[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intéręt]
Nomery
Accčs direct aux
chapitres des Nombres : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36
1 [Ny nandaminana ny
firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao
amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa,
tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka
nanao hoe:
2 Alao isa ny fiangonana, dia
ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny
anarany tsirairay,
3 dia ny lehilahy rehetra
amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra
azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4 Ary aoka hisy lehilahy iray
avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5 Ary izao no anaran'ireo
lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6 ny avy amin'i Simeona dia
Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7 ny avy amin'i
Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
8 ny avy amin'Isakara dia
Netanela, zanak'i Zoara;
9 ny avy amin'i
Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
10 ny avy amin'ny
zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela,
zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
11 ny avy
amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
12 ny avy
amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
13 ny avy amin'i Asera dia
Fagiela, zanak'i Okrana;
14 ny avy amin'i Gada dia
Eliasafa, zanak'i Doela;
15 ny avy amin'i Naftaly dia
Ahira, zanak'i Enana.
16 Ireo no voafidin'ny
fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17 Ary Mosesy
sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18 dia namory
ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary
samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony
sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra.
19 Araka izay
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
20 Ary tamin'ny
taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary
araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
21 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy
efatra alina.
22 Ary tamin'ny
taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra
voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
23 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy
alina.
24 Ary tamin'ny
taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
25 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy
arivo sy efatra alina.
26 Ary tamin'ny
taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
27 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito
alina.
28 Ary tamin'ny
taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
29 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy
alina.
30 Ary tamin'ny
taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
31 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy
alina.
32 Ary tamin'ny
taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny
fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
33 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
34 ary tamin'ny
taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
35 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo
alina.
36 Ary tamin'ny
taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
37 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo
alina.
38 Ary tamin'ny
taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
39 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina
alina.
40 Ary tamin'ny
taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika
41 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra
alina.
42 Ary tamin'ny
taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
43 izay
voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy
alina.
44 Ireo no
voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny
Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
45 Ary izay
rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo
taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny
Isiraely,
46 dia
dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47 [Ny amin'ny
raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina
ho isan'ireo.
48 Fa Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
49 Ny firenen'ny
Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny
Zanak'Isiraely;
50 fa tendreo
izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny
zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra
rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny
tabernakely no hitobiany.
51 Ary raha
hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny
tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky,
dia hatao maty izy.
52 Dia hitoby
ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany
ary, araka ny antokony.
53 Fa ny Levita
kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy
fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita
hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
54 Dia
nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy no nataony.
*
1 [Ny
filaharan'ny tobin'ny Isiraely araka ny fireneny avy] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Samy eo
amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny
Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
3 Ary ny hitoby
eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay
momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i
Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
4 ary ny
miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
5 Ary ny hitoby
eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia
Netanela, zanak'i Zoara;
6 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
7 Dia vao ny
firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i
Helona;
8 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
9 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo
sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
10 Ary ny
fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony;
ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
11 ary ny
miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
12 Ary ny
hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona
dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
13 ary ny
miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
14 Dia vao ny
firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
15 ary ny
miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra
alina.
16 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato
sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha
faharoany.
17 Dia handroso
ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka
araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka
ny fanevany.
18 Ary ny
fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny
andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
19 ary ny
miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
20 Ary ny
firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela,
zanak'i Pedazora;
21 ary ny
miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
22 Dia vao ny
firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i
Gideony;
23 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
24 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy
iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
25 Ary ny
fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra;
ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
26 ary ny
miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
27 Ary ny
hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia
Pagiela, zanak'i Okrana;
28 ary ny
miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29 Dia vao ny
firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30 ary ny
miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31 Ny
tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo
sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
32 Ireo no
nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay
nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby
dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
33 Fa ny Levita
dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
34 Ary ny
Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy
ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny
fianakaviany avy izy.
*
1 [Ny
nandaminana ny firenen'i Levy, sy ny nitobiany, ary ny zavatra hotandremany]
Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah
tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2 Ny anaran'ny
zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3 Ireo no
anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao
fisoronana.
4 Fa maty teo
anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo
anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy
mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona
rainy.
5 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Ento ny
firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba
hanompo azy.
7 Dia
hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana
rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao
amin'ny tabernakely.
8 Dia
hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny
anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny
tabernakely.
9 Ary homenao
an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny
Zanak'Isiraely ireo.
10 Ary Arona sy
ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no
manakaiky, dia hatao maty izy.
11 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12 Indro, Izaho
efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra
izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13 satria Ahy
ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra
tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny
Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
15 Alamino ny
Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny
iray volana no ho miakatra no halaminao.
16 Ary Mosesy
nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17 Ary izao no
zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18 Ary izao no
anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19 Ary ny
zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona
ary Oziela.
20 Ary ny
zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny
Levita, araka ny fianakaviany.
21 Avy tamin'i
Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.
22 Ary izay
nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra,
dia diman-jato amby fito arivo.
23 Ny fokon'ny
Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.
24 Ary ny
lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.
25 Ary ny
anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny
tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26 ary ny
fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay
manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27 Ary avy
tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny
Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.
28 Ny isan'ny
lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny
anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.
29 Ny fokon'ny
zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.
30 Ary ny
lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.
31 Ary ny
anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny
alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana
fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra
fanaovana ny fanompoana momba azy.
32 Ary ny
lehiben'ny lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay
lehiben'ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.
33 Avy tamin'i
Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.
34 Ary izay
nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra,
dia roan-jato amby enina arivo,
35 Ary ny
lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila;
ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.
36 Ary ny
anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny
barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny
zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37 ary ny
tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny
kofehiny.
38 Ary ny
mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay
fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny
zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny
anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao
maty izy.
39 Ny
tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona
araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray
volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
40 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely
hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41 Ary alao ho
Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no
Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra
amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
42 Dia nalamin'i
Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa
nandidian'i Jehovah azy.
43 Ary ny
lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho
miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa
arivo sy roa alina.
44 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
45 Alao ny
Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby
fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46 Ary ny
amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny
Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47 dia
hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy
(gera roa-polo ny sekely iray).
48 Dia homenao
an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.
49 Ary Mosesy
nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50 tamin'ny
lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby
enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;
51 dia nomen'i
Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i
Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Ny
raharahan'ny Levita, sy ny isany isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Alao isa ny
taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra
amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
4 Izao no ho
fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra
masina indrindra:
5 Ary raha
hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba
fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;
6 ary
hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga
tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
7 Ary hamelatra
lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony
eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana;
ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8 Dia
hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy
izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9 Dia haka
lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela
fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny
fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10 ary ireo sy
ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka
hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
11 Ary
hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona
hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12 dia halainy
ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao
amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka
hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
13 Dia
hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo
amboniny.
14 Ary
hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana
fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny
sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara;
ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny
baony.
15 Ary rehefa
vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra
momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata
hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany
zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i
Kehata.
16 Ary ny
raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana
sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny
diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra
ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
17 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
18 Ataovy izay
tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
19 fa izao no
hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra
masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy
rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
20 fa izy dia
tsy hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza,
fandrao maty.
21 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
22 Alao isa koa
ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23 ny
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia
izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay
fihaonana.
24 Izao no ho
fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25 ny ambain'ny
tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy
izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana,
26 ary ny fefy
lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay
manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana
rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.
27 Araka ny
tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny
entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho
anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
28 Izany no ho
fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho
mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona
mpisorona.
29 Ny amin'ny
taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30 ny
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia
izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay
fihaonana.
31 Ary izao no
ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny
trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny
andriny sy ny faladiany,
32 sy ny
tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary
ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana
ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho
entina.
33 Izany no ho
fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny
trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34 Ary Mosesy
sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny
fokony sy ny fianakaviany avy,
35 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36 Ary izay nalamina
taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37 Ireo no
nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao
amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i
Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
38 Ary izay
nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana
40 izay
nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby
enin-jato sy roa arivo.
41 Ireo no
nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao
amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny
didin'i Jehovah.
42 Ary izay
nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44 izay
nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45 ireo no
nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona
araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
46 Ny tontalin'ny
taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely,
araka ny fokony sy ny fianakaviany
47 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao
raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay
fihaonana,
48 izay
nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
49 Araka ny
didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho
amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka
izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Lalāna ny
amin'ny famoahana izay misy fahalotoana ho any ivelan'ny toby] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny
maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;
3 na lehilahy
na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny
izay itoerako eo afovoany.
4 Dia nanao
izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay
nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
5 [Ny amin'ny
fanonerana, raha misy manao izay mahadiso] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
6 Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho
fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,
7 dia tsy
maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny
fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany
diso.
8 Fa raha
tāhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany
ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny
mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho
azy.
