[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | Index_auteurs-ouvrages-sujets | centres d’intérêt]
TESTAMENTA VAOVAO
Accès direct aux livres
de la Parole : Matthieu, Marc, Luc, Jean, Actes, Romains, 1 Corinthiens, 2 Corinthiens, Galates, Éphésiens, Philippiens, Colossiens,
1 Thessaloniciens, 2 Thessaloniciens,
1 Timothée, 2 Timothée, Tite, Philémon, Hébreux,
Jacques, 1 Pierre, 2 Pierre,
1 Jean, 2 Jean, 3 Jean, Jude, Apocalypse
Accès direct aux
chapitres de Matthieu : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28
1 [Ny filazana ny razan'i
Jesosy Kristy] Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i
Abrahama.
2 Abrahama niteraka an'i
Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy
avy;
3 ary Joda niteraka an'i
Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona
niteraka an-dRama*;
4 ary Rama* niteraka an'i
Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i
Salmona; [*Gr. Arama]
5 ary Salmona niteraka an'i
Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda
niteraka an'i Jese;
6 ary Jese niteraka an'i
Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;
7 ary Solomona niteraka
an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa*;
[*Gr. Asafa]
8 ary Asa* niteraka an'i
Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia;
[*Gr. Asafa]
9 ary Ozia niteraka an'i
Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;
10 ary Hezekia niteraka an'i
Manase; ary Manase niteraka an'i Amona*; ary Amona* niteraka an'i Josia; [*Gr.
Amosa]
11 ary Josia niteraka an'i
Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.
12 Ary taorian'ny nifindrana
tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela*; ary Sealtiela* niteraka
an'i Zerobabela; [*Gr. Salatiela]
13 ary Zerobabela niteraka
an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i
Azora;
14 ary Azora niteraka an'i
Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;
15 ary Elihoda niteraka an'i
Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
16 ary Jakoba niteraka an'i
Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
17 Ary ny taranaka rehetra
hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary
hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra
ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy
dia taranaka efatra ambin'ny folo.
18 Ary ny nahaterahan'i
Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho
fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy
tamin'ny Fanahy Masina izy.
19 Ary Josefa vadiny, izay
lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy
mangingina.
20 Fa raha mbola nisaina
izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao
hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa
ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
21 ka hiteraka Zazalahy izy,
ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka
amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy]
22 Ary izany rehetra izany
dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr.
profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny]
23 Indro, ny virijina
hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela
(Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro
tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka
nampakatra ny vadiny.
25 Ary tsy nahalala azy izy
mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
1 Ary rehefa teraka Jesosy
tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy*
avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:[*Magy = olon-kendry]
2 Aiza Ilay teraka ho
Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba
hiankohoka eo anatrehany.
3 Ary nony nandre izany
Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra.
4 Dia namory ny lohan'ny
mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary
hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy?
5 Ary hoy ireo taminy: Ao
Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6 Ary ianao, ry Betlehema,
tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy
akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho
Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1).
7 Dia nampaka ny Magy
mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay
kintana.
8 Dia naniraka azy hankany
Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa
rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo
anatrehany.
9 Ary rehefa nandre ny
tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny
atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.
10 Ary nony nahita ny kintana
izy, dia nifaly indrindra.
11 Ary rehefa tafiditra tao
an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo
anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra
zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
12 Ary rehefa
notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i
Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.
13 Ary nony efa lasa nandeha
ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan
hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any
Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny
Zazakely hovonoiny.
14 Dia nifoha izy ka nitondra
ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;
15 ary nitoetra tany izy
ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny
mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).
16 Ary nony efa fantatr'i
Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono
ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy
tamin'ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny
Magy.
17 Dia tanteraka izay
nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe:
18 Nisy feo re tao
Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany,
Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).
19 Ary rehefa maty
Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny
nofy ka nanao hoe:
20 Mifohaza ianao, ka
ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa
efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely.
21 Dia nifoha izy ka
nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely.
22 Fa rehefa reny fa
Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra
hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia
lasa nankany amin'ny tany Galilia.
23 Ary nony tonga
tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka
izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.
1 Ary tamin'izany
andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao
hoe:
2 Mibebaha ianareo;
fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
3 Fa izy no ilay
nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any
an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany
(Isa. 40. 3).
4 Ary ny fitafian'izany
Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny
valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
5 Ary Jerosalema sy
Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany
amin'i Jaona,
6 ka nataony batisa
tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
7 Fa nony nahita ny
Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry
taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana
ho avy?
8 Koa mamoaza voa
miendrika ny fibebahana ianareo;
9 ary aza manao
anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa
Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato
ireto.
10 Ary, indro, efa
mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay
tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
11 Izaho dia manao
batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no
mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao
batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
12 eny an-tànany ny
fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny
ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety
maty.
13 Ary tamin'izay
Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i
Jaona Izy mba hataony batisa.
14 Fa Jaona nandà Azy
ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty
amiko?
15 Fa namaly Jesosy
ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika
hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
16 Ary raha vao natao
batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary,
indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina
tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
17 Ary, injao!
nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
1 Ary Jesosy
dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly =
mpiampanga, na mpanendrikendrika]
2 Ary nifady hanina
efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
3 Dia nanatona ny
mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno
ho tonga mofo ireto vato ireto.
4 Fa Izy kosa namaly
ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny
rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).
5 Ary ny devoly
nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny
tempoly,
6 dia nanao taminy
hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra
hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo
Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
7 Hoy Jesosy taminy:
Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
8 Ary ny devoly
nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny
fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,
9 dia nanao taminy
hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
10 Fa hoy Jesosy
taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao
no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).
11 Dia nandao Azy ny
devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
12 Ary nony ren'i
Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
13 Ary nony niala
tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao
amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
14 mba hahatanteraka
izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
15 Ny tanin'ny
Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any
an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,
16 Ny olona izay
nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao
amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9.
1).
17 Ary tamin'izany
andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa
efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
18 Ary nony
nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona
mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny
amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
19 Dia hoy Jesosy
taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
20 Dia nandao ny
harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
21 Ary raha mbola
nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio,
sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo
an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
22 Dia nandao ny
sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
23 Ary Jesosy nandeha
eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny
filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy
rehetra tamin'ny olona.
24 Ary niely eran'i
Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay
azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka* sy izay
mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny
Izy.[*Demoniaka = olona nidiran'ny demonia; izahao Mat.7.22]
25 Dia nanaraka Azy
ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny
avy tany an-dafin'i Jordana.
1 Ary Jesosy, nony
nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka
Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
2 Dia niloa-bava Izy
ka nampianatra azy hoe:
3 Sambatra ny
malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
4 Sambatra ny ory; fa
izy no hampifalina.
5 Sambatra ny
malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).
6 Sambatra ny noana
sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
7 Sambatra ny
miantra; fa izy no hiantrana.
8 Sambatra ny madio
am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,
9 Sambatra ny
mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.
10 Sambatra izay
enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
11 Sambatra ianareo,
raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra
hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
12 Mifalia sy
miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany
ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
13 Hianareo no
fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no
hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa
hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.
14 Hianareo no
fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo
an-tampon-tendrombohitra.
15 Ary koa, tsy misy
olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa
apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano
izany.
16 Aoka hazava eo
imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa
ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
17 Aza ataonareo fa
tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa
hanatanteraka.
18 Fa lazaiko
aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho
foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza,
mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny
Abidy Hebreo]
19 Ary amin'izany na
zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka
mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny
fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankaṭ sy mampianatra ireo dia
izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.
20 Fa lazaiko
aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny
fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
21 Efa renareo fa
voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono
olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
22 Fa Izaho kosa
milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika
hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny
hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy
na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra
afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena]
23 Ary amin'izany,
raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro
fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
24 dia avelao eo
anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao
amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
25 Mihavàna faingana
amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay
manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa
hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
26 Lazaiko aminao
marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy
farany indrindra.
27 Efa, renareo fa
voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).
28 Fa Izaho kosa
milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga
taminy tam-pony sahady.
29 Fa raha ny masonao
ankavanana no manafintohina* anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka
aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao
rehetra no hariana any amin'ny helo.[*Ny teny Grika adika hoe manafintohina
amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany]
30 Ary raha ny
tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka
aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny
tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.
31 Ary voalaza hoe:
Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy
taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).
32 Fa Izaho kosa
milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny
fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady
izay voasaotra, dia mijangajanga.
33 Ary koa, efa
renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy ṭ, fa efao amin'i
Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).
34 Fa Izaho kosa
milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza
fiandrianan'Andriamanitra izany;
35 na amin'ny tany,
fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe
izany.
36 Aza mianiana
amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray
akory aza ianao.
37 Fa aoka ny
teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny
ratsy*.[*Na amin'ilay ratsy]
38 Efa renareo fa
voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).
39 Fa Izaho kosa
milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy
no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
40 Ary izay te hiady
aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
41 Ary na zovy
na zovy no hanery anao handeha maily* iray, mandehana miaraka aminy maily
roa.[*Na: kilometatra]
42 Omeo izay
mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.
43 Efa renareo fa
voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.
44 Fa Izaho kosa
milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika
anareo,
45 mba ho tonga
zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny
masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny
ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.
46 Fa raha izay tia
anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory
hetra aza tsy mba manao izany koa va?
47 Ary raha ny
rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny
sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
48 Koa amin
izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any
an-danitra.
1 Tandremo mba
tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa
raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra
ianareo.[*Na: ny fiantrana]
2 Koa
amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao
tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe
mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
3 Fa ianao kosa, raha
manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny
tananao ankavanana,
4 mba hatao ao
amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny
mangingina, no hamaly anao.
5 Ary raha mivavaka
ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka
mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
6 Fa ianao kosa, raha
mivavaka, dia mid́ra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny
varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny
Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.
7 Ary raha mivavaka
ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny
hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
8 Koa aza manahaka
azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola
mangataka aminy aza ianareo.
9 Koa amin'izany
mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny
anaranao.
10 Ho tonga anie ny
fanjakanao. Hatao anie
ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
11 Omeo anay
anio izay hanina sahaza ho anay.
12 Ary mamelà
ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa]
13 Ary aza mitondra
anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na:
amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra
mandrakizay. Amena]
14 Fa raha mamela ny
fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any
an-danitra.
15 Fa raha tsy mamela
ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
16 Ary raha mifady
hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo
tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko
aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
17 Fa ianao kosa,
raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
18 mba tsy ho
hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina;
ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
19 Aza mihary harena
ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy
mpangalatra manami-trano sy mangalatra.
20 Fa miharia harena
ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy
misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
21 Fa izay itoeran'ny
harenao, dia ho any koa ny fonao.
22 Ny maso no
jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny
tenanao rehetra.
23 Fa raha ratsy ny
masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny
fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!
24 Tsy misy olona
mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany;
na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo
an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna = harena]
25 Ary noho izany dia
lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na
izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina
tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
26 Tsinjovy ny
voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra
ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra
lavitra noho ireny va ianareo?
27 Ary iza ao
aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany* na dia kely
monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny tenany] [** Gr. Hakiho iray]
28 Ary nahoana no
manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any
an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[*Karazan'ny lilia]
29 nefa lazaiko
aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy
tahaka ny anankiray amin'ireny.
30 Ary raha ny ahitra
any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no
ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
31 Dia aza manahy
ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona
no hotafinay?
32 Fa izany rehetra
izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any
an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
33 Fa katsaho aloha
ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
34 Ary amin'izany dia
aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho
ao aminy.
1 Aza mitsara, mba
tsy hotsaraina ianareo.
2 Fa araka ny
fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no
hanoharana ho anareo.
3 Ary nahoana ianao
no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo
amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?
4 Ary ahoana no
hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo
amin'ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao?
5 Ry
mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao
ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
6 Aza omena ny alika
izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo*, fandrao
hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. [*perilanareo]
7 Mangataha, dia
homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
8 Fa izay rehetra
mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandonḍna no
hovohana.
9 Ary iza moa
aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato?
10 ary raha
angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?
11 Koa raha ianareo,
na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va
ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?
12 Koa amin'izany na
inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa
tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
13 Midira amin'ny
vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay
mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.
14 Fa èty ny
vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita
azy.
15 Mitandrema
ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo
amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy.[*lopa]
16 Ny voany no
hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy
amin'ny songosongo?
17 Dia toy izany, ny
hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa
ratsy.
18 Ny hazo tsara tsy
mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
19 Ny hazo rehetra
izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
20 Ka dia ny voany no
hahafantaranareo azy.
21 Tsy izay rehetra
manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa
izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
22 Maro no hanao
amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny
anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay?
Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia =
fanahy ratsy, na anjely ratsy]
23 Ary dia hambarako
aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà
amiko, ianareo mpanao meloka.
24 Koa amin'izany na
zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankaṭ azy, dia hoharina amin'ny
lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
25 Ary latsaka ny
ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano
izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy.
26 Fa izay rehetra
mandre izany teniko izany, nefa tsy mankaṭ azy, dia hoharina amin'ny lehilahy
adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika.
27 Ary latsaka ny
ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano
izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.
28 Ary nony efa
vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,
29 satria nampianatra
azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.
1 Ary raha nidina avy
teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
2 Ary, indro, nisy
boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô,
raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
3 Ary Jesosy naninjitra
ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio
tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy.
4 Ary hoy Jesosy
taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa
mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i
Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.
5 Ary nony tonga tao
Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
6 nanao hoe: Tompoko
ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.
7 Dia hoy Jesosy
taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
8 Fa namaly ilay
kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny
tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
9 Fa izaho koa mba lehilahy
manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho
amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia,
dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
10 Ary nony nahare
izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo
marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny
Isiraely aza.
11 Ary lazaiko
aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka
hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny
lanitra;
12 fa ny zanaky ny
fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana
sy ny fikitroha-nify.
13 Ary Jesosy niteny
tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia
sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.
14 Ary Jesosy, nony
niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo
nanavin'ny tazo.
15 Ary nanendry ny
tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
16 Ary nony hariva ny
andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no
namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
17 mba, hahatanteraka
izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny
aretintsika (Isa. 53. 4).
18 Ary Jesosy, nony
nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
19 Ary nanatona ny
mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho
na aiza na aiza no halehanao.
20 Fa hoy Jesosy
taminy : Ny amboahaolo* manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa
ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[*volpa]
21 Ary nisy hafa koa
tamin'ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina
ny raiko.
22 Fa hoy Jesosy
taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
23 Ary nony
niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
24 Ary, indro,
nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho
voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.
25 Ary nanatona
izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
26 Ary hoy Izy
taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy,
ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
27 Ary
talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy
ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
28 Ary nony
tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny
demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka
tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany lalana izany.
29 Ary, indro,
niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry
Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?
30 Ary nisy
kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
31 Ary ny
demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia
iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo.
32 Ary hoy Izy
taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary,
indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any
amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano.
33 Ary ny
mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny
amin'ireo demoniaka.
34 Ary, indreo,
nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy
izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.
1 Ary niondrana
an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
2 Ary, indro,
nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana
nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao
tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
3 Ary, indreo,
ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy* ity Lehilahy ity. [*Gr. manao blasfemia, dia miteny ratsy,
indrindra fa ny amin'Andriamanitra, na mihambo hanana izay
fomban'Andriamanitra]
4 Fa Jesosy
nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy
ao am-ponareo?
5 Fa iza moa no
moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna,
ka mandehana?
6 Fa mba ho
fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka
(dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny
fandrianao, ka modia any an-tranonao.
7 Dia nitsangana izy
ka lasa nody tany an-tranony.
8 Ary ny vahoaka,
raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome
ny olona fahefana toy izany.
9 Ary nony niala teo
Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra*, ka
hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[*Dia
ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc]
10 Ary raha nipetraka
nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka
niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.
11 Ary ny Fariseo,
raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny
Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
12 Ary raha nahare
izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny
marary.
13 Fa mandehana ka
mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra
alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
14 Dia nankany amin'i
Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady
hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
15 Ary hoy Jesosy
taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany
ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
dia amin'izay vao hifady izy.
16 Ary tsy misy olona
manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voaḷna; fa ny vaovao izay
natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
17 Ary tsy misy
manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny
siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny
hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
18 Raha mbola nilaza
izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo
anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re,
mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
19 Dia nitsangana
nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.
20 Ary, indro, nisy
vehivavy anankiray, izay efa narary* roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka
nanendry ny somotraviavin-dambany. [*Gr. narary nandeha rà]
21 Fa hoy izy
anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana*
aho.[*Na: voavonjy]
22 Ary Jesosy
nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no
efa nahasitrana* anao. Dia sitrana** ilay vehivavy tamin'izay ora izay. *Na:
namonjy.[*Na: voavonjy]
23 Ary Jesosy, nony
niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka
nitabataba,
24 dia nanao hoe:
Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
25 Ary nony efa
navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia
nitsangana izy.
26 Ary ny
lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.
27 Ary nony
niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe:
Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!
28 Ary rehefa
niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy:
Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
29 Dia nanendry
ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
30 Dia
nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba
tsy ho fantatr'olona izao.
31 Kanjo nony
niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.
32 Ary rehefa
nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny
olona tany amin'i Jesosy.
33 Ary rehefa
navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe:
Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.
34 Fa ny
Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
35 Ary Jesosy
nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny
synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina
rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
36 Ary nony
nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria
nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
37 Dia hoy Izy
tamin'ny mpianany:
38 Be ny
vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny
vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
1 Ary Jesosy
niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana
hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
2 Ary izao no
anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe
Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
3 Filipo sy
Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,
4 sy Tadeo;
Simona Kananeana* ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. [* Na: Zelota,
izahao Lio.6. 15]
5 Ireo roa
ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any
amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,
6 fa aleo
mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
7 Ary raha
mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
8 Sitrano ny
marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo
maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9 Aza mitady
volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,
10 na kitapom-batsy
ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia
miendrika hahazo ny haniny.
11 Ary izay tanàna na
vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy
mandra-pialanareo.
12 Ary raha vao
miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.
13 Koa raha miendrika
ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy
miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
14 Ary izay tsy
hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na
tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.
15 Lazaiko aminareo
marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny
andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany.
16 Indro, Izaho
maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka
ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala. [* lopa] [** Gr. aoka ho tsotra]
17 Ary mitandrema
ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny
ao amin'ny synagogany ianareo;
18 ary ho entiny eo
anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona
aminy sy amin'ny jentilisa.
19 Fa raha manolotra
anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo;
Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.
20 Fa tsy ianareo no
miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
21 Ary ny rahalahy
hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny
zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
22 Ary ho halan'ny
olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no
hovonjena.
23 Ary raha manenjika
anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa
lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo
tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.
24 Ny mpianatra tsy
mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
25 Fa ampy amin'ny
mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga
tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va
ny ankohonany?
26 Koa amin'izany aza
matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy
ho fantatra.
27 Izay lazaiko
aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny
sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.
28 Ary aza matahotra
izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay
mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.[*Gr. gehena]
29 Tsy varidimiventy*
ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza
amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[*Gr. asaria,
izay ampahafolon'ny denaria]
30 Fa na dia ny
volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31 Koa aza matahotra;
fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
32 Ary amin'izany na
zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo
anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
33 Fa na zovy na zovy
no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko
Izay any an-danitra.
34 Ary aza ataonareo
fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana
Aho, fa sabatra.
35 Fa tonga Aho hampifandrafy
olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy
amin'ny rafozanivavy;
36 ary ny
ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).
37 Izay tia ray
na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia
ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika
ho Ahy.
38 Ary izay tsy
mitondra* ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.[*Gr.
mandray]
39 Izay mamonjy
ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
40 Izay mandray
anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
41 Izay mandray
mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary
izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny
valim-pitian'ny olona marina.
42 Ary na zovy
na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza
hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia
lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
1 Ary rehefa
vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo
Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona.
2 Ary rehefa
ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny
mpianany izy
3 hanao aminy hoe:
Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
4 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy
hitanareo izao:
5 Mahiratra ny jamba,
ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny
maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
6 Ary sambatra izay
tsy ho tafintohina noho ny amiko.
7 Ary nony lasa
ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha
inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
8 Sa hizaha inona no
nivoahanareo? Olona mitafy soa* va? Indro, ny mitafy soa* dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy]
9 Sa hizaha inona no
nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho
ny mpaminany izy.
10 Izy no ilay
voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny
lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
11 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay
lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny
lanitra dia lehibe noho izy.
12 Ary hatramin'ny
andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia
rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
13 Fa ny mpaminany
rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.
14 Ary raha mety
mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
15 Izay manan-tsofina
ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
16 Fa tahaka ny inona
no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny
an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
17 Efa nitsoka sodina
taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay,
nefa tsy niteha-tratra ianareo.
18 Fa tonga Jaona tsy
nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
19 Tonga ny
Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia
hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny
fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny zanany)]
20 Ary tamin'izany
dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy,
satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
21 Lozanao, ry
Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa
lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba
fisaonana sy ny lavenona ireny.
22 Fa lazaiko
aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro
fitsarana noho ny ho aminareo.
23 Ary ianao, ry Kapernaomy,
hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny
fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay
natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
24 Fa lazaiko
aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana
noho ny ho aminao.
25 Tamin'izany andro
izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra
sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany
ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.
26 Eny, Raiko; fa
izany no sitraponao.
27 Ny zavatra rehetra
natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka
hanehoana Azy.
28 Mankanesa
atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa
Izaho no hanome anareo fitsaharana.
29 Ento ny ziogako,
ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita
fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo.
30 Fa mora ny
ziogako, ary maivana ny entako.
1 Tamin'izany andro
izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany
ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
2 Fa nony nahita
izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety
hatao amin'ny Sabata.
3 Ary hoy Izy taminy:
Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy
mbamin'izay nanaraka azy,
4 Fa niditra tao
amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha
haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5 Ary tsy mbola
novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny
tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
6 Ary dia lazaiko
aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
7 Fa raha fantatrareo
izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà
(Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
8 Fa Tompon'ny Sabata
ny Zanak'olona.
9 Ary nony niala teo
Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;
10 ary, indro, nisy
lehilahy maty* tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny
mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.[*Gr. efa maina, na malazo]
11 Ary hoy Izy
taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka
any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
12 Ary tsy mihoatra
lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny
Sabata.
13 Dia hoy Izy
tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny
anankiray.
14 Ary ny Fariseo dia
lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
15 Fa Jesosy nahalala
izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia
nositraniny avokoa izy rehetra;
16 ary nandrara azy
Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
17 mba hahatanteraka
izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
18 Indro ny
Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra;
Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;
19 Tsy
hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
20 Tsy
hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona,
Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
21 Ary ny
anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).
22 Dia nentina
tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana;
dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
23 Dia
talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
24 Fa nony
ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy
Belzeboba, lohan'ny demonia.
25 Ary Jesosy
nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra
izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay
miady an-trano.
26 Ary raha
Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no
haharetan'ny fanjakany?
27 Ary raha
Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary
noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
28 Fa raha ny
Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo
sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
29 Fa hataon'ny olona
ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony
aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
30 Izay tsy momba Ahy
dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
31 Ary noho izany dia
lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy
fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona
amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina.[*Gr.blasfemia,izahao 9. 3]
32 Ary na iza na iza
no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na
iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo
famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
33 Koa ataovy tsara
ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany
no ahafantarana ny hazo.
34 Ry taranaky ny
menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara?
fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.
35 Ny rakitra tsara
no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no
amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
36 Ary lazaiko
aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny
foana rehetra izay ataony.
37 Fa ny teninao no
hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
38 Ary tamin'izany ny
sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe:
Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
39 Fa Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia
fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy
famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
40 fa tahaka ny
nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano
lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy
hateloan'alina ao anatin'ny tany.
41 Ny olona tany
Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka
hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro,
misy lehibe noho Jona eto.
42 Ny mpanjakavavy
avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana
ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i
Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
43 Raha mivoaka
amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy,
mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
44 Dia hoy izy: Hody
any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana
ny trano sady voafafa no voavoatra.
45 Ary dia mandeha
izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia
miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy
noho ny voalohany. Ary
dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
46 Ary raha
mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny
nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
47 Ary nisy
anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona
ato ala-trano mitady hiteny aminao.
48 Fa namaly
Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no
rahalahiko?
49 Ary
naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy
ny rahalahiko;
50 Fa na iza na
iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy
anabaviko ary reniko.
1 Ary
tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo
amoron'ny ranomasina.
2 Ary nisy
vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka
nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
3 Ary nilaza
zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny
mpamafy mba hamafy;
4 ary raha
namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka
nandany azy.
5 Ary ny sasany
dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona
ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6 Fa rehefa
niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty
izy.
7 Ary ny sasany
dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.
8 Ary ny sasany
dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny
sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
9 Izay
manan-tsofina*, aoka izy hihaino. [*Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]
10 Ary dia nanatona
ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
11 Ary namaly Izy ka
nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny
fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr.
nomena]
12 Fa izay manana no
homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza
dia hesorina aminy.
13 Ary noho izany dia
fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre
izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
14 Dia tanteraka
aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo,
fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
15 Fa efa adala ny
fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony,
Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia
hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
16 Fa sambatra ny
masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.
17 Fa lazaiko
aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita
izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy
mba nandre.
18 Koa amin'izany dia
henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:
19 Raha misy mandre
ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay
nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
20 Fa ilay nafafy
teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky
mandray azy amin'ny hafaliana;
21 nefa tsy
manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay
fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
22 Ary ilay nafafy
teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana
izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
23 Fa ilay nafafy
teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no
mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary
ny sasany avy telo-polo heny.
