[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
2 Tantara
Accès direct aux
chapitres de 2 Chroniques : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36
1 [Fanatitra nataon'i
Solomona, ary nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona] Ary Solomona, zanak'i
Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy
ka nanandratra azy indrindra.
2 Ary Solomona nandidy
Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary
loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,
3 ka dia niara-niakatra ho
any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao
trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i
Jehovah, tany an-efitra.
4 Fa fiaran'Andriamanitra efa
nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho
azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
5 Ary alitara varahina izay
nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i
Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy* tao. [Na: azy]
6 Ary Solomona nanatitra
fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny
trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
7 Tamin'ny alin'iny no
nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay
tianao homeko anao.
8 Dia hoy Solomona
tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko
ary nampanjaka ahy handimby azy.
9 Koa ankehitriny, ry Jehovah
Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa
nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
10 Koa omeo fahendrena sy
fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no
hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
11 Dia hoy Andriamanitra
tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena
ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona
aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay
nampanjakako anao,
12 dia omena anao ny
fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao,
mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary
tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
13 Ary tonga tany Jerosalema
Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny
trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.
14 [Ny amin'ny nanangonan'i
Solomona soavaly aman-kalesy mbamin'ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy
sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy
mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny
tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
15 Ary nataon'ny mpanjaka ho
tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny
hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*.
[Heb. Sefela]
16 Avy tany Egypta no
nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka
dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
17 Ary ny vidin'ny kalesy
iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny
soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny
mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
18 [Ny niomanan'i Solomona
hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah
sy lapa ho an'ny tenany.
*
1 Dia nanisa olona
fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny
an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
2 Ary Solomona
naniraka hankany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao
tamin'i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano
hitoerany ianao,
3 indro, izaho efa
efa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho
Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho
mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin'ny
Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin'ny fotoam-pivavahina voatendrin'i Jehovah
Andriamanitray; ho adidin'ny Isiraely mandrakizay izany.
4 Ary ny trano efa
hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny
Andriamanitray.
5 Nefa iza no mahay
manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy.
Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra
eo anatrehany ihany?
6 Koa aniraho
olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy
jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao
amin'ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay
efa nomanin'i Davida raiko.
7 Ary anatero hazo
sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay
mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka
amin'ny vahoakanao
8 mba hanamboatra
hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.
9 Ary, indro, homeko
vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo
roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
10 Ary hoy Hirama,
mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona:
Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
11 Ary hoy koa
Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra
sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, izay manana
fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny
tenany izy.
12 Koa ankehitriny,
indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia
Hiram-aby*,[Na: Ikaky Hirama]
13 zanaky ny
vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy
volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony
fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy
mahay manao marika amin'izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao
amin'ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin'itompokolahy Davida rainao Izy.
14 Ary ny vary
tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao,
tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
15 Ary izahay
dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka
hampandehaninay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no
hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.
16 Ary Solomona
nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely
araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo
amby dimy alina sy iray hetsy.
17 Ary ny fito
alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony
mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony
mpifehy hampiasa ny olona.
*
1 [Ny nanaovana
ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i
Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah
tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i
Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
2 Ary nanomboka
nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny
taona fahefatra nanjakany.
3 Ary toy izao
no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny
hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
4 Ary ny
amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho,
dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato
hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
5 Ary ny
ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena
tsara ireo ary noravahany hazo rofia* sy tongalika. [palma]
6 Ary noravahany vato
soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
7 Ary nopetahany
takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny
lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
8 Ary nanao ny
efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny
sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany
takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
9 Ary ny lanjan'ny
hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany
volamena koa.
10 Ary tao amin'ny
efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no
nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
11 Ny halavan'ny
elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho,
mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry
amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
12 ary ny elatry ny
kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany
iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.
13 Nivelatra ny
elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny
tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
14 Ary izy nanao ny
efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika;
ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.
15 Ary nanao andry
roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny
kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
16 Ary nanao
tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry
ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny
tongalika ireo.
17 Ary ny andry
natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray
tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina*,
ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza**.[*Jakina =
Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
1 Ary nanao alitara
varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary
folo hakiho ny hahavony.
2 Ary nanao ny
tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany,
dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.[Heb.
ranomasina]
3 Ary teo ambanin'ny
tavin-drano lehibe* nisy sarin'omby manodidina azy, dia folo amin'ny iray
hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin'omby sady niara-natao an-idina
tamin'ny tavin-drano. .[Heb. ranomasina]
4 Ary ny tavin-drano
dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo: ny telo nanatrika ny
avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny
telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe* dia teo amboniny, ary
niady vody izy rehetra.[Heb. ranomasina]
5 Ary ny hateviny dia
vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia
tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
6 Ary nanao
tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny
dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo;
fa ny tavin-drano lehibe* kosa dia fisasan'ny mpisorona.[Heb. ranomasina]
7 Ary nanao ny
fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin'ny
tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia.
8 Ary nanao latabatra
folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana,
ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
9 Ary nanao ny
kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy,
ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
10 Ary ny tavin-drano
lehibe* nataony tamin'ny ankavanana, dia teo amin'ny atsimo-atsinana.[Heb.
ranomasina]
11 Ary Hirama nanao
ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Dia
vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny
tranon'Andriamanitra:
12 dia ny andry roa
sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon'ny andry roa sy ny harato
roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
13 ary ny
sarin'ampongaben-danitra efa-jato ho amin'ny harato roa,
sarin'ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boribory
roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy;
14 ary nanao ireo
fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin'ny fitoerany;
15 ary ny
tavin-drano lehibe* iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ambaniny. [Heb.
ranomasina]
16 Ary ny
vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka
rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby* ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny
tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama]
17 Teo amin'ny
tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga
teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
18 Toy izany no
nanaovan'i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay
lanjan'ny varahina.
19 Ary Solomona
nanao ny fanaka rehetra izay tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara
volamena sy ny latabatra fitoeran'ny mofo aseho,
20 ary ny
fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan'ny efitra
anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
21 ny voniny sy
ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra
avokoa;
22 ary ny antsy
sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy
volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao
amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano
lehibe dia samy volamena avokoa.
1 Toy izany no
nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary
nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy
dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny
rakitry ny tranon'Andriamanitra.
*
2 [Ny
nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny
Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny
Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy
any Ziona, Tanànan'i Davida.
3 Dia nivory ho
any amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro
firavoravoana tamin'ny volana fahafito.
4 Ary tonga koa
ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
5 dia
nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra
izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6 Ary Solomona
mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo
anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy
sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7 Ary ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany
tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo
ambanin'ny elatry ny kerobima;
8 fa nivelatra
tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny
baony.
9 Ary lava ny
bao, ka hita ny lohany, raha eo amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa
tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
10 Ary tsy nisy
na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay
nataon'i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena
tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny nivoahany avy tany Egypta.
11 Ary nony
nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra
izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko
taminy izay),
12 ary ny
Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny
rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy
valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa
nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
13 ary efa toy
ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy
nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny
trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i
Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny
tranon'i Jehovah;
14 ka dia tsy
nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny
voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.
1 Dia hoy
Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
2 Nefa izaho
efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
3 Ary ny
mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra
(nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
4 ka nanao hoe:
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny
tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay
hoe:
5 Hatramin'ny
andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna
nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny
anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
6 fa nifidy
an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny
Isiraely oloko.
7 Ary efa mby
tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely.
8 Nefa hoy
Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho
an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
9 Kanefa tsy
ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho
an'ny anarako.
10 Ary Jehovah
efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida
raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa
nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, aho.
11 Ary
napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny
Zanak'isiraely.
12 Ary Solomona
nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia
ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany
13 fa efa nanao
fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho
ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia
nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny
Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
14 ka nanao
hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka
Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy
ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny
fony rehetra,
15 sady efa
nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa
nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio
izao.
16 Koa
tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely
ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao
hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny
alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
17 Koa
ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho
tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida mpanomponao.
18 Andriamanitra va
dia honina amin'ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny
lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
19 Koa atreho ny
fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao
ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao,
20 mba hihiratan'ny
masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao
hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao
manatrika ity fitoerana ity.
21 Ary henoy ny
fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity
fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa,
ka mamelà heloka.
22 Raha misy olona
manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny
alitaranao amin'ity trano ity izy,
23 dia mihainoa any
an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy
fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny
marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
24 Raha resy eo
anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina
sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin'ity
trano ity izy,
25 dia mihainoa any
an-danitra, Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio
amin'ny tany nomenao azy sy ny razany izy.
