[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
Salamo
Accès direct aux cinq
livres des Psaumes : Livre 1 (Ps. 1 à 41), Livre 2 (Ps. 42 à 72), Livre 3 (Ps. 73
à 89), Livre 4 (Ps. 90 à 106), Livre 5
(Ps. 107 à 150)
1 [BOKY VOALOHANY][Ny
tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy
mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana
falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
2 Fa ny lalàn'i Jehovah no
sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
3 Dia tahaka ny hazo ambolena
eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba
malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
*
4 Fa tsy mba toy izany ny
ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.
5 Ary noho izany ny ratsy
fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny
fiangonan'ny marina.
6 Fa fantatr'i Jehovah ny
lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny
fahaverezana.
1 [Ny mpikomy
amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary
misaina anoano foana ny firenena?
2 Ireo mpanjakan'ny tany
mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany
ka manao hoe:
3 "Aoka hotosantsika ny
famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
*
4 Izay
mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5 Dia hiteny
azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
6 "Izaho
kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
*
7 "Hilaza
zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka
anao androany.
8 Mangataha amiko,
dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
9 Hotorotoroinao
amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao
azy."
*
10 Ary amin'izany dia
hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
11 Manompoa an'i
Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
12 Manoroha ny
zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety
dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra
izay rehetra mialoka aminy.
*
Psaume de David,
lorsqu’il s’enfuyait de devant Absalom, son fils.
1 [Ny fahatokian'izay manana
an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i
Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato
hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
2 Maro no milaza ny
fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
3 Kanjo Hianao,
Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
*
4 Amin'ny feoko
no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
5 Izaho nandry
ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
6 Tsy hatahotra
olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
*
7 Mitsangàna,
Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko
rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.
8 An'i Jehovah
ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao*.[Na: Ho amin'ny olonao ny
fitahianao]
Au chef de musique. Sur
Neguinoth*. Psaume de David.
1 [Fivavaky ny
azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira.
Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia
ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia
nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
*
2 Ry lehibe,
mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana
sy hamoron-dainga ianareo?
3 Kanefa aoka ho
fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino,
raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny]
4 Tezera*, fa aza
manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]
5 Manatera
fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
*
6 Maro no niteny hoe:
iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7 Efa nasianao
fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny
ranom-boalobony.
8 Handry amin'ny
fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no
mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
Au chef de musique. Pour
Nehiloth*. Psaume de David.
1 [Salamo hatao amin'ny
maraina, milaza ny amin'ny olona mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny
hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina.
Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
2 Henoy ny feon'ny
fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
*
3 Jehovah ô, maraina no
handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako* aminao, ka hanandrandra
aho.[Heb: handaharako]
4 Fa tsy Andriamanitra
mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5 Tsy hahazo mijanona eo
imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
6 Haringanao ny mpiteny
lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho
zava-betaveta.
7 Fa izaho kosa noho ny
haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny
lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.
*
8 Jehovah ô, tariho amin'ny
fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny
lalanao.
9 Fa tsy misy azo itokiana ny
aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana*; fasana misokatra ny
tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
*
10 Helohy izy, Andriamanitra
ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany,
satria efa niodina taminao.
11 Dia hifaly izay rehetra
mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho
ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
12 Fa Hianao, Jehovah ô,
mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga
lehibe.
Au chef de musique. Sur
Neguinoth, sur Sheminith*. Psaume de David.
1 [Fivavaky ny olona
anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha.
Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no
ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2 Mamindrà fo amiko,
Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
3 Ny fanahiko koa dia
mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
*
4 Miverena, Jehovah
ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
5 Fa tsy misy fahatsiarovana
Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera
Anao?[Heb. Sheola]
6 Efa sasatry ny
misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady
mahampo-dranomaso ny fandriako.
7 Lanin'alahelo ny
masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
*
8 Mialà amiko,
ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
9 Jehovah efa nandre
ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.
10 Ho menatra sy
hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
Shiggaïon* de David, qu’il chanta à l’Éternel à
l’occasion des paroles de Cush, le Benjaminite.
1 [Fiantsoana
an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho
an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no
ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
2 Fandrao ny fanahiko
viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
*
3 Jehovah Andriamanitro ô,
raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
4 Raha namaly ratsy izay
tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy
ahoana* [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika
ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany,
ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
*
6 Jehovah ô, mitsangàna
amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary
mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
7 Aoka ny firenena maro
hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
*
8 Jehovah hitsara ny
firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
9 Aoka ho tapaka ny ratsy
ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no
mamantatra ny fo sy ny voa.
*
10 Ny ampingako dia
ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
11 Mpitsara marina
Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
12 Raha tsy
ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka
manamboatra azy,[Na: iverenana]
13 Ary ireo dia
kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
14 Indro, efa marary
hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*;
[Heb: lainga]
15 Mihady lavaka izy
ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
16 Mitsingerina
ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no
ianjeran'ny loza nataony.
*
17 Hidera an'i
Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo
Indrindra.
Au chef de musique. Sur
Guitthith*. Psaume de David.
1 [Ny
voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny
mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey
ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra
ny voninahitrao.
2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy
madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba
hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
*
3 Raha jereko ny lanitrao,
izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4 Inona moa ny olona,
no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
5 Fa efa nataonao
ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy
fiandrianana.
6 Efa nampanjakainao
amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny
tongony,
7 Dia ny ondry
aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
8 Mbamin'ny
voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny
lalan-dranomasina.
9 Jehovah
Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
*
Au chef de musique. Sur
Muth-Labben*. Psaume de David.
1 [Salamo abidy.
Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny
mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah
amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
2 Ho faly sy ho
ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
*
3 Satria lasa
nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
4 Fa efa nitsara ahy
Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho
Mpitsara marina.
5 Efa nanarinao mafy
ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho
faty mandrakizay doria.
6 Ny amin'ny
fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa
noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka
ho mandrakizay ny fandravana]
7 Kanefa Jehovah
mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
8 Ary Izy hitsara
izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny
fahitsiana Izy.
9 Ka dia Jehovah no
ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana
Izy.
10 Ary hatoky Anao
izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
*
11 Mankalazà an'i
Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.
12 Fa izay
manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
13 Mamindrà fo amiko,
Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra
ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
14 Mba holazaiko
avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no
hifaliako amin'ny famonjenao.
*
15 Ny jentilisa efa
latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa
nahazo ny tongony,
16 Jehovah efa nanao
izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny
asan'ny tànany Izy.
17 Hiverina ho any
amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay
manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]
18 Fa tsy ho
mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny
fanantenan'ny mahantra.
*
19 Mitsangàna,
Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny
jentilisa.
20 Asio
fampahatahorana* izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany
izy. [Na: fampianarana]
1 [Salamo abidy.
Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô,
nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?
*
2 Noho ny
fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo*; azon'ny fahendrena
nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]
3 Ny ratsy fanahy
mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
4 Ny ratsy
fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy
Andriamanitra" no tontalin-keviny.
5 Tanteraka*
mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny
mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]
6 Hoy izy
am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
7 Feno ozona sy
fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy
fampahoriana sy faharatsiana.
8 Mamitsaka
amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina;
ny masony mikendry ny mahantra.
9 Manotrika ao
an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra
ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.
10 Torotoro sy
mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.
11 Hoy izy
anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy
hahita mandrakizay.
*
12 Mitsangàna,
Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
13 Nahoana no
mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy
hanadina Hianao?
14 Efa nahita
ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao.
Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
15 Torotoroy ny
sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy
hisy hitanao intsony.
*
16 Jehovah no
Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny
jentilisa.
17 Efa
nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady
mampihaino ny sofinao,
18 Hanomezanao
rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny
zanak'olombelona etỳ an-tany.
*
Au chef de musique. De
David.
1 [Ny avalin'ny mahery
finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida.
Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho
any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely]
*
2 Fa, indro, ny ratsy fanahy
manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy
izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
3 Fa rava ny
fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]
4 Jehovah dia ao
amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny
masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
*
5 Jehovah mizaha
toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy
halan'ny fanahiny.
6 Handatsaka fandrika
amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary
rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
7 Fa marina Jehovah,
ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no
hitan'ny tavany]
Au chef de musique. Sur
Sheminith. Psaume de David.
1 [Fitarainana noho ny
tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo
nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy
mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
*
2 Samy milaza lainga amin'ny
namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
3 Holevonin'i Jehovah anie ny
molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
4 Izay manao
hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
5 Noho ny
fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho
ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany*. [Na: Hataoko
mahita ny famonjena iriny izy]
*
6 Ny tenin'i
Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka
mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
7 Hianao,
Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity
taranaka ity.
*
8 Raha avy izay
isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo
ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana
ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
Au chef de musique. Psaume de David.
1 Ho an'ny mpiventy
hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao
ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
2 Mandra-pahoviana no
mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro?
Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?
3 Jereo aho ka valio,
Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso
fahafatesana aho;
4 Fandrao ny
fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha
mangozohozo aho.
5 Fa raha izaho kosa,
dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.
*
6 Hihira ho an'i
Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;
Au chef de musique. De
David.
1 [Ny faharatsian'ny olona,
sy ny fanirian'ny sasany famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo
hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao
ny tsara.
*
*
2 Eny an-danitra
Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady
an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy
rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory
aza.
*
4 Tsy mahalala va ny
mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah
tsy antsoiny?
5 Indreo, matahotra
dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
6 Na dia foananareo
aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.
*
7 Enga anie ka
hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy
amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Psaume de David.
1 [Ny toetry ny olona
izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô,
iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao
masina?
*
2 Izay mandeha tsy
misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
3 Tsy
manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy
manao izay hahafa-baraka ny namany,
4 Tsy manaja ny ratsy
fanahy*, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny
fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry
sy maniva tena]
5 Sady tsy mampihana
ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia
tsy mba hangozohozo mandrakizay.
*
Mictam* de David.
1 [Ny fahatokiana
an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny
fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka
aminao aho.
*
2 Hoy izaho ny amin'i
Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
3 Ary ny amin'ny
olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra*.
[Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay
sitrako indrindra]
*
4 Ho be ny
fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny
fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
5 Jehovah no anjara
lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
6 Ny voafaritra ho
anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7 Hisaotra an'i
Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra* ahy
ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako]
8 Ataoko eo
anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo
aho.
9 Izany no ifalian'ny
foko sy iravoravoan'ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana
ahiahy.[Heb: voninahitro]
10 Fa tsy ho foinao
ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka
ao amin'ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny
lò]
11 Hampahafantatra
ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary
fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
Prière de David.
1 [Fivavaky ny ory
mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony]
Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako,
atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
2 Hivoaka avy eo
anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
3 Nizaha toetra ny
foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao,
fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na:
fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny
vavako aho]
4 Ny amin'ny asan'ny
olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao
an-keriny.
5 Ny diako maharitra
eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
*
6 Izaho miantso Anao,
ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny
teniko.
7 Ataovy mahagaga ny
famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka
aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny
anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon'ny
ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina
ahy.
10 Efa mihirim-belona
izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
11 Manodidina anay*
amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na:
Ahy]
12 Ny fijery azy dia
tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao
am-pierena.
13 Mitsangàna,
Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho
azon'ny ratsy fanahy;
14 Vonjeo amin'ny
tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana
ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro
anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.
*
15 Fa izaho kosa, dia
aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy,
raha mifoha.
*
Au chef de musique. Du
serviteur de l’Éternel, de David, qui adressa à l’Éternel les
paroles de ce cantique, le jour où l’Éternel l’eut délivré de la
main de tous ses ennemis, et de la main de Saül. Et il dit :
1 [Fitantaran'i Davida ny
namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida,
mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity
tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra,
indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao,
Jehovah Heriko ô.
2 Jehovah no harambatoko sy
batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy
ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
3 Miantso an'i Jehovah izay
mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
*
4 Nihodidina tamiko ny
famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5 Ny famatoran'ny
fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny
fahafatesana.[Heb: Sheola]
6 Fony azom-pahoriana aho,
dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko
tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo
an-tsofiny.
*
7 Dia nihozongozona sy
nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny,
nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
8 Nisy setroka nisavoana teo
am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda
teo aminy.
9 Dia naondriny ny lanitra,
ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
10 Dia nitaingina kerobima
Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
11 Efa nanao ny maizina ho
fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly* rahona
matevina.[Heb: aizin-drano]
12 Ary teo amin'ny
famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy
vainafo.
13 Dia nampikotroka
tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
14 Dia nandefa ny
zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka
azy.
15 Dia hita ny
mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao,
Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
16 Naninjitra
ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano
be Izy;
17 Namonjy ahy
tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko
ireny
18 Nisakana ahy
tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
*
19 Dia nitondra
ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
20 Nanisy soa
ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany
ahy.
21 Fa
nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana
tamin'Andriamanitro;
22 Ny fitsipiny
rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
23 Tsy
nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
24 Koa namaly
ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo
imasony.
25 Ny olona tsara no
isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
26 Ny madio no
isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*.
[Heb: miolakolaka]
27 Fa Hianao mamonjy
ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
28 Fa Hianao
mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
29 Fa Hianao no
ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no
ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
*
30 Raha ny
amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra
amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
31 Fa iza no
Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32 Izany
Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
33 Manao ny tongotro
ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
34 Mampianatra ny
tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
35 Omenao ahy ny
ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny
fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
36 Halalahinao ny
lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
37 Manenjika ny
fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny
ritrany.
38 Mamely mafy azy
aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
39 Hianao mampisikina
ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
40 Ary ataonao
miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
41 Mitaraina izy, fa
tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
42 Torotoroiko
madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny
an-dalambe no fanariko azy.
*
43 Mamonjy ahy
amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny
firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
44 Raha vao mahare ny
lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy*. [Na:
Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]
45 Ny hafa firenena
dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
*
46 Velona Jehovah;
isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
47 Dia Andriamanitra,
Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
48 Mamonjy ahy
amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana
hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.
49 Koa izany no
hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny
anaranao.
50 Manao
famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny
voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
*
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fanehoana ny
voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho
an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny
voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
2 Ny andro samy miteny
amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina
mandimby azy.
3 Tsy misy teny
na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na:
Izay tsy re ny feony]
4 Efa nivoaka
ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny
faran'izao rehetra izao. Trano-lay
ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
5 Ary ny masoandro
dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly
tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
6 Any amin'ny
faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka
tsy misy takona amin'ny hafanany.
*
7 Tsy misy tsiny ny
lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i
Jehovah, mahahendry ny kely saina.
8 Mahitsy ny
fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny
maso.
9 Madio ny
fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah,
eny, mahitsy avokoa.
10 Irina noho ny
volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny
tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
11 Ary ny mpanomponao
dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
*
12 Raha ny
fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny
amin'izay ota tsy fantatra.
13 Arovy ny
mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho
marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.
14 Aoka ny tenin'ny
vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô,
Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Vavaka ho an'ny mpanjaka
raha mivoaka hanafika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino
anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo
anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.
2 Hahatonga famonjena ho anao
avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
3 Hahatsiaro ny fanatitra
hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.
4 Hanome anao araka ny fonao
anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
5 Aoka hihoby noho ny
famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay
faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
*
6 Ankehitriny dia fantatro fa
Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany
Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
7 Ny sasany mitoky amin'ny
kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i
Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
8 Ireo dia reraka
sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
9 Jehovah ô, vonjeo
ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah
ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny
Mpanjaka]
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fisaorana atao rehefa
miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny
hiravoravoany amin'ny famonjenao!
2 Ny nirin'ny fony dia
nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
3 Fa notsenainao
fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
4 Aina no nangatahiny
taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
5 Lehibe ny
voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
6 Fa nataonao ho
fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
7 Fa ny mpanjaka
matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy
hangozohozo izy.
*
8 Ho azon'ny tananao
ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
9 Hataonao tahaka ny
fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy
amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
10 Ny zanany*
haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny
zanak'olombelona;[Heb: vokany]
11 Fa nikasa hanisy
ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
12 Fa hampiamboho azy
ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
13 Misandrata amin'ny
herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
*
Au chef de musique. Sur
Ajéleth-Hashakhar*. Psaume de David.
1 [Fitarainana mafy noho ny
fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny
fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida.
Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny
famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
2 Andriamanitro ô,
miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita
fiononana aho.
3 Kanefa masina
Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
*
4 Hianao no
nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5 Hianao no
nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6 Ary izaho dia
olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
7 Izay rehetra mahita
ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8 Ankino amin'i
Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha
mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
9 Fa Hianao no
nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola
nampinonoin'ny reniko;
10 Nankinina
taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro
Hianao.
11 Aza
manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
*
12 Mitangorona amiko
ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
13 Misanasana vava
amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14 Efa rano aidina
aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko
izy.
15 Maina tahaka ny
tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny
vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
*
16 Fa mitangorona
amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny
tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny
liona izy]
17 Mahisa ny taolako
rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18 Mizara ny
fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
19 Fa Hianao, Jehovah
ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
20 Vonjeo amin'ny
sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
21 Vonjeo amin'ny
vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo
amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
*
22 Hitory ny anaranao
amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
23 Hianareo izay
matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza
voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
24 Fa tsy manao
tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany
aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
*
25 Avy aminao no
ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo
anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
26 Hihinana ny
mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona
mandrakizay anie ny fonareo.
*
27 Hahatsiaro ka
hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo
anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28 Fa an'i Jehovah ny
fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
29 Hihinana sy
hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no
hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny
ainy.[Heb: matavy]
*
30 Hisy taranaka
hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.
