho
toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokāny* ho amin'ny andro hamonoana.[Heb.
hamasino]
4 Mandra-pahoviana no
hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny
faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo:
Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
5 Raha
niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao
ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao
toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron*'i
Jordana?[Heb. ny reharehany]
6 Fa na dia ny
rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny,
niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza
izy.
7 Nilaozako ny tranoko,
nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tānan'ny fahavalony.
8 Raha amiko, ny
lovako dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
9 Moa tahaka ny
vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny
vorona mpihaza? Avia, ka angōny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
10 Mpitondra maro no
nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra
lao ny anjarako mahafinaritra;
11 Nataony lao izany,
eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy
nisy nandatsaka am-po.
12 Ny mpandrava dia
tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy
sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa,
ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra.
13 Vary no nafafiny,
fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana
izany; Dia hangaihay ny amin'ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan'ny
fahatezeran'i Jehovah.
14 Izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia
izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako
tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
15 Nefa nony efa
voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any
amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
16 Koa raha mba
hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha
velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala,
dia haorina ao amin'ny oloko izy;
17 Fa raha tsy
hankatō kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy
haringako izy, hoy Jehovah.
*
1 [Ny hampietrena ny
avonavon'ny Joda] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo
rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
2 Dia nividy
fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
3 Ary tonga tamiko
fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe:
4 Ento ny fehin-kibo
izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any
Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
5 Ka dia nandeha aho,
ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy.
6 Ary nony afaka
andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary
alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7 Dia nankany Eofrata
aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay
fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na
inona intsony.
8 Dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah hoe:
9 Izao no lazain'i
Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny
avonavon'i Jerosalema.
10 Ity firenena ratsy
ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka
manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity
fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
11 Fa toy ny
firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny
taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona
sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
12 Ary izao teny izao
dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny
tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray
ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
13 Dia holazainao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony* ny mponina rehetra amin'ity
tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy
ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.[Heb. feno]
14 Ary hampifamohiko
izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na
hamindra fo tsy handringana azy.
15 Mandrenesa ka
mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
16 Manomeza
voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina
Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny
tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny
fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
17 Fa raha tsy
hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria
misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria
voababo ny ondrin'i Jehovah.
18 Lazao amin'ny
andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka
eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
19 Voarindrina ny
tanāna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny,
lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
20 Atopazy ny
masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena
anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
21 Ahoana re no
holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany
no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny
vehivavy raha miteraka?
22 Ary raha manao
anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao
no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny
ombelahin-tongotrao.
23 Moa mahova ny
hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda* va mahova ny sorany? Raha izany, dia
mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.[Anaram-biby masiaka
sady misoratsoratra]
24 Koa dia
haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.
25 Izany no
lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka
nitoky tamin'ny lainga.
26 Ary Izaho
kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba
hisehoan'ny henatrao.
27 Ny
fijangajanganao sy ny fanenonao*, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any
amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao
ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio
ny tenanao?[Izahao v. 8]
*
1 [Ny tsy
hahafahan'ny olona amin'ny loza, na dia efa nifonan'i Jeremia
tamin'Andriamanitra aza izy] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia ny
amin'ny mosary.
2 Misaona ny
Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka
amin'ny tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.
3 Ny lehibeny
maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano
ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy
mangaihay izy ka misaron-doha.
4 Noho ny
fangentan*'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny
mpiasa ka misaron-doha.[Na: satria tora-kovitra]
5 Ary na dia ny
dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian'ny
ahi-maitso.
6 Ary ny
borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny
rivotra toy ny amboadia* izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.[Na:
jakala]
7 Ry Jehovah ô,
na dia miampanga anay aza ny helokay, miasā ihany Hianao noho ny anaranao; Fa
be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.
8 Ry
Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao
no dia toy ny vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry
indray alina monja?
9 Nahoana
Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy?
Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa
nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.
10 Izao no
lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy
mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny
helony, ary valiany ny fahotany.
11 Dia hoy
Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an'ity firenena ity hahasoa azy.
12 Fa na dia
mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra
fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho,
fa haripako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
13 Dia hoy
izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy
hiharan'ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra
eto amin'ity tany ity ianareo.
14 Dia hoy
Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy
naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy
faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany
aminareo.
15 Koa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa
tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany
ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
16 Ary ny
firenena izay aminanian'ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben'i Jerosalema
noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny
vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny
faharatsiany.
17 Koa lazao
aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman'alina ka tsy
hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin'ny
kapoka maharary indrindra.
18 Raha mivoaka
any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanāna
kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia
mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany*.[Na: ka tsy mahalala]
19 Efa narianao tokoa
va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay
Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy
nahita asa, ary andro fanasitranana*, fa indro fampitahorana.[Na:
fahafinaretana]
20 Jehovah ô,
tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao
izahay.
21 Noho ny amin'ny
anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza
fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.
22 Mba misy
mahalatsaka ranonorana va ireny sampin*'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka
ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry
Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao
ireo zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']
1 Ary hoy Jehovah
tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy
hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny,
aoka hiala izy.
2 Ary raha tāhiny izy
manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Izay ho amin'ny areti-mandringana* dia ho amin'ny areti-mandringana,
ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra, ary izay ho amin'ny mosary
dia ho amin'ny mosary, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny
fahababoana.[Heb. fahafatesana]
3 Ary manendry
zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono
sy ny amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany;
4 Ary manolotra azy
ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra* amin'ny tany Aho noho ny amin'i
Manase, zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, dia noho izay nataony tany
Jerosalema.[Na: ho fampangovitana ny fanjakana rehetra]
5 Fa iza no hangoraka
anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily
hanantsafa anao?
6 Hianao efa nahafoy
Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely
anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra*.[Heb.
manenina]
7 Ary kororohiko
amin'ny fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko,
eny, aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.
8 Ny mpitondratenany
mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra
mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia
mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny
tahotra.
9 Izay niteraka fito
dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina
sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo
anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.
10 [Fitarainan'i
Jeremia tamin'Andriamanitra, sy ny teny fampiononana navaliny azy] Lozako, ry
neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny
tany rehetra! Tsy nampanāna vola aho, ary tsy nisy nanāna vola tamiko, nefa
ozonin'ny olona rehetra ihany aho.
11 Dia hoy Jehovah:
Nahafaka anao Aho hahasoa anao*; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo
amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.[Na: ny hahasoa anao ihany
no nisehoako ho fahavalonao]
12 Mety tapaka va ny
vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?
13 Ny fanananao sy ny
rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana
noho ny fahotana rehetra izay nataonao;
14 Ary hampitondraiko
ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny
fahatezerako*, ka handoro anareo no irehetany.[Heb. Fa misy afo arehitra
amin'ny fahatezerako]
15 Hianao no
mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza
dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa
noho ny aminao no nitondrako latsa.
16 Hitako ny teninao
ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina
tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.
17 Izaho tsy
nipetraka na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, nitoetra irery aho noho
ny fihazonan'ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho.
18 Nahoana re no dia
tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana?
Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?
19 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray*, ka dia hitsangana
eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana
ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no
hanatona azy,[Heb. hampivereniko]
20 Ary hataoko manda
varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy
hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;
21 Ary hanafaka anao
amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny
mpampahory.
*
1 [Ny
nasain'Andriamanitra nataon'i Jeremia ny amin'ny loza hampijaliana ny Joda] Ary
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
2 Aza manam-bady
ianao, ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin'ity tany ity.
3 Fa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin'ity tany ity sy
ny amin'ny reniny izay niteraka azy ary ny amin'ny rainy izay niteraka azy
amin'ity tany ity koa:
4 Ho fatin'ny loza
samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny
tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny
bibi-dia ny fatiny.
5 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa
alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy
Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
6 Ho faty na ny
lehibe na ny kely amin'ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na
hitetehan'ny sasany tena, na hiboriany;
7 Ary tsy hisy
hamahan-kanina azy amin'ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin'ny maty; Ary
tsy hisy hampisotro azy amin'ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny
reniny;
8 Ary aza miditra ao
amin'ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy
hisotro.
9 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity
tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo
miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.
10 Ary raha ambaranao
amin'ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana
Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no
helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin'i Jehovah Andriamanitray?
11 dia lazao aminy
hoe: Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany
andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny
nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalāko.
12 Ary ny tenanareo
koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka
ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;
13 Ka dia horoahiko
hiala amin'ity tany ity ianareo ho any amin'ny tany tsy fantatrareo na ny
razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman'alina, satria tsy
hamindra fo aminareo Aho.
14 Koa, indro, avy
any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa
Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
15 Fa izao kosa: Raha
velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny
tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa
hampodiko ho amin'ny tany izay nomeko ny razany izy.
16 Indro, Izaho
haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany,
dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin'ny tendrombohitra sy ny
havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
17 Fa ny masoko dia
mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin'ny tavako izany, ary tsy takona
amin'ny masoko ny helony.
18 Alohan'izany anefa
dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko,
dia ny namenoany ny lovako tamin'ireo fatin'ny sampiny* sy fahavetavetany
ireo.[Heb. fahavetavetany]
19 Jehovah ô, ry
heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho
tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny,
tokoa lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
20 Moa mahay manao
andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.
21 Koa, indro,
hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy
ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.
1 Ny fahotan'ny Joda
dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra
ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany*
izany,[Heb. alitaranareo]
2 Dia amin'izay
hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany*, akaikin'ny hazo maitso,
ambonin'ny havoana andrandraina.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
3 Ry tendrombohitro
any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny,
na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao
rehetra.
4 Ary avy amin'ny
tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary
hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa
narehitrareo ny afon'ny fahatezerako*, izay hirehitra mandrakizay.[Heb. fa misy
afo narehitrareo tamin'ny fahatezerako]
5 [Ny amin'ny
fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i
Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona
matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.
6 Fa ho tahaka ny
olona mahantra any* an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa;
Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira
izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy]
7 Hotahina izay olona
matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
8 Fa ho toy ny hazo
ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy
hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy
izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
9 Ny fo dia mamitaka
mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa
no mahafantatra ny aminy?
10 Izaho Jehovah no
Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny
alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
11 Toy ny tsipoy
mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny
rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany*, ka ho adala no
farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy]
12 Seza fiandrianana
be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.
13 Ry Jehovah,
Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana
amin'ny vovoka izay miala aminao*, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah,
loharano velona.[Heb. amiko]
14 Jehovah ô, sitrano
aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
15 Indro, ireo dia
manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
16 Fa izaho tsy
nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza
dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia
miharihary eo anatrehanao.
17 Enga anie ka tsy
ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao!
18 Aoka ho menatra
izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo,
fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana,
ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
19 [Ny amin'ny
hanamasinana ny Sabata] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka
mitsangāna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny
Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema
20 ka lazao amin'ny
olona hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda
rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto
vavahady ireto.