26 Raha mihantona ny
andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ary mivavaka
manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny
fahotany, satria ampahorinao,
27 dia mihainoa any
an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao,
satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha
ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
28 Raha misy mosary
amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty
fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao
amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
29 izay vavaka
rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay
samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tànany
manatrika ity trano ity izy,
30 dia mihainoa any
an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny
alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no
mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,)
31 mba hatahorany
Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ
amin'ny tany nomenao ny razanay.
32 Ary henoy koa ny
vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra
noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao
ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
33 dia mihainoa any
an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny
Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao
hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa
ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
34 Raha mivoaka hiady
amin'ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka
mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay
nataoko ho an'ny anaranao izy,
35 dia henoy
any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
36 Raha manota
aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary
manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia entin'ny mpamabo ho babo any
amin'ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy,
37 ary
mahatsiaro any amin'ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona
aminao any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota
izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy,
38 ka dia miverina
aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin'ny tany
nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany
sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
39 dia henoy
any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary
mamelà ny olonao izay efa nanota taminao.
40 Ankehitriny,
ry Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny
sofinao hihaino ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity.
41 Koa
ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao,
dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena,
Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.
42 Ry Jehovah
Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po
nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.
1 Ary rehefa
vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka
nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny
voninahitr'i Jehovah ny trano.
2 Ary ny
mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria feno ny
voninahitr'i Jehovah ny tranony.
3 Ary nony
hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah
teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy
nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
4 Ary ny
mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo
anatrehan'i Jehovah.
5 Ary Solomona
mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy
ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy
ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.
6 Ary ny
mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana
ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah,
fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra
izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely
rehetra nitsangana teo.
7 Ary Solomona
nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no
nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny
alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra hohanina ary ny sabora.
8 Ary
tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia
nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i
Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
9 Ary tamin'ny
andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny
fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.
10 Ary nony
tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho
Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i
Jehovah tamin'i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.
11 [Ny valin'ny
vavaka nataon'i Solomona] Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah
sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra
efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany.
12 Ary Jehovah
niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao,
ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.
13 Koa, indro,
raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko
mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,
14 raha ny
oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady
ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka
hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
15 Ary izao dia
hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity
fitoerana ity;
16 fa efa
nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary
ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
17 Ary ny
aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao
ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
18 dia
hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i
Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.
19 Fa raha
mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo
anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany
20 dia
hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo*; ary hofongorako tsy ho eo imasoko
ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho
ambentinteny any amin'ny firenena rehetra. [Heb. azy]
21 Ary na dia
avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan'izay rehetra mandalo azy ka hatao
hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
22 Ary hisy
hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra
azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa
sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao
loza rehetra izao taminy.
*
1 [Ny amin'ny
trano nataon'i Solomona sy ny nandaminay ny amin'ny fanatitra hatao ao amin'ny
tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i
Jehovah sy ny lapan'ny tenany,
2 dia
namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.
3 Ary Solomona
nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
4 Ary nanorina
an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany
Hamata izy.
5 Ary
namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda
sy vavahady mihidy,
6 ary Baleta sy
ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra
fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra
tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany
nanjakany rehetra.
7 Ary ny
amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny
Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely
8 dia ny
taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely,
no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.
9 Fa ny
Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no
miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny
mpitaingin-tsoavaliny
10 Ary izao no
mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato
izay nanapaka ny olona.
11 Ary Solomona
nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao
amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao
an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny
fiaran'i Jehovah.
12 Ary
tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny
alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;
13 eny,
nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata
sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny
andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro
firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana
amin'ny trano rantsan-kazo.
14 Ary
notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy
ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia
ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny
raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny
isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
15 Ary tsy
nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona
na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.
16 Toy izany no
nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny
tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.
17 Ary
tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina
any amin'ny tany Edoma,
18 ary ny
mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay
ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo
ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany
amin'i Solomona mpanjaka izany.
*
1 [Sy
namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba,
rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra
azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny
rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa
tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao
am-pony.
2 Ary
voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra
niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
3 Ary rehefa
hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay
nataony
4 sy ny
hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny
fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny
fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia
talanjona terỳ izy.
5 Dia hoy izy
tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny
teninao sy ny fahendrenao.
6 Kanefa tsy
nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo
hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa,
indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7 Sambatra lahy
ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao
mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
8 Isaorana anie
Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza
fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny
fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany
anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
9 Ary izy
nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato
soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny
mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.
10 Ary ny
mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany
Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.
11 Ary ny hazo
almoga dia nataon'ny mpanjaka ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny
lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy
mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin'ny tanin'ny Joda.
12 Ary Solomona
mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona
na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia
niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
*
13 [Ny varotra
nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena
izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby
enim-polo amby enin-jato,
14 afa-tsy izay
nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny
mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.
15 Ary Solomona
mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka,
ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
16 Ary nanao
ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka
takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia
napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo.
17 Ary ny
mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena
tsara.
18 Nisy
ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay
naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa
tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;
19 ary nisy
sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina.
Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
20 Ary ny
fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao
amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy
ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
21 Fa ny
mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary
indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra
volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola*.[pavo]
22 Ary Solomona
mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra
ambonin'ny tany.
23 Ary ny
mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino
ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
24 Ary izy
rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy
fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary
ampondra.
25 Ary Solomona
nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly
fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna
fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
26 Ary nanjaka
tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny tanin'ny Filistina
ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.[Eofrata]
27 Ary
nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema,
ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka
amoron-tsiraka*. [Heb. Sefela]
28 Ary
nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin'ny tany rehetra koa Solomona.
29 Ary ny
tantaran'i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va
izany ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita
sy amin'ny fahitan'Ido mpahita ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata?
30 Ary Solomona
nanjaka efa-polo taona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.
31 Ary Solomona lasa
nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy;
ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny niodinan'ny
firenena folo tsy hanaiky an-dRehoboama] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany
no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
2 Koa raha nandre
izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo
anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.
3 Ary naniraka naka
azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny
tamin-dRehoboama hoe:
4 Rainao dia
nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny
fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia
hanompo anao izahay.
5 Fa hoy kosa izy
taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa
ny olona.
6 Ary Rehoboama
mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona
rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny
vahoaka?
7 Dia hoy ireo
taminy: Raha ho mora amin'ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny
mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8 Nefa
nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra
tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany
izy ka nanao taminy hoe:
9 Ahoana kosa no mba
hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny
zioga izay nataon-drainao taminay ?
10 Ary ireo tovolahy
indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay
niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby
aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia
lehibe noho ny valahan'ny raiko;
11 koa raha
nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny
zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana
kosa no hamaizako anareo.
12 Ary Jeroboama sy
ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka
ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro
fahatelo.
13 Ary Rehoboama
mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny hevitra nomen'ireo
zoki-olona azy
14 ka niteny taminy
araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny
raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo,
fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
15 Ka dia tsy nihaino
ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin'Andriamanitra izany zavatra izany
hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i
Jeroboama,zanak'i Nebata.
16 Ary nony hitan'ny
Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny
vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida ? Tsy manana lova
amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e!
ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy
avy ny Isiraely rehetra.
17 Fa ny
Zanak'isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no
nanjakan-dRehoboama.
18 Ary dia naniraka
an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny
Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo
amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19 Ka dia niodina
tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.
1 [Ny
nanjakan-dRehoboama] Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny
taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy
voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
2 Kanjo kosa ny
tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:
3 Mitenena
amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely
rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:
4 Izao no lazain'i
Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony
avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny
olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.
5 Ary Rehoboama
nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
6 Ny namboariny
dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa
7 sy Beti-zora
sy Soko sy Adolama
8 sy Gata sy
Maresa sy Zifa
9 sy Adoraima
sy Lakisy sy Azeka
10 sy Zora sy
Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.
11 Ary nanamafy
ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy
diloilo ary divay betsaka.
12 Ary tamin'ny
isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia
nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
13 Ary ny
mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy
tany amin'ny fari-taniny avy.
14 Fa ny Levita
nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa
Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,
15 fa nanendry
mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Seïrima* ary ho an'ny ombilahy
kely izay nataony). [Heb. osilahy; anaran'andriamani-tsi-izy]
16 Ary na iza
na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono
zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
17 Ka dia
nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i
Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona
izy.
18 Ary
Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy
Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,
19 izay
nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.
20 Ary
nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka
an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.
21 Ary
Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny
vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano
enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
22 Ary Abia,
zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa
izy no efa nokasainy hampanjakaina.
23 Ary hendry
izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia
tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany
vady maro.
1 Ary
Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny
lalan'i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
2 Ary tamin'ny
taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i
Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany,
3 ary nitondra
kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy
hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita
ary ny Etiopiana.
