[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Isaia
Accès direct aux
chapitres d’Ésaïe : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42, 43, 44, 45, 46, 47, 48, 49, 50, 51, 52, 53, 54, 55, 56, 57, 58, 59, 60, 61, 62, 63, 64, 65, 66
1 Ny fahitan'Isaia, zanak'i
Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy
Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.
2 [Ny alahelon'i Jehovah noho
ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy]
Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa
nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
3 Ny omby mahalala ny
tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy
mahalala, Ny oloko tsy misaina.
4 Indrisy! firenena mpanota,
olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy
an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
5 Nahoana no mbola
ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha
rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
6 Hatramin'ny
faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy
dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny
diloilo izy.
7 Ny taninareo
dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia
lanin'ny fahavalo* eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny
fahavalo*.[Heb. hafa firenena]
8 Ary Ziona
zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka,
Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty
tanimbolim-boantango*, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha]
9 Raha tsy
nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka
an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.
10 Mandrenesa
ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika,
ry vahoakan'i Gomora.
11 Hataoko
inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny
ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy
sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny
osilahy.
12 Raha avy
miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny
kianjako?
13 Aza mitondra
fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy
ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina
haroharoam-paharatsiana!
14 Ny
voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra
amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
15 Raha mananty
tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao
vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona* ny tananareo.[Heb.
rà nalatsaka]
16 Misasà ianareo,
diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo;
Mitsahara, fa aza manao ratsy;
17 Mianara hanao ny
tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao
ny adin'ny mpitondratena.
18 Avia ary
hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia
ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia
ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
19 Raha manaiky sy
mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
20 Fa raha mbola
mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah
no efa niteny.
21 Indrisy! tonga
janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny
fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
22 Ny volafotsinao
efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
23 Ny lehibenao dia
mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady
tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny
mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
24 Ka dia hoy
Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy
Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
25 Dia hamerina ny
tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona* ianao hahafahan'ny
tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
26 Dia hampodiko ho
toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny
voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny
fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27 Ziona havotana
amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka* ao dia havotana amin'ny
fahamarinana;[Heb. miverina]
28 Ary samy haringana
avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
29 Fa hahazo henatra
ianareo* noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay
ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy]
30 Fa ho tahaka ny
hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
31 Ny mahery ho
tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka
hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
*
1 [Ny voninahitra
marina voatendry ho an'ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny
teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema.
2 Ary izao no ho
tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo
an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny
jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
3 Eny, maro ny
firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i
Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny
amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no
hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
4 Ary hitsara ny
adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho
fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga
sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
5 Ry taranak'i
Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah.
6 Fa efa nanary ny taranak'i
Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa
mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be* zana-bahiny.[Na sady efa nanao
fanekena tamin'ny]
7 Ary ny taniny dia
feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy
hita isa ny kalesiny;
8 Ny taniny dia
feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia
izay nataon'ny rantsan-tanany;
9 Koa ny
zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny
helony Hianao!
10 Midira ao
amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i
Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
11 Ny
fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny
olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro
izany.
12 Fa misy
andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra
Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
13 Dia ny
sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra
any Basana
14 Sy ny
tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
15 Sy ny
tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
16 Sy ny
sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
17 Ary ny
fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny
olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
18 Ary ny
andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
19 Ary hiditra ao
amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny
voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
20 Amin'izany andro
izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny
andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo
anatrehany
21 Mba hidirany eo
amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny
tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa
mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
22 Mitsahara, fa aza
mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona
izy?
1 Fa, indro, Jehovah,
Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana
rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina,
2 Ny lehilahy mahery
sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny
loholona,
3 Ny mpifehy ny
dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay
ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
4 Ary hanendry
ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
5 Ary hifanipaka izy
samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy
hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
6 Raha misy olona
angatahin*'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana
lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho
raharahanao,[Heb. hazon']
7 Dia namaly izy
amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy
hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
8 Fa tafintohina
Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra
an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
9 Ny fisehon'ny
tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka
tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.
10 Lazaonareo ny
amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
11 Lozan'ny ratsy
fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no
hanody azy.
12 Ny amin'ny oloko,
dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny
mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
13 Jehovah mitsangana
handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
14 Jehovah miampanga
ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa
nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay
efa nalaina an-keriny.
15 Ahoana no
hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny
malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
16 Ary hoy koa
Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy
manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny
fehin-tongony,
17 Noho izany dia
hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary
Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
18 Amin'izany andro
izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny
fehi-loha*, na ny sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
19 Na ny kavina
voavola, na ny rojo*, na ny fisalobonana makarakara,[Na: haba]
20 Na ny satroka*, na
ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny
fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,[Heb. diadema]
21 Na ny peratra, na
ny kavin'orona,
22 Na ny akanjo
fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
23 Na ny fitaratra
fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana*, na ny lamba
fisaronana;[He. hamama]
24 Ary ny manitra
hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo
voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny
lamba fisaonana*; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy
mahamay.[Heb. lamba malailay]
25 Ny lehilahy ao
aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;
26 Ka dia
hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
1 Ary
amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao
hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao
ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho
tondromaso
2 Amin'izany
andro izany ny rantsan*'i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy
voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an'ny
Isiraely sisa afaka; [Na: solofon']
3 Ary izay sisa
any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay
rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.
4 Rehefa
voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary
rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho
afaka amin'ny ran'olona nalatsany.
5 Ary Jehovah
hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony
alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny
ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy
eloelo
6 Ka hisy
trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy
fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
*
1 [Ny amin'ny
Isiraely. tanim-boalobok'i Jehovah, sy ny hanjo azy] Aoka aho hihira ny
amin*'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao
an-kavoana lonaka;[Na: ho an']
2 Dia nasainy io, ka
nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo
teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa
voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
3 Koa noho izany, ry
mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho
sy ny tanim-boaloboko.
4 Inona moa no mbola
azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha
nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5 Koa noho izany dia
aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy
tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka
izy;
6 Ary hataoko simba
dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho
rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona* tsy hampilatsaka
ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]
7 Fa ny taranak'i
Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny
Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà*;
Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]
8 Lozanareo izay
mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha,
Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery
eo amin'ny tany ianareo!
9 Izao no ren'ny
sofiko avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano
maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
10 Ary bata iray
monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda*, Ary rehefa iray monja no
ho vokatry ny voan-javatra eran'ny homera.[Zemeda dia anaram-pandrefesana,
tokony ho antsasaky ny akera]
11 Lozan'izay mifoha
maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka
ampirehetin'ny divay!
12 Ary ny lokanga sy
ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny
asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
13 Ary noho izany dia
ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho
mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.
14 Koa izany no
mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita* Hanao teli-moka an'i Jerosalema**; Ary
any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay
mifalifaly ao aminy;[*He. Sheola][**Heb. azy]
15 Ary ny
zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason'ny
miandranandrana dia haidina.
16 Fa Jehovah,
Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia
hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
17 Ary ny zanak'ondry
hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay
nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
18 Lozan'izay
mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny
mahazakan-tsariety,
19 Dia izay manao
hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka
izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho
fantatsika!
20 Lozan'izay milaza
ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny
mazava ho maizina! Izay
manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
21 Lozan'izay
manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
22 Lozan'izay
fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto* nefa amin'ny
fampiharoharoana toaka ihany! [Heb. mahery]
23 Ary izay
manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!
24 Koa toy ny
fandevonan'ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia
toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria
efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray
Masin'ny Isiraely.
25 Koa izany no
irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy
ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia
tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza,
dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
26 Ary
hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray
avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo*; [Heb.
mahery]
27 Tsy hisy
reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka
ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
28 Maranitra ny
zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao
ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
29 Ny fierony
dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny,
manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
30 Ary
hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny
ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana;
Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
*
1 [Ny
nanendrena an'Isaia ho mpaminany] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no
nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady
manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly.
2 Nisy serafima
nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny
tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
3 Ary
nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah,
Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra*.[Na: Voninahiny avokoa ny
eran'ny tany]
4 Dia
nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony;
ary feno setroka ny trano.
5 Dia hoy
izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena
maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa
hitan'ny masoko.
6 Dia nanidina
nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo* teny an-tànany, izay
nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay]
7 Ary natehiny
ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia
afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.
8 Ary nandre ny
feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia
hoy izaho: Inty aho, iraho aho.
9 Ary hoy Izy:
Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany
ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza
mahafantatra.
10 Ataovy adala
ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy
ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony,
Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
11 Ary hoy izaho:
Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka
tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
12 Ary Jehovah
hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany;
13 Ary na dia
misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa
tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa
aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
*
1 [Ny amin'ny
hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima]
Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda,
no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny
Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
2 Dia nambara
tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima.
Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any
an'ala, raha asian'ny rivotra.
3 Ary hoy
Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba* zanakao hitsena an'i Ahaza
eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe
mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]
4 ka lazao
aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho
ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny
firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
5 Satria efa nanao
saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
6 Andeha isika
hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka
hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7 Dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
8 Fa ny lohan'i
Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy
amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena
intsony),
9 Ary ny
lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia.
Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
10 Ary Jehovah
mbola niteny tamin'i Ahaza ihany ka nanao hoe:
11 Mangataha
famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny
lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.
12 Fa hoy
Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah
13 Dia hoy
Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa
ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?
14 Ary noho
izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny
virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na:
zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]
15 Rehefa mahalala
handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho
fihinany.
16 Fa raha tsy
mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao
ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17 Jehovah
hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola
nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny
mpanjakan'i Asyria);
18 Ary
amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny
faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;
19 Dia ho avy
ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny
harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana
rehetra.
20 Amin'izany
andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza
nohofana any amoron'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava
hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]
21 Ary
amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
22 Ary noho ny
haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa
rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.
23 Ary
amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay
nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
24 Zana-tsipìka
sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny
tany rehetra.
25 Ary ny
tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho*
ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho
voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
1 [Ny amin'ny
hahaterahan'ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary
ny toky ho azon'ny tena Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy
Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny
olona hoe: "Ho an*'i Mahera-salala-hasi-baza**." [*Na: amin'][**Mahera-salala-hasi-baza =
Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
2 Ary haka
vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i
Jeberekia.
3 Ary nankany amin'ny
mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah
tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza
= Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
4 Fa raha tsy mbola
mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny
mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
5 Ary Jehovah
dia mbola niteny tamiko indray hoe:
6 Satria ity
firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny
zanak'i Remalia,
7 Dia, indro,
hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony* (Dia ny
mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho
tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]
8 Dia himaona
fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany
Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa* dia hanenika ny
taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]
9 Misafoaha
ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary
mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho
ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
10 Makà saina
ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho
tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra*. [Heb. Imanoela; izahao
and. 8]
11 Fa izao no
nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy
handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho:
12 Aza mba
lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika
fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
13 Jehovah,
Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany
no hangovitanareo.
14 Dia ho
fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy
mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy
tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.
15 Ary maro ao aminy
no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho
voasambotra.
16 Fehezo ny
teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.
17 Ary hiandry an'i
Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy
ihany aho.
18 Indreto, izaho sy
ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely
Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19 Ary raha lazainy
aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao
sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony
hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
20 Ho amin'ny lalàna
sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia
olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no
holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]
21 Dia samy
hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa
mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona* ny mpanjakany sy Andriamaniny**, ary
dia hiandrandra;[*Na: hanozona amin'ny anaran'][**Na: ny andriamaniny]
22 Ary hijery ny tany
izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary
horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.
23 Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny
taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny
aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any
an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
Chapitre 9
1 Ny olona izay
mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany
aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.
2 Hamaroinao ity
firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka
ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara
babo.
3 Fa ny bao
fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny
mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana.
4 Fa ny kiraron'izay
mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra
dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany.
5 Fa Zaza no teraka
ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary
ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny
mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
6 Ny handrosoan'ny
fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza
fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy
amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny
fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
7 [Ny amin'ny
aninjiran'i Jehovah ny tànany hampijaly ny olona noho ny ratsy nataony] Ny
Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany.
*
8 Ary ho fantatr'izy
iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny
fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe:
9 Biriky no efa
nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera
kosa no hasolontsika azy.
10 Ary Jehovah
manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
11 Dia ny Syriana avy
any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava
mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy
mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
12 Fa ny olona tsy
miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny.