31 Hisy ho avy ka
hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao
izany.
Psaume de David.
1 [Ny Mpiandry Tsara]
Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
2 Mampandry ahy
amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Mamelombelona ny
fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
*
4 Eny, na dia mandeha
mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza
aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra
ahy.
5 Mamelatra latabatra
eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao;
ny kapoakako feno dia feno.
*
6 Eny tokoa, fahasoavana
sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao
an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
De David.
Psaume.
1 [Fiomanana handray
ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy
izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
2 Fa Izy no nanorina
azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
3 Iza no
hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny
fitoerany masina?
4 Izay madio
tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na
mianiana hamitaka.
5 Handray
fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny
famonjena azy.
6 Izany no
taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny
tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba]
*
7 Asandrato ny
lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba
hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay]
8 Iza izao
Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
9 Asandrato ny
lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2
mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.
10 Iza ary izao
Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny
voninahitra.
*
De David.
1 [Salamo abidy.
Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no
anandratako ny fanahiko.
2 Andriamanitro ô,
Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko
aho.
3 Eny, tsy hisy ho
menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
*
4 Ampahafantaro ny
lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
5 Tariho amin'ny
fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
Hianao no andrasako mandritra ny andro.
6 Tsarovy ny antranao
sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
7 Aza ny fahotan'ny
fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny
famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
*
8 Tsara sy mahitsy
Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
9 Mitarika ny
mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
10 Ny lalan'i Jehovah
rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny
teni-vavolombelony.
11 Noho ny anaranao,
Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
12 Iza no lehilahy
matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
13 Ny fanahiny hitoetra
amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
14 Ny fisainan'i
Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny
azy.
15 Ny masoko mijery
an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika
harato.
*
16 Todiho aho, ka
amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
17 Ny fahorian'ny
foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.
18 Jereo ny fahoriako
sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
19 Jereo ny
fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
20 Arovy ny fanahiko,
ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
21 Aoka ny
tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
22 Andriamanitra ô,
afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
De David.
1 [Fangatahana mba
tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa
mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana
aho.
2 Diniho aho, Jehovah
ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3 Fa ny
famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4 Tsy mba
miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5 Halako ny
fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6 Manasa ny tanako
noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7 Mba hanao feo
fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8 Jehovah ô, tiako ny
trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
9 Aza mitondra ny
fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10 Izay misy
fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11 Fa izaho kosa dia
mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
12 Ny tongotro mijoro
eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
De David.
1 [Fahatokiana an'i
Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy
famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza
no hangovitako?
*
2 Raha manatona ahy
hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy
ihany no tafintohina ka lavo.
3 Na dia misy
antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra
amiko aza, dia hatoky ihany aho.
4 Zavatra iray loha
no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao
an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny
fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5 Fa hanafina ahy ao
an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao
an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
6 Koa dia hisandratra
ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra
hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
*
7 Mihainoa, Jehovah
ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8 Raha hoy Hianao:
tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no
tadiaviko, Jehovah ô;
9 Aza manafina ny tavanao
amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao;
aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10 Fa ny raiko
aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia
mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho]
11 Ampianaro ny
lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny
fahavaloko.
12 Aza manolotra ahy
ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay
mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
13 Raha izay re aho
no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.
*
14 Miandrasa an'i
Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.
De David.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra
hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no
antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao,
raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
2 Mihainoa ny feon'ny
fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny
fitoeranao masina indrindra aho.
3 Aza atao indray
manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza
fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
4 Manomeza azy araka
ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny
tànany, valio izy araka izay iendrehany.
5 Fa tsy mihevitra ny
asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy
haoriny.
*
6 Isaorana anie
Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.
7 Jehovah no heriko
sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka
ny hirako no hiderako Azy.
8 Jehovah no
heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.
9 Vonjeo ny
olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento]
Psaume de
David.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny
kotrokorana] Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry
zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
2 Omeo an'i
Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny
fihaingoana masina.
*
3 Ny feon'i
Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no
mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.
4 Ny feon'i
Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.
5 Ny feon'i
Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any
Libanona.
6 Dia
mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny
zanaky ny ombimanga.
7 Ny feon'i
Jehovah mampisaraka ny lelafo;
8 Ny feon'i
Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.
9 Ny feon'i
Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny
samy manao hoe: Voninahitra e!
*
10 Jehovah
nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka
mandrakizay.
11 Jehovah
hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.
Psaume. Cantique de
dédicace de la maison. De David.
1 [Fisaorana nataon'izay
narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny
nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa
nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2 Jehovah
Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3 Jehovah ô, efa
nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody
ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
*
4 Mankalazà an'i
Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]
5 Fa indray mipi-maso
ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony
maraina kosa dia misy fihobiana.
6 Ary hoy izaho, raha
mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
7 Jehovah ô, noho ny
fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao
Hianao, dia ory aho.
8 Hianao no
nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9 Inona no soa azo
amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara
ny fahamarinanao va izany?
10 Mihainoa, Jehovah
ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11 Efa nampody ny
fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka
nampisikina ahy fifaliana,
12 Mba
hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera
Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fitarainana nataon'izay
tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah
ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo
amin'ny fahamarinanao aho.
2 Atongilano amiko ny
sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy
batery fiarovana hamonjena ahy.
3 Fa harambatoko sy batery
fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao
ahy.
4 Hanafaka ahy amin'ny
fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana
mafy ho ahy.
5 Eo an-tananao no atolotro
ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny
fahamarinana.
*
6 Halako izay mivavaka
amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]
7 Hifaly sy ho ravoravo
amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny
fahorian'ny fanahiko,
8 ary tsy mba nangeja ahy teo
an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka
Hianao.
9 Mamindrà fo amiko, Jehovah
ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny
tenako.
10 Fa lanin'alahelo ny aiko,
sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa
lany ny taolako.
11 Noho ny ataon'ny
fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako
aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra
ahy.
12 Efa hadino tahaka ny olona
maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13 Fa mandre ny endrikendriky
ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy
izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
14 Nefa izaho matoky Anao,
Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
*
15 Eo an-tananao ny androko;
Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16 Ampamirapirato amin'ny
mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
17 Aoka tsy ho menatra aho,
Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka
hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]
18 Aoka hangina ny molotra
mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny
fanamavoana.
*
19 Akory re ny haben'ny
zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo
anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!
20 Hanafina azy ao amin'ny
fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona
izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra
izy.
21 Isaorana anie Jehovah; fa
nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22 Fa hoy izaho tamin'ny
fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny
fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
*
23 Tiava an'i Jehovah, ry
olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny
mpiavonavona Izy.
24 Mahereza, ary aoka
hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
De David. Instruction.
1 [Ny amin'ny famelan-keloka]
Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona
ny fahotany.
2 Sambatra ny olona izay tsy
isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
*
3 Raha nangina aho, dia
nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
4 Fa efa navesatra tamiko
andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana
amin'ny lohataona.
*
5 Ny fahotako nambarako taminao,
ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah
aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
6 Izany no aoka hivavahan'ny
tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na
dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
7 Hianao no fiereko, miaro
ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.
*
8 Hanome saina anao sy
hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka
hanolo-tsaina anao Aho.
9 Aza manahaka ny soavaly na
ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy
mety manakaiky anao izy.
*
10 Be ny fanaintainan'ny
ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny
famindram-po.
*
11 Mifalia amin'i Jehovah,
ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
1 [Fiderana an'Andriamanitra
Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah
ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
2 Miderà an'i Jehovah amin'ny
lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
3 Mihirà
fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
4 Fa mahitsy ny
tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
5 Tia fahamarinana sy
rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.
*
6 Ny tenin'i Jehovah
no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany
rehetra.
7 Mampiavosa ny rano
ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao
an-trano fitehirizana Izy.
8 Aoka hatahotra an'i
Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra
amin'izao tontolo izao.
9 Fa Izy no niteny
dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
*
10 Jehovah mahafoana
ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
11 Ny fisainan'i
Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara
mandimby.
*
12 Sambatra ny
firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho
lovany.
13 Eny an-danitra no
itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;
14 Eo amin'ny
fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,
15 Dia Izy Mpamorona
ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
16 Tsy misy mpanjaka
voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny
heriny.
17 Ny soavaly tsy azo
itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.
18 Indro, ny mason'i
Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
19 mba hanafaka ny
fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
*
20 Ny fanahintsika
miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
21 Fa Izy no
ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.
22 Jehovah ô, aoka ny
famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
De David, quand il
dissimula sa raison devant Abimélec**, qui le
chassa, et il s’en alla.
1 [Salamo abidy. Fisaorana sy
anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy
nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra
an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
2 Jehovah no
reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
3 Miaraha
mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
*
4 Mitady an'i
Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
5 Mijery Azy
ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
6 Ity
olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany
rehetra.
*
7 Ny Anjelin'i
Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
8 Andramo ka
izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
9 Matahora an'i
Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
10 Na dia ny liona
tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy
ho orin-java-tsoa akory.
*
11 Avia, anaka,
mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.
12 Na iza na iza
ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
13 Dia arovy ny
lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
14 Halaviro ny
ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
15 Ny mason'i
Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
16 Ny tavan'i
Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny
tany ny fahatsiarovana azy.
17 Mitaraina ny
marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.
18 Akaikin'izay
manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
*
19 Maro ny
fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
20 Miaro ny
taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
21 Hahafaty ny
ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
22 Fa Jehovah
manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra
mialoka aminy.
De David
1 [Fiantsoana
an'Andriamanitra hamaly ny ratsy ataon'ny mpanenjika] Nataon'i Davida. Jehovah
ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy.
2 Raiso ny
ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
3 Ary raiso ny
lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena
anao Aho.
*
4 Aoka ho
menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay
misaina hanisy ratsy ahy.
5 Aoka ho
tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah
handroaka azy.
6 Aoka ho
maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.
7 Fa tsy
ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy
ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
8 Aoka ny fandringanana
ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho
latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy.
9 Fa ny
fanahiko kosa hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.
10 Ny taolako
rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory
amin'izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?
*
11 Mitsangana ny
vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
12 Mamaly ratsy ahy
ho solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
13 Ary ny amiko, raha
narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny
ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
14 Toy ny nisy nanjo
ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny
fisaona reny aho.
15 Nefa nony ho lavo
kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely
ahy, nefa tsy fantatro*; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;[Na: Olona
faraidina, izay fantatro, no nitangorona hamely ahy]
16 Naman'ny
olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka* izy ka nihidy vazana
tamiko.[Heb. hahazoa-mofo; na;tena mpanendrikendrika indrindra]
*
17 Ry Tompo ô,
mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany,
ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.
18 Hisaotra Anao eo
amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
19 Aoka tsy
hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy
tsy ahoan-tsy ahoana.
20 Fa tsy fihavanana
no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.
21 Dia mitanatana
vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay.
22 Efa hitanao,
Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
23 Mahatsiarova, ka
mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho
amin'ny adiko.
24 Tsarao aho,
Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo
aho.
25 Aoka tsy hanao
anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
26 Aoka ho menatra sy
hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy
fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
27 Aoka hihoby sy
hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe:
hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.
28 Ary ny lelako
hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
Au chef de musique. Du
serviteur de l’Éternel. De David.
1 [Ny maharatsy ny miala
amin'Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy hira.
Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny
ratsy fanahy hoe*: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy
filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]
2 Fa miarahaba tena izy ny
amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
3 Ny tenin'ny vavany dia
faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
4 Faharatsiana no saintsaininy
eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba
laviny akory.
*
5 Jehovah ô, mipaka amin'ny
lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
6 Ny fahamarinanao dia tahaka
ny tendrombohitra avo dia avo*; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny
olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb:
tendrombohitr'Andriamanitra]
7 Endrey ny hatsaran'ny
famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny
zanak'olombelona.
8 Voky ny
matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
9 Fa ao aminao no
misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
10 Ampahareto
amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny
mahitsy fo.
11 Aoka tsy hanitsaka
ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.
12 Indreo! efa lavo
ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
De David.
1 [Salamo abidy. Ny
tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana
azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho
ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
2 Fa hojinjana
faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
3 Matokia an'i
Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny
fahamarinana.
4 Ary miravoravoa
amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
5 Ankino amin'i
Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
6 Ary hampiseho ny
fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny
mitataovovonana.
7 Miantombena tsara
miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina
amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
8 Mitsahara amin'ny
fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny
fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.
9 Fa ny mpanao ratsy
hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.
10 Fa rehefa afaka
kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho
hita izy.
11 Fa ny mpandefitra
kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
*
12 Ny ratsy fanahy
manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
13 Ny tompo mihomehy
azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
14 Ny ratsy fanahy
nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny
malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
15 Ny sabany
hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
16 Tsara
lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
17 Fa ny sandrin'ny
ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
18 Fantatr'i Jehovah
ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
19 Tsy mba ho menatra
amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
20 Fa ny ratsy fanahy
haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho
levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
21 Misambotra ny
ratsy fanahy, nefa tsy manohitra*; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na:
tsy mahonitra]
22 Fa izay tahìny no
handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
*
23 Avy amin'i Jehovah
no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
24 Na dia lavo aza
izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
25 Efa mba tanora
ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
26 Miantra
mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
27 Halaviro ny ratsy,
ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
28 Fa Jehovah tia
rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky
ny ratsy fanahy hofongorana,
29 Ny marina handova
ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
*
30 Ny vavan'ny marina
miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
31 Ny
lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
32 Mitsikilo ny
marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
33 Jehovah tsy
hahafoy azy eo an-tanany. Na
hanameloka azy, raha tsaraina izy.
34 Miandrasa an'i
Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho
faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
*
35 Efa hitako ny
ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry
ho azy;
36 Kanjo nandalo izy ka,
indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
37 Diniho ny mahitsy,
ka jereo ny marina; Fa misy farany* ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na:
taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany]
38 Fa ny mpanota
haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.
39 Fa ny famonjena ny
marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana
Izy.
40 Ary Jehovah
mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka
mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
Psaume de David, pour
faire souvenir.
1 [Fivavak'izay ory
dia ory indrindra] Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza
ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
*
2 Fa mitsatoka amiko
ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
3 Tsy misy
fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako
noho ny fahotako.
4 Fa ny heloko efa
mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
5 Maimbo sady mihady
ny feriko noho ny hadalako.
6 Mitanondrika sy
mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
7 Ary ny vaniako
henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
8 Marikoditra aho
sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.
*
9 Ry Tompo ô, eo
anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
10 Miemponempona ny
foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.
11 Ny olo-malalako sy
ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny
lavitra eny.
12 Mamela-pandrika
izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy
misaim-pitaka mandrakariva.
*
13 Fa izaho dia
tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
14 Eny, dia
tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
15 Fa ianao no
antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
16 Fa hoy izaho: sao
dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha
amiko izy.
17 Fa efa ho lavo
aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
18 Fa ny heloko no
hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo]
19 Fa ny fahavaloko
velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
20 Ary mamaly ratsy
ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.
21 Aza mahafoy
ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
22 Faingàna hamonjy
ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
Au chef de musique, à Jeduthun.
Psaume de David.
1 [Ny fahatsinontsinon'izao
fiainana izao] Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida.
Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako
fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
2 Nangina mihitsy aho,
namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza*, dia nihetsika mafy ny
fanaintainan'ny aretiko.[Na; na dia teo anatrehan'ny tsara fanahy aza]
3 Nafana ny foko tato
anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny
lelako aho.
4 Jehovah ô,ampahafantaro ny
farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
5 Indro efa nataonao
vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo
anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka
aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra]
6 Aloka tokoa no
fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa
tsy fantany izay ho tompon'izany.
*
7 Ary ankehitriny, inona no
andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
8 Manafaha ahy amin'ny
fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
9 Mangina aho ka tsy
miloa-bava fa ianao no nanao izao.
10 Aoka hitsahatra ny
fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.
11 Anatra noho ny
fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny
kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.
*
12 Mandrenesa ny
fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa
vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
13 Aza atrehinao aho
aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto
intsony.
*
Au chef de musique. De
David. Psaume.
1 [Fisaorana noho ny
famonjena efa azo sy fanolorana ny tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary
fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka
nandre ny fitarainako.
2 Dia nampakatra ahy avy tao
amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary
nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
3 Ary nanisy fihiram-baovao
teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra
ary hatoky an'i Jehovah.
*
4 Sambatra izay olona manao
an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika
ho amin'ny lainga.
5 Nohamaroinao ny fahagaganao
sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo
ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro
loatra izy ka tsy tambo isaina.
6 Ny fanatitra alatsa-drà sy
ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady* ny fanatitra
dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no
nohadinao]
7 Dia hoy izaho:inty aho
tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy.
8 Ny hanao ny sitraponao,
Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
9 Efa nilaza teny mahafaly ny
amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy
mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
10 Ny fahamarinanao tsy mba
nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy
nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.
11 Hianao, Jehovah ô, aza
miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao
hiaro ahy mandrakariva.
12 Fa nanodidina ahy ny
fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro
noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
13 Aoka ho sitraky ny fonao,
Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
14 Aoka ho indray menatra sy
mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay
mankasitraka ahy ho ory.
15 Aoka ho ankona noho ny
fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
16 Aoka ho faly sy ho
ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao
hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.
17 Fa na dia ory sy malahelo
aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela,
Andriamanitro ô.
Au chef de musique.
Psaume de David,
1 [Fitarainan'ilay
ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika] Ho an'ny mpiventy hira.
Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy
azy amin'ny andro fahoriana.