24 Ary nanao
fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka
ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
25 fa raha natory ny
olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia
lasa nandeha.
26 Ary rehefa naniry
ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.
27 Dia avy ny
mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no
nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy
taminy:
28 Fahavalo no nanao
izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay
hanongotra sy hanangona azy?
29 Fa hoy izy: Tsia,
fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka
aminy koa ny vary.
30 Aoka ihany
hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia
holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy
amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
31 Ary nanao
fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka
ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;
32 fa kely noho ny
voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo,
dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.
33 Ary nanao
fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny
masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony* tao amin'ny koba
intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. [*Gr. nafeniny]
34 Fanoharana no
nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy
nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana,
35 mba hahatanteraka
izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara
zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).
36 Ary rehefa nampody
ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy
ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary
tany an-tanimbary.
37 Ary namaly Izy ka nanao
hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;
38 ny tanimbary dia
izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia
ny zanak'ilay ratsy;
39 ny fahavalo izay
namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao;
ary ny mpijinja dia anjely.
40 Koa tahaka ny
anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao
amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.
41 Ny Zanak'olona
haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny
zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,
42 dia hanipy azy any
amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny
fikitroha-nify.
43 Ary amin'izany ny
marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy.
Izay manan-tsofina*, aoka izy hihaino. [*Na: (Izay manan-tsofina ho
enti-mihaino)]
44 Ary ny fanjakan'ny
lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia
nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany
rehetra, dia nividy izany saha izany.
45 Ary koa, ny
fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato
soa*;[*Gr.perila]
46 ary rehefa nahita
vato soa* iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy
azy.[*Gr. perila]
47 Ary koa, ny
fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny
ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
48 ary rehefa feno
izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny
tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
49 Dia tahaka izany
no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka
ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,
50 dia
hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny
fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
51 Efa azonareo va
izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
52 Dia hoy Izy
taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho
amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy
amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.
53 Ary rehefa vitan'i
Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
54 Ary nony tonga
tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary
talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany
fahendrena sy asa lehibe izany?
55 Tsy Ilehity va
ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona
ary Jodasy va no rahalahiny?
56 Ary ny
anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no
nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?
57 Ary
tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina,
afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
58 Ary tsy
nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.
1 Tamin'izany
andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,
2 ka hoy izy
tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty
izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
3 Fa Heroda efa
nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho
ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.
4 Fa Jaona efa nilaza
taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.
5 Ary Heroda naniry
hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany
Jaona.
6 Fa nony tonga ny
fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny
zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.
7 Ary noho izany dia
nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
8 Ary rehefa
nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i
Jaona Mpanao-batisa.
9 Dia nalahelo ny
mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana
teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
10 Ary dia naniraka
hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.
11 Dia nentina
an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao
amin-dreniny.
12 Ary avy ny
mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i
Jesosy.
13 Ary nony nandre
izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any
an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna
maro izy ka nandeha an-tanety* nanaraka Azy.[*Na: nandeha tongotra]
14 Ary nony nivoaka
Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
15 Ary nony hariva ny
andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa
hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra
hividy hanina ho azy.
16 Fa hoy Jesosy
taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
17 Fa hoy ny mpianany
taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
18 Ary hoy Izy: Ento
eto amiko izany.
19 Dia nasainy
nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny
hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa
novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho
an'ny vahoaka.
20 Ary nihinana
avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany,
ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
21 Ary izay nihinana
dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
22 Ary niaraka
tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo
alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
23 Ary rehefa
noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana
hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
24 Ary efa mby teo
ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano
izy, fa notohain'ny rivotra.
25 Ary tamin'ny
fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy,
nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.
26 Ary nony nahita
Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka
nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
27 Ary Jesosy niteny
taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
28 Ary Petera namaly
Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny
ambonin'ny rano aho.
29 Ary hoy Izy:
Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny
rano hanatona an'i Jesosy.
30 Fa raha nahita ny
rivotra* izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo
ô, vonjeo aho![* Na: (rivotra mahery)]
31 Ary naninjitra ny
tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely
finoana, nahoana no niahanahana ianao?
32 Ary rehefa
niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
33 Ary izay teo
an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra
tokoa Hianao.
34 Ary nony
tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
35 Ary nony
nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra
manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.
36 Ary
nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany
ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
1 Dia nankeo
amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka
nanao hoe:
2 Nahoana ny
mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa
tanana izy, raha hihinan-kanina.
3 Ary Izy namaly ka
nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho
ny fampianarana voatolotra anareo?
4 Fa Andriamanitra
efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny
rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
5 Fa hoy kosa
ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa
fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia
tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
6 Koa dia foananareo
ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
7 Ry
mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:
8 Ity firenena ity
manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
9 Koa foana ny
ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy
(Isa. 29. 13).
10 Ary niantso ny
vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
11 tsy izay miditra
amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no
mahaloto ny olona.
12 Dia nankeo aminy
ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha
nandre izany teny izany?
13 Ary Izy namaly ka
nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra
dia hongotana.
14 Avelao izy;
mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho
latsaka any an-kady izy roa.
15 Ary Petera
namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.
16 Ary hoy
Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
17 Tsy
fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka
avoaka ao amin'ny fivoahana?
18 Fa izay
mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny
olona.
19 Fa avy
amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny
fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny
fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
20 izany no
mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny
olona.
21 Dia niala
teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona.
22 Ary, indro,
nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso
nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy
ampahorin'ny demonia loatra.
23 Fa Izy tsy
namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy
izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
24 Ary Izy
namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny
taranak'isiraely.
25 Fa nanatona
ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo
aho.
26 Fa Izy
namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny
amboakely.
27 Fa hoy
ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay
sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.
28 Dia namaly
Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao
araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.
29 Ary raha
niala teo Jesosy, dia nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra
nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
30 ary nisy
vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny
kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i
Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
31 ka dia
talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny
mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny
Isiraely izy.
32 Ary Jesosy
niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa
nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy
tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
33 Fa hoy ny
mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao
vahoaka betsaka izao!
34 Ary hoy
Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano
madinika vitsy foana.
35 Ary Izy
nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany.
36 Dia nandray
ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka
nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny
vahoaka.
37 Ary nihinana
avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany,
ka dia nahafeno sobiky fito.
38 Ary izay
nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
39 Ary nony efa
nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny
sisin-tanin'i Magadana.
1 Ary ny
Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho
famantarana aminy avy any an-danitra.
2 Ary Izy
namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa
mena ny lanitra.
3 Ary nony maraina,
dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra.
Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana
dia tsy hainareo.
4 Izay taranaka ratsy
fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana
homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy
ka lasa.
5 Ary rehefa tonga
teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
6 Ary hoy Jesosy
taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo
sy ny Sadoseo.
7 Dia niara-nisaina
izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
8 Ary Jesosy nahalala
izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria
tsy manana mofo?
9 Tsy mbola
mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy
arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
10 na ny mofo fito ho
an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
11 Ahoana no tsy
ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo,
fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
12 Dia fantany fa tsy
nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao
azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
13 Ary rehefa tonga
tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy
ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona*?[*Na: (Aho)]
14 Dia hoy ireo: Hoy
ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany:
Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.
15 Ary hoy Jesosy
taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
16 Ary namaly Simona
Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
17 Dia namaly Jesosy
ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà
no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
18 Ary Izaho milaza
aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny
fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy.
[*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr. eklesia] [***Gr. Hadesy]
19 Homeko anao ny
fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto
ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao
etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
20 Ary tamin'izany
dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy.
21 Hatramin'izany no
vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka
hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia
hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.
22 Ary Petera
nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany,
Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
23 Fa Izy nihodina ka
niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana
amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
24 Dia hoy Jesosy
tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy
hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
25 Fa na iza na iza
no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy
noho ny amiko, dia hahazo izany.
26 Fa inona moa no
soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary
inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
27 Fa ho avy ny
Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny
olona rehetra araka ny nataony.
28 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana
mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
1 Ary nony afaka
henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka
nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
2 Dia niova tarehy
teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny
fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
3 Ary, indreo, niseho
tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.
4 Dia niteny Petera
ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha
sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho
an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
5 Raha mbola niteny
izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao
amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
6 Ary nony nandre
izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
7 Ary Jesosy nankeo
aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
8 Ary nony
niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
9 Ary rehefa nidina
avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza
amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10 Ary ny mpianany
nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy
maintsy ho avy aloha?
11 Ary Jesosy namaly
ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
12 Nefa lazaiko
aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao
izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny
Zanak'olona.
13 Dia fantatry ny
mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
14 Ary rehefa tonga
teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia
nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
15 Tompoko, mamindrà
fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa
matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano.
16 Ary nitondra azy
tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
17 Ary Jesosy namaly
ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no
hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ
amiko izy.
18 Ary niteny mafy
azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay
ora izay.
19 Dia nankao amin'i
Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka
azy?
20 Ary hoy Jesosy
taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina
tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny
amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy
hisy tsy ho hainareo hatao.
21 * [*Ampio hoe: (21
Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny
fifadian-kanina)]
22 Ary raha nitoetra
tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Ny Zanak'olona efa
hatolotra ho eo an-tànan'ny olona
23 ka hovonoiny, nefa
amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra
ireo.
24 Ary nony tonga tao
Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka
nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely*
va?[*Gr. didrakma]
25 Dia hoy Petera:
Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i
Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa
no andraisan'ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy
amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa?
26 Ary nony hoy
Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny
zanaka.
27 Nefa andrao isika
manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary
raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita
vola sekely* eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
1 Tamin'izany ora
izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe
indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?
2 Ary Jesosy niantso
zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
3 ka nanao hoe:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova* ianareo ka ho tonga tahaka ny
zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[*Gr.
mitodika]
4 Koa na zovy na zovy
no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny
fanjakan'ny lanitra.
5 Ary na zovy na zovy
no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray
Ahy.
6 Fa na zovy na zovy
no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara
lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka alentika
any amin'ny ranomasina lalina izy.[*Na: ahodim-boriky]
7 Lozan'izao tontolo
izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana,
nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.
8 Koa raha ny tananao
na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa
tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny
manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra
mandrakizay.
9 Ary raha ny masonao
no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho
anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa
hariana any amin'ny helo mirehitra afo.
10 Mitandrema,
fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny
ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny
tavan'ny Raiko Izay any an-danitra*.[*Ampio hoe:]
11 (Fa tonga ny
Zanak'olona hamonjy ny very.)
12 Ahoana no
hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy
hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady
ilay nania?
13 Ary raha tàhiny
hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy
amby sivifolo izay tsy nania.
14 Ary tahaka izany,
dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza
amin'ireny madinika ireny.
15 Ary raha manota
aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa
lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny
rahalahinao;
16 fa raha tsy
mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho
voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo
(Deo. 19. 15).
17 Ary raha tsy mety
mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana*; ary raha tsy mety mihaino ny
fiangonana** koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory
hetra izy. [* Gr. eklesia] [** Gr. eklesia]
18 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia
hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny
tany dia hovahana any an-danitra.
19 Ary lazaiko
aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na
amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko
Izay any an-danitra izany.
20 Fa na aiza na aiza
no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
21 Dia nanatona
Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko,
ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?
22 Fa hoy Jesosy
taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby
fito-polo*.[*Na: fito-polo impito]
23 Koa amin'izany ny
fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny
mpanompony ny amin'ny volany.
24 Ary raha vao
nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta* iray
alina.[*Anaram-bola; ny talenta volafotsy dia sekely telo arivo]
25 Ary satria tsy
nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany
mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
26 Dia niankohoka teo
anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny
anao rehetra.
27 Ary ny
tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa
taminy.
28 Nefa nony nivoaka
izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa
denaria* zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe:
Aloavy izay trosako aminao.[*Anaram-bola tokony ho venty no heviny]
29 Fa niankohoka ilay
mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
30 Nefa tsy nety izy,
fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
31 Ary nony
hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka
nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.
32 Dia nampanalain'ny
tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko
ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;
33 moa tsy tokony mba
ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo
taminao?
34 Dia tezitra ny
tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa
rehetra.
35 Ary tahaka izany koa
no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny
rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.
1 Ary rehefa vitan'i
Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny
an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia.
2 Ary nisy vahoaka
betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy.
3 Ary nisy Fariseo
nanatona Azy*, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny
lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?[*Na: (Ary
nanatona Azy ny Fariseo)]
4 Ary Izy namaly ka
nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny
voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:
5 Ary noho izany ny
lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia
ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?
6 ka dia tsy
roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay
nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.
7 Hoy ireo
taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra
azy? (Deo. 24. 1).
8 Ary hoy
Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa
tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany.
9 Fa lazaiko
aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana
ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny
voasaotra dia mijangajanga koa.
10 Dia hoy ny
mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy
manambady.
11 Fa hoy Izy
taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena
ihany;
12 fa misy
ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay
nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny
fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
13 Ary
tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny
tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14 Nefa Jesosy
kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa
azy ny fanjakan'ny lanitra.
15 Ary nony
nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
16 Ary, indro,
nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô*, inona no tsara
hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na: (Mpampianatra tsara ô)]
17 Fa hoy Jesosy
taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha
te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no
ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)]
18 Hoy ralehilahy
taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza
mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,
19 Manajà ny
rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao
(Lev. 19:18).
20 Hoy ilay
zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy
mbola mahatanteraka ahy?
21 Dia hoy
Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka
omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka
Ahy.
22 Fa nony nandre
izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana
fananana be.
23 Dia hoy Jesosy
tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena
amin'ny fanjakan'ny lanitra.
24 Ary hoy Izaho
aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra
noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
25 Ary nony nandre
izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo
hovonjena?
26 Ary Jesosy nijery
azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny
zavatra rehetra.
27 Dia namaly Petera
ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka
Anao; koa inona ary no ho azonay?
28 Fa hoy Jesosy
taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana*, ka
hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa,
izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka
hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.[*Gr.fiteraham-baovao]
29 Ary izay rehetra
efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny*, na zanaka, na
tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana
mandrakizay.[*Ampio hoe: (na vady.)]
30 Nefa maro
izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
1 Fa ny
fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina
koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
2 Ary rehefa
nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy
nankany amin'ny tanim-boalobony ireny.
3 Ary nivoaka
tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
4 ka hoy izy
taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay
an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
5 Ary nivoaka
tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
6 Ary rehefa
tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny
sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto
mandritra ny andro?
7 Hoy izy
taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy:
Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka.
8 Ary rehefa
hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny
raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo
taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.
9 Ary rehefa
tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria
misesy avy izy.
10 Fa rehefa
tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria
misesy avy ihany no azony.
11 Ary rehefa
nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:
12 Ireo olona
farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay
niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
13 Fa izy
namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao
izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
14 Raiso ny
anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
15 Tsy mahazo
manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
16 Dia toy
izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
17 Ary Jesosy,
nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny
folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
18 Indro,
miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo
lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
19 ka hatolony
amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany
amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
20 Ary tamin'izany
dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia
niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
21 Ary hoy Izy
taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba
hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao,
ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
22 Fa Jesosy
namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro
amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
23 Hoy kosa Izy
taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako
ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay
nanamboaran'ny Raiko izany no homena.
24 Ary nony
nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.
25 Fa Jesosy
niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa
mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
26 Fa tsy mba ho toy
izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
27 ary izay te-ho
ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
28 Fa tahaka izany,
ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho
avotra hisolo ny maro.
29 Ary raha niala tao
Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy.
30 Ary, indreo, nisy
jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo,
dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
31 Ary ny vahoaka
niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe:
Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
32 Ary Jesosy
nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
33 Hoy izy taminy:
Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.
34 Ary Jesosy dia
onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia
nanaraka an'i Jesosy.
1 Ary raha nanakaiky
an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia
naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
2 Mankanesa amin'iroa
vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra
sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
3 Ary raha misy
miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia
havelany ho entina miaraka amin'izay izy.
4 Izany dia tonga mba
hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
5 Lazao amin'i Ziona
zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina
boriky, Dia zanaky ny boriky miasa* (Zak. 9. 9).[*Gr. mitondra zioga]
6 Ary dia nandeha ny
mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy,
7 dia nentiny
ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia
nitaingina azy.
8 Ary ny
ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany
nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
9 Ary ny
vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana* ho an'ny
Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana* any
amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[*Hosana = vonjeo re!]
10 Ary nony efa
tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe:
Iza moa izao?
11 Ary ny
vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
12 Ary Jesosy
niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra
nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny
mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
13 dia hoy Izy
taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi.
7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).
14 Ary nisy
jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy
Izy.
15 Fa nony
hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay
nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe:
Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy
16 ka nanao
taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola
novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny
zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)?
17 Dia nandao
azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra
ny alina Izy.
18 Ary nony
niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
19 Ary nahita
hazo aviavy* anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy
nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy:
Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo
aviavy.[*aviavimbazaha]
20 Ary nony
hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia
nahamaina vetivety io aviavy io?
21 Ary Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana
ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho
vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe:
Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
22 Ary na inona na
inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
23 Ary rehefa
tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny
lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no
anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
24 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha
hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako
izany:
25 Ny batisan'i
Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary
izy ireo niara-nisaina* ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany
an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy
ianareo?[*Na:nieritreritra]
26 Ary raha
holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika,
satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.
27 Dia namaly
an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa
tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
28 Fa ahoana kosa no
hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa
izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.
29 Fa namaly izy ka
nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha
ihany.
30 Dia nankeo amin'ny
faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho,
tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
31 Ka iza moa
amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia
hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny
vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
32 Fa Jaona nankany
aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory
hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita
izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
33 Mihainoa
fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia
namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo,
ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany
hafa izy.
34 Ary rehefa mby
akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny
mpiasa tany handray ny vokatra.
35 Fa ny mpiasa tany
nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray
novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
36 Dia naniraka
mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
37 Ary nony farany dia
naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
38 Kanjo ny mpiasa
tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha
hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
39 Ary nisambotra azy
izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
40 Koa raha tonga ny
tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
41 Hoy izy taminy:
Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny
tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny
vokatra amin'ny fotoany avy.
42 Hoy Jesosy taminy:
Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay
nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah
izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).
43 Ary noho izany dia
lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena
izay firenena mahavokatra ny voany.
44 Ary izay potraka
amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho
mongomongo*.[*Gr. haely toy ny vovoka]
45 Ary rehefa ren'ny
lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa
ny tenany no nolazainy amin'izany.
46 Dia nitady
hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho
mpaminany Jesosy.
1 Ary Jesosy namaly,
dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
2 Ny fanjakan'ny
lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny
zananilahy.
3 Ary izy naniraka ny
mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy
nety ho avy ireo.
4 Dia naniraka
mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe:
Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka
efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny
fampakaram-bady ianareo.
5 Nefa tsy nahoany
akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary
ny anankiray ho any amin'ny varony.
6 Ary ny sisa
nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
7 Ary dia tezitra
ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona
izany sady nandoro ny tanànany.
8 Dia hoy izy
tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy
miendrika.
9 Koa mankanesa
ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny
fampakaram-bady.
10 Dia nivoaka ho any
amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy,
na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
11 Ary nony efa
niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy
niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
12 Dia hoy izy
taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo
fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
13 Ary dia hoy ny
mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any
amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny
fikitroha-nify.
14 Fa maro no
antsoina, nefa vitsy no fidina.
15 Ary tamin'izay dia
lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.
16 Dia naniraka ny
mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy
manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.
17 Koa lazao aminay
ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
18 Fa Jesosy nahalala
ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry
mpihatsaravelatsihy?
19 Asehoy Ahy
ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
20 Ary hoy
Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?
21 Hoy izy
taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay
an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
22 Ary nony
nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
23 Tamin'izany
andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy
fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:
24 Mpampianatra
ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny
vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
25 Koa nisy
fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary
satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;
26 ary toy
izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.
27 Koa faran'izy
rehetra dia maty koa ravehivavy.
28 Ary amin'ny
fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy?
satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
29 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra
Masina na ny herin'Andriamanitra.
30 Fa amin'ny
fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa
ho tahaka ny anjely* any an-danitra izy.[*Na: (anjelin'Andriamanitra)]
31 Fa ny amin'ny
fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra
taminareo manao hoe:
32 Izaho no
Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks.
3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.
33 Ary ny vahoaka,
raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.
34 Fa ny Fariseo,
nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
35 Ary ny anankiray
tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
36 Mpampianatra ô, ny
didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?
37 Dia hoy Jesosy
taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao
rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).
38 Izany no didy
lehibe sady voalohany.
39 Ary ny faharoa,
izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
40 Izany didy
roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
41 Ary rehefa
tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
42 Ahoana no
hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.
43 Hoy Jesosy taminy:
Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
44 Jehovah nilaza
tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny
fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?
45 Koa raha Davida
ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?
46 Dia tsy nisy
nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy
nisy sahy nanontany Azy intsony.
1 Ary tamin'izany
Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe:
2 Eo amin'ny fipetrahan'i
Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
3 koa amin'izany,
izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany,
satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
4 Eny, mamehy entana
sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny
olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany
anankiray asa.
5 Ary ny asany
rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany,
ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
6 Ary tia ny
fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny
synagoga
7 sy ny
hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô!
8 Fa ianareo
kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary
ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
9 Ary aza
milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay
any an-danitra.
10 Ary aza mba
mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia
Kristy.
11 Fa izay lehibe
aminareo no ho mpanompo anareo.
12 Fa izay
manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
13 Fa lozanareo,
mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny
olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy
avelanareo hiditra*.[*Ampio hoe:]
14 (Lozanareo
mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny
mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no
hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
15 Lozanareo,
mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina
sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta;
ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho
ianareo aza.
16 Lozanareo,
mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy
mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia
haningo-tena izy.
17 Ry adala sy jamba!
iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
18 Ary koa: Raha misy
mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana
amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
19 Ry jamba! iza no
lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
20 Koa amin'izany,
izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra
izay eo amboniny.
21 Ary izay mianiana
amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin'izay mitoetra ao anatiny.
22 Ary izay mianiana
amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay
mipetraka eo amboniny.
23 Lozanareo,
mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny
solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny
lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho
nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo]
24 Ry mpitarika
jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
25 Lozanareo,
mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny
kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
26 Ry Fariseo jamba!
diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
27 Lozanareo,
mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana
voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia
feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra.
28 Dia tahaka izany
koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa
ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
29 Lozanareo,
mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany
ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,
30 ka hoy ianareo:
Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy
handatsa-drà ny mpaminany.
31 Ka dia miampanga
tena ianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.
32 Ary ianareo koa
dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.
33 Ry bibilava,
taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any
amin'ny helo?
34 Ary noho izany,
indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ
aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana,
ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety
vohitra,-
35 mba hanody anareo
ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela
marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo
anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.
36 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
37 Ry Jerosalema, ry
Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao,
impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao
ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
38 Indro, avela ho
lao ho anareo ny tranonareo.
39 Fa lazaiko
aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo
hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.
1 Ary nony niala teo
an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy
hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
2 Fa Izy namaly ka
nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina
tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. [*Na:Tsy hitanareo
izany rehetra izany]
3 Ary nipetraka teo
an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao
hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny
fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.
4 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
5 Fa maro no ho avy
amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
6 Ary handre ady sy
filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga
izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
7 Fa hisy firenena
hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary
hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
8 Fa izany rehetra
izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28]
9 Ary dia hatolony ho
amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo
noho ny anarako.
10 Ary amin'izany
andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
11 Ary hisy
mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
12 Ary noho ny
haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.
13 Fa izay maharitra
hatramin'ny farany no hovonjena.
14 Ary hotorina
amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona
amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
15 Koa raha hitanareo
mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay
nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay
mamaky izany),
16 dia aoka izay
olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
17 ary izay ao
an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;
18 ary izay any
an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
19 Ary lozan'ny
bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!
20 Fa mivavaha
ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.
21 Fa amin'izany
andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay
niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
22 Ary raha tsy efa
nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy
dia hohafohezina izany andro izany.
23 Koa raha misy
manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo.
24 Fa hisy Kristy
sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy
fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
25 Indro, voalazako
aminareo rahateo izany.
26 Ary amin'izany,
raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo;
Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino.
27 Fa tahaka ny
helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny
fihavian'ny Zanak'olona.
28 Fa izay
itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.
29 Ary raha vao
afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny
volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny
lanitra hohozongozonina.
30 Ary
amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny
Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny
Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra
izy.
31 Ary amin'ny
ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo
ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra
rehetra.[*Gr. rivotra]
32 Ary mianara
ny fanoharana ny amin'ny aviavy:* Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina,
dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.[*aviavimbazaha]
33 Dia tahaka
izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo
fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany]
34 Lazaiko
aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao
mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
35 Ny lanitra sy ny
tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
36 Fa ny amin'izany
andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza,
[ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.
37 Fa tahaka ny
andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.
38 Fa tahaka ny
tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny
olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay
nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara,
39 ary tsy fantany
mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka
izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
40 Ary
amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray
havela.
41 Ary hisy roa
vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray
havela.
42 Koa
amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny
Tomponareo.
43 Nefa aoka ho
fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina
izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony
hotamina.
44 Koa miomana kosa ianareo;
fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.
45 Iza moa no
mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny
mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?