9 Ary ny
fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely,
izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
10 Ary ho azy
ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny
mpisorona, dia ho azy izany.
11 [Ny lalāna
ny amin'ny fanatitra noho ny ahiahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
12 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka
manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,
13 fa nisy
lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto
ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana
izy;
14 kanefa misy
fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto
ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy,
kanjo tsy voaloto ravehivavy;
15 dia ho
entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho
ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo
izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy
izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
16 Ary
hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
17 dia haka
rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay
itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;
18 ary
ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany
ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tānany ny fanati-pahatsiarovana,
dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tānan'ny mpisorona ny
ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
19 dia
hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy
lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny
fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
20 fa raha
nivily niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy
nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
21 dia
hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe:
Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao,
amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
22 ary ity rano
mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy
hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
23 Ary
hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo
amin'ny rano mangidy ny soratra;
24 dia
hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny
rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25 Dia
halain'ny mpisorona eo an-tānan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary
hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
26 Dia
horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka
hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia
hampisotroiny io rano io ravehivavy.
27 Ary rehefa
nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny
vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary
hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny
fireneny ravehivavy.
28 Nefa kosa,
raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.
29 Izany no
lalāna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka
voaloto;
30 na misy
lehilahy azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny
eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalāna rehetra izany
aminy.
31 Dia tsy
hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
*
1 [Ny lalāna ny
amin'ny mivoady ho Nazirita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho
Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,
3 dia hifady
divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy
izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny
lena, na ny maina.
4 Amin'ny andro
fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny
voany ka hatramin'ny hodiny izy.
5 Amin'ny andro
rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany;
mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy,
ka havelany haniry ny volondohany.
6 Amin'ny andro
rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
7 aoka tsy
handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny
anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho
an'Andriamaniny.
8 Amin'ny andro
fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy.
9 Ary raha misy
olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia
hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro
fahafito no hanaratany azy;
10 ary amin'ny
andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny
mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.
11 Ary ny
mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray
kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny
faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.
12 Dia hanokana
ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray
taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny
fitokanany
13 Ary izao no
lalāna ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina
ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy;
14 ary
hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona
tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy
misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho
fanati-pihavanana,
15 ary mofo tsy
misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo
diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny
fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 Dia haterin'ny
mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota
sy ny fanatitra dorany;
17 dia hateriny
ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy
masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy
ny fanatitra aidiny.
18 Ary ny
Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo
amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.
19 Dia
halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy
masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka
hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay
fitokanany.
20 Dia
hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho
masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka
asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
21 Izany no
lalāna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah
noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady
izay nivoadiany no hataony, araka ny lalāna ny amin'ny fitokanany.
22 [Ny
tso-drano fanaon'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23 Mitenena
amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny
Zanak'Isiraely:
24 Hitahy anao
anie Jehovah ka hiaro anao;
25
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
26 Hanandratra
ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
27 Dia
hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
*
1 [Ny zavatra
naterin'ny lohan'ny firenen'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara] Ary
tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia
nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny
alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo
izy,
2 dia nitondra
fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo
no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
3 Ary izy ireo
nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy
omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa,
ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.
4 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
5 Raiso aminy
ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita,
dia samy araka ny fanompoany avy.
6 Dia
noraisin'i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
7 Sariety roa
sy omby efatra no nomeny ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;
8 ary sariety
efatra sy omby valo no nomeny ho an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany,
eo amin'ny fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
9 Fa ny
taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny
fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no
hilanjany azy.
10 Dia ny
lohan'ny firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro
izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara
izy.
11 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny
amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.
12 Ary ny
nanatitra ny fanatiny tamin'ny andro voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba,
avy tamin'ny firenen'i Joda.
13 Ary ny
fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy
lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy
roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
14 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
15 ary
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona,
ho fanatitra dorana;
16 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
17 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.
18 Ary tamin'ny
andro faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no
nanatitra.
19 Nanatitra ny
fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany,
sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina;
izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
20 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
21 ary
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
22 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
23 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.
24 Ary tamin'ny
andro fahatelo dia Eliaba, zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no
nanatitra.
25 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
26 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
27
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
28 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota;
29 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
30 Ary tamin'ny
andro fahefatra dia Elizora, zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no
nanatitra.
31 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
32 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
33
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
34 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
35 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray ireo no fanatitr'i Elizora, zanak'i Sedeora.
36 Ary tamin'ny
andro fahadimy dia Selomiela, zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no
nanatitra.
37 Ny fanatiny
dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
38 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
39
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
40 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota;
41 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,
42 Ary tamin'ny
andro fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no
nanatitra.
43 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
44 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
45
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
46 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
47 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.
48 Ary tamin'ny
andro fahafito dia Elisama, zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no
nanatitra.
49 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
50 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
51
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
52 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
53 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy
dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.
54 Ary tamin'ny
andro fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no
nanatitra.
55 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
56 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
57 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
58 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
59 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.
60 Ary tamin'ny
andro fahasivy dia Abidana, zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no
nanatitra.
61 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
62 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
63
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra
dorana;
64 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
65 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.
66 Ary tamin'ny
andro fahafolo Ahiezera, zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no
nanatitra.
67 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy
roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
68 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
69
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
70 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
71 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.
72 Ary tamin'ny
andro fahiraika ambin'ny folo dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i
Asera. no nanatitra.
73 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
74 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
75
vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
76 osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
77 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.
78 Ary tamin'ny
andro faharoa ambin'ny folo dia Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i
Naftaly, no nanatitra.
79 Ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
80 lovia kely
volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
81 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
82 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota;
83 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.
84 Ireo no
zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny
andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy
roa ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;
85 sekely
telo-polo amby zato avy no lanjan'ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy
ny lovia famafazana; ny lanjan'ny volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia
sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masina;
86 lovia kely
volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny
lanjan'ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
87 Ny isan'ny
biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny
folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy
iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny
folo ho fanatitra noho ny ota.
88 Ary ny
isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra
amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo,
izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara,
rehefa voahosotra izy.
*
89 Ary rehefa
niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra,
dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra
fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo
anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny
fampirehetana ny jiro, sy ny nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny
eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
3 Dia nataon'i
Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny
fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
4 Ary izao no
toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny
voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah
an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
5 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Alao ny
Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
7 Ary izao no
hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy
haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio
izy.
8 Dia asaovy
maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba
tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho
fanatitra noho ny ota.
9 Ary ento ny
Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra.
10 Ary ento ny
Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tānany
aminy;
11 ary Arona
dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy
amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
12 Ary ny
Levita hametraka ny tānany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny
anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana
ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
13 Ary apetraho
eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho
an'i Jehovah izy.
14 Ary
ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
15 Ary rehefa
afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay
fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
16 fa efa
nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka
rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho
Ahy.
17 Fa Ahy ny
voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy;
tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta
no nanamasinako azy ho Ahy.
18 Ary efa
nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
19 Ary nomeko
ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao
ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao
fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy,
raha manakaiky ny fitoerana masina izy.
20 Dia nataon'i
Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny
Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny
Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
21 Dia
nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona
nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao
fanavotana ho azy hanadiovana azy.
22 Ary rehefa
afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy
ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no
nataony taminy.
23 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24 Ny amin'ny
Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no
hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay
fihaonana;
25 fa rehefa
dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy
hanompo intsony;
26 kanefa
mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba
hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no
hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.
*
1 [Ny
nitandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny
taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Aoka
hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.
3 Amin'ny
harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo
azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo
azy.
4 Ary Mosesy
niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.
5 Dia
nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro
fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
6 Ary nisy
olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska
tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany
andro izany
7 ka nanao
taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka
amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?
8 Fa hoy Mosesy
taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.
9 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny
taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia
mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.
11 Amin'ny
harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany
azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no
fihinany azy.
12 Aza avela
hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny
lalāna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
13 Fa ny olona
izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia
hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i
Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
14 Ary raha
misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia
araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalāna iray
ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
*
15 [Ny amin'ny
rahona izay nitarihan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay
nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny
trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny
tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.
16 Dia toy izany
mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony
alina.
17 Ary rehefa
niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka
teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.
18 Araka ny
didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa
no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely no nitobiany.
19 Ary na dia
nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay
nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.
20 Fa
indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i
Jehovah no niaingany.
21 Ary
indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany
ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely;
koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.
22 Ary na
indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha
niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
23 Araka ny
didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany;
nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah
izay nampitondrainy an'i Mosesy.
*
1 [Ny trompetra
volafotsy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Manaova
trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao
ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
3 Ary raha
tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana, ny fiangonana rehetra.
4 Fa raha ny
iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny
Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
5 Fa raha
mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo
atsinanana.
6 Ary raha
mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra
eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
7 Fa raha
hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao
fampitairana.