2 Jehovah hitandrina sy hiaro
azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao
amin'ny sitrapon'ny fahavalony.
3 Jehovah hanohana azy eo
ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
*
4 Hoy izaho:
Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
5 Ny fahavaloko
maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny
anarany?
6 Ary raha avy
mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny
tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
7 Mitakoritsika
ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
8 Tena
zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana
intsony.
9 Eny, ny
sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny
ombelahin-tongony hamely ahy.
10 Fa ianao
kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
*
11 Izao no
hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko
ahy.
12 Ary ny
amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo
anatrehanao mandrakizay.
13 Isaorana
anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka
mandrakizay. Amena dia Amena.
Au chef de musique.
Instruction. Des fils de Coré.
1 [BOKY
FAHAROA][Faniriana an'Andriamanitra raha lavitra an'i Ziona] Ho an'ny mpiventy
hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano
an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
2 Mangetaheta
an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga
aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
3 Ny ranomasoko no
fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay
Andriamanitrao?
4 Izao zavatra izao
no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka
tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo
mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
*
5 Nahoana no
mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà
an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.
6 Andriamanitro ô,
mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny
tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara.
*
7 Ny lalina miantso
ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny
alon-dranonao efa nanafotra ahy.
8 Jehovah handidy ny
famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka
amin'Andriamanitry ny aiko.
9 Hoy izaho
amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha
mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
10 Toy ny zavatra
mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro:
Aiza izay Andriamanitrao?
*
11 Nahoana no
mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny
tavako sady Andriamanitro.
1 Omeo rariny aho,
Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy
famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.
2 Fa Hianao no
Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha
mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
3 Ampandehano ny
fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any
an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao.
4 Dia hankany amin'ny
alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra;
ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
*
5 Nahoana no
mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
*
Au chef de musique. Des
fils de Coré. Instruction.
1 [Fivavaky ny Isiraely nony
saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy
hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô,
ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro
fahiny.
2 Ny tananao no nandroahanao
ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena
maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
3 Fa tsy ny sabany no
nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana
sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
*
4 Hianao dia Hianao
no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.
5 Hianao no
hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely
anay.
6 Fa tsy ny
tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
7 Fa namonjy
anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
8 Andriamanitra no
ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.
*
9 Fa efa nanary anay
ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny
miaramilanay Hianao.
10 Ataonao miamboho
ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
11 Atolotrao tahaka
ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa.
12 Mivarotra ny
olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny.
13 Ataonao
fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay
manodidina anay.
14 Ataonao ho
ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny
olona maro.
15 Tsaroako
mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
16 Noho ny feon'ny
mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
*
17 Izany rehetra
izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny
fanekenao.
18 Tsy mihemotra ny
fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay.
19 Nefa Hianao
nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia* sy nanarona anay tamin'ny
aloky ny fahafatesana.[Na: jakala]
20 Raha nanadino ny
anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,
21 Tsy handinika
izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
22 Fa noho ny aminao
no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
*
23 Mifohaza, ry
Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
24 Nahoana no
manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
25 Fa
miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay.
26 Mitsangàna
hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
Au chef de musique. Sur
Shoshannim*. Des fils de Coré. Instruction. Un
cantique du bien-aimé.
1 [Tonon-kiram-panambadiana,
fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim.
Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny
foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny
faingan-tsoratra ny lelako.
*
2 Tsara tarehy noho ny
zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no
nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay.
3 Fehezo eo am-balahanao ny
sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
4 Ary mitangena handroso soa
aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny
fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny
tananao ankavanana.
5 Ny zana-tsipìkanao dia
voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao
am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
*
6 Ny seza fiandriananao,
Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
7 Tianao ny fahamarinana, fa
halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo
fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
*
8 Miora sy hazo manitra* ary
kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly
anao.[Heb: ahalota]
9 Zanakavavin'andriamanjaka
no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka
volamena avy any Ofira.
10 Henoy, razazavavy, dia
jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
11 Raha irin'ny mpanjaka ny
hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.
12 Ary ny zanakavavin'i Tyro
hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.
13 Be voninahitra ny
zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
14 Mitafy lamba
misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay
manaraka azy dia entina ao aminao.
15 Entina amin'ny
fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
*
16 Ho solon-drainao
ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.
17 Hampahatsiaro ny
anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no
hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
Au chef de
musique. Des fils de Coré. Sur
Alamoth*. Chant.
1 [Fahatokiana
an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita;
At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora
azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
2 Koa izany no tsy
hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina
aza ny tendrombohitra,
3 Na mirohondrohona
sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny
fisafoakany.
*
4 Misy ony, koa ny
sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.
5 Andriamanitra no eo
afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva
ho maraina ny andro.
6 Nitabataba ny
firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy,
ka niempo ny tany.
7 Jehovah, Tompon'ny
maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
*
8 Avia, jereo ny
asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
9 Mampitsahatra ady
hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary
mandoro ny sariety amin'ny afo.
*
10 Mitsahara, ka aoka
ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy
hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.
*
11 Jehovah, Tompon'ny
maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
Au chef de musique. Des
fils de Coré. Psaume.
1 [Fihobiana noho ny
niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry
firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.
2 Fa Jehovah no avo
indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.
3 Mandresy firenena
maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.
4 Mifidy ny
lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany.
*
5 Efa niakatra
tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny
anjomara.
6 Mankalazà
an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
7 Fa Mpanjaka amin'ny
tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
8 Andriamanitra
manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianany masina.
9 Ny mpanapaka ny
firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa
an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.
Cantique. Psaume des
fils de Coré.
1 [Ny tsy nahazoan'ny
fahavalo hamely ny tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo
nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao
an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.
*
2 Avo mahafinaritra,
fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra,
tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
3 Andriamanitra ao
an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
4 Fa he! niangona ny
mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
5 Nijery izy ka
talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
6 Hovitra no nahazo
azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.
7 Amin'ny rivotra avy
any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy.
*
8 Araka izay efa
rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao
an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.
9 Efa nieritreritra
ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao.
10 Araka ny anaranao,
Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana
ny tananao ankavanana.
*
11 Aoka hifaly ny
tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny
fitsaranao.
12 Manodidina an'i
Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
13 Hevero tsara ny
mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka
mandimby.
14 Fa izany no
Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika
na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
*
Au chef de musique. Des
fils de Coré. Psaume.
1 [Ny fahafoanan'ny harena
amam-boninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena
rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
2 Na ny ambany,
na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
3 Ny vavako
hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
4 Hanongilana ny
sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko
amin-dokanga.
*
5 Nahoana no
hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny
mpamingana ahy,
6 Dia izay
matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
7 Tsy misy
mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
8 (Fa sarotra
avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
9 Mba ho velona
mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka*.[Na: ho tratry no lò]
10 Fa hita fa maty
ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny
fananany ho an'ny hafa.
11 Araka ny heviny
dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka
fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny*.[Na: Ankalazaina ny
anarany eny amin'ny tany maro]
12 Nefa na dia manana
voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy
maintsy ho faty izy.
13 Izany no
falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
14 Tahaka ny
fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita*; ny fahafatesana
no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho
levona any amin'ny fiainan-tsi-hita*, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]
15 Fa Andriamanitra
kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy
Izy*.[Na: Rehefa azony aho]
16 Aza matahotra
ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny
tranony;
17 Fa tsy hitondra na
inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
18 Na dia miarahaba
tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny
tenanao ianao -
19 Dia hankany
amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
20 Izay olona manana
voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho
faty.
*
Psaume
d’Asaph.
1 [Ny amin'ny
fivavahana marina sy ny fanatitra sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa.
Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany
hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
2 Avy ao Ziona, izay
tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.
*
3 Avy Andriamanitsika
ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no
manodidina Azy.
4 Miantso ny lanitra
any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
5 Angony etỳ
amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.
6 Hasehon'ny lanitra
ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
*
7 Mihainoa, ry oloko,
fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra,
dia Andriamanitrao.
8 Tsy ny fanatitrao
no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
9 Tsy maka
vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao;
10 Fa Ahy ny
biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
11 Fantatro ny
vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny
an-tsaha.
12 Raha mba
noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo
aminy.
13 Hihinana ny
nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy?
14 Manatera
fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny
voadinao;
15 Antsoy Aho amin'ny
andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
16 Fa amin'ny ratsy
fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao
ny fanekeko eo am-bavanao?
17 Fa ianao mankahala
fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
18 Raha mahita
mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.
19 Ny vavanao
alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
20 Mipetraka
miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika* ny
zanakalahin-dreninao.[Na: manosika]
21 Izany no
nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho!
Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
*
22 Mihevera
izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira
Aho, ka tsy hisy hamonjy.
23 Izay manatitra
fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no
hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
*
Au chef de musique.
Psaume de David ; lorsque Nathan le prophète vint à lui, après qu’il
fut entré vers Bath-Shéba.
1 [Fifonan'ny manan-keloka
mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny
mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy
rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny
fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2 Sasao madio aho mba
ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
3 Fa tsaroako ny
fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
4 Taminao dia taminao
ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina
Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5 Indro, tamin'ny
heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6 Indro, fahamarinana
ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao
ahy.
*
7 Diovy hysopa aho ho
afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny
oram-panala]
8 Ampandreneso
fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
9 Afeno ny tavanao ny
fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
10 Amorony fo madio
aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
11 Aza manary ahy
hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
12 Ampodio amiko ny
fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
13 Dia hampianatra ny
olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
*
14 Vonjeo ho afaka
amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby
ny fahamarinanao ny vavako*.[Heb: ny lelako]
15 Tompo ô, sokafy ny
molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
16 Fa tsy fanatitra
no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly
Anao.
17 Ny fanatitra ho
an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka,
Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
18 Manaova soa amin'i
Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.
19 Dia ho sitrakao ny
fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny
afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
*
Au chef de
musique ; pour instruire. De David ; lorsque Doëg, l’Édomite,
rapporta à Saül et lui dit : David est venu dans la maison
d’Akhimélec.
1 [Ny loza
hanjo izay tsy miambim-bava] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida,
fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao
an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry
ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.
2 Loza no heverin'ny
lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
3 Efa tia ny
ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.
4 Ny teny
mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
*
5 Andriamanitra
kosa hanimba* anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao
an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. [Na:
hanongana]
6 Ny marina
hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
7 Indro, ny
lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny
hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany.
8 Fa izaho dia tahaka
ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny
famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho.
9 Hidera Anao
mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny
olonao masina aho, fa tsara izany.
Au chef de musique. Sur
Mahalath* ; pour instruire. De David.
1 [Ny faharatsian'ny olona sy
ny faniriam-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala
manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy,
tsy misy manao ny tsara.
*
2 Eny an-danitra
Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry
mitady an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy
rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory
aza.
*
4 Tsy mahalala va ny
mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra
tsy antsoiny?
5 Indreo, matahotra
dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa
nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa
narian'Andriamanitra izy.
*
6 Enga anie ka
hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy
amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Au chef de musique. Sur
Neguinoth* ; pour instruire. De
David ; lorsque les Ziphiens vinrent, et dirent à Saül : David ne se
tient-il pas caché auprès de nous ?
1 [Fangataham-pamonjena
amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy, na dia be aza ny fahavalo] Ho an'ny
mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga
ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo
amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
2 Andriamanitra ô, henoy ny
fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako.
3 Fa olona hafa
firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy
mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.
*
4 Indro, Andriamanitra
no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
5 Hamaly ny ratsy
ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
6 Sitrapoko ihany no
hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
7 Fa efa namonjy ahy
ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny
amin'ny fahavaloko.
Au chef de musique, Sur
Neguinoth* ; pour instruire. De David.
1 [Fitarainana nataon'izay
navadiky ny sakaizany nahatoky azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina
amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô,
ary aza miery amin'ny fitarainako.
2 Henoy aho, ka
valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
3 Noho ny feon'ny
fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny,
ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.
*
4 Mangorohoro ato
anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
5 Tahotra sy hovitra
no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
6 Ka hoy izaho: enga
anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita
izay hitoerako;
7 Eny,
handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.
8 Handeha
faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny
ranonoram-baratra.
*
9 Aringano izy,
ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
10 Hodidininy
andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao
aminy;
11 Ratsy no ao
anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.
*
12 Fa tsy
fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona
nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
13 Fa ianao,
lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
14 Dia isika izay
nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao
an-tranon'Andriamanitra.
15 Aoka hanampoka azy
ny fahafatesana*. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita** izy; fa
ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany***. [*Na: Aoka hahazo azy ny
fandringanana][**Heb: Sheola][***Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany,
dia ao am-pony]
*
16 Raha izaho, dia
Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
17 Hariva sy maraina
ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
18 Ka hanavotra ny
fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no
miady amiko.
*
19 Hihaino
Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy
miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.
*
20 Efa naninjitra ny
tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
21 Malambo noho ny
rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny
teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
*
22 Apetraho amin'i
Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo
mandrakizay ny marina.
23 Fa Hianao,
Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy
mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky
Anao.
Au chef de musique. Sur
Jonath-Élem-Rekhokim*. De David. Mictam ;
quand les Philistins le prirent dans Gath.
1 [Fangataham-pamonjena
amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy
hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany
Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika
ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
2 Misafoaka manenjika
mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
3 Amin'ny andro
atahorako no itokiako Anao.
*
4 Andriamanitra no
iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona
no hataon'ny nofo amiko?
*
5 Manimba ny
raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy
ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny]
6 Miangona izy, miery
izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
7 Amin'izany
faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny
firenena. Andriamanitra
ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]
8 Manisa ny
firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny
bokinao va ireny?
9 Amin'izay dia
hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa
momba ahy Andriamanitra.
*
10 Andriamanitra no
iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
11 Andriamanitra no
itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
*
12 Nivoady taminao
aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13 Fa efa nanafaka ny
fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy
ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny
velona*.[Na: fahazavan'aina]
Au chef de
musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam ; quand il fuyait devant
Saül, dans la caverne.
1 [Fangataham-pamindram-po sy
fahatokiana an'Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy
hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao
anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no
ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako,
mandra-pahalasan'ny loza.
*
2 Hitaraina
amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka
ho ahy.
3 Haniraka avy any
an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy;
eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
4 Ny fanahiko dia eo
afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny
zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny
lelany.
5 Misandrata any
ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny
voninahitrao.
*
6 Efa namela-pandrika
harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko*; nihady lavaka
teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Na:
nitanondrika ny fanahiko]
*
7 Tafatoetra ny foko,
Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
8 Mifohaza, ry
voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa* aho.[Na:
Hampifoha ny maraina aho]
9 Hidera Anao eny
amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho.
10 Fa lehibe mihatra
amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny
fahamarinanao.
*
11 Misandrata any
ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny
voninahitrao.
Au chef de musique. Al-Tashkheth*. De David. Mictam.
1 [Ny amin'ny famaliana ny
mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama
nataon'i Davida. Moa ny
tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina*? Mitsara mahitsy va ianareo,
ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]
2 Tsy izany, fa ny
fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ
an-tany ianareo.
3 Mivily
hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
4 Misy poizina
tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay
manentsin-tadiny izy,
5 Ka tsy
mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
*
6 Andriamanitra
ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah
ô.
7 Aoka ho ritra
tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho
tapa-doha ireny;
8 Aoka ho
tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny
zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
9 Dieny tsy
mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra
ireny, na ny lena na ny maina.
10 Hifaly ny
marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy
izy;
11 Dia hiteny
ny olona ka hanao hoe: misy valiny* tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra
Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
Au chef de musique.
Al-Tashkheth*. De David. Mictam ; quand
Saül envoya, et qu’on surveilla sa maison, afin de le faire mourir.
1 [Fitarainan'izay misy
fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama
nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy.
Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy
ho azon'izay miodina amiko.
2 Afaho amin'ny mpanao ratsy
aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà.
3 Fa, indro, manotrika hahazo
ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy
fahotako, Jehovah ô.
4 Tsy heloko* no
ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra]
5 Ary Hianao, Jehovah ô,
Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny
firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
*
6 Miverina nony hariva ireny
ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
7 Indro,
mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono,
no handre?
8 Kanjo Hianao,
Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
*
9 Koa noho ny
herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
10 Andriamanitra,
Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny
amin'ny fahavaloko aho.
*
11 Aza mahafaty azy
Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy,
ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
12 Ny fahotan'ny
vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny,
noho ny ozona sy ny lainga ataony.
13 Aringano
an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa
Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany.
*
14 Ary miverina nony
hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
15 Miriorio mitady
hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
16 Fa izaho kosa dia
hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana
avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.
17 Ry Heriko ô,
Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia
Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
Au chef de musique. Sur
Shushan*. Témoignage. Mictam. De David ;
pour enseigner ; quand il fit la guerre contre les Syriens de Naharaïm**, et contre les Syriens de Tsoba, et que Joab
revint et frappa les Édomites dans la vallée du Sel, au nombre de douze mille.
1 [Fiantsoan'ny efa
resim-pahavalo, mba hotsarovan'Andriamanitra ny teniny] Ho an'ny mpiventy hira
Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i
Mesopotamia* sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita
roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa
nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy
izahay.[Arama-naharaima]
2 Efa nampihorohoro ny tany
Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
3 Efa nampahita ny olonao
zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
*
4 Efa notoloranao
faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.
5 Mba hahafahan'ny
malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
*
6 Andriamanitra
niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny
lohasahan'i Sokota horefesiko;
7 Ahy Gileada, Ahy
koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
8 Tavin-dranoko
fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry
Filistia.