4 Dia nahafaka
ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
5 Ary Semaia
mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona
tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo
an-tànan'i Sisaka.
6 Dia niaiky
ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
7 Ary nony
hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i
Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho
ela dia hamonjy azy*; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i
Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko ihany]
8 Kanefa ho
mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any
amin'ny fanjakana hafa.
9 Dia niakatra
Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny
tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy
rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon'i Solomona.
10 Ary
Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy ho eo
an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny
mpanjaka.
11 Ary na
oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia avy ny
mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon'ny mpiambina indray.
12 Ary raha
nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran'i Jehovah ka tsy nahalany
ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin'ny Joda.
13 Ary
Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika
amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin'i Jehovah tamin'ny
firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia
Nama Amonita.
14 Ary nanao
ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an'i Jehovah.
15 Ary ny
tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin'ny firazanana va izany?
Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
16 Ary
Rehoboama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i
Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny
nanjakan'i Abia] Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama
mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
2 Telo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea.
Ary niady Abia sy Jeroboama.
3 Ary Abia
niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy
voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo
hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
4 Ary Abia
nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima,
ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
5 Moa tsy
tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i
Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny
fanekena nasiantsira.
6 Nefa kosa
Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka
niodina tamin'ny tompony.
7 Ary koa, nisy
olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany
hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy
ka tsy nahatohitra azy.
8 Ary
ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny
taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao
aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo.
9 Tsy efa
noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka
nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa
ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito
hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.
10 Fa ny aminay
kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny
mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i
Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;
11 ary mandoro
fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy
isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary
ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny
lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray
hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.
12 Ary, indro,
ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra
avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady
amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
13 Fa nasain'i
Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy
teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.
14 Ary nony
nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia
nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.
15 Dia nihoby
ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i
Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Joda.
16 Ary ny
Zanak'isiraely nandositra niala teo anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra
nanolotra azy ho eo an-tànany,
17 ka
nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny
fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.
18 Toy izany no
nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria
niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
19 Ary Abia
nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny
zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona* mbamin'ny zana-bohiny.
[Na: Efraima]
20 Ary
Jeroboama tsy naharina intsony tamin'ny andron'i Abia; ary Jehovah namely azy,
ka dia maty izy.
21 Ary Abia
nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby
roa-polo sy vavy enina ambin'ny folo.
22 Ary ny
tantaran'i Abia sisa mbamin'ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao
amin'ny bokin'Ido mpaminany.
23 [Ny
niandohan'ny nanjakan'i Asa, sy ny nandravany ny fombam-pivavahana tsy marina,
ary ny nandreseny ny Etiopiana] Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany,
dia nalevina tao an-tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby
azy. Ary tamin'ny andron'i
Asa dia nandry folo taona ny tany.
*
1 Ary Asa nanao izay
tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitra;
2 fa nandrava ny
alitaran'ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny
tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
3 Ary nandidy ny Joda
hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny
didy.
4 Ary nandrava ny
fitoerana avo sy ny tsangan-kazo* ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny
Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.[Na:
tsangam-bato]
5 Ary nanao tanàna
mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady
tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
6 Dia hoy izy
tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda
manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny
tany; fa efa nitady an'i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika,
ka nanome antsika fiadanana amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa
izany ka tontosa tsara.
7 Ary Asa nanana
miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin'ny Joda,
ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin'ny Benjamina;
ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
8 Ary Zera Etiopiana
nivoaka hiady tamin'ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy
telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
9 Ary Asa nivoaka
hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo andohasaha Zefata akaikin'i Maresa
izy.
10 Ary Asa nitaraina
tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao
no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy*, ka vonjeo izahay,
Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no
andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray;
aza avela hisy olona haharesy Anao.[Na: Jehovah ô, mora foana aminao ny hamonjy
na ny mahery na izay tsy manan-kery]
11 Ary Jehovah namely
ny Etiopiana teo anoloan'i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
12 Ary Asa sy ny
vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny
Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny
miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka.
13 Ary namely ny
tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah
nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
14 Ary namely ny vala
izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho
any Jerosalema izy.
1 [Ny nananaran'i
Azaria mpaminany an'i Asa, ary ny fahazotoan'i Asa handrava ny fivavahana tsy
marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah] Ary ny
Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda;
2 ary dia nivoaka
hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda
sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha
mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia
hahafoy anareo Izy.
3 Ary efa ela ny
Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na
lalàna.
4 Fa raha niverina
tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady
Azy, dia nahita Azy.
5 Ary tamin'izany dia
tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo
ny mponina rehetra tamin'ny tany.
6 Ary nifandringana
ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny
fahoriana rehetra.
7 Koa mahereza
ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
8 Ary raha ren'i Asa
izany teny izany sy ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka
nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina
rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, sady
nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny
tranon'i Jehovah.
9 Ary novoriny ny
Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin'ny
Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin'ny
Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
10 Ary nivory tany
Jerosalema ireo tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo
nanjakan'i Asa.
11 Ary androtrizay no
nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby
fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo.
12 Ary nanao fanekena
hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny
fanahiny rehetra izy,
13 ka na iza na iza
tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely
na lehibe, na lahy na vavy.
14 Ary nianiana ho
an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny
anjomara izy.
15 Ary ny Joda
rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy
sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia
nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay.
16 Ary na dia Imaka,
renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao
sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka
nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
17 Fa ny fitoerana
avo tsy mba noravana tamin'ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon'i Asa tamin'ny
androny rehetra.
18 Ary nampidiriny ho
ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay
nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
19 Ary tsy nisy ady
intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.
1 [Ny nanambazan'i
Asa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, hanampy azy hiady amin'i Basa,
mpanjakan'ny Isiraely, sy ny nananaran'i Sanany mpaminany azy noho izany, ary
ny nahafatesan'i Asa] Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia
niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama
izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
2 Ary Asa namoaka
volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny
mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay
nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
3 Misy* fanekena
amiko sy aminao, dia ilay tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra
volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin'i Basa,
mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko. [Na: Aoka hisy]
4 Ary Beni-hadada
nanaiky ny tenin'i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin'ny miaramilany hamely
ny tanànan'ny Isiraely; dia nandrava an'Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny
trano fitehirizana rehetra izay teny amin'ny tanànan'ny Naftaly izy.
5 Ary nony ren'i Basa
izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy, fa natsahany ny
asany.
6 Ary Asa mpanjaka
namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama,
izay naorin'i Basa, ka nentiny nanamboatra an'i Geba sy Mizpa.
7 Ary tamin'izany
andro izany dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao
taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina
tamin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny
miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.
8 Tsy maro be va ny
Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny
mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony
teo an-tananao ireo.
9 Fa ny mason'i
Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery
hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady
hahazo anao hatramin'izao.
10 Dia tezitra
tamin'ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy
indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin'i Asa
tamin'izay.
11 Ary, indro, ny
tantaran'i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely.
12 Tamin'ny taona
fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa dia narary tamin'ny tongony izy, ka
nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an'i
Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
13 Ary Asa lasa
nodi-mandry any amin'ny razany; maty izy tamin'ny taona fahiraika amby efa-polo
nanjakany.
14 Dia nalevina tao
amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka
nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa
voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany
zavatra betsaka ho fisaonana azy.
*
1 [Ny niandohan'ny
nanjakan'i Josafata, sy ny fahazotoany hampandroso ny fivavahana tamin'i
Jehovah, ary ny nanambinana azy] Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby
azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy.
2 Ary namponina
miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka
miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa
azon'i Asa rainy.
3 Ary Jehovah nomba
an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay
tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
4 fa Jehovah,
Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany,
fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.
5 Koa dia
nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra
fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
6 Ary ny fony
nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny
fitoerana avo sy ny Aseraha.
7 Ary tamin'ny taona
fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy
Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda,
8 Ary nisy Levita koa
niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota
sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy
Jorama, mpisorona.
9 Ary nampianatra
tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny
tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona.
10 Ary ny tahotra
an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka
dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo.
11 Ary ny Filistina
sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa
nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy
fiton-jato amby fito arivo.
12 Ary Josafata
nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
13 Ary nanana
fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery,
tany Jerosalema izy.
14 Ary izao no
nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia
Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
15 ary nanarakaraka
azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
16 ary nanarakaraka
azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny
fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
17 Ary tamin'ny
Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy
mitondra tsipìka sy ampinga;
18 ary nanarakaraka
azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana
hiady.
19 Ireo no mpitoetra
tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna
mimanda eran'i Joda rehetra.
1 [Ny nikambanan'i
Josafata sy Ahaba hiady tamin'ny Syriana sy ny nakany hevitra tamin'ny
mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba, sy ny niverenan'i Josafata nankany
Jerosalema] Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia
nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.