46 Sambatra izany
mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
47 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
48 Fa raha manao
anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
49 ka dia mikapoka ny
mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,
50 dia ho avy ny
tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora
izay tsy fantany,
51 dia hotapahiny
roa* izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny
fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[*Na: hokapohiny mafy]
1 Ary amin'izany ny
fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany*
ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.[*Na: fanilony]
2 Ary ny dimy
tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
3 Fa ny adala nandray
ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[*Na: fanilony]
4 ary ny hendry kosa
nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany*.[*Na: fanilony]
5 Ary raha naharitra
ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
6 Ary nony
mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena
azy.
7 Dia nitsangana ireo
virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany*.[*Na: fanilony]
8 Dia hoy ny adala
tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny
fanalanay*.[*Na: fanilonay]
9 Fa ny hendry namaly
ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny
mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.
10 Fa raha mbola lasa
nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra
taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
11 Ary rehefa afaka
izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay
izahay.
12 Fa izy namaly hoe:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
13 Koa amin'izany
miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
14 Fa ny fanjakan'ny
lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny
mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
15 koa ny anankiray
nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay
fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
16 Ary niaraka
tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary
nahazo tombony talenta dimy koa izy.
17 Ary toy
izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18 Fa ilay
nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
19 Ary nony
ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
20 Ary nony
nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka
nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony
talenta dimy koa aho.
21 Hoy ny
tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky*
tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; mid́ra amin'ny
fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara,
etc]
22 Ary nony
nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no
natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
23 Hoy ny
tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky*
tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; mid́ra amin'ny
fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara,
etc]
24 Fa nony
nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro
fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary
manangona eny amin'izay tsy nanahafanao;
25 dia natahotra
aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
26 Ary ny
tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa
fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny
amin'izay tsy nanahafako;
27 koa tokony
ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho
nandray ny ahy mban-janany.
28 Koa alao aminy ny
talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29 Fa izay rehetra
manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay
ananany aza dia halaina aminy.
30 Ary ario ho
any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny
fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
31 Ary raha
tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia
hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;
32 ary ny
firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry
ondry manavaka ny ondry amin'ny osy*;[*Gr: zanak'osy]
33 ary
hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy* eo amin'ny ankaviany.
34 Ary
amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia
ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo
hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
35 fa noana Aho, dia
nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia
nampiantranoinareo;
36 tsy nanan-kitafy
Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho,
dia novangianareo.
37 Ary dia hamaly Azy
ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay
hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
38 Ary oviana no
hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
39 Ary oviana no
hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?
40 Dia hamaly ny
Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa
nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no
nataonareo tamiko.
41 Ary dia hilaza
indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay
voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny
devoly sy ny anjeliny;
42 fa noana Aho, fa
tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
43 nivahiny Aho, fa
tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo;
narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
44 Ary dia hamaly
kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na
nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba
nanompo Anao izahay?
45 Fa hamaly azy Izy
ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny
anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
46 Ary ireo dia hiala
ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana
mandrakizay.
1 Ary rehefa vitan'i
Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:
2 Fantatrareo fa raha
afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra
hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
3 Ary tamin'izany dia
nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny
mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
4 Ary niara-nihevitra
izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;
5 kanefa hoy izy: Tsy
amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.
6 Ary nony tany
Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka,
7 dia nanatona
Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra
saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana
Izy.
8 Fa nony nahita
izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao
fandaniam-poana izao?
9 Fa azo namidy ho
lafo be iny ka homena ny malahelo.
10 Ary fantatr'i
Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo
an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
11 Fa ny malahelo dia
eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
12 Fa izy no
nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy
halevina no nanaovany izany.
13 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity
filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho
fahatsiarovana azy.
14 Ary ny anankiray
tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny
lohan'ny mpisorona
15 ka nanao hoe:
Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely
volafotsy telo-polo homena azy.
16 Ary hatramin'izay
no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
17 Ary tamin'ny
voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i
Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny
Paska?
18 Ary hoy Izy:
Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny
Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no
hitandrina ny Paska.
19 Ary ny mpianatra
dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
20 Ary nony hariva ny
andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo
lahy*.[*Na: (mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy)]
21 Ary raha mbola
nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo
hamadika Ahy.
22 Dia nalahelo
indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
23 Ary Izy namaly ka
nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no
hamadika Ahy.
24 Ny Zanak'olona dia
mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny
Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
25 Ary Jodasy, izay
namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy
taminy: Voalazanao.
26 Ary raha mbola
nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny
ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
27 Ary nandray
kapoaka* Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo
rehetra ity;[* Na: (ny kapoaka)]
28 fa ity no rako,
dia ny amin'ny fanekena*, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.[*Na:
(ny fanekena vaovao)]
29 Ary lazaiko
aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony
intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any
amin'ny fanjakan'ny Raiko.
30 Ary rehefa nihira
fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.
31 Ary tamin'izany
dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio
alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry
andrasana (Zak. 13. 7).
32 Fa rehefa
atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
33 Fa Petera namaly
ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra,
izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
34 Hoy Jesosy taminy:
Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno,
dia handà Ahy intelo ianao.
35 Hoy Petera taminy:
Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany
koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
36 Ary Jesosy
mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary
hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka
Aho.
37 Ary nitondra an'i
Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory
indrindra.
38 Dia hoy Izy
taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka
miaraha miari-tory amiko.
39 Ary nony nandroso kelikely
Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina
amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
40 Ary nankeo amin'ny
mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy
mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
41 Miareta tory sy
mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny
fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
42 Dia nandeha
fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy
maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
43 Ary nony tonga
Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
44 Ary rehefa nandao
azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany
ihany.
45 Dia nankeo amin'ny
mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra
ianareo*; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny
mpanota.[*Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?]
46 Mitsangàna, andeha
isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
47 Ary raha mbola
niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy,
mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy,
nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
48 Ary ilay namadika
Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory
Izy.
49 Ary niaraka
tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia
nanoroka Azy.
50 Fa hoy Jesosy taminy:
Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto*. Dia nanatona ny olona ka nisambotra
an'i Jesosy ary nitana Azy.[*Na: haninona eto ianao?]
51 Ary, indro, ny
anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny
sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
52 Fa hoy Jesosy
taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra
no hovonoina amin'ny sabatra.
53 Ary ataonao va fa
tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa
ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
54 Raha izany, dia
hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho
tonga izany?
55 Ary tamin'izany
ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra
sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy
nisambotra Ahy ianareo.
56 Fa izany rehetra
izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany
dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
57 Ary izay efa
nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay
nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
58 Ary Petera
nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny
mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha
mba hahita izay hiafarany.
59 Ary ny lohan'ny
mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga
an'i Jesosy mba hamonoany Azy;
60 fa tsy nahita izy,
na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo,
izay nanao hoe:
61 Ilehity
nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny
hateloana.
62 Dia
nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va
Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
63 Nefa tsy
niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra
velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
64 Hoy Jesosy
taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo
ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny
rahon'ny lanitra.
65 Ary
tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny
ratsy* Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo
izao fitenenan-dratsy* izao.[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
66 Ahoana no
hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
67 Dia nororany
ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
68 ka nanao
hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
69 Ary Petera
nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray
ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.
70 Fa izy nandà
teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
71 Ary nony
niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka
nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
72 Ary nandà
indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
73 Ary nony
afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina
tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
74 Dia vao
niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary
niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
75 Ary Petera
nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho
maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia
nitomany fatratra.
1 Ary nony
maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia
niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.
2 Ary rehefa
nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.
3 Ary Jodasy,
ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina
ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
4 ka nanao hoe:
Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
5 Ary nony natsipiny
teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody
ary nananton-tena, ka dia maty.
6 Ary ny lohan'ny
mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny
rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
7 Ary nony
niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho
fandevenam-bahiny.
8 Koa izany no
anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
9 Ary tamin'izany dia
tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely
volafotsy telo-polo, vidin'ilay notombanana*, dia ilay notombanan'ny
Zanak'Isiraely,[*Na: Nohajaina]
10 ka nomeny hamidy
ny sahan'ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy (Jer.
18. 2; Zak. 11. 13).
11 Ary Jesosy
nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao
hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
12 Ary raha
nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
13 dia hoy Pilato
taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
14 Fa tsy namaly azy
Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
15 Ary isaky ny tonga
ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray
ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.
16 Ary tamin'izany
dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
17 Koa nony tafangona
teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo?
Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
18 Fa fantany fa
fialonana no nanoloran'ireo Azy.
19 Ary raha nipetraka
teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe:
Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy
be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
20 Ary ny lohan'ny
mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary
hamono an'i Jesosy.
21 Fa ny governora
namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho
anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
22 Hoy Pilato taminy:
Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy
rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy.
23 Fa hoy ny
governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao
hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy!
24 Ary raha hitan'i
Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny
tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao
hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
25 Ary ny olona
rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.
26 Ary dia nandefa
an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina*, dia natolony
mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.[*Gr. dia nokapohiny; ny teny Grika
milaza ny nokapohina tamin'ny fikapohana hoditra lehibe nisy varahina]
27 Ary ny
miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova* sady
nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.[*Gr. pretoria]
28 Ary rehefa nanala
ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
29 Ary nandrandrana
satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany
ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry
Mpanjakan'ny Jiosy!
30 Dia nororany Izy,
ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
31 Ary rehefa naneso
Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany,
ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
32 Ary raha nandeha
izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny
hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
33 Ary rehefa tonga
teo amin'ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
34 dia nomeny divay
miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety
nisotro.
35 Ary rehefa
voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny
fitafiany.
36 Ary nipetraka izy,
dia niambina Azy teo.
37 Ary napetany teo
ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no
Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.
38 Ary nisy jiolahy
roa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo
amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
39 Ary izay nandalo
dia niteny ratsy* Azy, sady nihifikifi-doha[*Gr. nanao blasfemia; izahao 9. 3]
40 ka nanao hoe: Ry
Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao.
Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.
41 Ary dia naneso toy
izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka
nanao hoe:
42 Ny sasany
novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka
hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
43 natoky
an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy
(Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.
44 Ary nandatsa Azy
toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.
45 Ary hatramin'ny
ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
46 Ary nony tokony ho
tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe:
Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana
no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1).
47 Ary ny sasany
tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia
Ilehio.
48 Ary niaraka
tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary
rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara,
dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.
49 Fa ny sasany kosa
nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
50 Ary rehefa niantso
tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
51 Ary, indro, ny
efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka
hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
52 ary nisokatra ny
fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,
53 ka nivoaka avy tao
amin'ny fasana ireo taorian*'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna
Masina ka niseho tamin'ny maro.[*Na:ary taorin',etc]
54 Ary ny kapiteny sy
ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay
zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa
Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.
55 Ary nisy vehivavy
maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka
nanompo Azy.
56 Isan'ireny Maria
Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.
57 Ary nony hariva ny
andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany
atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.
58 Izany lehilahy
izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i
Pilato homena azy izany.
59 Ary rehefa
nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
60 dia naleviny tao
amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa
nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.
61 Ary tao Maria
Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.
62 Ary nony ampitson'ny
andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny
Fariseo
63 ka nanao hoe:
Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe:
Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
64 Koa asaovy
hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny
mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana
tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
65 Hoy Pilato taminy:
Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
66 Ary nony lasa izy,
dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase
ny vato.
1 Ary tamin'ny
alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro,
dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
2 Ary, indro, nisy
horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia
nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
3 Ary ny fijery azy
dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
4 ary ny mpiambina
nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
5 Ary ny anjely
namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa
Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.
6 Tsy ato Izy, fa efa
nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.
7 Ary mandehana
faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary,
indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa
nilaza taminareo aho.
8 Dia niala faingana
tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka
hilaza tamin'ny mpianatra.
9 Ary, indro, Jesosy
nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny
tongony ka niankohoka teo anatrehany.
10 Dia hoy Jesosy
taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko;
fa any no hahitany Ahy.
11 Ary nony nandeha
izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny
lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
12 Ary rehefa
niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny
miaramila
13 ary nanao hoe:
Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory
izahay;
14 ary raha misy
milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy
hampaninona anareo.
15 Dia nandray ny
vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny
Jiosy mandraka androany.
16 Ary ny mpianatra
iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra
nasain'i Jesosy halehany.
17 Ary nony nahita
Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
18 Ary Jesosy
nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any
an-danitra sy etỳ an-tany;
19 koa mandehana
ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny
anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
20 sady mampianatra
azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo
mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
Accès direct aux
chapitres de Marc : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16
1 Ny niandohan'ny
filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.
2 Araka izay voasoratra ao
amin'Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay
hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany]
3 Injany! misy
feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy
mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),
4 dia niseho
Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho
famelan-keloka.
5 Dia nandeha
nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka
nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
6 Ary Jaona
nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny
fihinany dia valala sy tantely remby.
7 Ary nitory
izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika
hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
8 Izaho efa nanao
batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy
Masina.
9 Ary tamin'izany
andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona
batisa tao Jordana.
10 Ary raha vao
niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny
Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
11 Ary nisy feo
avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
12 Ary niaraka
tamin'izay dia nampandehanin*'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[*Gr. noroahin']
13 Ary tany
an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny
bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
14 Ary rehefa
voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny
filazantsaran'Andriamanitra
15 ka nanao
hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha
ianareo ka minoa ny filazantsara.
16 Ary nony
nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy
Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
17 Ary hoy
Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18 Dia nandao
ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
19 Ary rehefa
nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny,
izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
20 Dia niantso
azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo
an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.
21 Ary nankany
Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga
niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra.
22 Dia
talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay
manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
23 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto;
ary niantso mafy ralehilahy
24 ka nanao
hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro
fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
25 Ary Jesosy niteny
mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy.
26 Ary ny fanahy
maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo
mahery ka niala taminy.
27 Dia gaga ny olona
rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana
vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky
Azy.
28 Ary ny lazany dia
niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.
29 Ary niaraka
tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao
an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
30 Ary ny
rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia
nilaza azy taminy izy ireo.
31 Dia nanatona
Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia
nanompo azy izy.
32 Ary nony hariva ny
andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy
ny demoniaka.
33 Ary ny tao
an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa.
34 Ary nahasitrana
olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary
tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
35 Ary nifoha maraina
alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
36 Ary dia
nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
37 Ary nahita
Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
38 Fa hoy kosa
Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako
teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39 Dia nandeha
Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka
ny demonia.
40 Ary nisy
boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao
taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
41 Ary Jesosy
dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe:
Mety Aho; madiova ianao.
42 Ary niaraka
tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
43 Ary
namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay
44 ka nanao
taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa
mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay
nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
45 Nefa lasa
ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo
niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany
tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
1 Ary nony
niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao
an-trano Izy,
2 ka dia
tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny
varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
3 Ary nisy
nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay
nolanjain'efa-dahy.
4 Ary satria
tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny
tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo
ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa.
5 Ary Jesosy,
nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe:
Anaka, voavela ny helokao.
6 Ary nisy
mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
7 Nahoana
Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy
Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3]
8 Ary niaraka
tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao
am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany
zavatra izany ao am-ponareo?
9 Iza moa no
moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny
helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
10 Fa mba ho
fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela
heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):
11 Mitsangàna,
betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
12 Dia
nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo
anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza
an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
13 Ary lasa
nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona
Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
14 Ary nony
nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo
am-pamorian-ketra*; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka
nanaraka Azy.[*Izahao Mat. 9.9]
15 Ary raha
nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota
no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro
tao, dia nanaraka Azy izy.
16 Ary ny
mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo*, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana
tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe:
Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy![*Na:Ary ny
Mpanora-dalàna sy ny Fariseo]
17 Ary raha
nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao
fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
18 Ary ny
mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao
tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no
mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
19 Ary Jesosy
niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan'ny mpampakatra raha mbola ao aminy
ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay
mifady izy.
20 Fa ho avy
andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany
hifady izy.
21 Tsy misy
olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voaḷna amin'ny lamba tonta; fa raha
izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny
triatra.
22 Ary tsy misy
olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay
dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny
hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
23 Ary nandeha
namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny
salohim-bary teny am-pandehanana.
24 Ary ny
Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny
Sabata?
25 Fa hoy Izy
taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha
reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy,
26 fa niditra
tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka
nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny
mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
27 Ary hoy Izy
taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.
28 ka dia Tompon'ny
Sabata aza ny Zanak'olona.
1 Ary niditra tao
amin'ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty* tanana
teo.[*Gr. efa maina, na malazo]
2 Ary nizaha taratra
Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany
Azy.
3 Dia hoy Jesosy
tamin'ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
4 Ary hoy koa Izy
tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny
manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
5 Ary nony nijerijery
azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy
Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny
tànany.
6 Ary lasa nivoaka ny
Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy
hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.
7 Ary Jesosy
mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro
avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
8 sy Jerosalema sy
Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy
Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
9 Ary Izy nilaza
tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny
vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
10 Fa efa nahasitrana
olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana
aretina*.[*Gr. kapoka]
11 Ary ny fanahy
maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no
Zanak'Andriamanitra.
12 Ary nandrara azy
mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
13 Ary niakatra teo
an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy
ireo.
14 Ary nanendry roa
ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
15 sady hanana
fahefana hamoaka ny demonia.
16 Ary Simona dia
nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
17 ary Jakoba,
zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny
anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
18 ary Andrea sy
Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy
Simona Kananeana*[*Na: Zelota, izahao Lio.6.15]
19 ary Jodasy
Iskariota, ilay namadika Azy.
20 Ary niditra
tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo
nihinan-kanina akory Izy.
21 Ary ny
havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
22 Ary ny
mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i
Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
23 Ary rehefa
niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana
ahoana no famoaka an'i Satana?
24 Fa raha misy
fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
25 Ary raha
misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
26 Ary raha Satana no
mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho
rava ny heriny.
27 Kanefa tsy misy
olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy
afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
28 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy
ny fitenenan-dratsy* rehetra izay ataony;[*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3]
29 fa izay miteny
ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa
miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
30 satria ny olona
nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
31 Ary avy ny reniny
mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso
Azy.
32 Ary ny vahoaka
nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao
sy ny rahalahinao mitady Anao.
33 Ary Izy namaly azy
ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
34 Ary nony nijery
izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny
rahalahiko!
35 Fa na iza na iza
no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary
reniko.
1 Ary nampianatra teo
amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia
niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny
vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
2 Ary nampianatra azy
zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:
3 Mihainoa: Indro,
nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
4 Ary raha namafy
izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany
izany.
5 Ary ny sasany dia
voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny,
satria tsy nisy tany lalina.
6 Fa rehefa niposaka
ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7 Ary ny sasany dia
voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa
izy.
8 Ary ny sasany dia
voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa
namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny
sasany avy zato heny.
9 Ary hoy Izy: Izay
manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
10 Ary raha tao
amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy
mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
11 Ary hoy Izy
taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra
dia atao amin'ny fanoharana;
12 mba hijery
mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy,
fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).
13 Ary hoy Izy
taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no
fahafantatra ny fanoharana rehetra?
14 Ny mpamafy
dia mamafy ny teny.
15 Ary ireto no
ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia
avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
16 Ary tahaka
izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia
izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;
17 nefa tsy
manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka
izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina
miaraka amin'izay izy.
18 Ary misy
hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
19 fa ny
fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra
hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
20 Ary ireto no
ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy
dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny
sasany avy zato heny.
21 Ary hoy Izy
taminy: Moa entina* va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao
ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy]
22 Fa tsy misy
takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
23 Raha misy olona
manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
24 Ary hoy Izy
taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana
ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
25 Fa izay manana no
homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
26 Ary hoy Izy: Toy
izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany
27 ka matory sy
mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa
tsy fantany ny faniriny
28 Fa ny tany
mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia
feno voa.
29 Fa rehefa azo
jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.
30 Ary hoy Izy:
Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana
hanoharantsika azy?
31 Tahaka ny
voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;
32 Fa rehefa voafafy
kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana
vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
33 Ary fanoharana
maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
34 Ary raha tsy tamin'ny
fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany
tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.
35 Ary androtrizay
ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny
am-pita.
36 Ary rehefa
nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao
ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
37 Ary nisy
tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho
feno rano.
38 Ary Jesosy natory
teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao
taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
39 Ary nifoha Izy,
dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina,
mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
40 Ary hoy Izy
taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
41 Ary natahotra
indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina
aza manaiky Azy?
1 Ary tonga
teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.
2 Ary nony
niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy
maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy,
3 fa nitoetra
tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia
tamin'ny gadra aza.
4 Fa efa
nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra
tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy
nisy olona nahafolaka azy.
5 Ary
mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny
an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato.
6 Fa nony
nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo
anatrehany
7 sady niantso
tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy,
Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza
mampijaly ahy,
8 satria Jesosy
efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
9 Dia nanontany azy
Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria
maro izahay.
10 Ary nifona mafy
taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.
11 Ary nisy kisoa
maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.
12 Ary nifona
taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any
aminy.
13 Dia neken'i
Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa;
ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any
amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty* tany amin'ny
ranomasina izy.[*Gr. kenda]
14 Ary ny
mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia
nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
15 ary tonga
tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro
izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
16 Ary izay efa
nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny
amin'ny kisoa.
17 Ary nifona
tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.
18 Ary rehefa
hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba
hanaraka Azy.
19 Nefa tsy
navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any
amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy
ny namindrany fo taminao.
20 Dia nandeha
izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy;
ka dia gaga ny olona rehetra.
21 Ary rehefa
nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka
betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
22 Dia avy ny
anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita
an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony
23 ka niangavy
fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re,
mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana* izy ka ho velona.[*Gr. voavonjy]
24 Dia nandeha
niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
25 Ary nisy
vehivavy anankiray izay efa narary* roa ambin'ny folo taona [*Gr. narary
nandeha rà]
26 sady efa
niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany
rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
27 koa rehefa
nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry
ny lambany.
28 Fa hoy izy: Na dia
ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy]
29 Ary niaraka
tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny*, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa
sitrana izy.[*Gr. fandehanan'ny ràny]
30 Ary niaraka
tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo
afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
31 Fa hoy ny mpianany
taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no
nanendry Ahy?
32 Ary nijery
manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
33 Fa raiki-tahotra
sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo
aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
34 Ary hoy Izy
taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao: mandehana soa aman-tsara, ary
sitràna amin'ny aretinao.[*Gr. namonjy]
35 Raha mbola niteny
Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe:
Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra
ihany?
36 Fa tsy nahoan'i
Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga:
Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony,
dia]
37 Ary tsy nisy olona
navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.
38 Ary dia tonga tao
an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba,
dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
39 Ary rehefa niditra
Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty
razazavavy, fa matory.
40 Dia nihomehy Azy
fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray
aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay
nisy an-drazazavavy.
41 Dia nandray ny
tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika:
Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
42 Dia nitsangana
niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona
izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona.
43 Ary Jesosy
nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina
razazavavy.
1 Ary niala teo Izy
ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
2 Ary rehefa tonga ny
Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia
talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra
izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny
tànany izao?
3 Tsy ilay
mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona
va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina
taminy izy.
4 Fa ho Jesosy
taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany
ary ny ankohonany ihany.
5 Ary tsy nahazo
nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona
marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
6 Ary gaga Izy noho
ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.
7 Ary niantso ny roa
ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy
fahefana hamoaka fanahy maloto.
8 Ary nandrara azy
Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na
vola* ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.[*Gr. varahina]
9 Fa asio kapa ny
tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.
10 Ary hoy koa Izy
taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
11 Ary izay tanàna
tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia
ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
12 Dia lasa nandeha
izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
13 Ary demonia
maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
14 Ary nahare
izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona
Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao
ireo asa lehibe ireo.
15 Fa hoy ny
sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny
mpaminany.
16 Ary rehefa
nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa
nitsangana izy.
17 Fa Heroda
ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina
noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
18 Fa Jaona efa
nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.
19 Ary
Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
20 Fa Heroda
natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia
niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany*; ary
nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.[*Na: nanao zavatra maro]
21 Ary rehefa
tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe
sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana
ny* nahaterahany,[*Na: tamin'ny fitsingerenan'ny taona]
22 ka niditra
ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay
niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:
Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
23 Ary nianiana
taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia
hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.
24 Dia nivoaka
razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny
lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
25 Dia niditra
faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako
raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
26 Dia nalahelo
indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka
nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
27 Ary niaraka
tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i
Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.
28 Dia nentiny
teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome
azy an-dreniny.
29 Ary rehefa
nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
30 Ary ny
Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony
mbamin'izay nampianariny.
31 Ary hoy
Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra
kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).
32 Dia nandeha
an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.
33 Ary ny olona
nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny
amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety*, dia tonga
talohany.[*Na: nandeha tongotra]
34 Ary nony
niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry
tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
35 Ary rehefa
hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka
efa hariva ny andro ankehitriny;
36 ravao ny
olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy
hanina ho azy.
37 Fa Izy
namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy:
Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy
hohaniny?
38 Fa hoy Izy
taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia
hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.
39 Dia nasain'i
Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny
ahi-maitso izy.
40 Dia
nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.
41 Ary rehefa
voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra
Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny
anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.
42 Ary samy
nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
43 Ary
nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona
roa ambin'ny folo.
44 Ary izay
nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
45 Ary niaraka
tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha
ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.
46 Ary rehefa
nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
47 Ary nony
hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy
irery ihany no teo an-tanety.
48 Ary nahita
azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho
tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana
tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
49 Ary rehefa
hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa,
ka niantso mafy izy ireo.
50 Fa izy
rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy
niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
51 Ary niakatra
nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona
izy ireo.
52 Ary tsy
fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.