*
9 Iza no hitondra ahy
ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
10 Tsy Hianao va,
Izay efa nanary anay*, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny
antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? [Na: Tsy efa nanary anay va Hianao]
11 Vonjeo amin'ny
mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
12 Andriamanitra no
haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Au chef de musique. Sur
Neguinoth. De David.
1 [Fangatahan'ny mpanjaka efa
nandositra, mba hampodin'Andriamanitra indray] Ho an'ny mpiventy hira.
Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako,
Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.
*
2 Any am-paran'ny tany no
hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo
ka tsy tratro;
3 Fa aroko Hianao sy
tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
4 Aoka hitoetra ao
an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao
aho,
5 Fa Hianao, Andriamanitra ô
efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.
6 Halavao ny andron'ny
mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
7 Aoka hitoetra eo
anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no
tendreo hiaro azy;
8 Ka dia izany no
hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.
Au chef de musique. Sur
Jeduthun. Psaume de David.
1 [Fiantombenan'ny fanahy
izay manantena an'Andriamanitra, na dia mafy aza ny famelin'ny fahavalo] Ho
an'ny mpiventy hira. Al-jedotona.
Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy
aminy ny famonjena ahy.
2 Izy tokoa no
vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo
loatra aho.
3 Mandra-pahoviana no
hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona
sy ny rova mihozongozona;
4 Misaina hanongana
azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany
izy, fa manozona amin'ny fony.
*
5 Miantombena
amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
6 Izy tokoa no
vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo
aho.
7 Andriamanitra no
iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko
dia ao amin'Andriamanitra.
8 Matokia Azy
mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra
no aro ho antsika.
*
9 Zava-poana tokoa ny
ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana;
zava-poana mihitsy izy.
10 Aza matoky ny
fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny
harena, dia aza anorenana ny fonareo.
11 Indray mandeha no
nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.
12 Ary Anao koa, ry
Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany
avy.
Psaume de David ;
quand il était dans le désert de Juda.
1 [Ny hetahetan'ny fanahy
maniry an'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy.
ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta
Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana
tsy misy rano;
2 Toy izany no nijereko Anao
tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
3 Fa tsara noho ny
aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
4 Toy izany no
hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny
tanako.
5 Toy ny voky tsoka sy
tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny
vavako Anao.
6 Raha mahatsiaro
Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
7 Fa efa namonjy ahy
Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
*
8 Mifikitra amiko ny
fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
9 Fa ireny dia mitady
ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
10 Hatolotra ho
amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo* izy.[volpa]
11 Fa ny mpanjaka
hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa
hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fiantsoana
an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika amam-pitaka ataon'ny olona, sy
fanambarana ny havaliny ireny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny
tahotro ny fahavalo.
2 Afeno aho tsy ho azon'ny
firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,
3 Izay mandranitra ny lelany
ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
4 Mba hitifitra mangingina ny
mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
5 Hamafiny ny hevi-dratsiny;
mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
6 Manao saim-petsy izy;
omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia
ny fony.
7 Mitifitra azy
Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.
8 Apotrany izy ka
voasingotra ny lelany ihany; mandositra* izay rehetra mahita azy.[Na:
Mihifikifi-doha]
9 Dia matahotra ny
olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny
asany.
10 Mifaly amin'i
Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
Au chef de musique.
Psaume de David. Cantique.
1 [Fiderana an'Andriamanitra
noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny
mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny
fiderana*, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny
fiononana dia fiderana ankasitrahinao]
2 Ry Mpihaino vavaka ô,
Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.
*
3 Ny zava-mahameloka ahy dia
mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
4 Sambatra izay fidinao ka
ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny
tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.
5 Zava-mahatahotra no ataonao
amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
6 Mampiorina ny
tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.
7 Mampitsahatra ny
firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.
8 Dia matahotra noho ny
famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny
maraina sy ny hariva no ampihobinao.
9 Mamangy ny tany Hianao ka
mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia
tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny
tany.
10 Mahampoka ny tany voasa
Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy
ny fitsimohany Hianao.
11 Satrohanao voninahitra ny
taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
12 Vonton-drano ny
fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.
13 Rakotra ondry ny saha; ary
voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
Au chef de musique.
Cantique. Psaume.
1 [Fiantsoana izao rehetra
izao hisaotra an'Andriamanitra noho ny nataony ho an'ny mpanompony] Ho an'ny
mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany
rehetra;
2 Mankalazà ny voninahitry ny
anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
3 Lazao amin'Andriamanitra
hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny
fahavalonao Anao.
4 Ny tany rehetra hiankohoka
eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy.
5 Avia, ka jereo ny
asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona.
6 Efa nampody ny ranomasina
ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no
nifaliantsika tamin*'Andriamanitra.[Na: Ao no aoka hifaliantsika amin']
7 Manjaka mandrakizay amin'ny
heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy
hanandra-tena ny maditra.
*
8 Misaora
an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
9 Izay mampitoetra ny
fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
10 Fa efa nizaha
toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio
volafotsy amin'ny memy.
11 Efa nampiditra
anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay
Hianao.
12 Efa nampandeha ny
olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa
nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
*
13 Hiditra ao
an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
14 Izay notononin'ny
molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15 Hateriko aminao ho
fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy
osilahy aho.
*
16 Avia, mihainoa
ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho
an'ny fanahiko.
17 Izy no nantsoin'ny
vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako.
18 Raha nankasitraka*
ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;[Heb: nijery]
19 Kanefa efa nihaino
tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy.
20 Isorana anie
Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony
tamiko.
Au chef de musique. Sur
Neguinoth. Psaume. Cantique.
1 [Fanirian'ny olo-marina mba
hanaiky an'Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra] Ho an'ny mpiventy hira.
Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo
aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2 Mba ho fantatra etỳ
ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.
*
3 Hidera Anao ny
firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4 Hifaly sy hihoby ny
firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy
hafa ambonin'ny tany dia entinao;
*
5 Hidera Anao ny
firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6 Ny tany efa
nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7 Mitahy antsika
Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Au chef de musique. De
David. Psaume. Cantique,
1 [Fankalazana
an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony]
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana
Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra
ny tavany.
2 Tahaka ny fanely setroka no
fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka
hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
3 Fa ny marina
mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
*
4 Mihirà ho
an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina
mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
5 Rain'ny kamboty sy
Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
6 Andriamanitra
mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny
fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
*
7 Andriamanitra ô,
raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
8 Dia nihorohoro ny
tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry
Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ranonoram-pitahiana
no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia
novelombelominao.
10 Ny olonao*
tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao,
Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
11 Ny Tompo
manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
12 Ireo
mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao
an-trano no mizara ny babo.
13 Raha mandry
eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy,
ary ny volony miravaka volamena tsara
14 Raha
aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
*
15
Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro
tampona ny tendrombohitr'i Basana.
16 Ry tendrombohitra
maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay
tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
17 Ny
kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy;
Sinay dia eo amin'ny itoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]
18 Efa niakatra ho
any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny
olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah
Andriamanitra any*.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah
Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra
aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]
19 Isaorana anie ny
Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro*, eny, Andriamanitra
Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha
misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana
anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]
20 Andriamanitra no
Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana
amin'ny fahafatesana.
21 Fa Andriamanitra
mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay
mandroso amin'ny fahadisoany.
22 Lazain'ny Tompo
hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
23 Mba hampihosenanao
rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.
*
24 Efa hita ny
fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao
amin'ny fitoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]
25 Mialoha ny
mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively
ampongatapaka.
26 Misaora
an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary
amin'ny loharanon'ny Isiraely.
27 Indry Benjamina
kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona
sy ny mpanapaka ny Naftaly.
*
28 Andriamanitrao no
nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
29 Noho* ny
tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra
ho Anao.[Na: Avy amin']
30 Teneno mafy ny biby
eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia
izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
31 Ho avy ny
tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.
*
32 Ry fanjakana
ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
33 Ilay mitaingina ny
lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo
mahery.
34 Ekeo ho
an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any
amin'ny lanitra.
35 Mahatahotra
Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny
Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
*
Au chef de musique. Sur
Shoshannim*. De David.
1 [Fitarainan'izay nenjehina
sy nampahorina noho ny amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira.
Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra
amin'ny aiko ny rano.
2 Milentika amin'ny fotaka
mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka
mandifotra ahy ny riaka.
3 Sasatry ny mitaraina aho,
maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.
4 Maro noho ny volon-dohako
ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy,
dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
*
5 Andriamanitra ô, Hianao
mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
6 Aoka tsy ho menatra noho ny
amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra
noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
7 Fa noho ny aminao
no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
8 Efa vahiny amin'ny
rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho.
9 Fa ny firehetako ny
amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao
dia nihatra tamiko.
10 Nitomany
sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
11 Lamba fisaonana no
nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho.
12 Miresaka ahy izay
mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.
13 Fa izaho hivavaka
aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô
noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.
14 Afaho amin'ny
fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy
amin'ny rano lalina.
15 Aza avela
hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela
hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
16 Valio aho, Jehovah
ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.
17 Ary aza manafina
ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy
Hianao.
18 Hatony ny
fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.
19 Hianao no mahalala
ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo
anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
*
20 Ny latsa dia
nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy,
sy mpanony fa tsy nahita.
21 Fa zava-mangidy no
nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta
aho.
22 Aoka ho fandrika
ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.
23 Aoka ho jamba ny
masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
24 Aidino aminy ny
fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.
25 Aoka ho
foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
26 Fa izay
nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.
27 Aoka hiampy
ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.
28 Aoka
hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana
eo amin'ny marina.
29 Fa izaho dia ory
sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
30 Hankalaza ny
anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.
31 Fa ho sitrak'i
Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady
mivaky kitro.
*
32 Hahita izany ny
mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.
33 Fa mihaino ny
malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
34 Aoka hidera Azy ny
lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
35 Fa Andriamanitra
hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony
ka ho tompony;
36 Dia handova azy ny
taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
Au chef de musique. De
David ; pour faire souvenir.
1 [Fangatataham-pamonjena] Ho
an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô,
faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
2 Aoka ho menatra sy
hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny
manjo ahy;
3 Aoka hiamboho noho ny
fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
4 Aoka hifaly sy ho ravoravo
aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao
mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
5 Fa izaho dia ory sy
malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka
ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
1 [Vavaka ataon'izay
mahatsiaro ny famindram-pon'Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao,
Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
2 Vonjeo ny fahamarinanao
aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
3 Aoka ho vatolampy fonenana
hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy
batery fiarovana ho ahy Hianao.
*
4 Andriamanitro ô, afaho
amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny
lozabe.
5 Fa Hianao no fanantenako,
Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
6 Hianao no nanankinana ahy
hatrany am-bohoka; ianao namoaka* ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no
deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa, ahy hatry, etc]
7 Tonga toa
zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
8 Ny vavako ho feno
ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
9 Aza manary ahy,
rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
*
10 Fa miresaka ahy ny
fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
11 Ka manao hoe:
Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
12 Andriamanitra ô,
aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
13 Aoka ho menatra sy
ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka
izay mitady hanisy ratsy ahy.
14 Fa izaho kosa dia
hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
15 Ny vavako hitory
ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
16 Ho entiko ny asa
lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
*
17 Andriamanitra ô,
Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka
ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
18 Koa
mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô,
mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay
rehetra mbola ho avy.
*
19 Ary mihatra
amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao
zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
20 Hianao Izay
nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra
ahy* indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay]
21 Ampitomboy ny
voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
22 Izaho kosa hidera
Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao
amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô.
23 Hihoby ny molotro
raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;
24 Ary ny lelako
hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady
hanisy ratsy ahy.
*
Au sujet de Salomon.
1 [Ny handrosoan'ny
fanjakan'ny mpanjaka voatendrin'Andriamanitra] Nataon'i Solomona. Andriamanitra
ô, omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny
fahamarinanao.
2 Hitsara* ny olonao
amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka,
etc]
3 Ny tendrombohitra
hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
4 Hitsara2 ny olona
ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
*
5 Hatahotra2 anao ny
olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka
fara mandimby.
*
6 Hidina2 tahaka ny
ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny
tany.
7 Ny2 marina
hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana
intsony.
8 Ary hanjaka
hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony* ka
hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]
9 Ny mponina
any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
10 Ny
mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba
hanatitra fanomezana.
11 Ary ny
mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
12 Fa hamonjy
ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
13 Hiantra ny
reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
14 Hanavotra ny
fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe
eo imasony ny ràny.
15 Dia ho
velona ireny ka hanome azy* volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy
mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka
homena]
16
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza;
hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna
hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
17 Ho
mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona
ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho
sambatra*.[Izaho Gen.xxii. 18]
18 Isaorana
anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao
fahagagana;
19 Ary isaorana
mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny
voninahiny. Amena dia Amena.
20 Tapitra ny
fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
Psaume
d’Asaph.
1 [BOKY
FAHATELO][Ny amin'ny tsy hahaketraka ny olon'Andriamanitra, raha mahita ny
ratsy fanahy ambinina] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely
tokoa, dia ny madio fo.
*
2 Fa izaho, dia
saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
3 Satria
nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
4 Fa tsy misy
fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
5 Tsy mba misy
manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny
olon-kafa izy.
6 Dia izany no
iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
7 Bongon-tavy
ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
8 Manazimbazimba izy
ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
9 Manao vava
manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
10 Izany no
itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;
11 Ka hoy izy:
Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo
Indrindra?
12 Indro, ireny dia
olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
*
13 Foana mihitsy ny
nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.
14 Azom-pahoriana
mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
15 Raha tahìny aho
nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
16 Dia nieritreritra
ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
17 Mandra-piditro tao
amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
18 Eo amin'izay
mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
19 Hià! rava indray
mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
20 Tahaka ny
anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no
anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
*
21 Raha lotika ny
foko, ka voatsindrona ny voako,
22 Dia ketrina aho ka
tsy nahalala; eny, biby* teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]
23 Nefa izaho dia eo
aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
24 Ny saina omenao no
hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra
aho.
25 Iza no ahy
any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
26 Na dia
levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako
mandrakizay Andriamanitra.
*
27 Fa, indro,
very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
28 Fa, izaho,
dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no
nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
Pour
instruire. D’Asaph.
1 [Fitarainana
tamin'Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly]
Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay
Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
2 Tsarovy ny
fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny
tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
3 Aingao ny
tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao
amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.
4 Nierona tao
anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana
izy.
5 Ny fijery azy dia
tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
6 Ary amin'izao ny
rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
7 Efa nandoro ny
fitoeranao masina tamin'ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany* ny
fonenan'ny anaranao.[Heb: Nolotoiny hatramin'ny tany]
8 Hoy izy
tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon'Andriamanitra eran'ny tany
rehetra izy.
9 Tsy hitanay ny
famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola
haharetan'izao.
10 Mandra-pahoviana,
Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay
va ny fahavalo?
11 Nahoana no
mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy
amin'ny tratranao, ka mandringàna.
*
12 Fa Andriamanitra
no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy.
13 Nampisaraka ny
ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao
anaty rano Hianao.
14 Hianao nanorotoro
ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.
15 Hianao namaky ny
vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
16 Anao ny andro,
Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
17 Hianao nametra ny
faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao
azy.
*
18 Tsarovy izao:
Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
19 Aza manolotra ny
ain'ny voromailalanao ho an'ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny
olo-mahantranao.
20 Hevero ny
fanekena; fa feno fonenan'ny fandozana ny fitoera-maizina amin'ny tany.
21 Aoka tsy hiverina
amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
*
22 Mitsangàna,
Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian'ny adala Anao
isan'andro.
23 Aza manadino ny
feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra
mandrakariva.
Au chef de musique. Al-Tashkheth*.
Psaume d’Asaph. Cantique.
1 [Ny fahakaikin'ny
Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth.
Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny,
hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny
olona.
*
2 Fa ho avy tokoa
amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
3 Mihorohoro ny tany
sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
*
4 Hoy izaho tamin'ny
mpirehareha: aza mirehareha*, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza
manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]
5 Aza manandratra ny
tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
6 Fa tsy avy any
atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana*.[Na: Na avy
amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]
7 Fa Andriamanitra no
Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8 Fa misy kapoaka eo
an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra* miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany;
eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]
*
9 Fa izaho hanambara
izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.
10 Ary ny tandroky ny
ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
Au chef de musique. Sur
Neguinoth*. Psaume d’Asaph. Cantique.
1 [Fiderana an'Andriamanitra
noho ny nisehoan'ny fitsarany marina] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina
amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra
eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;
2 Naoriny ao
Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
3 Teo no
nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny
fiadiana.
*
4 Mamirapiratra
Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin*'ny tendrombohitra fitohàna.[Na:
noho]
5 Voababo ny
mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika* ny tànany
avokoa ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]
6 Noho ny teny
mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny
soavaly.
7 Hianao no
mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny
fahatezeranao?
8 Avy tany
an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
9 Raha nitsangana
hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
*
10 Fa ny
fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
11 Mivoadia, ka efao
ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy
hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.
12 Manapaka ny
reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.
Au chef de musique. Sur
Jeduthun. D’Asaph. Psaume.
1 [Fahatsiarovana ny amin'ny
taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka] Ho an'ny mpiventy
hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany
amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra,
ka mihaino ahy Izy.
2 Tamin'ny andro fahoriako no
nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny
fanahiko tsy nety nampiononina.
3 Ta-hahatsiaro
an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny
fanahiko.