2 Koa nony ela dia
nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy
sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra
ho any Ramota-gileada.
3 Ary hoy Ahaba,
mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko
ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao
ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
4 Ary hoy Josafata
tamin'ny mpanjakan'ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i
Jehovah.
5 Ary ny mpanjakan'ny
Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha
hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho ? Dia hoy ireo:
Mandehana, fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
6 Ary hoy kosa
Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
7 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany
ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola
naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no
anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.
8 Ary ny mpanjakan'ny
Isiraely niantso ny tandapa* anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana
Mikaia, zanak'i Jimla.[Heb. ionoka]
9 Ary ny mpanjakan'ny
Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza
fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady
samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo
anatrehany.
10 Ary Zedekia,
zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah:
Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
11 Ary ny mpaminany
rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia
hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
12 Ary ilay iraka
izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa
izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re
ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
13 Dia hoy Mikaia:
Raha velona koa Jehovah, izay lazain'Andriamanitro ihany no hambarako.
14 Dia nankany
amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika
an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina
ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.
15 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona
amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?
16 Dia hoy Mikaia:
Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry
tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy
hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
17 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy
mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
18 Ary hoy Mikaia:
Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza
fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo
amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
19 Ary hoy Jehovah:
Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada
ka ho lavo any? Ary ny
anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
20 Dia nandroso
ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona
azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?
21 Dia hoy izy:
Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra.
Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao;
mivoaka ary, ka ataovy izany.
22 Koa, indro,
Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary
Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
23 Fa Zedekia,
zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza
no lalana nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
24 Dia hoy Mitaia:
Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny*
hierenao. [Na: hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano]
25 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona,
komandin'ny tanana, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
26 ka lazao hoe: Izao
no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano
mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
27 Fa hoy Mikaia:
Raha tahìny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Jehovah
aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
28 Dia niatatra
nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
29 Ary hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any
anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody
olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin'ny ady.
30 Fa ny mpanjakan'i
Syria efa nandidy Ireo komandin'ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny
kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
31 Ary nony nahita
an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny
Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary
Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy;
32 ary rehefa
hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina
niala taminy ireo.
33 Ary nisy lehilahy
anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo
anelenalen'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin'ny
mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.
34 Ary nihamafy ny
ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo
amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa
hilentika ny masoandro, dia maty izy.
1 Ary Josafata,
mpanjakan'ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
2 Ary nivoaka
hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka
hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah
va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
3 Nefa mba misy
fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin'ny tany ny
Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao.
4 [Ny nataon'i
Josafata hahatsara ny fitondram-panjakana] Ary Josafata nitoetra tany
Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka
hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i
Jehovah, Andriamanitry ny razany.
5 Ary nanendry
mpitsara tamin'ny tany izy, dia tamin'ny isan-tanàna mimanda eran'i Joda,
6 ka nanao
taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an'olona no hitsaranareo, fa ho
an'i Jehovah, sady momba anareo ao amin'ny fitsarana Izy.
7 Koa aoka ho
ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy
heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana
kolikoly.
8 Ary tany
Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny
mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i
Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)
9 ka dia
nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin'ny fahatahorana an'i Jehovah sy
amin'ny fahamarinana ary amin'ny fo mahitsy:
10 Na inona na
inona no ady avy amin'ny rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny
amin'ny mahafaty aina, na ny amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny
fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao
iharan'ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho
meloka ianareo.
11 Ary, indro,
Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary
Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny
raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo.
Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
*
1 [Ny
nandehanan'ny Moabita sy ny namany hiady tamin'ny Joda, ary ny vavaka nataon'i
Josafata, sy ny namonjen'Andriamanitra azy] Ary nony afaka izany, dia avy hiady
tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any
ankoatry ny Amonita*.[Na: mbamin'ny Meonita; izahao xxxvi. 7]
2 Ary nisy
tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any
an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy
ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
3 Dia natahotra
Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro
fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.
4 Dia niangona
ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda
rehetra hitady an'i Jehovah izy.
5 Ary Josafata
nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i
Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao,
6 ka nanao hoe:
Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any
an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary
eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
7 Ry
Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity
hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny
taranak'i Abrahama sakaizanao?
8 Ary nonina
tatỳ izy ka nanao fitoerana masina teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe:
9 Raha manjo anay ny
loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana
manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity
trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka
hamonjy.
10 Koa indreo ny
taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy
navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
ka nivily fa tsy nandringana azy;
11 nefa indreo izy
mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay.
12 Ry Andriamanitray
ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona
betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no
andrandrain'ny masonay.
13 Ary ny Joda
rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan'i
Jehovah.
14 Ary Jahaziela,
zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita
amin'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny
fiangonana
15 ka nanao hoe:
Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry
Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na
mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa
an'Andriamanitra.
16 Rahampitso dia
midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy;
ary ianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny
efitr'i Jeroela.
17 Tsy ianareo anefa
no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah
anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia
mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
18 Dia niankohoka
tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema
niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka nivavaka.
19 Dia nitsangana ny
Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra.
20 Ary nifoha maraina
koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia
nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry
mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra
ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
21 Ary rehefa
niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera
amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady,
ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
22 Ary raha vao
nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny
taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely
ny Joda, ka dia resy ireo.
23 Dia nitsangana ny
taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy
nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana
kosa izy samy izy ihany.
24 Ary nony tonga teo
amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo
izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy
afa-nandositra.
25 Ary avy hamabo azy
Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty* ary fanaka
sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary
hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny. [Na: fitafiana]
26 Ary tamin'ny andro
fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka* izy, fa tany no nisaorany
an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka
mandraka androany.[Beraka = Fisaorana]
27 Koa dia niverina
ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy
hankany Jerosalema indray tamin'ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny
amin'ny fahavalony.
28 Ary tonga tany
Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon'i
Jehovah.
29 Ary ny
fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa
reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely.
30 Ary nandry fahizay
ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina
izy.
31 [Filazana fohifohy
ny amin'ny nanjakan'i Josafata] Ary Josafata nanjaka tamin'ny Joda; dimy amby
telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no
nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
32 Ary nandeha
tamin'ny lalana nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah.
33 Kanefa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady
an'Andriamanitry ny razany.
34 Ary ny tantaran'i
Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny
tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny
Isiraely, izany.
35 Nefa nony afaka
izany, Josafata, mpanjakan'ny Joda, nikambana tamin'i Ahazia, mpanjakan'ny
Isiraely, izay nanao ratsy;
36 ary nikambana
taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.
37 Ary Eliezera,
zanak'i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin'i Josafata hoe: Noho ny
nikambananao tamin'i Ahazia dia horavan'i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy
nahazo nankany Tarsisy.
*
1 [Ny
nahafatesan'i Josafata sy ny nanjakan'i Jehorama zanany] Ary Josafata lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao
an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Ary
nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy
Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata,
mpanjakan'ny Isiraely.
3 Ary
nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa
mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i
Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4 Ary raha vao
nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny
rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny
sabatra.
5 Roa amby
telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany
tany Jerosalema.
6 Ary nandeha
tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i
Ahaba fa zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i
Jehovah izy.
7 Nefa Jehovah
tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i
Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.
8 Tamin'ny
andron'i Jehorama no niodinan'ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana
mpanjaka ho azy izy.
9 Ka dia
nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany
latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.
10 Nefa ny
Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary
tamin'izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an'i Jehorama, satria
efa nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
11 Ary nanao
fitoerana avo teny an-tendrombohitr'i Joda koa izy sady nampijangajanga ny
mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
12 Ary nisy
taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin'ny
lalan'i Josafata rainao, na ny lalan'i Asa, mpanjakan'ny Joda,
13 fa nandeha
tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda
sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady
novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
14 dia, indro,
hasian'i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao
mbamin'ny biby fiompinao rehetra;
15 ary ianao
koa ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny
tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina.
16 Ary Jehovah
namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin'ny Etiopiana hamely an'i
Jehorama;
17 ary niakatra
tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an'ny
ankohonan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany
intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
18 Ary nony
afaka izany rehetra izany, dia nasian'i Jehovah aretina tsy azo sitranina
tamin'ny tsinainy izy.
19 Ary rehefa
ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty
tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho
fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.
20 Roa amby
telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany
Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i
Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
1 [Ny
nanjakan'i Ahazia] Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia,
faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha
ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i
Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.
2 Roa amby
efa-polo* taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak'i Omry.[Na: Roa amby
roa-polo; izahao 2 Mpan. viii. 26]
3 Nandeha
tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy
hanao ratsy.
4 Ka dia nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina
azy taorian'ny nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.
5 Ary ny saina
nomen'ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba,
mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo
Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.