13 Ka dia
nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo,
ny sampan-drofia* sy ny zozoro [palma]
14 (Ny loholona sy ny
manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
15 Fa ny mpitarika
ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
16 Ary noho izany dia
tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao
aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy* sy mpanao ratsy izy, ary
ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany
aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny
tànany.[Na: ratsy fanahy]
17 Fa ny faharatsiana
mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala
mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
18 Noho ny
fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny
olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny
rahalahiny
19 Ary mandripaka eny
an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky
ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
20 Eny, Manase
mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta
dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy
mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
1 Lozan'izay mamorona
fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
2 Hampialany ny
mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny
oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
3 Ary ahoana no
hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny
lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no
hametrahanareo ny harenareo*? [Heb. voninahitrareo]
4 Tsy misy azony atao
afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny
voavono*. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny
fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka
voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny voavono; na: Raha misaraka
amiko, dia hihohoka, etc]
5 [Ny amin'ny
fanjakan'i Asyria sy ny mbola handravana azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny
fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
6 Hamely firenena
mihatsaravelatsihy* no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny
fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho
fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]
7 Kanjo tsy
izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra
firenena tsy vitsy no ao am-pony.
8 Fa hoy izy:
Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
9 Tsy tahaka
an'i Karkemisy va Kalno? Tsy
tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
10 Tahaka ny
nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny
an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin*'ireo,[Heb. sarin-javatra
voasokitra]
11 Dia tsy tahaka ny
nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i
Jerosalema sy ny sampiny* koa ? [Heb. sarin-javatra voasokitra]
12 Kanefa rehefa
vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia
hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny
reharehan'ny fiandranandran'ny masony; [Heb: hovaliako]
13 Fa izy manao hoe:
Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa
mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny
hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka*; [Na: Ary
tahaka ny fanaon'ny lehilahy mahery no nanonganako mpanapaka]
14 Ary tahaka ny
fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary
tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany
rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
15 Ny famaky va
hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa
aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina,
raha manandratra ny tompony*! [Heb. manandratra izay tsy hazo]
16 Koa izany no
anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro, fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary
ao ambanin'ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
17 Ary ny
fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka
hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
18 Ary ny voninahitry
ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony,
ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy* izany.[Na: ho tahaka ny
fahatoranan'ny mpitondra faneva]
19 Ary ho vitsy ny
hazo sisa any an'alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
20 Ary amin'izany
andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia
tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely,
ihany no hiankinany marina tokoa.
21 Ary izay sisa
amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery.
22 Fa na dia tahaka
ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa
aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana
marina;
23 Fa fahafonganana
voatendry no hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.
24 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra
ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina
aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
25 Fa rehefa afaka
vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana
azy kosa.
26 Eny, Jehovah,
Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo
am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka
hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
27 Ary amin'izany
andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho
afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka* ny bao fitondrana noho ny
fihatavezany.[Heb. simba]
28 Injao! tonga any
Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
29 Mihoatra ao
an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra
Gibean'i Saoly;
30 Mikiakiaha mafy,
ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota
mahantra!
31 Lasa mandositra
Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
32 Anio izy mbola
mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona
zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
33 Indro, Jehovah,
Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary
izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
34 Ary kapaina vy ny
ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
1 [Ny amin'ny
famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany]
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo
amin'ny fakany;
2 Ary ny fanahin'i
Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina;
Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny
fahatahorana an'i Jehovah;
3 Ary ho hanitra
ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny
hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny;
4 Fa hotsarainy
amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny
tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny
molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
5 Fahamarinana no ho
fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
6 Ary ny amboadia*
hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary
ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]
7 Ary ny ombivavy sy
ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka
ny omby;
8 Ny zaza minono
hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany
ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason']
9 Ary tsy handratra
na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny
fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny
ranomasina.
10 Ary amin'izany
andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy
no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
11 Ary amin'izany
andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny
olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama
sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina.
12 Dia hanangana
faneva ho an'ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona
ny Joda izay voaely Avy any amin'ny vazan-tany efatra.
13 Ary hitsahatra ny
fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana* an**'i Joda: Efraima tsy
hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.[*Na: mpandrafy][**Na: ao
amin'ny]
14 Fa hipaoka ny
tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana;
amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa
azy.
15 Ary Jehovah
handritra* ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny
ony** ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito
Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[*Na: hanao azy ho herema][**Eofrata]
16 Ary hisy lalana
voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny
Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.
1 Ary hiteny ianao
amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra
tamiko aza Hianao, dia* afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. [Na:
Fa tezitra tamiko Hianao, nefa]
2 Indro,
Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa
Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
3 Koa amin'ny
fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena.
4 Ary hiteny ianao
amin'izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany,
ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra
ny anarany.
5 Mankalazà an'i
Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany
rehetra izany.
6 Miantsoa mafy sy
mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny
Isiraely.
*
1 [Faminaniana ny
loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny
loza hanjo an'i Babylona.
2 Manangàna faneva eo
an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy,
hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.
3 Izaho efa nandidy
ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka
amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
4 Injany! ny
horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be*! Dia ny
fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro,
no manomana miaramila hiady,[Na: firenena lehibe]
5 Izay avy any
amin'ny tany lavitra, any amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo
fitaovan'ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
6
Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza
tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
7 Ary noho
izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon'ny zanak'olombelona
rehetra;
8 Ho
toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly
tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery;
Mitarehin-delafo ny tarehiny.
9 Indro, avy ny
andron'i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana
hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
10 Fa ny
kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny
fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy
hangarangarana.
11 Ary
hatsingeriko amin'izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin'ny ratsy
fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona, Ary haetriko
ny fiavonavonan'ny mpampahory.
12 Dia hataoko ho
saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena
volamena avy any Ofira aza.
13 Ary noho izany dia
hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin'ny fitoerany
noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy noho ny andro firehetan'ny
fahatezerany.
14 Ary ho tahaka ny
gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman'osy tsy misy mpamory, ka
dia samy ho lasa any amin'ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any
amin'ny taniny avy izy.
15 Izay rehetra azo
dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon'ny sabatra.
16 Ary ny zanany
madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny
hosavihina.
17 Indro, hamporisihiko
hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy
ny volamena.
18 Ny tsipìkany
handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia
ny zaza aza tsy hiantran'ny masony.
19 Ary Babylona, ravaky
ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan'ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny
nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora;
20 Tsy honenana
mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby,
Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
21 Fa ny bibi-dia any
an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo* ny tranony, ny ostritsa no
hitoetra any, ary ny osilahy* no hitsambikimbikina any,[*Na: hyena][**Heb.
seirima; izahao Lev. xvii. 7]
22 Ny kary* no hifampierena
ao an-tranobeny**, ary ny amboadia*** ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa
antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[*Heb. jakala][**Heb.
mpitondratenany][***Na: jakala]
1 Fa Jehovah hamindra
fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao
amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho
namany
2 Dia haka azy ny
firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho
ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo
izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
3 [Hira fifaliana
hataon'ny Isiraely noho ny nanetrena ny mpanjakan'i Babylona] Ary amin'ny andro
hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny
fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
4 dia hataonao izao
oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory!
Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]
5 Jehovah efa
nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
6 Izay namely
firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady
nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
7 Miadana ka mandry
fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
8 Eny, ny hazo
kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay
dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
9 Taitra ny
fiainan-tsi-hita* any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny
fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy** rehetra
tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny
firenena rehetra.[*Heb. Sheola][**Heb. osilahy]
10 Izy rehetra samy
hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka
anay ianao!
11 Efa navarina ho
etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita* ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao;
Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
12 Endrey! latsaka
avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa
hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
13 Ary ianao efa
nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny
kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo
an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14 Hiakatra ho any
ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
15 Kanjo hampidinina
hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
16 Izay mahita anao
hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny
tany sy nampihozongozona ny fanjakana
17 Ary nanao izao
tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra
hody?
18 Ny mpanjaka
rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao
am-pasany* avy;[Heb. tranony]
19 Fa ianao kosa dia
nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana,
sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka
midina ho ao amin'ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny
tongotra.
20 Tsy halevina
tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao;
tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
21 Manamboara
famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana
ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
22 Fa hitsangana
hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona
sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
23 Ary hataoko
fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana
izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
24 Jehovah, Tompon'ny
maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay
nokasaiko no hotovina aminy,
25 Dia ny hanorotoro
ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro;
ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
26 Izany no fikasana
ny amin'ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin'ny firenena
rehetra.
27 Fa Jehovah,
Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany
dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
*
28 [Faminaniana ny loza hanjo an'i Filistia] Tamin'ny taona nahafatesan'i
Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
29 Aza mifaly, ry
Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao
an-kibon*'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga
menaran'afo** manidina.[*Heb. fakan'][**Heb. sarafa]
30 Ny faraidina
indrindra* hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary
kosa izay tsy ringana aminao**, eny, izay sisa aminao ho matiny.[*Heb.
matoan'ny mahantra][**Heb. ny fakanao]
31 Midradradradrà, ry
vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia!
Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany
akory ny miaramilany.
32 Ary inona moa no
valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona,
ary ao no hialofan'izay olony ory.
*
1 [Faminaniana ny
amin'ny loza hanjo an'i Moaba] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa
tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa
tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;
2 Miakatra ho ao
amin'ny tempoly* sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba
hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra;
Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]
3 Eny an-dalambe dia
misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia
midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
4 Ary mitaraina
Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso
mafy ny miaramilan*'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]
5 Ny foko mitaraina
noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara* sy
Egleta-selisia*; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy
midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [*Na: ny
hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][**Na: Dia ilay ombivavy kely
telo taona]
6 Fa Nimrima tsara
rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy
zava-maitso intsony.
7 Ary amin'izany ny
harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any
am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
8 Fa ny fitarainany
manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re
hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
9 Fa ny ranon'i
Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona
handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny
tany.
1 Atero ny
zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra
hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
2 Ary tahaka ny
vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany
ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
3 Manolora saina,
manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro
mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
4 Aoka hitoetra ao
aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao*, mba tsy ho
azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza,
tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry
Moaba]
5 Ary hisy seza
fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy
amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina
izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
6 Efa renay ny fiavonavonan'i
Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy
ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
7 Ary noho izany dia
ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa
hitomany ny ampempam-boalobok*'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na:
faharavany]
8 Fa malazo avokoa ny
sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny
sakeliny*, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany
nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny
andrianan'ny firenena ny sakeliny]
9 Koa izany no
hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian*'i Jazera, handena anao
amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao
lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an'i]
10 Ny hafaliana sy ny
haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na
horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay
intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
11 Ary noho izany ny
tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato
anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
12 Ary rehefa miseho
Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina
mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
13 Izany no tenin'i
Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.
14 Ary ankehitriny
koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia
ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany*; ary
izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
*
1 [Faminaniana ny
amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna
intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
2 Efa lao ny
tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry aman'osy, handry ao ireo, ka tsy
hisy hanaitaitra azy,
3 Ary tsy hisy tanàna
mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i
Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny
maro.
4 Ary amin'izany
andro izany dia hihena ny voninahitr'i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
5 Ary ho tahaka ny
fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny
sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny
amin'ny lohosahan'ny Refaita;
6 Kanefa hisy sisa
hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany
roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny
rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
7 Amin'izany andro
izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray
Masin'ny Isiraely,
8 Fa tsy hanandrandra
ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy
hahoany, na ny Aseraha*, na ny tsangankazo* ho an'ny
masoandro.[*Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny][**Na: tsangam-bato]
9 Amin'izany andro
izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any
an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely,
ka dia ho foana ny tany.
10 Fa nanadino
an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy
fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary
zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;
11 Tamin'ny andro
nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay
nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana* sy
fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin'ny andro
hahazoana azy]
12 [Ny handringanana
ny Asyriana] Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny
feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny
rano manonja ny firohondrohony!
13 Eny,
mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa
hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny
an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary
mitambolimbolina entin'ny tadio.
14 Raha hariva ny
andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia
tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay
mandroba antsika.