8 Ary ireo
mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalāna mandrakizay ho
anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Ary raha misy
ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory
anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia
hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena
amin'ny fahavalonareo.
10 Ary amin'ny
andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny
voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra
doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo
anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
*
11 [Ny
niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i
Mosesy tamin i Hobaba. Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa,
tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny
tabernakelin'ny Vavolombelona.
12 Dia niainga
tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona
tany an-efitra Parana.
13 Dia izany no
niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
14 Ary ny
fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary
Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
15 Ary
Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara.
16 Ary Eliaba,
zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.
17 Dia nahorona
ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary,
nitondra ny tabernakely.
18 Dia niainga
ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora,
no mpifehy ny antokony.
19 Ary
Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i
Simeona.
20 Ary
Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada.
21 Dia niainga
ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely
mandra-pihaviny.
22 Dia niainga
ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama,
zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
23 Ary
Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i
Manase.
24 Ary Abidana,
zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina.
25 Dia niainga
ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka
ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
26 Ary Pagiela,
zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera.
27 Ary Ahira,
zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.
28 Izany no
fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
29 Dia hoy
Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao
dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo
izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa
ny amin'ny Isiraely.
30 Fa hoy kosa
izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.
31 Dia hoy
Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ
an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
32 Ary raha
hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay
aminao kosa.
33 Dia niainga
niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra
ho an'ny olona.
34 Ary ny
rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny
nitobiany.
35 Ary raha
niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangāna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny
fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
36 Ary raha
nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely
tsy omby alinalina.
*
1 [Ny
nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia
nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah
izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may
ny teo an-tsisin'ny toby.
2 Dia nitaraina
tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
3 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i
Jehovah.
*
4 Ary ny olona
hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia
nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
5 Tsaroanay ny
hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy
tongolo samy hafa karazana.
6 Fa izao dia
maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7 Ary ny mana
dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.
8 Nandehandeha
ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny
laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny
fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
9 Ary raha
nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny
mana.
10 Ary Mosesy
nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny
varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary
tsy sitrak'i Mosesy koa izany.
11 Dia hoy
Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary
nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra,
dia ity firenena rehetra ity?
12 Izaho va no
torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no
ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono,
ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?
13 Avy aiza no
hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao
hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
14 Tsy zakako
izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
15 Koa raha
izao no ataonao amiko, masėna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo
imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
16 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Manangōna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho
etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy
azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
17 Dia hidina
Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka
hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo,
fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
18 Koa lazao
amin'ny olona hoe: Manamasėna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena
ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka
hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah
hena ianareo, ka hohaninareo.
19 Tsy indray
andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo
andro aza,
20 fa
hatramin'ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka
haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany
teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
21 Dia hoy
Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana;
ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.
22 Moa ondry
aman'osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra
ao amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?
23 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tānan'i Jehovah? ankehitriny dia ho
hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.
24 Dia nivoaka
Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo
lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny
trano-lay.
25 Ary nidina
teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao
amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola
nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
26 Fa nisy roa
lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no
anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra
izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby
izy roa lahy.
27 Ary nisy
zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada
maminany etsy an-toby.
28 Dia namaly
Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao
hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
29 Fa hoy
Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny
olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!
30 Dia nankeo
an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.
31 Ary nisy
rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny
ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana
indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho
ambonin'ny tany izy.
32 Dia
nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny
ampitson'iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo
homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.
33 Fa raha
mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny
fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.
34 Ary ny
anaran'izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana
ny olona izay liana.
35 Ary niala
tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany
Hazerota izy.
*
1 [Ny
nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra
tamin'izany] Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny
vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
2 Dia hoy izy
mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no
nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany.
3 Ary Mosesy
dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny
tany.
4 Ary Jehovah
dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo
telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo
mianadahy.
5 Ary
andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay
Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
6 Dia hoy Izy:
Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny
fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
7 Fa tsy toy
izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.
8 Mifanatrika
no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina,
ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome
tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
9 Dia nirehitra
ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.
10 Ary ny
rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny
oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.
11 Ary hoy
Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masėna ianao, aza atao ho helokay ny
nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
12 Aza dia
avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka
izy.
13 Ary Mosesy
dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho,
mba sitrano re izy!
14 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra
hafitoana va izy? koa atokāny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa
afaka izany, dia ampidiro indray.
15 Dia natokana
tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa
nampidirina Miriama.
16 Ary rehefa
afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra
Parana.
*
1 [Ny amin'ny
mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
2 Maniraha
lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely;
dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny
fireneny avy.
3 Ary Mosesy
dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy
lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
4 Ary izao no
anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
5 avy tamin'ny
firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;
6 avy tamin'ny
firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
7 avy tamin'ny
firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;
8 avy tamin'ny
firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;
9 avy tamin'ny
firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;
10 avy tamin'ny
firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;
11 avy tamin'ny
firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;
12 avy tamin'ny
firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;
13 avy tamin'ny
firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;
14 avy tamin'ny
firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;
15 avy tamin'ny
firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.
16 Ireo no
anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i
Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.
17 Ary Mosesy
naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ
amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;
18 dia izahao
izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na
maro;
19 ary izay
toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanāna izay
itoerany, na ao an-day, na ao an-tanāna mimanda;
20 ary ny
toetry ny tany, na lonaka, na māzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza
ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia
fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.
21 Dia niakatra
ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao
akaikin'i Hamata.
22 Dia niakatra
tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary
Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana
any Egypta.)
23 Dia nankany
amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy
sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny
ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
24 Ary izany
tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay
notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.
25 Ary niverina
avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
26 Dia nankeo
amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany
an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana
rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
27 Dia nilaza
taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay,
koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
28 Kanefa kosa
mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanāna dia mimanda sady
lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
29 Ny Amalekita
no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita
no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny
ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
30 Fa Kaleba
dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika
hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
31 Fa hoy kosa
ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona
isika; fa mahery noho isika izy.
32 Dia nilaza
ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany
izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona
rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
33 ary nahita
ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo
imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo
imasony.
1 [Ny
nandavan'ny Zanak'Isiraely tsy hiakatra ho eny amin'ny tany Kanana] Dia
nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona
tamin'iny alina iny.
2 Dia
nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny
fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta
ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin'ity efitra ity!
3 Ary nahoana
Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny
vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any
Egypta va?
4 Dia
nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
5 Ary Mosesy sy
Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra.
6 Ary Josoa,
zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia
nandriatra ny fitafiany;
7 ary niteny tamin'ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany
izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
8 Raha sitrak'i
Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny
antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
9 Fa aza
miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho
antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza
matahotra azy ianareo.
10 Fa hoy ny
fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah
niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely
rehetra.
11 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity
Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay
nataoko teo aminy?
12 Hamely azy
amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena
lehibe sy mahery noho izy kosa.
13 Dia hoy
Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao
ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
14 ary
holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao
Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika,
ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha
amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
15 Fa raha
mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa,
izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
16 Satria tsy
zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay
nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
17 Ary
ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao
hoe:
18 Mahari-po
Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety
manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny
zafiafy sy ny zafindohalika.
19 Mifona
aminao aho, mamelā ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny
famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta
ka mandraka ankehitriny.
20 Dia hoy
Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
21 Kanefa raha
velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
22 ireo
lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay
nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao,
ka tsy nihaino ny feoko,
23 dia tsy
hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay
rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
24 Fa ny amin'i
Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny
fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny
zanany handova izany.
25 Ary ny
Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia
miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny
Ranomasina Mena.
26 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
27
Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona
amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany
amiko.
28 Lazao aminy
hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo
anatrehako no hataoko aminareo:
29 Etỳ
amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay
voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
30 dia tsy ho
tonga mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo,
afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.
31 Fa ny
zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko
miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
32 Fa ny
aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;
33 ary ny
zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona
ka hiharan'ny valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra
atỳ an-efitra.
34 Araka ny
isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana
taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo
ny fahafoizako anareo.
35 Izaho
Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra
izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany
ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
36 Ary ny
lehilahy izay nirahin'1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka
nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy
ny tany izy,
37 dia matin'ny
areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany
ireny.
38 Fa Josoa,
zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha
nisafo ny tany, dia velona ihany.
39 Dia
nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia
nanjoretra terỳ ny olona.
40 Dia nifoha
maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe:
Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa
nanota izahay.
41 Dia hoy
Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
42 Aza
miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
43 fandrao ho
resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo
anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana
an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
44 Kanjo
sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa
Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.
45 Dia nidina
ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany,
ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
*
1 [Didy samy
hafa ny amin'ny fanatitra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko
anareo ianareo
3 ka manatitra
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao
fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drā hanalana voady, na amin'ny
sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho
an'i Jehovah:
4 izay
manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia
koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
5 ary divay
ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana,
na ny fanatitra hafa alatsa-drā, amin'ny isan-janak'ondry iray.