6 Dia niverina
mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao
Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria*, zanak'i
Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao
Jezirela, satria marary izy. [Na: Ahazia; izahao and. 1]
7 Ary avy
tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i
Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i
Jeho, zanak'i Nimsy, izay nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.
8 Ary tamin'ny
namalian'i Jeho ny taranak'i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny
zana-drahalahin'i Ahazia, izay nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.
9 Ary nitady
an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy,
dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy;
fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra,
ity. [Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy
handimby azy] Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.
10 Ary nony
hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka
nandringana ny zanak'andriana rehetra tamin'ny taranak'i Joda.
11 Fa Joseba,
zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy
avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny
mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba,
zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i
Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.
12 Ary niery
enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka
tamin'ny tany
1 Ary tamin'ny
taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia
Azaria, zanak'i Jerohama, sy Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i
Obeda, sy Mahaseia, zanak'i Adaia, ary Elisafata, zanak'1 Zikry.
2 Ary nitety
an'i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin'ny tanànan'ny Joda rehetra sy
ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
3 Ary ny olona
rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin'ny mpanjaka tao
an-tranon'Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no
hanjaka araka ny efa nolazain'i Jehovah ny amin'ny taranak'i Davida.
4 Izao no hataonareo:
ny ampahatelonareo izay milatsaka amin'ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny
Levita, ho mpiandry varavarana;
5 ary ny
ampahatelonareo ho ao an-tranon'ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo
amin'ny vavahadin'ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin'ny
kianjan'ny tranon'i Jehovah.
6 Fa aza avela hisy
hiditra ao an-tranon'i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao
fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny
vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain'i Jehovah hotandremana.
7 Ary ny Levita
hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza
miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na
mivoaka izy.
8 Ary ny Levita sy ny
Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka
samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala
tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
9 Ary nomen'i Joiada
mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga
lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka tao an-tranon'Andriamanitra.
10 Ary ny vahoaka
rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka
hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia,
hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
11 Dia nentiny
nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady
notolorany ny teni-vavolombelona*, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny
zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! [Dia ny
Didy Folo]
12 Ary nony ren'i
Atalia ny tabataban'ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba
nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'i Jehovah koa izy.
13 Ary hitany fa,
indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny
fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny
mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny
mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia
nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
14 Fa nasain'i Joiada
navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy
eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra.
Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.
15 Ary ny olona
nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly
ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
16 Ary Joiada
nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho
olon'i Jehovah.
17 Ary ny vahoaka
vehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny
endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny
teo anoloan'ny alitara.
18 Ary Joiada
nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona
izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra
dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny
fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.
19 Ary nalatsany teo
am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra
maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
20 Dia nalainy ny
mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka
rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny
vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny
mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.
21 Dia nifaly ny
vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny
sabatra.
*
1 [Ny nanjakan'i
Joasy, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona no niainan'i Joasy,
fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy
any Beri-sheba.
2 Ary Joasy
nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada
mpisorona.
3 Ary
nangalan'i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
4 Ary nony
afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
5 Dia namory ny
mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny
tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra
hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa
ny Levita tsy nanafaingana izany.
6 Ary ny
mpanjaka dia nampaka an'i Joiada, lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe:
Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny
Levita, araka ny didin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny
Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny vavolombelona?
7 Fa ny zanak'i
Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary
ny zavatra masina rehetra tao an-tranon'i Jehovah koa dia efa nateriny ho
an'ireo Bala.
8 Ary nasain'ny
mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan'ny vavahadin'ny
tranon'i Jehovah izany.
9 Ary nandefa
teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay
nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany
an-efitra.
10 Dia faly ny
mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka
azy tao amin'ny vata ambara-pahatapiny.
11 Ary
tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny vata ho any amin'ny toniany
voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny
mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao
amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin'ny fitoerany indray. Toy
izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
12 Ary nomen'ny
mpanjaka sy Joiada ho an'izay nanao ny raharahan'ny tranon'i Jehovah ny vola,
ka nanakaraman'ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba
hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
13 Dia nanao ny
mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny
tranon'Andriamanitra ka nataony mafy.
14 Ary nony
vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka
nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao
fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena
sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah
mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra.
15 Fa tratrantitra sy
ela niainana* Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty. [Heb.
voky andro, na afa-pon'ny miaina]
16 Ary nalevina tao
an-Tanànan'i Davida tao amin'ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny
Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy ny tranony koa.
17 Ary rehefa maty
Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka.
Dia nihaino azy ny mpanjaka.
18 Ary nandao ny
tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny
sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny
fahadisoany.
19 Ary naniraka
mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy
ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
20 Ary Zakaria,
zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana
teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no
lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy
mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo
kosa Izy.
21 Dia nanao
teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah
araka ny tenin'ny mpanjaka.
22 Toy izany no tsy
nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono
ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie
hijery sy hamaly izao.
23 Ary nony efa
niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany
Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny
olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.
24 Fa vitsy ny
miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho
eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy
izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy.
25 Ary nony nilaozany
tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny
zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary
naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny
mpanjaka.
26 Ary izao no
niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita
Moabita.
27 Ary ny amin'ny
zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny
nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i
Amazia] Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby
roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana,
avy any Jerosalema.
2 Ary nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra.
3 Ary nony
tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay
namono ny mpanjaka rainy.
4 Nefa ny zanak'ireo
namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny
bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe:
Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty
amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.
5 Ary novorin'i
Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy
arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy
ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no
hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
6 Ary nisy lehilahy
mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
7 Nefa nisy
lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela
hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely,
dia ny taranak'i Efraima rehetra.
8 Fa mandehana ihany
ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo
anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9 Fa hoy Amazia
tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta
zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra
taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
10 Dia navahan'i
Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody
indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy
sady tezitra indrindra.
11 Ary Amazia nitombo
hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary
nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy.
12 Ary ny iray alina
sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny
hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13 Fa ireo miaramila
izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny
an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona
telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
14 Ary Amazia, nony
niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak'i
Seira ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady
nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
15 Dia nirehitra
tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any
aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny
firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?
16 Ary raha niteny
taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka
va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian'ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay
mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria
nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
17 Ary Amazia.
mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i
Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika
hihaona.
18 Fa Joasy,
mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao
hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany
Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo
ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
19 Lazainao fa namely
an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange
ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny
Joda koa ianao?
20 Fa tsy nanaiky
Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo
an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
21 Ka dia niakatra
Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona
tany Beti-semesy izay an'i Joda.
22 Dia resy teo
anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
23 Ary Amazia,
mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy,
mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary
nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i Jerosalema hatramin'ny
vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.
24 Ary nalainy avokoa
ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao
an-tranon'Andriamanitra tao amin'i Obed-edoma sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny
mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
25 Ary ny andro
niainan'i Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i
Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
26 Ary ny tantaran'i
Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely va izany?
27 Ary hatramin'ny
andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka an'i Jehovah dia niodina taminy tany
Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka
azy tany ny olona ka namono azy tany.
28 Ary
nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin'ny razany tao
an-tanànan'ny Joda.
*
1 [Ny
nanjakan'i Ozia] Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay
enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
2 Izy no
nanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda indray, rehefa lasa
nodimandry any amin'ny razany ny mpanajaka.
3 Enina
ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona
no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any
Jerosalema.
4 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia
rainy.
5 Ary nitady
an'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana
an'Andriamanitra; ary tamin'ny andro nitadiavany an'i Jehovah dia nambinin'Andriamanitra
izy.
6 Ary nivoaka
izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne
sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.
7 Ary
Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao
Gorabala ary ny Meonita.
8 Ary ny
Amonita nandoa hetra ho an'i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin'i
Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
9 Ary Ozia
nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny
vavahady mankao amin'ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
10 Ary nanao
tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa
izy nanana omby aman'ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary
mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela
koa; fa tia asa tany izy.
11 Ary Ozia
nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany
izay nandaminan'i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin'i Hanania,
anankiray tamin'ny komandy voatendrin'ny mpanjaka.
12 Enin-jato
amby roa rivo no isan'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery
avokoa.
13 Ary ny
miaramila fehezin'ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay
nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin'ny fahavalony.
14 Ary Ozia
namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy
tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo.
15 Ary nanao
fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay
zavatra, hapetraka eo amin'ny tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba
handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa
mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
16 Ary nony
nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika
tamin'i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah handoro
ditin-kazo manitra teo amln'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
17 Fa niditra
nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin'ny valo-polo lahy amin'ny mpisoron'i
Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.
18 Ary
nanohitra an'i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry
Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah, fa an'ny mpisorona ihany,
dia ny taranak'i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà
amin'ny fitoerana masina, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra
ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitra izany.