*
1 [Ny haneken'ny
Etiopiana an'i Jehovah noho ny handrenesany ny nandringanana ny Asyriana]
Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
2 Izay mampandeha
iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka
manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena
lava tsanganana* sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka
hatrany hatrany**, dia firenena mpanao teny tsy valiana*** sady
maherisetra****, izay vakin'ny ony maro ny taniny.[*Na: ela fiainana][**Na:
hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][***Na: matanjaka indindra; na:
mahery mamaritra tany ho azy][****Heb. manitsakitsaka]
3 Ry mponina rehetra
amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva
atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy
anjomara tsofina, dia mihainoa.
4 Fa izao no
nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako,
raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy* zavona** amin'ny hainandro
fararano.[**Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny][**Heb; rahon'ando]
5 Fa raha mbola tsy
tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny
voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary
hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
6 Dia hafoy avokoa
izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny
ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby
rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.
7 Amin'izany andro
izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia
firenena lava tsanganana* sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena
mahatahotra hatreto ka hatrany** hatrany dia firenena mpanao teny tsy
valiana*** sady maherisetra***, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny
fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.
[*Na: ela fiainana][**Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka
ankehitriny][***Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho
azy][****Heb. manitsakitsaka]
*
1 [Faminaniana ny
amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy
ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo
anatrehany*, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
2 Ary hamporisihiko
hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny
namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny
fanjakana.
3 Ary ho very hevitra
ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny
andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny
manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
4 Ary Egypta dia
hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka
aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
5 Ny rano amin'ny
ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
6 Ho maimbo ny
sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta* hihena ka ho maina; Ny
volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]
7 Ny tany eny
amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy
hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
8 Dia hitomany ny
mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny
mpandatsaka* harato amin'ny rano.[Heb; mpamelatra]
9 Ho very fanantenana
izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.
10 Ny andrin*'ny tany
ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan']
11 Efa adala mihitsy
ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny
mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry
aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
12 Aiza ary ireo
olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.
13 Efa adala ny
mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa*; Ary efa
nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. [Heb. Nofa]
14 Jehovah efa
nampidina* fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy
tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady
mandoa. [Heb. nangaroharo]
15 Samy tsy
hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia*
na ny zozoro. [palma]
16 Amin'izany andro
izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra
noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny
hamelezany azy.
17 Ary ny tanin'ny
Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany
aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay
kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
18 Amin'izany andro
izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana
sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe
Ira-haresa*. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]
19 Amin'izany andro
izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato
eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
20 Ary ho famantarana
sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany;
Fa hitaraina* amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy
mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy
vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
21 Ary Jehovah hanao
izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah
amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny
fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
22 Ary Jehovah hamely
ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any
amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
23 Amin'izany andro
izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia
hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny
Asyriana hiara-mivavaka*. [Heb. hiara-manompo]
24 Amin'izany andro
izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo
amin'ny tany;
25 Fa hotahin'i
Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy
Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
*
1 [Fanoharana ny
amin'ny handravana an'i Etiopia sy Egypta] Tamin'ny taona nankanesan'i Tartana
tany Asdoda, raha nirahin'i Sargona, mpanjakan'i Asyria, izy ka namely an'i
Asdoda ary nahafaka azy,
2 tamin'izany andro
izany no nampitondran'i Jehovah teny an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha,
borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao
hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy
nikiraro.
3 Ary hoy Jehovah:
Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy
nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin'i Egypta sy Etiopia,
4 dia ho toy izany no
hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho
sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy
hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.
5 Ary ho
raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely* noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy
Egypta reharehany.[Heb. izy]
6 Ary amin'izany
andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity
manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka
amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
*
1 [Faminaniana ny
amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra
Ranobe*. Tahaka ny
firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any
amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
2 Misy fahitana
mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana
mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana
rehetra.
3 Ary raha
nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo
ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho
ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
4 Niemponempona
ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho
fangovitako.
5 Velarina ny
latabatra, miambina* ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna,
ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]
6 Fa izao no
nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka
holazainy.
7 Dia nahita
izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary
rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
8 Dia niantso
nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto
ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho
mandritra ny alina;
9 Koa, indreo,
avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony
izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin*'ny andriamaniny rehetra
dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
10 Ry ahy
voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô*! Izay efa reko tamin'i Jehovah,
Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky
ny famoloako]
*
11 [Faminaniana
ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i
Edoma*. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina
moa izao ? Ry mpiambina ô,
toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
12 Dia hoy ny
mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo,
dia manontania ihany; ka avia, miverena*. [Na: avia indray]
*
13 [Faminaniana ny
amin'ny loza hanjo an'i Arabia] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia.
Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.
14 Itondrana rano ny
mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
15 Fa mandositra ny
sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny
havesatry ny ady.
16 Fa izao no
nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny
mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;
17 Ary ny tsipìka
sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa
Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
*
1 [Faminaniana ny
amin'ny loza hanjo an'i Jerosalema] Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny
Fahitana. Inona re izato manjo anareo*, no dia miakatra eny an-tampon-trano
avokoa ianareo**, [*Heb. anao][**Heb. ianao]
2 Ry ilay be
horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy
mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.
3 Niara-nandositra ny
lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia
niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny
mpandefa zana-tsipìka]
4 Koa izany no
anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia
fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
5 Fa ao amin'ny
lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro
fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy
fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
6 Ary Elama mitondra
ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly;
Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga
7 Izay tsara
indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly
milahatra eo am-bavahady
8 Dia alana ny
fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany
andro izany.
9 Ary hilanareo fa
banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory
ambany ianareo.
10 Isainareo ny trano
any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
11 Mihady lavaka
famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny
kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na
mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
12 Ary amin'izany
andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy
fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
13 Kanjo he izato
hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary
fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
14 Dia nambaran'i
Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo
izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
15 [Ny amin'ny
nanonganana an'i Sebna sy ny nanendrena an'i Eliakima ho solony] Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io,
dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
16 Manao inona
etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao,
dia manao fasana ho anao* etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho
anao* etỳ amin'ny harambato? [Heb. ho azy]
17 Indro, Jehovah
hanipy mafy* anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]
18 Dia hovolavolainy
toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no
hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny
mpianakavin'ny tomponao.
19 Ary horoahiko
hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako* hiala amin'ny raharahanao [Heb.
haongany]
20 Ary amin'izany
andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;
21 Ary hampiakanjoiko
azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro
eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy
ny taranak'i Joda izy.
22 Ary hapetrako eo
an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy
handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
23 Ary hatsatoko toy
ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho
an'ny mpianakavin-drainy.
24 Ary hahantona eo
aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy
tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka
hatramin'ny siny samy hafa rehetra.
25 Amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra
voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho
simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
*
1 [Faminaniana ny
amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro.
Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano
sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana
izany taminy.
2 Mangina, ianareo
mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny
ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena* anao.[Heb. nameno]
3 Teny amin'ny rano
be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary
tonga tsenan'ny firenena izy.
4 Aoka ho menatra
ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina,
efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza
zatovo aho, na namelona virijina.
5 Rehefa re tany
Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.
6 Mità ho any Tarsisy
ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
7 Izao va no manjo
anao, ry ilay niravoravo*, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady
nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]
8 Iza no nikasa izany
hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny
mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.
9 Jehovah, Tompon'ny
maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra,
sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
10 Ry Tarsisy
zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy
fifehezana* intsony.[Heb. fehin-kibo]
11 Ny tànan'i Jehovah
nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa
nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
12 Ary hoy Izy: Tsy
hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà,
mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory
ianao.
13 Indro ny tanin'ny
Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia
any an-efitra*; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka
ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy
mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any
an-efitra]
14 Midradradradrà
ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
15 Ary amin'izany
andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka
iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny
janga manao hoe:
16 "Makà
lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre
tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
17 Ary rehefa afaka
fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy
izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
18 Ary ny varony sy
ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina
izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina
mahavoky sy ho fitafiana mendrika*. [Na: mateza]
*
1 [Ny hitsarana ny
tany, sy ny hanjakan'i Jehovah ao Ziona] Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka
mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
2 Koa ho sahala ihany
ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny
tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra
sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
3 Hatao foana dia
foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
4 Misaona sy malazo
ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra
amin'ny olona etỳ an-tany.
5 Ary ny tany dia efa
voavetavetan'ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy
izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
6 Ary noho izany dia
ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady
voadotra ny mponina amin'ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.
7 Misaona ny
ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
8 Mitsahatra ny
firavoravoana amin'ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban'ny niravoravo;
Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
9 Tsy mihira eo
am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin'izay misotro azy ny toaka;
10 Rava ny tanana be
fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona;
11 Misy fitarainana
divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka
ny faharavoravoan'ny tany.
12 Fahafoanana ihany
no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
13 Fa ao amin'ny
tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny
fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
14 Ireo dia
hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso
mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:
15 Mankalazà an'i
Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.
16 Hatrany
am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy
izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia
mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
17 Tahotra sy longoa
ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.
18 Ary izay
mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary
izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho voan'ny fandrika; Fa misy
varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan'ny tany.
19 Rava dia rava ny
tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
20 Mivembena dia
mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona;
ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina
intsony.
21 Ary amin'izany
andro izany dia any an-danitra no hamalian'i Jehovah ny antokon'ny lanitra, ary
etỳ an-tany kosa ny mpanjakan'ny tany.
22 Dia hangonina ao
an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary
rehefa afaka andro maro, dia hovangiana* ihany izy. [Na: hovaliana]
23 Dia hivoara-mena
ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no
Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny
loholony dia misy voninahitra.
1 [Hira fisaorana
an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho an'ny olony sy ny nampijaliany ny
fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny
anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa
hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
2 Fa efa nataonao
tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny
fahavalo* dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay
iny; [Heb. hafa firenena]
3 Ka dia hankalaza
Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
4 Fa fiarovana mafy
ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny
fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro,
fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
5 Tahaka ny
fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny
fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky
ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
6 Ary Jehovah,
Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity
tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay
efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio
tsara.
7 Ary hofoanany eto
amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny
rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
8 Hofoanany tsy hisy
mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava
rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no
efa niteny.
9 Ary holazaina
amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy
antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho
ravoravo amin'ny famonjeny isika.
10 Fa hipetraka
amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao
amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano
ao am-pahitra;
11 Ary ireo dia
hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny
tanany raha milomano; Fa Jehovah* kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto
aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy]
12 Ary ny mandanao
mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny
vovoka.
1 Amin'izany andro
izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna
mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
2 Vohay ny vavahady,
mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
3 Ny saina tsy
miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
4 Matokia an'i
Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
5 Fa naetriny ny
mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka
:azerany ho amin'ny vovoka.
6 Hitsahin'ny
tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.
7 Voaravona ny
lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra* ny alehan'ny marina.[Na:
Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]
8 Koa amin'ny
lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny
fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.
9 Amin'ny
fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako
Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana
ny mponina amin'izao tontolo izao.
10 Na dia
asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia
ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety
mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
11 Jehovah ô,
avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao*, ka ho
menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy
ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]
12 Jehovah ô,
manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho
anay.
13 Jehovah
Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa;
Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
14 Ny maty tsy ho
velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka
naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15 Nampitombo ny
firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo
voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
16 Jehovah ô, nony
azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao
vavaka anakampo.
17 Tahaka izay
bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany,
dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
18 Efa bevohoka
izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy
nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao
tontolo izao.
19 Ho velona indray
ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia,
ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny
fahazavana*, ary ny tany hiteraka ny maty**. [*Na: ando amin'ny anana][**Heb. ny
matoatoa]
20 Mandehana, ry
oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka
miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.
21 Fa, indro, Jehovah
mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony;
Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay
novonoina teo aminy.
1 Amin'izany andro
izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly
ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana
miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
2 Amin'izany andro
izany no hihiranareo ny amin'ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
3 Izaho Jehovah no
mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy;
Na andro na alina dia miaro azy aho.
4 Tsy misy
fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako
hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
5 Fa raha tsy izany,
dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka
hihavana amiko izy.
6 Amin'ny andro ho
avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao
tontolo izao amin'ny fahavokarany.
7 [Ny namaizan'i
Jehovah ny Isiraely sy ny mbola hamindrany fo aminy] Moa tahaka ny namelezana
izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay
novonoiny va no mba namonoana azy koa?
8 Tamin'ny
nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony
mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.