*
4 Mampiari-tory ny
masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
5 Nihevitra ny andro
fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
6 Ta-hahatsiaro ny
nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny
fanahiko nanontany mafy hoe:
7 Hanary mandrakizay
va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
8 Efa nitsahatra
mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
*
9 Efa nanadino
hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
10 Ary hoy izaho:
Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan*'ny tanana ankavanan'ny Avo
Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']
11 Hampahatsiaro ny
asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
12 Eny hisaina ny
asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
*
13 Andriamanitra ô,
amin'ny fitoerana masina* ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka
an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]
14 Hianao no
Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny
firenena Hianao.
15 Navotan'ny
sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
16 Ny rano be nahita
Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny,
nanonjanonja ny lalina.
17 Nandatsaka
ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny
zana-tsipìkanao.
18 Ny fikotrokotroky
ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio*; nahazava izao rehetra izao ny helatra;
nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]
19 Tany amin'ny
ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy
fantatra ny dian-tongotrao.
20 Ny tanan'i Mosesy
sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
Pour instruire.
D’Asaph.
1 [Famaranana nalaina
tamin'ny tantaran'ny Isiraely hatramin'i Mosesy ka hatramin'i Davida] Maskila
nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny
tenin'ny vavako.
2 Hiloa-bava hilaza
fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
3 Izay efa
rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
4 Dia tsy mba
hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana
an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
*
5 Fa nanorina
teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany
lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
6 Mba
hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka
hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,
7 Mba hametraka
ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny
didiny;
8 Mba tsy ho
tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy
nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
*
9 Ny zanak'i
Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro
fiadiana.
10 Tsy
nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny
lalàny;
11 Nanadino ny
asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
*
12 Teo
anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany
amin'ny tany lemak'i Zoana.
13 Nampisaraka
ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny
antontan-javatra.
14 Ary ny rahona no
nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
15 Namaky vatolampy
tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
16 Ary nampivoaka
rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny
ony.
*
17 Kanjo mbola
nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany
an-efitra.
18 Dia naka fanahy
an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
19 Dia niteny
nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ
an-efitra va Andriamanitra?
20 Indro, namely ny
vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va
Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?
*
21 Koa nony ren'i
Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady
nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
22 Satria tsy nino
an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
23 Kanefa nandidy ny
rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny,
24 Dia nandatsaka
mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.
25 Ny fihinan'ny
mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
*
26 Nampandeha ny rivotra
avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny
rivotra avy any atsimo.
27 Dia nampilatsahany
hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny
ranomasina,
28 Ka nalatsany
teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
29 Dia nihinana
izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
30 Nefa tsy
niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
31 Dia
nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo
aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely.
*
32 Fa na dia
izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny
fahagagana nataony.
33 Dia
nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny
fampitahorana.
34 Raha
novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina
nikatsaka Azy.
35 Dia nahatsiaro izy
fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra
azy.
36 Kanefa nanao vava
malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
37 Ary ny fony
tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
38 Nefa
Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny
nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
39 Fa nahatsiaro Izy
fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
*
40 Impiry akory izy
ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany
foana!
41 Naka fanahy
an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.
42 Tsy mba nahatsiaro
ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo,
43 Izay
nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:
44 Nampody ny
oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
45 Nandefa
lalitra betsaka* hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba
azy ireny.[Na: fihitra, na kalalao]
46 Dia nanome
ny vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala.
47 Namono ny
voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy.
48 Dia
nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho
an'ny varatra.
49 Nandatsaka
ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary
fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
50 Namboatra
lalana ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny
fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana;
51 Ary namely
ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama;
52 Fa namindra
toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry
andiany.
53 Nentiny soa
aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny
ranomasina.
54 Ary nitondra
azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra
izay azon'ny tànany ankavanana.
55 Ary
nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova
nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy.
*
56 Nefa naka
fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny
teni-vavolombelony tsy notandremany.
57 Ary
nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
58 Ary nampahatezitra
Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny
sarin-javatra voasokitra.
59 Ary nandre izany
Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
60 Sady nahafoy ny
tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona;
61 Dia natolony
ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.
62 Dia
nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany
Izy.
63 Ny
zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana
hiram-panambadiana.
64 Ny mpisorony
lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona.
*
65 Dia nifoha
ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay
miantsoantso azon'ny divay.
66 Dia namely
ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
67 Dia nanary
ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.
68 Fa nifidy ny
firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
69 Dia nanao ny
fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho
mandrakizay.
70 Dia nifidy
an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;
71 Tany amin'ny
fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony
sy Isiraely lovany;
72 Dia niandry
ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
Psaume
d’Asaph.
1 [Fifonana
noho ny faharavana nataon'ny fahavalo] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô,
tonga eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady
nanao an'i Jerosalema ho korontam-bato.
2 Ny fatin'ny
mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny
bibidia;
3 Ny ràny
naidiny manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
4 Tonga
fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.
*
5
Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo
ny fahasaro-piaoronao?
6 Aidino
amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana
izay tsy miantso ny anaranao;
7 Fa efa
nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
8 Aza tsarovana
aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao,
fa reraka indrindra izahay.
9 Vonjeo
izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao;
ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
10 Nahoana ny
jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny
jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.
11 Aoka ho tonga
eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia
arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
12 Ary valio
impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay
nanaratsiany Anao, Tompo ô.
13 Fa izahay,
olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka
fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
Au chef de musique. Sur
Shoshannim*. Témoignage d’Asaph. Psaume.
1 [Fivavahana ho an'ny
Isiraely, voalobok'i Jehovah] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth.
Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay
mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima,
mamirapiratra.
2 Fohazy ny herinao eo
anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
3 Andriamanitra ô, ampodio
izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
*
4 Jehovah, Andriamanitry ny
maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao* ny
fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]
5 Mampihinana azy mofo
len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
6 Ataonao ho fifandirana
amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
7 Andriamanitry ny maro ô,
ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
*
8 Nisy voaloboka nafindranao
avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
9 Nitevy teo alohany Hianao,
dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
10 Nanaloka ny tendrombohitra
ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo*.[Heb:
sederan'Andriamanitra]
11 Nampisandrahaka ny
rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony*.[Eofrata]
12 Nahoana no noravànao ny
fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
13 Ny lambo avy any an'ala
mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
14 Ry Andriamanitry ny maro
ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
15 Arovy* izay nambolen'ny
tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]
16 Voadotry ny afo izy sady
voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
*
17 Aoka ny tananao ho amin'ny
lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay
nampaherezinao ho Anao.
18 Dia tsy hihemotra hiala
aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
19 Ry Jehovah, Andriamanitry
ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena
Izahay.
Au chef de musique. Sur
Guitthith*. D’Asaph.
1 [Fiantsoana ny Isiraelita
hifaly amin'Andriamanitra noho ny nitondràny azy nivoaka avy tany Egypta] Ho
an'ny mpiventy hira. Al-gitith.
Nataon'i Asafa. Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana
ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
2 Asandrato ny hira,
ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny
valiha.
3 Tsofy ny anjomara
amin'ny volana; eny, amin'ny feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.
4 Fa lalàna ho an'ny
Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.
5 Notendreny ho
vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy;
nandre teny tsy fantatro aho.
*
6 Nampiala ny sorony
tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
7 Fony azom-pahoriana
ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny
fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.
8 Mihainoa, ry oloko,
dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
9 Aza asiana
andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena
hafa.
10 Izaho no Jehovah
Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
11 Fa tsy nihaino ny
feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
12 Ka dia navelako
hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.
*
13 Enga anie ka
hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;
14 Vetivety dia
hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
15 Izay
mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny
andron'ny oloko;
16 Ary
hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no
hamokisako anao.
Psaume
d’Asaph.
1 [Ny
fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara etỳ an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny
fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany.
*
2 Mandra-pahoviana no
hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?
3 Alaharo ny tenin'ny
mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
4 Vonjeo ny mahantra
sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.
*
5 Tsy mahalala na
mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny
fanambanin'ny tany rehetra.
6 Hoy izaho:
Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;
7 Kanjo ho faty
tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny
lehibe.
*
8 Mitsangàna,
Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
Cantique. Psaume
d’Asaph.
1 [Fitarainana noho
ny nikambanan'ny firenena maro hamely ny Isiraely] Tonon-kira. Salamo nataon'i
Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza
mamitsaka, Andriamanitra ô.
2 Fa, indro,
mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3 Ny olonao no
iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4 Hoy izy: Avia, ka
andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny
anaran'Isiraely.
5 Fa efa niray tetika
tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
6 Dia ny lain'ny
Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
7 Ny Gebalita sy ny
Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
8 Ny Asyriana koa
nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
*
9 Ataovy tahaka ny
Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
10 Maty tany
En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
11 Ataovy
tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia
ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
12 Izay nanao
hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
13
Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny
rivotra,
14 Tahaka ny
afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
15 Aoka ho toy
izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny
tafio-drivotrao.
16 Sarony
henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
17 Aoka ho
menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana
izy.
18 Ary aoka ho
fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra
ambonin'ny tany rehetra.
*
Au chef de musique. Sur
Guitthith. Des fils de Coré. Psaume.
1 [Alahelo ny
tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny
Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!
2 Manina sady
vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby
an'Andriamanitra velona.
3 Eny, ny tsikirity
mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany.
Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
4 Sambatra izay
mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.
*
5 Sambatra izay olona
manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
6 Raha mandeha mamaky
ny lohasaha Baka* izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana
manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana]
7 Miampy hery eny
am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy
rehetra.
*
8 Jehovah,
Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba
ô.
9 Andriamanitra,
Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.
10 Fa ny indray andro
eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny
tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny
ratsy fanahy.
11 Fa Masoandro sy
Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah;
tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.
*
12 Jehovah, Tompon'ny
maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
Au chef de musique. Des
fils de Coré. Psaume.
1 [Fangatahana mba
hampodin'Andriamanitra indray ny fankasitrahany ny olony] Ho an'ny mpiventy
hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao
Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.
2 Voaisotrao ny heloky ny
olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.
3 Efa nampijanona ny fahatezeranao
rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
4 Miverena aminay, ry
Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
5 Ho tezitra aminay
mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va
ny fahatezeranao?
6 Tsy hovelominao
indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?
7 Asehoy anay ny
famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
*
8 Hihaino izay
holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy,
dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.
9 Eny tokoa,
akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny
tanintsika.
10 Mihaona ny
famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
11 Ny
fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
12 Eny, Jehovah
hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.
13 Ny rariny no
hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
Prière de
David.
1 [Vavaka
nataon'ny mpanompon'Andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i
Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
2 Arovy ny
fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky
Anao.
3 Tompo ô, mamindrà
fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
4 Ampifalio ny
fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
5 Fa Hianao, Tompo ô,
no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
*
6 Mandrenesa ny
fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.
7 Amin'ny andro
fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
8 Tsy misy tahaka
Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
9 Ny firenena rehetra
nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra
ny anaranao.
10 Fa lehibe Hianao
ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
*
11 Ampianaro ny
lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny
foko hatahotra ny anaranao.
12 Hidera Anao
amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao
mandrakizay aho.
13 Fa lehibe ny
famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*
ambany indrindra.[Heb. Shoela]
*
14 Andriamanitra ô,
ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny
aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
15 Fa Hianao, Tompo
ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy
fahamarinana.
16 Todiho aho ka
amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny
ankizivavinao.
17 Anehoy famantarana
ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao
Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
Des fils de Coré.
Psaume. Cantique.
1 [Ny tanànan'i Jehovah, izay
hahaterahan'ny firenena maro ho isan'ny Isiraely] Salamo nataon'ny Koraita.
Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;
2 Ny vavahadin'i Ziona dia
tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
*
3 Zava-malaza no
anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
4 Hanonona
an-dRahaba* sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro
mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.[Na: Egypta]
5 Ary Ziona hilazana
hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra
azy.
6 Jehovah hanisa,
raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.
7 Hoy izay mihira sy
mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
Cantique. Psaume. Pour
les fils de Coré. Au chef de musique, sur Mahalath-Leannoth*. Pour instruire. D’Héman, l’Ezrakhite.
1 [Vavaka nataon'izay
nasian'ny fahoriana mafy ka toa foin'Andriamanitra] Tonon-kira. Salamo nataon'ny
Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana
Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no
itarainako eo anatrehanao;
2 Aoka ny fivavako ho tonga
eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;
3 Fa diboka ny fahoriana ny
fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
4 Natao ho
isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
5 Efa nafoy ho
any amin'ny maty aho*, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy
tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.[Na: Ny fandriako dia any amin'ny
maty]
6 Efa nametraka
ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny
lalina.
7 Ny
fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.
8 Efa
nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo
imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
9 Ny masoko efa
pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana
aminao aho.
*
10 Haneho fahagagana
amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
11 Hotorina any
am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny
fandringanana?
12 Ho fantatra
ao amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny
tany fanadinoana?
13 Fa raha
izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo
anatrehanao nony maraina.
14 Jehovah ô,
nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
15 Ory aho ka
efa ho faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho,
dia very hevitra;
16 Manafotra
ahy ny fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;
17 Mandifotra ahy
mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
18 Efa nampanalavirinao
ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
Instruction
d’Éthan, l’Ezrakhite.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny fahatsarany, indrindra fa noho ny fanekeny tamin'i
Davida] Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no
hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny
vavako ny fahamarinanao.
2 Fa hoy izaho
Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any
an-danitra.
*
3 Efa nanao fanekena
tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
4 Hampitoetra ny
taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny
taranaka fara mandimby.
5 Ary ny lanitra
hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny
fiangonan'ny olo-masina.
6 Fa iza any
an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra
no manahaka an'i Jehovah,
7 Dia Andriamanitra
mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay
rehetra manodidina Azy?
8 Jehovah,
Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina
Anao ny fahamarinanao.
9 Hianao manapaka ny
fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
10 Hianao nanorotoro
an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny
fahavalonao.
11 Anao ny lanitra,
Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no
nanorina azy.
12 Ny avaratra sy ny
atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
13 Manan-tsandry
mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
14 Rariny sy
fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no
mialoha ny tavanao.
*
15 Sambatra izay olona
mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no
handehanany.
16 Ny anaranao no
hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
17 Fa voninahitry ny
heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
18 Fa an'i Jehovah ny
ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay*.
*
19 Tamin'izany ny
olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena
tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy* tamin'ny olona.[Na:
nanandratra zatovo avy]
20 Efa nahita an'i
Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
21 Izy no
homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
22 Tsy
hamitaka* azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa
aminy]
23 Fa
handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala
azy.
24 Ny
fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny
tandrony.
25 Dia
hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny
ony.
26 Izy hiantso
Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
27 Ary Izaho
kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
28 Hitahiry ny
famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
29 Hampaharitra
ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny
faharetan'ny lanitra.
30 Raha mahafoy
ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
31 Raha ny
teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
32 Dia
hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
33 Nefa ny
famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
34 Ny fanekeko
tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
35 Izao zavatra
iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida
mihitsy Aho:
36 Ny taranany
haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo
anatrehako;
37 Hampitoerina
mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any
an-danitra*.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]
*
38 Fa efa
narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
39 Efa
nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana
ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
40 Efa
noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
41 Izay rehetra
mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy
izy.
42 Efa
nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny
fahavalony rehetra.
43 Efa
nampihemotra* ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny
ady.[Na: nampilefitra]
44 Efa
nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny
tany.
45 Efa nahafohy
ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46
Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
47 Tsarovy ny
hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona
rehetra!
48 Iza no olona ho
velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny
fiainan-tsi-hita*? [Heb. Sheola]
49 Tompo ô, aiza ny
famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
50 Tompo ô, tsarovy
ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra*,
51 Dia ny
nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.
52 Isaorana
mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
Prière de Moïse, homme
de Dieu.
1 [BOKY FAHEFATRA][Ny
fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny
androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy,
lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra
Hianao.
*
2 Fony tsy mbola ary ny
tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra
Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
3 Mamerina ny olona ho
amin'ny vovoka* Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb.
fahatorotoroana]
4 Fa eo imasonao ny arivo
taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray
amin'ny alina.
5 Manindao azy tahaka ny
riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
6 Amin'ny maraina mamony izy,
nefa mora miova*; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia
tahaka ny kolokolon'ahitra izy]
*
7 Fa lanin'ny fahatezeranao
izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
8 Ny helokay efa nataonao teo
anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
9 Fa ny androanay rehetra efa
lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
10 Fito-polo taona no
andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa
fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa
manidina izahay.
11 Iza no mahafantatra ny
herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana
Anao?
12 Mampianara anay hanisa ny
andronay, Hahazoanay fo hendry.
*
13 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny
amin'ny mpanomponao.
14 Vokiso ny
famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro
rehetra hiainanay.
15 Mampifalia anay
araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
16 Aoka hiseho
amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.
17 Ary aoka ho aminay
ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
1 [Ny fahatokian'ny
olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny
mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny
aloky ny Tsitoha.
*
2 Izaho hilaza an'i
Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay
hitokiako.
*
3 Fa Izy no hanafaka
anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
4 Ny volon'elany no
anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy
ampinga lehibe ny fahamarinany.
5 Tsy hatahotra ny
horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
6 Na ny
areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka
amin'ny mitataovovonana.
7 Na dia hisy arivo
aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao
izany
8 Hijery maso
fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
*
9 Satria hoy
ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
10 Dia tsy hisy
loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
11 Fa Izy
handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
12 Eny
an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny
tongotrao.
13 Ny liona
masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no
hohitsahinao.