6 Ary ho
fanampin'ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha
voaharo diloilo ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
7 ary divay
ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana
ho an'i Jehovah.
8 Ary raha
manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drā ianao,
hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,
9 dia fanatitra
hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto
telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
10 ary divay
antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny
afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
11 Izany no
hatao amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry
iray, na ny isan-janak'osy iray.
12 Tahaka izany
no hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.
13 Ny
tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.
14 Ary raha
misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny
taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
15 Ary ny
amin'ny fiangonana, dia lalāna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy
izay vahiny eo aminareo koa, dia lalāna mandrakizay hatramin'ny taranakareo
fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan'i Jehovah na ianareo na ny
vahiny.
16 Lalāna iray
ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
17 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo
19 ka hihinana
mofo avy amin'ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an'i Jehovah.
20 Hanokana
mofo iray izay hatao amin'ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka
izay atokana avy eo amin'ny famoloana no hanokananareo izany.
21 Ny
voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny
taranakareo fara mandimby.
22 Ary raha
manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatō ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i
Jehovah tamin'i Mosesy,
23 dia izay
rehetra nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay
nanaovan'i Jehovah izany didy izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,
24 koa atao tsy
nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray
ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i
Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka
ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
25 Ary ny
mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny
fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny
noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
26 Dia havela
ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo
aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
27 Ary raha
olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona
izy ho fanatitra noho ny ota.
28 Ary ny
mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo
anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.
29 Lalāna iray
ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na
amin'ny vahiny eo aminareo.
30 Fa ny olona
izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i
Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
31 Fa ny
tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalāny no nodikainy, dia hofongorana
tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
32 [Ny natao
tamin'ilay lehilahy nanangona kitay tamin'ny andro Sabata] Ary raha tany
an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo
tamin'ny andro Sabata.
33 Ary izay
nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny
fiangonana rehetra.
34 Dia
nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
35 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy
eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra.
36 Dia namoaka
azy ho eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty
izy, dia araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ihany.
37 [Ny amin'ny
hanaovana somotraviavy amin'ny sisin'ny fitafian'ny Zanak'Isiraely] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
38 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany
hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny
somotraviaviny.
39 Ary ho
somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy
hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo
ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
40 mba hotsarovanareo
sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo
ianareo.
41 Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
*
1 [Ny
niodinan'i Kora sy ny namany, sy ny nanamarinan'i Jehovah ny fisoronan'i Arona]
Ary Kora, zanak'i Jizara, zanak'i Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abėrama,
zanak'i Eliaba, sy Ona, zanak'i Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
2 ka nitsangana
teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato,
izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady
nanan-daza;
3 koa niangona
hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa
masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no
dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo?
4 Ary raha
nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
5 ka niteny
tamin'i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah
izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny
Azy.
6 Izao no
ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makā fitondran'afo ho anareo
rahampitso.
7 dia asio afo eo
anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny
lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry
taranak'i Levy!
8 Dia hoy koa
Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy:
9 Moa ataonareo
ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny
fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny
fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo
anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?
10 Dia
napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao,
ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
11 Ary noho
izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa
Arona moa no inona, no imonomononanareo?
12 Ary Mosesy
naniraka nampaka an'i Datana sy Abėrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy:
Tsy hiakatra izahay.
13 Moa zavatra
kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono
sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay
koa ianao?
14 Ary koa,
ianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona,
na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny
mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
15 Dia tezitra
indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory
Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy
na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza.
16 Dia hoy
Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i
Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.
17 Ary samia
maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo
anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo
anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy
Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy.
18 Ary samy
naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy
ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.
19 Ary Kora
nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana
hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i
Jehovah.
20 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
21 Mihataha
amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso
monja.
22 Dia
niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny
fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana
rehetra va Hianao?
23 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24 Mitenena
amin'ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy
Datana ary Abėrama.
25 Dia
nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abėrama; ary nanaraka azy ny
loholon'ny Isiraely.
26 Dia niteny
tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialā amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo,
ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany
rehetra.
27 Dia nihataka
ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abėrama; ary Datana
sy Abėrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny
vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
28 Dia hoy
Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa
rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany:
29 Raha maty
toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny
famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
30 Fa raha
hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy
mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy,
dia ho fantatrareo fa efa nandā an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.
31 Ary rehefa
tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo
ambaniny;
32 eny,
nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay
an'i Kora ary ny fananany rehetra.
33 Dia latsaka
velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany
dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.
34 Ary ny
Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany;
fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
35 Ary nisy afo
nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato
izay nanatitra ditin-kazo manitra.
*
1 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena
amin'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny
fitondran'afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;
3 ary ny
fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify
hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina;
ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.
4 Ary nalain'i
Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may
ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara
5 ho
fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny
taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo
anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny
tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
6 Ary nony
ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.
7 Ary raha niangona
hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay
fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i
Jehovah.
8 Ary Mosesy sy
Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
9 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mialā
amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia
niankohoka izy roa lahy.
11 Ary hoy
Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny
alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny
fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny
fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
12 Dia nalain'i
Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny
fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny
areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao
fanavotana ho an'ny olona.
13 Dia nijanona
teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
14 Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra
arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora.
15 Ary Arona
niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.
16 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka
ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia
tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy
rehetra.
18 Fa ny
anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho
an'ny lohan'ny fianakaviany.
19 Dia hataonao
ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay
ihaonako aminareo.
20 Ary ny
tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny
fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
21 Ary Mosesy
dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra
tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo;
ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.
22 Dia
napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny
Vavolombelona ireo tehina ireo.
23 Ary nony
ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro
fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy
namony ka namoa amygdala.
24 Dia nentin'i
Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny
Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
25 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny
Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia
hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
26 Dia nataon'i
Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
27 Dia niteny
tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana
izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.
28 Ho faty izay
rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty
va izahay?
Chapitre 18
1 [Ny amin'ny
raharahan'ny Levita sy ny mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary
hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no
hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra
ny heloky ny fisoronanareo.
2 Ary ny
rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento
miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny
zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.
3 Dia
hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny
trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba
hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
4 Dia hikambana
aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia
ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky
anareo.
5 Dia hotandremanareo
ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny
alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony.
6 Ary, indro,
Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena
anareo izy ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny
trano-lay fihaonana.
7 Fa ianao sy
ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin'ny zavatra
rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin'ny efitra lamba, dia fanompoana omeko
anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
8 Ary Jehovah
niteny tamin'i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho
Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho
anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
9 Izao no ho
anao amin'ny zavatra masina indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo;
ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany
rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao
izany.
10 Toy ny
fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra
no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany.
11 Ary izao koa
no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra
aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny
zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny
ankohonanao no mahazo mihinana izany.
12 Izay rehetra
tsara indrindra amin'ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny
voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao.
13 Ny
voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia
ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.
14 Ny zavatra
rehetra voatokana amin'ny Isiraely dia ho anao.
15 Ny
voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia
ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto
dia havotanao koa.
16 Ary ny amin'ny
fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao
tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).
17 Fa ny
voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky
ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny rāny dia hatopinao amin'ny
alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
18 Dia ho anao
ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
19 Ny fanatitra
rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i
Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara
mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany
ho aminao sy ny taranakao koa.
20 Ary hoy
Jehovah tamin'i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba
hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny
Zanak'Isiraely.
21 Ary, indro,
ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho
fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay
fihaonana.
22 Ary tsy
mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao
meloka izy ka maty.
23 Fa ny Levita
ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra
ny helony; ho lalāna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara
mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
24 Fa ny
fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah,
dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy
hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
25 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
26 Mitenena
indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny
fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo
ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.
27 Ary ny
fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny
divay avy eo amin'ny famiazana.
28 Toy izany
koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo
rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no
hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona.
29 Ary ny
zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina
ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay
zavatra masina avy aminy.
30 Dia lazao
aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny
Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana
izany.
31 Dia mahazo
mihinana izany eo amin'ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa
karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin'ny trano-lay fihaonana.
32 Ary tsy
hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary
tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty
ianareo.
*
1 [Ny lalāna ny
amin'ny vantotr'ombivavy mena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka
nanao hoe:
2 Izao no
lalāna hotandremana, izay efa nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely
mba hitondrany vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy
mbola nasiana zioga.
3 Ary omeo ho
an'i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka
hovonoina eo anatrehany.
4 Dia hanalan'i
Eleazara mpisorona amin'ny fanondrony ny rāny ka hafafiny impito manandrify ny
trano-lay fihaonana.
5 Dia hodorana
eo imasony ilay vantotr'ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny rāny mbamin'ny
tain-drorohany dia hodorana avokoa.
6 Ary ny
mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan'ny
afo andoroana ny vantotr'ombivavy.