53 Ary nony tafita
izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo.
54 Ary raha niala teo
an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo
55 ka nihazakazaka
tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any
amin'izay reny fa nitoerany.
56 Ary na taiza na
taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany
an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka
hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana* izay rehetra
nanendry Azy.[*Gr. voavonjy]
1 Ary niangona teo
aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
2 ka nahita ny
mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy
voasasa.
3 (Fa ny Fariseo sy
ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara* ny tànany, satria
mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.[*Gr. sasàny amin'ny
totohondry]
4 Ary raha avy
any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro
koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana* mbamin'izay
fanaka varahina**.) [* Gr. sekstaria] [** ampio hoe: ary farafara]
5 Dia nanontany
Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka
ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tanana tsy
misasa izy?
6 Fa Jesosy
nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka
ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa
lavitra Ahy.
7 Koa foana ny
ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy.
(Isa. 29. 13).
8 Mahafoy ny
didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.
9 Ary hoy koa Izy
taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo
ny fampianarana voatolotra anareo!
10 Fa hoy
Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny
ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
11 Fa hoy kosa
ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa
korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony
hahazoanao soa avy amiko,
12 dia* tsy
avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony
izy,[*Na: dia voafehin'ny voadiny izy. Ary dia etc]
13 ka dia
foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay
nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no
ataonareo.
14 Ary niantso
ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo
rehetra, ka mahafantara.
15 Fa tsy ny
zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay
mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:]
16 [Raha misy
manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino]
17 Ary rehefa niala
teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany
ny amin'izany fanoharana izany.
18 Ary hoy Izy
taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay
rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
19 satria tsy miditra
ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana;
izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
20 Ary hoy Izy: Izay
mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy.
21 Fa avy ao
anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny
fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,
22 ny fieremana, ny
lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny
avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3]
23 izany zava-dratsy
rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
24 Ary niala teo
Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano
Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
25 Fa niaraka
tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora
dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.
26 Ary jentilisa
ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba
hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy.
27 Fa hoy Jesosy
taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka
manipy azy ho an'ny amboakely.
28 Fa ravehivavy
namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao
ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany.
29 Dia hoy Jesosy
taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny
zanakao-vavy ny demonia.
30 Ary raha tonga tao
an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy,
ary ny demonia efa nivoaka taminy.
31 Ary Jesosy niala
indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro, dia namaky an'i Sidona sy ny tany
Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia.
32 Ary nisy marenina
sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba
hametrahany tanana.
33 Ary nitondra
an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny
tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
34 ary niandrandra ny
lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
35 Dia nalady ny
sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
36 Ary nandrara ny
olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany
aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
37 Dia talanjona
indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady
mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
1 Tamin'izany andro
izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia
nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
2 Mahonena Ahy ireo
vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy
manan-kohanina izy;
3 koa raha hampodiko
ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy
lavitra ny sasany.
4 Fa ny mpianany
namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona
ireto!
5 Ary izy
nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
6 Dia nasainy
nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa
nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny
anoloan'ny vahoaka izany.
7 Ary nisy
hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana
ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
8 Ary nihinana
ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy
fito sobiky.
9 Ary tokony ho
efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
10 Ary niaraka
tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ka tonga tany
amin'ny fari-tanin'i Dalmanota.
11 Ary ny Fariseo
nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy
any an-danitra.
12 Ary nisento
mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady
famantarana? Lazaiko aminareo
marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13 Ary nandao azy
Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
14 Ary tsy
tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray
ihany.
15 Dia nananatra azy
Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny
masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.
16 Ary niara-nisaina
izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
17 Ary Jesosy
nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria
tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa
mafy va ny fonareo?
18 Mana-maso, fa tsy
mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy
mahatadidy va ianareo?
19 Raha ny mofo dimy
no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny
nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.
20 Ary raha ny mofo
fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia
hoy ny mpianany: Fito.
21 Ary hoy Izy
taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
22 Ary tonga tany
Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka
taminy hanendry ilay jamba.
23 Ary nitantana ilay
jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony,
ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va
ianao?
24 Dia niandrandra
ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy,
saingy mamindra.
25 Dia napetrany
tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara,
ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
26 Ary Jesosy
nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
27 Ary Jesosy
sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo;
ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe:
Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
28 Ary izy
nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny
sasany: Anankiray amin'ny mpaminany.
29 Ary Jesosy
nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao
no Kristy.
30 Ary nandrara
azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona.
31 Dia
nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny
loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary
rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
32 Ary
naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila
kely, dia niteny mafy Azy.
33 Fa Izy
nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato
ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay
an'ny olona.
34 Ary
nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha
misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo
fijaliany ka hanaraka Ahy.
35 Fa na iza na
iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny
ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
36 Fa inona no
soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
37 Fa inona no
homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
38 Fa na iza na iza
no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota
ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny
Rainy mbamin'ny anjely masina.
Chapitre 9. 1 Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto
izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra
tonga amin'ny hery.
2 Ary nony afaka
henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy
nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo
anatrehany Izy,
3 ary ny fitafiany
niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba
ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
4 Ary Elia sy Mosesy
niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.
5 Ary niteny Petera
ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka
hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary
ny anankiray ho an'i Elia.
6 Fa tsy fantany izay
havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
7 Ary nisy rahona
niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no
Zanako malalako, Izy no henoy.
8 Ary niaraka
tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza
na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
9 Ary nony nidina avy
teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza
amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny
maty.
10 Ary nitana izany
teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana
amin'ny maty izany.
11 Dia nanontany an'i
Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain*'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy
aloha.[*Na: Nahoana no lazain']
12 Ary Izy nanao
taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana
kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka
hatao tsinontsinona?
13 Nefa lazaiko
aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony
araka ny nanoratana azy.
14 Ary nony tonga teo
amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy
mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
15 Ary niaraka
tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka
nanatona sy niarahaba Azy.
16 Ary Izy nanontany
azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto?
17 Ary ny anankiray
tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ
aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
18 ary na aiza na
aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia
mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba
hamoaka izany; fa tsy hainy.
19 Ary Jesosy namaly
azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.
20 Dia nentiny teo
aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany
niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina
sy nandoa vory.
21 Ary Jesosy
nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy
izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
22 Ary nazerany
matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy
hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
23 Fa hoy Jesosy
taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.
24 Ary niaraka
tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba
ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso].
25 Ary nony hitan'i
Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto
Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao:
Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
26 Ary rehefa
ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka
taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.
27 Fa Jesosy nandray
ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
28 Ary rehefa tonga
tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy
nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no]
29 Ary hoy Izy
taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona,
afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].
30 Dia niala teo izy
ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona
izany.
31 Fa nampianatra ny mpianany
Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka
hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
32 Fa izy ireo tsy
nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
33 Ary tonga tao
Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany
hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
34 Fa tsy nahateny
izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra.
35 Ary rehefa
tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy
hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho
mpanompo'izy rehetra izy.
36 Ary nandray zaza
Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy
tamin'ny mpianany:
37 Na zovy na zovy no
mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na
zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
38 Ary hoy Jaona
taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny
anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
39 Fa hoy Jesosy: Aza
mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka
hahateny ratsy Ahy vetivety.
40 Fa izay tsy
manohitra antsika dia momba antsika.
41 Fa na iza na iza
no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy
ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
42 Ary na iza na iza
no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho
azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty
ranomasina izy.
43 Ary raha ny
tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra
kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any
amin'ny helo*, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [* Gr. Gehena]
44 * [* Ampio hoe:
any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
45 Ary raha ny
tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra
mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any
amin'ny helo.
46 * [*Ampio hoe: any
amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
47 Ary raha ny
masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra
toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana
any amin'ny helo;
48 any ny
kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
49 Fa samy ho
voasira amin'ny afo izy rehetra*.[*Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho
voasira amin'ny fanasina]
50 Tsara ny sira, fa
raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy
sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.
1 Ary niainga niala
teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i
Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny
fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
2 Ary nisy Fariseo
nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny
lehilahy?
3 Ary Izy namaly ka
nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?
4 Ary hoy izy:
Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady
(Deo. 24.1).
5 Fa hoy Jesosy
taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
6 fa hatramin'ny fony
vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen.
1.27).
7 Ary noho izany ny
lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;
8 ary ho nofo iray
izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
9 Koa izay
nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.
10 Ary nony mby tao
an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra.
11 Ary hoy izy
taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia
mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny*.[*Na: mijangajanga mandika ny lalàn'ny
fanambadiana ny amin'ny vadiny]
12 Ary raha
ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga
izy.
13 Ary nisy nitondra
zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14 Nefa tezitra
Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary
aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
15 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka
ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
16 Ary nitrotro azy
Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
17 Ary nony vao
nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona
ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
18 Ary hoy
Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray
ihany, dia Andriamanitra.
19 Fantatrao ny
didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho
vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks.
20. 12-17).
20 Ary hoy izy
taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho
mbola kely.
21 Ary Jesosy
nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha
ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana
rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22 Dia
nanjombona terỳ ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala
tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.
23 Ary Jesosy
nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny
hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
24 Ary ny mpianatra
dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka,
manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny
fanjakan'Andriamanitra!
25 Moramora kokoa ny
hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena
amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
26 Dia talanjona
indrindra izy ka nanao taminy* hoe: Iza indray no azo hovonjena?[* Na:
nifampilaza].
27 Fa Jesosy nijery
azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba
tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
28 Ary hoy Petera
taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
29 Hoy Jesosy:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy,
na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny
filazantsara,
30 ka tsy handray
zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy
reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia
fiainana mandrakizay.
31 Nefa maro izay
voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
32 Ary Jesosy sy ny
mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo
alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny
roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
33 ka nanao hoe:
Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho
amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka
hatolony amin'ny jentilisa;
34 ary hanao Azy ho
fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa
afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
35 Ary Jakoba sy
Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra
ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
36 Ary hoy Izy
taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
37 Dia hoy izy
mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny
ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny an-kavianao, any amin'ny
voninahitrao.
38 Fa hoy Jesosy
taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny
kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy
batisa?
39 Dia hoy izy
mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay
sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia
hanaovana anareo ihany;
40 fa ny
hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny
hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
41 Ary nony
nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy.
42 Fa Jesosy
niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny
jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
43 Fa tsy mba toy
izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo
anareo izy.
44 Ary na iza na iza
no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra.
45 Fa ny Zanak'olona
tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo
ny maro.
46 Ary tonga tao
Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny
vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka,
zanak'i Timeo.
47 Ary nony
reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry
Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!
48 Ary maro no
niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry
Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
49 Ary Jesosy
nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao
taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
50 Dia nanary
ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy.
51 Ary Jesosy
namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy:
Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
52 Ary hoy
Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra
niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
1 Ary raha
nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva
izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy
2 ka nanao
taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao
miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay
tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento etỳ.
3 Ary raha misy
olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy
raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka
amin'izay izy.
4 Dia nandeha izy ka
nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana,
dia novahany izy.
5 Ary ny olona sasany
teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?
6 Ary izy nilaza
taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy.
7 Ary nentiny teo
amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy
nitaingina azy.
8 Ary maro no
namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka
rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.
9 Ary izay
nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana!
Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah!
10 Hotahina
anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny
avo indrindra (Sal. 118. 26).
11 Ary Jesosy
niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery
ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy
mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.
12 Ary nony
ampitson'iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.
13 Ary
nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo,
fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na
inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny
aviavy.
14 Ary Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony
mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.
15 Ary tonga
tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia
nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera
ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
16 ary tsy
navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan'ny tempoly.
17 Dia
nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao
hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho
zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
18 Ary nahare izany
ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany
Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny
fampianarany.
19 Ary isan-kariva
dia niala tao an-tanàna Izy.
20 Ary nony maraina,
raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy.
21 Ary Petera
nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy
nozoninao.
22 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra.
23 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe:
Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa
hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
24 Koa lazaiko
aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo,
dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
25 Ary raha
mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny
helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
26 * [*Ampio hoe: 26
Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy
hamela ny helokareo]
27 Ary tonga tany
Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly
Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny
loholona
28 ka nanao taminy
hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome
Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
29 Ary Jesosy nanao
taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia
holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
30 Ny batisan'i Jaona
avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho.
31 Ary izy ireo
niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra,
dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
32 Fa raha
holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, natahotra ny olona izy, satria
neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
33 Dia namaly
an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho
kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
1 Ary niteny
taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao
tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao
tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany
hafa izy.
2 Ary nony
tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa
tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka.
3 Fa ireo nisambotra
ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
4 Ary izy naniraka
mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny
lohany, ka nalany baraka izy.
5 Ary naniraka
anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no
nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
6 Ary mbola nanana
anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy
hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
7 Fa izany mpiasa
tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho
antsika ny lova.
8 Ary rehefa
nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny
tanim-boaloboka.
9 Koa ahoana no
hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny
mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
10 Ary tsy mbola
novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano,
Dia izy no efa natao fehizoro;
11 Avy tamin'i
Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.)
12 Ary nitady
hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny
tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny
olona ka lasa.
13 Ary nirahiny
hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika
Azy amin'ny teniny.
14 Ary rehefa tonga
izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka
tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao,
fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho
an'i Kaisara, sa tsia?
15 Handoa va izahay, sa tsy
handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe:
Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako
azy.
16 Dia nitondrany Izy. Ary
hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.
17 Dia hoy Jesosy taminy:
Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay
an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
18 Ary ny Sadoseo, izay
milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka
nanontany Azy hoe:
19 Mpampianatra ô, Mosesy
nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona
ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny
rahalahiny (Deo. 25. 5).
20 Nisy fito mirahalahy;
ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
21 Ary ny
faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy
izany ihany koa.
22 Ary izy fito
mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
23 Koa amin'ny
fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy
avokoa izy fito mirahalahy?
24 Ary hoy Jesosy
taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny
herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
25 Fa amin'ny
hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa
tahaka ny anjely any an-danitra izy.
26 Ka ny amin'ny
hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo
amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe:
Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i
Jakoba? (Eks. 3. 6.)
27 Tsy Andriamanitry
ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo.
28 Dia nanatona an'i
Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra
tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny
didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?
29 Ary Jesosy namaly
hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia
Jehovah iray ihany;
30 koa tiava an'i
Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny
sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5).
31 Ary ny faharoa dia
izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa
lehibe noho ireo.
32 Ary hoy ilay
mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany
Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
33 Ary ny ho tia Azy
amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny
namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny
fanatitra hafa rehetra izany.
34 Ary raha hitan'i
Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny
fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35 Ary Jesosy, raha
nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no
lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida?
36 Kanefa ny tenan'i
Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko
hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho
fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
37 Ny tenan'i Davida
manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka
nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
38 Ary hoy Izy
amin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto
mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain'olona eny an-tsena,
39 ary tia ny
fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny
fanasana,
40 ary mandany ny
tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no
hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
41 Ary raha nipetraka
tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka
tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
42 Fa nisy
mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely*
roa an-kevitry ny variroaventy avy.[*Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina
izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy]
43 Ary Jesosy niantso
ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa
io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka
tao amin'ny fandatsahan-drakitra.
44 Fa ireo rehetra
ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny
alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
1 Ary nony niala teo
an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy:
Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
2 Ary Jesosy nanao
taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato
hifanongoa eto ka tsy horavana.
3 Ary raha nipetraka
teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy
mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
4 Lazao aminay:
Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany
rehetra izany?
5 Ary Jesosy nilaza
taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
6 Fa maro no ho avy
amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
7 Ary raha mandre ady
sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy
mbola tonga ny farany.
8 Fa hisy firenena
hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary
hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no
fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana]
9 Fa mitandrema
ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary
hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho
vavolombelona aminy.
10 Ary ny firenena
rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
11 Koa raha mitondra
anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny
homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny,
fa ny Fanahy Masina.
12 Ary ny rahalahy
hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny
zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty
azy.
13 Ary ho halan'ny
olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no
hovonjena.
14 Fa raha hitanareo
mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan.
12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any
an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
15 Ary izay ao
an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
16 Ary izay any
an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
17 Ary lozan'ny
bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!
18 Fa mivavaha
ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.
19 Fa amin'izany
andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay
nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao,
sady tsy hisy intsony.
20 Ary raha tsy
nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny
olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
21 Ary amin'izay raha
tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro,
erỳ ; aza mino ianareo.
22 Fa hisy Kristy
sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana
hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana]
23 Fa mitandrema kosa
ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
24 Fa amin'izany
andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary
ny volana tsy haneho fahazavana,
25 ary ny kintana
hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny
lanitra.
26 Ary amin'izay ny
Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny
voninahitra.
27 Ary amin'izay dia
haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany
efatra* hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.[*Gr.
rivotra]
28 Ary mianara ny
fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia
fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
29 Dia tahaka izany
koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho
fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany]
30 Lazaiko aminareo
marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan'izany
rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na: ity firenena ity]
31 Ny lanitra sy ny
tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
32 Fa ny amin'izany
andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary
na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
33 Mitandrema,
miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[*Gr.
miareta tory]
34 Izany dia tahaka
ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny
mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana
dia nasainy niambina tsara;
35 Koa miambena
ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva,
na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
36 fandrao avy
tampoka izy ka mahita anareo matory.
37 Ary izay lazaiko
aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra
1 Rehefa indroa andro
no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia
nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny
mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
2 Nefa hoy izy: Tsy
amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
3 Ary nony tany
Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny
vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda
saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i
Jesosy ny menaka.
4 Ary nisy ny sasany
tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka
manitra izao?
5 Fa azo namidy ho
lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo.
Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
6 Fa hoy Jesosy
taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony
tamiko.
7 Fa ny malahelo dia
eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa
aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo
mandrakariva.
8 Efa nanao izay
azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
9 Ary lazaiko
aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny
filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho
fahatsiarovana azy.
10 Ary Jodasy
Iskariota, ilay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nankeo amin'ny lohan'ny
mpisorona hamadika an'i Jesosy aminy.
11 Ary rehefa nandre
izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay
andro hahazoany mamadika Azy.
12 Ary tamin'ny
voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny
Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba
hihinananao ny Paska?
13 Dia naniraka roa
lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary
hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
14 Ary lazao amin'ny
tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny
efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
15 Ary izy hanoro
anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra
tsara; any no amboary ho antsika.
16 Ary ny mpianatra
nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia
namboatra ny Paska izy.
17 Ary nony hariva ny
andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.
18 Ary raha nipetraka
nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray
aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
19 Dia nalahelo izy,
ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
20 Ary Izy nanao
taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka
amiko ao anatin'ny lovia no izy.
21 Fa ny Zanak'olona
dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny
Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
22 Ary raha mbola
nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka
natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
23 Dia nandray
kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy
rehetra izany.
24 Ary hoy Izy
taminy: Ity no rako amin'ny fanekena*, izay alatsaka hamonjy ny maro.[*Na:
fanekena vaovao]
25 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho
mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny
fanjakan'Andriamanitra.
26 Ary rehefa nihira
fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
27 Ary hoy Jesosy
taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny
mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak. 13. 7).
28 Fa rehefa
mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
29 Fa hoy Petera
taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho
tafintohina.
30 Ary hoy Jesosy
taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin'ity alina ity, raha tsy
mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
31 Fa vao mainka
niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà
Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.
32 Ary tonga tany
amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany:
Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
33 Ary nitondra an'i
Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
34 Ary hoy Izy
taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka
miareta tory.
35 Ary nony nandroso
kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora
izany aminy, raha azo atao.
36 Ary hoy Izy: Aba,
Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy
ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
37 Ary avy Izy ka
nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao?
Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
38 Miareta tory
ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny
fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
39 Dia lasa indray
Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
40 Ary nony niverina
indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany
izay havaliny Azy.
41 Ary avy
fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà
sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra
ao an-tànan'ny mpanota.
42 Mitsangàna, andeha
isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
43 Ary niaraka
tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo
lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy,
nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
44 Ary ilay hamadika
Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy
ka ento, fa aza avela ho afaka.
45 Ary rehefa tonga
izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia
nanoroka Azy izy.
46 Ary ny olona
naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
47 Ary ny anankiray
tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny
mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
48 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy
ny hisambotra jiolahy va ianareo?
49 Teo aminareo
isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba
hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
50 Ary samy nandao
Azy izy rehetra ka nandositra.
51 Ary nisy zatovo
anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary
nosamborin'ny olona teo izy.
52 Dia navelany teny
aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
53 Ary nitondra an'i
Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny
mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
54 Ary Petera efa
nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny
mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo
anilan'ny afo.
55 Ary ny lohan'ny
mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy
hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
56 Fa maro no
niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
57 Ary nitsangana ny
sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
58 Izahay efa nandre
Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin'ny
hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
59 Fa tsy nifanaraka
ny filàzany na dia tamin'izany aza.
60 Ary ny mpisoronabe
nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly
akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
61 Fa tsy niteny
Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao
taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
62 Ary hoy Jesosy:
Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery
sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
63 Ary ny mpisoronabe
nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona
indray?
64 Efa renareo ny
fitenenany ratsy*; ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho
faty Izy.[*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9.3]
65 Ary ny sasany
nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe:
Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina* Azy koa.[*Na. tehina]
66 Ary raha nitoetra
teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny
mpisoronabe;
67 ary nony nahita
an'i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i
Jesosy avy any Nazareta.
68 Fa izy nandà ka
nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho
naneno.
69 Ary ilay
ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io
lehilahy io mba naman'ireny;
70 fa izy nandà
indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin'i Petera
hoe: Naman'ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
71 Dia niozona
sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny
izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno
fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia
nitomany.
1 Ary niaraka
tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy
ny mpanora-dalàna mbamin*'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra
an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.[*Na: dia]
2 Ary Pilato
nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao
taminy hoe: Voalazanao.
3 Ary ny lohan'ny
mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
4 Ary Pilato
dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao
hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao!
5 Fa Jesosy tsy
namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.
6 Ary isaky ny
avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay
angatahin'ny vahoaka.
7 Ary nisy
anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay
efa nahafaty olona tamin'ny fikomiana.
8 Ary ny
vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.
9 Fa Pilato namaly
azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?
10 Fa fantany fa
fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy.
11 Fa ny lohan'ny
mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan'i Pilato ho azy.
12 Ary Pilato namaly
ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin'ilay ataonareo hoe:
Mpanjakan'ny Jiosy?
13 Ary ny vahoaka
niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
14 Ary hoy Pilato
taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka
nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
15 Ary Pilato
ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa
Jesosy nasainy nokapohina*, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo
fijaliana.[*Izahao Mat. 27.36]
16 Ary ny miaramila
nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova*, sady nanangona ny
miaramila namany rehetra.
17 Ary dia nampitafy
Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny
lohany.
18 Ary dia niarahaba
Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
19 Ary dia nikapoka
ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy
niankohoka teo anatrehany.
20 Ary rehefa nanao
Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka
nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo
fijaliana Izy.
21 Ary Simona
Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no
notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
22 Ary Jesosy dia
nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.
23 Dia notolorany
divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.
24 Ary rehefa
voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny
fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
25 Ary tamin'ny ora
fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana.
26 Ary ny soratra
milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY.
27 Ary nisy jiolahy
roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny
ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
28 *[*Ampio hoe: 28
Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota
Izy (Isa. 53. 12)]
29 Ary izay nandalo
niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny
tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana,
30 vonjeo ny tenanao,
ka mid́na hiala amin'ny hazo fijaliana.
31 Ary toy izany koa
no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao
hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.
32 Aoka Kristy,
Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho
hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo
fijaliana dia naneso Azy koa.
33 Ary nony tamin'ny
ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora
fahasivy izany.
34 Ary tamin'ny ora
fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà
sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no
mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 2).
35 Ary ny sasany izay
nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an'i Elia Izy.
36 Ary ny anankiray
nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin'ny vinaingitra, ka notohiziny
tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho
hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.
37 Ary Jesosy
niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
38 Ary ny
efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka
hatrany ambany.
39 Ary ny
kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy*, dia
nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.[*Na: nahita Azy
niantso toy izany, sady afaka ny ainy]
40 Ary nisy
vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy
Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy,
41 izay
nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa
izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.
42 Ary nony hariva
(satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata),
43 dia avy Josefa avy
any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny
fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka
ny fatin'i Jesosy.
44 Ary gaga Pilato
raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka
nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
45 Ary rehefa nahare
tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty.
46 Ary izy nividy
hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry
madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy,
dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy.
47 Ary Maria
Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
1 Ary rehefa
afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome
ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy.
2 Ary nony
maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny
masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.
3 Ary niresaka hoe
izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo
antsika?
4 Fa nony nitraka
izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny
vato.
5 Ary raha niditra
tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny
ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.
6 Fa hoy ilay zatovo
taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana
tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo
no nametrahany Azy.
7 Fa mandehana, lazao
amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no
hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
8 Dia nivoaka izy ka
lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary
tsy mba nilaza na inona na inona tamin'olona izy, satria natahotra.