21 Izao no lazain'i
Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata,
ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema;
22 ary aza mitondra
entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha
akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
23 Nefa tsy nihevitra
izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino
anatra.
24 Ary raha mihaino
Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity
tanāna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany,
25 izay mpanjaka sy
mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny
vavahadin'ity tanāna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka
sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanāna
ity.
26 Ary ho avy ny
olona avy amin'ny tanānan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny
tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy ny tany havoana ary ny
tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drā ary
fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho
ao an-tranon'i Jehovah.[Heb. Sefela]
27 Fa raha tsy
mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana
miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia
handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto
Jerosalema.
*
1 [Fanoharana ny
amin'ny tanimanga sy ny mpanefy, ary ny anatra manaraka izany] Izao no teny
tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Mitsangāna,
ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no
hampandrenesako anao ny teniko.
3 Dia nidina
tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo
amin'ny ankodina fanaovana izy.
4 Ary raha
simba ny vilany ataony araka izay mazāna miseho amin'ny tanimanga eny
an-tānan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy
tanimanga hanaovana azy.
5 Dia tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah hoe :
6 Moa tsy
mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry
taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy
azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.
7 Vetivety* Aho
dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray
mipi-maso]
8 Nefa raha
miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny
loza izay nokasaiko hamelezako azy.
9 Ary vetivety
kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
10 Nefa raha
manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny
soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
11 Koa
amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay
hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy
tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
12 Nefa hoy
ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy
hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
13 Koa izao no
lazain'i Jehovah: anontanio any amin'ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra
toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virijina.
14 Hitsahatra
tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary
mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?
15 Fa efa
nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy* no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary
nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany
amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,[Heb;
zava-poana]
16 Mba
hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay
rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
17 Toy ny
fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny
fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany
loza.
18 [Ny
nitadiavan'ny olona hamely an'i Jeremia, sy ny vavaka nataon'i Jeremia
tamin'izany] Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i
Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalāna avy amin'ny mpisorona, na ny
saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika*
ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.[Heb. lelantsika]
19 Mihainoa
ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko
20 Ratsy va no
havaly ny soa? Fa efa nihady
lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina
ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.
21 Koa aoka ho
mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana
anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy
haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.
22 Aoka hisy
fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any
aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady
nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
23 Fa Hianao, Jehovah
ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny
helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo
anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
1 [Fanoharana ny
amin'ny tavoara vaky] Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara
tanimanga, ary makā anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny
mpisorona,
2 dia mivoaha ho any
amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota*,
ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,[Harsota = tavim-bilany(?)]
3 ka ataovy hoe: Mihainoa
ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga
loza amin'ity tanāna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny
sofiny
4 satria efa nahafoy
Ahy izy ka nahatonga ity tanāna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra
tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny
mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanāna ity
5 ary nanorina ny
fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i
Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na
Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7 Ary hofoanako*
amin'ity tanāna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko
lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tānan'izay mitady ny ainy
izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.[Heb.
hararako]
8 Ary ity tanāna ity
dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo
azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
9 Ary hampihinaniko
ny nofon'ny zananilahy sy ny nofon'ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny
nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny
fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10 Dia torotoroy eo
imason'ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
11 ka ataovy aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity
firenena sy ity tanāna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany
tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny
tsi-fisian-tany hafa handevenana.
12 Dia toy izany no
hataoko amin'ity tanāna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i
Tofeta ity tanāna ity, hoy Jehovah.
13 Ary ny tranon'i
Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i
Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony
ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho
an'izay andriamani-kafa.
14 [Ny faminanian'i
Jeremia ny loza, sy ny nanoheran'i Pasora azy] Ary Jeremia dia tonga avy tany
Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny
kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:
15 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra
amin'ity tanāna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay
nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.
*
1 Ary Pasora, zanak'i
Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i
Jeremia naminany izany zavatra izany,
2 dia namely an'i
Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo
am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.
3 Ary nony ampitso,
dia nesorin'i Pasora tamin'ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy
nataon'i Jehovah hoe Pasora* ny anaranao, fa Magora-misabiba**.[*Pasora =
fiadanana manodidina(?)][**Magora-misabiba = Fampangorohoroana manodidina]
4 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao
rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny
masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tānan'ny mpanjakan'i
Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.
5 Ary ny harena
rehetra amin'ity tanāna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny
zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan'ny Joda rehetra dia samy
hatolotro eo an-tānan'ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary
hitondra azy ho any Babylona.
6 Ary ianao, ry
Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho
tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana
anao mbamin'ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
7 [Ny fitarainana
nataon'i Jeremia] Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka
resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
8 Fa na oviana na
oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza
sy fandravana! Fa ny tenin'i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy
isan'andro.
9 Dia hoy
izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia
tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; Ary
sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
10 Fa reko ny
endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny,
hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay
hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy
hovaliantsika.
11 Kanefa
Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho
tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria
tsy hendry*. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany![Na: tsy
ambinina]
12 Fa Hianao,
Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy
ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
13 Mihirā ho
an'i Jehovah, miderā an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo
tamin'ny tanan'ny mpanao ratsy.
14 Ho voaozona anie
ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan'ineny ahy!
15 Ho voaozona
anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin'ikaky nanao hoe: Tera-dahy
ianao! Ka nahafaly azy indrindra.
16 Aoka Izany
lehilahy izany ho toy ny tanāna izay noravan'i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary
aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,
17 Satria tsy
nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an'Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy
mandrakariva ny kibony.
18 Nahoana re
aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany
aman-kenatra ny androko!
*
1 [Ny amin'ny
hahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy
tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy
Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
2 Masėna ianao,
manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba
hialan'ireo aminay.
3 Dia hoy Jeremia
taminy: Lazaonareo amin'i Zedekia hoe:
4 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny
an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i
Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto
afovoan'ity tanāna ity ireo.
5 Ary Izaho no hiady
aminareo amin'ny tanana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny
fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
6 Ary hamely ny
mponina amin'ity tanāna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be
mandringana izy.
7 Ary rehefa afaka
izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka
ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary
amin'ity tanāna ity dia hatolotro eo an-tānan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, sy eo an-tānan'ny fahavalony sy eo an-tānan'izay mitady ny ainy; dia
hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na
hamindra fo aminy.
8 Ary ity firenena
ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo
ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana:
9 Izay mbola mitoetra
eto amin'ity tanāna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary
areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano
anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
10 Fa efa manandrina
ity tanāna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo
an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.
11 Ary henoy ny
tenin'i Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.
12 Ry taranak'i
Davida, izao no lazain'i Jehovah: Mitsarā isa-maraina, afaho amin'ny tanan'ny
mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary
mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian'ny ataonareo.
13 Indro, hohatoniko
ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka,
hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay?
Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?
14 Fa hamaly anareo
araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny
alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
1 [Anatra mafy noho
ny faharatsian'ny mpanjakan'ny Joda] Izao no lazain'i Jehovah: Midina any
amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
2 Henoy ny tenin'i
Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i
Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto
vavahady ireto:
3 Izao no lazain'i
Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny
mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny
sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rā marina amin'ity
fitoerana ity.
4 Fa raha mankatō
izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza
fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly,
dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5 Fa raha tsy hihaino
izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho
lao tokoa ity trano ity.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy
ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanāna tsy
onenana.
7 Ary hanendry*
mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia
hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.[heb. hanamasina]
8 Ary firenena maro
no handalo ity tanāna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana
Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanāna lehibe ity?
9 Dia hovaliana hoe:
Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany
tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
10 Aza mitomany ny
maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko
babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
11 Fa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay
nanjaka nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy
hiverina atỳ intsony izy,
12 Fa ho faty
any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity
intsony.
13 Lozan'izay
manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka
ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
14 Sady manao
hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany
hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
15 Moa dia ho
mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady
nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.
16 Nitsara ny
tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no
fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
17 Nefa tsy misy
alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny
fandatsahana rā marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18 Ary noho izany dia
izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy!
Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19 Halevina toy ny
fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i
Jerosalema.
20 Miakara any
Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any
Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
21 Efa niteny taminao
Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy
hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22 Ny mpitondra* anao
rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho
menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry
ondry]
23 Ry ilay mponina
any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny
fisentoanao*, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy
raha miteraka![Na: fahantranao]
24 Raha velona koa
Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana
aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala
eo ianao,
25 Ka hatolotro eo
an-tānan'izay mitady ny ainao sy eo an-tānan'izay atahoranao, dia eo an-tānan'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.
26 Ary ianao sy ny
reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka
any no hahafatesanareo.
27 Fa ny tany iriny
hiverenana dia tsy hiverenany.
28 Moa ity lehilahy
Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy
mahafinaritra va? Koa
nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
29 Ry tany! ry
tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.
30 Izao no
lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy
tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina
Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda
intsony
1 [Faminaniana
ny amin'ny mpiandry tsara, indrindra fa ny Rantsan'i Davida] Lozan'ireo
mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
2 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo mpiandry izay miandry
ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy
nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo,
hoe Jehovah
3 Ary Izaho
hanangona ny ondriko sisa avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ka
hampodiko ho any amin'ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
4 Ary hanendry
mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po
intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
5 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana* marina ho an'i Davida, ka
hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny
tany.[Na: Solofo]
6 Amin'ny androny
no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay
hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
7 Koa, indro,
avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa
Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
8 Fa izao kosa:
Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady
nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra
izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.
9 [Faminaniana
ny amin'ny mpaminany sandoka] Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko
ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny
lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina.
10 Fa feno
mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny
kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon*'ny olona, sady ny
tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan']
11 Fa na
mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy* avokoa; Na dia tao
an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.[Na: ratsy
fanahy]
12 Koa dia ho
toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho
potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
13 Ary tamin'ny
mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy
ka nampivily ny Isiraely oloko,
14 Ary tamin'ny
mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy
mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy
tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma
raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.
15 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro,
hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny
mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany
rehetra.
16 Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay
maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no
lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.
17 Milaza
mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita
fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe:
Tsy hisy loza hanjo anareo.
18 Fa iza moa
no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka
nihaino ny teniny?
19 He! ny tadion'i
Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta
amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
20 Ny fahatezeran'i
Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny
fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
21 Tsy naniraka ireo
mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa
naminany ihany izy.
22 Fa raha isan'ny
mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka
namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony.
23 Moa Andriamanitra
etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra
any koa?
24 Moa misy olona
mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany
va Aho? hoy Jehovah.
25 Efa reko ny
nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho,
nanonofy aho.
26
Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany
araka ny fitaky ny fony va?
27 Ny
hampanadino ny oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy,
toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala?
28 Ny mpaminany
izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka
hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary?
hoy Jehovah.
29 Tsy tahaka
ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny
vatolampy va?