19 Dia
nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra;
koa raha mbola nisafoaka tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra
tamin'ny handriny teo anatrehan'ny mpisorona tao an-tranon'i Jehovah,
tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
20 Ary Azaria
mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka
ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka
faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
21 Ary Ozia
mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria
tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no
nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.
22 Ary ny
tantaran'i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan'Isaia
mpaminany, zanak'i Amoza;
23 Ary Ozia
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao
an-tsaha fandevenana izay an'ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary
Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Atỳ
nanjakan'i Jotama] Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary
enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny
dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
2 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay nataon'i Ozia rainy; nefa
kosa tsy mba niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra
mbola nanao ratsy ihany.
3 Izy no
nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah sady nandrafitra be
tamin'ny mandan'i Ofela koa.
4 Ary nanao
tanàna teny amin'ny tany havoan'i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany
an'ala koa izy.
5 Ary niady
tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany
taona izany ny taranak'i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary
tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona
ho azy tamin'ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
6 Ary dia
nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny
izy.
7 Ary ny
tantaran'i Jotama sisa mbamin'ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
8 Dimy amby
roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema.
9 Ary Jotama
lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan'i Davida izy;
ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny
nanjakan'i Ahaza] Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina
ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy,
2 fa nandeha
tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina
ho an'ireo Bala koa.
3 Ary nandoro
ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny
zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay
noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
4 Ary namono
zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny
fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso
rehetra.
5 Koa dia
natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia
namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary
natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka
naharesy azy koa ireo.
6 Fa Peka,
zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny
Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah,
Andriamanitry ny razany.
7 Ary Zikry,
lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy
Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
8 Ary ny
Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy
zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany
Samaria ireny.
9 Ary nisy
mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila,
raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah,
Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo,
dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
10 Ary
ankehitriny ny taranak'i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho
andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba
manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo koa?
11 Ary
ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin'ny
rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah.
12 Dia
nitsangana ny loholona sasany avy amin'ny taranak'i Efraima, dia Azaria,
zanak'i Johanana, sy Berekia, zanak'i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak'i Saloma,
ary Amasa, zanak'i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
13 nanao taminy
hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny
fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin'i
Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny
Isiraely.
14 Dia
nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay
sambo-belona sy babo azony,
15 ka ireo
olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay
rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny,
nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary
nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany
Jeriko, tanàna be rofia*, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria
izy.[palma]
16 famin'izany
andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka
ny any hanampy azy.
17 Fa ny Edomita dia
tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
18 Ary ny Filistina
koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy eny amin'ny
tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy
Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo
koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.[Heb. sefela]
19 Fa Jehovah
nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa
nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.
20 Ary
Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa
tsy nampahery azy.
21 Fa efa nalain'i
Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny
an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy
akory izany.
22 Ary tamin'ny andro
nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin'i Jehovah ihany io Ahaza
mpanjaka io.
23 Ary namono zavatra
hatao fanatitra ho an'ireo andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka
nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no
hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana
azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
24 Ary Ahaza
nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina
ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dalana
rehetra tany Jerosalema.
25 Ary teny amin'ny
tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra
ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny
razany, izy.
26 Ary ny tantarany
sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.
27 Ary Ahaza lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa
tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no
nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny niandohan'ny
nanjakan'i Hezekia, sy ny nanadiovany ny tempoly, ary ny nitokanany azy indray]
Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo
taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia,
zanakavavin'i Zakaria.
2 Ary nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
3 Tamin'ny volana
voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny
tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy.
4 Ary dia nampidiriny
tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana.
5 Ary hoy izy taminy:
Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa
ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana
masina ny loto.
6 Fa ny razantsika
nandiso sy nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy
sy nihodina ka niamboho ny fonenan'i Jehovah.
7 Ary narindriny ny
varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy
nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao
amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely.
8 Ka dia nihatra
tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho
mpanjenjena* izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao
hitan'ny masonareo izao. [Na: fampangovitana]
9 Fa he! lavon'ny
sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny
vadintsika dia efa babo noho izany.
10 Ka dia efa mby ato
am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala
amintsika ny fahatezerany mirehitra.
11 Ry zanako, aza
malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo
Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho
Azy.
12 Dia nitsangana ny
Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky
ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria,
zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena,
zanak'i Joa;
13 ary tamin'ny taranak'i
Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin'ny taranak'i Asafa dia Zakaria sy
Matania;
14 ary tamin'ny
taranak'i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin'ny taranak'i Jedotona dia
Semaia sy Oziela.
15 Ary namory ny
rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny
didin'ny mpanjaka noho ny tenin'i Jehovah mba hanadio ny tranon'i Jehovah.
16 Ary ny mpisorona
niditra tao amin'ny efitra anatiny amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka
navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo
an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho
any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
17 Ary tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary
tamin'ny andro fahavalo tamin'io volana io dia niditra teo amin'ny lavarangana
fidirana an'i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon'i Jehovah tamin'ny
havaloana izy; ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folo tamin'ny volana
voalohany no nahavitany azy.
18 Dia niditra tao
amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i
Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra
momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy
koa.
19 Ary ny fanaka
rehetra izay novetavetain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola
nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny
alitaran'i Jehovah.
20 Dia nifoha maraina
koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao
an-tranon'i Jehovah.
21 Ary nitondra
vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak'ondry fito izy ary osilahy
fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina
ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra
ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.
22 Dia novonoiny ny
vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara;
ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary
novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.
23 Ary ny osilahy ho
fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ka
nametrahany tanana;
24 dia novonoin'ny
mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho
fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny
Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra noho ny ota.
25 Ary ny mpanjaka
nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary
lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy
Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
26 Ary ny Levita
nitsangana teo nitondra ny zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra
ny trompetra.
27 Ary nasain'i
Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao
natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho
an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i
Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
28 Ary ny fiangonana
rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka
mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.
29 Ary nony efa
nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka
mbamin'izay rehetra teo aminy.
30 Ary Hezekia
mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny
namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana
izy, dia niondrika sy niankohoka.
31 Ary Hezekia niteny
hoe: Efa nanokana ny tenanareo* ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna,
ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah.
Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra
nazoto dia nitondra fanatitra dorana. [Heb. namanareo ny tananareo]
32 Ary ny isan'ny
fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato
ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra
ireo.
33 Ary ny zavatra
nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman'osy telo arivo.
34 Fa vitsy loatra ny
mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny
Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona
sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho
ny mpisorona.
35 Ary be koa ny
fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina
momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i
Jehovah.
36 Ary faly Hezekia
sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria
tampoka izany raharaha izany.
1 [Ny nitandreman'i
Hezekia sy ny vahoaka ny Paska] Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy
ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba
hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Fa ny mpanjaka sy
ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra
ny amin'ny hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa.
3 Nefa tsy
nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola
nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
4 Ary sitraky ny
mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
5 Dia nandidy handefa
teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba
hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny
voasoratra.
6 Dia lasa ny
tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny
Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry
zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary
Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo
mpanjakan'i Asyria.
7 Aza manahaka ny
rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny
razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
8 Koa aza manamafy ny
hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka
midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary
manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany
mirehitra.
9 Fa raha miverina
amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy
ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany
ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba
hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
10 Ary ny tsimandoa
nitety ny tanàna hatrany amin'ny tanin'ny Efraima sy ny Manase ka hatrany
amin'ny Zebolona; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana izy.
11 Kanefa kosa ny
tamin'ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka
tonga tany Jerosalema.
12 Ary ny
tànan'Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda koa mba hanome azy fo iray
hankatò ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin'i Jehovah.
13 Ary tamin'ny
volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro
firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe
tokoa.
14 Ary nitsangana
izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana
ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin'ny
lohasahan-driaka Kidrona.
15 Dia namono ny
Paska izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa; ary
menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny
fanatitra dorana ho ao an-tranon'i Jehovah.
16 Ary nitsangana teo
amin'ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn'i Mosesy,
lehilahin'Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan'ny
Levita.
17 Fa nisy maro tao
amin'ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no
nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an'i
Jehovah.
18 Fa nisy olona
betsaka, dia maro avy tamin'ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny
Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa
tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an'ireny ka nanao hoe:
Jehovah tsara ô, mamelà
19 izay rehetra efa
nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny
razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan'ny fitoerana masina aza izy.
20 Ary Jehovah
nihaino an'i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
21 Ary ny
Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro
firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'ny fifaliana lehibe;
ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i Jehovah isan'andro sady nampaneno
zavatra mafy faneno* ho an'i Jehovah. [Na: fiderana]
22 Ary Hezekia dia
nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an'i Jehovah; ary
nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy
nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
23 Ary ny fiangonana
rehetra niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola
nitandrina hafitoana koa tamin'ny hafaliana izy.