9 Ka izao no hamelana
ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia
amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay
voatorotoro, ary ny Aseraha* sy ny tsangan-kazo** ho an'ny masoandro dia tsy
hitsangana intsony.[*Anaran'andriamani-tsi-izy, na sariny][**Na: tsangam-bato]
10 Fa ho foana ny
tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no
hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
11 Raha malazo ny
rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria
firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy
hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
12 Ary amin'izany
andro izany dia hisy fampihintsanana* ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka
ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina
tsirairay, ry Zanak'Isiraely.[Na: fivelezam-bary]
13 Ary amin'izany
andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny
tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo
anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
*
1 [Ny hitsarana an'i
Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana mahamarina ny fitondran'Andriamanitra]
Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny
voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny
lohasaha lonaky* ny fileon-divay.[Heb. matavy]
2 Indro, ny Tompo
manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra
mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho
amin'ny tany.
3 Dia hohitsahin'ny
tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.
4 Ary ny voninkazo
mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka*,
dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra,
koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]
5 Ary amin'izany
andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy
ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
6 Ary ho fanahy
fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny fitsarana, sy ho hery ho an'izay
mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
7 Nefa ireo koa dia
miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny
mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny
toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny
fitsarana.
8 Fa feno loa sy loto
ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
9 Iza no hampianariny
fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao
nitsaha-nono va?
10 Fa didy anampy
didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika;
Kely etỳ, ary kely erỳ;
11 Eny, amin'ny
molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena
ity,
12 Izay
nilazany* hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana;
Nefa tsy nety nihaino ireo. [Na: Dia Izy Izay nilaza taminy]
13 Ary ny
tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy
didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ,
ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy
hofandrihana ary hosamborina.
14 Koa mihainoa
ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto
Jerosalema ity.
15 Satria
ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa
nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita* ka na dia ho avy aza ny loza**
manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana,
ary ny fitaka ho fierena, [Heb. Sheola][**Heb. kotopia]
16 Dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato
voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy
mba ho taitra izay mino.
17 Ny fitsarana
no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga
fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.
18 Hofoanana ny
fanekenareo amin'ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny
fiainan-tsi-hita* raha ho avy ny loza** manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany
ianareo.[*Heb. Sheola][**Heb. kotopia]
19 Ary na
oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina
isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana
izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
20 Fa fohy
loatra ny farafara ka tsy azon'ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka
tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
21 Fa Jehovah
hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny
teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony
mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva
anefa.
22 Koa dia aza
maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa
fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana
ny tany rehetra.
23 Mihainoa ianareo,
ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
24 Moa ny mpiasa tany
va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
25 Rehefa voaravony
tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy
apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika
sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby* kosa eny
an-tsisiny? [Na: spelta]
26 Fa Andriamaniny no
manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy. [Na: Samy ataony
araka izay tandrifiny ho azy avy; Fa Andriamaniny no mampianatra azy]
27 Fa tsy ny kodia vy
no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny
komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny fantàka, ary ny komina amin'ny
tehina.
28 Moa
mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny
kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory
izy.
29 Izany koa
dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary
mahatalanjona amin'ny fahendrena.
*
1 [Ny loza
hanjo an'i Jerosalema, sy ny mbola hamonjena azy] Lozan'i Ariela*, lozan'i
Ariela, Tanàna nitoeran*'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana;
[*Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][**Heb. nitobian']
2 Dia hampahory an'i
Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela
tokoa amiko izy.
3 Ary hanao fahiranao
anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana
anao.
4 Dia haetry ianao ka
hiteny ao amin'ny tany, ary ao amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny
feonao hivoaka avy amin'ny tany tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra,
ary avy ao amin'ny vovoka no ikiakiahan'ny teninao.
5 Kanefa ny
fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro
ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
6 Avy amin'i Jehovah,
Tompon'ny maro, no hihavian'ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary
rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
7 Ary ho tahaka ny
fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay
mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka
hampahatahotra azy.
8 Ary ho tahaka ny
olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana
ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy;
kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry
ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory
hamely ny tendrombohitra Ziona.
9 Mijanona ianareo,
ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo,
nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
10 Fa Jehovah efa
nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo
(dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita
izany).
11 Ary ny fahitana ny
amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy
voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao,
vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
12 Fa raha atolotra
izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy
izy: Tsy mahavaky teny aho.
13 Ary hoy ny Tompo:
Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny
molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia
didin'olombelona ampianarina azy ihany,
14 Dia, indro koa,
mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy
mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny
fahalalan'ny mazava sainany.
15 Lozan'izay
manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny
maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala
antsika?
16 Endrey izato
fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny
tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny
zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
17 Tsy vetivety foana
va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina
ho ala?
18 Amin'izany andro
izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina
sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
19 Ny mpandefitra
hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly
amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
20 Fa lasa ny
olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra
miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
21 Dia ireo
manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy
mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
22 Koa ny amin'ny
taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama:
Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
23 Fa raha ny zanany
mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny,
hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry
ny Isiraely.
24 Ary izay mivily
fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra
fahendrena.
*
1 [Ny hanjo ny
Isiraely noho ny nanaovany fihavanana tamin'i Egypta, sy ny mbola hamindrana fo
aminy] Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah,
ary manao fanekena*, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny
ota, [*Heb.mandrary harato][**Heb. fialokalofanareo]
2 Dia izay mandeha
hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny
fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
3 Kanjo ho tonga
henatra ho azy* ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy* ny
fialokalofany** ao amin'ny alokalok'i Egypta.[Heb. anareo]
4 Fa tonga any Zoana
ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
5 Izy rehetra dia
samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy
mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
6 Faminaniana
ny amin'ny behemota* any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy
mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy
ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky
tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy
mahasoa azy.[hipopotamosy]
7 Nefa
zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako
azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona*! [Na: Rehareha foana
ireny, ka aoka izay!]
8 Mandehana
ankehitriny soraty amin'ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny
taratasy mba haharitra amin'ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
9 Fa firenena
maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
10 Izay manao
amin'ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra
marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
11 Mialà amin'ny
lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo
anoloanay intsony.
12 Koa izao no
lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary
matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
13 Dia ho
aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra
amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
14 Ary
hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha
montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy
hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao
fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
15 Fa izao no
lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy
ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no
hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
16 Fa hoy kosa
ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia
handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra
izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
17 Ny arivo
handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny
dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any
an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
18 Koa Jehovah
dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny
avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah;
Sambatra izay rehetra miandry Azy.
19 Fa ianao, ry
firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa
hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny
izany, dia hamaly anao Izy.
20 Ary homen'ny
Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny
mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
21 Fa na mivily
ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia
handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
22 Ary
holotoinao* ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny
takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny
lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]
23 Ary dia
hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny
tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana
eny amin'ny tany malalaka;
24 Ny omby sy
ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay
voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.
25 Ary any
amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy
ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro
hianjeran'ny tilikambo.
26 Ary ny
fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny
fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny
hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy
hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
27 Indro, avy
any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady
midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia
tahaka ny afo mandevona;
28 Ary ny
fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny
sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny
olona.
29 Ary ny hira
hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana* ny andro firavoravoana,
ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho
any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb.
fanamasinana]
30 Ary Jehovah
hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny
amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny
ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
31 Fa ny feon'i
Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
32 Ary na aiza
na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia
harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no
hiadiany aminy.
33 Fa efa
voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany;
Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay
betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no
mampirehitra azy.
1 [Ny
hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin'i Egypta sy ny
hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra
azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy
miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny
mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny
Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
2 Nefa Izy koa
dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy
hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
3 Fa olona
ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy
fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy,
ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
4 Fa izao no
nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo
amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy,
Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia
tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra*
Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]
5 Tahaka ny
vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady
hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks.
xii.13]
6 Koa miverena
ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
7 Fa amin'izany
andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny* sy ny
andriamani-bolamenany*, izay fahotana nataon'ny tananareo. [Heb.
andriamani-tsi-izy]
8 Ary ny
Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy
mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny
zatovony hampanaovina fanompoana,
9 Ary ny
mpanjakany* ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny
faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao
Jerosalema. [Na: harambatony]
1 Indro, fa
araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny
rariny.
2 Ary hisy
lehilahy* ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra;
Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny
tany mahana. [Na: Ary samy]
3 Ary tsy
hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
4 Ny fon'izay
maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny
mahitsy.
5 Ny adala tsy
holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe
mahafoy be*. [Heb. mpanankarena]
6 Fa ny adala
mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany
fihatsaram-belatsihy* sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany
izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano
hosotroina. [Na: ratsy]
7 Ary ratsy ny
hafetsen*'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny
lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']
8 Fa ny
mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary
izay mahamendrika andriana no ifikirany.
9 [Anatra mafy
tamin'ny vehivavy tao Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka
mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
10 Raha afaka
herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana;
Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
11 Mangovita,
ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny
akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
12 Miteha-tratra izy,
fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
13 Ho rakotry ny
tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly
rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
14 Fa ho foana ny
lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela* sy ny tilikambo
fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia
sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]
15 Mandra-pandatsaka
ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra,
ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
16 Ary hitoetra
any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha
mahavokatra.
17 Ny asan'ny
fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy
fahatokiana mandrakizay;
18 Ary ny oloko
hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky
ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
19 Nefa
hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny
tanàna.
20 Sambatra
izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
*
1 [Ny
hampijaliana an'i Asyria, sy ny soa ho hitan'i Ziona kosa] Lozanao, ry ilay
mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao!
Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa
mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
2 Jehovah ô,
mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay*; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao
sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana. [heb. sandriny]
3 Ny feon'ny
fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia
mipariaka ny jentilisa.
4 Ary ireny handevona
ny babonareo tahaka ny fandevon'ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao
no fifanaretsany eo aminy.
5 Manerinarina
Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana
Ziona.
6 Ary hisy andro tsy
manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny
fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao*. [Heb. rakiny]
7 Indreo, ny lehilahy
maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
8 Maty ny lalambe;
Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy
nanaja olona izy.
9 Misaona ny tany ka
milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary
manintsana Basana sy Karmela.
10 Ankehitriny dia
hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho;
Ankehitriny dia hisandratra Aho.
11 Torontoronina
bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona
anareo.
12 Ary ny firenena ho
tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra
amin'ny afo izy.
13 Mihainoa ny
amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko
ianareo izay akaiky.
14 Raiki-tahotra ny
mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy*. Iza amintsika no
hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny
lelafo mandrakizay? [Na: ratsy fanahy]
15 Izay mandeha
amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena
amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly,
izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady
manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
16 Izy no honina ao
amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay
hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
17 Ny masonao hahita
ny mpanjaka amin'ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia
malalaka.
18 Hotsaroan'ny fonao
ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny
tilikambo?
19 Ny firenena
misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka
tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
20 Tsiniovy Ziona,
dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita
an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny
tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
21 Fa Jehovah dia
mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy
halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.
22 Fa Jehovah no
Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika;
Izy no hamonjy antsika.
23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao;
Tsy mahahazona mafy ny fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay
kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba
hahazo babo ihany.
24 Tsy hisy amin'ny
mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela
heloka.
*
1 [Ny hampijaliana ny
fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i
Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo
firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny
vokatra rehetra avy aminy.
2 Fa Jehovah dia
tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny
fahatezerany; Efa nodidiany haringana* ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao
herema]
3 Ary izay voavono
amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny
tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
4 Izay rehetra eny
amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona
taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina
mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy
amin'ny aviavy.
5 Fa ny sabatro dia
mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy
amin'ny firenena voatendriko haringana*, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao
herema]
6 Ny sabatr'i Jehovah
feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny
osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao
fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
7 Ary ny ombimanga
miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà
ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
8 Fa Jehovah manana
andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.
9 Ary hovana ho tonga
dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho
dity mirehitra.
10 Na alina na andro
dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny
taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy
intsony mandrakizay mandrakizay.
11 Fa ho
zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia
hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao
fahafoanana.
12 Ary ny lehibe dia
tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka*, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao
aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]
13 Ary ho rakotry ny
tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny
trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia* sy fitoeran'ny ostritsa izy.