30 Koa, indro,
fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny
namany avy.
31 Indro, hoy
Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
32 Indro,
hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily
ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy
na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy
Jehovah.
33 Ary raha
manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao
hoe: Inona no entan*'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako
ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza]
34 Ary ny
mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i
Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.
35 Samia
manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i
Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?
36 Fa ny hoe:
Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy
ihany no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra
velona, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika.
37 Izao no hanontanianareo*
amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i
Jehovah?[Heb. hanontanianao]
38 Fa raha hoy
ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny
teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe:
Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah,
39 Dia, indro,
hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanāna izay nomeko
anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
40 Ary hataoko
mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay
izay tsy hohadinoina.
*
1 [Ny amin'ny aviavy
roa sobiky] Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky
voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima,
mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny
mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
2 Ny sobiky iray dia
nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky
anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny
haratsiny.
3 Dia hoy Jehovah
tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa
dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny
haratsiny.
4 Ary tonga tamiko
indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko
ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany
ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
6 Fa hojeren'ny
masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko
izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.
7 Ary homeko fo
hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho
Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
8 Ary ny amin'ny
aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i
Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny
mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity
sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta,
9 eny, hatolotro ho
mpanjenjena* sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy,
ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany
rehetra izay handroahako azy.[Na: ho fampangovitana]
10 Ary hampameleziko
azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany
tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
*
1 [Ny handravan'i
Babylona ny Joda sy ny firenena manodidina, ary ny loza hanelezana an'i
Babylona sy ny firenena hafa rehetra] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny
amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i
Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona
2 dia izay nolazain'i
Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra sy tamin'ny mponina rehetra tany
Jerosalema hoe:
3 Hatramin'ny taona
fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka
mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no
nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha
maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
4 Ary Jehovah naniraka
ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka
naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
5 Samia miala amin'ny
lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any
amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho
mandrakizay.
6 Ary aza manaraka
andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra
Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
7 Nefa tsy nihaino
Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo
hahitanareo loza.
8 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
9 dia, indro,
hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny
mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako
tokoa* ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.[Heb.
hataoko herema]
10 Ary hatsahatro eo
aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny
feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.
11 Ary ity tany
rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny
mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.
12 Ary rehefa tapitra
ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy
izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko
rava mandrakizay.
13 Ary hotoviko
amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia
izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely
ny firenena rehetra.
14 Fa ireo kosa
indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako
araka ny ataony sy araka ny asan'ny tānany avy izy.
15 Fa izao no
nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ
an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny
firenena rehetra izay anirahako anao.
16 Ary hisotro izy ka
hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
17 Dia noraisiko ny
kapoaka teny an-tānan'i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay
nanirahan'i Jehovah ahy,
18 dia Jerosalema sy
ny tanānan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao
sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao
anio izao;
19 ary Farao,
mpanjakan'i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany
rehetra,
20 ary ny olona samy
hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Oza sy ny mpanjaka
rehetra amin'ny tanin'ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa
any Asdoda;
21 ary Edoma sy
Moaba sy ny taranak'i Amona,
22 ary ny
mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny
nosy* any an-dafin'ny ranomasina;[Na: amoron-tsiraka]
23 ary Dedana
sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
24 ary ny
mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy
hafa izay monina any an-efitra;
25 ary ny
mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka
rehetra any Media,
26 ary ny
mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary
ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany;
ary ny mpanjakan'i Sesaka* koa dia hisotro manaraka ireo.[Sesaka = Babela]
27 Koa lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely:
Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerā, ka aza miarina intsony
noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
28 Ary raha tsy
mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
29 Fa, indro,
ao amin'ny tanāna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny
fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa
hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
30 Koa
maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona
any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona
mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy
voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.
31 Mihatra
amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny
firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony
ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.
32 Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena
samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;
33 Ary
amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny
faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina,
na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.
34
Midradradradrā, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena,
ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary
hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
35 Ny mpiandry
ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.
36 Injany! misy
feo fitarainan'ny mpiandry ondry sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa
nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
37 Ary efa
tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
38 Nandao ny
fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan'ny
mpampahory sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.
*
1 [Ny
niampangana an'i Jeremia, sy ny nahafahany tamin'izany] Tamin'ny niandohan'ny
nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao
teny izao avy tamin'i Jehovah nanao hoe:
2 Izao no
lazain'i Jehovah: Mitsangāna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao
amin'ny tanānan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny
teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny
iray akory aza.
3 Fa angamba
hihaino ihany izy, ka samy hiala amin'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza
izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony.
4 Ary lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy
mandeha araka ny lalāko izay napetrako teo anoloanareo,
5 ary tsy
mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha
maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
6 dia hataoko
tahaka an'i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an'ny firenena
rehetra ambonin'ny tany ity tanāna ity.
7 Ary ny
mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra dia nandre an'i Jeremia
nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon'i Jehovah.
8 Koa nony efa
tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny
vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka
rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
9 Nahoana ianao
no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanāna ity,
ary ho lao ity tanāna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i
Jeremia tao an-tranon'i Jehovah.
10 Fa nony ren'ny
mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny
mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny
vavahady vaovaon'i Jehovah.
11 Ary ny mpisorona
sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy
heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity
tanāna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo.
12 Dia nilaza
tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no
naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanāna
ity.
13 Koa ankehitriny
ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah
Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana
anareo.
14 Fa ny amiko, dia,
indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy
marina.
15 Kanefa mihevera
tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rā marina aminareo sy
amin'ity tanāna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka
ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
16 Dia hoy ny
mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy
heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'i Jehovah
Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
17 Dia nisy
nitsangana ny loholona ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
18 Mika Morastita dia
naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda
rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina
toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra
misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).
19 Moa namono azy va
Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va
izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa
nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe
amin'ny tenantsika.
20 Ary nisy lehilahy
anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i
Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanāna sy ity
tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.
21 Ary nony ren'i
Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady
hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka
nandositra, ary tonga tany Egypta;
22 ary Joiakima
mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny
olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.
23 Ary Oria dia
nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary
izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny
fasam-bahoaka.
24 Nefa ny tānan'i
Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo
an-tānan'ny vahoaka hovonoiny.
*
1 [Ny amin'ny zioga
hataon'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny vozon'ny firenena izay resiny, sy ny
namporisihan'i Jeremia azy hitondra izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i
Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao
tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe:
2 Izao no nolazain'i
Jehovah tamiko: Manaova famatorana* sy zioga ianao, ka ataovy eo
am-bozonao,[Na: kofehy]
3 ary ampanatero any
amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny
mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny
mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ
amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda;
4 ary asaovy lazainy
amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo:
5 Izaho no nanao ny
tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny
sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany.
6 Ary ankehitriny
Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tānan'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza
dia efa nomeko hanompo azy koa.
7 Ary ny firenena
rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana
hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka
lehibe izy.
8 Ary izay firenena
na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy
mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia
hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena
izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tānany.
9 Ary aza mihaino ny
mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny
mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny
mpanjakan'i Babylona ianareo.
10 Fa lainga no
vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia
horoahiko ianareo ka ho ringana.
11 Fa izay firenena
mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo
azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady
honina ao izy.
12 Ary Zedekia,
mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe:
Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa
azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
13 Nahoana no ho
fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao
mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy
mety manompo ny mpanjakan'i Babylona?
14 Koa aza mihaino ny
tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona
ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo.
15 Fa tsy naniraka
azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy,
mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany
izay maminany aminareo.
16 Ary ny mpisorona
sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza
mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny
fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no
vinaniny aminareo.
17 Aza mihaino azy,
fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho
rava ity tanāna ity?
18 Fa raha mpaminany
tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i
Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka
sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato
Jerosalema
19 Fa izao ny
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe* sy
ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity
tanāna ity,[Heb. ranomasina]
20 dia izay tsy
nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia,
zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any
Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema,
21 eny, izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka
izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato
Jerosalema:
22 Ho any Babylona no
hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako
azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanāna
ity.
1 [Ny faminanian'i
Hanania mpaminany sandoka, sy ny navalin'i Jeremia azy] Ary tamin'izany taona
izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda,
tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania,
zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo
anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan'ny
mpanjakan'i Babylona,
3 ka ao anatin'ny roa
taona no hampodiako ho amin'ity tanāna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i
Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanāna
ity ka nentiny ho any Babylona:
4 ary Jekonia,
zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa
tany Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanāna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko
ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona.
5 Dia hoy Jeremia
mpaminany tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka
rehetra izay tao an-tranon'i Jehovah,
6 Eny, amena! hoy
Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny
teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah
mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanāna ity
indray.
7 Kanefa kosa mba
henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
8 Ny mpaminany izay
tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary
areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
9 Ny amin'ny
mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho
mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy.
10 Dia nesorin'i
Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
11 Ary Hanania niteny
teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no
hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny
vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia
mpaminany.
12 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah, nony efa notapahin'i Hanania mpaminany ho afaka
tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:
13 Mandehana, ka
lazao amin'i Hanania hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao,
fa zioga vy kosa no hataonao solony.
14 Fa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no
nataoko tamin'ny vozon'ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny
bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
15 Dia hoy Jeremia
mpaminany tamin'i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao
Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin'ny lainga.
16 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin'ny tany ianao; amin'ity taona ity
ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinao
17 Ka dia maty
tamin'ny volana fahafito tamin'iny taona iny ihany Hanania mpaminany.
*
1 [Taratasy
nampitondrain'i Jeremia ho any amin'ny babo tany Babylona] Ary izao no
fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema
ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny
mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy
tany Jerosalema ho any Babylona
2 (rehefa lasa niala
tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny
Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
3 dia ilay teny
nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay
nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe:
4 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay
natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
5 Manaova trano ianareo,
ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
6 Manambadia, ka
miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio
ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie
ianareo, fa tsy hihavitsy.
7 Ary katsaho izay
hiadanan'ny tanāna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i
Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
8 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny
mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny
nofinareo izay nofisinareo*.[Na: izay nampanonofisinareo]
9 Fa lainga no
vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
10 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy
anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity
tany ity ianareo.
11 Fa Izaho mahalala
ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa
tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy
fanantenana]
12 Ary hiantso Ahy
ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
13 Ary hitady Ahy
ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
14 Eny, ho hitanareo
Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko
avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay
nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa
nanolorako anareo hobaboina.
15 Fa hoy ianareo:
Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
16 Fa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza
fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanāna
ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
17 izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary
ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo
hanina noho ny haratsiny izy.
18 Ary henjehiko
amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho
mpanjenjena* any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy
figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay
nandroahako, azy[Na: ho fampangovitana]
19 noho ny tsy
nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko
ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino
ianareo, hoy Jehovah.