7 Dia
hosasan'ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin'ny rano izy, ary rehefa
afaka izany, dia hankeo amin'ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan'ny andro
ny mpisorona.
8 Ary izay
mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin'ny rano, ary
haloto mandra-paharivan'ny andro.
9 Dia
hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka
hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia
hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana:
fanatitra noho ny ota izany.
10 Ary ilay
nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto
mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalāna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy
ny vahiny eo aminy izany.
11 Izay
mikasika fatin'olona dia haloto hafitoana.
12 Hanadio ny
tenany amin'izany rano izany izy amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro
fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo
kosa izy, dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.
13 Izay rehetra
mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i
Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano
fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
14 Izao no
lalāna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay
rehetra ao anatin'ny lay dia haloto hafitoana.
15 Ary ny
fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.
16 Ary izay
rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona,
na fasana, dia haloto hafitoana.
17 Dia
hangalana ho an'ny maloto ny lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny
ota, ary hasiany rano nalaina tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.
18 Dia haka
hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia
hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay
nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.
19 Ary ny
maloto dia hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito;
dia hanadio ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy
handro amin'ny rano, dia hadio rehefa hariva.
20 Fa ny olona
izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana,
satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy
taminy: maloto izy.
21 Dia ho
lalāna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa
ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto
mandra-paharivan'ny andro.
22 Ary ny zavatra
rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia
haloto mandra- paharivan'ny andro.
*
1 [Ny
nitobian'ny Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona
tamin'izy nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy] Ary tamin'ny volana voalohany
tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary
nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
2 Ary tsy nisy
rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
3 Dia nila ady
tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny
nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
4 Fa nahoana no
nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty
anay sy ny ombinay eto?
5 Ary nahoana
no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity
tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na
ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
6 Dia niala teo
anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
7 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
8 Alao ny
tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny
vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho
an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy
ny biby fiompiny.
9 Dia nalain'i
Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
10 Dia
novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy
izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano
ho anareo?
11 Ary Mosesy
dia nanainga ny tānany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia
niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby
fiompiny.
12 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy
eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any
amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.
13 Ity no
ranon'i Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i
Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.
*
14 [Ny teny
nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka
olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no
lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo
anay:
15 dia ny
nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay
sy ny razanay ny Egyptiana;
16 ary raha
nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely
sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy,
tanāna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;
17 koa aoka mba
handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny
tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny
lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana
na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
18 Fa hoy ny
Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka
hamely anao amin'ny sabatra aho.
19 Dia hoy ny
Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny
ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na
inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
20 Fa hoy izy:
Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita
nitondra vahoaka betsaka sady nanao tāna-mahery.
21 Toy izany no
nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily
niala taminy ny Zanak'Isiraely.
*
22 Ary nifindra
ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga
tao an-tendrombohitra Hora.
23 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny
fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:
24 Arona
hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny
Zanak'Isiraely izy, satria nandā ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
25 Alao Arona
sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
26 dia esory ny
fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any
amin'ny razany ka ho faty ao.
27 Ary Mosesy
nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora
teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
28 Dia nesorin'i
Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao
an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy
sy Eleazara.
29 Koa nony
hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy,
dia ny taranak'Isiraely rehetra.
*
1 [Ny
nandresen'ny Isiraely ny mpanjakan'i Arada] Ary raha ren'ilay Kananita,
mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny
lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny
sasany tamin'ny Isiraely.
2 Dia nivoady
tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa
ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanānany.
3 Ary Jehovah
nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny
Isiraely levona izy sy ny tanānany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao
hoe Horma.
4 [Ny Menarana
Varahina] Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany
amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona
noho ny lalana.
5 Ary niteny
nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no
nentinao niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty
atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny
fanahinay itony mofomofo foana itony.
6 Ary Jehovah
dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny;
dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
7 Dia nankeo
amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome
tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny
menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.
8 Ary hoy
Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantōny amin'ny hazo lava, ary izay
rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
9 Dia nanao
menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona
voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
10 [Ny
nandehanan'ny Isiraely nanodidina ny tany Edoma sy Moaba, ary ny nandreseny
an'i Sihona sy Oga] Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
11 Ary nony
niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay
mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
12 Ary nony
niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda.
13 Ary nony
niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy
amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo
anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.
14 Koa izany no
ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny
lohasahan-driaka Arnona,
15 Ary ny tany
kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara
ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba.
16 Ary niala
tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i
Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
17 Dia nihira
izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo
an-kira izy;
18 Lavaka
fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalāna, ary nolavahan'ireo manan-kaja
amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala
tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
19 Ary nony
niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy,
dia nankao Bamota;
20 ary nony
niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao
an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra.
21 Ary ny
Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:
22 Aoka mba
handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny
tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny
lalan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
23 Nefa Sihona
tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany
rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany
Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.
24 Ary ny
Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona
ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny
taranak'i Amona.
25 Dia
nalain'ny Isiraely izany tanāna rehetra izany; ary nonenany ny tanānan'ny
Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
26 Hesbona no
tanānan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba
taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27 Izany no
nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy
hatao mafy ny tanānan'i Sihona;
28 Fa nisy afo
nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanānan'i Sihona, Ka nandevona
an'i Aran'i Moaba sy ny tompon'ny havoan'i Arnona.
29 Lozanao, ry
Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary
navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
30
Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany
Nofa, izay mipaka an'i Medeba.
31 Dia nitoetra
tao amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely.
32 Ary Mosesy
naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny
ka nandroaka ny Amorita izay tany.
33 Ary niverina
ny olona ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga,
mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao
Edrehy.
34 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao
izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay
nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
35 Dia namely
azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na
dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
*
1 Ary ny
Zanak'Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana
tandrifin'i Jeriko.
2 [Ny
nampanalan'i Balaka an'i Balama] Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay
rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.
3 Dia
raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro
ny Moabita noho ny Zanak'Isiraely.
4 Dia hoy izy
tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina
antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any
an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro
izany.
5 Dia naniraka
olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny
Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro,
misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra
izy ka mitoby tandrifiko;
6 koa
ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozōny ho ahy ity firenena ity, fa
mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala
amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay
ozoninao dia voaozona.
7 Dia nandeha
ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana
teny an-tānany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i
Balaka.
8 Ary hoy
Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka
izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo
andrian-dahin'i Moaba.
9 Ary
Andriamanitra nankao amin'i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao
ireo?
10 Dia hoy
Balama tamin'Andriamanitra: Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa
naniraka tamiko hoe:
11 Indro ny
firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa
mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozōny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho
ka haharoaka azy.
12 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany
firenena izany, fa voatahy izy.
13 Dia nifoha
maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody
any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
14 Ary niainga
ireo andriandahin'i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety
nandeha niaraka taminay Balama.
15 Ary Balaka
naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
16 Dia tonga
tao amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i
Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
17 fa hanome
anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia
hataoko avokoa; koa masėna ianao, mankanesa atỳ, ozōny ho ahy ity
firenena ity.
18 Fa namaly
Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka
volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny
tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
19 Nefa, na dia
izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay
mbola holazain'i Jehovah amiko koa.
20 Ary nony
alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka
anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingā ka mandehana ihany miaraka
aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
21 Dia nifoha
maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo
andriandahin'i Moaba.
22 Ary
nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia
nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama
nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
23 Dia hitan'ny
boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany
voatsoaka teny an-tānany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha;
dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.
24 Ary Ilay
Anjelin'i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan'ny tanim-boaloboka,
izay nisy fefy teo an-daniny roa.
25 Ary ny
boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery
ny tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
26 Ary mbola
nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana čty, izay tsy
nisy lalana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
27 Ary ny
boriky nahita ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary
nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.
28 Dia
nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona
no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
29 Dia hoy
Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra
etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
30 Ary hoy ny
boriky tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay
nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao
aminao? Dia hoy izy: Tsia.
31 Dia
nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona
eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tānany; dia niondrika izy
ka niankohoka.
32 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao?
indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto
anatrehako ny lalanao.
33 Koa nahita
Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no
nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
34 Dia hoy
Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao
no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao
izany, dia hiverina aho.
35 Fa hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy
ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha
Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.
36 Ary nony
ren'i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanānan'i
Moaba, teo amin'ny fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.
37 Ary hoy
Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka
anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome
voninahitra anao?
38 Dia hoy
Balama tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo
milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia
izany no holazaiko.
39 Dia nandeha
Balama niaraka tamin'i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
40 Ary Balaka
namono omby sy ondry aman'osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy
ny andriandahy izay teo aminy.
41 [Ny oha-teny
nataon'i Balama] Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny
niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny
tobiny.
1 Ary hoy
Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara
vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
2 Dia narahin'i
Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra
vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
3 Dia hoy
Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa
handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako
aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
4 Ary
Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara
fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray
avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.