[Heb.jakala]
14 Ny bibi-dia any
an-efitra hihaona amin'ny kary*; ary ny osilahy** hiantso ny namany; Ary ilay
mandehandeha amin'ny alina*** hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[*Na:
jakala][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][***Heb. lilita]
15 Ny bibilava
miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao
amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany
avy.
16 Izahao ao amin'ny
bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy
na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah* no nandidy
izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]
17 Ary Izy no efa
tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo
tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny
taranaka fara-mandimby.
1 Ravoravo ny efitra
sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
2 Mamony be dia be
izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny
hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy
ny famirapiratan'Andriamanitsika.
3 Ampaherezonareo ny
tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4 Lazao amin'izay
reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra
famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy
anareo. [Heb. maimaika]
5 Dia hampahiratina
ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.
6 Dia hitsambikina
tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any
an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
7 Ny alonalona
mitarehin-drano* dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano
miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia** dia haniry volotara sy
zozoro.[*ny miraja][**Na: jakala]
8 Ary hisy lalambe
any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia
izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy* ka izay mandeha amin'ny lalana dia
tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy]
9 Any tsy hisy liona
sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no
handia azy.
10 Eny, ny navotan'i
Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana
mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka
dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
* *
1 [Ny nanafihan'i
Sankeriba an'i Joda, sy ny teny nampitondrainy ho any amin'i Hezekia, ary ny
fitarainan'i Hezekia sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazain'Isaia taminy] Ary
tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka
azy.
2 Ary ny mpanjakan'i
Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany
Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny
lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny
mpamotsy lamba.
3 Ary Eliakima,
zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa,
zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
4 Dia hoy Rabsake
tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka
lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izato itokianao?
5 Hoy izaho:
Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
6 Indro, ianao matoky
io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia
manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta,
amin'izay rehetra matoky azy.
7 Fa raha hoy ianao
amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo
aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema
hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo?
8 Koa aoka hifaninana
ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao,
raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
9 Hataonao ahoana no
fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely
indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly?
10 Koa moa haitraitro
va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity
ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.
11 Dia hoy Eliakima
sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana* no ataovy amin'ny
mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona
eny ambonin'ny manda. [Heb. Aramiana]
12 Fa hoy Rabsake:
Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny
izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany
izay tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb.
ny tainy][**Heb. ny amaniny]
13 Dia nijoro teo
Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny
tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria.
14 Izao no lazain'ny
mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy
akory.
15 Ary aza mety
hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no
hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy
akory ity tanàna ity.
16 Aza mihaino an'i
Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena
amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony
sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony
avy ianareo,
17 mandra-pihaviko
hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary
sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.
18 Aza mety homen'i
Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa
nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo
andriamanitry ny firenena ireo?
19 Aiza moa ny
andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr'i Sefarvaima?
Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
20 Iza moa amin'ny
andriamanitra rehetra amin'ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny
tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
21 Nefa nangina ny
olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny
mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
22 Ary Eliakima,
zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa,
zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i
Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
1 [Ny teny
nampitondrain'i Sankeriba fanindroany, sy ny vavaka nataon'i Hezekia ary ny
teny nampitondrain'Isaia hanome toky azy] Ary raha nandre izany Hezekia
mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa
niditra tao an-tranon'i Jehovah,
2 ary izy naniraka
an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny
mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany,
zanak'i Amoza,
3 ary nanao taminy
hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka
ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana
azy.
4 Angamba ho ren'i
Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria
tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay
efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola
sisa.
5 Dia nankany
amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6 Ary hoy Isaia taminy:
Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny
efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy
Ahy.
7 Fa, indro, Izaho
efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny
taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Dia niverina
Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano
tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Ary ren'i Sankeriba
ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary
nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
10 Izao no
holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny
Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo
an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11 Indro, ianao efa
nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny
nandravany* azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12 Moa nahavonjy azy
va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy
Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?
13 Aiza ny
mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna
Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Dia noraisin'i
Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao
an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
15 Ary Hezekia
nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:
16 Ry Jehovah,
Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima,
Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany;
Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
17 Atongilano ny
sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary
mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika
an'Andriamanitra velona.
18 Jehovah ô, marina
ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena* rehetra sy
ny taniny [Heb. tany]
19 ary efa nanary ny
andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny
tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
20 Koa ankehitriny,
Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny
fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
21 Ary Isaia, zanak'i
Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
22 dia izao no teny
nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa
anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra
Jerosalema zanakavavy.
23 Fa iza no
nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy
nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
24 Ny mpanomponao no
nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny
tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny
kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any
amin'ny alany midokadoka,
25 Izaho no nihady ka
nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any
Egypta*. [Heb. Mazora]
26 Tsy mbola renao
va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny
andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka
dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
27 Ary efa tsy
nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny
ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny
tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
28 Fa samy fantatro
avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao
amiko.
29 Satria efa tezitra
amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny
masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko
amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
30 Ary izao no ho
famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo;
ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo
kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna
izay vokatra eo.
31 Ary izay sisa
amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra
hamoa.
32 Fa hisy sisa
hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no
hanao izany.
33 Koa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity
tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo
anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
34 Ny lalana izay
nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy
Jehovah.
35 Fa hiaro ity
tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
36 Dia avy Ilay
Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao
an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa,
indreo, efa maty avokoa ireo.
37 Dia niainga
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
38 Ary raha
niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka
sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny
tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby
azy.
*
1 [Ny nahararian'i
Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony
amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary
Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2 Dia nitodika
nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah
3 hoe: Jehovah ô,
enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana
sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany
mafy dia mafy izy.
4 Dia tonga
tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Mandehana, ka lazao
amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa
nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy
ambin'ny folo taona ny andronao,
6 sady hamonjy anao
sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna
ity Aho.
7 Ary izao no ho
famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay
zavatra nolazainy:
8 Indro, hampiverina
ny aloka hàdiny* folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny
dialin*' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny* folo ny masoandro, dia ilay efa
nidinany. [Heb. ambaratonga]
9 Ny teny nosoratan'i
Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
10 Hoy izaho:
Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny
fiainan-tsi-hita*; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]
11 Hoy izaho: Tsy mba
hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny
velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any
amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
12 Ny fonenako
nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko
tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy;
Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
13 Nampionona ny foko
aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no
anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
14 Ka dia
mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny
voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô,
ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
15 Ahoana no
holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho
amin'ny taonako sisa rehetra noho* ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]
16 Tompo ô,
izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia
mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
17 Indro, tonga
fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no
namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo
ivohonao ny fahotako rehetra.
18 Fa ny
fiainan-tsi-hita* tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao;
Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb.
Sheola]
19 Ny velona
dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray
hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
20 Jehovah efa
vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay
Amin'ny andro rehetra iainanay.
21 Ary hoy
Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.
22 Ary hoy Hezekia:
Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
*
1 [Ny nandraisan'i
Hezekia ny iraky ny mpanjakan'i Babylona, sy ny teny nolazain'Isaia noho izany]
Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana,
mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa
narary izy ka sitrana.
2 Ary dia faly
Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia
volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano
fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany;
tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao
amin'ny fanjakany rehetra.
3 Dia nankany amin'i
Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona
ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany
lavitra izy, dia avy tany Babylona.
4 Dia hoy izy: Ka
inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra
an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao
amin'ny firaketako rehetra.
5 Ary hoy Isaia
tamin'i Hezekia: Henoy ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro:
6 Indro, avy ny
andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra
noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona
inona na inona, hoy Jehovah.
7 Ary na dia terakao
aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka* any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i
Babylona ireo. [Heb. ionoka]
8 Dia hoy Hezekia
tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny,
hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.
* *
1 [Teny mahafaly,
fampiononana ny Isiraely] Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
2 Mitoria teny soa
mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny*, sady voavela ny
helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny
fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]
3 Injany! misy
feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova
lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
4 Aoka hasandratra ny
lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny
be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
5 Dia hiseho ny voninahitr'i
Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa
niteny.
6 Injany! misy
miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny
nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any
an-tsaha;
7 Maina ny
ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny,
ahitra tokoa ny olona.
8 Maina ny ahitra,
malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9 Ry Ziona, izay
mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema
izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza
matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry
ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa
mahafaly ho an'i Jerosalema]
10 Indro, Jehovah
Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny
valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
11 Hiandry ny ondriny
tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka
hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
12 Iza no namatra ny
rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny
vovo-tany tamin'ny vata*, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy
ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]
13 Iza no nanome
hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
14 Iza no nidinihany
ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra
fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
15 Indro, ny firenena
dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka
madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra
bitika indrindra*. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]
16 Ary Libanona aza
tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
17 Ny firenena
rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny
tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
18 Koa ampitovinareo
amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
19 Ny mpiasa manao
sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy
sy manao tongalika volafotsy an-idina.
20 Izay malahelo ka
tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay
zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
21 Tsy fantatrareo
va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa
azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
22 Izy no mipetraka
amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny
valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary
manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
23 Izy no
mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka
ny zava-poana.
24 Vao nambolena
vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia
notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra
tahaka ny vodivary izy.
25 Koa ampitovinareo
amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
26 Asandrato ny
masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny
isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany
sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
27 Nahoana no miteny
ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i
Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho
ahy?
28 Tsy fantatrao va?
Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny
faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny
fahalalany.
29
Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
30 Na dia ny tanora
fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho
tafintohina mafy;
31 Fa izay miandry
an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
1 [Ny
fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny fitondrany ny firenena sy ny
fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo ny zavatra mbola ho avy]
Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka
hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana.
2 Iza no nanaitra avy
any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra*, ary
nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza
no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary
voapaoka? [Na: nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy]
3 Mipaoka ireo izy ka
mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony.
4 Iza moa no nanao sy
nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary
hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
5 Ny nosy
nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
6 Samy nanampy
ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe:
Matokia.
7 Koa ny
mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny
tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny
solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy
hihozongozona.
8 Fa ianao
kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama
sakaizako,
9 Hianao izay
efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany
an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
10 Aza
matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no
Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao
amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
11 Indro, ho
menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho
levona izay miady aminao.
12 Hotadiavinao
izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny
zava-poana izay miady aminao.
13 Fa Izaho Jehovah
Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
14 Aza matahotra
ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy
anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao.
15 Indro, ataoko
kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka
hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
16 Hikororoka azy
ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao
kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho
reharehanao.
17 Ny ory sy ny
malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho
Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
18 Hampiboika
renirano ao amin'ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny
lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano
miboiboika.
19 Hampaniry hazo
sedera sy akasia sy rotra* ary oliva** any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy
bokso eny an-tani-hay, [*myrta][**Heb. oliva maniry ho azy]
20 Mba ho hitany sy
ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao
izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no nahary izany.
21 Alaharo eto ny
teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo*, hoy ny Mpanjakan'i
Jakoba.[Heb. fiarovana mafy]
22 Aoka hampanatoniny
ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha*,
mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy
izahay. [Heb. zavatra voalohany]
23 Ambarao anay izay
zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny,
manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
24 Indro, ianareo dia
naman'ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman'ny zava-poana; vetaveta izay
mifidy anareo.
25 Nanaitra ny
anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin'ny
fiposahan'ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka
tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
26 Iza no nitory
izany hatramin'ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba
hataonay hoe: Marina? Tsy
nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
27 Izaho no
voalohany Izay milaza amin'i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome
mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema.
28 Dia nijery
Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina
hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.
29 Indro,
zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny
sampiny anidina.
1 [Ny amin'ny
Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena
rehetra] Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky
ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa
Izy.
2 Tsy
hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony
eny an-dalana.
3 Tsy
hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona;
Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
4 Tsy ho reraka
na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny
lalàny.
5 Izao no
lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay
namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo
aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:
6 Izaho Jehovah
efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao
Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
7 Hampahiratra
ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay
mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
8 Izaho no
Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana
Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.
9 Ny amin'ny
zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na
dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
10 Hianareo
izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy
ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny
fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
11 Aoka ny
efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay
onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela*; Ary aoka hanao feo avo any
an-tampon'ny tendrombohitra izy.[Na: any amin'ny harambato]
12 Aoka hanome
voninahitra an'i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin'ny nosy.
13 Jehovah
mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon'ny mpiady no amohazany ny
fahatezerany*; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny
fahavalony Izy.[Na: fahasaro-piarony]
14 Efa tsy
niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia
mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
15 Hataoto
mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao
aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.