20 Koa mihainoa ny
tenin'i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho
atỳ Babylona.
21 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i
Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo
amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
22 Ary izy roa lahy
dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe:
Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i
Babylona tamin'ny afo, anie ianao,
23 noho ny nanaovany
izay fady indrindra* tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny
vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako
azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.[Heb; fahadalana]
24 Ary Semaia
Nehelamita dia hilazanao hoe:
25 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao
taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy
amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa
koa nanao hoe:
26 Jehovah efa nanao
anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho
mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao
azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
27 koa nahoana ianao
no tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany
aminareo?
28 Fa naniraka ho aminay
any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano
ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
29 Ary Zefania
mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany.
30 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
31 Maniraha ho any
amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i
Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko
izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny lainga
32 dia izao no
lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho:
tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana
amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana
tamin'i Jehovah no notoriny.
*
1 [Ny hampodiana ny
voninahitry ny Isiraely, sy ny hampijaliana izay nampahory azy] Izao no teny
tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin'ny boky ny teny rehetra izay
efa nolazaiko taminao.
3 Fa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy
amin'ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin'ny tany izay efa
nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
4 Ary izao no teny
izay nolazain'i Jehovah ny amin'ny Isiraely sy ny Joda,
5 eny, izao no
lazain'i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
6 Anontanionareo ka
izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery
ny valahany amin'ny tānany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza
iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
7 Indrisy! fa lehibe
izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an'i Jakoba
izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin'izany ihany izy.
8 Fa amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny
vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao* intsony; [Heb. azy]
9 Fa ianao
hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao* sy Davida Mpanjakanao*, Izay hatsangako ho
anao.[Heb. Mpanjakany]
10 Koa aza
matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry
Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any
amin'ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry
fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
11 Fa momba
anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra
izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka
ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
12 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
13 Tsy misy
handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny
ferinao ianao*.[Na: Tsy misy mikarakara ny raharahanao hamoritana ny ferinao,
Ary tsy, manana plasitera fanasitranana ianao]
14 Ireo tia
anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin'ny
fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan'ny lozabe, noho ny habetsahan'ny
helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao.
15 Nahoana
ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo
atsahatra? Fa noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao no
nanaovako izany taminao.
16 Koa izay
rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho
lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao
dia hatolotro horobaina.
17 Fa
hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy
Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy
mpitady ity.
18 Izao no
lazain'i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin'ny fahababoana ny lain'i Jakoba,
ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanāna dia haorina ao amin'ny havoany,
ary ny lapan'andriana hitoetra ao amin'izay mahamety azy.
19 Ary hisy
fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy,
sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
20 Ny zanany
koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia
hovaliako izay rehetra mampahory azy.
21 Ary ilay
malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy
ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy
hanao ny ainy* ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.[Heb. fony]
22 Ary ianareo ho
oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
23 He! ny tadion'i
Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny
lohan'ny ratsy fanahy.
24 Ny firehetan'ny
fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny
hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
1 [Ny famindram-po ho
an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy
Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho
oloko.
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Hahita* fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra;
Handeha Aho ka hanome* fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha
Aho ka nanome]
3 Tany lavitra any*
no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako
anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny]
4 Mbola hanorina anao
indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka
mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.
5 Mbola hanao
tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia
hamboly sady hihinana ny vokatra.
6 Fa mbola hisy andro
hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana
ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah
Andriamanitsika.
7 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny
amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô,
vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely.
8 Indro, hitondra azy
avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny
tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay
manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
9 Amin'ny fitomaniana
no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny
renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa
Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
10 Mihainoa ny
tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka
any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy
indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.
11 Fa Jehovah efa
nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy.
12 Ka dia ho avy
ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny
zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny
zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly
vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
13 Ary amin'izany dia
ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa
hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho
afaka alahelo.
14 Dia hovokisako
zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy
Jehovah.
15 Izao no lazain'i
Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra;
Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany,
satria lany ritra ireny.
16 Izao no lazain'i
Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny
tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo
ireny.
17 Ary misy
fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any
amin'ny taniny indray.
18 Efa reko tokoa
Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy
kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah
Andriamanitro.
19 Nony efa niverina
tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny
toe-tenako aho, dia niteha-tratra*; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny
tsinin'ny fahatanorako.[Heb. niteha-pe]
20 Zanako
mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy
isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko*; Hamindra fo
aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.[Heb. maneno ny tsinaiko]
21 Manangāna
famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana
efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely
virijina, miverena indray ho amin'ireto tanānanao ireto.
22 Mandra-pahoviana
no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao
amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
23 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao
amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanānany izao teny izao, raha hampodiko avy
amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny
fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24 Ary ny Joda sy ny
tanānany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy
mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny.
25 Fa ny fanahy ana
dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
26 Ary tamin'izay dia
nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
27 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i
Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
28 Ary toy ny
niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia
ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
29 Amin'izany andro
izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy,
ka ny nifin'ny zanany no madilo.
30 Fa ny olona
rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka
maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
31 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy
ny taranak'i Joda,
32 Nefa tsy araka ny
fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko,
Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.[Na: tompony]
33 Fa izao no
fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy
Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalāko sady hosoratako ao am-pony; Ary
Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
34 Ary samy tsy
hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalā an'i
Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka
hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy
hotsarovako intsony ny fahotany.
35 Izao no lazain'i
Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin'ny antoandro ary ny
filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin'ny alina, Izay mampanonja
ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon'ny maro, no
anarany:
36 Raha miova eo
anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo
anatrehako mandrakizay kosa ny taranak'Isiraely.
37 Izao no lazain'i
Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny
tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay
rehetra nataony, hoy Jehovah.
38 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanāna ity indray ho an'i Jehovah
hatramin'ny tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
39 Ary ny famolaina
dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon'ny tendrombohitra Gareba, dia
hasangodina ho any Goa;
40 Ary ny
lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny
Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana
dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy
mandrakizay.
*
1 [Ny nividianan'i
Jeremia tany ho vavolombelon'ny finoany fa mbola hampodina ny Isiraely] Izao no
teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo
nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i
Nebokadnezara.
2 Fa tamin'izany no
nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary
Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo
amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.
3 Fa Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe:
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona
ity tanāna ity, ka ho afany;
4 ary Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra
eo an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy
sady hifankahita maso aminy;
5 ary ho any Babylona
no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na
dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
6 Ary hoy
Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
7 Indro
Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe:
Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra
azy.
8 Ary Hanamela,
zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana
araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masėna ianao, vidio ny sahako izay
ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky
tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i
Jehovah izany.
9 Ary novidiko
tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary
nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.
10 Ary
nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako
vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.
11 Ka dia
noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy
tombo-kase araka ny lalāna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;
12 dia
natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny
fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy
teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny
fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka
teo an-kianjan'ny trano fiambenana.
13 Ary nandidy
an'i Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe:
14 Izao no
lazain'i Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy
ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy
tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy
mba haharitra ela.
15 Fa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano
sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.
16 Ary rehefa
voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny
vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe:
17 Indrisy,
Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao
lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
18 Mamindra fo
amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny
zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny
maro, no anarany,
19 lehibe
amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny
zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny
vokatry ny asany,
20 dia Ilay
nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany
koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana
ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao.
21 Ary nitondra
ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny
famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary
ny fampahatahorana lehibe,
22 ka dia
nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena
azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
23 Ary tonga
teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha
araka ny lalānao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao
nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
24 Indro, ny
tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanāna hanafahana azy, ary ny tanāna dia
atolotra eo an-tānan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary
sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny
masonao izany.
25 Ary Hianao,
Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary
makā vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tānan'ny Kaldeana aza ny
tanāna.
26 Dia tonga
tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
27 Indro, Izaho
no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy
haiko va?
28 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tānan'ny Kaldeana ity tanāna ity
sy eo an-tānan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.
29 Ary ny
Kaldeana, izay efa mamely ity tanāna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka
handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo
an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa
mba hampahatezitra Ahy.
30 Fa izay
ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry
ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny
asan'ny tānany, hoy Jehovah.
31 Fa ity
tanāna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin'ny andro
nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
32 noho ny
ratsy rehetra nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, dia izy sy ny
mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy
amin'ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
33 Fa efa
niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy - eny,
nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra
izy.
34 Fa nametraka
ny fahavetavetany tato amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy
handotoany azy;
35 ary nanorina
ny fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy
mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka,
izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany
fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
36 Koa noho
izany dia izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ity
tanāna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona
amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
37 Indro izy
hangoniko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin'ny
fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin'ity
tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
38 ary izy ho oloko,
ary Izaho ho Andriamaniny.
39 Dia homeko fo iray
sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany
mandimby azy;
40 dia hanao fanekena
mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny
fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
41 Eny, ho faly aminy
Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko
rehetra sy ny fanahiko rehetra.
42 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao
tamin'ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra
izay nokasaiko* ho azy.[Heb. nolazaiko]
43 Ary mbola hisy
fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy
olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tānan'ny Kaldeana.
44 Eny, saha no
hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary
hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i
Jerosalema sy amin'ny tanānan'ny Joda sy amin'ny tanāna any amin'ny tany
havoana sy amin'ny tanāna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* ary amin'ny
tanāna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy
Jehovah.[Heb. Sefela]
1 [Teny anankiray koa
ny amin'ny mbola hampodiana sy ny Isiraely sy ny voninahitra mbola ho azony]
Ary tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona
teo an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy;
Jehovah no anarany;
3 Antsoy Aho, dia
hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy
fantatrao.
4 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanāna ity sy ny
amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny
sabatra,
5 Raha mandroso hiady
amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko
tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity
tanāna ity noho ny faharatsiany rehetra:
6 Dia, indro,
hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko
aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana.
7 Ary ny Joda sy ny
Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha
izy.
8 Ary hodioviko ho
afaka amin'ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony
rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.
9 Ary ho anarana
mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra
ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy
hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko
aminy.
10 Izao no lazain'i
Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka
tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin'ny tanānan'ny Joda sy ao
amin'ny lalamben'i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na
biby fiompy
11 Ny feo mifaly sy
ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny
feon'izay manao hoe: Miderā an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa
mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao
an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany*, hoy
Jehovah.[Heb. hampodiko avy amin'ny fahababoana]
12 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby
fiompy ity sy amin'ny tanānany rehetra dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry
hampandriany ny ondry aman'osiny,
13 Dia amin'ny tanāna
any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanāna any amin'ny tany lemaka
amoron-tsiraka, ary amin'ny tanana any amin'ny tany atsimo sy amin'ny tanin'ny
Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema ary amin'ny tanānan'ny Joda,
ary ny ondry aman'osy mbola handroso araka ny fitondran'ny mpanisa azy, hoy
Jehovah.
14 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin'ny
aranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda.