9 [Ary rehefa
nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia
niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy]
10 [Ary Maria nandeha
ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany]
11 [Ary izy ireo, na
dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety
nino ihany]
12 [Ary taorian'izany
Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany
an-tsaha]
13 [Ary izy ireo
nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa]
14 [Rehefa afaka
izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka
nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny
fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy]
15 [Ary hoy Izy
taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny
filazantsara amin'ny olombelona rehetra]
16 [Izay mino sy atao
batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]
17 [Ary izao
famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy;
hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]
18 [handray menarana
izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany;
hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny]
19 [Ary Jesosy Tompo,
rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo
an-kavanan'Andriamanitra]
20 [Fa izy ireo kosa
dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka
nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]
Accès direct
aux chapitres de Luc : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24
1 Satria maro no efa
nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka* tamintsika
tokoa[*Na: inoana tokoa amintsika]
2 araka izay efa
noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory*
ny teny hatramin'ny voalohany:[*Gr. mpanompo]
3 dia sitrako koa,
rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra
izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra*,[*Gr. mahery
indrindra; teny fanajana ny lehibe izany]
4 mba hahafantaranao
tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5 Tamin'ny andron'i
Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny
antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no
anarany.
6 Ary samy marina teo
anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny
didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.
7 Ary tsy
nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8 Ary nony nanao
raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny
fifandimbiasan'ny antokony,
9 araka ny fanao
amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny
tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
10 Ary ny vahoaka
rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo
manitra.
11 Ary nisy
anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny
ditin-kazo manitra.
12 Ary nony nahita
azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13 Fa hoy ilay anjely
taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka
Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14 Ary ho faly sy ho ravoravo
ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
15 Fa ho lehibe eo
anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy
Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
16 Ary maro amin'ny
Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
17 Ary izy handeha eo
alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny
zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena
voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
18 Ary hoy Zakaria
tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa
antitra koa ny vadiko.
19 Ary ilay anjely
namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo
anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany
teny mahafaly izany.
20 Koa, indro, ho
moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany
zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny
fotoany.
21 Ary ny olona dia
niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
22 Kanjo rehefa
nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa
nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy,
ary dia mbola moana ihany.
23 Ary rehefa tapitra
ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24 Ary taorian'izany
andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao
hoe:
25 Izao no nataon'ny
Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny
olona.
26 Ary tamin'ny
fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna
anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27 ho any amin'ny
virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy
tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
28 Ary nony niditra
tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo
momba anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]
29 Ary taitra loatra
izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana
izany.
30 Ary hoy ilay
anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra
ianao.
31 Ary, indro,
hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32 Izy ho lehibe ka
hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza
fiandrianan'i Davida rainy;
33 ary hanjaka
amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy
hanam-pahataperana.
34 Ary hoy Maria tamin'ilay
anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35 Ary ilay anjely
namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy
herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao
hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao]
36 Ary, indro,
Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa
mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37 Fa tsy hisy tsy ho
tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
38 Dia hoy Maria:
Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia
nandao azy ilay anjely.
39 Ary Maria niainga
tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao
an-tanàna anankiray any Joda;
40 ary niditra tao
an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.
41 Ary rehefa ren'i
Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka* ny zaza tao an-kibony; ary
nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[*Na: niantsambotra]
42 dia niantso
tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny
hateraky ny kibonao.
43 Avy aiza no
ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
44 Fa, indro, raha
vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny
zaza ao an-kiboko.
45 Ary sambatra ianao
izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
46 Ary hoy
Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47 Ary ny
fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48 Fa efa
nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny
taranaka rehetra ho sambatra aho.
49 Fa ny Mahery efa
nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.
50 Ary ny
famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
51 Nanao asa lehibe
tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony
Izy.
52 Nampiala ny lehibe
tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
53 Ny noana
novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
54 Niahy an'isiraely
mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
55 (Araka ny
voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56 Ary Maria nitoetra
teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
57 Ary tonga ny andro
hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58 Ary ny
niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny
famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59 Ary tamin'ny andro
fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka
ny anaran-drainy ny anarany.
60 Fa ny reniny
namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61 Fa hoy izy ireo
taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany
anarana izany.
62 Ary nanao
baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63 Ary nangataka
fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64 Ary dia nisokatra
niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka
nidera an'Andriamanitra.
65 Dia raiki-tahotra
izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia
rehetra ny lazan'izany rehetra izany.
66 Ary izay rehetra
nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io?
Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
67 Ary dia feno ny
Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68 Isaorana anie ny
Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana
ho azy,
69 Ary nanangana
tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
70 (Araka izay
nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
71 Dia famonjena
antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala
antsika;
72 Manefa
famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73 Dia ny fianianana
izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
74 Hanao izay
hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika
isika,
75 Amin'ny
fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra
hiainantsika.
76 Ary ianao, ry
zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny
Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77 Hanome ny olony ny
fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
78 Noho ny halehiben'ny
famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho
antsika.[*Na: niposahan']
79 Hamirapiratra
amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana,
Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.
80 Ary ny zazakely
nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy
ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.
1 Ary tamin'izany
andro izany dia nisy didy navoak'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny
vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.
2 (Izany no
fanoratana voalohany* natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)[*Na: Ny tena
fanoratana voalohany anefa dia]
3 Dia samy
nankany amin'ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
4 Ary Josefa
koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia,
ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny
taranak'i Davida sy ny mpianakaviny),
5 mba
hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
6 Ary raha
nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
7 Ary niteraka
ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny
fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
8 Ary nisy
mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny
ondriny tamin'ny alina.
9 Ary nisy
anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo
nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
10 Ary hoy ny
anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho,
dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;
11 fa Mpamonjy no
teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.
12 Ary izao no ho
famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady
mandry ao am-pihinanam-bilona;
13 Ary nisy anjely
maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka
nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
14 Voninahitra any
amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ
ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny
olona]
15 Ary tamin'izany
rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka
ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka
hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.
16 Dia nandeha
faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo
am-pihinanam-bilona.
17 Ary nony efa
nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.
18 Ary izay rehetra
nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.
19 Fa Maria kosa
nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
20 Ary ny mpiandry
ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra
izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
21 Ary rehefa tapitra
ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka
ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
22 Ary rehefa tapitra
ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany
Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo
23 araka ny
voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao
hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)
24 ary mba hanatitra
fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na
zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).
25 Ary, indro, nisy
lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany
lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia
tao aminy.
26 Ary efa
nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany
ny Kristin'ny Tompo.
27 Ary nentin'ny
Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny
ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny
zaza,
28 dia nitrotro Azy
izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
29 Tompo ô,
ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao;
30 Fa ny masoko efa
nahita ny famonjenao,
31 Izay namboarinao
teo anatrehan'ny firenena rehetra,
32 Dia fahazavana
hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
33 Dia gaga ny
ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
34 Ary Simeona
nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity
Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny
Isiraely ary ho famantarana holavina
35 ary ny
fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.
36 Ary nisy
mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i
Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona
taorian'ny naha-virijina azy,
37 ary efa mpitondratena
tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly
izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina.
38 Ary nony
niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy
tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
39 Ary rehefa
vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia
izy, dia tao Nazareta tanànany.
40 Ary ny Zaza
dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra
no tao aminy.
41 Ary ny ray
aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana
amin'ny Paska.
42 Ary rehefa
roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny
andro firavoravoana.
43 Ary rehefa
tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany
Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
44 ary satria
nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray
andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
45 Ary nony tsy
nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
46 Ary rehefa
afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo
afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
47 Ary
talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
48 Ary raha
nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao
toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
49 Fa hoy Izy
taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto
an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na: eto amin'ny raharahan']
50 Nefa tsy
azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.
51 Ary
niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry
izany teny rehetra izany tao am-pony.
52 Ary Jesosy
nitombo saina sy tena* sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny
olona.[*Na: taona]
1 Ary tamin'ny
taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no
governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo
rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka
tany Abilena,
2 ary Anasy sy
Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany
an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
3 Ary nankany
amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana
ho famelan-keloka;
4 araka ny
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny
miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny
lalan-kalehany.
5 Ny lohasaha
rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny
meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
6 Ary ny nofo rehetra
hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).
7 Dia hoy izy
tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana,
iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8 Koa mamoaza voa
miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho
rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho
an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
9 Ary, indro, efa
mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay
tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
10 Ary ny
vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
11 Ary namaly
izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy
manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
12 Dia avy koa
ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô,
inona no hataonay?
13 Ary hoy izy
taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14 Ary nisy
miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia
hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary
mianina amin'ny karamanareo.
15 Fa raha
mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy,
na tsia,
16 dia namaly
Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano,
fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho;
Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
17 eny
an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany
ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo
tsy azo vonoina.
18 Ary fananarana
maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.
19 Fa Heroda
mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy
noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20 dia nanidy an'i
Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.
21 Ary rehefa natao
batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia
nisokatra ny lanitra;
22 ary ny Fanahy
Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy
feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no
sitrako.
23 Ary tokony ho efa
telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i
Josefa, izay zanak'i Hely,
24 zanak'i Matata,
zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,
25 zanak'i Matitia,
zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay,
26 zanak'i Mata,
zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda,
27 zanak'i Joanana,
zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela*, zanak'i Nery,[*Gr.
Salatiela]
28 zanak'i Melky,
zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,
29 zanak'i Jesosy,
zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy,
30 zanak'i Simeona,
zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,
31 zanak'i Melea,
zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
32 zanak'i Jese,
zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona,
33 zanak'i Aminadaba,
zanak'i Arny*, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[*Na: (Arama)]
34 zanak'i Jakoba,
zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
35 zanak'i Seroga,
zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela,
36 zanak'i Kenana,
zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka,
37 zanak'i Metosela,
zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,
38 zanak'i Enosa, zanak'i
Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
1 Ary Jesosy feno ny
Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany
an-efitra efa-polo andro Izy
2 ka nalain'ny devoly
fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa
tapitra izany, dia noana Izy.
3 Ary hoy ny devoly
taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
4 Fa Jesosy namaly
azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8.
3).
5 Ary ny devoly
nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra
amin'izao tontolo izao.
6 Dia hoy ny devoly
taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa
natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
7 koa raha hiankohoka
eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
8 Fa Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary
Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).
9 Ary nitondra Azy
nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao
taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
10 fa voasoratra hoe:
Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
11 Ary eny an-tànany
no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal.
91. 11, 12).
12 Fa Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao
(Deo. 6. 16).
13 Ary rehefa
nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
14 Ary Jesosy
niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany
rehetra manodidina ny lazany.
15 Ary Izy
nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra.
16 Dia tonga tao
Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny
synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
17 Dia natolotra Azy
ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny
voasoratra hoe:
18 Ny Fanahin'i
Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny
malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy
fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
19 Hitory ny taona
ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).
20 Ary rehefa
nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary
nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga.
21 Ary Jesosy niteny
taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
22 Ary izy rehetra
nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka
hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity?
23 Ary hoy kosa
Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody,
sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto
amin'ny taninao koa.
24 Ary hoy koa Izy:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny
taniny.
25 Fa lazaiko
aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny
andron'i Elia, raha nihantona ny andro* telo taona sy enim-bolana, ka nisy
mosary mafy tamin'ny tany rehetra;[*Gr.nirindrina ny lanitra]
26 nefa tsy mba
nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any
amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena.
27 Ary maro no boka
teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy
nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
28 Dia tezitra loatra
izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany,
29 ka nitsangana izy,
dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny
havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana.
30 Nefa Izy namaky
teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
31 Ary nidina tany
Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.
32 Dia talanjona ny
olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
33 Ary nisy olona tao
amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso
tamin'ny feo mahery izy
34 ka nanao hoe:
Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy
handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
35 Fa Jesosy niteny
mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony
namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
36 Ary talanjona
avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny
fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
37 Ary niely
teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
38 Ary nony
nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i
Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka
taminy hahasitrana azy.
39 Dia
nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala
tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy
ireo.
40 Ary raha
nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina
samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra
tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
41 Ary nisy
demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.
Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
42 Ary nony
maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka
nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
43 Fa hoy Izy
taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no
nanirahana Ahy.
44 Ary Izy
nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.
1 Ary raha nifanizina
taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo
amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy;
2 ary nahita
sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala
taminy ka nanasa ny haratony.
3 Ary niditra teo
amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka
kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny
vahoaka.
4 Ary rehefa
nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny
lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
5 Fa Simona namaly ka
nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo
na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
6 Ary rehefa nataony
izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
7 Ary izy nanatsika
ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny
sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
8 Ary rehefa
hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao
hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
9 Fa talanjona
izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony.
10 Ary toy
izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i
Simona. Dia hoy Jesosy
tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no
ho azonao.
11 Ary rehefa
nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra
ka nanaraka an'i Jesosy.
12 Ary raha tao
an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony
nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety
Hianao, dia mahay manadio ahy.
13 Ary Jesosy
naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao.
ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay.
14 Ary Jesosy
nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy
Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny
nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
15 Fa mainka niely bebe
kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina
tamin'ny aretiny.
16 Ary niala teo Izy,
dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
17 Ary tamin'ny andro
anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny
mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia
ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
18 Ary, indro, nisy
nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay
hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
19 Ary satria tsy
nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo
an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy
mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.
20 Ary raha hitan'i
Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
21 Fa ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy* Ity?
Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?[*Gr. manao blasfemia;
izahao Mat. 9.3]
22 Fa Jesosy
nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no
mieritreritra ao am-ponareo?
23 Iza moa no
moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe:
Mitsangàna, ka mandehana?
24 Fa mba ho
fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela
heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe:
Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
25 Ary tamin'izay dia
nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody
sady nankalaza an'Andriamanitra.
26 Ary talanjona
avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra
indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
27 Ary rehefa afaka
izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo
am-pamorian-ketra*; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[*Izahao Mat. 9,9]
28 Ary nahafoy ny
zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
29 Ary Levy nanao
fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy
olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
30 Fa ny Fariseo sy
ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka
nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra
sy ny mpanota?
31 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
32 tsy avy hiantso ny
marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
33 Ary hoy izy ireo
taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny
Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
34 Ary hoy Jesosy
taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy
ihany ny mpampakatra?
35 Fa ho avy ny
andro; ary rehefa voaisotra* ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro
izany vao hifady izy.[*Na: Ny andro izay hanesorana]
36 Ary Izy nanao
fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao
hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny
vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka
amin'ny tonta.
37 Ary tsy misy olona
manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao
mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny
hoditra;
38 Fa ny divay vaovao
dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
39 Tsy misy olona,
rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no
tsara*.[*Na: tsaratsara kokoa]
1 Ary tamin'ny Sabata
anankiray* dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny
salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.[* Na:
faharoa manaraka ny voalohany].
2 Fa ny Fariseo
sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata?
3 Ary Jesosy namaly
azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida,
raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
4 fa niditra tao
an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome
he an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny
mpisorona ihany?
5 Ary hoy Izy taminy:
Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
6 Ary nony tamin'ny
Sabata hafa koa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy
lehilahy anankiray maty* tanana tao.[*Gr. efa maina, na malazo]
7 Ary ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata
Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
8 Fa Jesosy nahalala
ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka
mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
9 Ary hoy Jesosy
tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny
Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?
10 Ary nijery azy
rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao.
Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
11 Dia safotry ny
hatezerana* izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesosy.
12 Ary tamin'izany
andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary
naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
13 Ary nony maraina
ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny
folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
14 dia Simona, izay
nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy
Bartelemeo
15 sy Matio sy Tomasy
sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
16 sy Jodasy,
zanak'i* Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika. [* Na: rahalahin'i]
17 Ary Jesosy
niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro
mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany
amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy
hositranina amin'ny aretiny;
18 ary izay
nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina.
19 Ary ny vahoaka
rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy
rehetra.
20 Ary Jesosy dia
nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa
anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
21 Sambatra ianareo
noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny,
fa hihomehy ianareo.
22 Sambatra ianareo,
raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny
anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
23 Mifalia ianareo
amin'izany andro izany, ka mibitaha*; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any
an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.[*Na: miantsambora]
24 Fa lozanareo izay
manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
25 Lozanareo izay
voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be
ory sy hitomany ianareo.
26 Lozanareo,
raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny
mpaminany sandoka.
27 Kanefa hoy
Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay
mankahala anareo;
28 misaora izay
manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.
29 Raha misy
mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy
maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
30 Omeo izay
rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka
izany aminy.
31 Ary araka
izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
32 Fa raha izay tia
anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota
koa aza mba tia izay tia azy.
33 Ary raha izay
manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo?
fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
34 Ary raha
mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa
tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota,
handraisany toraka izany indray.
35 Fa tiava ny
fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na
amin'inona*, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra
ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[*Na: aza
manantena valiny]
36 Aoka ho mpamindra
fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
37 Ary aza mitsara,
dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà,
dia mba havela ianareo;
38 omeo, dia mba
homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny
ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
39 Ary Jesosy nanao
fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera
any an-kady va izy roa?
40 Ny mpianatra tsy
mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny
mpampianatra azy ihany.
41 Ary nahoana ianao
no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry
izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
42 Ary ahoana no
ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo
amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry
mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany
dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny
rahalahinao.
43 Fa tsy misy hazo
tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
44 Fa samy fantatra
amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na
voaloboka amin'ny voaroy.[*aviavimbazaha]
45 Ny olona tsara
fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy
fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny
vavany.
46 Ary nahoana
ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
47 Izay rehetra
manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankaṭ azy, dia hasehoko aminareo izay
tahaka azy:
48 Tahaka ny olona
nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny
vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny
riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana* izy.[*Na: naorina
teo ambonin'ny vatolampy izy]
49 Fa izay mandre, fa
tsy mankaṭ, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy
nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka
tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.
1 Ary rehefa vitan'i
Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany
Kapernaomy Izy.
2 Ary ny
mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
3 Koa raha
nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo
aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
4 Ary rehefa
tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika
ny hanaovanao izany izy,
5 satria tia ny
firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
6 Ary Jesosy
nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay
kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza
manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny
tafon-tranoko aho.
7 Koa na dia ny
tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia
ho sitrana ny ankizilahiko.
8 Fa izaho koa mba
lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho
amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia,
dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
9 Ary nony nahare
izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka
izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy
izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
10 Ary nony
tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
11 Ary taoriana
kelin'izany* Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny
mpianany sy ny vahoaka betsaka.[*Na: (nony ampitson'iny)]
12 Ary rehefa mby teo
akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy
anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena
ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
13 Ary nony
nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza
mitomany.
14 Ary nanatona
Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy:
zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
15 Dia niarina
ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
16 Ary
raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany
lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny
olony.
17 Dia niely
teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny
amin'izany zavatra izany.
18 Ary ny
mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
19 Ary Jaona
niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny
Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
20 Ary nony
tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa
naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola
hafa no andrasantsika?
21 Ary
tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny
aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
22 Dia namaly
Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo
sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka,
malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny
filazantsara.
23 Ary sambatra
izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
24 Ary rehefa
lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao
hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
25 Sa hizaha inona no
nalehanareo? Olona mitafy lamba soa* va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana
zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy]
26 Sa hizaha inona no
nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra
noho ny mpaminany izy.
27 Fa izy ilay
voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny
lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
28 Lazaiko aminareo:
Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely
indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.
29 Ary ny vahoaka
rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra,
satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.
30 Fa ny Fariseo sy
ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona
hataon'i Jaona batisa izy.
31 Tahaka ny inona
ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
32 Tahaka ny ankizy
madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina
taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay,
nefa tsy nitomany ianareo.
33 Fa tonga Jaona
Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana
demonia izy.
34 Tonga ny
Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia
hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
35 Fa ny fahendrena
dia hamarinin'ny zanany rehetra.
36 Ary ny Fariseo
anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao
an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
37 Ary, indro, nisy
vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana
tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra
izy;
38 ary nijanona teo
ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny
ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny
tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra,
39 Ary nony nahita
izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia
ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
40 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao
ary, Mpampianatra ô.
41 Nisy roa lahy
nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato,
ary ny iray kosa dimam-polo.
42 Ary raha tsy
nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
43 Simona
namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny
hevitrao.
44 Ary Jesosy nitodika
nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro
ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy
tamin'ny volon-dohany.
45 Tsy mba
nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra
nanoroka fatratra ny tongotro.
46 Ny lohako
tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny
tongotro.
47 Ary
amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa
izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
48 Dia hoy Izy
tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
49 Ary izay
niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela
heloka?
50 Ary hoy Izy
tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
1 Ary taoriana
kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny
filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka
Azy.
2 mbamin'ny
vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia
Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito,
3 sy Johana,
vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa
koa, izay nanompo azy* tamin'ny fananany. [*Na: Azy]
4 Ary nisy
vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna,
dia nanao fanoharana hoe Izy:
5 Nivoaka ny
mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana
ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina.
6 Ary ny sasany
dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo;
satria tsy nisy mandomando.
7 Ary ny sasany
dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja
azy.
8 Ary ny sasany
dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa
nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy
hihaino.
9 Ary ny
mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany.
10 Dia hoy Izy:
Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra;
fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary
hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena]
11 Koa izao no
hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.
12 Ireo teny
amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao
am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
13 Ireo teny
ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana;
nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro
isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
14 Ireo teny amin'ny
tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny
harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
15 Fa ireo teny
amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no
tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.
16 Tsy misy olona
mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa
ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
17 Fa tsy misy takona
izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
18 Koa tandremo ny
fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay
ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
19 Ary renin'i Jesosy
sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny
vahoaka.
20 Ary nisy nilaza
taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
21 Fa namaly Izy ka
nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny
tenin'Andriamanitra ka mankaṭ azy.
22 Ary tamin'ny andro
anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy
taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
23 Ary nony nandeha
ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina
tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
24 Ary nanatona izy,
dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy,
ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka
tonga tony tsara ny andro.
25 Ary hoy Izy
taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe:
Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
26 Dia nitody tany
amin'ny tanin'ny Gerasena* izay tandrifin'i Galilia izy.[*Na: (Gadarena)]
27 Ary raha niala
nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao
an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady
tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.
28 Fa nony nahita
an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny
tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy,
Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy.
29 Fa Izy nandidy ny
fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa
nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa
notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra
izy.
30 Ary Jesosy
nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa
demonia maro no efa niditra tao anatiny.
31 Ary nifona taminy
izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa.
32 Ary nisy kisoa
maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona
taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
33 Ary ny demonia,
rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo
kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka
dia maty* tany.[*Gr. kenda]
34 Ary nony hitan'ny
mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy
tany an-tsaha.
35 Dia nivoaka ny
olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia
nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo
anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
36 Ary izay efa
nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka.
37 Ary ny olona
rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena* manodidina dia nangataka an'i Jesosy
hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana
an-tsambokely ka niverina.[*Na: Gadarena]
38 Ary ny lehilahy
izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa
nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:
39 Modia ihany any
an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia
nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy
taminy.
40 Ary nony
tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy
rehetra.
41 Ary, indro, dia
tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka
tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
42 Fa nanana
zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty
razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
43 Ary nisy vehivavy
anankiray narary* roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra
tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.[*Gr. narary
nandeha rà]
44 Dia nankao
ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka
tamin'izay dia nijanona ny aretiny*.[*Gr. fandehanan'ny ràny]
45 Ary hoy
Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy
Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
46 Fa hoy
Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
47 Ary rehefa
hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy
sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra
izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay.
48 Ary hoy
Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao; mandehana soa
aman-tsara.[*Gr. nahavonjy]
49 Ary raha
mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny
synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
50 Fa Jesosy,
raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany,
dia ho velona* izy.[*Gr. voavonjy]
51 Ary raha tonga
tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy
Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.
52 Ary ny olona
rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty
izy, fa matory.
53 Dia nihomehy Azy
fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
54 Ary Jesosy dia
nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
55 Dia nody indray ny
ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.
56 Ary dia talanjona
ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny
zavatra efa natao.
1 Ary Jesosy niantso
ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka
ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
2 Ary Izy naniraka
ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
3 Ary hoy izy taminy:
Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na
mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
4 Ary izay trano
hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
5 Ary izay tsy
mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano
ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
6 Dia lasa nandeha
izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo
eny.
7 Ary Heroda
mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny
olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
8 ary hoy ny sasany:
Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany
fahiny no efa nitsangana.
9 Fa hoy Heroda: Raha
Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko
fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
10 Ary rehefa
niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy
nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin'ny tanàna atao hoe Betsaida.
11 Ary ny vahoaka,
nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
12 Ary nony efa ho
hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe:
Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha
handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
13 Fa hoy Izy taminy:
Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy
hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra
ireo.
14 Fa tokony ho dimy
arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy
ka tokony ho dimam-polo avy.
15 Dia nataony izany,
ka nampipetraka azy rehetra izy.
16 Ary rehefa
noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra
Izy, ka nanaovany* fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany
harosony eny anoloan'ny vahoaka.[*Na: nasiany]
17 Dia nihinana izy
rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa
ambin'ny folo harona.
18 Ary raha nivavaka
tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy
Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
19 Dia namaly ireo ka
nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny
sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa
nitsangana.
20 Fa hoy Izy taminy:
Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny
Kristin'Andriamanitra.
21 Ary Izy niteny
mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona
22 ka nanao hoe: Ny
Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny
mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo
dia hatsangana.
23 Ary hoy koa Jesosy
tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia
hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.
24 Fa na iza na iza
no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy
noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
25 Fa inona no soa
azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy*, na
matiantoka, izany izy?[*Na: ny fanahiny]
26 Fa na iza na iza
no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha
avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
27 Fa lazaiko
aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana
mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
28 Ary rehefa tokony
ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary
Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29 Ary raha mbola
nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy
sady nanelatrelatra.
30 Ary, indreo,
nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
31 izay niseho
tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
32 Ary efa
navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany* izy,
dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.[*Na: Nony
nahatsiaro tsara]
33 Ary tamin'ny
nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara
raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho
Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy
fantany izay nolazainy.