5 Ary Jehovah
nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary
izany no holazainao.
6 Dia niverina
tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo
andriandahin'i Moaba rehetra.
7 Dia nanao
oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny
mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia,
ka ozōny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
8 Hataoko
ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no
fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?
9 Fa eto
an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako
azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
10 Iza no
mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka
ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka
ny azy!
11 Dia hoy
Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko
no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
12 Dia namaly
izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto
am-bavako?
13 Dia hoy
Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao
azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy
rehetra; ka ozōny ho ahy ao izy.
14 Dia nitondra
azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito
izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny
isan'alitara.
15 Dia hoy izy
tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ
hihaona amin'i Jehovah.
16 Ary Jehovah
nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena
mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.
17 Ary nony
tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo
andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no
nolazain'i Jehovah?
18 Dia nanao
oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangāna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano
amiko ny sofinao, ry zanak'i Zipora;
19
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa
efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
20 Indro, ny
hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
21 Tsy mijery
faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny
Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re
eo aminy.
22
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny
ombimanga,
23 Fa tsy misy
fisikidianana eo amin'i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa
amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i
Jehovah.
24 Indro,
firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy
mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.
25 Dia hoy
Balaka tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
26 Fa namaly
kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao
hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?
27 Dia hoy
Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba
ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
28 Ary Balama
dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.
29 Dia hoy
Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara
vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
30 Ary Balaka
dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy
ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
1 Ary rehefa
hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha
tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra
fotsiny.
2 Dia natopin'i
Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny
Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.
3 Dia nanao
oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay
voakimpy ny masony
4 Izay mandre
ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa
voahiratra ny masony:
5 Endrey ny
hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
6 Tahaka ny
lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra
nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
7 Hisy rano
mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro.
Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
8
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny
ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany,
ary haripany amin'ny zana-tsipėkany.
9 Mamitaka izy,
mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina
anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
10 Dia
nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy
izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa
nitso-drano azy intelo ianao izao.
11 Koa ankehitriny,
mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra
anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
12 Dia hoy
Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko
va aho ka nanao hoe:
13 Na dia
homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo
manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko;
izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?
14 Ary
ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra
anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
15 Dia nanao
oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay
voakimpy ny masony;
16 Izay mandre
ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita
fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
17 Hitako Izy,
nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy
amin'i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny
sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
18 Edoma sy
Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
19 Ary avy
amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao
an-tanāna.
20 Ary nahita
ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka,
fa ho lany ringana no hiafarany.
21 Ary nahita
ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao
amin'ny vatolampy ny akaninao.
22 Kanefa ho
ringana Kaina, alohan'ny hamaboan'i Asyra anao.
23 Dia nanao
oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany
Andriamanitra?
24 Ary hisy
sambo avy any amin'ny tany Kitima, dia hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho
lany ringana no hiafarany.
25 Dia niainga
Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany
amin'izay nalehany.
*
1 [Ny
nijangajangan'ny Isiraely tamin'ny zanakavavin'ny Moabita] Ary nitoetra tao
Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny
Moabita izy.
2 Fa ireo
nanasa ny olona hihinana tamin'ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny
andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin'ny andriamaniny.
3 Dia niray
tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah.
4 Dia hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantōny tandrifin'ny
masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny
fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
5 Dia hoy
Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny,
izay niray tamin'i Bala-peora.
6 Ary, indro,
avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny
rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
7 Ary raha
nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia
nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tānany;
8 dia nandeha
nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona
izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany
amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny
Zanak'Isiraely.
9 Ary izay maty
tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
10 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
11 Finehasa,
zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny
Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko
lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako.
12 Ary noho
izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako;
13 ary izy sy
ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay,
satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho
an'ny Zanak'Isiraely.
14 Ary ny
anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy
Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.
15 Ary ny
anaran'ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny
fianakaviana tamin'ny Midianita.
16 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Rafeso ny
Midianita, ka iadio;
18 fa izy
nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i
Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay
novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.
*
1 [Ny
nandaminana ny Isiraely fanindroany, teo Arbota-moaba] Ary rehefa afaka ny
areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona
mpisorona:
2 Alao isa ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo
halefa hanafika.
3 Ary Mosesy sy
Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana
tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
4 Ny
hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta.
5 Robena,
lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita;
avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita;
6 avy tamin'i
Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
7 Ireo no
fokon'ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy
telo arivo sy efatra alina.
8 Ary ny
zanak'i Palo dia Eliaba.
9 Ary ny
zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abėrama. Ireo dia ilay Datana sy
Abėrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona,
teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,
10 ary
nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany
antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga
fananarana.
11 Kanefa ny
zanak'i Kora tsy mba maty.
12 Ny taranak'i
Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita;
avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny
Jakinita;
13 avy tamin'i
Zera ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.
14 Ireo no
fokon'ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
15 Ny taranak'i
Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy
tamin'i Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;
16 avy tamin'i
Ozny ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita;
17 avy tamin'i
Aroda ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.
18 Ireo no
fokon'ny zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra
alina
19 Ny zanak'i
Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana
ihany.
20 Ary ny
taranak'i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita;
avy tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
21 Ary ny
taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy
tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.
22 Ireo no
fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy
fito alina.
23 Ny
taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny
Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;
24 avy tamin'i
Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita,
25 Ireo no
fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy
enina alina.
26 Ny taranak'i
Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita;
avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny
Jahalelita.
27 Ireo no
fokon'ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina
alina.
28 Ny zanak'i
Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
29 Ny taranak'i
Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka
an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.
30 Izao no
taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka
ny fokon'ny Helekita;
31 ary avy
tamin'i Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny
Sekemita;
32 ary avy
tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny
Heferita.
33 Ary
Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny
anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
34 Ireo no
fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby
dimy alina.
35 Izao no
taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita;
avy tamin'i Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny
Tahanita.
36 Ary izao no
taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.
37 Ireo no
fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby
roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.
38 Ny taranak'i
Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy
tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny
Ahiramita;
39 avy tamin'i
Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.
40 Ary ny
taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i
Namana ny fokon'ny Namanita.
41 Ireo no
taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato
amby dimy arivo sy efatra alina.
42 Izao no
taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo
no fokon'i Dana, araka ny fokony.
43 Ny fokon'ny
Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo
sy enina alina.
44 Ny taranak'i
Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy
tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita;
45 avy tamin'ny
zanak'i Bena dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i
Malkiela ny fokon'ny Malkielita.
46 Ary ny
anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera.
47 Ireo no
fokon'ny taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo
arivo sy dimy alina.
48 Ny taranak'i
Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita;
avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita;
49 avy tamin'i
Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.
50 Ireo no
fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby
dimy arivo sy efatra alina.
51 Ireo no
voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy
enina hetsy.
52 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
53 Ireo no
hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
54 Ny maro isa
homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy
araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
55 Kanefa
filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany
zara-tany.
56 Dia filokana
no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
57 Ary izao no
voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny
fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary
ny fokon'ny Merarita.
58 Izao no
fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita,
ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.
59 Ary ny anaran'ny
vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia
niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.
60 Ary ny
naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
61 Fa maty
Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.
62 Ary izay
voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny
iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely
izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.
63 Ireo no
voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo
Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
64 Ary
tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona
mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.
65 Fa Jehovah
efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona
sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.
*
1 [Ny
fanontanian'ny zanakavavin'i Zelofada, sy ny lalāna izay natao ny amin'izany]
Ary avy ny zanakavavin'i Zelofada, zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada,
zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa
(ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
2 dia
nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny
fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana izy ka nanao hoe:
3 Ny rainay dia
maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona
hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy
nanan-janakalahy.
4 Nahoana ny
rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy?
mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.
5 Ary
nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.
6 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
7 Marina ny
tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa
izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
8 Ary lazao
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy,
dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
9 Ary raha tsy
manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
10 Ary raha tsy
manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
11 Ary raha tsy
manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo
ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalāna hitondrana ny Zanak'Isiraely
izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
12 [Ny amin'ny
hahafatesan'i Mosesy, sy ny nanendrena an'i Josoa ho mpandimby azy. Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano
ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
13 Ary rehefa
hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay
nanangonana an'i Arona rahalahinao;
14 fa nandā ny
teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy
nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any
Kadesy any an-efitra Zina.)
15 Ary Mosesy
niteny tamin'i Jehovah hoe:
16 Aoka
Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay
hitandrina ny fiangonana
17 ka hivoaka
sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny
ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.
18 Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay
manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
19 ary asaovy
mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka
mandidia azy eo imasony ianao.
20 Dia anomezo
azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra
azy.
21 Ary Josoa
hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i
Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny
teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana
rehetra.
22 Ary nataon'i
Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka
nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
23 ka nametraka
ny tānany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy
an'i Mosesy.