15 Amin'izany andro
izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana* marina ho an'i Davida
Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.[Na: Solofo]
16 Amin'izany andro
izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana
azy: Jehovah Fahamarinantsika.
17 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza
fiandrianan'ny taranak'Isiraely;
18 Ary ny Levita
mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra
dorana sy fanatitra hohanina* ary fanatitra hafa alatsa-drā.[Na: sy handoroany
fanatitra hohanina]
19 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20 Izao no lazain'i
Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin'ny andro sy ny fanekeko ny amin'ny
alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin'ny fotoany,
21 Dia ho azo foanana
koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo
amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.
22 Toy ny hamaroan'ny
kintana eny amin'ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin'ny
ranomasina, izay tsy azo afātra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak'i
Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
23 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24 Tsy hitanao va
izay nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin'i Jehovah
dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena
eo imasony intsony izy.
25 Izao no lazain'i
Jehovah: Raha tsy amin'ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy
notendreko ny lalāna fitondrana ny lanitra sy ny tany,
26 Dia hariako ny
taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho
mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny
fahababoana izy ka hamindrako fo.
* *
1 [Faminaniana ny
amin'ny hanjo an'i Zedekia, sy fananarana ny olona noho izy nanandevo indray
izay efa novotsorany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah,
fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny
fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay
namely an'i Jerosalema sy ny tanānany rehetra, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin'i Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro,
hatolotro eo an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanāna ity, ka hodorany
amin'ny afo izy;
3 ary ianao tsy ho
afa-mandositra ny tānany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tānany;
ary ny masonao hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiteny mifanatrika
aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
4 Nefa henoy ny
tenin'i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah ny
aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.
5 fa amin'ny
fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona,
tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany
alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa
nilaza izany, hoy Jehovah.
6 Dia nolazain'i
Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda. tany Jerosalema izany
teny rehetra izany.
7 fony ny
miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny
tanānan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanāna
mimanda sisa tamin'ny tanānan'ny Joda.
8 Izao no teny tonga
tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka
rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,
9 mba samy handefa ny
ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka,
mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
10 Ka dia nanaiky ny
mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny
ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony;
eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
11 Kanjo
taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy
ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy
ho ankizivaviny indray.
12 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
13 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo
tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala
tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:
14 Isam-pito taona
samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao
enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka
nanongilana ny sofiny.
15 Ary nibebaka
ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo
fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako
ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
16 kanjo nivadika
indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny
sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia
nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
17 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho
an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho
anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary
ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin*'ny fanjakana rehetra amin'ny
tany ianareo.[Na: ho fampangovitana]
18 Ary hatolotro ny
olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay
nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny
tapany izy,
19 eny, hatolotro ny
mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona
ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely,
20 dia hatolotro eo
an-tānan'ny fahavalony sy eo an-tānan'izay mitady ny ainy, ary ho fihinan'ny
voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
21 Ary Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tānan'ny fahavalony sy
eo an-tānan'izay mitady ny ainy ary eo an-tānan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i
Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
22 Indro, handidy
Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanāna ity ireo; ary hasiany
ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanānan'ny Joda dia hofoanako
tsy hisy mponina.
*
1 [Ny amin'ny
Rekabita] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny
andron'i Joiakima, zanak'i Josia. mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:
2 Mankanesa any
amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i
Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
3 Dia nalaiko
Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany
rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,
4 ka nampidiriko ho
ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana
zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny
mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry
varavarana.
5 Ary norosoako
kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy
hoe: Misotroa divay ianareo.
6 Fa hoy kosa ireo:
Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay
hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
7 ary aza manao trano
ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany
akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona
ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
8 Dia nankatoavinay
izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra
nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na
ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
9 ary tsy hanao trano
hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
10 fa efa nitoetra an-day
izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
11 Fa raha nananika
ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika
hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny
Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
12 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
13 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda
sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va
ianareo? hoy Jehovah.
14 To ny tenin'i
Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy
misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa
niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino
ianareo.
15 Nirahiko taminareo
koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka
azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary
ataovy tsara ny ataonareo. ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia
honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy
nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
16 Eny,
nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay
nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
17 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro,
hataoko mihatra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza
rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy
nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
18 Ary ny taranak'i
Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo
sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra
nanafarany anareo,
19 dia izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i
Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
*
1 [Ny nanoratana ny
tenin'i Jeremia, sy ny namakiana azy teo an-kianjan'ny tempoly] Ary tamin'ny
taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia
tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe:
2 Makā horonan-taratasy
ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny
Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao
dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.
3 Angamba
hoheverin*'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy
hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.[Heb.
hohenoin']
4 Ary Jeremia niantso
an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny
horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia
izay efa nolazainy taminy.
5 Ary Jeremia nandidy
an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i
Jehovah;
6 fa mandehana ianao,
ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro
fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako,
ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanānany koa.
7 Fa angamba ny
fifonany hoborahina* eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany
ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i
Jehovah ny amin'ity firenena ity.[Heb. hiankohoka]
8 Ary Baroka, zanak'i
Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky
ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.
9 Fa tamin'ny volana
fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia,
mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy
tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa
tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanānan'ny Joda.
10 Dia novakin'i
Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i
Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana
mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny
tranon'i Jehovah.
11 Ary nony ren'i
Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny
boky,
12 dia nidina nankany
amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary
indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia,
zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy
Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra.
13 Dia nambaran'i
Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin'ny namakian'i Baroka ny taratasy
teo anatrehan'ny vahoaka.
14 Dia nirahin'ny
mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho
any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay
novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i
Baroka, zanak'i Neria, teny an-tānany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy
izy.
15 Ary hoy izy Ireo
taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin'i Baroka teo
anatrehany.
16 Ary rehefa reny ny
teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka:
Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
17 Ary Baroka dia
nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny
vavany.
18 Dia hoy Baroka
taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia
nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.
19 Dia hoy ny
mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy
hisy olona hahita izay itoeranareo.
20 Dia niditra tao
amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa
napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo
anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.
21 Ary nirahin'ny
mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny
efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny
mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka
izany.
22 Ary ny mpanjaka
nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo
nirehitra teo am-patana teo anoloany.
23 Ary nony efa
namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny
antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana,
mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.
24 Nefa ny natahotra
akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony
rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
25 Ary na dia efa
nifona tamin'ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny
horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
26 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia,
zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa
nafenin'i Jehovah izy roa lahy.
27 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny
horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i
Jeremia, nanao hoe:
28 Makā
horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra
tamin'ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda.
29 Ary ny amin'i
Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah:
Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao
tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy
hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?
30 Koa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara
handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka
hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina.
31 Ary hampijaliko
izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra
aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny
loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
32 Ary Jeremia dia
naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i
Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay
tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny
afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
*
1 [Ny nangatahan'i
Zedekia an'i Jeremia hivavaka ho azy, sy ny teny navalin'i Jeremia azy, ary ny
nanaovana an'i Jeremia tao an-tranomaizina] Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i
Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;
2 nefa na izy, na ny
mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin'i Jehovah, izay
nampilazainy an'i Jeremia mpaminany.
3 Ary Zedekia
mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia,
mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i
Jehovah Andriamanitsika re izahay.
4 Ary Jeremia mbola
niditra sy nivoaka teo amin'ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao
an-trano-maizina izy.
5 Ary efa niainga avy
tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao
fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
6 Dia tonga tamin'i
Jeremia mpaminany ny tenin'i Jehovah hoe:
7 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny
Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny
miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta
taniny;
8 fa ho avy indray ny
Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.
9 Izao no lazain'i
Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny
Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
10 Fa na dia mamely
ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay
voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka
handoro ity tanāna ity amin'ny afo.
11 Ary raha niala
tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,
12 dia nivoaka
Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay
anjarany eo amin'ny vahoaka.
13 Ary raha tonga teo
am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe
Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia
mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana ianao.
14 Fa hoy Jeremia:
Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka
dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.
15 Ary tezitra
tamin'i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao
an-trano-maizina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony
trano-maizina.
16 Ary nony tafiditra
tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao
andro maro,
17 dia naniraka haka
azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony
nanao hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny,
misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tānan'ny mpanjakan'i Babylona ianao.
18 Ary hoy koa
Jeremia tamin'i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin'ny
mpanomponao, na tamin'ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina
aho?
19 Aiza moa ireo
mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na
hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babylona?
20 Koa trarantitra
ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto
anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana
mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
21 Dia nasain'i
Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka
nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny
mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanāna. Toy izany no
nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.
1 [Ny nitoeran'i
Jeremia tao an-davaka sy ny fara fihaonany tamin'i Zedekia] Ary Safatia,
zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary
Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny
vahoaka rehetra nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanāna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary
areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa
ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
3 Izao no lazain'i
Jehovah: Ity tanāna ity dia hatolotra eo an-tānan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i
Babylona tokoa ka ho afany.
4 Dia hoy ny
mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy
ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanāna ity
mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany;
fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay
hahatonga loza aminy kosa.
5 Dia hoy Zedekia
mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na
inona hisakana anareo.
6 Ary naka an'i
Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia,
zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy
tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka
fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
7 Ary Ebeda-meleka
Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny
nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny
vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),
8 dia nivoaka avy tao
an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:
9 Ry tompokolahy
mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia
mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay
itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanāna.
10 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrā telo-polo lahy hiaraka aminao
hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty
izy.
11 Ary Ebeda-meleka
nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny
mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba
tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao
amin'i Jeremia.
12 Dia hoy
Ebeda-meleka Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto
lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia
izany;
13 ka dia nosintoniny
tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra
teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.
14 Ary Zedekia
mpanjaka naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana
fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia:
Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
15 Ary hoy Jeremia
tamin'i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na
dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
16 Ary Zedekia
mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa
Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na
hanolotra anao eo an-tānan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
17 Dia hoy Jeremia
tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro,
Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i
Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity
tanāna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
18 fa raha tsy
mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra
eo an-tānan'ny Kaldeana ity tanāna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy
ho afa-mandositra ny tānany ianao.
19 Ary hoy Zedekia
mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho,
fandrao hatolony eo an-tānany aho ka hataony fihomehezana.
20 Fa hoy Jeremia:
Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i
Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
21 Fa raha tsy mety
mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:
22 Indreo, ny
vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina
mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy
ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary
latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
23 Ny vadinao rehetra
sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary ianao tsy ho
afa-mandositra ny tānany, fa ho azon'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho
ianao no handoroana ity tanāna ity amin'ny afo.
24 Dia hoy Zedekia
tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty
ianao.
25 Fa raha ren'ny
mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe:
Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay,
fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;
26 dia ataovy aminy
hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy
ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana.
27 Ary nankany amin'i
Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay
teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo,
ka dia tsy re ny raharaha.