34 Ary raha
mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha
niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
35 Ary nisy feo
avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
36 Ary rehefa
nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy
nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny
amin'izay zavatra efa hitany.
37 Ary nony
ampitson'iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka
betsaka nitsena an'i Jesosy.
38 Ary, indro,
nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe:
Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! fa zanako-lahy
tokana izy.
39 Ary, indro,
misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy
mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany
aminy ka mahatorotorovana azy.
40 Ary
nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
41 Ary Jesosy
namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ
ny zanakao.
42 Ary raha
mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny
demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy;
dia natolony tamin-drainy indray izy.
43 Dia talanjona izy
rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny
hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra
tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
44 Ampidironareo ao
amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo
an-tànan'ny olona.
45 Nefa tsy azon'ny
mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra
hanontany Azy ny amin'io teny io izy.
46 Dia nisy
fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.
47 Ary Jesosy
nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo
anoloany;
48 ary hoy Izy
tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray
Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay
kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
49 Ary Jaona
namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny
anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
50 Fa hoy Jesosy taminy:
Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
51 Ary rehefa ho
tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
52 Ary nandefa iraka
hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay
an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.
53 Fa tsy nandray Azy
ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
54 Ary raha hitan'i
Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny
izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy*?[*Ampio hoe:
toy ny nataon'i Elia]
55 Fa Izy nitodika,
dia niteny mafy azy*.[*Ampio hoe: ka nanao hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny
fanahy izay anareo. Fa ny Zanak'olona tsy tonga hahavery ny ain'olona, fa
hamonjy azy]
56 Dia nankany amin'ny
vohitra hafa Izy.
57 Ary nony nandroso
teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao
aho na aiza na aiza halehanao.
58 Fa hoy Jesosy
taminy: Ny amboahaolo* manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa
ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[*volpa]
59 Ary hoy Izy
tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha
handeha handevina ny raiko.
60 Fa hoy
Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa
mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra.
61 Ary hoy ny
anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha
hanao veloma ny ao an-tranoko.
62 Fa hoy
Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika
ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
1 Ary nony
afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka
azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa
halehany.
2 Ary hoy Izy
taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny
Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
3 Mandehana;
indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia*.[*
lopa]
4 Aza mitondra
kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny
an-dalana.
5 Ary izay trano
idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin'ity trano ity.
6 Ary raha misy
zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha
tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
7 Ary mitoera ao
amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny
mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
8 Ary izay tanàna
iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo
anoloanareo.
9 Ary sitrano izay
marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny
fanjakan'Andriamanitra.
10 Fa izay tanàna
iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny
lalambe, ka lazao hoe:
11 Ny vovoky ny
tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga
anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny
fanjakan'Andriamanitra.
12 Lazaiko aminareo
fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho
amin'izany tanàna izany.
13 Lozanao, ry
Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa
lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba
fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona.
14 Fa ho moramora
kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
15 Ary ianao, ry
Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny
fiainan-tsi-hita* ianao.[*Gr. Hadesy]
16 Izay mihaino
anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy
dia mandà Izay naniraka Ahy.
17 Ary ny fito-polo
lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza
dia manaiky anay noho ny anaranao.
18 Fa hoy Jesosy taminy:
Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
19 Indro, efa nomeko
fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny
fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
20 Kanefa aza mifaly
ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any
an-danitra ny anaranareo.
21 Ary tamin'izany
ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao
Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy
ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany
no sitrakao.
22 Ny zavatra rehetra
dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
23 Ary nitodika
tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita
izay hitanareo.
24 Fa lazaiko
aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy
nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
25 Ary, indro, nisy
mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra
ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
26 Ary hoy Izy
taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
27 Ary izy namaly ka
nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny
fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary,
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
28 Ary hoy Jesosy
taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
29 Fa izy
ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
30 Ary Jesosy namaly
ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko
ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia
nilaozany, rehefa saiky maty.
31 Ary sendra nisy
mpisorona anankiray nidina tamin'izany lalana izany; ary raha nahita
an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
32 Ary toy izany koa
ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
33 Fa nisy kosa
Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony
nahita azy, dia onena.
34 Dia nanatona izy,
ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny
tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
35 Ary nony
ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny,
sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao
mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
36 Iza moa amin'izy
telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy?
37 Ary hoy izy:
Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy
izany koa.
38 Ary raha
nandeha izy ireo, dia niditra teo amin'ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy
vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
39 Ary izy
nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo
ka nihaino ny teniny.
40 Fa Marta
sahirana tamin'ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy
mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy
manampy ahy izy.
41 Fa ny Tompo namaly
ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
42 nefa zavatra iray
loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
1 Ary Jesosy nivavaka
tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany
anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i
Jaona ny mpianany.
2 Ary hoy Izy taminy:
Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô* hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao**. [*
Na: Rainay Izay any an-danitra] [** Ampio hoe: (Hatao anie ny sitraponao
etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra)]
3 Omeo anay
isan'andro izay hanina sahaza ho anay.
4 Ary mamelà ny
helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay
ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy].
5 Ary hoy Jesosy
taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka
hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
6 fa ny sakaizako
nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
7 ary ilay ao
an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny
varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka
hifoha hanome anao aho?
8 Hoy Izaho aminareo:
Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy
noho ny fitarainany fatratra* ka hanome azy izay ilainy.[*Gr.tsi-fitandroany
henatra]
9 Ary hoy izaho
aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo;
dondony, dia hovohana ianareo.
10 Fa izay rehetra
mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandonḍna no
hovohana.
11 Fa iza moa
aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha
angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano?
12 ary raha
angatahany atody, no hanome azy maingoka?
13 Koa raha
ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy
mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay
mangataka aminy?
14 Ary Jesosy
namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka
dia gaga ny vahoaka.
15 Fa hoy ny
sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia.
16 Fa ny sasany
kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
17 Fa Izy
nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay
miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
18 Ary raha
Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy
ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
19 Fa raha
Izaho mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no
amoahan'ny zanakareo azy? koa amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo.
20 Fa raha ny
rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny
fanjakan'Andriamanitra.
21 Raha ny mahery
mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
22 Fa raha avy kosa
izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay
nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
23 Izay tsy momba Ahy
dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
24 Raha mivoaka
amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy,
mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko
izay nivoahako aho.
25 Ary nony tonga
izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
26 Ary dia mandeha
izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka
mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
27 Ary raha nilaza
izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao
taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
28 Fa Izy nanao hoe:
Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka
mitandrina izany.
29 Ary raha mbola
niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka
ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny
famantarana ny amin'i Jona;
30 Fa tahaka an'i
Jona izay famantarana tamin'ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona
amin'ity taranaka ity.
31 Ny mpanjakavavy
avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity
amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany
izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona
eto.
32 Ny olona tany
Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka
hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro,
misy lehibe noho Jona eto.
33 Tsy misy olona
mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana,
fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
34 Ny masonao no
jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa
raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
35 Koa tandremo,
fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
36 Ary amin'izany,
raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy
rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
37 Ary raha mbola
niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra
Izy ka nipetraka nihinana.
38 Fa gaga ilay
Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
39 Fa hoy ny Tompo
taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny
lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
40 Ry adala!
Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
41 Fa ny zavatra eo anatiny
no aoka homenareo ho fiantrana*, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra
rehetra.[*Na: Manaova fiantrana araka izay azonareo atao]
42 Fa lozanareo,
Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly
rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana
an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo
ireroana.
43 Lozanareo,
Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fiarahabana any
an-tsena ianareo.
44 Lozanareo, fa
ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka
azy.
45 Ary ny anankiray
tamin'ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny
izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
46 Fa hoy Jesosy:
Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina
ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin'ny
rantsan-tananareo iray aza.
47 Lozanareo! fa
manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono
azy.
48 Dia vavolombelona
ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa
manao ny rarivatom-pasany.
49 Koa izany no
nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho
any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
50 mba hadinina
amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny
nanorenana izao tontolo izao,
51 dia hatramin'ny
ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara
sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka
ity izany.
52 Lozanareo, mpahay
lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; ianareo tsy niditra,
ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
53 Ary raha niala teo
Izy, dia noteren*'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy
zavatra maro.[*Na: tezitra mafy taminy]
54 Dia nihendry Azy
izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny teny naloaky ny vavany.
1 Ary tamin'izany,
raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny
tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny
masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[*Na: niteny tamin'ny
mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]
2 Fa tsy misy
nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
3 Koa na inona na
inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay
bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny
tampon-trano.
4 Ary lazaiko
aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka
izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
5 Fa hasehoko anareo
izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo*,
rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[*Gr. Gehena]
6 Tsy eranambatry va
no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra
ireny na dia iray akory aza.
7 Fa na dia ny
volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina
maro ianareo.
8 Fa lazaiko
aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny
Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;
9 Fa izay mandà Ahy
eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.
10 Fa na zovy na zovy
no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay
miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao
blasfemia; izahao Mat.9.3]
11 Ary raha mitondra
anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia
aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
12 fa ny Fanahy
Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.
13 Ary nisy anankiray
teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny
rahalahiko mba hizara lova amiko.
14 Fa hoy Izy taminy:
Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
15 Ary hoy Izy
tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo;
fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
16 Dia nanao
fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray
nahavokatra be.
17 Ary izy nihevitra
tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny
vokatro aho?
18 Ary hoy izy: Izao
no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa,
ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
19 Dia hilaza amin'ny
fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona
maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
20 Fa Andriamanitra
kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka
ho an'iza izay zavatra noharinao?
21 Toy izany izay
mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny
amin'Andriamanitra.
22 Ary hoy Jesosy
tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny
ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.
23 Fa ny aina
mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
24 Hevero ny goaika;
fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano
fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny
vorona va ianareo?
25 Ary iza moa ao aminareo,
na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany*, na dia kely monja** aza?
[*Na: ny halavan'ny tenany] [**Gr. hakiho iray]
26 Koa raha ny kely
indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?
27 Hevero ny
fanirin'ny voninkazo*; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na
dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny
anankiray amin'ireny.[* Karazan'ny lilia]
28 Ary raha ny ahitra
izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no
ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
29 Koa aza mitady
izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana*.[*Na: aza
aingaingain'ny fanantenana foana]
30 Fa ny jentilisa
amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo
mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
31 Kanefa katsaho ny
fanjakany*; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[*Na: (ny
fanjakan'Andriamanitra)]
32 Aza matahotra, ry
ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
33 Amidio ny
fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho
anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny
mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
34 Fa izay itoeran'ny
harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
35 Aoka hisikina ny
valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
36 ary aoka ianareo
ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny
fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandonḍna izy, dia vohany miaraka
amin'izay.
37 Sambatra ny
mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo
marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy
ka hanompo azy.
38 Ary na avy amin'ny
fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka
mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
39 Ary fantaro izao,
fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho
niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
40 Dia miomàna koa
ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.
41 Ary hoy Petera:
Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
42 Ary hoy ny Tompo:
Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny
tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?
43 Sambatra ny
mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
44 Lazaiko aminareo
marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
45 Fa raha manao
anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka
dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka
mamo,
46 dia ho avy ny
tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora
izay tsy fantany, dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny tsy
mahatoky.[*Na: hokapohiny mafy]
47 Fa ilay mpanompo
izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky
ny fony dia hokapohina be.
48 Fa izay tsy
nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely.
Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be,
dia bebe kokoa no hadinina aminy.
49 Tonga hanipy afo
etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany
sahady*?[*Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?]
50 Ary manana batisa
hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
51 Ataonareo va fa
tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa
fampisarahana.
52 Fa hatramin'izao
dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny
roa hanohitra ny telo.
53 Hisara-tsaina
ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy;
ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny
rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny
rafozani-vavy.
54 Ary hoy Jesosy
tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka
amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
55 Ary raha avy any
atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
56 Hianareo
mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina;
fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
57 Nahoana ianareo no
tsy mahalala mitsara araka ny marina*? [*Na: Nahoana ianareo no tsy mahay
mitsara marina avy ao am-ponareo ihany?]
58 Fa raha
miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha
mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra
anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny
mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
59 Lazaiko aminao fa
tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
1 Ary tamin'izany
andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny
Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny.
2 Fa Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra
noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?
3 Tsia, hoy Izaho
aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo
rehetra.
4 Ary ireny valo
ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo
va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
5 Tsia, hoy Izaho
aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo
rehetra.
6 Ary nanao ity
fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo
an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
7 Ka dia hoy izy
tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga
nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba
ny tany?
8 Fa ny mpamboatra
namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity
mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
9 angamba mbola hamoa
izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
10 Ary nampianatra
tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.
11 Ary, indro, nisy
vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko
izy ka tsy nahatraka akory.
12 Ary rehefa nahita
azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny
rofinao ianao.
13 Dia nametraka ny
tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza
an'Andriamanitra.
14 Ary ny mpanapaka
ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly
ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia
hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
15 Fa namaly azy ny
Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny
borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra
azy hisotro rano?
16 Koa ity vehivavy
zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona
izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro
Sabata va?
17 Ary raha nilaza
izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra
nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
18 Dia hoy Jesosy:
Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
19 Tahaka ny
voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry
ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
20 Ary hoy koa
Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?
21 Tahaka ny
masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony* tao amin'ny koba
intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.[*Gr. nafeniny]
22 Ary Jesosy nandeha
nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
23 Dia hoy ny
anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny
olona:
24 Miseseha hiditra
amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady
hiditra, fa tsy ho afaka.
25 Rehefa mitsangana
ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano
mandonḍna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka
hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
26 ary amin'izay
ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary
nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
27 Fa Izy hiteny hoe:
Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko,
ianareo rehetra mpanao meloka.
28 Any no hisy ny
fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba
ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny
tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
29 Ary ho tonga avy
any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo
ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
30 Ary, indro, misy
ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
31 Tamin'izany ora
izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy
hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
32 Fa hoy Izy taminy:
Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo* izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy
mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny
amiko.[* volpa]
33 Kanefa tsy maintsy
mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy
azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
34 Ry Jerosalema, ry
Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao,
impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao
ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
35 Indro, avela ho
anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo
mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal.
118. 26).
1 Ary raha niditra
mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny
Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
2 Ary, indro, nisy
olona manirano anankiray teo anatrehany.
3 Ary Jesosy namaly
ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana
amin'ny Sabata, sa tsia?
4 Fa tsy niteny ireo.
Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
5 Ary Izy nanao
tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao
an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny
andro Sabata aza?
6 Ary tsy
nahavaly ny amin'izany zavatra izany izy.
7 Ary Jesosy
nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha,
ka nanao taminy hoe:
8 Raha misy
maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana
aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
9 ary ho avy izay
nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho
menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra.
10 Fa raha misy
manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary
rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza,
mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra
miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
11 Fa izay rehetra
manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
12 Ary hoy Jesosy
tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny
sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao,
na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia
ho voavaliny ianao.
13 Fa raha manao fanasana
ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
14 dia ho sambatra
ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny
fitsanganan'ny marina.
15 Ary ny anankiray
tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy
hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
16 Fa hoy Jesosy
taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17 Ary naniraka ny
mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe:
Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
18 Fa izy rehetra dia
nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany
aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; maśna ianao, ekeo ny fandavako.
19 Ary hoy ny
anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; maśna
ianao, ekeo ny fandavako.
20 Ary hoy ny
anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.
21 Ary nony
tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny
tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny
amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy
ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
22 Ary hoy ilay
mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny
trano.
23 Ary hoy ny
tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly,
ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
24 Fa lazaiko
aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia
iray akory aza.
25 Ary nisy
vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
26 Raha misy
manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany
sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena
ho mpianatro izy.
27 Na zovy na
zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena
ho mpianatro izy.
28 Fa iza moa
aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho
lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
29 fandrao,
rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra
mahita
30 ka hanao hoe: Io
olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
31 Ary iza moa no
mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba
haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray
alina izy, na tsia?
32 Fa raha tsy izany,
raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka
fihavanana.
33 Ary toy izany koa
ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho
mpianatro.
34 Koa tsara ny sira;
fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
35 Tsy mahasoa ny
tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino,
aoka izy hihaino.
1 Ary ny mpamory
hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy.
2 Dia nimonomonona ny
Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka
miara-mihinana aminy.
3 Fa Izy nanao izao
fanoharana izao taminy hoe:
4 Iza moa no olona
aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy
amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
5 ary rehefa
hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
6 ary rehefa
tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe:
Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.
7 Lazaiko
aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray
izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy
tokony hibebahany.
8 Ary iza moa
no vehivavy manana farantsakely* folo, ka very ny anankiray, no tsy
mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany
azy?[*Gr.drakma]
9 Ary raha
hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe:
Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely* izay very.[*Gr. drakma]
10 Lazaiko
aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny
amin'ny mpanota iray izay mibebaka.
11 Ary hoy
Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.
12 Ary hoy ilay
zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia
nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany.
13 Ary nony
afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany
an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany.
14 Ary rehefa
laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany,
ka nahantra izy.
15 Dia nandeha
izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia
nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.
16 Ary satriny
hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.
17 Ary raha
nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko
manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!
18 Hiainga aho,
dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny
lanitra sy teo anatrehanao aho
19 ka tsy
miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny
olona karamainao aho.
20 Dia niainga
izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena
azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
21 Ary ilay
zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo
anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.
22 Fa rainy
kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra
ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
23 ary ento ny
zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;
24 fa ity zanako ity
efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
25 Fa tany an-tsaha
ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre
zava-maneno sy dihy.
26 Ary niantso
ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany.
27 Ary hoy ilay ankizilahy
taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria
efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.
28 Dia tezitra izy ka
tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.
29 Fa izy namaly ka
nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy
mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola
nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako;
30 fa raha vao tonga
kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia
namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao.
31 Ary hoy rainy
taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra
ananako.
32 Fa mety ny mifaly
sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very,
fa hita indray.
1 Ary hoy koa Jesosy
tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny
fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.
2 Ary nampaka azy izy
ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny
fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
3 Ary ilay
mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny
tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko;
ny mangataka mahamenatra ahy.
4 Fantatro izay
hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny
fitandremana ny fananana aho.
5 Dia niantso izay
rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany
hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?
6 Ary hoy io: Diloilo
injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary
mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. [*Gr. bata]
7 Dia hoy izy
tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary
injaton'ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka
valo-polo no soraty.[*Gr. kora]
8 Ary ny tompony
nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao
tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny
mazava.
9 Ary hoy Izaho
aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba
horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.
10 Ary izay mahatoky
amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny
kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.
11 Koa raha tsy
mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny
tena harena?
12 Ary raha tsy
mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
13 Tsy misy mpanompo
mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na
ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo
an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.
14 Ary ny Fariseo,
izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy.
15 Ary hoy Jesosy
taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra
mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia
fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.
16 Ny lalàna sy ny
mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny
filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
17 Fa ho moramora
kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny
tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna.
18 Izay rehetra
misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy
voasaotra dia mijangajanga koa.
19 Nisy lehilahy
manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady
nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana.
20 Ary nisy
olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
21 ary naniry mba
hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika
kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy]
22 Ary maty ilay
malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay
manan-karena, dia nalevina;
23 ary raha nijaly
tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny
lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy]
24 Ary izy niantso ka
nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba
hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny
lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
25 Fa hoy Abrahama:
Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary
Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao
kosa no fadiranovana.
26 Ary mihoatra noho
izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy
ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita
hanketỳ aminay izay eny.
27 Dia hoy izy:
Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny
tranon'ny raiko
28 (fa manana
rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity
fijaliana ity koa izy.
29 Fa hoy Abrahama
taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
30 Fa hoy kosa izy:
Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia
hibebaka izy.
31 Fa hoy Abrahama
taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino
izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.
1 Ary hoy Jesosy
tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay
olona mahatonga izany!
2 Aleo anantonana
vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy
izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.[*Na:
ahodim-boriky]
3 Mitandrema ianareo;
fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia
mamelà ny helony.
4 Ary raha manota
aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe;
Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
5 Ary hoy ny
Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
6 Fa hoy ny
Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia
azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao
anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
7 Ary iza moa
aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy
tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha
hihinana?
8 Fa tsy hilaza
aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misiḱna, ka manompoa
ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo
mihinana sy misotro ianao?
9 Moa misaotra
izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
10 Dia tahaka
izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy
hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
11 Ary raha
niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i* Samaria sy
Galilia.[*Na: Teny anelanelan'i]
12 Ary raha
niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena
taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
13 Ary izy ireo
niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
14 Ary raha
hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary
rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
15 Ary ny
anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza
an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery
16 sady
niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny
lehilahy iny.
17 Dia namaly
Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
18 Moa tsy nisy hita
niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena
ity ihany va?
19 Ary hoy Izy
taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
20 Ary Jesosy, nony
nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia
namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.
21 Ary ny olona tsy
hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny
fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo]
22 Ary hoy Izy
tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny
andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo.
23 Ary ny olona
hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha
ianareo, na manaraka azy.
24 Fa tahaka ny
helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany
koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny,
25 Fa tsy maintsy
mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity.
26 Ary tahaka ny
tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:
27 nihinana izy,
nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro
izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka
nandringana azy rehetra.
28 Ary tahaka ny
tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly
izy, nanao trano izy;
29 fa tamin'ny andro
izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy
tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
30 Dia ho tahaka
izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.
31 Amin'izany andro
izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina
haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay
efa nilaozany izy.
32 Tsarovy ny vadin'i
Lota.
33 Na zovy na zovy
mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny
ainy dia hahazo izany.
34 Lazaiko aminareo
fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray
horaisina, ary ny anankiray havela.
35 Hisy roa
vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
36 * [* Ampio
hoe: Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray
havela]
37 Dia namaly
izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay
itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery.
1 Ary Jesosy
nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy
reraka,
2 dia nanao
hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra
an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
3 Ary nisy
mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao
hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
4 Ary tsy
nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia
tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
5 mba homeko rariny
ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva
izy ka hampahasosotra ahy.
6 Ary hoy ny Tompo:
Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
7 Fa Andriamanitra
tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina,
ary moa hitaredretra va Izy?
8 Lazaiko aminareo fa
homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana
etỳ ambonin'ny tany va Izy?
9 Ary Jesosy nanao
ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga
ny hafa;
10 Nisy roa lahy
niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny
anankiray mpamory hetra.
11 Ilay Fariseo
nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy
mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga,
na tahaka io mpamory hetra io aza.
12 Mifady indroa
isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
13 Fa ilay mpamory
hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra
akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko
mpanota.
14 Lazaiko aminareo:
Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray;
fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no
hasandratra.
15 Ary nisy nitondra
zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny
mpianatra, dia nandrara azy.
16 Fa Jesosy niantso
ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa
an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
17 Lazaiko aminareo
marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny
zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
18 Ary nisy mpanapaka
anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako
fiainana mandrakizay?
19 Fa hoy Jesosy
taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia
Andriamanitra.
20 Fantatrao ny didy
hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho
vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-16).
21 Ary hoy kosa izy:
Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22 Ary rehefa nandre
izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny
fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any
an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
23 Ary rehefa nandre
izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
24 Ary Jesosy, raha
nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena
amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
25 Fa ho moramora
kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny
manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
26 Ary izay nandre
dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
27 Fa hoy Jesosy:
Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
28 Dia hoy Petera:
Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
29 Ary hoy Jesosy
taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano,
na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,
30 izay tsy handray
be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia
fiainana mandrakizay.
31 Ary Jesosy naka ny
roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema
isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny
amin'ny Zanak'olona.
32 Fa hatolotra ho
amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33 ary hokapohiny sy
hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
34 Nefa tsy nisy
azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay
nolazainy.
35 Ary raha Jesosy
nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo
amoron-dalana.
36 Ary raha nandre ny
vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37 Ary hoy ny olona
taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38 Dia niantso mafy
ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39 Ary izay nandeha
teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka
nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40 Ary Jesosy
nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy,
dia nanontany azy Jesosy
41 ka nanao hoe:
Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
42 Dia hoy
Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
43 Ary niaraka
tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza
an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera
an'Andriamanitra.
1 Ary Jesosy
niditra ka nandeha namaky an'i Jeriko.
2 Ary, indro,
nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben'ny mpamory hetra sady
nanan-karena.
3 Ary nitady
hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan'ny olona nifanety,
satria fohy izy.
4 Dia
nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an'i Jesosy; fa efa handalo
tamin'izany lalana izany Izy.
5 Ary rehefa
tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina
faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
6 Dia nidina faingana
izy ka nampiantrano Azy sady faly.
7 Ary raha nahita
izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano
amin'izay lehilahy mpanota Izy.
8 Fa Zakaiosy kosa
nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny
fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny
fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
9 Ary hoy Jesosy
taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i
Abrahama koa.
10 Fa efa tonga ny
Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
11 Ary raha mbola
nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana,
satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny
fanjakan'Andriamanitra.
12 Dia hoy Izy: Nisy
andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana
hanjaka, dia hiverina.
13 Dia niantso folo
lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa* folo ka nanao taminy hoe:
Mandrantoa mandra-pihaviko. [*Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15]
14 Fa ny vahoakany*
nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky
hanjakan'iny lehilahy iny izahay.[*Na: vahoaka namany]
15 Ary nony
tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo
aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny
fandrantoana.
16 Dia tonga ny
voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony
farantsa folo.
17 Ary hoy izy
taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra
ianao, dia manapaha tanàna folo.
18 Dia tonga ny
anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa
dimy.
19 Ary hoy koa izy
tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.