*
14 Satria Izaho
no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny
avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
15 Hiantso Ahy
izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome
voninahitra azy Aho.
16 Hovokisako
fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
Psaume. Cantique pour le
jour du sabbat.
1 [Fifaliana
amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira
hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny
anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2 Ary hanambara ny
famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
3 Amin'ny valiha tory
folo Sy amin'ny feon-dokanga.
4 Fa ampifalinao
amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.
*
5 Jehovah ô, akory ny
halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
6 Ny ketrina tsy
mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
7 Raha mitsiry tahaka
ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho
fandringanana azy mandrakizay.
8 Nefa Hianao,
Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
9 Fa, indreo, ny
fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao
ratsy rehetra.
10 Fa ny tandroko
kosa asandratrao ho tahaka ny an'ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
11 Ary faly ny masoko
mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy
fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
12 Ny marina
hamololona tahaka ny rofia*; Hisandrahaka** tahaka ny sedera any Libanona izy;
[*palma][**Heb. Ho tonga lehibe]
13 Efa nambolena tao
an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika;
14 Mbola manorobona
ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
15 Mba hanambara fa
mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
*
1 [Ny
fiandrianan'Andriamanitra] Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah
mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
2 Ny seza
fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
3 Mamandra-peo ny
riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny
riaka.
4 Mihoatra noho ny
rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny
voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.
5 Ny
teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao
mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
1 [Fitarainana
amin'Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon'ny lozabe] Jehovah, Andriamanitra
Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
2 Misandrata, ry
Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
*
3 Mandra-pahoviana re
ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy
fanahy?
4 Mirezadrezatra sy
miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
5 Ny olonao, Jehovah
ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
6 Ny
mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
7 Fa hoy izy:
Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
*
8 Mahalalà ianareo
olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
9 Ny Mpanao* ny
sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]
10 Ny Mpampianatra ny
jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
11 Jehovah no
mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
*
12 Sambatra izay
olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,
13 Mba homenao
fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy
fanahy.
14 Fa Jehovah tsy mba
hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
15 Fa ny fitsarana
hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
*
16 Iza no hitsangana
ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao
meloka?
17 Raha tsy Jehovah
no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny
fanahiko.
18 Fony aho nanao
hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana
ahy.
19 Raha be ny ahiahy
ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
20 Hikambana aminao
va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny
lalàna*? [Na: Izay misaina fampahoriana araka ny lalàny]
*
21 Manao andiany
hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
22 Fa tonga fiarovana
avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
23 Dia ampanodiaviny
azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah
Andriamanitsika izy.
1 [Fiantsoana
hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho
an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena
antsika.
2 Aoka hankeo
anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny
fihirana isika.
3 Fa Andriamanitra
lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
4 Eo an-tànany ny
fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
5 Azy ny ranomasina,
fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
*
6 Avia, ka aoka
hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah,
Mpanao antsika;
7 Fa Izy no
Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo
anio ny feony manao hoe:
8 Aza* manamafy ny
fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany
an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza]
9 Izay nakan'ny
razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
10 Efa-polo taona no
nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia
amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
11 Ka dia nianiana
tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
1 [Hira fifaliana
noho ny hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i
Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra.
2 Mihirà ho an'i
Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
3 Ambarao any amin'ny
jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
*
4 Fa lehibe Jehovah
ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra
rehetra.
5 Fa ny andriamanitry
ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
6 Famirapiratana sy
voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany
masina.
7 Ry firenena,
manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
8 Manomeza an'i
Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo
an-kianjany.
9 Miankohofa eo
anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry
tany rehetra.
10 Lazao any amin'ny
jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy
hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.
*
11 Aoka ho faly ny
lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay
rehetra ao aminy.
12 Aoka ho faly ny
saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala
13 Eo anatrehan'i
Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao
araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.
1 [Ny fisehoan'ny
fanjakan'Andriamanitra amin'ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny
mpanompon'Andriamanitra kosa] Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka
ho ravoravo ny nosy maro.
*
2 Rahona sy
aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza
fiandrianany.
3 Misy afo mialoha
Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
4 Mahazava izao
tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
5 Ny tendrombohitra
miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny
tany rehetra.
6 Ny lanitra maneho
ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
7 Aoka ho menatra
izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny
andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra
rehetra.
8 Ziona mandre ka
faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
9 Fa Hianao, Jehovah
ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra
rehetra Hianao.
*
10 Hianareo izay tia
an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary
mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
11 Ny fahazavana no
voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.
*
12 Mifalia amin'i
Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina*.[Na: ny fahatsiarovana ny
fahamasinany]
Psaume.
1 [Fifaliana
amin'Andriamanitra noho ny nanehoany ny famonjeny sy ny fahamarinany] Fihirana.
Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany
ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
2 Jehovah efa
nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny
fahamarinany.
3 Efa nahatsiaro ny
famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita
ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
*
4 Mihobia ho an'i
Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
5 Mankalazà an'i
Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana,
6 Amin'ny trompetra
sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka.
7 Aoka hirohondrohona
ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo
aminy.
8 Aoka hiteha-tanana
ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra
9 Eo anatrehan'i
Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny
fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.
1
[Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny
fahamarinany] Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka
amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
2 Lehibe any Ziona
Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.
3 Aoka hidera ny
anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah.
4 Ny herin'ny
mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana
no ataonao eo amin'i Jakoba.
*
5 Manandrata an'i
Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa
masina Izy.
6 Mosesy sy Arona
tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i
Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
7 Niteny taminy tao
anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny
didy izay efa nomeny azy.
8 Jehovah
Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny
helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
*
9 Asandrato Jehovah
Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah
Andriamanitsika.
Psaume d’action de
grâces.
1 [Fiantsoana izao
tontolo izao hanompo an'i Jehovah] Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah,
ry tany rehetra.
2 Manompoa an'i
Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
3 Aoka ho fantatrareo
fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika*, Dia olony sy
ondry fiandriny.[Na: fa tsy isika]
4 Midira eo amin'ny
vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy,
mankalazà ny anarany,
5 Fa tsara Jehovah;
Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny
fahamarinany.
*
Psaume de David.
1 [Fikasan'ny
mpanjaka ny amin'ny hitondrany marina ny fanjakany] Salamo nataon'i Davida.
Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
*
2 Hitandrina ny
lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha
amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.
3 Tsy hampitoetra
zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko
izany.
4 Ny fo maditra hiala
amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy aho,[Heb. hahalala]
5 Izay
manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay
miandranandrana sy miavonavona am-po;
6 Ny masoko hijery
izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny
lalana marina no hanompo ahy.
7 Tsy mba hitoetra ao
anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay
milaza lainga.
8 Haringako
isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao
ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.
Prière de
l’affligé, quand il est accablé et répand sa plainte devant
l’Éternel.
1 [Fitarainan'ny
mpanompon'Andriamanitra noho ny fahoriana nahazo azy sy ny naharavan'i
Jerosalema] Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i
Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
2 Aza manafina ny tavanao
amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro
itarainako dia faingàna hamaly ahy.
*
3 Fa levon-ko setroka ny
androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
4 Taninina tahaka ny ahitra
ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5 Noho ny fisentoan'ny foko
Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
6 Tahaka ny
sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
7 Tsy mahita
tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
8 Mandatsa ahy
mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
9 Fa lavenona no
nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
10 Noho ny
fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
*
11 Ny androko dia
tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
12 Nefa Hianao,
Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra
amin'ny taranaka fara mandimby.
13 Hianao hitsangana
ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga
ny fotoana.
14 Fa sitraky ny
mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15 Hatahotra ny
anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra
ny voninahitrao;
*
16 Fa Jehovah
nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
17 Nijery ny fivavaky
ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18 Hosoratana ho
an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera
an'i Jehovah;
19 Fa Izy
nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no
nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
20 Mba hihaino
ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty*, [Heb. zanaky ny
fahafatesana]
21 Mba hotorina
any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22 Rehefa
tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
*
23 Efa
nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24 Hoy izaho:
Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra
amin'ny taranaka fara mandimby.
*
25 Tany aloha
no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
26 Ireo dia ho
levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny
lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
27 Fa Hianao no tsy
miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
28 Ny zanaky ny
mpanomponao handry fahizay*, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na:
dia mbola haharitra]
*
De David.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony] Nataon'i Davida
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny
anarany masina.
2 Misaora an'i
Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
3 Izay mamela ny
helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
4 Izay manavotra ny
ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
5 Izay mahavoky soa
ny vavanao*; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery**.[*Na:
fanahinao, na fahanteranao][**Na: ho toy ny voromahery]
*
6 Jehovah manao
fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.
7 Efa nampahafantatra
an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
8 Mamindra fo sy
miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
9 Tsy mandaha-teny
mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
10 Tsy mba manao
amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
11 Fa tahaka ny
hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay
matahotra Azy.
12 Tahaka ny
halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny
fahotantsika amintsika.
*
13 Tahaka ny
fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
14 Fa Izy mahalala ny
toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
15 Tahaka ny ahitra
ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny
famoniny,
16 Satria tsofin'ny
rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
17 Fa ny
famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay
amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
18 Dia amin'izay
mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
*
19 Jehovah efa
nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao
tontolo izao.
20 Misaora an'i
Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny
didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.
21 Misaora an'i
Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
22 Misaora an'i
Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao] Misaora an'i Jehovah,
ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana
sy voninahitra no fitafinao,
2 Mitafy ny mazava
tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
3 Ary mametraka ny
rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho
kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,
4 Ary manao ny
rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony*.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra
Ary ny mpanompony ho lelafo]
*
5 Nanorina ny tany
tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
6 Ny rano lalina no
nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
7 Noho ny teny mafy
nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia
nirifatra izy
8 Nisondrotra ny
tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
9 Efa nasianao fetra
tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10 Mampandeha
loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no
alehan'ireny,
11 Ka isotroan'ny
bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
12 Eo amboniny no
itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13 Manondra-drano ny
tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky
ny tany.
*
14 Mampaniry ahitra
ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy
amin'ny tany.
15 Ary divay izay
mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary
mofo hanohanana ny ain'ny olona.
16 Voky ny hazon'i
Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;
17 Izay anaovan'ny
voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny
tranony.
18 Ny tendrombohitra
avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
*
19 Nanao ny volana ho
fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
20 Mahatonga aizina
Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
21 Ny liona tanora
mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
22 Miposaka ny
masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
23 Fa ny olona kosa
mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.
*
24 Endrey ny
hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny
zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao]
*
25 Indro ny
ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo
isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
26 Any no
alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na:
holaolaovinao]
27 Ireo rehetra
ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
28 Manome Hianao, dia
manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
29 Manafina ny
tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka
mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
30 Maniraka ny
Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.
*
31 Ho mandrakizay
anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
32 Jereny ny tany,
dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
33 Hihira ho an'i
Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola
miaina.
34 Ho maminy anie ny
fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.
35 Ho lany ringana
tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ
intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
*
1
[Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny asany mahagaga tamin'ny
nitondrany ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta] Miderà an'i Jehovah, miantsoa
ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
2 Mihirà ho Azy,
mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
3 Ataovy ho
reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
*
4 Mitadiava an'i
Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
5 Tsarovy ny asa
mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
6 Ry taranak'i
Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
7 Jehovah, Izy no
Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
*
8 Mahatsiaro ny
fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo
mandimby,
9 Eny, ilay nataony
tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
10 Izay naoriny ho
lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
11 Ka nataony hoe:
Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
12 Fony mbola
olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
13 Ary nifindrafindra
tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
14 Tsy nisy navelany
hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15 Aza manendry ireo
voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
16 Dia niantso ny
mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
17 Naniraka lehilahy
hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
18 Nampijaliny
tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
19
Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny
tenin'i Jehovah.
20 Naniraka ny
mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
21 Nanao azy ho
tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
22 Mba hamatotra ny
mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
*
23 Ary Isiraely
nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.
24 Dia nahamaro ny
taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
25 Nampiova ny
fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
26 Naniraka an'i
Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
27 Ary izy ireo nanao
ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
28 Nahatonga aizina
Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
29 Nahatonga ny
ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
30 Nisy sahona
betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
31 Niteny Izy, dia
tonga ny lalitra betsaka* Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra. [Na:
fihitra, na kalalao]
32 Nahatonga havandra
ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.
33 Namely ny
voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.
34 Niteny Izy, dia
tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
35 Dia nihinana ny
zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
36 Ary namely ny
lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.
37 Ary dia nitondra
ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo
na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.
38 Faly Egypta
tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
*
39 Namelatra rahona
ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
40 Nangataka izy
ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
41 Nanokatra ny
vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho
renirano.
42 Fa nahatsiaro ny
teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
43 Dia nitondra ny
olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
44 Ka dia nanome azy
ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,
45 Mba
hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
Louez Jah.
*
1 [Ny
fivadibadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny fahamarinan'Andriamanitra]
Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Iza no
mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
3 Sambatra izay
mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
4 Jehovah ô, tsarovy
aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,
5 Hahitako ny soa
azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako
miaraka amin'ny lovanao.
*
6 Efa nanota izahay mbamin'ny
razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
7 Ny razanay tany
Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny
habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo
amoron'ny Ranomasina Mena
8 Kanefa namonjy azy
ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
9 Dia noteneniny mafy
ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina
tahaka ny efitra Izy,
10 Namonjy azy
tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo.
11 Dia nosaronan'ny
rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
12 Dia nino ny teniny
izy Ka nihira ny fiderana Azy.
*
13 Nalaky nanadino ny
asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
14 Fa fatra-pila izy
tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.
15 Dia nomeny azy
izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy*.[Na: ny fanahiny]
16 Dia nialona an'i
Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.
17 Nisokatra ny tany,
dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon*'i Abìrama.[Heb. ny fiangonany]
18 Dia nisy afo
nirehitra tamin'ny antokony*; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.[Heb. ny
fiangonany]
*
19 Nanao ombilahy
kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
20 Ary ny
voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
21 Nohadinoiny
Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22 Dia
fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina
Mena.
23 Ary nikasa*
handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny
banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.[Heb.
nilaza]
*
24 Ary nanamavo
ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
25 Fa
nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah.
26 Dia nanandratra ny
tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
27 Ary ny
taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany
maro Izy.
*
28 Nikambana tamin'i
Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty,
29 Dia nampahatezitra
an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30 Fa nitsangana
nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
31 Ary nisaina ho
fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
*
32 Nampahatezitra
an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho
ny nataon'ireo;
33 Fa niodina
tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
*
34 Tsy naringany ny
firenena Izay nasain'i Jehovah naringany;
35 Fa nifangaro
tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
36 Dia nanompo ny
sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
37 Namono ny zananilahy
sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia* ireo;[Heb. ireo tompo]
38 Eny, nandatsaka rà
marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho
fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy.
39 Ary naloto
tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
*
40 Dia nirehitra
tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
41 Dia nanolotra azy
teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
42 Ary
nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy.
43 Matetika Izy
no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka
nihalevona noho ny helony.
44 Kanefa
nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
45 Dia
nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony.
46 Dia nataony nahita
famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy.
*
47 Vonjeo izahay, ry
Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny
anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao.
48 Isaorana anie
Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay;
Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
1 [BOKY FAHADIMY][Fiantsoana
ny olona efa nahita soa tamin'Andriamanitra mba hisaotra Azy] Miderà an'i
Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Aoka hanao izany ny
navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo*,
[Na: fahoriana]
3 Sy nangoniny avy
tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra
sy tany amin'ny ranomasina.
4 Nirenireny
tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna
honenana.
5 Noana sy
nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
6 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny;
7 Dia nitondra
azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana.
8 Aoka hidera
an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
9 Fa mahafa-po
ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
*
10 Izay
nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy
vy,
11 Satria nandà
ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
12 Dia
nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka* izy, nefa tsy nisy
hamonjy;[Heb. tafintohina]
13 Dia
nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
14 Nitondra azy
nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany
ny fatorany.
15 Aoka hidera
an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
16 Fa nanorotoro ny
varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
*
17 Mitondra fahoriana
ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
18 Nahamonamonaina
azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy.
19 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
20 Nandefa ny teniny
Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany.
21 Aoka hidera an'i
Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
22 Ary aoka hanatitra
fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana.
*
23 Izay midina
any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano
lehibe
24 No mahita ny
asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina.
25 Fa niteny
Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
26 Niakatra
hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona
noho ny fahoriana.
27
Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
28 Dia
nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny
Izy.
29 Nanony ny
rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
30 Dia faly
ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.
31 Aoka hidera
an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
32 Ary aoka
hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny
fipetrahan'ny loholona.
*
33 Mampody ny
ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
34 Ny tany
mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo.
35 Mampody ny efitra
ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
36 Ary amponeniny eo
izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
37 Ary hamafy
eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
38 Dia mitahy
azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39 Fa mihakely
sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40 Mampidina
fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy
misy lalana;
41 Fa
manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy
ny ondry andiany.
42 Hahita izany
ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
*
43 Izay hendry
dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
Cantique. Psaume de
David.
1 [Fahatokiana
an'Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo] Tonon-kira.
Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko* no hihira
sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]
2 Mifohaza, ry valiha sy
lokanga; hifoha maraina koa aho*. [Na: hampifoha ny maraina aho]
*
3 Hidera Anao eny
amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
4 Fa lehibe mihoatra
ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.
5 Misandrata any
ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny
tany rehetra ny voninahitrao.
6 Mba hahafaka ny
malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
*
7 Andriamanitra
niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny
lohasahan'i Sokota horefesiko;
8 Ahy Gileada, Ahy
Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
9 Tavindranoko
fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho
hihobiako.