28 Ary Jeremia
nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro
nanafahana an'i Jerosalema.
*
1 [Ny nanafahana an'i
Jerosalema, sy ny nanjo an'i Zedekia, ary ny nanesorana an'i Jeremia tao
an-davaka, sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazainy tamin'i Ebeda-meleka] Ary
rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy
nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao
fahirano azy;
2 ary nony tamin'ny
andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo
nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanāna),
3 dia niditra ny
mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady
ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy
Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny
mpanjakan'i Babylona.
4 Ary rehefa nahita
ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka
lasa nandeha alina niala tao an-tanāna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny
mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka
nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.
5 Fa ny miaramilan'ny
Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any
Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao
izy.
6 Ary ny
zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo
imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny
mpanjakan'i Babylona.
7 Ary nopotsiriny ny
mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any
Babylona.
8 Ary nodoran'ny
Kaldeana tamin'ny afo ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka, ary ny
mandan'i Jerosalema noravany.
9 Ary ny olona sisa
tao an-tanāna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
10 Nefa ny olona
malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny
tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany.
11 Ary Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny
amin'i Jeremia nanao hoe:
12 Ento izy, ka
tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy
aminy.
13 Ary Nebozaradana,
lehiben'ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera,
Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra
14 dia naniraka haka
an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia,
zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia
nitoetra tao amin'ny olona.
15 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin'ny kianjan'ny
trano fiambenana ihany, nanao hoe:
16 Mandehana, ka
lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny
maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanāna ity ny teniko
hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro
izany.
17 Nefa hovonjeko
ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tānan'ny
olona izay atahoranao.
18 Fa hovonjeko tokoa
ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky
Ahy, hoy Jehovah.
*
1 [Ny nanafahana an'i
Jeremia, sy ny niverenan'ny olona maro hipetraka ao amin'ny tany hotapahin'i
Gedalia, ary ny namonoana an'i Gedalia] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy
tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina,
azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao
amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany
Babylona.
2 An'ny lehiben'ny
mpiambina dia naka an'i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao
nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanāna ity.
3 Ary Jehovah
nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i
Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra
izao taminareo.
4 Ary, indro,
ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao
kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara
ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia
mijanōna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao
sy sitrakao no andehano.
5 Ary raha tsy mbola
nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia,
zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho
mpanapaka ny tanānan'ny Joda ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana
any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina
vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
6 Ary Jeremia nankany
amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny
vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany.
7 Ary raha ren'ny
mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny
mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka
ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny
malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
8 dia tonga tany
amin'i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana,
zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'i Efay Netofatita ary
Jazania, zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
9 Ary Gedalia,
zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olona-peheziny
nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa
ny mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa ianareo.
10 Ary ny amiko, dia,
indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ
amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary
diloilo, ka ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'izay tanāna
nidiranareo.
11 Ary koa, ny Jiosy
rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay
tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny
Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana,
ho mpanapaka azy,
12 dia niverina ny
Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga
tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay
sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
13 Ary Johanana, zanak'i
Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany
amin'i Gedalia tany Mizpa
14 ka nanao taminy
hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia
naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia,
zanak i Ahikama.
15 Ary Johanana,
zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masėna
ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona
hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny
Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny
Joda?
16 Fa hoy Gedalia,
zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa
miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.
1 Ary tamin'ny volana
fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela,
zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny
mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa
izy.
2 Dia nitsangana
Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely
sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa
nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
3 Ary ny Jiosy rehetra
izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita
tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.
4 Ary nony
ampitson'ny andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala
izany,
5 dia nisy valo-polo
lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady
voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy
ditin-kazo mani-pofona teny an-tānany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
6 Ary Isimaela,
zanak'i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny
ampandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe:
Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama.
7 Ary nony tonga tao
afovoan'ny tanāna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny
olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
8 Fa nisy folo lahy
tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any
an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia
nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
9 Ary ilay lavaka
nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i
Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny
Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty.
10 Ary
nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy
zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny,
Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala
nankany amin'ny taranak'i Amona izy.
11 Fa nony ren'i
Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny
ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania,
12 dia novoriny ny
olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo
amoron'ny kamory* ao Gibeona izy.[Heb. ny rano be]
13 Ary ny olona
rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny
mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
14 Ary ny olona
rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina
nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea.
15 Fa Isimaela,
zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana
ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona.
16 Ary Johanana,
zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra
ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy
tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy
mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany
Gibeona;
17 ary dia lasa izy
ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama*, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany
hankany Egypta.[Na: an-tranom-bahinin'i Kimama]
18 tsy ho tratry ny
Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono
an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho
mpanapaka ny tany.
1 [Ny nangatahan'ny
Jiosy an'i Jeremia haka hevitra amin'i Jehovah, ary ny anatra nataon'i Jeremia
tamin'ny Jiosy kosa noho ny tsy nanekeny ny saina avy tamin'i Jehovah] Ary ny
mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i
Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
2 ka niteny tamin'i
Jeremia mpaminany hoe: Masėna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny
fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto
sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka
izao hitan'ny masonao izao),
3 mba hambaran'i
Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony
hataonay.
4 Dia hoy Jeremia
mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah
Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i
Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
5 Dia hoy izy tamin'i
Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha
tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao
aminay izahay.
6 Na ho soa, na ho
ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao,
mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
7 Ary nony afaka
hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah.
8 Ary izy niantso
an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy
mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe,
9 ka nanao taminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa
nanirahanareo ahy mba hoborahiko* eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb.
hampiankohoka]
10 Raha mbola honina
amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary
hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako
anareo.
11 Aza matahotra ny
mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa
momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tānany.
12 Ary hataoko mahita
famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any
amin'ny taninareo.
13 Fa raha hoy kosa
ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo,
14 fa manao hoe:
Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na
handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
15 dia mihainoa ny
tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i
Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany
Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,
16 dia hahatratra
anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay
ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
17 Ary ny olona
rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny
mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny
loza izay hataoko mihatra aminy.
18 Fa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana
ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy
izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary
ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy
hahita ity tany ity intsony.
19 Jehovah efa nilaza
ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho
fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
20 Kanjo efa nivily
ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah
Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re
izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay,
fa hataonay.
21 Ary efa nambarako
taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo
ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
22 Koa aoka ho
fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana
ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.
1 [Ny nandosiran'ny
olona nankany Egypta, sy ny teny nampilazain'Andriamanitra ny amin'ny
handresen'ny Kaldeana an'i Egypta] Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia
tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny
izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
2 dia niteny Azaria,
zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra
ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah
Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
3 fa Baroka, zanak'i
Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tānan'ny
Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
4 Ary Johanana,
zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia
tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.
5 Fa Johanana,
zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra
tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy
honina ao amin'ny tanin'ny Joda,
6 dia ny lehilahy sy
ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay
navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i
Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i
Neria
7 ka dia nankany
amin'ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, ary dia tonga
hatrany Tapanesa.
8 Dia tonga tamin'i
Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe:
9 Mitondrā vato
lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay
eo akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny
lehilahy amin'ny Joda,
10 ka lazao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro
Aho haniraka haka an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, ka
haoriko amin'ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny
lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
11 Eny, ho avy izy
hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny
areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana,
ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra.
12 Ary handrehitra
afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy
hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry
ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.
13 Ary hotorotoroiny
ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany
amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.
*
1 [Fananarana ny
Jiosy any Egypta mba tsy hanompo sampy] Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho
amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao
Migdola sy Tapanesa sy Memfisa*, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:[Heb.
Nofa]
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza
rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanānan'ny Joda rehetra;
ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao
aminy,
3 noho ny ratsy
nataony hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy
hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.
4 Ary naniraka ny
mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka
naniraka azy hanao hoe: Masėna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako
izany.
5 Nefa tsy nihaino
izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo
manitra ho an'andriamani-kafa.
6 Ka dia naidina ny
fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanānan'ny Joda, sy ny teny
amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny
amin'izao anio izao.
7 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no
anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy
sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy
hahamisy miangana anareo,
8 noho ny
ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo
manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo
hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho
fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?
9 Moa hadinonareo va
ny ratsy nataon'ny razanareo sy ny mpanjakan'ny Joda sy ny vadiny ary ny
tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin'ny tanin'ny Joda sy teny
amin'ny lalamben'i Jerosalema?
10 Tsy mbola torotoro
fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny
lalāko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan'ny
razanareo.
11 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina
anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
12 Ary halaiko ny
sisa amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho
lany ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho
ringan'ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho
fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy
fanozonana ary fandatsa.
13 Fa hovaliako izay
monina any amin'ny tany Egypta, toy ny namaliako an'i Jerosalema, dia amin'ny
sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
14 Ary na sisa
amin'ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho
tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany,
afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
15 Ary ny lehilahy
rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho
an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be
dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa,
dia namaly an'i Jeremia hoe:
16 Raha ny amin'ilay
teny voalazanao taminay tamin'ny anaran'i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.
17 Fa hataonay tokoa
ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho
an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny
efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny
tanānan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky
hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
18 Fa hatrizay
nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra
na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na
inona akory izahay sady ringan'ny sabatra sy ny mosary.
19 Ary raha nandoro
ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina
fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo
hasiana ny sariny* sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?[Na: ho
enti-mivavaka aminy]
20 Ary hoy Jeremia
tamin'ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra
izay efa namaly azy:
21 Ny nandoroanareo
ditin-kazo manitra tany an-tanānan'ny Joda sy tany an-dalamben'i Jerosalema,
dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo
mbamin'ny vahoaka, moa tsy hotsarovan'i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy
va?
22 Ka dia tsy
nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny
fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy
ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio
izao.
23 Noho ny
nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin'i Jehovah, fa tsy
nihaino ny feon'i Jehovah, na nandeha araka ny lalāny sy ny didiny ary ny teny
vavolombelony ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka
ny amin'izao anio izao,
24 Ary hoy koa
Jeremia tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny
tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin'ny tany Egypta:
25 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo
samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao
hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho
an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny,
hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
26 Koa henoinareo ny
tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta:
Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy
hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny
anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
27 Indro, miambina
anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda,
izay atỳ amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary
mandra-pahalany ritrany.
28 Ary izay
afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta
ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny
Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra
izay ho tō teny, na ho Izaho, na ho izy.
29 Ary izao no famantarana
ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba
hahafantaranareo fa tō tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:
30 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tānan'ny
fahavalony sy eo an-tānan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i
Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tānan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.
*
1 [Teny
nasain'Andriamanitra nolazain'i Jeremia tamin'i Baroka] Ny teny izay nataon'i
Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny
ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra
nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:
3 Hoy ianao:
Idiran-doza aho ity! fa nampian'i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra
ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.
4 Lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay
efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.