24 Fa Hezekia,
mpanjakan'ny Joda, nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy fito arivo
ho an'ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr'ombilahy arivo sy
ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no
nanamasina ny tenany.
25 Ary faly ny
fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra
tafangona avy tamin'ny Isiraely mbamin'ny vahiny izay avy tany amin'ny tany
Isiraely ary izay nonina tany Joda.
26 Koa nisy fifaliana
be tany Jerosalema; fa hatramin'ny andron'i Solomona, zanak'i Davida,
mpanjakan'ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.
27 Dia nitsangana ny
Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin'Andriamanitra ny
feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany.
1 [Ny nandravan'ny
olona ny zavatra momba ny sampy, sy ny nandaminan'i Hezekia ny
fanompoam-pivavahana] Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany
an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny
tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny
alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa
ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely
rehetra.
2 Ary Hezekia
nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka
ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy
ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny
amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.
3 Ary ny hatao
fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny
fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata
sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao
amin'ny lalan'i Jehovah.
4 Ary ny olona
izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita
hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.
5 Ary nony
niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny
Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry
ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia
betsaka koa no nentiny.
6 Ary ny
Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan'ny Joda, nitondra ny
fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra
masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko
maro ireny.
7 Tamin'ny
volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana
fahafito no nahavitany azy.
8 Ary nony avy
Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah
sy ny Isiraely olony izy.
9 Ary Hezekia
nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin'ireo niavosa ireo.
10 Ary Azaria
mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny
nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay
ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo
betsaka ireo.
11 Ary nasain'i
Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia
namboariny izany.
12 Ary tamin'ny
fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra
nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no
manarakaraka.
13 Ary Jehiela
sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy
Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka
ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
14 Ary Kore
Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny
fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i
Jehovah sy ny zava-masina indrindra.
15 Ary ny
fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania
tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny
araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
16 afa-tsy ny
lehilahy voasoratra hatramin'ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao
an-tranon'i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin'ny
anjara-raharahany araka ny antokony avy.
17 Ary ny
amin'ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy,
ary ny Levita koa hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny
anjara-raharahany sy ny antokony avy.
18 Ary nomena
koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin'ny zananilahy
sy ny zananivavy rehetra; fa tamin'ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny
amin'ny zavatra masina.
19 Ary ho an'ny
mpisorona, taranak'i Arona, koa, izay tany amin'ny tany manodidina ny tanànany,
dia nisy olona voatonona anarana tamin'ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy
rehetra amin'ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
20 Ary toy
izany no nataon'i Hezekia eran'i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary
marina eo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
21 Ary ny
raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra
sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony
rehetra, fa nambinina izy
*
1 [Ny
nanafihan'ny Asyriana an'i Joda tamin'ny andro nanjakan'i Hezerika sy ny
niarovan'Andriamanitra azy] Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia
avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny
tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
2 Ary nony
hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema,
3 dia
niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny
rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
4 Dia nivory ny
olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo
afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i
Asyria, raha avy?
5 Dia
nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo
teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo* tao
an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.[Heb. fiarovana]
6 Ary nanendry
mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo
an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana
taminy hoe:
7 Mahereza ka
matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny
hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba
azy.
8 Sandry nofo
no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika
ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny
Joda, ny olona.
9 Rehefa afaka
izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany
Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy
tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda
rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
10 Izao nolazain'i
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra
fahoriana ato Jerosalema ianareo ?
11 Tsy Hezekia ihany
va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe:
Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
12 Tsy io Hezekia io
ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda
sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy
handoroanareo ditin-kazo manitra ?
13 Tsy fantatrareo va
izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny
tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va
nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako?
14 Iza amin'ny
andriamanitr'ireo firenena efa naringan*'ny razako ireo no nahavonjy ny olony
tamin'ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo?
[Heb. natao herema]
15 Koa ankehitriny,
aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy
ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena sy ny fanjakana
rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny tanako sy ny tanan'ny razako; koa aiza
ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?
16 Ary ny mpanompon'i
Sankeriba mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
17 sady nanoratra
taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy
ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany
amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i
Hezekia ny olony koa amin'ny tanako.
18 Dia niantso
tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany
Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy
mba hahafahany ny tanàna.
19 Ary Andriamanitr'i
Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny
firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany.
20 Ary noho izany dia
nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina
tamin'ny lanitra.
21 Ary Jehovah
naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary
ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra
Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy
tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.
22 Toy izany no
namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny,
niaro azy tamin'ny manodidina rehetra Izy.
23 Ary ny maro
nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i
Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy
hatramin'izany.
24 [Ny nahararian'i
Hezekia sy ny nanaretany, ary ny hareny amam-boninahiny, sy ny nampietrena azy,
ary ny nahafatesany] Tamin'izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia,
koa dia nivavaka tamin'i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy
famantarana.
25 Fa Hezekia tsy mba
namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan'ny
fahatezerana izy mbamin'ny Joda sy Jerosalema.
26 Kanefa Hezekia
nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany
Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i
Hezekia.
27 Ary Hezekia nanana
harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany
ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga
mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
28 ary tanàna
fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo,
sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala
hitoeran'ny ondry aman'osy.
29 Ary nanao tanàna
maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman'osy ary omby betsaka, fa
nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy.
30 Ary notampenan'io
Hezekia io ny fivoahan'ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany
ambanin'ny tany hidina mahitsy ho any andrefan'ny Tanànan'i Davida izany. Ary
nambinina tamin'ny asany rehetra Hezekia.
31 Nefa noho ny
amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba
hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia
nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao
am-pony.
32 Ary ny tantaran'i
Hezekia sisa mbamin'ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin'ny
fahitan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, sy ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny
Joda sy ny Isiraely izany.
33 Ary Hezekia lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any
amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra
tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany
no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i
Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy
amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema .
2 Ary nanao izay
ratsy eo mason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay
noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
3 Fa namboariny
indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara
ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra
eny amin'ny lanitra ka nanompo azy
4 sady nanorina
alitara tao an-tranon'i Jehovah, dia tao amin'ilay nolazain'i Jehovah hoe: Any
Jerosalema no hitoeran'ny anarako mandrakizay.
5 Fa nanao alitara
teo anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'i Jehovah izy ho an'izay rehetra eny
amin'ny lanitra.
6 Ary ny zanany
nampamakiny ny afo teo an-dohasahan'ny taranak'i Hinoma, sady nanandro sy nanao
sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny
mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka
nampahatezitra Azy.
7 Ary izay
sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao
an-tranon'Andriamanitra, izay nolazain'Andriamanitra tamin'Davida sy Solomona
zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny
firenen'isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;
8 ary tsy hampandeha
ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny
razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako
azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina
an'i Mosesy.
9 Kanjo nampivily ny
Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny
firenena izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
10 Ary Jehovah niteny
tamin'i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
11 Dia nentin'i
Jehovah hamely azy ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Asyria, dia
nosamborin'ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary
nentiny ho any Babylona.
12 Ary nony
azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny sady nanetry
tena indrindra teo anatrehan'Andriamanitry ny razany
13 ka nivavaka
taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any
Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i Manase fa Jehovah no
Andriamanitra.
14 Ary rehefa afaka
izany, dia nanao manda teo ivelan'ny Tanànan'i Davida izy, dia teo andrefana
hatrany Gihona, eo amin'ny lohasahan-driaka, ka hatramin'ny fidirana amin'ny
vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an'i Ofela sady nataony avo dia
avo; ary nanendry izay ho komandin'ny miaramila ho any amin'ny tanàna mimanda
rehetra any Joda izy.
15 Dia nesoriny ireny
andriamanikafa sy ny sampy tao an-tranon'i Jehovah mbamin'ny alitara rehetra
izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'i Jehovah sy tany Jerosalema
ka nariany teny ivelan'ny tanàna.
16 Ary nanorina
indray ny alitaran'i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy
fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely.
17 Fa ny olona mbola
namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho
an'i Jehovah Andriamaniny ihany.
18 Ary ny tantaran'i
Manase sisa mbamin'ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo
mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely
indro, ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
19 Ary koa, ny vavaka
nataony sy ny naneken'Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany
rehetra mbamin'ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany
Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro,
efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay izany.
20 Ary Manase lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany
no nanjaka nandimby azy.
*
21 Roa amby roa-polo
taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.
22 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy ihany izy; fa ny
sarin-javatra voasokitra rehetra nataon'i Manase rainy dia namonoan'i Amona
zavatra hatao fanatitra ka notompoiny;
23 ary tsy nanetry
tena teo anatrehan'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, fa mainka
nanota bebe kokoa aza.