20 Fa tonga kosa ny
anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko
voafono amin'ny mosara.
21 Fa natahotra anao
aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja
izay tsy nafafinao.
22 Ary hoy ny tompony
taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa
izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy
nafafiko;
23 koa nahoana no tsy
napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray
ny ahy mban-janany?
24 Ary hoy izy
tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay
manana farantsa folo
25 (Fa hoy ireo
taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
26 Lazaiko aminareo:
Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany
aza dia halaina aminy.
27 Fa ireo fahavaloko
tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako.
28 Ary rehefa niteny
izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
29 Ary raha nanakaiky
an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka
roa lahy tamin'ny mpianatra
30 ka nanao hoe:
Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao
ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola
nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento erỳ .
31 Ary raha misy
manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy
raharaha analan'ny Tompo azy.
32 Ary nony nandeha
ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
33 Ary raha namaha ny
zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny
zana-boriky?
34 Ary hoy izy:
Misy raharaha analan'ny Tompo azy.
35 Dia nitondra
azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny
zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
36 Ary raha
nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
37 Ary rehefa
nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly
avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho
ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
38 ka nanao
hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana
any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra.
39 Fa ny
Fariseo sasany, izay teo amin'ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô,
rarao ny mpianatrao.
40 Fa Izy namaly ka
nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
41 Ary raha nanakaiky
Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
42 ka nanao hoe: Raha
mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny
fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany.
43 Fa ho avy aminao
ny andro izay hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia
hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
44 ary hamongotra
anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato
mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
45 Ary niditra teo
an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
46 ka nanao taminy
hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa
ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
47 Ary nampianatra
isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny
mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
48 nefa tsy hitany
izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
1 Ary tamin'ny andro
anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory
ny filazantsara, dia nanatona ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny
loholona
2 ka niteny taminy
hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary
iza no nanome Anao izany fahefana izany?
3 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka
lazao amiko:
4 Ny batisan'i Jaona
avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona?
5 Dia niara-nisaina
izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia
hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
6 Fa raha
holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka
rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
7 Dia namaly
ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
8 Ary Jesosy
nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao
zavatra izao.
9 Dia nilaza
izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray
nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha
nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
10 Ary tamin'ny
fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray
amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka
nampandeha azy maina.
11 Dia naniraka
mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka
nampandehaniny maina.
12 Dia naniraka
anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
13 Dia hoy ny
tompon'ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako
aho; angamba hanaja azy izy.
14 Fa raha
nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova;
andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
15 Dia namoaka
azy tany ivelan'ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny
tanim-boaloboka ahoana moa izy amin'izany?
16 Hankany izy,
dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary
raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
17 Ary Jesosy
nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay
nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro? (Sal. 118. 22).
18 Izay rehetra
potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany
dia ho mongomongo.
19 Ary tamin'izany
ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona;
nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany
fanoharana izany.
20 Ary nizaha taratra
an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy
amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora.
21 Ary ireo nanontany
Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina
Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra:
22 Mety va raha
mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia?
23 Fa Jesosy
nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
24 Mampisehoa denaria
amiko. An'iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara.
25 Dia hoy Jesosy taminy:
Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay
an'Andriamanitra.
26 Ary tsy sahiny
nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny
famaliny ka nangina.
27 Ary ny sasany
tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka
nanontany Azy hoe:
28 Mpampianatra ô,
Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola
velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka
hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
29 Koa nisy
fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
30 Ary ny
faharoa
31 sy ny
fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito
mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
32 Ary farany
dia maty koa ravehivavy.
33 Koa amin'ny
fitsanganan'ny maty ho vadin'iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy
avokoa izy fito mirahalahy.
34 Ary Jesosy
nanao taminy hoe: Ny zanak'izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka
hampakarina;
35 fa izay atao
miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia
tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
36 ary tsy mety
maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria
zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
37 Ary Mosesy
aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha
nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary
Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6).
38 Fa Izy tsy mba
Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa
izy rehetra.
39 Ary ny
mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay
nolazainao.
40 Fa tsy nisy
sahy nanontany Azy intsony ireo.
41 Ary hoy Jesosy
taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida?
42 Fa Davida ihany no
milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe:
Mipetraha eo an-tanako ankavanana
43 Ambara-panaoko ny
fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal. 110. 1).
44 Davida amin'izany
manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?
45 Ary hoy Jesosy
tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra:
46 Mitandrema ny
amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary
te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny
synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,
47 ary mandany ny
tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia
hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
1 Ary Jesosy nanopy
ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny
fandatsahan-drakitra;
2 ary nahita
mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa* teo Izy.[*
Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray, tokony ho
variroaventy]
3 Dia hoy Izy:
Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka
be noho izy rehetra.
4 Fa ireo rehetra
ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa
izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay
nananany.
5 Ary nisy nilaza ny
tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
6 Ny amin'ireo
zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa
eto ka tsy horavana.
7 Ary izy ireo nanontany
Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho
famantarana, rehefa ho tonga izany?
8 Ary hoy Izy:
Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako
sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka
azy.
9 Ary raha handre ady
sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa
tsy dia miaraka amin'izay ny farany.
10 Ary hoy Izy
taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana
hamely fanjakana.
11 Ary hisy
horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy
hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
12 Ary raha tsy
mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary
hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo
anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13 Dia ho tonga ho
vavolombelona aminareo izany.
14 Koa aoreno ao
am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
15 fa Izaho no hanome
anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na
resena.
16 Ary hatolotry ny
ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny
sasany aminareo dia hovonoiny.
17 Ary ho halan'ny
olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18 Nefa tsy hisy ho
very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
19 Amin'ny
faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
20 Ary raha mahita
an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa
mby akaiky ny fandravana azy.
21 Ary izay any Jodia
amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao
Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy
hiditra ao an-tanàna intsony.
22 Fa ireo dia andro
famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
23 Fa lozan'ny
bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana
lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.
24 Dia ho ringana
amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary
Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
25 Ary hisy
famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ
ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho
ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,
26 ka ho reraka ny
fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga
ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho
faty aza]
27 Ary amin'izany
andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy
voninahitra lehibe izy.
28 Ary raha vao
miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa
manakaiky ny fanavotana anareo.
29 Ary Izy nanao
fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
30 Raha hitanareo fa
vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
31 Dia tahaka izany
koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho
fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.
32 Lazaiko aminareo
marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra
izany.
33 Ny lanitra sy ny
tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
34 Ary mitandrema,
fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana
ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny
fandrika izany andro izany.
35 Fa hihatra
amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany.
36 Fa miambena* ka
mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy
rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
37 Ary nony antoandro
dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy
ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
38 Ary ny vahoaka
rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.
1 Ary efa mby akaiky
ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro
atao hoe Paska.
2 Ary ny lohan'ny
mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa
natahotra ny olona izy.
3 Fa Satana niditra
tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny
folo lahy;
4 dia nankao amin'ny
lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny
amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.
5 Dia faly ireo ka
nanaiky hanome vola azy.
6 Ary nanaiky izy ka
nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona.
7 Ary tonga ny andro
fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny
Paska.
8 Ary Jesosy naniraka
an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
9 Ary hoy ireo
taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
10 Dia hoy Izy
taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra
siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany.
11 Dia lazao amin'ny
tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano
hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
12 Ary izy hanoro
anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no
amboary.
13 Dia nandeha izy ka
nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
14 Ary nony tonga ny
fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly.
15 Ary hoy Izy
taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny
mbola tsy mijaly Aho.
16 Fa lazaiko
aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao
amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
17 Ary nandray
kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
18 fa lazaiko
aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho
mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.
19 Ary nandray mofo
Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity
no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
20 Ary araka izany
koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena
vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.
21 Fa, indro, ny
tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.
22 Fa ny Zanak'olona
mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana
manolotra Azy!
23 Ary ireo
nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
24 Ary nisy koa
fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.
25 Ary hoy Jesosy
taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao
hoe mpanao soa.
26 Fa tsy mba toy
izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay
manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
27 Fa iza moa no
lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka
mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
28 Ary ianareo no
naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;
29 koa Izaho dia
manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,
30 mba hihinana sy
hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony
seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo,
31 Ary hoy ny Tompo:
Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny
vary.
32 Nefa Izaho
nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao,
dia ampaherezo ireo rahalahinao.
33 Ary hoy izy
taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho
amin'ny fahafatesana aza.
34 Fa hoy Jesosy:
Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà
intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
35 Ary hoy koa Izy
taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa
ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
36 Fa hoy Izy taminy:
Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy
izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka
hivarotra ny lambany izy ka hividy.
37 Fa lazaiko
aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy
natao ho isan'ny mpanota (Isa. 53. 12); fa efa ho tanteraka ny amiko.
38 Ary hoy ireo:
Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
39 Ary nivoaka
Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny
mpianatra koa nanaraka Azy.
40 Ary raha vao
tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy
hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
41 Ary Izy
nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
42 Raiko ô,
raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie
no hatao, fa ny Anao.
43 Ary nisy
anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
44 Ary
fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny
rà nipotrapotraka tamin'ny tany.
45 Ary nony
nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy
matorin'alahelo.
46 Dia hoy Izy
taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy
hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
47 Ary raha mbola
niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa
ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka
Azy.
48 Fa hoy Jesosy
taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?
49 Ary izay teo
aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny
sabatra va izahay?
50 Ary ny anankiray
teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
51 Fa Jesosy namaly
ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka
nahasitrana azy.
52 Ary hoy Jesosy
tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny
loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy
ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53 Raha teo aminareo
isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko
ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.
54 Ary izy ireo
nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary
Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
55 Ary raha namelona
afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
56 Ary ny ankizivavy
anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka
nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
57 Fa izy nandà ka
nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
58 Ary vetivety foana
rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa
mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
59 Ary rehefa afaka
tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio
nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
60 Fa hoy Petera:
Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola
niteny izy, dia nisy akoho naneno.
61 Ary ny Tompo
nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo
nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy
intelo ianao.
62 Ary nivoaka
Petera, dia nitomany mafy indrindra.
63 Ary ny lehilahy
izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
64 Ary rehefa
nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
65 Ary niteny ratsy
izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
66 Ary raha vao
nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny
mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao
hoe:
67 Raha Hianao no
Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho,
dia tsy hino ianareo.
68 Ary na dia
hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
69 Fa hatramin'izao
ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.
70 Dia hoy izy
rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa
Izaho no Izy.
71 Ary hoy ireo: Ka
inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre
tamin'ny vavany.
1 Ary ny olona
rehetra nitsangana ka nitondra an'i Jesosy tany amin'i Pilato,
2 dia niampanga Azy
ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa
hetra ho an'i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3 Ary Pilato
nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao
hoe: Voalazanao.
4 Dia hoy Pilato
tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok'ity Lehilahy
ity.
5 Fa vao mainka
nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran'i
Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
6 Raha nandre izany
Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
7 Ary rehefa fantany
fa avy tamin'ny tany tapahin'i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i
Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin'izany andro izany.
8 Ary faly dia faly
Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa
nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
9 Ary izy
nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
10 Ary ny
lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra
hiampanga Azy.
11 Ary Heroda
sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia
nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin'i Pilato.
12 Ary tonga
nisakaiza Heroda sy Pilato tamin'izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa
lahy talohan'izany.
13 Ary rehefa
nasain'i Pilato novorina ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
14 dia hoy izy
taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka;
ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay
helok'ity Lehilahy ity amin'izay iampanganareo Azy.
15 Tsia, na dia
Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra
nataony izay tokony hahafaty Azy;
16 koa
hofaizako Izy, dia halefako.
17 * [Ampio
hoe: 17 Fa tsy maintsy mandefa ny anankiray ho an'ny olona izy amin'ny andro
firavoravoana]
18 Fa izy rehetra
niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho
anay!
19 Nefa natao tao
an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny
vonoan-olona.
20 Ary satria tian'i
Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
21 Fa ny olona
niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
22 Fa hoy izy taminy
fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony
hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
23 Fa niantso
tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo
fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona.
24 Ary Pilato dia
nandidy hanao izay nangatahiny.
25 Ary dia nalefany
ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io
no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
26 Ary raha nitondra
an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay
vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i
Jesosy.
27 Ary nisy vahoaka
betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
28 Fa Jesosy nitodika
azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania
ny tenanareo sy ny zanakareo.
29 Fa, indro, ho avy
ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary
ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
30 Dia hilaza amin'ny
tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin'ny havoana hoe: Saṛny izahay
(Hos. 10. 8).
31 Fa raha ataony
amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana amin'ny maina?
32 Ary nisy
olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
33 Ary rehefa tonga
teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy
ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo
ankaviany.
34 Ary hoy Jesosy:
Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no
fizara ny fitafiany.
35 Ary ny olona
nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy
ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia
Ilay nofidina.
36 Ary ny miaramila
koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
37 sady nanao hoe:
Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
38 Ary nisy
soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY.
39 Ary ny
anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka
nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
40 Fa namaly
kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy
mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41 Ary marina
ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity
Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42 Ary hoy izy:
Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.
43 Dia hoy
Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any
Paradisa.
44 Ary rehefa
tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra
hatramin'ny ora fahasivy izany,
45 satria
nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny
tempoly.
46 Ary niantso
tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny
fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
47 Ary ny
kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka
nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
48 Ary ny
vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga
teo, dia niverina miteha-tratra.
49 Fa ny
olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia
nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
50 Ary, indro,
nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara
fanahy sady marina.
51 Izany
lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany
Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra.
52 Izany
lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy.
53 Dia
nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin'ny
fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
54 Ary andro
fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
55 Ary ny vehivavy
izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy
izay fampandriny ny faty.
56 Ary niverina ireo
ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra
ihany izy araka ny lalàna.
1 Fa nony maraina koa
tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy
nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
2 Ary hitany fa,
indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.
3 Dia niditra izy,
nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo.
4 Ary raha mbola very
hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana
manelatrelatra.
5 Ary nony natahotra
izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no
itadiavanareo ny velona?
6 Tsy ato Izy fa efa
nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany
Galilia, hoe:
7 Ny Zanak'olona tsy
maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana
ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.
8 Dia nahatsiaro ny
teniny izy.
9 Ary niverina niala
tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny
folo lahy sy ny namany rehetra.
10 Teo Maria
Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay
naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly.
11 Nefa nataony ho
arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
12 Fa Petera
nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka
nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny
zavatra izay tonga teo.
13 Ary, indreo, nisy
roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra
atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio* raha any Jerosalema.[*Na: Roa
ambin'ny folo kilometatra]
14 Dia niresaka ny
amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
15 Ary raha mbola
niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16 Nefa ny mason'ireo
nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
17 Ary hoy Izy
taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia
nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18 Ary ny anankiray,
izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny
mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala* izay zavatra tonga tao tamin'izao
andro izao?[* Na: Vahiny mitoetra irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy
mahalala]
19 Fa hoy Izy taminy:
Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy
avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo
anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
20 dia ny amin'ny
nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany
Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
21 Nefa nantenainay
fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no
andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany.
22 Nefa kosa ny
vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana
maraina koa izy,
23 ary raha tsy
nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay
nilaza fa velona Izy.
24 Dia nandeha ny
sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny
vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
25 Ary hoy Izy
taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
26 Moa tsy tokony ho
niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?
27 Dia nanomboka
hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry
ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra.
28 Ary efa mby teo
akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao
handeha lavitra kokoa.
29 Fa ireo nanery Azy
ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra
ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
30 Ary raha
niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia
namaky sy nanolotra azy.
31 Dia nahiratra ny
mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
32 Dia niresaka hoe
izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana
Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?
33 Dia niainga
tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita
ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo
34 sady nilaza hoe:
Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.
35 Ary ireo kosa dia
nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin'ny
namakiana ny mofo.
36 Ary raha mbola
nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe:
Fiadanana ho anareo.
37 Dia taitra sady
raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
38 Nefa hoy Jesosy
taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
39 Izahao ny tanako
sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba
manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
40 Ary rehefa
niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
41 Ary raha
mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy
Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
42 Ary dia nomeny
tapaky ny hazandrano voatono* Izy.[* Ampio hoe: sy tantely]
43 Ary Izy nandray,
dia nihinana teo anatrehany.
44 Dia hoy Izy
taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho,
fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i
Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
45 Dia nanokatra ny
sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
46 Ary hoy Izy
taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty
amin'ny andro fahatelo;
47 ary mba hotorina
amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra,
manomboka eto Jerosalema.
48 Ary ianareo no
vavolombelon'izany.
49 Ary, indro, Izaho
mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna
mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
50 Ary Jesosy nitondra
azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
51 Ary raha mbola
nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
52 Ary izy ireo
nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
53 Ary teo
an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.
Accès direct aux
chapitres de Jean : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21
1 Tamin'ny voalohany ny Teny,
ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2 Izy dia tao
amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
3 Izy no nahariana ny
zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao,
na dia iray aza.
4 Izy no
nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5 Ary ny mazava dia
mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy
mahasakana azy]
6 Nisy lehilahy
nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
7 Izy tonga ho
vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
8 Tsy izy anefa no
Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
9 Tao ny tena Mazava*
Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no
tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga
amin'izao tontolo izao]
10 Teo amin'izao
tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo
izao tsy nahalala Azy.
11 Tonga tany amin'ny
Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
12 Fa izay rehetra
nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny
anarany, [*Na: anarana, na fahefana]
13 dia ireo izay tsy
nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa
naterak'Andriamanitra.
14 Ary ny Teny dia
tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra
miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy
fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day]
15 Jaona nanambara
Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
16 Fa tamin'ny
fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
17 Fa ny lalàna dia
nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa
dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
18 Tsy nisy nahita
an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao
an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
19 Ary izao no
nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany
Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20 Ary nilaza marina
izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
21 Ary izy ireo
nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy
namaly hoe: Tsia.
22 Dia hoy ireo
taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay.
Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23 Dia hoy izy: Izaho
dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah
(Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
24 Ary iraka avy
tamin'ny Fariseo ireo.
25 Dia nanontany azy
ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no
Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26 Jaona namaly azy
ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray
Izay tsy fantatrareo,
27 dia Ilay avy ao
aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
28 Izany zavatra
izany dia natao tany Betania* any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona
batisa. [*Na: Betabara]
29 Nony ampitso dia
nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny
Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao!
[*Na: mitondra]
30 Izy Ilay nolazaiko
hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako
Izy.
31 Ary izaho tsy
nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao
batisa amin'ny rano.
32 Ary Jaona
nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka
ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
33 Ary izaho tsy
nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko
hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa
amin'ny Fanahy Masina.
34 Ary nahita aho, ka
dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
35 Nony ampitson'iny
indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
36 ary nijery an'i
Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
37 Ary ireo mpianatra
roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
38 Ary Jesosy
nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo?
Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô,
aiza Hianao no mitoetra?
39 Hoy Izy taminy:
Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary
nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo
tamin'izay.
40 Andrea,
rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny
tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
41 Izy no nahita an'i
Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay
atso hoe, raha adika, ny Kristy).
42 Dia nitondra azy
ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona,
zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*)
[*Petera = vato]
43 Nony ampitso dia
te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe:
Manaraha Ahy.
44 Ary Filipo
dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
45 Filipo kosa
nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy
tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy
any Nazareta.
46 Ary hoy
Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo
taminy: Andeha hizaha.
47 Jesosy
nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena
Isiraelita tsy misy fitaka.
48 Hoy Natanaela
taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe:
Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy* ianao.
[*aviavimbazaha]
49 Dia namaly
Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no
Mpanjakan'ny Isiraely.
50 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy
ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
51 Ary hoy koa Izy
taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra
misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny
Zanak'olona.
1 Ary tamin'ny andro
fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i
Jesosy.
2 Ary Jesosy sy ny
mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.
3 Ary rehefa lany ny
divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 Hoy Jesosy taminy:
Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
5 Fa hoy ny reniny
tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
6 Ary nisy siny vato
enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata* avy nipetraka teo ho fanadiovana
araka ny fanaon'ny Jiosy. [*Gr.metatra]
7 Dia hoy Jesosy
taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.
8 Ary hoy Jesosy
taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia
nentiny.
9 Ary raha nanandrana
ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay
nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny
mpampakatra izy
10 ka nanao taminy
hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa
nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa
nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo]
11 Izany no nataon'i
Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny;
ary nino Azy ny mpianany.
12 Rehefa afaka
izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny
ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
13 Ary efa akaiky ny
Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14 Ary hitany teo
an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny
mpanakalo vola izay nipetraka teo;
15 dia nanao kotopia
kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny
ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny
latabatra;
16 dia hoy Izy
tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao
trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
17 Ary ny mpianany
nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra
aina ahy (Sal. 69. 9).
18 Fa namaly ny Jiosy
ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao
zavatra izao Hianao?
19 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako
indray izy.
20 Fa hoy ny Jiosy:
Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va
hahatsangana azy amin'ny hateloana?
21 Fa ny tenany no
tempoly nolazainy.
22 Ary koa, rehefa
nitsangana tamin'ny maty Izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy;
ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy.
23 Ary nony tao
Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia tamin'ny andro firavoravoana, maro no
nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
24 Fa Jesosy tsy
natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
25 ary tsy nitady
olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona.
1 Ary nisy Fariseo
anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.
2 Izy nankao amin'i
Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy
amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana
ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
3 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka
indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na:
ateraka avy ambony]
4 Hoy Nikodemosy
taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra
any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
5 Jesosy namaly hoe:
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy
ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
6 Izay ateraky ny
nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
7 aza gaga noho ny
nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy
any ambony]
8 Ny rivotra mitsoka
amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay
alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
9 Nikodemosy namaly
ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
10 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany
zavatra izany?
11 Lazaiko aminao
marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no
ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
12 Raha ny zavatra
etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no
hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
13 Ary tsy nisy
niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny
Zanak'olona, Izay any an-danitra.
14 Ary tahaka
ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana
ny Zanak'olona,
15 mba hanana
fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
16 Fa toy izao no
nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba
tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
17 Fa Andriamanitra
tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao,
fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara]
18 Izay mino Azy dia
tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy
nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr.
voatsara]
19 Ary izao no
fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona
ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara]
20 Fa izay rehetra
manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita
miharihary ny asany.
21 Fa izay manao ny
marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao
amin'Andriamanitra izany.
22 Rehefa afaka
izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary
niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
23 Ary Jaona koa
nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia
nankany ny olona ka nataony batisa.
24 Fa tsy mbola natao
tao an-tranomaizina Jaona.
25 Ary nisy
nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana;
26 ary tonga tany
amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany
an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona
rehetra manatona Azy.
27 Jaona namaly ka
nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy
avy any an-danitra izany.
28 Hianareo no
vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
29 Izay manana ny
ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy
mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa
tanteraka izany fifaliako izany.
30 Izy tsy maintsy
mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
31 Izay avy any
ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany,
ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia
ambonin'izy rehetra;
32 koa izay
hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
33 Izay mandray ny
fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
34 Fa Izay
nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny
fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.
35 Ny Ray tia ny
Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
36 Izay mino ny
Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita
fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
1 Koa amin'izany,
rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra
maro sy manao batisa be noho Jaona
2 (kanefa tsy Jesosy
no nanao batisa, fa ny mpianany),
3 dia niala tany
Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4 Ary tsy
maintsy mamaky an'i Samaria Izy.
5 Dia tonga tao
an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay
nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany.
6 Ary teo ilay
fantsakan*'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka
teo am-pantsakana* Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. [*Gr. loharano;
sahala amin'ny teny ao amin'ny and. 14]
7 Ary nisy
vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho
hosotroiko.
8 (Fa ny
mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
9 Fa hoy
ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko
hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha
amin'ny Samaritana.)
10 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay
miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka
nomeny rano velona.
11 Hoy
ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny
fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
12 Hianao va
lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy
ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto?
13 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola
hangetaheta indray;
14 fa na iza na
iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny
rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana
mandrakizay.
15 Hoy
ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na
hanketo hantsaka intsony.
16 Hoy Jesosy
taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ .
17 Ravehivavy
namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany
izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
18 fa efa
nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina
izany voalazanao izany.
19 Hoy
ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
20 Ny razantsika
nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any
Jerosalema no tokony hivavahana.
21 Hoy Jesosy taminy:
Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na
any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
22 Hianareo mivavaka
amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy
amin'ny Jiosy ny famonjena.
23 Fa avy ny andro*,
sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny
fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka
izany. [*Gr. ora]
24 Andriamanitra dia
Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny
fahamarinana.
25 Hoy ravehivavy
taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy,
dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
26 Hoy Jesosy
taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
27 Ary
tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa
tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
28 Dia nandao
ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe:
29 Andeha
hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao
angaha no Kristy?
30 Dia nivoaka
avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy.
31 Ary raha tsy
mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano,
Raby ô.
32 Fa hoy
Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
33 Dia niresaka ny
mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
34 Hoy Jesosy taminy:
Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
35 Moa ianareo tsy manao
hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo:
Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana
izy.
36 Ary izay mijinja
dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba
hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
37 Ary amin'izany dia
marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
38 Izaho naniraka
anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa
no niditra teo amin'izay nisasarany.
39 Ary maro ny
Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny
filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra
nataoko.
40 Ary rehefa
nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia
nitoetra tao indroa andro Izy.
41 Ary maro koa no
nino noho ny teniny
42 ka
nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny
tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
43 Ary rehefa afaka
ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
44 Fa ny tenan'i
Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny.
45 Koa rehefa tonga
tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra
nataony tany Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba
niakatra tamin'ny andro firavoravoana.