16 Hitarika ny
jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no
hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana
halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
17 Hihemotra
sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao
amin'ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.
18 Mihainoa
ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
19 Iza no
jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko?
Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
20 Mahita
zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy
mihaino.
21 Sitrak'i
Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra
azy.
22 Kanefa ity
dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy
rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy;
Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
23 Iza aminareo no
hihaino iza-ny? Iza no handre, dia hitandrina izany amin'ny andro ho avy?
24 Iza no nanolotra
an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa
nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety
nihaino ny lalàny;
25 Ka dia nalatsany
taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy
manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
1 Fa ankehitriny, ry
Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry
Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny
anaranao Aho, Ahy ianao.
2 Raha mita ny rano
ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao
izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao
ny lelafo;
3 Fa Izaho Jehovah no
Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao
Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
4 Satria malala eo
imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho
solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.
5 Aza mahatahotra, fa
momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any
andrefana no hanangonako anao;
6 Ny avaratra
hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy
lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,
7 Dia izay rehetra
antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
8 Ento mivoaka* ny
olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. [Na: Entiko mivoaka]
9 Aoka hiangona* ny
firenena rehetra, Ary aoka hivory** ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza
izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny
vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina
izany. [*Na: Miangona][**Na: mivory]
10 Hianareo no
vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba
hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy;
Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
11 Izaho dia Izaho
ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
12 Izaho efa nilaza
sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no
vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
13 Eny,
hatramin'izary andro izany* Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny
tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? [Na: Hatrizay nisian'ny
andro]
14 [Ny hamindran'i
Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary
ny hampidinany ny Fanahiny] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny
Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary
hampidiniko izy rehetra mbamin*'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo
izay efa nifaliany.[Na: dia]
15 Izaho no Jehovah,
Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
16 Izao no lazain'i
Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny
rano manonja,
17 Izay mamoaka ny
kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka
tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
18 Aza mahatsiaro ny
lasa, na misaina ny taloha.
19 Indro, Izaho efa
hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va
ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no
hasiako ony;
20 Dia hanome
voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia* ary ny ostritsa, satria manisy rano
any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay
voafidiko. [Na: jakala]
21 Izao olona
noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
22 Nefa Izaho tsy mba
nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao*, ry Isiraely. [Na: Na nisasaranao
akory]
23 Tsy nitondranao ny
zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao.
Tsy nampahavesatra* anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny
ditin-kazo mani-pofona.[Heb. nampanompo]
24 Tsy nandoa vola
namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny
fanatitrao; Fa nampahavesatra* Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra
Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]
25 Izaho dia Izaho no
mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny
fahotanao.
26 Ampahatsiarovy
Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay
mahamarina anao.
27 Ny razambenao*
voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina
tamiko, [Heb. rainao]
28 Koa izany no
nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho
fandringana* ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]
1 Fa ankehitriny dia
mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
2 Izao no lazain'i
Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao:
Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona*, izay nofidiko;
[Jesorona dia anaran'ny Isiraely]
3 Fa handatsaka rano
amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny,
handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny
terakao;
4 Dia haniry eny
amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan'ny rano mandeha ireny.
5 Ny anankiray hilaza
hoe: An'i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba;
Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin*'ny tànany hoe: An'i Jehovah, Ary ny
anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.[Na: eo amin']
6 [Ny amin'i Jehovah,
Mpanjakan'ny Isiraely, sy ny amin'ny sampin'ny jentilisa] Izao no lazain'i
Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Mpanavotra azy:
Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy
Izaho.
7 Ary iza moa no mba
mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay
nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho
tonga, dia aoka hambarany koa izany.
8 Aza matahotra na
mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka
nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy
Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
9 Izay mamorona
sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra
dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon'ireny dia tsy mahita na mahalala, mba
hahamenatra azy.
10 Iza no namorona
andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
11 Indro, ho menatra
ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka
handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
12 Ny mpanefy
manamboatra* fiasana; Miasa amin'ny arina izy ary manamboatra azy amin'ny
tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka
ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.[Na: manasa]
13 Ny mpandrafitra
manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin'ny fitsipihana; Manamboatra azy
amin'ny vankona izy, dia manamarika azy amin'ny kompà ary mahavita azy ho
tahaka ny endrik'olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin'ny olona, Mba
hampitoerina ao an-trano.
14 Tsy maintsy
mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any
an'ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin'ny ranonorana izany;
15 Ary dia anaovan'ny
olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany
mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany
sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
16 Ny sasany dorany
amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany* hena; Manatsatsika hena izy, ka dia
voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho
lahy! [Heb. ihinanany]
17 Ary ny sisan'izany
dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy
miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa
andriamanitro ianao.
18 Tsy mahalala na
mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy
mahalala.
19 Tsy misy
mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny
sasany mantsy nodorako tamin'ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony
aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko
fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo*? [Na: vokatry ny
hazo]
20 Homan-davenona
izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy
na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
21 Tsarovy izany, ry
Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka
mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
22 Izaho efa
nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao
tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
23 Mihobia, ry
lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana
lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry
ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy
mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.
24 [Ny amin'i Kyrosy,
izay voahosotr'i Jehovah ho mpanafaka ny Isiraely] Izao no lazain'i Jehovah,
izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay
manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany
no mamelatra ny tany;
25 Izaho mahafoana ny
famantarana lazain'ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana
ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
26 Ary mahatò ny
tenin'ny mpanompoko* sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako**, ary manao
amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana
ianareo, ka hamboariko izay rava eo, [*Heb. mpanompony][**Heb. irany]
27 Ary milaza amin'ny
rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
28 Ary milaza an'i
Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny;
Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe:
Haorina indray ny fanorenanao.
1 Izao no lazain'i
Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany
ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny
mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny
vavahady:
2 Handroso eo
alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana
varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
3 Dia homeko anao ny
rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba
hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia
Andriamanitry ny Isiraely.
4 Noho ny amin'i
Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy
nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
5 Izaho no Jehovah,
fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina
anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
6 Mba hahafantarana
hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy
misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
7 Dia Izaho Izay
mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza;
Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
8 Manateteva avy any
ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny
tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka
hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga
izany.
9 Lozan'izay miady
amin'ny namorona azy! Tavim-bilany
isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe:
Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
10 Lozan'izay miteny
amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny* hoe: Inona no aloaky ny
kibonao? [Heb. ny vehivavy]
11 Izao no lazan'i
Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho
avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko
ihany.
12 Izaho no nanao ny
tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy
nandahatra* ny eny aminy rehetra. [Heb. nandidy]
13 Izaho no nanaitra
azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no
hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola
amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
14 Izao no lazain'i
Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran'i Egypta sy ny tombom-barotr'i Etiopia sy ny
Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary
hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao,
dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy
Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
15 Marina tokoa fa Hianao
dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
16 Ho menatra sy
hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona
sarin-javatra,
17 Fa ny Isiraely
kosa ho voavonjin'i Jehovah Amin'ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na
hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
18 Fa izao no
lazain'i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona
ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy
akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy
hafa.
19 Tsy tao amin'ny
mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho
tsy niantso ny taranak'i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny
marina sy manambara ny mahitsy.
20 Mivoria, ka avia,
ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay
mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin'izay
andriamanitra tsy mahavonjy.
21 Alaharo, ka asehoy
mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay
hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy;
Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
22 Mijere Ahy, dia ho
voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy
hafa.
23 Ny tenako no
nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy
hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra
hoe*: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana]
24 Ao amin'i Jehovah
ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary
ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
25 Ao amin'i Jehovah
no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
1 [Ny
fahatsinontsinon'ny sampin'i Babylona, sy fanomezan-toky ny Isiraely hifikitra
amin'i Jehovah, ary ny hery sy ny fahalalan'i Jehovah] Mangozohozo Bela, efa
miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy;
Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby
reraka.
2 Miraika sy
mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany
aza dia lasan-ko babo koa.
3 Mihainoa Ahy, ry
taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena
hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
4 Na dia
mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo,
dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany
no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
5 Hampitovinareo
amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho
tahaka Ahy mba hitahany amiko?
6 Izay mandraraka
volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama
mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
7 Dia betainy ho eny
an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra
eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy
aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
8 Tsarovy izany ka
mahereza* ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. [Na: misehoa ho
lehilahy]
9 Tsarovy ny zavatra
taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no
Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
10 Izay manambara ny
farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola
natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko
rehetra,
11 Izay miantso
vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa
ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa
Aho no hahefa azy.
12 Mihainoa Ahy
ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:
13 Hampanatoniko ny
fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa
hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
1 [Ny handravana an'i
Babylona] Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina!
Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea
zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
2 Alao ny vato
fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny
moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
3 Hiseho ny
fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy
hiantra olona*.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona]
4 Ny anaran'ny
Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.
5 Mipetraha
mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao
hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
6 Tezitra tamin'ny
oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy
mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra
dia mavesatra.
7 Ary hoy ianao: Ho
tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany
ianao, na nitsapa izay hiafarany.
8 Koa mihainoa, ianao
izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho
no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita
fahafoanan'anaka.
9 Kanjo hanjo anao
tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny
fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia
maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
10 Fa nitoky tamin'ny
faharatsianao* ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny
fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy,
fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]
11 Kanjo hanjo anao
ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany*; Ary hahazo anao ny loza,
nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay
tsy ampoizinao.[Na: iposahany]
12 Arosoy ary ny
odinao sy ny hamaroan'ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao
mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra
ianao.
13 Sasatra noho ny
hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra* ny
lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky
ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao**. [*Heb. mpizarazara] [*Na: Aoka
hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana
ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]
14 Indro, fa ho
tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny
herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
15 Ho toy izany
aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony
ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka
tsy hisy hahavonjy anao.
1 [Fampahatsiarovana
ny lasa, sy filazana ny ho avy, indrindra fa ny hanafahana ny Isiraely avy any
Babylona] Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny
anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny
anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy
araka ny marina, na araka ny hitsiny;
2 Fa milaza ny tenany
ho avy amin'ny tanana masina izy ka miankina amin'Andriamanitry ny Isiraely;
Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
3 Ny zavatra taloha
dia efa voalazako hatramin'ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady
nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
4 Satria fantatro fa
maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
5 Dia nambarako taminao
hatramin'ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa
nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary
ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany.
6 Efa renao, ka dia
jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao
zava-baovao kosa Aho hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
7 Vao izao no
namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao
talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany
izany.
8 Fa tsy nandre na
nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao;
fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
9 Noho ny anarako dia
ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba
tsy hamongorana anao.
10 Indro, nodioviko
ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy
fahoriana Aho.
11 Noho ny tenako,
eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary
ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
12 Mihainoa Ahy, ry
Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary
Izaho koa no farany.
13 Eny, ny tanako no
nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny
lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
14 Mivoria ianareo
rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay
tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho
amin'ny Kaldeana.
15 Izaho dia Izaho
ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
16 Manatona Ahy
ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny
mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah
Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
17 Izao no lazain'i
Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah
Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin'ny
lalana tokony halehanao.
18 Toy izay anie
ianao mba nihaino ny didiko*! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho
tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao, [Na: Enga anie ka hihaino ny
didiko ianao]
19 Ary ho tahaka ny
fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny
anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
20 Mivoaha hiala any
Babylona; miezaha avy any amin'ny Kaldeana; torio amin'ny feo mahafaly, ary
ambarao, ka aelezo hatrany amin'ny faran'ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra
an'i Jakoba mpanompony.
21 Ary tsy
nangetaheta ireo tamin'ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho
azy avy tamin'ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia
nigororoana ny rano.
22 Tsy misy
fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
* *
1 [Ny amin'ny
Mpanompon'i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny
firenena rehetra] Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry
firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho
mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.
2 Ary nataony
tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no
nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny
tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
3 Ary hoy Izy
tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
4 Fa hoy kosa
Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko;
kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao
amin'Andriamanitro.
5 Ary
ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony,
hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy,
(Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
6 Eny, hoy Izy:
Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba
Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa
koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.
7 Izao no
lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay
hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny
mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny
amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy
Anao.
8 Izao no
lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary
tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao
ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova
izay efa rava
9 ka hanao
amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa;
hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza
dia hisy ahitra ho azy ihany; .