*
1 [Fandaharana
ny fanatitra atao isan'andro sy amin'izay fotoana hafa
voatendrin'Andriamanitra] Ary Jehovah niteny tamin'i ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao
amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny
hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.
3 Ary lazao
aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i
Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho
fanatitra dorana mandrakariva
4 (ny
zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao
nony hariva),
5 ary koba
tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina,
ho fanatitra hohanina.
6 Fanatitra
dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho
hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7 Ary ny
fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry
iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho
fanatitra aidina.
8 Ary ny
zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra
aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho
fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
9 Ary amin'ny
andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy
misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho
fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
10 Fanatitra
dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva
sy ny fanatitra aidina momba azy.
11 Ary izao no
atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona
sady tsy misy kilema,
12 ary koba
tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina
amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny
efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,
13 ary koba
tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny
isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana,
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
14 Ary ny
fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny
isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy
iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no
fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.
15 Ary osilahy
iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra
dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 Ary ny andro
fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.
17 Ary ny andro
fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana;
hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
18 Amin'ny
andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
19 fa izao no
atero ho fanatitra atao amin'ny afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona
(izay tsy misy kilema no haterinareo).
20 ary koba
tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo
ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray,
ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
21 ary
ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny
zanak'ondry fito),
22 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
23 Atero ireo
ho fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana
mandrakariva.
24 Araka izany
no hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny
fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba
azy.
25 Ary amin'ny
andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
26 Ary amin'ny
andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao
ho an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana
masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
27 ary izao no
atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak'ondry fito, izay iray taona
avy,
28 ary koba
tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny
efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan'ondrilahy iray,
29 ary
ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry
fito)
30 ary osilahy
iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
31 Dia
haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra
dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no
haterinareo.
1 Ary amin'ny
andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza
manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
2 Ary izao no
atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona
avy sady tsy misy kilema,
3 ary koba
tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny
efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-ondrilahy iray,
4 ary
ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
5 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
6 ho
fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina
momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba
azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra
ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7 Ary amin'ny
andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho
anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
8 Ary izao no
atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona
avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
9 ary koba
tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny
efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-ondrilahy iray,
10 ary
ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)
11 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana
fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
12 Ary amin'ny
andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina
ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana
hafitoana ho an'i Jehovah.
13 Ary izao no
atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy
roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy
kilema.
14 ary koba
tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny
efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny
folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
15 ary
ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra
ambin'ny folo)
16 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva
sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
17 Ary amin'ny
andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary
zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
18 ary ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny
isany avy, araka ny fanao,
19 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy
ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
20 Ary amin'ny
andro fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa
ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
21 ary ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
22 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy
ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
23 Ary amin'ny
andro fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry
efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
24 ary ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
25 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy
ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
26 Ary amin'ny
andro fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry
efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
27 ary ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
28 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy
ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
29 Ary amin'ny
andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry
efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
30 ary ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
31 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy
ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
32 Ary amin'ny
andro fahafito koa dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry
efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
33 ary ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
34 ary osilahy
iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy
ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
35 Ary amin'ny
andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
36 Ary izao no
atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary
zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
37 ary ny
fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
38 ary osilahy
iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva,
sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
39 Ireo no
haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny
fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho
fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary
fanati-pihavanana.
*
1 Dia
nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa
nandidian'i Jehovah azy.
2 [Lalāna ny
amin'ny hahatanterahana ny voady sy ny hanafoanana azy] Ary Mosesy niteny
tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay
nandidian'i Jehovah:
3 Raha misy
lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy
hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
4 Ary raha misy
vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao
an-tranon-drainy izy,
5 ka ren-drainy
ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia
tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny
fanahiny.
6 Fa raha
nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay
famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria
nandrara azy rainy.
7 Ary raha
manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny
molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
8 ka nandre
izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka
ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
9 Fa raha
nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny
izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny
fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
10 Fa ny
amin'ny voadin'ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka
izay rehetra namehezany ny fanahiny.
11 Ary raha
nisy vehivavy nivoady tao an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny
hifady,
12 ka nandre ny
vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny
famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
13 Fa raha
nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay
rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no
nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
14 Ny voady
rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny
lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
15 Fa raha tsy
niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny,
na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria
tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany.
16 Fa raha
manao izay hahafoana izany izy aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny
heloky ny vavy izy.
17 Ireo no
lalāna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny,
ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
*
1 [Ny tafika
namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Valio ny
Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia
hangonina any amin'ny razanao ianao.
3 Dia niteny
tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomāna ho any an-tafika ny sasany
aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i
Jehovah azy.
4 Arivo lahy
avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any
an-tafika.
5 Dia navahana
tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray
alina, samy voaomana hiady.
6 Ary
nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy
Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny
an-tānany, dia ny trompetra avo feo.
7 Dia niady
tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary
namono ny lehilahy rehetra izy
8 ary ny
mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy
Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny
sabatra.
9 Ary ny
Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary
nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary
ny fananany rehetra.
10 Ary ny
tanānany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany
tamin'ny afo.
11 Ary nalainy
avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
12 dia nentiny
tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo
an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
13 Ary Mosesy
sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy
teo ivelan'ny toby.
14 Ary tezitra
tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy
zato, izay avy tany an-tafika,
15 ka hoy izy
taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
16 Ireo ihany
no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny
tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.
17 Koa
ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy
rehetra izay efa nahalala lahy.
18 Fa ny
zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
19 Ary mitobia
eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia
manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny
andro fahafito.
20 Ary ny
fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka
hazo, dia diovy avokoa.
21 Ary hoy
Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no
lalāna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy:
22 Ny volamena
sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
23 dia ny
zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio,
kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy
maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany.
24 Ary sasao ny
fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany,
dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo.
25 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
26 Alaonao sy
Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny
babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
27 ary sasaho
ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana
rehetra;
28 kanefa makā
anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia
iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;
29 ny antsasany
izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra
alaina ho an'i Jehovah.
30 Ary ny
antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona,
na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho
an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i
Jehovah.
31 Dia nataon'i
Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
32 Ary ny babo
sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito
alina sy enina hetsy,
33 sy omby roa
arivo amby fito alina,
34 sy boriky
arivo amby enina alina,
35 ary olona,
dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
36 Ary ny
antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry
aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
37 ary ny
anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy
enin-jato.
38 Ary ny omby
dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia
roa amby fito-polo.
39 Ary ny
boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo
dia iraika amby enim-polo.
40 Ary ny
zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy
tamin'ireo dia roa amby telo-polo.
41 Dia nomen'i
Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka
izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
42 Ary avy
tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny
mpanafika
43 (fa ny
antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo
alina sy telo hetsy,
44 sy omby
enina arivo amby telo alina,
45 sy boriky
diman-jato amby telo alina,
46 ary olona
enina arivo amby iray alina),
47 ny antsasany
an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na
biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny
tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
48 Ary ny
mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia
nanatona an'i Mosesy
49 ka nanao
taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka
tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
50 koa nitondra
fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia
fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola,
hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.
51 Dia
noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka
voatefy avokoa.
52 Ary ny
volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato
ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray
alina
53 (fa ny
mpanafika samy namabo ho an'ny tenany).
54 Dia noraisin'i
Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy
zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny
Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.
*
1 [Ny
nahazoan'ny firenen'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase
zara-tany tao an-dafy atsinanan'i Jordana] Ary nanana omby aman'ondry be
indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany
Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,
2 dia avy ny
taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara
mpisorona sy tamin'ny lohan'ny fiangonana ka nanao hoe:
3 Atarota sy
Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
4 ireo tany noresen'i
Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana
omby aman'ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman'ondry;
5 dia hoy koa
izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho
zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.
6 Dia hoy
Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha
hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
7 Nahoana
ianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any
amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy?
8 Izany no
nataon'ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
9 fa raha
niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny
fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa
nomen'i Jehovah azy.
10 Ary
nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka
nanao hoe:
11 Ny olona
izay niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia
tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary
Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;
12 afa-tsy
Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka
tamin'ny fanarahana an'i Jehovah.
13 Dia
nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany
an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay
nanao ratsy teo imason'i Jehovah.
14 Ary,
indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota,
hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
15 Fa raha
miala amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy;
ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
16 Ary dia
nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby
aman'ondrinay sy tanāna koa ho an'ny zanakay madinika;
17 fa ny
tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely
mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia
hitoetra amin'ny tanāna mimanda noho ny mponina amin'ny tany.
18 Tsy hody any
an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.
19 Fa tsy
hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho
miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana
atỳ ny zara-taninay.
20 Dia hoy
Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i
Jehovah ho any an-tafika,
21 ary rehefa
samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i
Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
22 ka ho resy
eo anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy
hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho
zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.
23 Fa raha tsy
hanao izany kosa ianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa
hanody anareo ny fahotanareo.