24 Dia nikomy
taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony.
25 Fa ny
vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia
nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
*
1 [Ny niandohan'ny
nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahitana ny
bokin'ny lalana] Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby
telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2 Ary nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida rainy,
fa tsy mba nivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia.
3 Fa tamin'ny
taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady
an'Andriamanitr'i Davida rainy; ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa
dia niantomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo,
na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony.
4 Ary
noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo*
ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny
sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy
notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra
hatao fanatitra ho azy. [Na: tsangam-bato]
5 Ary nandoro
ny taolan'ny mpisorona teo ambonin'ny alitarany izy, ka dia nanadio an'i Joda
sy Jerosalema.
6 Ary tany
amin'ny tanànan'ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin'ny Naftaly,
dia tao an-tanànany izay rava,
7 dia noravany
koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny
ho vovoka; ary ny tsangan-kazo* ho an'ny masoandro eran'ny tanin'ny Isiraely
rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.[Na:
tsangam-bato]
8 Ary tamin'ny
taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano,
dia naniraka an'i Safana, zanak'i Azalia, sy Mahaseia, komandin'ny tanàna, ary
Joa, zanak'i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny
tranon'i Jehovah Andriamaniny.
9 Ary rehefa
tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina
tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana,
tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny
Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
10 Ary natolony
ho eo an-tanan'ny lehiben'ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin'ny
tranon'i Jehovah izany, ary natolotr'ireo kosa ho an'ny mpiasa izay niasa tao
an-tranon'i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;
11 dia nomeny
ho an'ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao
sakamandimby sy lampihazo ho amin'ny trano izay nosimban'ny mpanjakan'ny Joda.
12 Ary ny olona
dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata
sy Obadia Levita, avy tamin'ny taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy
tamin'ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno
isan-karazany,
13 dia ireo no
tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny
tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy
mpifehy ary mpiandry varavarana.
14 Ary raha
namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona
dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.
15 Ary niteny
Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako
tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.
16 Ary Safana
nitondra ny boky ho any amin'ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra
nasaina nataon'ny mpanomponao dia nataony avokoa.
17 Ary
narotsany ny vola izay azo tao an-tranon'i Jehovah ka natolony teo an-tànan'ny
olona voatendry sy teo an-tànan'ny mpiasa.
18 Ary Safana
mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona
ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
19 Ary rehefa
ren'ny mpanjaka ny tenin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy
20 sady nandidy
an'i Hilkia sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Abdona, zanak'i Mika, sy Safana
mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, ka nanao hoe:
21 Andeha
manontany amin'i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny
amin'ny tenin'io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny
amintsika noho ny tsy nitandreman'ny razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka
izay rehetra voasoratra amin'io boky io.
22 Ary Hilkia
sy izay notendren'ny mpanjaka dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i
Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra
tany Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy
izy ireo.
23 Dia hoy
ravehivavy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao
amin'izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:
24 Izao no
lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny
mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin'ilay boky efa
novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'ny Joda.
25 Satria
nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireny andriamani-kafa sady
nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia haidina amin'ity
tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
26 Fa ny
amin'ny mpanjakan'ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah,
dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny
amin'ny teny izay efa novakinao,
27 satria nino
anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny
ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo
anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia
Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
28 Koa, indro,
hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny
fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely
ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka
izy ireo.
29 [Ny
fahazotoan'i Josia hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah sy
hampitandrina ny olona ny Paska, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana sy ny
nahafatesany] Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon'ny Joda sy
Jerosalema rehetra.
30 Dia niakatra
ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy
ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka
rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo
amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
31 Ary ny
mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo
anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny
teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra,
hankatò ny tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany,
32 sady nampifikiriny
tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao
araka ny faneken'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany
33 Ary Josia
nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely
sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah
Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny
fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.
1 Ary Josia
nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny
olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.
2 Ary Josia nanendry
ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny
fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
3 Ary hoy izy
tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i
Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny
Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa
manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
4 ary samia miomana
araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny
voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona
zanany koa.
5 Ary mitsangàna eo
amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo
amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita.
6 Dia vonoy ny Paska,
sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana
araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy.
7 Ary ny vahoaka izay
vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao
Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.
8 Ary ny mpanapaka
nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary
Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry
aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby
telon-jato.
9 Ary Konania sy
Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny
Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby
dimam-jato.
10 Koa dia vonona ny
zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin'ny fitoerany avy, ary ny Levita
araka ny antokony avy, araka ny didin'ny mpanjaka.
11 Dia novonoin'ny
olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao
nohodiran'ny Levita kosa.
12 Dia natokany ny
fanatitra dorana homen'ny olona araka ny fizaran'ny fianakaviany, mba hateriny ho
an'i Jehovah araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa
tamin'ny omby.
13 Ary ny Paska
natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao
anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny
olona rehetra izany.
14 Ary rehefa afaka
izany, dia nanamboatra io an'ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona,
taranak'i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin'ny
andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona,
taranak'i Arona.
15 Ary ny mpihira,
taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy
Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana
dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka
ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
16 Ary dia vonona
androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an'i Jehovah amin'ny hitandremana ny
Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah
araka ny tenin'i Josia mpanjaka.
17 Ary ny
Zanak'isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro
firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
18 Fa tsy nisy Paska
notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela
mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny
Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda
rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
19 Tamin'ny taona
fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia no nitandremana izany Paska izany.
20 Ary rehefa afaka
izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko,
mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka
hiady aminy.
21 Fa Neko naniraka
olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry
mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady
nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra
Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
22 Fa Josia tsy nety
nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino
ny tenin'i Neko, izay nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy
ihany teo amin'ny lohasahan'i Megido.
23 Ary ny mpandefa
tsipìka nahavoa an'i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony:
Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
24 Dia nesorin'ny
mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny
faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao
am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.
25 Ary Jeremia dia
nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra
dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka
nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny
fihirana fisaonana izany.
26 Ary ny tantaran'i
Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i
Jehovah,
27 dia ny asany
voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny
Isiraely sy ny Joda izany.
*
1 [Ny nanjakan'i
Joahaza sy Joiakima sy Joiakina ary Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema,
ary ny nitondrana ny olona ho babo tany Babylona] Ary ny vahoaka naka an'i
Joahaza, zanak'i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy.
2 Telo amby roa-polo
taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany
Jerosalema.
3 Ary nesorin'ny
mpanjakan'i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta
volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
4 Ary ny mpanjakan'i
Egypta nampanjaka an'i Eliakima, rahalahin'i Joahaza, tamin'ny Joda sy
Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa
dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.
*
5 Dimy amby roa-polo
taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
Andriamaniny izy.
6 Ary Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra
varahina mba hitondra azy ho any Babylona.
7 Ary ny fanaka
sasany tao an-tranon'i Jehovah dia nentin'i Nebokadnezara ho any Babylona koa
ka nataony tao amin'ny tempoliny tany Babylona.
8 Ary ny tantaran'i
Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia,
indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda
izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
*
9 Valo* taona
Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany
Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. [Na: Valo ambin'ny
folo, izahao 2 Mpan. xxiv. 8]
10 Ary nony niherina
ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin'ny fanaka
tsara tao an-tranon'i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an'i Zedekia
rahalahin-drainy* tamin'ny Joda sy Jerosalema izy.[Heb. rahalahiny]
*
11 Iraika amby
roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema.
12 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i
Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin'Andriamanitra.
13 Ary nikomy tamin'i
Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin'Andriamanitra koa izy;
ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho
amin'Andriamanitry ny Isiraely.
14 Ary ny lehibe
rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra
araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i
Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
15 Kanefa Jehovah,
Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy;
eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny
fonenany.
16 Kanjo ny olona
nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy
ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy
nahavonjy azy.
17 Koa nentiny namely
azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao
an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina,
na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany
avokoa.
18 Ary ny fanaka
rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny
rakitry ny tranon'i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny
rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
19 Dia nodorany koa
ny tranon'Andriamanitra, ary noravany ny mandan'i Jerosalema; ny lapan'andriana
rehetra tao koa dia nodorany tamin'ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao
nosimbany.
20 Ary ny olona sisa
tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy
ny zanany ireny mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persia,
21 hanatanterahana ny
tenin'i Jehovah nampilaza.na an'i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny
Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba
hanonitra* ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.[Izaho Lev xxvi.
34]
*
22 [Ny teny nataon'i
Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody ho any an-tanindrazana] Ary tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Perisa, dia notairin'i Jehovah ny
fanahin'i Kyrosy mpanjakan'i Persia. mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay
nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy,
sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
23 Izao no lazain'i
Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa
nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao
trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no
olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.