5 Mitady zavatra
lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny
nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao
ihany any amin'izay rehetra nalehanao.
* *
1 Ny tenin'i Jehovah
Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa.
2 [Faminaniana ny amin'i Egypta] Ny amin'i Egypta.
Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony
Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona,
tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
3 Mitaova amin'ny
ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
4 Fehezo amin'ny
kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo,
ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo
fiarovan-tena.
5 Indrisy ny ahitako
azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady
miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana
manodidina, hoy Jehovah.
6 Tsy ho
afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo
amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7 Iza moa izato
mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
8 Egypta mizotra
tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy:
Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanāna sy ny mponina ao aminy.
9 Miakara, ianareo
soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy
mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana*, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana**,
izay mitana sy manenjana tsipėka.[*Heb. Pota][**Heb. Loda]
10 Fa izao andro izao
dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony;
Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia
Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany
avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.
11 Miakara any
Gileada, ka makā balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao
fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao,
12 Efa ren'ny
firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny
samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
13 Ny teny izay
nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.
14 Ambaraonareo any
Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy
hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomāna; Fa mandringana manodidina anao ny
sabatra.
15 Nahoana no
voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
16 Efa
nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangāna,
ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany
nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza,
17 Nitaraina tany izy
hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
18 Raha velona koa
Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara
amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho
tahaka izany no hihaviany.
19 Ry Egypta
zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho
tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
20 Egypta dia tahaka
ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny
fihitra avy any avaratra!
21 Na dia ny olona
karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia
mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny
andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
22 Ny feony dia toy
ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy
hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo.
23 Kapainy ny alany,
hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy
tambo isaina.
24 Ho afa-baraka
Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tānan'ny olona any avaratra izy.
25 Ary hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô
Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay
rehetra matoky azy;
26 Ary hatolotro eo
an-tānan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tānan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, sy eo an-tānan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay*
toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.[Na: honenana indray]
27 Fa aza matahotra
ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro,
hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany
nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy
hisy hanaitaitra azy.
28 Aza matahotra
ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko
aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa
kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
1 [Faminaniana ny
amin'ny Filistina] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny
amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria
manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanāna mbamin'izay
monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina
rehetra amin'ny tany.
3 Noho ny
fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny
kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa
efa miraviravy tanana,
4 Noho ny hihavian'ny
andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra
amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny
sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.
5 Voaharatra Gaza,
ringana* Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola
hitetika ny tenanao ianao? [Na: Mangina]
6 Indrisy ry sabatr'i
Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao
ihany; Mitsahara, ka mijanōna.
7 Hataony* ahoana no
fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny
amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]
1 [Faminaniana ny amin'i Moaba] Ny amin'i Moaba.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely:
Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba*
sady raiki-tahotra.[Na: ny fiarovana avo]
2 Tsy misy ho
reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe:
Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena,
Hanenjika anao ny sabatra.
3 Injay! misy feo
fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
4 Rava Moaba, ny
madinika ao dia mamoaka fitarainana.
5 Fa miakatra
mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana
mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
6 Mandosira, vonjeo
ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra* any an-efitra ianareo.[Na: ny
anjavidy]
7 Fa noho ny
nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary
Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
8 Ary ny mpandringana
ho tonga ao amin'ny tanāna rehetra, ka tsy hisy tanāna tsy ho afaka; Ny
lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i
Jehovah.
9 Omeo elatra Moaba,
fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanānanay, ka tsy hisy mponina.
10 Ho voaozona anie
Izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie
izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drā!
11 Moaba nandry
fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy
naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no
aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.
12 Koa, indro, avy ny
andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka
hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
13 Ary Moaba ho
menatra noho ny amin'i Kemosy toy ny nahamenaran'ny taranak'Isiraely noho ny
amin'i Betela tokiny.
14 Ahoana no
anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an'ady izahay?
15 Rava Moaba, fa ny
tanānany dia efa nanihina*. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any
amin'ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.[Na:
efa levon-ko setroka]
16 Efa antomotra ny
loza hanjo an'i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
17 Mitomania azy,
ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny
anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara
tarehy!
18 Ry Dibona,
zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny
tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady
mandrava ny fiarovanao.
19 Ry mponina any
Aroera, mijanōna eny an-dalambe, ka mitazāna, ary izay mandositra, na lehilahy
na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?
20 Afa-baraka Moaba,
eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona
fa rava Moaba.
21 Ary ny fitsarana
dia miakatra ao amin'ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
22 Sy Dibona sy Nebo
sy Beti-diblataima
23 Sy Kiriataima sy
Beti-gamola sy Beti-meona
24 Sy Keriota ary
Bozra, eny, ny tanānan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
25 Voakapa ny
tandrok'i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
26 Ataovy leony izy,
fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho
tonga fihomehezana kosa.
27 Fa tsy efa
nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman'ny mpangalatra va
izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
28 Ry mponina any
Moaba! ilaozy ny tanāna, ka mitoera ao amin'ny harambato, ary aoka ho tahaka ny
voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan'ny hantsana ianao.
29 Ffa renay ny
fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny
fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony.
30 Izaho mahalala ny
fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
31 Koa hidradradradra
noho ny amin'i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin'i Moaba rehetra aho, ary
hitsetra noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
32 Mihoatra noho ny
fitomanian*'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina
ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia
tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.[Na:
fitomaniana an']
33 Ary ny hafaliana
sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany
Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka,
tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
34 Ny fitarainan'i
Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy
Eglata-selisia*; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.[Na: ilay
ombivavy kely telo taona]
35 Ary hatsahatro ao
Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo sy izay mandoro
ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.
36 Ary noho izany ny
foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany
manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena
be izay nohariny.
37 Fa mibory ny loha
rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra
sy lamba fisaonana amin'ny valahana.
38 Eny, amin'ny
tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa;
Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
39 Indrisy!
raiki-tahotra izy! Midradradradrā! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy,
ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.
40 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany
hipaoka an'i Moaba.
41 Afaka ny tanāna*,
ka azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy
maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.[Na: keriota]
42 Ary horavana tsy
ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.
43 Tahotra sy lavaka
ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
44 Izay mandositra ny
tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia
ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy
Jehovah.
45 Ao amin'ny
alokalok'i Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo
misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny
sisin*'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.
46 Idiran-doza ianao,
ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra
ny zanakao-vavy.
47 Nefa mbola
hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah.
Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.
1 [Faminaniana ny amin'i Amona] Ny amin'ny
taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va
Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny
mpanjakany*, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanānany?[Na: Malkana]
2 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i
Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanānaolo rava izy, ary ny zana-bohiny
hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy
Jehovah.
3 Midradradradrā, ry
Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba
fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko
babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
4 Nahoana no ny
lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry
zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho
afa-miakatra atỳ amiko?
5 Indro Aho hahatonga
tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady
tsy hisy hamory izay mandositra.
6 Ary rehefa afaka
izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy
Jehovah.
7 [Faminaniana ny amin'i Edoma] Ny amin'i Edoma.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao
Temana? Very saina va
ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
8 Mandosira,
miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny
loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
9 Raha tonga ao
aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory
izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
10 Izaho dia
nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy;
Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
11 Ilaozy ny
zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny
vadinao mpitondratena.
12 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza
dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa
tsy maintsy hisotro tokoa.
13 Fa ny tenako no
nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava
ary ho fanozonana, ary ny tanānany rehetra ho lao mandrakizay.
14 Fa efa nahare
filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny
jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangāna
hanafika.
15 Fa, indro, hataoko
tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin'ny olona,
16 Ry ilay monina ao
an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny
fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao
eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy
eny ianao, hoy Jehovah.
17 Ary ho figagana
Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza
rehetra efa namelezana azy.
18 Ary toy ny
nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanāna teny akaikiny, hoy Jehovah,
no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any.
19 Indro, toy ny
fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana no
hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza*; Fa hampandosiriko tampoka Edoma
hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no
tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry
mahajanona eo anatrehako?[Heb. ny reharehany][Na: fonenany mafy]
20 Koa henoy ny saina
avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay
noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny
kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
21 Tamin'ny
fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re
hatrany amin'ny Ranomasina Mena.
22 Indro, hanidina
hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary
amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny
vehivavy mihetsi- jaza.
23 [Faminaniana ny amin'i Damaskosy] Ny amin'i
Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy;
Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra*.[Na: Misy fanahiana
hatrany an-dranomasina aza; tsy mahita fiononana ny olona]
24 Efa ketraka
Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny
faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
25 Nahoana re no tsy
nilaozana ny tanāna malaza*, tanana fifaliako![Na: Indrisy! efa lao ny tanāna
malaza]
26 Ka dia
hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho
ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
27 Ary hisy afo
hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i
Beni-hadada.
28 [Faminaniana ny amin'i Kedara sy Hazora] Ny
amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangāna ianareo, ka miakara hamely an'i
Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
29 Halainy ny lainy
sy ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny
ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana
manodidina!
30 Mandosira, ka
mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy
Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo
sy namoron-kevitra hamelezany anareo*.[Heb. azy]
31 Mitsangāna, iakaro
ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy
vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka- monina.
32 Ho babo ny
ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny
rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina
rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
33 Ary Hazora dia ho
fonenan'ny amboadia* sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na
zanak'olombelona hivahiny any.[Na: jakala]
34 [Faminaniana ny
amin'i Elama] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i
Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
35 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipėkan'i Elama, Izay
fototry ny heriny.
36 Ary hitondra
Avotra efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an'i Elama,
ary haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay
tsy halehan'ny voaroaka avy any Elama.
37 Fa hampivadi-po
an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka
hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary
hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
38 Dia hapetrako ao
Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny
mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
39 Nefa any am-parany
dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
*
1 [Faminaniana ny
amin'i Babylona] Izao no teny nampilazain'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany ny
amin'i Babylona dia ny tanin'ny Kaldeana.
2 Ambaraonareo, eny,
torio any amin'ny firenena, ary manangāna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy
hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny
sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
3 Fa misy firenena
avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy
mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa
avokoa.
4 Amin'izany andro
izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely,
dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny
am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny.
5 Hanontany ny lalana
mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i
Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.
6 Ondry very ny oloko,
fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny
an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana
ireny. Ka hadinony ny tany fandriany.
7 Izay rehetra nahita
azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay,
satria izy efa nanota tamin'i Jehovah, fonenan'ny fahamarinana, dia Jedovah,
fanantenan'ny razany.
8 Mandosira hila an'i
Babylona, eny, mialā amin'ny tanin'ny Kaldeana, ary aoka ianareo ho tahaka ny
anankiray izay tari-dalan'ny ondry aman'osy andiany.
9 Fa, indro, Izaho
hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra
hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany
azy; Ny zana-tsipėkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy
miverina foana.
10 Ary Kaldea ho
voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.