10 Tsy ho noana
na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny
masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano
miboiboika no hitondrany azy.
11 Hataoko
lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
12 Indreo,
tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary
avy any amin'ny tany Sinima ireto.
13 Mihobia, ry
lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah
efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra.
14 Fa hoy
Ziona'Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
15 Mety
manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka
naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino
anao.
16 Indro, efa
vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako
mandrakariva.
17 Tamy
faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
18 Atopazy
manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo
aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao
tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon'ny ampakarina.
19 Fa ny
taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby
amin'izany noho ny habetsahan'ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana
anao.
20 Ny zanakao
izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity
tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
21 Dia hanao anakampo
ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary
nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro,
nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
22 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin'ny jentilisa Aho ary hanangana
ny fanevako amin'ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary
ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
23 Mpanjaka no ho
rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao;
hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny
tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry
Ahy.
24 Azo alaina eny
amin'ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
25 Nefa izao no
lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho
afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary
Izaho no hamonjy ny zanakao.
26 Sady hampihinaniko
ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany
ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa
Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
1 [Ny amin'ny
nisaorana ny Isiraely, sy ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah] Izao no lazain'i
Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza
amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo
ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana
an-dreninareo.
2 Nahoana no
tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy
tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va
Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny
ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady
matin-ketaheta.
3 Tafiako
fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
4 Jehovah Tompo
nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay*, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay
reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko
hihaino tahaka ny efa mahay* [Heb.efa nampianarina]
5 Jehovah Tompo
nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
6 Ny lamosiko natolotro
ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy
nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora.
7 Fa Jehovah Tompo no
hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny
afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
8 Efa akaiky Izay
manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no
manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
9 Indro, Jehovah
Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga
tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin'ny kalalao izy.
10 Iza aminareo no
matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha
amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana*, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah
sy hiankina amin'Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka
tsy misy famirapiratana]
11 He! ianareo
rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo,
mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay
narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana
ianareo.
1 [Ny fiposahan'ny
famonjena, sy ny fanesorana ny kapoaky ny fahatezeran'i Jehovah] Mihanoa Ahy,
ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah:
Tsarovy* ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana
anareo. [Heb. Jereo]
2 Eny, tsarovy*
Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy,
dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. [Heb. Jereo]
3 Fa Jehovah
mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny
efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i
Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo
fiderana.
4 Mihainea Ahy, ry
vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka
avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
5 Akaiky ny
fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena;
izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
6 Andrandrao ho
amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona
tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao
dia ho faty tampoka*; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny
fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka]
7 Mihainoa ahy,
ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny
lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy
noho ny faharatsiany.
8 Fa ny kalalao
hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny
fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena
hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
9 Mifohaza, mifohaza,
ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny!
dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy
nitomboka ny dragona*? [Na: mamba; izahao Ezek. xxix. 3]
10 Tsy Hianao va Ilay
nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny
ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?
11 Eny, ny navotan'i
Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana
mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny
an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo
sy ny fisentoana.
12 Izaho dia Izaho no
mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety
maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra
13 ka manadino an'i
Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady
matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory,
raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
14 Izay mitanondrika
dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso
hanina.
15 Fa Izaho Jehovah
no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny
onjany*; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako**. [*Na: Izay mampitsahatra ny
rano, raha mirohondrohona ny onjany] [**Heb. anarany]
16 Ary nataoko eo
am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao*
ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb.
Hamboly]
17 Mifohaza,
mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny
fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia
mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
18 Tsy misy mitondra
azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny
zananilahy rehetra izay notezainy.
19 Izao zavatra roa
Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana
ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
20 Ny zanakao-lahy
efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny
diera ao anatin'ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny
fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy ataon'Andriamanitrao.
21 Koa mihainoa izao,
ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
22 Izao no lazain'i
Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro,
esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny
fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
23 Fa hataoko eo an-tànan'izay
mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba
hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny
lalambe ho an'izay mandeha eo.
1 [Ny hanafahana an'i
Jerosalema amin'ny fahandevozana sy ny fatorana] Mifohaza, mifohaza, tafio ny
herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna
masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
2 Ahintsano ny vovoka
hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny
fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
3 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena
koa no hanavotana anareo.
4 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny
tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
5 Ary ankehitriny
inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko;
ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina
mandritra ny andro ny anarako.
6 Koa ny oloko dia
hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany* dia ho fantany fa Izaho no
miteny hoe: Inty Aho.[Na: Eny, ho fantany amin'izany andro izany Aho]
7 Akory ny hatsaran'ny
tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory
fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay
manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
8 Injany ny feon'ny
mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita
mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.
9 Velomy ny hoby, ry
fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa
nanavotra an'i Jerosalema.
10 Jehovah efa
nampiseho* ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny
tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika. [Heb. nampitanjaka]
11 Mialà, mialà
ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova,
ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah.
12 Fa tsy tampoka no
hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo
eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
*
13 [Ny amin'ny
Mpanompon'i Jehovah, dia ny zava-mahagaga nataony, sy ny nandavan'ny maro Azy,
sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy]
Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry*, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo
indrindra. [Heb. hambinina]
14 Fa toy ny
nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona
akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona),
15 Dia toy izany no
hampihendratrendratany* ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa
izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny
akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]
1 Iza no nino ny teny
nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?
2 Fa naniry teo
anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny
tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery
Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
3 Natao tsinontsinona
sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana*, Ary tahaka izay
tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba
nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana]
4 Nitondra ny
aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao
azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb.
fanaintainantsika]
5 Nefa Izy dia
voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny
fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka
taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana]
6 Isika rehetra dia
samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika
rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
7 Nampahorina Izy,
nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina
hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny,
tsy niloa-bava Izy.
8 Ny fampahoriana sy
ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no
nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny
fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny
fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?]
9 Ary nokasaina hatao
tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa
novonoina)*, na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo
am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy]
10 Nefa sitrak'i
Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana
Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia
hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia
hahita taranaka Izy]
11 Noho ny
fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no
hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny
helok'ireo. [Heb.fahalalany]
12 Koa dia hanome Azy
anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy*; Satria naidiny
ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no
nitondra ny fahotan'ny maro sady manao** fifonana ho an'ny mpanota. [*Na: dia homeko Azy ny lehibe ho
anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][**Na: nanao]
*
1 [Ny
hanitarana ny Fiangonana, sy ny voninahitra ho azony] Mihobia, ry momba, ianao
izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba
nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny
manambady, hoy Jehovah.
2 Halalaho ny
itoeran'ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy
hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
3 Fa hitatra
any amin'ny ankavanana sy any amin'ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny
jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
4 Aza
matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho
afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho
tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
5 Fa ny Mpanao
anao no Vadinao, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin'ny
Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
6 Fa Jehovah
efa nampody* anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka
ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
[Heb.niantso]
7 Indray
mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin'ny indrafo lehibe kosa no
ampodiako anao.
8 Tamin'ny
firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso
monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy
Jehovah, Mpanavotra anao.
9 Fa amiko
izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny
tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao
intsony Aho.
10 Fa na dia hifindra
aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao
ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah,
Mpamindra fo aminao.
11 Hianao, ry ory
izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho
handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin'ny
safira,
12 Hataoko robina ny
tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao
manodidina.
13 Ary ny zanakao
rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny
zanakao.
14 Amin'ny
fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy* ny fampahoriana, fa tsy
hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. [Heb.
Manalavira]
15 Na dia misy
miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely
anao dia ho tonga hiandany aminao* kosa. [Na: ho lavo noho ny aminao]
16 Indro, Izaho no
nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana
hanaovany ny asany*; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
[Na: fiadiana araka ny asany]
17 Ny fiadiana
rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela
rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i
Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
*
1 [Fiantsoana ny
olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay
mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia,
mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na
amin-karena.
2 Nahoana ianareo no
mandany* vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay
tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo
amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja]
3 Atongilano ny
sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny
fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po
mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
4 Indro, nataoko
vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena.
5 Indro, firenena
izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no
hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray
Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
6 Mitadiava an'i
Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
7 Aoka ny ratsy
fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka
hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho
amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
8 Fa ny fihevitro tsy
fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
9 Fa tahaka ny
hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny
fihevitro noho ny fihevitrareo.
10 Fa toy ny
ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any
raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba
hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]
11 Dia ho tahaka
izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy
efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
12 Fa amin'ny
fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny
tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra
any an-tsaha hitehatanana.
13 Ny hazo kypreso
haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra* ho solon'ny sampivato; ary ho anarana
ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.
[myrta]
1 [Anatra ny amin'ny,
fitanana ny marina sy fitandremana ny Sabata, ary toky ho an'ny proselyta sy ny
ionoka] Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa
efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
2 Sambatra ny
zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia
izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany
tsy hanao izay ratsy akory.
3 Ary aoka ny hafa
firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy
ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina
aho.
4 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Ny amin'ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako
ary mitana ny fanekeko,
5 Dia hanaovako
fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy, izay tsara
lavitra noho ny an'ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay
tsy hesorina no homeko azy.
6 Ary ny hafa
firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i
Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao
azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko
7 Dia ho entiko ho
any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny
fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo
ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny
firenena rehetra.
8 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho
eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
9 [Ny nahadiso ny
lehiben'ny Isiraely, sy ny nataon'ny olona koa] He, ianareo bibi-dia rehetra!
Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an'ala*. [Na: He, ianareo bibi-dia
rehetra, Avia hihinana ny biby rehetra any an'ala]
10 Jamba ny
mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka
tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
11 Lian-kanina ireny
amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy
efa nivily ho amin'ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin'ny filàny harena
avokoa izy rehetra.
12 Avia, ianareo, hoy
ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho
tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
1 Maty ny marina,
nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy
mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo*. [Na: noho ny
ratsy]
2 Miditra amin'ny
fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra
amin'ny hitsiny.
3 Fa ianareo kosa dia
mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka
vadin'olona sy ny mpijangajanga.
4 Iza no
ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky
ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga*? [Na: zanaky ny
fijangajangana]
5 Dia ianareo izay
mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta* eny ambanin'ny hazo maitso
rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny
harambato. [Na: amin'ny sampy]
6 Ao amin'ny vato
kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao;
ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina.
Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
7 Teo an-tampon'ny
tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no
niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
8 Teo ivohon'ny
varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa
lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny
fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny
fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao*.[Na: Ary nojerenao ny
famantarana (Heb. tanana)]
9 Dia nivezivezy
nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra* diloilo, ary nataonao betsaka ny
zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina**
hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita*** ianao. [*Na: nihosotra][**Na:
nietry][***Heb. Sheola]
10 Noho ny halavitry
ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany!
Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
11 Ary iza no nahinao
sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka
am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy
ianao.
12 Izaho no hanambara
ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
13 Raha mitaraina
ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa
ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no
hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
14 Ary Izy hilaza
hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay
mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
15 Fa izao no
lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany:
Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny
manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny
fon'ny torotoro fo;
16 Fa tsy
hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka
eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina]
17 Ny helony noho ny
fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra,
nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
18 Efa nahita ny
lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny
fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,
19 Dia Izaho Izay
mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho
an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
20 Fa ny ratsy fanahy
dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny
ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
21 Tsy misy fiadanana
ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
* *
1 [Ny fivavahana
marina, sy ny fivavahana tsy izy] Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy,
Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny
fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany;
2 Nefa Izaho mbola
tadiaviny ihany isan'andro isan'andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany.
Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik'Andriamaniny
no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian*'Andriamanitra.
[Na: Sy fifaliany hanakaiky an']
3 Nahoana izahay no
mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza
dia mbola ny tianareo* ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo
dia ampahorinareo*. [*Heb. hitanareo][**Na: Ary mbola arosonareo fatratra ihany
sy asanareo]
4 Indro, ny hiady sy
ny hifanditra no anton'ny ifadianareo ary ny hamely amin'ny totohondrin'ny
faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any
amin'ny avo.
5 Moa fifadiana toy
izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian'ny olona tena? Ny hampiondrika
ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho
fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan'i
Jehovah?
6 Tsy izao va no
fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy
hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary
hanapatapaka ny zioga rehetra?