24 Manaova
tanāna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka
ataovy izay naloaky ny vavanareo.
25 Dia niteny
tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny
mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
26 ny zanakay
madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra
dia hitoetra ato amin'ny tanānan'i Gileada;
27 fa ny
mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho
any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
28 Ary Mosesy
dia nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo
29 ka nanao
taminy hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada
sy ny taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho
resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
30 fa raha tsy
mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin'ny
tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
31 Dia namaly
ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i
Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:
32 Izabay
handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa
voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin'i Jordana etỳ ihany no
hahazoanay zara-tany.
33 Dia nomen'i
Mosesy ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny an-tsasaky ny
firenen'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorka, sy
ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana dia ny tany mbamin'ny tanānany ao amin'ny
fari-tany, dia ny tanāna eny amin'ny tany manodidina.
34 Ary ny
taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera
35 sy
Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
36 sy
Beti-nimra sy Beti-harana, tanāna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.
37 Ary ny
taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
38 sy Nebo sy
Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao
ny tanāna izay nataony.
39 Ary ny
taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia
nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
40 Ary Gileada
dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.
41 Ary Jaira,
zanak'i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanāna madinika teo, ary ny anarany
nataony hoe Havota-jaira.
42 Ary Noba
nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka
ny anarany izy.
*
1 [Ny
nitobian'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra] Ary izao no nandehan'ny
Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta araka ny antokony.
2 Dia
nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah;
ary izao no nandehanany araka ny nialany:
3 Niala tao
Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny
folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
4 Fa ny
Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny
lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.
5 Ary nony
niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
6 Ary nony
niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.
7 Ary nony
niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i
Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.
8 Ary nony niala
tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any
an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao
Mara.
9 Ary nony
niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa
ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
10 Ary nony
niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.
11 Ary nony
niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12 Ary nony
niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
13 Ary nony
niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
14 Ary nony
niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao
hosotroin'ny olona.
15 Ary nony
niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.
16 Ary nony
niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
17 Ary nony
niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
18 Ary nony
niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
19 Ary nony
niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
20 Ary nony
niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
21 Ary nony
niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
22 Ary nony
niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
23 Ary nony
niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
24 Ary. nony
niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
25 Ary nony
niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
26 Ary nony
niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
27 Ary nony
niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
28 Ary nony niala
tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
29 Ary nony
niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
30 Ary nony
niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
31 Ary nony
niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
32 Ary nony
niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
33 Ary nony
niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
34 Ary nony
niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
35 Ary nony
niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
36 Ary nony
niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
37 Ary nony
niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny
tany Edoma.
38 Ary Arona
mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia
maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely
avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana
fahadimy.
39 Ary efa telo
amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
40 Ary ren'ilay
Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany
Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.
41 Ary nony
niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
42 Ary nony
niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
43 Ary nony
niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
44 Ary nony
niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.
45 Ary nony
niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
46 Ary nony
niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
47 Ary nony
niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima,
tandrifin'i Nebo.
48 Ary nony
niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo
amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
49 Ary nitoby
teo amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao
Arbota-moaba.
50 Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i
Jeriko, ka nanao hoe:
51 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny
tany Kanana ianareo,
52 dia
horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny
vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary
horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
53 dia
halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho
zara-taninareo.
54 Ary filokana
no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany
bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay
ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no
hahazoanareo zara-tany.
55 Fa raha tsy
roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo
sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo
eo amin'ny tany izay onenanareo izy;
56 ary hataoko
aminareo izay nokasaiko hatao aminy.
*
1 [Ny ho
faritry ny tany Kanana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no
tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
3 Ary ny lafiny
atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i
Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira
any atsinanana,
4 dia miolaka
eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any
atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
5 ary miolaka
hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny
ranomasina.
6 Ary ny
amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka
hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
7 Ary izao no
ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny
tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
8 ary
hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no
hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada,
9 dia hahazo
an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo
avaratra.
10 Ary ny ho
fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany
Sefama,
11 dia hidina
hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany
koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana,
12 dia hidina
ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no
ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
13 Ary Mosesy
nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka
ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
14 fa ny
firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada
araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny
firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
15 dia ny
firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy
atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
16 [Ny
anaran'ny lehilahy roa ambin'ny folo notendrena hizara ny tany] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Izao no
anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa,
zanak'i Nona.
18 Ary loholona
iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
19 Ary izao no
anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i
Jefone;
20 ary ny avy
amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;
21 ary ny avy
amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona;
22 ary ny
lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly;
23 ary ny avy
amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela,
zanak'i Efoda;
24 ary ny
lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana;
25 ary ny
lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka;
26 ary ny
lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana;
27 ary ny
lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy;
28 ary ny
lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda.
29 Ireo no
nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.
*
1 [Ny
hanomezana tanāna ho an'ny Levita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo
Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely mba hanome tanāna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita;
ary homenareo tany manodidina ny tanāna koa izy.
3 Koa ny tanāna
dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny
bibiny rehetra.
4 Ary ny tany
manodidina ny tanāna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny māndan'ny tanāna
ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
5 Dia handrefy
roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanāna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa
arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana,
ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanāna dia ho eo afovoany;
izany no ho taniny manodidina ny tanāna.
6 Ary izao no
tanāna izay homenareo ny Levita: dia tanāna enina, fandosirana, izay homenareo
handosiran'izay nahafaty olona, sy tanāna roa amby efa-polo koa.
7 Koa ny tanāna
rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany
manodidina azy.
8 Ary ny
amin'ny tanāna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo
kely: samy hanome tanāna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
9 [Ny
hifidianana tanāna handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any
amin'ny tany Kanana,
11 dia hifidy
tanāna ianareo, ho tanāna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty
olona tsy nahy.
12 Dia ho
fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rā izany tanāna izany, mba tsy
ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny
fiangonana.
13 Ary ireo
tanāna homenareo ireo dia ho tanāna fandosirana enina ho anareo.
14 Ny tanāna
telo dia homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanāna telo
kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanāna fandosirana ireo.
15 Ireo tanāna
enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny
mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16 Kanefa raha
misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay
nahafaty olona.
17 Ary raha
misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa
izay nahafaty olona.
18 Ary raha
misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa
izay nahafaty olona.
19 Ny mpamaly
rā no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20 Ary raha
misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka
mahafaty,
21 na mamely
amin'ny tānany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay
namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rā no mahazo mamono azy, raha mihaona
aminy izy.
22 Fa raha misy
mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na
amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,
23 na sendra
manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na
mitady handratra azy,
24 dia
hotsarain'ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rā araka izany lalāna izany.
25 Ary
hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rā ilay nahafaty olona, ka
hateriny indray ho ao amin'ny tanāna fandosirana izay nalehany tamin'izy
nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra
tamin'ny diloilo masina.
26 Fa raha
mivoaka ho eo ivelan'ny tanāna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra
ilay nahafaty olona
27 ka hitan'ny
mpamaly rā eo ivelan'ny tanāna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drā
amin'izany,
28 satria
tokony ho nitoetra tao an-tanāna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny
mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny
zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
29 Ary izany
zavatra izany dia ho lalāna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara
mandimby eny amin'izay rehetra onenanareo.
30 Ny amin'izay
rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny
vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka
hahafaty olona izany.
31 Ary ianareo
tsy handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa
hatao maty tokoa izy.
32 Ary ianareo
tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanāna fandosirana, mba
hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33 Ary aza
mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rā dia fametavetana ny tany; ary ny
tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny rā izay nalatsaka teo, afa-tsy
amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.
34 Ary aza lotoinareo
ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny
Zanak'Isiraely.
*
1 [Lalāna ny
amin'ny hanambadian'ny zazavavy mandova zara-tany] Dia nanatona ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i
Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i
Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao
hoe:
2 Hianao,
tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny
Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny
zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy.
3 Koa raha
manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia
hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny
firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny
filokana izany.
4 Ary raha
tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny
firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.
5 Ary Mosesy
nandidy ny Zanak'Isiraely araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny
tenin'ny firenena taranak'i Josefa.
6 Izao no teny
izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay
tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.
7 Dia tsy
hifindra maso ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny
zara-tanin'ny razany avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
8 Ary ny
zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely
dia hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba
hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy.
9 Ary aoka tsy
hisy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny
azy avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
10 Araka izay
efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada,
11 ka Mahala sy
Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin'i Zelofada, dia samy nanambady ny
zanaky ny rahalahin'ny rainy avy.
12 Izay avy
tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase, zanak'i Josefa, no novadin'ireo, ka dia
nitoetra teo amin'ny firenen'ny mpianakavin'ny rainy ihany ny zara-taniny.
13 Ireo no didy
sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny
Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.