11 Satria, mifaly sy
miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy
kely mively vary* ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;[Na: ombivavy
kely eny amin'ny ahitra]
12 Dia ho menatra
indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran'ny
firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay!
13 Noho ny
fahatezeran'i Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa;
Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra
namelezana azy.
14 Milahara
manodidina hamely an'i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipėka; Asio
izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipėka, fa tamin'i Jehovah no nanotany.
15 Akoray manodidina
izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian'i Jehovah
izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
16 Aringano tsy ho
any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny
sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, ary samy
handositra ho any amin'ny taniny avy.
17 Ondry iray voavily
ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no
nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no
nanapatapaka* ny taolany.[Na: nikiky]
18 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny
mpanjakan'i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan'i Asyria.
19 Ary hampodiko ho
any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy
Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
20 Amin'izany andro
izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny
Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria
havelako ny helok'izay sisa narovako.
21 Iakaro
Ibefikomiana* sy ny mponina ao Arapamaliana*; Ravao sy aringano** manarakaraka
azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.[*Anaran'i
Babylona io][**Heb. ataovy herema]
22 Misy
tabataban'ady amin'ny tany sy fandringanana be.
23 Indrisy!
tapaka sy torotoro ilay fampohazan'ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga
figagana any amin'ny firenena.
24 Nofandrihako
ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa
ianao, Satria nila ady tamin'i Jehovah.
25 Novohan'i
Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan'ny fahatezerany; Fa misy
hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
26 Avia avokoa
ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny
antontan-bary, ka levony* avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.[Heb.
ataovy herema]
27 Vonoy ireo
ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin'ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia
ny fotoana hamaliana azy.
28 Injany! misy
feon'izay mandositra sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, hanambara ny
famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny
tempoliny.
29 Antsoy ny mpandefa
zana-tsipėka* hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipėka rehetra; Mitobia
manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy,
eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona
tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.[Na: ny mahery]
30 Koa
hiampatrampatra eny ankalalahana ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany
rehetra amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
31 Indro, hiatrika
aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Fa tonga ny
andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
32 Ho tafintohina
Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao
an-tanānany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
33 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i
Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa
azy.
34 Mahery ny
Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa
Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
35 Indro! hisy
sabatra hamely ny Kaldeana mbamin'ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy
sy ny olon-kendriny, hoe Jehovah.
36 Indro! hisy sabatra
hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny
lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.
37 Indro! hisy
sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena
rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely
ny firaketany, ka horobaina izany.
38 Ny fihantonan'ny
andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny
sampiny mahatahotra mahadala azy.
39 Koa ny bibi-dia
any an-efitra sy ny kary* sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony
mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.[Heb.
jakala]
40 Toy ny
nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanāna eny akaikiny,
hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.
41 Indro, misy
firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana
avy any amin'ny faran'ny tany.
42 Tsipika sy lefona
no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny
ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho
amin'ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
43 Efa ren'ny
mpanjakan'i Babylona ny lazany, ka miraviravy tānany izy; Fahoriana no mahazo
azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
44 Indro, toy ny
fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana no hiakarany
ho any amin'ny misy ahitra mateza**; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy
izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no
tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry
mahajanona eo anatrehako?[*Heb. ny reharehany][**Na: fonenany mafy]
45 Koa henoy ny saina
avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay
noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny
kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
46 Noho ny antsoantso
hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana
dia re any amin'ny firenena.
1 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona
sy izay monina ao Leba-kamay*.[Leba-kamay = Kaldea]
2 Ary haniraka olona
hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny;
Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.
3 Izay manenjana
tsipėka mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka
samy hasian'izay manenjana tsipėka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano*
avokoa ny miaramilany rehetra,[Heb. Ataovy herema]
4 Mba hiampatrampatra
any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra
any an-dalambeny.
5 Fa Jehovah,
Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho
mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny
taniny.
6 Mandosira hiala
an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana
noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.
7 Babylona dia
kapoaka volamena teny an-tānan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny
divainy efa nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
8 Tampoka no
naharavan'i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makā balsama hatao
amin'ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
9 Nitady hanasitrana
an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika
samy handeha ho any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony
ary mitehika amin'ny rahona.
10 Nasehon'i Jehovah
ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah
Andriamanitsika.
11 Lambolamboy ny
zana-tsipėka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny
mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba
handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny
tempoliny.
12 Manangāna faneva
eo akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny
mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay
nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona.
13 Hianao izay monina
eny amoron'ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony
ny filanao harena.
14 Jehovah, Tompon'ny
maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa
ianao, ary ireny dia* hanakora hamely anao, [Na: na dia hofenoiko olona maro
toy ny valala aza ianao, dia ireny no]
15 Dia Ilay nanao ny
tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary
namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
16 Raha
nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany
amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny
rivotra avy amin'ny firaketany.
17 Efa ketrina avokoa
ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra
noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina,
satria tsy misy aina ao aminy.
18 Zava-poana ireny,
dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
19 Tsy mba tahaka
ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely
no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
20 Langilangiko sy
fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho
entiko mandringana fanjakana,
21 Ary ianao no ho
entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko
manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
22 Hianao koa no ho
entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro
ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny
virijina;
23 Hianao koa no ho
entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko
manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko
manorotoro ny governora sy ny lefiny.
24 Ary hampanodiaviko
an'i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa
nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
25 Indro mamely anao
Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy
Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera
amin'ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
26 Ary tsy mba hakana
vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay
ianao, hoy Jehovah.
27 Manangana faneva
eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre* firenena
hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio
mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina**. [*Heb.
Manamasina][**Na: mahatsiravina]
28 Manendre firenena
sy ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary
ny tany rehetra anjakany.
29 Mihorohoro sy
mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah
rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
30 Nitsahatra
tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery
fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany,
tapaka ny hidiny.
31 Mifamoivoy be
ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba
hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanānany manontolo.
32 Ary efa azo ny
fitāna, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
33 Fa izao no lazain
i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia
tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia
ho avy ny andro hijinjana azy.
34 Efa lanin'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny
vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay;
Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
35 Aoka ny mponina ao
Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary
aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
36 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao
famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny
loharanony.
37 Ary Babylona ho
tonga korontam-bato, ho fonenan'ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra
mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
38 Hiara-mierona toy
ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
39 Raha mbola liana
izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia
hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
40 Hampidiniko ho any
amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy.
41 Endrey! afaka
Sesaka*! Ary azo ilay fidčran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any
amin'ny firenena Babylona.[Sesaka = Babela]
42 Ny ranomasina
nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy.
43 Ny tanānany dia
lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy
zanak'olombelona mamaky eo.
44 Ary Bela dia
hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy
hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana.
45 Mivoaha avy ao
afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy
ho azon'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
46 Ary fandrao
ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa
amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola
hisy tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
47 koa, indro, avy ny
andro hamaliako ny sarin-javatr'i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary
ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
48 Ny lanitra sy ny
tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, satria tonga
ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
49 Toy ny
nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no
hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
50 Hianareo izay tsy
voan'ny sabatra, mialā, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra
ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
51 Menatra izahay, fa
efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no
niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
52 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary
hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka.
53 Na dia miakatra
any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay
heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
54 Injany! misy
feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny
Kaldeana!
55 Fa Jehovah
no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary
hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny
firohondrohony.
56 Fa tonga ao
aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny;
Tapatapaka avokoa ny tsipėkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka
hamaly tokoa.
57 Ary hataoko
mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny
olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha
intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
58 Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana
tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary
ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
59 Ny teny izay
nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia,
fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona
tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.
60 Ary nosoratan'i
Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia
ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona.
61 Ary hoy Jeremia
tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba
hovakinao ireo teny rehetra ireo,
62 ka manaova hoe:
Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy
hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
63 Ary rehefa tapitra
ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata
izy.
64 ka ataovy hoe: Toy
izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko
mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.
* *
1 [Tantaran'ny
nahafahana an'i Jerosalema sy ny zavatra nanjo tamin'izany]Iraika amby roa-polo
taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i
Jeremia avy any Libna.
2 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon'i Joiakima.
3 Fa ny fahatezeran'i
Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany
azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
4 Ary tamin'ny andro
fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia,
dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra,
hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina
azy izy.
5 Ary ny tanāna dia
nataony fahirano hatramin'ny fahiraika ambin'ny folo taona nanjakan'i Zedekia
mpanjaka.
6 Ary tamin'ny andro
fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanāna, fa tsy
nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
7 Ary nisy voabanga
ny tanāna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanāna
tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo
anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanāna), ka nandeha
tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay*.[Heb. Arabā]
8 Ary ny
miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny
amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
9 Ary voasambotra ny
mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any
amin'ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
10 Ary ny mpanjakan'i
Babylona namono ny zanakalahin'i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny
Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
11 Ary nopotsiriny ny
mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina
izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina
mandra-pahafatiny.
12 Ary tamin'ny andro
fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo
nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon*'ny mpanjakan'i Babylona,[Heb.
izay nitsangana teo anatrehan']
13 ka nandoro ny
tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany
Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
14 Ary ny manda
rehetra manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana
rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
15 Ary ny sasany
tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanāna sy izay efa
nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia
nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
16 Nefa ny olona
malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho
mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
17 Ary ireo andry
varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny
tavin-drano varahina lehibe*, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia
novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.[Heb.
ranomasina]
18 Ary nentiny koa ny
vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana
sy ny lovia kely mbamin'ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao
fanompoam-pivavahana.
19 Ary nentin'ny
lehiben'ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia
famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny
kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin'ny lehiben'ny mpanapaka
avokoa,
20 ary ny andry roa
sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin'ny folo,
Izay teo ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho
an'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy
hita lanja.
21 Fa ny andry, dia
valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny
manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
22 Ary nisy kapitaly
varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy
harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy.
Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
23 Ary nisy
ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra
rehetra manodidina ny harato dia zato.
24 Ary ny lehiben'ny
mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka
ary mpiandry varavarana telo lahy;
25 ary tao an-tanāna
no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy
tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanāna, ary ny
mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny
olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanāna,
26 dia nosamborin'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i
Babylona tao Ribla.
27 Dia novonoin'ny
mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no
nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
28 Izao no olona izay
nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby
roa-polo sy telo arivo;
29 tamin'ny taona
fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby
valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
30 tamin'ny taona
fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo
amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny
tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
31 Ary tamin'ny andro
fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona
fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda,
tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia
nasandrany* hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb.
nasandrany ny lohany]
32 Dia nitenenany soa
izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo
mpanjaka namany tao Babylona.
33 Ka dia novan'i
Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina
teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
34 Ary ny hanina
nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho
anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany
mandra-pahafatiny.[Na: ny sisim-bolombavany]