*
10 Iza no
hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
11 Tsy Hianao
va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny
miaramilanay, Andriamanitra ô?
12 Vonjeo
amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
13 Andriamanitra no
haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Au chef de musique. De
David. Psaume.
1 [Ny amin'ny loza hanjo ny
manao teny ratsy sy tia ozona] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako
ô, aza mangina Hianao,
2 Fa nisoka-bava ny
ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga
izy.
3 Teny
fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
4 Ny fitiavako dia
valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
5 Ny soa
nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
*
6 Anendreo
olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra* hitsangana eo
an-kavanany.[Na: aoka Satana]
7 Raha
hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
8 Aoka ho vitsy
ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.
9 Aoka ho kamboty ny
zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
10 Aoka hirenireny
mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
11 Aoka ny mpampanàna
vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry
ny asany.
12 Aoka tsy hisy
haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
13 Aoka ho fongora ny
taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany.
14 Aoka hotsarovan'i
Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
15 Aoka ho eo
anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany
anie ny fahatsiarovana azy.
16 Satria tsy mba
nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka
am-po mba hahafaty azy;
17 Tia ozona izy, ka
nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
18 Nitafy ozona
tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao
amin'ny taolany tahaka ny diloilo;
19 Dia aoka ho tahaka
ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
20 Izany no famaliana
avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
*
21 Fa Hianao, Jehovah
Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny
famindram-ponao.
22 Fa mahantra sy
malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
23 Lasa tahaka ny
aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
24 Efa malemy ny
lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko.
25 Ary izaho dia
tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
26 Ampio aho Jehovah
Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
27 Ary aoka ho
fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
28 Manozona izy ireo,
fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
29 Mitafy henatra ny
fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
*
30 Hidera an'i
Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako
Azy.
31 Fa mitsangana eo
an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
De David.
Psaume.
1 [Ny haherezan'ny
Mpanjakan'i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona] Salamo nataon'i Davida.
Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
*
2 Ny tehin'ny herinao
Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.
3 Ny olonao dia
mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao*; Amin'ny fihaingoana masina,
tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.[Na: andron'ny herinao]
4 Efa nianiana
Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i
Melkizedeka.
*
5 Ny Tompo eo
an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany
6 Hitsara any amin'ny
jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona* any amin'ny
tany malalaka Izy.[Heb. loha]
7 Hisotro
amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.
*
Louez Jah. **
1 [Salamo abidy. Ny
fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i
Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny
fiangonan-dehibe.
*
2 Lehibe ny asan'i
Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.
3 Madera sady
malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
4 Manao izay
hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
5 Nomeny
hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha]
6 Ny herin'ny
asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa.
7 Ny asan'ny
tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
8 Mitoetra mafy
mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
9 Manatitra
fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy;
Masina sy mahatahotra ny anarany.
10 Ny
fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no
ananan'izay rehetra mankatò izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb.
ireo]
Louez Jah. **
1 [Salamo abidy. Ny toetry ny olona marina sy ny
mahasambatra azy] Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady
mankasitraka ny didiny indrindra.
2 Hahery
ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
3 Fananana sy
harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
*
4 Ao amin'ny
maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary
marina ireny*.[Na: Izy]
5 Sambatra ny
olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
6 Fa tsy hangozohozo
mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
7 Tsy mba manahinahy
hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
8 Voatohana ny fony,
ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
9 Namafy izy, eny,
nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra
amim-boninahitra ny tandrony.
*
10 Ny ratsy fanahy
hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny
ratsy fanahy.
Louez Jah. *
1 [Fiderana
an'Andriamanitra lehibe, Izay manandratra ny malahelo] Haleloia. Miderà,
ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah.
2 Isaorana anie ny
anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
3 Hatramin'ny
fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i
Jehovah.
4 Avo ambonin'ny
jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
*
5 Iza no tahaka an'i
Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,
6 Nefa
miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7 Manangana ny
malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo
amin'ny zezika,
8 Mba hametraka
azy ho naman'ny mpanapaka ny olony.
9 Mampitoetra tsara
ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
*
1 [Ny horohoron'ny
tany aman-danitra tamin'ny nanavotan'Andriamanitra ny olony tany Egypta] Fony
nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny
firenena hafa fiteny,
2 Joda no fitoerany
masina, Isiraely no fanjakany.
*
3 Ny ranomasina
nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4 Ny tendrombohitra
dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
*
5 Inona izato mahazo
anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika
ianao?
6 Ary ianareo
tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana,
tahaka ny zanak'ondry?
7 Mihorohoroa eo
anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.
8 Izay mampody ny
vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
1 [Fampitahana
an'Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin'ny Jentilisa] Jehovah ô, aza izahay,
aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao
sy ny fahamarinanao.
*
2 Nahoana ny
jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
3 Nefa any an-danitra
Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
4 Volafotsy sy
volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:
5 Manam-bava izy. fa
tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
6 Manan-tsofina izy,
fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
7 Manan-tanana izy,
fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny
tendany.
8 Ho tahaka azy izay
manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
*
9 Ry Isiraely ô,
matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
10 Ry taranak'i Arona
ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
11 Hianareo izay
matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
*
12 Jehovah mahatsiaro
ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona
Izy;
13 Hotahiny izay
matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
14 Jehovah anie
hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo.
15 Hitahy
anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
*
16 Ny lanitra
dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.
17 Ny maty tsy
mba hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina;
18 Fa izahay
hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
1 [Fisaorana
nataon'izay saiky maty, nefa novonjen'Andriamanitra] Izaho tia an'i Jehovah,
satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.
2 Satria efa
nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
*
3 Nihodidina
tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny
fiainan-tsi-hita*; Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola]
4 Dia niantso
ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5 Mamindra fo sy
marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6 Miaro ny kely saina
Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
*
7 Miverena ho amin'ny
fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8 Dia namonjy ny
fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny
tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
9 Handeha eo
anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
10 Nino aho; hiteny
tokoa aho*; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho]
11 Hoy izaho tamin'ny
fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
12 Inona no havaliko
an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Handray ny kapoaky
ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.
14 Hanefa ny voadiko
amin'i Jehovah aho. Eny,
eo anatrehan'ny olony rehetra.
15 Zava-dehibe
eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.
*
16 Indrisy!
Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny
ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
17 Hianao no haterako
fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.
18 Hanefa ny voadiko
amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,
19 Dia eo
an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
1 [Fiantsoana izao
firenena rehetra izao hidera an'i Jehovah] Miderà an'i Jehovah ry firenena
rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.
2 Fa lehibe ny
famindram-pony amintsika; Ary mandrakizay ny fahamarinan'i Jehovah. Haleloia.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny famindram-pony, indrindra noho ny namaliany ny vavaka
nataon'ny mpanompony sy ny namonjeny azy tamin'ny fahavalony] Miderà an'i
Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
2 Aoka ny
Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
3 Aoka ny
taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
4 Aoka izay
matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
*
5 Tao
an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka
ahy.
6 Jehovah no
miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?
7 Jehovah no miandany
amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.
8 Tsara ny mialoka
amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona.
9 Tsara ny matoky
an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
*
10 Ny firenena
rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa;
11 Nitangorona tamiko
ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy
tokoa.
12 Nanodidina ahy
tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i
Jehovah no handringanako azy tokoa.
*
13 Nanosika ahy mafy
hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
14 Jehovah no
heriko sy fiderako. Fa efa
famonjena ahy Izy.
*
15 Ao an-dain'ny
marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho
hery;
16 Ny tanana ankavanan'i
Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery.
17 Tsy ho faty aho,
fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah.
18 Nofaizan'i Jehovah
mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
*
19 Vohay ny
vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah.
20 Ity no vavahadin'i
Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
21 Hidera Anao aho,
fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
*
22 Ny vato izay
nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
23 Avy tamin'i Jehovah
izany Ka mahagaga eo imasontsika.
24 Ity no andro
nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
25 Mifona aminao aho,
Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
26 Hotahina anie izay
avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano
anareo.
*
27 Andriamanitra
Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia
hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza.
28 Andriamanitro
Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
29 Miderà an'i
Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
*
1 [Salamo abidy.
Fankalazana ny lalàn'Andriamanitra][ALEFA] Sambatra ny mahitsy lalana,Izay
mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
2 Sambatra izay
mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra;
3 Eny, Izay tsy
manao ratsy. Fa mandeha araka
ny lalany.
4 Hianao
namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
5 Enga anie ka
ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
6 Dia tsy ho
menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
7 Hidera Anao
amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.
8 Ny didinao no
hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
*
9 [BETA] Inona no
hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny
teninao.
10 Tamin'ny foko
rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
11 Ato am-poko
no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
12 Isaorana
anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
13 Ny molotro
no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14 Ny lalan'ny
teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
15 Ny didinao
no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
16 Ny didinao
no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
*
17 [GIMELA] Asio soa
aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
18 Ampahirato ny
masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
19 Vahiny
etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
20 Torotoro ny
fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
21 Voateninao
mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
22 Esory amiko
ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao
aho.
23 Na dia ny
mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny
didinao.
24 Ny
teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
*
25 [DALETA] Miraikitra
amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
26 Ny lalako no
nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
27 Ampahalalao ahy ny
lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
28
Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
29 Ny lalan'ny
lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
30 Ny lalàn'ny
fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
31 Mifikitra amin'ny
teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
32 Ny lalan'ny
didinao no ihazakazahako, Fa* ampahalalahinao ny foko.[Na: Raha]
*
33 [HE] Jehovah ô,
toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.
34 Omeo fahalalana
aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.
35 Ampandehano
amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
36 Amporisiho ny foko
ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.
37 Avilio ny masoko
tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.
38 Tovy ny teninao
amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra*.[Tovy amin'ny mpanomponao
ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao]
39 Esory ny
fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
40 Indro, manina ny
didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.
*
41 [VAO] Aoka ho
tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
42 Dia hamaly
izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
43 Ary aza dia
esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
44 Dia hitandrina ny
lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
45 Ary handeha
amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
46 Hilaza ny
teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
47 Ary hiravoravo
amin'ny didinao aho Satria tiako ireny.
48 Hasandratro ny
tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
*
49 [ZAINA] Tsarovy ny
teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy*.[Na: Satria
nampanantenainao aho]
50 Izao no mampionona
ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
51 Ny mpirehareha
maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.
52 Mahatsiaro ny
fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
53 Fahatezerana
mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
54 Ny didinao
no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako.
55 Mahatsiaro
ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
56 Izao no ahy:
Mitandrina ny didinao aho.
*
57 [HETA]
Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
58 Mifona
aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59 Mihevitra ny
lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao.
60 Mandeha faingana
aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao.
61 Nihodidina tamiko
ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
62 Mamatonalina no
hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
63 Naman'izay rehetra
matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao.
64 Jehovah ô,
henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
*
65 [TETA]
Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
66 Ampianaro
fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
67 Fony tsy mbola
azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
68 Sady tsara Hianao
no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
69 Namoron-dainga
hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
70 Matavy tahaka ny
menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
71 Soa ihany aho
nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
72 Ny lalàn'ny
vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby
arivo.
*
73 [JODA] Ny tananao
nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
74 Izay matahotra
Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
75 Fantatro, Jehovah
ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76 Ny
famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
77 Aoka ho
tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
78 Aoka ho
menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* izy; Izaho
hisaintsaina ny didinao.[Na: nanoloky ahy tamin'ny lainga]
79 Aoka
hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
80 Aoka ho marina
tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
*
81 [KAFA] Ritra ny
aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
82 Pahina ny masoko
miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
83 Fa tahaka ny siny
hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
84 Hoatrinona no
andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy
Hianao?
85 Efa nanao longoa
hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
86 Marina ny didinao
rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
87 Saiky laniny
teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
88 Velomy aho
araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny
vavanao aho.
*
89 [LAMEDA] Ho
mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90 Hihatra
amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany
Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
91 Hanefa ny
fitsaranao* no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra
rehetra.[Na: Araka ny nanendrenao azy]
92 Raha tsy ny
lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
93 Tsy
hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
94 Anao aho,
vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
95 Miandry ahy
ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
96 Efa hitako
fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny
didinao.
*
97 [MEMA]
Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
98 Ny didinao
mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay
ireny.
99 Hendry noho
ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no
fisaintsainako.
100 Hendry noho
ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
101 Efa
narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny
teninao.
102 Tsy mba miala
amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
103 Endrey ny
hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104 Ny didinao
no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
*
105 [NONA]
Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106 Efa
nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
107 Ampahorina
indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
108 Jehovah ô,
aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary
ampianaro ahy ny fitsipikao.
109 An-tenda*
ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako]
110 Ny ratsy
fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao
aho.
111 Efa
noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko
izany.
112 Apetrako ny
foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.
*
113 [SAMEKA] Halako
ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
114 Fiereko sy
ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
115 Mialà amiko
ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.
116 Tohàny aho araka
ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.
117 Tohàny aho mba ho
voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
118 Ataonao
tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny
laingany.
119 Efa nataonao
fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako
ny teni-vavolombelonao.
120 Mipararetra ny
nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
*
121 [AINA] Manaraka
ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory
ahy.
122 Iantohy mba ho
soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
123 Pahina ny
masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.
124 Ataovy
amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
125 Mpanomponao aho,
ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
126 Efa andro tokony
hampisehoan'i Jehovah ny heriny* izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.[Heb.
hiasan'i Jehovah]
127 Izany no itiavako
ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
128 Izany no
iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
*
129 [PE] Mahagaga ny
teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
130 Mahazava ny
famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
131 Mitanatana vava
aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
132 Todiho aho, ka
mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.
133 Ampitoero eo
amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
134 Vonjeo amin'ny
fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.
135 Ampamirapirato
amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
136 Rano mandriaka no
mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.
*
137 [TSADE]
Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
138 Efa
voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny
teni-vavolombelonao.
139 Efa
maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy
ahy.
140 Voazaha
toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.
141 Kely aho ka
natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
142 Ny fahamarinanao
dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
143 Fahoriana sy
fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
144 Ny fahamarinan'ny
teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
*
145 [KOFA] Ny foko
rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no
hotandremako;
146 Nitaraina taminao
aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
147 Raha mbola tsy
nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
148 Nialoha ny
fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
149 Henoy ny feoko
araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
150 Efa mby akaiky
izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
151 Akaiky
Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
152 Efa fantatro ela
tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
*
153 [RESY] Jereo ny
fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
154 Soloy vava aho,
ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
155 Lavitra ny ratsy
fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
156 Lehibe ny
antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
157 Maro ny
mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
158 Mijery ny
mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
159 He ny
fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
160
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao
marina rehetra.
*
161 [SINA] Na
dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no
atahoran'ny foko.
162 Faly aho
noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
163 Halako ny
lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
164 Impito isan'andro
no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
165 Be fiadanana izay
tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
166 Miandry ny
famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao
ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
168 Mitandrina ny
didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo
anatrehanao.
*
169 Aoka anie ho
tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
170 Aoka anie ho
tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
171 Aoka hiboiboika
fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
172 Hihira ny teninao
ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
173 Aoka anie hamonjy
ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
174 Efa manina ny
famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
175 Aoka anie ho
velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
176 Efa nania aho;
tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba
hadinoiko.
*
Cantique des
degrés.
1 [Fitarainana
ataon'ny olona miara-mitoetra amin'izay tia ady] Fihirana fiakarana*. Jehovah
no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,[Na: Fihirana misy hevitra
ambaratonga]
2 Jehovah ô, vonjeo
ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka
3 Inona no homeny
anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
4 Zana-tsipìkan'ny
mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy*.[Izahao 1 Mpan. xix. 4]
5 Lozako, fa mivahiny
eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!
6 Ela loatra izay no
nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.
7 Raha izaho, dia
fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.
Cantique des
degrés.
1 [Fahatokian'izay
manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana*. Manopy ny masoko ho
amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy**? [**Na: Fihirana misy
hevitra ambaratonga][**Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]
2 Ny famonjena ahy
dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
*
3 Tsy mba havelany
hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4 Indro, tsy matory
na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
*
5 Jehovah no Mpiaro
anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
6 Ny masoandro tsy
mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
7 Jehovah hiaro anao
amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
8 Jehovah hiaro anao,
na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Cantique des degrés. De
David.
1 [Fifaliana ny amin'i
Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida.
FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i
Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Ny tongotray efa mijoro Eo
anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
*
3 Dia ianao ry
Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4 Any no iakaran'ny
firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra
ny anaran'i Jehovah.
5 Fa any no misy seza
fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
*
6 Mangataha fiadanana
ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
7 Fiadanana anie ho
ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
8 Noho ny rahalahiko
sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.
9 Noho ny tranon'i
Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
Cantique des
degrés.
1 [Fanantenana
an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fanebahana sy ny fanamavoana] Fihirana
fiakarana*. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.[Na:
Fihirana misy hevitra ambaratonga]
*
2 Indro, toy ny
fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy
Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika,
Mandra-pamindra fony amintsika.
3 Mamindrà fo aminay,
Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;
4 Eny, tototry ny
famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny
mpiavonavona.
Cantique des degrés. De
David.
1 [Fisaorana an'Andriamanitra
noho ny nanafahany ny mpanompony saiky tra-doza] Fihirana fiakarana*. Nataon'i
Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:
[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Raha tsy Jehovah no nomba
antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3 Dia nitelina antsika velona
izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4 Dia nandifotra antsika ny
rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5 Eny, nanafotra ny
fanahintsika Ny rano misafoaka.
6 Isaorana anie Jehovah, Izay
tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.
7 Ny fanahintsika dia efa
afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika,
ka afaka isika.