7 Moa tsy ny hizara
ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba
hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao*
ianao? [Heb. hiery ny nofonao]
8 Fa raha izany, dia
hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana
ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i
Jehovah ho vodi-lalanao
9 Ary amin'izany dia
hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy
hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny
fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
10 Ary afoinao ho
an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao
amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
11 Ary Jehovah
hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany
karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha
vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
12 Ary izay taranakao
no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no
hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana
honenana amin'ny tany.
13 Raha miaro ny
tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina,
ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe
mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy* ary tsy mandeha amin'ny lalanao,
na manao izay tianao, na miteniteny foana, [Na: Azy]
14 Dia hiravoravo
amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy
hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
1 [Ny amin'ny ota,
izay efitra fisarahana, sy ny fandravana azy] Indro, ny tànan'i Jehovah tsy
fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
2 Fa ny helokareo no
efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no
mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
3 Fa ny tananareo dia
voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo
miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
4 Tsy misy mitory
olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky;
matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka
miteraka fandozana.
5 Mikotrika ny
atodin'ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny
dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
6 Ny tranon-kalany
tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa
fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
7 Ny tongony miriotra
ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana
fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
8 Ny lalan'ny fiadanana
tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny
lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
9 Ary noho izany dia
lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry
ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny
aizim-pito ihany no andehanantsika.
10 Mitsapatsapa
manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy
mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina
isika, ary eo amin'ny matanjaka* dia tahaka ny maty isika. [Na: any an-efitra]
11 Isika rehetra
mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny
rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
12 Fa efa betsaka eo
anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny
fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
13 Dia ny miodina sy
ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny
miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona* sy mamoaka teny lainga avy
ao am-po. [Heb. torontoronina]
14 Nahemotra ny
rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny
fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
15 Eny, tsy eo ny
fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny
sasany. Ary hitan'i Jehovah ny tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
16 Eny, hitany fa tsy
nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny
ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
17 Niakanjo
fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena
no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny
fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
18 Araka ny asa natao
no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho
an'ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
19 Ary hatrany
andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny
hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria,
Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah*.[Na: Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo. Ny
Fanahin'i Jehovah hanangana faneva hisakana azy]
20 Dia hisy
Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny
fahadisoana, hoy Jehovah.
21 Raha Izaho, dia
izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko
izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny
taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho
mandrakizay, hoy Jehovah.
1 [Ny ho voninahitr'i
Jerosalema amin'ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,
ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
2 Fa, indro, ny aizina
manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no
iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
3 Ary ny firenena
manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny
fiposahanao.
4 Atopazy manodidina
ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy
dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
5 Ary hahita
izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao;
fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny
firenena.
6 Ho feno ny
rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy
avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary
ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
7 Ny ondry
aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i
Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny
alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
8 Iza moa ireto
manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
9 Fa Izaho no
andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao
avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah
Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome
voninahitra anao Izy.
10 Ary ny hafa
firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny
fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo
aminao,
11 Ary
hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina,
hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao
aminao.
12 Fa ho levona izay
firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana
tokoa.
13 Ny voninahitr'i
Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa
handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
14 Ny zanak'izay
nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny
faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i
Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely.
15 Ho solon'ny
nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao,
dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny
taranaka fara mandimby.
16 Ary hinono amin'ny
jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho
Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
17 Hahatonga volamena
Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho
solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary
ny fahamarinana no ho mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao
ary fahamarinana ny mpampiasa anao]
18 Ny fampahoriana
tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao
anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny
vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
19 Tsy ny masoandro
intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no
hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao
no ho voninahitrao.
20 Tsy hilentika
intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana
anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
21 Ary ny olonao
rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly
maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
22 Ny kely ho tonga
arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana
izany amin'ny fotoany.
*
1 [Ny amin'ny
Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny
Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory
teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny
torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao
an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]
2 Hitory taona
ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny
malahelo rehetra,
3 Hanolotra ho an'ny
malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo
fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy
reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho
fampisehoam-boninahitra.
4 Koa hatsangana ny
efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny,
dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa
ela.
5 Ary ny vahiny
honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa
tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
6 Fa ianareo kosa no
hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika
no hilazana anareo ho lasanareo* ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra
azy ianareo**. [*Heb. Hohaninareo][**Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny]
7 Ny henatrareo
hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany;
ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana
mandrakizay no ho azy.
8 Fa Izaho Jehovah
dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny
valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko
aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana]
9 Ny taranany ho
fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra
mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.
10 Hifaly dia hifaly
amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany
fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra
misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny
firàvany.
11 Fa tahaka ny tany
mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao
aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo
anatrehan'ny firenena rehetra.
1 [Ny handrosoan'ny
voninahitr'i Jerosalema] Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy
hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany
tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo
mirehitra.
2 Ny firenena hahita
ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena
anaram-baovao ianao, Izay hotononin*'ny vavan'i Jehovah; [Heb. hotendren']
3 Ka dia ho tonga
satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo
am-pelatanan'Andriamanitrao.
4 Hianao tsy hatao
intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe
Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah
ianao, ary ny taninao hampanambadina.
5 Fa tahaka ny zatovo
mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao* anao; ary tahaka
ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao
aminao. [Heb. zanakao-lahy]
6 Efa nanendry
mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na
andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro
an'i Jehovah, aza mitsahatra;
7 Ary aza mamela Azy
hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny
tany.
8 Jehovah efa
nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy
homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy
hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
9 Fa izay nijinja azy
no hihinana azy ka hidera an'i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao
amin'ny kianjako masina.
10 Mivoaha, mivoaha
amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny
lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.
11 Indro, Jehovah efa
nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona
zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao
aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
12 Ary Ireny
hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia
hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
1 [Ny hamaliana an'i
Edoma sy ny jentilisa sasany koa] Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra,
ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy
miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady
manan-kery hamonjy.
2 Nahoana no mena ny
fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an'izay manosihosy ny
famiazam-boaloboka?
3 Nanosihosy ny
famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena
na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy
azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko
ny akanjoko rehetra.
4 Fa efa ato am-poko
ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan'ny voavotro.
5 Nitsinjo Aho, nefa
tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny
sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
6 Nanitsaka firenena
tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary
nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.
*
7 [Fivavahana sy
fiaiken-keloka ary fiderana noho ny famonjen'Andriamanitra hatramin'ny taloha]
Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka
izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny
taranak'Isiraely. Izay
nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.
8 Fa hoy Izy:
Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
9 Tamin'ny
fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy
ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy
ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.
10 Fa ireo kosa
dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka
niady taminy.
11 Ary ny olony dia
nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin'i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy
mbamin'ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin'ny ranomasina? Aiza Ilay
nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
12 Dia Ilay nampandeha
ny sandriny be voninahitra teo ankavanan'i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina
teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
13 Dia Ilay nitondra
azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan'ny soavaly eny an-tany lemaka, ka
tsy tafintohina izy?
14 Tahaka ny
fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah
fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana
anarana be voninahitra ho Anao.
15 Mitsinjova eny
an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny fahamasinanao sy ny voninahitrao;
aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny
famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
16 Kanefa Hianao no
Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay,
Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
17 Jehovah ô, nahoana
no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny
fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena
lovanao.
18 Vetivety foana no
nananan'ny olonao masina ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao
masina.
19 Efa tonga hoatra
izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny
anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka
hihorohoro* eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]
1 Dia tahaka ny
fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba
hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny
jentilisa.
2 Raha nanao
zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro* teo
anoloanao ny tendrombohitra.
3 Fa hatrizay
hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay
Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao. [Na: niempo]
4 Mitsena* izay
mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro,
Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka** izahay; Hatramin'ny ela dia izany no
toetray, ka dia hovonjena va? [*Na: Miantra][**Na: ary efa nanota]
5 Fa samy efa tahaka
ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay
rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay
tahaka ny rivotra,
6 Tsy misy miantso ny
anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao
ka nandevona anay noho ny helokay.
7 Fa ankehitriny,
Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary
asan'ny tananao izahay rehetra.
8 Aza dia tezitra mafy
loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao,
tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
9 Tonga efitra ireo
tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
10 Ny tranonay masina
sady mendrika, Izay nideran'ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny
zavatray mahafinaritra rehetra.
11 Ary mbola
mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va
Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
1 [Ny fandavan'i
Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho
amin'ny mibebaka] Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy
Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty
Aho!
2 Namelatra ny tanako
mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana
tsy tsara araka ny fisainany ihany,
3 Dia firenena izay
nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao
fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny
tanimanga,
4 Dia izay mipetraka
any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana
henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
5 Izay manao hoe:
Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia
setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
6 Indro, izao no
voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo* eny,
mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo** [*Heb. azy][**Heb. tratrany]
7 Ny helokareo sy ny
heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra
teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny
valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
8 Izao no lazain'i
Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe:
Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny
amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9 Hahatonga taranaka
avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo
voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
10 Sarona ho tonga
fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay
nitady Ahy.
11 Fa ny aminareo
izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra
latabatra ho an'i Gada* sy mampidina** divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny,
[*Gada = Zara, ary Meny = Vintana; samy anaran'andriamani-tsi-izy ireo][**Heb.
mameno]
12 Dia hotendreko ho
voan'ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa
tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo
imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho
mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro,
ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
14 Indro, ny
mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny
alahelom-po* sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy**.[*Heb.
fanaintanam-po][**Heb. fahatorotoroam-panahy]
15 Ary hamela ny
anaranareo ho fiozonana amin'ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah
Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
16 Ka izay miarahaba tena
etỳ ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny
Amena*; ary izay mianiana etỳ ambonin'ny tany dia hianiana
amin'Andriamanitry ny Amena*, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady
voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]
17 Fa, indro, Izaho
mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha,
na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18 Fa mifalia kosa sy
miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i
Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
19 Dia ho faly amin'i
Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any
intsony, na ny feo mitaraina.
20 Ary na dia ny zaza
minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy
nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona
aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny
mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona]
21 Hanao trano ny
olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra
aminy.
22 Tsy hanao trano
hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny
andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny
tanany.
23 Tsy hisasatra
foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i
Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy*.[Na: Mbamin'ny terany koa]
24 Raha tsy mbola
miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
25 Ny amboadia* sy ny
zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny
menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny
tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]
1 [Ny toe-panahin'ny
tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy izy, ary ny fandrosoan'ny Fiangonana sy ny
hamoriana ny firenena rehetra hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy
fanahy] Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany
no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana
manao ahoana no ho fitsaharako ?
2 Fa izao zavatra
izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao
no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra
noho ny teniko.
3 Izay mamono omby
dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny
mamolaka ny vozon'alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny
manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho
fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny
nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny tamin'ny
fahavetavetany,
4 Dia tahaka izany
kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho
aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy;
Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
5 Mihainoa ny tenin'i
Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay
mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny
voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa
ireny ho menatra kosa.
6 Injany! horakoraka
any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny
ataon'ny fahavalony.
7 Fony mbola tsy
nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia
velon-jazalahy.
8 Iza akory no efa
nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany
hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao
narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
9 Izaho moa hahatonga
ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka,
nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
10 Miaraha mifaly
amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka
hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
11 Mba hinonoanareo
sy hivokisanareo amin'ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka
hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny.
12 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny
voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary
hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
13 Tahaka ny olona
ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana
anareo.
14 Dia hahita izany
ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny
ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho
tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.
15 Fa, indro, Jehovah
ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana
amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.
16 Fa ny afo sy ny
sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny
voaringan'i Jehovah.
17 Izay manamasina sy
manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary
mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona
avokoa, hoy Jehovah.
18 Fa Izaho dia
hamaly* ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny
samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.[Na: mahalala]
19 Ary hasiako
famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny
jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia*, izay manenjana tsipìka, Ary
ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola
nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny
jentilisa izy.[Heb. Loda]
20 Ary hitondra ny
rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin'ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho
an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary
mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro
masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra
hohanina ao anatin'ny vilia madio ho any an-tranon'i Jehovah;
21 Ary avy amin'ireo
aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
22 Fa tahaka ny
lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy
Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
23 Ary isaky ny
voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo
anatrehako, hoy Jehovah.
24 Ary hivoaka izy
ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho
faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana
izy.