8 Ny famonjena antsika dia
amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Cantique des degrés.
1 [Ny fiarovana mahafinaritra
hitan'izay matoky an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Izay matoky an'i
Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra
mandrakizay.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
*
2 Tahaka ny tendrombohitra
manodidina an'i Jerosalema No anodidinan'i Jehovah ny olony Hatramin'izao ka ho
mandrakizay
3 Fa tsy hitoetra eo amin'ny
anjaran'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina
haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.
*
4 Jehovah ô, manaova soa
amin'ny tsara Sy ny mahitsy fo.
5 Fa izay mivily ho amin'ny
sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao ratsy
anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
Cantique des degrés.
1 [Fifalian'ny efa nampodin'i
Jehovah, sy fifonana ho an'izay mbola babo] Fihirana fiakarana*. Fony Jehovah
nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Fahizay dia feno hehy ny
vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe:
Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.
3 Eny, zava-dehibe no
nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
*
4 Tanteraho, Jehovah
ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka
any amin'ny tany atsimo.
5 Izay mamafy
am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
6 Mandeha
mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny
fihobiana kosa.
Cantique des degrés. De
Salomon.
1 [Ny fahatsinontsinon'ny
ataon'ny olona, raha tsy ambinin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no
manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny
tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra
ambaratonga]
2 Zava-poana ho
anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny
fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory
aza izy.
*
3 Indro, lova avy
amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.
4 Tahaka ny
zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.
5 Sambatra izay
mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly
amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
Cantique des
degrés.
1 [Ny hatsaran'ny
tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Sambatra
izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na:
Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Fa hohaninao tokoa
ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
3 Ny vadinao dia
tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny
zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.
4 Indro, fa toy izany
no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.
5 Hitahy anao avy any
Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao
Amin'ny andro rehetra hiainanao.
6 Eny, hahita ny
zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
Cantique des
degrés.
1 [Ny hiafaran'ny
mpandrafy an'i Ziona] Fihirana fiakarana*. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny
fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy
hevitra ambaratonga]
2 Mafy no
nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
3 Ny mpiasa dia niasa
ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.
*
4 Marina Jehovah: Efa
nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.
5 Aoka ho menatra sy hiamboho
Izay rehetra mandrafy an'i Ziona
6 Ka ho tahaka ny
ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
7 Tsy misy mpijinja
mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;
8 Ka dia tsy hisy
mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no
itsofanay rano anareo.
Cantique des
degrés.
1 [Fitarainana
ataon'izay latsaka amin'ny fahoriana lalina] Fihirana fiakarana*. Tao amin'ny
lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Tompo ô, henoy ny
feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
3 Raha mandinika
heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
4 Fa eo aminao no
misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
*
5 Niandry an'i Jehovah
aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
6 Ny fanahiko miandry
ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny
mpiambina ny maraina.
7 Manantenà an'i
Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana
be;
8 Ary Izy no
hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.
Cantique des degrés. De
David.
1 [Fiononam-po sy
fiankinana amin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Jehovah ô,
tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina
izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na:
Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Fa nampionona sy
nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia
tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.
3 Ry Isiraely ô,
manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Cantique des
degrés.
1 [Vavaka ho an'ny
tranon'Andriamanitra sy ny ankohonan'i Davida] Fihirana fiakarana*. Jehovah ô, tsarovy
Davida Noho ny fiahiany rehetra,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Dia ilay nianiana
tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
3 Tsy mba hiditra ao
an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
4 Tsy mba
havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
5 Mandra-pahitako
fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
*
6 Indro, nandre azy
tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala* isika.[Na: tany
an-tsahan'i Jara]
7 Aoka hiditra
any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
8 Mitsangàna,
Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
9 Aoka ny
mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
10 Noho ny
amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.
*
11 Jehovah efa
nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny
kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.
12 Raha
hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko
azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny
zanany.
*
13 Fa Jehovah efa
nifidy an'i Ziona. Ary
naniry azy ho fonenany.
14 Ity, hoy
Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
15 Hotahiko
tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
16 Ny mpisorona
ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.
17 Ao no
hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.
18 Ny fahavalony
hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
Cantique des degrés. De
David.
1 [Ny mahatsara ny
fifankatiavana] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady
mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina [Na: Fihirana misy hevitra
ambaratonga]
2 Tahaka ny diloilo
tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona,
Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony*; [Na: vozon'akanjony]
3 Tahaka ny ando any
Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho
eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.
Cantique des
degrés.
1 [Hira ho fisaorana
an'i Jehovah amin'ny alina] Fihirana fiakarana*. Andeha, misaora an'i Jehovah**,
ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i
Jehovah.[*Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: misaora an'i Jehovah
amin'ny alina]
2 Manandrata ny
tananareo ho amin'ny fitoerana masina*, Ka misaora an'i Jehovah.[Na: amin'ny
fahamasinana]
3 Hitahy anao avy ao
Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
*
Louez Jah. *
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny nitondrany ny Isiraely, ary filazana ny
mahatsinontsinona ny sampy] Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà,
ianareo mpanompon'i Jehovah,
2 Hianareo izay
mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny
tranon'Andriamanitsika.
3 Miderà an'i
Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
4 Fa Jakoba nofidin'i
Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
*
5 Fa fantatro fa
lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
6 Manao izay
sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny
tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
7 Mampiakatra zavona
avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny
rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
8 Dia Ilay namely ny
voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.
9 Nanatitra
famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny
mpanompony rehetra,
10 Dia Ilay namely ny
jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
11 Dia Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana
rehetra;
12 Ary ny
taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.
*
13 Jehovah ô,
mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny
fahatsiarovana Anao.
14 Fa hanome
rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.
15 Ny sampin'ny
jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;
16 Manam-bava izy, fa
tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
17 Manan-tsofina izy,
fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
18 Ho tahaka azy izay
manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
*
19 Misaora an'i
Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;
20 Misaora an'i
Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i
Jehovah.
21 Isaorana avy any
Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
1 [Fankalazana
an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony]
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Midera
an'Andriamanitra Avo Indrindra*; Fa mandrakizay ny famindram-pony.[Heb.
Andriamanitry ny andriamanitra]
3 Miderà ny Tompon'ny
tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
*
4 Izy irery no
Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
5 Izay nanao ny
lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
6 Izay
namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
7 Izay nanao
ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
8 Dia ny masoandro ho
mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
9 Ary ny volana sy ny
kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
10 Izay namely
ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
11 Ka nitondra
ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
12 Tamin'ny tanana
mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
13 Izay
nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
14 Ka
nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
15 Fa nanary
an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny
famindram-pony),
16 Izay
nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
17 Izay namely
mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
18 Ka nahafaty
mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
19 Dia Sihona,
mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
20 Sy Oga,
mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
21 Ary ny taniny
nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
22 Dia ho lovan'ny
Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
*
23 Izay nahatsiaro
antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
24 Ka naneho hery
namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny
famindram-pony),
25 Izay manome hanina
ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
26 Miderà
an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
*
1 [Fahatsiarovana ny
alahelon'ny babo tany Babylona] Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay,
Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
2 Teo amin'ny
hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
3 Fa teo dia
nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay
hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.
*
4 Nefa ho nataontsika
ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
5 Raha manadino anao
aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
6 Raha tsy mahatsiaro
anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no
ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.
7 Jehovah ô, tsarovy
amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao,
ravao izy Hatramin'ny fanorenany.
8 Ry Babylona
zanakavavy izay efa resy*, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao
taminay.[Na: ho resy]
9 Sambatra izay maka
ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
De David.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany, izay mbola heken'ny
mpanjaka rehetra] Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo
anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
2 Hivavaka manandrify
ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny
fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao
rehetra.
*
3 Tamin'ny andro
nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny
fanahiko.
4 Jehovah ô, hidera
Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy.
5 Eny hihira ny
amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah.
*
6 Fa na dia avo aza
Jehovah dia* mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra
eny.[Na: Fa avo Jehovah ka]
7 Na dia handeha eo
amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao
hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao
ankavanana.
8 Jehovah no
hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy
ny asan'ny tananao.
Au chef de musique. De
David. Psaume.
1 [Fankalazana
an'Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra rehetra sady manerana izao rehetra
izao] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika
ahy Hianao ka mahalala ahy.
2 Hianao no mahalala ny
fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
3 Voadinikao ny toetro, na
mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
4 Fa, indro, tsy misy teny
tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
5 Manodidina ahy eo ivohoko
sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
6 Fahalalana mahagaga ahy
loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
*
7 Aiza no hialako
amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
8 Na dia miakatra any
an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita* ho
fandriako aza aho, indro, any Hianao.[Heb. Sheola]
9 Na dia maka
ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
10 Dia mbola
entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.
11 Ary na dia
hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy
ho tonga alina,
12 Tsia*, fa ny
maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro
ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.[Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona
ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc]
13 Fa Hianao no
nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
*
14 Hidera Anao
aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary
fantatry ny fanahiko marimarina izany.
15 Ny tenako
tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy
endrika tany ambanin'ny tany.
16 Ny masonao
efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny
bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
17 Endrey,
zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny
isany!
18 Raha hanisa
azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola
aminao ihany.
*
19 Haringanao
mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô*, Ary mialà amiko, ianareo
mpandatsa-drà. [Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô]
20 Dia izay
manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona
Anao foana.
21 Tsy
hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra* amin'izay
mitsangana hanohitra Anao? [Heb. ho maloiloy]
22 Halako dia
halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
23 Diniho aho,
Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny
eritreritro;
24 Ary izahao
na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay
aho.
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fangataham-piarovana noho
ny ataon'ny olona ratsy fanahy sy fetsy vava] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo
nataon'i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin'ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny
olon-dozabe,
2 Izay mihevitra ratsy ao
am-pony Ka manangana ady isan'andro
3 Mandranitra ny lelany
tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.
4 Jehovah ô, vonjeo amin'ny
tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra
handronjina ahy ho potraka.
5 Ny mpiavonavona efa
nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo
amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
*
6 Hoy izaho tamin'i Jehovah
Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!
7 Jehovah, Tompo ô, ry
Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana Hianao.
8 Jehovah ô, aza manome ny
irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao
hisandratra izy.
9 Ny lohan'izay manemitra ahy
Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.
10 Aoka hisy vain'afo
halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka
tsy hiarina intsony.
11 Tsy hampitoerina amin'ny
tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
12 Fantatro fa
Jehovah no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny
malahelo.
13 Eny tokoa, ny
marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
Psaume de David.
1 [Fitarainana
ataon'izay alaim-panahy sy enjehina] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô,
mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin'ny
fiantsoako Anao.
2 Aoka hankeo
anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny
fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
*
3 Jehovah ô, asio fiambenana
eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
4 Aza avela hirona ho
amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao
izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
5 Aoka ny marina
hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny
lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny
mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
6 Havarina amin'ny
hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
*
7 Toy ny fiasa sy ny
fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita*.
[Heb. Sheola]
8 Fa Hianao no
andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny
aiko.
9 Arovy aho amin'ny
fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.
10 Aoka ny ratsy
fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
Instruction de
David ; lorsqu’il était dans la caverne. Prière.
1 [Vavaka ataon'izay foin'ny
sakaizany sady enjehin'ny fahavalony] Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao
anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no
ifonako amin'i Jehovah.
2 Loarako eo anatrehany ny
fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
*
3 Raha reraka ato anatiko ny
fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany
fandrika hamandrihany ahy.
4 Jereo eo an-kavanana, ka
izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy
miahy ny fanahiko.
5 Mitaraina aminao aho,
Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.
6 Henoy ny fitarainako, Fa
reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.
7 Avoahy hiala amin'ny
tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina,
Satria manisy soa ahy Hianao.
Psaume de David.
1
[Faniriam-pamindram-po noho ny fahoriana mafy] Salamo nataon'i Davida. Jehovah
ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho
araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
2 Ary aza dia
mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho
marina eo anatrehanao.
*
3 Fa nanenjika ny
fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny
tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
4 Dia reraka ny
fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
5 Mahatsiaro ny andro
fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.
6 Mananty tanana
aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
*
7 Faingàna hamaly
ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao
ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
8 Ampandreneso ny
famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay
lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
9 Jehovah ô, vonjeo
amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
10 Ampianaro hanao ny
sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao
ahy amin'izay tany marina.
11 Noho ny anaranao,
Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka
amin'ny fahoriana.
12 Ary araka ny
famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny
fanahiko; Fa mpanomponao aho.
De David.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny nanambinany ny mpanjaka, ary filazana ny
mahatsinontsinona ny olombelona sy ny soa hitan'ny mpanompon'Andriamanitra]
Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako
hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
2 Izay Mpiantra sy
batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy
fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
*
3 Jehovah ô, inona ny
olona, no iahianao* azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy? [Heb.
ahafantaranao]
4 Ny olona dia tahaka
ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
5 Jehovah ô, aondreho
ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
6 Ampitselatselaro ny
helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
7 Ahinjiro avy any
ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny
hafa firenena,
8 Izay miteny
zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana
mamitaka.
*
9 Andriamanitra ô,
hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako
Anao,
10 Izay manome
famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho
voan'ny sabatra mandratra.
11 Afaho aho, ka
vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany,
Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;
12 Mba ho tahaka ny
zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra
tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
13 Ho feno ny trano
fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo
sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
14 Hahazaka be
ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy
fitarainana any an-dalambenay.
15 Sambatra ny
firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah
ho Andriamaniny.
Louange de
David.
1 [Salamo abidy.
Fiderana an'Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo] Fideran'i Davida. Hanandratra
Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay
doria.
2 Hankalaza Anao
isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
*
3 Lehibe Jehovah ka
tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany .
4 Ny taranaka rehetra
samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
5 Ny lazan'ny
voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
6 Ny herin'ny asanao
mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
7 Hanonona ny
fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
*
8 Mamindra fo sy
miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
9 Manisy soa izao
tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.
10 Jehovah ô, midera
Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.
11 Milaza ny
voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
12 Mba
hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao* Sy ny haben'ny voninahitry ny
fanjakanao**. [*Heb. heriny][**Heb. fanjakany]
*
13 Fanjakana
mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny
fanapahanao.
14 Jehovah manohana
izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
15 Ny mason'izao rehetra
izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany.
16 Manokatra ny
tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
17 Marina Jehovah
amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
18 Jehovah dia eo
akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19 Hanefa ny
irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
20 Miaro izay rehetra
tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
*
21 Ny fiderana an'i
Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany
masina mandrakizay doria.
*
Louez Jah. *
1 [Dera ho
an'Andriamanitra, Mpamonjy tokana] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko.
2 Hidera an'i Jehovah
aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola
velona koa.
*
3 Aza matoky ny
lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.
4 Miala ny fofonainy,
ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny
fikasany.
5 Sambatra izay
manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah
Andriamaniny,
6 Izay nanao ny
lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina
fahamarinana mandrakizay,
7 Izay manome rariny
ho an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny
mpifatotra;
*
8 Jehovah
mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny
marina;
9 Jehovah miaro ny
vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny
ratsy fanahy kosa.
10 Manjaka
mandrakizay Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry
Ziona. Haleloia.
1 [Haleloia ho an'ny
Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema] Haleloia;
Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
*
2 Manangana an'i
Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
3 Mahasitrana ny
torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
4 Milaza ny isan'ny
kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.
5 Lehibe ny
Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
6 Manandratra
ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.
*
7 Mihirà
fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,
8 Izay
manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay
mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
9 Manome hanina ho
an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.
10 Tsy ny
herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
11 Jehovah
mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
*
12 Mankalazà
an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
13 Fa manamafy
ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
14 Mahatonga ny
fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
15 Mampandeha ny
didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
16 Mandatsaka
oram-panala tahaka ny landihazo* Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona
Izy.[Heb. volon'ondry]
17 Mandatsaka ny
havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny
hatsiakany?
18 Mamoaka ny teniny
Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
19 Milaza ny teniny
amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.
20 Tsy nanao toy
izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny.
Haleloia.
Louez Jah. *
1 [Fiantsoana izao
rehetra izao hidera an'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà
Azy any ambony.
2 Miderà Azy,
ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
3 Miderà Azy, ry
masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
4 Miderà Azy, ry
lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.
5 Aoka hidera ny
anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
6 Nampitoetra ireo ho
mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
*
7 Midera an'i Jehovah
etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
8 Ny afo sy ny
havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny
teniny,
9 Ny tendrombohitra
sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
10 Ny bibi-dia sy ny
biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
11 Ny mpanjaka
amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny
tany,
12 Na ny zatovolahy,
na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
13 Samia midera ny
anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy
ny lanitra ny voninahiny.
*
14 Ary manandratra
tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny,
ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
Louez Jah. *
1 [Haleloia ho an'i
Jehovah, Izay aherezan'ny olony] Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i
Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.
2 Aoka ny Isiraely
hifaly amin'ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i
Ziona.
3 Aoka hidera ny
anarany amin'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny lokanga.
4 Fa sitrak'i Jehovah
ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
*
5 Aoka ny olona
masina hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
6 Aoka hisy
fanandratana an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
7 Hamaliany ny
Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,
8 Hamatorany ireo
mpanjakany amin'ny gadra, Sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy.
9 Mba hanaovany ny
fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.
Louez Jah. *
1 [Haleloia farany]
Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo
amin'ny habakabaky ny heriny.
2 Midera Azy noho ny
asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny.
3 Miderà Azy amin'ny
fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.
4 Miderà Azy amin'ny
ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
5 Miderà Azy amin'ny
kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.
6 Aoka izay rehetra
manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.