46 Ary tonga
tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho
divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany
Kapernaomy.
47 Ary rehefa
reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka
nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
48 Dia hoy
Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba
hety hino mihitsy.
49 Hoy ilay
tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
50 Hoy Jesosy
taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay
nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
51 Ary nony
nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
52 Ary izy
nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy.
53 Koa fantatry ny
rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny
zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra.
54 Izany
no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany
Jodia.
1 Rehefa afaka izany,
dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
2 Ary misy farihy any
Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe
Betesda, misy fialofana dimy.
3 Tao no nandrian'ny
marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila*. [*Gr. efa maina, na malazo.
Ampio hoe: [miandry ny fihetsehan'ny rano]
4 [Fa nisy anjely
nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray
niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana na inona na inona no
aretina nanjo azy]
5 Ary nisy lehilahy
anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
6 Raha nahita azy
mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho
sitrana va ianao?
7 Ilay marary namaly
Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy
eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo
alohako.
8 Hoy Jesosy taminy:
Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.
9 Ary niaraka
tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha.
Ary Sabata izay andro izay.
10 Dia hoy ny Jiosy
tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny
fandrianao ianao.
11 Fa ralehilahy
namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao,
ka mandehana.
12 Ary ireo nanontany
azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny
fandrianao, ka mandehana?
13 Fa ilay sitrana
tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
14 Rehefa afaka
izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy
taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay
ratsy noho ny teo.
15 Dia lasa
ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
16 Ary noho izany ny
Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny
Sabata Izy.
17 Fa Jesosy namaly
azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
18 Nefa vao mainka
nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa
noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy
amin'Andriamanitra Izy.
19 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy
mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na
inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.
20 Fa ny Ray tia ny
Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe
noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.
21 Fa toy ny Ray
manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay
tiany.
22 Fa ny Ray aza tsy
mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
23 mba hanajan'ny
olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka
dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
24 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no
manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina*; fa tafafindra niala tamin'ny
fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. [*Gr. hotsaraina]
25 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Avy ny andro* ary tonga ankehitriny, izay
handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho
velona. [*Gr. ora]
26 Fa tahaka ny Ray
manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana
ho Azy;
27 ary nomeny
fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona.
28 Aza gaga
amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny
feony; [*Gr. ora]
29 dia hivoaka izy:
izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao
ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana*. [*Gr. ho fitsarana]
30 Raha Izaho ihany,
dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina
ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
31 Raha Izaho no
manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.
32 Misy Anankiray
Izay manambara Ahy. ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
33 Hianareo naniraka tany
amin'i Jaona, ary nanambara ny marina izy.
34 Fa Izaho tsy
mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho
voavonjy ianareo.
35 Izy dia jiro
nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin'faharavany.
36 Fa Izaho kosa
manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ahy hovitaiko, dia
izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray.
37 Ary ny Ray
Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo
akory aza ny endriny,
38 ary ny
teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
39 Dinihinareo* ny
Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary
ireny no manambara Ahy. [*Na: Diniho]
40 Kanefa tsy mety
manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.
41 Tsy mandray laza
avy amin'olona
42 Fa fantatro
ianareo, fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo.
43 Izaho dia avy
amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny
tenany, dia horaisinareo ihany izy.
44 Hataonareo izay
mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana
kosa dia tsy tadiavinareo?
45 Aza ataonareo fa
Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy
izay itokianareo.
46 Fa raha mba nino
an'i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.
47 Fa raha tsy mino
izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
1 Rehefa afaka izany,
dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i
Tiberiasy izany.
2 Ary nisy vahoaka
betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny
marary.
3 Ary Jesosy niakatra
tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
4 Fa efa akaiky ny
Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.
5 Ary Jesosy nanopy
ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i
Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
6 Izany no nataony
mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
7 Filipo namaly Azy
hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany
kely avy.
8 Ny mpianany
anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
9 Misy zazalahy
manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa
izany amin'izao olona betsaka izao?
10 Fa hoy Jesosy:
Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
11 Dia nandray ny
mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka
hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
12 Ary rehefa voky ny
olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy
ho very.
13 Dia nangoniny, ka
nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy,
izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.
14 Ary hoy ireny
olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no
Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.
15 Ary
rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony
mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..
16 Ary rehefa hariva
ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany.
17 Ary
niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa
maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
18 Ary ny
ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra.
19 Ary rehefa
nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio* izy, dia nahita an'i
Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely;
dia natahotra izy. [*Na: dimy na enina kilometatra]
20 Fa hoy
Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
21
Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely
dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.
22 Nony
ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa
tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba
niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no
nandeha,
23 kanefa nisy
sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny
mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-
24 koa nony
hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely
izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy.
25 Ary rehefa
nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana
no tonga teto Hianao?
26 Jesosy
namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo,
nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka
voky.
27 Aza miasa
hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana
mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra
Ray tombo-kase.
28 Dia hoy ireo
taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
29 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30 Dia hoy ireo
taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao?
Inona moa no asa ataonao?
31 Ny
razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy
tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
32 Dia hoy
Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome
anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo
avy any an-danitra.
33 Fa ny
mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho
an'izao tontolo izao.
34 Ary hoy ireo taminy:
Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35 Hoy Jesosy taminy:
Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy
mba hangetaheta intsony.
36 Fa efa nolazaiko
taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
37 Izay rehetra
omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko
mihitsy.
38 Fa tsy nidina avy
tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
39 Ary izao no
sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny
Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy.
40 Fa izao no
sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy
fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
41 Dia nimonomonona
tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy
tany an-danitra.
42 Dia hoy ireo: Tsy
Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?
Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
43 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44 Tsy misy olona
mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho
hanangana azy amin'ny andro farany.
45 Voasoratra ao
amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54.
13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
46 Nefa tsy nisy
nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48 Izaho no
mofon'aina.
49 Ny razanareo
nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50 Ity no mofo
izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51 Izaho no
mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity,
dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho
fiainan'izao tontolo izao.
52 Dia
nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony
hohanintsika?
53 Fa hoy Jesosy
taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny
Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54 Izay
mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho
hanangana azy amin'ny andro farany.
55 Fa ny nofoko no
tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
56 Izay mihinana ny
nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
57 Ary tahaka ny
nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany
koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
58 Ity no mofo izay
nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty
ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
59 Izany teny izany
no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
60 Koa maro tamin'ny
mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no
mahahaino izany?
61 Ary fantatr'i
Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy
taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
62 Mainka raha mahita
ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo.
63 Ny fanahy no
mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko
taminareo dia fanahy sy fiainana.
64 Fa misy ny sasany
aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino
sy izay hamadika Azy.
65 Ary hoy Izy: Izany
no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny
Ray azy izany.
66 Hatramin'izany*
dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
[*Na: Noho izany]
67 Dia hoy Jesosy
tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
68 Simona Petera
namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny
tenin'ny fiainana mandrakizay.
69 Ary izahay mino ka
mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra.
70 Jesosy namaly azy
hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray
aminareo aza dia devoly?
71 Fa Izy nilaza an'i
Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny
roa ambin'ny folo lahy.
1 Ary rehefa afaka
izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy,
satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
2 Ary efa akaiky ny
andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,
3 ka hoy ny
rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny
mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
4 fa tsy misy olona
manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary*; raha
manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [*Na:
mitady ho hita fa matoky]
5 Fa na dia ny
rahalahiny aza tsy nino Azy.
6 Dia hoy Jesosy
taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
7 Tsy mahazo
mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy
ny asany.
8 Miakara ho amin'ny
andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro
firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
9 Ary rehefa nilaza
izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
10 Fa rehefa lasa
niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy,
nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
11 Ary ny Jiosy dia
nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
12 Ary
nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy
kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
13 Nefa tsy
nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
14 Ary rehefa
nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy
ka nampianatra.
15 Dia gaga ny
Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra
Izy?
16 Dia namaly
azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
17 Raha misy
olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy
amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
18 Izay miteny
ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay
naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
19 Tsy Mosesy
va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankaṭ ny lalàna.
Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
20 Ny vahoaka
namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
21 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa
ianareo rehetra.
22 Izao no
nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho
izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany
ianareo.
23 Raha amin'ny
Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra
amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany
rehetra tamin'ny Sabata.
24 Aza mitsara araka
ny miseho, fa mba mitsarà marina.
25 Ary ny mponina
sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
26 Ary indro
Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no
Kristy?
27 Nefa fantatsika
izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
28 Dia niantso teo
an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia
fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa
marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
29 Izaho mahalala
Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
30 Dia nitady
hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy
mbola tonga ny fotoany.
31 Ary maro ny
vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro
mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?
32 Ny Fariseo nandre
ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona
sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
33 Dia hoy
Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy
Aho.
34 Hitady Ahy
ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
35 Dia niresaka
hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany
amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
36 Ahoana re
izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay
itoerako tsy azonareo haleha?
37 Ary tamin'ny
andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana
Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy
ka hisotro.
38 Izay mino
Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny
voalazan'ny Soratra Masina.
39
Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny
Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
[* Na: Fanahy Masina]
40 Ary ny
sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa
no Ilay Mpaminany.
41 Hoy ny
sasany: Ity no Kristy. Fa hoy
kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
42 Tsy voalazan'ny
Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao
Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)?
43 Dia nisara-tsaina
ny amin'i Jesosy ny vahoaka.
44 Ary ny sasany
nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
45 Ary ny mpiandry
raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo
taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
46 Ny mpiandry
raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
47 Ary ny Fariseo
namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
48 Moa misy mpanapaka
na Fariseo mba nino Azy?
49 Fa voaozona ireto
vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
50 Ary Nikodemosy,
anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy
hoe:
51 Moa manameloka
olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay
nataony?
52 Izy ireo namaly ka
nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba
misy mpaminany avy any Galilia.
53 [Dia samy
lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]
1 [fa Jesosy kosa
nankany an-tendrombohitra Oliva]
2 [Ary nony maraina
koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra
nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy]
3 [Ary nisy vehivavy
anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa
napetrany teo afovoany izy,]
4 [dia hoy ireo
taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga]
5 [Ary ao amin'ny
lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy
izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?]
6 [Izany no nolazainy
hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka
nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany]
7 [Ary raha naharitra
nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo
aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany]
8 [Dia niondrika
indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany]
9 [Ary raha nandre
izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny
zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo]
10 [Ary rehefa
nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?]
11 [Ary hoy
izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana,
ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]
12 Ary Jesosy
niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo
izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny
fahazavan'aina.
13 Ary hoy ny
Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.
14 Jesosy
namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny
fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa
tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.
15 Hianareo
mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
16 Ary na dia
mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny
Ray Izay naniraka Ahy.
17 Ary
voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo.
19. 15).
18 Izaho no
manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.
19 Dia hoy ireo
taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na
ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.
20 Izany teny
izany no nolazain'i Jesosy teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha
nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy,
satria tsy mbola tonga ny fotoany.
21 Ary hoy indray
Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin'ny
fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.
22 Dia hoy ny
Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?
23 Fa hoy Izy
taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy
amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;
24 koa izany no
nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino
ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.
25 Dia hoy ireo
taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny
voalohany*. [*Na: Ilay lazaiko aminareo indrindra]
26 Manana zavatra
maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary
izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.
27 Tsy fantany
fa ny Ray no nolazainy taminy,
28 ka dia hoy
Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no
Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny
Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
29 Ary izay
naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao
izay sitrany mandrakariva.
30 Raha nanao
izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.
31 Dia hoy Jesosy
tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho
mpianatro tokoa;
32 ka ho fantatrareo
ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
33 Ary ireo dia
namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona
hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
34 Jesosy namaly azy
hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia
andevon'ny ota.
35 Fa ny andevo tsy
mitoetra ao an-trano mandrakariva*; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva*.
[*Gr. mandrakizay]
36 Koa raha ny Zanaka
no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
37 Fantatro ihany fa
taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy
mitombo ao anatinareo.
38 Izay efa hitako
tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.
39 Dia namaly ireo ka
nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama
ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.
40 Fa ankehitriny
ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay
efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.
41 Hianareo manao ny
asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana
izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.
42 Hoy Jesosy taminy:
Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy
tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga
ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
43 Nahoana no tsy
azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
44 Hianareo avy
tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy
dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria
tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria
mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')]
45 Fa satria milaza
ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
46 Iza moa aminareo
no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy
mino Ahy?
47 Izay avy
amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy
ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.
48 Dia namaly ny
Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady
manana demonia?
49 Jesosy namaly hoe:
Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa
mahafa-boninahitra Ahy.
50 Fa Izaho tsy
mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.
51 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba
hahita fahafatesana izy mandrakizay.
52 Dia hoy ny Jiosy
taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny
mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba
hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
53 Moa Hianao va
lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany;
manao Anao ho iza moa Hianao?
54 Jesosy namaly hoe:
Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay
ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.
55 Tsy fantatrareo
Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba
mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny
teniny.
56 Ravoravo Abrahama
rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
57 Dia hoy ny Jiosy
taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i
Abrahama va?
58 Hoy Jesosy taminy:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.
59 Dia naka vato
hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly*.
[*Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa]
1 Ary raha nandalo
Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2 Ary ny mpianany
nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray
aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 Jesosy namaly hoe:
Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny
asan'Andriamanitra eo aminy.
4 Isika tsy maintsy
manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy
mahazo miasa ny olona.
5 Raha amin'izao
tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
6 Rehefa nilaza izany
Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny
mason'ilay jamba.
7 Ary hoy Izy taminy:
Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika,
Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
8 Koa izay
nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe:
Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9 Hoy ny sasany: Izy
ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no
izy.
10 Dia hoy ny olona
taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao?
11 Ary izy namaly ka
nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko
ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha
aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
12 Ary hoy ny olona
taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13 Ary ilay
jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.
14 Ary tamin'ny
andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny
mason-dralehilahy.
15 Ary ny
Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany
feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
16 Ary hoy ny
Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy
mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no
fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
17 Ary hoy indray
izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy?
Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18 Ary
amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny
ray aman-drenin'ilay nahiratra
19 ka
nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao
ahoana ary no nahiratany izao?
20 Ny ray
aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 fa tsy
fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony;
izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
22 Izany teny
izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa
nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala
amin'ny synagoga.
23 Izany no
nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 Dia niantso
ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra
Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
25 Fa izy
namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no
fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
26 Dia hoy izy
taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny
masonao?
27 Dia namaly
azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana
no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28 Dia nanevateva azy
izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29 Izahay mahalala fa
Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy
fantatray izay nihaviany.
30 Ralehilahy namaly
azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa
nampahiratra ny masoko Izy.
31 Fantatsika fa
Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny
sitrapony no henoiny..
32 Hatrizay hatrizay
dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
33 Raha tsy avy
amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34 Ary namaly ireo ka
nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va
mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35 Jesosy nandre fa
efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny
Zanak-Andriamanitra va ianao?
36 Ralehilahy namaly
ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37 Hoy Jesosy taminy:
Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
38 Ary hoy izy:
Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
39 Ary hoy
Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny
tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40 Ary ny
Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay
koa va mba jamba?
41 Hoy Jesosy
taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo
ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
Chapitre 10. 1 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny
valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
2 Fa izay miditra
amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3 Ary izy no vohan'ny
mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia
antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.
4 Ary rehefa mamoaka
ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria
mahalala ny feony ireo.
5 Ary ny vahiny tsy
harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.
6 Izany fanoharana
izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy
taminy.
7 Dia hoy indray
Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no
vavahadin'ondry.
8 Mpangalatra sy
jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
9 Izaho no vavahady;
raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady
hahazo hanina.
10 Ny mpangalatra tsy
avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany
fiainana, sady hananany be dia be.
11 Izaho no Mpiandry
Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
12 Ary ny mpikarama,
satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia* avy,
dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia* misambotra ny ondry ka
mampihahaka azy; [*lopa]
13 mandositra izy,
satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
14 Izaho no
Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
15 dia tahaka
ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny
aiko hamonjy ny ondry.
16 Manana ondry
hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka
hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
17 Ary izany no
itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy
indray.
18 Tsy misy
manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary
manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
19 Ary nisy
fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
20 Ary maro
tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no
mihaino Azy ianareo?
21 Hoy kosa ny
sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra
ny mason'ny jamba?
22 Ary tonga ny andro
firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina
ny andro.
23 Ary Jesosy
nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
24 Dia
nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no
hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
25 Jesosy namaly azy
hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko
amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.
26 Kanefa ianareo tsy
mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
27 Ny ondriko mihaino
ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
28 ary Izaho manome
azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy
handrombaka azy amin'ny tanako.
29 Ny Raiko Izay
nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny
tanan'ny Ray.
30 Izaho sy ny
Ray dia iray ihany.
31 Dia naka
vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
32 Jesosy
namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny
asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
33 Ny Jiosy
namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*,
satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr.
blasfemia, izahao Mat. 9,3]
34 Jesosy
namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho:
Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).
35 Raha ireny
izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary
ny Soratra Masina tsy azo foanana),
36 moa Izay
nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe:
Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
37 Raha tsy
manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
38 Fa raha
manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho
fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.
39 Dia nitady
hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy* Izy. [*Gr. Ny tànany]
40 Dia lasa
nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i
Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
41 Ary maro no
nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra
nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
42 Ary maro no nino
Azy teo.
1 Ary nisy lehilahy
anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta
rahavaviny.
2 Maria dia ilay
nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny
volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
3 Ary izy mirahavavy
dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
4 Ary rehefa ren'i
Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa
ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny
Zanak'Andriamanitra.
5 Ary Jesosy
tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
6 Koa nony
ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay
nitoerany ihany Izy.
7 Rehefa afaka
izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
8 Hoy ny
mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato
Anao, ka hankany indray va Hianao?
9 Jesosy namaly
hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha
amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao
tontolo izao.
10 Fa raha misy kosa
mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
11 Izany no
nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy
sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
12 Dia hoy ny
mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany*. [*Gr.
hovonjena]
13 Nefa Jesosy nilaza
ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no
nolazainy.
14 Ary tamin'izany
Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
15 ary faly Aho noho
ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
16 Dia hoy Tomasy
(izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty
aminy.
17 Ary nony tonga
Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
18 Ary Betania dia
tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio* no elanelany.
[*Na: telo kilometatra]
19 Ary maro tamin'ny
Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny
amin'ny anadahiny.
20 Ary Marta, raha
nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao
an-trano.
21 Ary hoy Marta
tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
22 Nefa fantatro fa
na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao
amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.
23 Hoy Jesosy
taminy: Hitsangana ny anadahinao.
24 Fa hoy Marta
taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny
andro farany;
25 Hoy Jesosy
taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty
aza, dia ho velona indray.
26 Ary izay
rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
27 Hoy izy
taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay
ho tonga amin'izao tontolo izao.
28 Ary rehefa
nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny,
nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
29 Ary raha vao
nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
30 Fa Jesosy tsy
mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.
31 Ary ny Jiosy izay
tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy
nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany
amin'ny fasana hitomany any izy.
32 Ary Maria, rehefa
tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny
tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny
anadahiko.
33 Ary Jesosy nony
nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny
fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
34 ary hoy Izy: Aiza
moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
35 Jesosy
nitomany.
36 Dia hoy ny
Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!
37 Fa hoy ny
sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny
manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
38 Dia vonto
indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady
nisy vato narindrina teo.
39 Hoy Jesosy:
Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao,
fa efa hefarana izay.
40 Hoy Jesosy
taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny
voninahitr'Andriamanitra?
41 Dia nesoriny
ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra
Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
42 Raha Izaho,
dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana
manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
43 Ary rehefa
nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy,
mivoaha!
44 Dia nivoaka
ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny
tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
45 Ary maro
tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i
Jesosy ireo, no nino Azy.
46 Fa ny sasany
tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
47 Ary ny
lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana
no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
48 Raha
avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra;
ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
49 Ary ny
anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy
hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
50 na misaina
akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena,
mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
51 Ary tsy
niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia
naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
52 ary tsy hamonjy io
firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho
antoko iray.
53 Koa hatramin'izany
andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
54 Ary Jesosy tsy
nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny
tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany
Izy mbamin'ny mpianatra.
55 Ary efa akaiky ny
Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema
talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.
56 Dia nitady an'i
Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana
no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?
57 Ary ny
lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay
itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
1 Ary rehefa henemana
no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i
Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.
2 Dia nanao fanasana
ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray
tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy.
3 Ary Maria, rehefa
naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra,
dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany;
ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
4 Ary hoy Jodasy
Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
5 Nahoana io menaka
io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
6 Ary izy no nilaza
izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady
nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
7 Dia hoy Jesosy:
Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
8 Fa ny malahelo dia
etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo
mandrakariva.
9 Ary ny vahoaka
betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy
ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty.
10 Fa nihendry
hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona,
11 satria izy no
nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy.
12 Ary nony
ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana,
rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
13 dia naka
sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny
Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26).
14 Ary Jesosy nahita
zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
15 Aza matahotra, ry
Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9).
16 Izany zavatra
izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra
tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy
izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
17 Ary nanambara Azy
ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny
fasana ka nanangana azy tamin'ny maty.
18 Ary izany koa no
nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
19 Ary tamin'izany ny
Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory
ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
20 Ary nisy Grika
sasany tamin'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana,
21 ary izy ireo
nankany amin'i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka
nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay.
22 Dia lasa Filipo
nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy.
23 Ary Jesosy namaly
azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona.
24 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty,
dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
25 Izay tia ny ainy
no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro
izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.
26 Raha misy olona
manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no
hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
27 Ankehitriny
mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka
amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity;
28 Ray ô, mankalazà
ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho,
ary hankalaza azy indray.
29 Ary ny vahoaka
izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany:
Anjely no niteny taminy.
30 Jesosy namaly ka
nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan'izany feo izany, fa noho ianareo.
31 Tonga ankehitriny
ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no
horoahina.
32 Ary Izaho, raha
asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33 Izany no nolazainy
hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
34 Dia namaly Azy ny
vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra
mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny
Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?
35 Dia hoy Jesosy
taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola
manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha
amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
36 Raha mbola manana ny
mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa
nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
37 Nefa na dia efa
nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino
Azy ireo,
38 mba hahatanteraka ny
teny nataon'Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina
anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)
39 Izany no tsy
nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40 Efa nanajamba ny
masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony,
Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).
41 Izany teny izany
no nolazain'Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
42 Kanefa maro
tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo,
fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.
43 Fa tia ny
voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy
amin'Andriamanitra.
44 Ary Jesosy niantso
ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
45 Ary izay mahita
Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
46 Izaho tonga
amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay
rehetra mino Ahy.
47 Ary raha misy
mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara
izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
48 Izay manda Ahy ka
tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko,
izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany,
49 satria Izaho tsy
niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko
sy izay hotoriko.
50 Ary fantatro fa
fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay
nolazain'ny Ray tamiko.
1 Ary talohan'ny
andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana
hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay
amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.
2 Ary raha mbola teo
amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny
devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
3 sady fantatr'i
Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary
Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
4 dia nitsangana
niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana,
ka nisikinany;
5 ary rehefa vita
izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny
mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.
6 Dia nankeo amin'i
Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
7 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao
rahatrizay.
8 Fa hoy Petera
taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha
tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.
9 Dia hoy Simona
Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako
koa.
10 Fa hoy Jesosy
taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa
madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11 Fa fantany ilay
efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12 Ary rehefa
voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao
taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
13 Hianareo manao Ahy
hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
14 Koa raha Izaho,
Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa
tongotra.
15 Fianarana no
nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
16 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho
ny maniraka azy.
17 Raha fantatrareo
izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
18 Tsy milaza anareo
rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina
hoe: Izay homana ny mofoko* no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal.
41. 9). [*Na: miara-komana amiko]
19 Hatramin'izao dia
milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga,
fa Izaho no Izy.
20 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay
mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
21 Rehefa nilaza izany
Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
22 Dia
nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
23 Ary nisy mpianatra
anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.
24 Simona Petera
nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
25 Ary raha mbola
nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao
taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
26 Dia namaly Jesosy
ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany
ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona
Iskariota.
27 Ary manaraka izany
no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy
faingana.
28 Fa tsy nisy
tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy.
29 Fa nataon'ny
sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe:
Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra
ho an'ny malahelo.
30 Ary rehefa nandray
ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.
31 Ary tamin'izay,
nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona;
ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
32 Ary Andriamanitra
kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy.
33 Anaka, vetivety
foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny
voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany
koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
34 Didy vaovao no
omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako
anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
35 Izany no hahafantaran'ny
olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
36 Hoy Simona Petera
taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy
azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
37 Hoy Petera taminy:
Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza
dia hafoiko noho ny aminao.
38 Jesosy namaly hoe:
Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa:
Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.
1 Aza malahelo ny
fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino
an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa]
2 Ao an-tranon'ny
Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa
handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
3 Ary raha handeha
hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any
amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
4 Ary
fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako*. [*Na: (ary izay alehako
dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana)]
5 Hoy Tomasy
taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no
fahafantatra ny lalana?
6 Hoy Jesosy
taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany
amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
7 Raha
nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao
dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
8 Hoy Filipo
taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
9 Hoy Jesosy
taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao
ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no
anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
10 Tsy mino va
ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko
aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko
no manao ny asa.
11 Minoa Ahy fa
Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy
noho ny asa ihany aza.
12 Lazaiko
aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa;
ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
13 Ary na inona
na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana
ny Ray eo amin'ny Zanaka.
14 Raha mangataka
zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka
zavatra amin'ny anarako]
15 Raha tia Ahy
ianareo, dia hitandrina ny didiko.
16 Ary Izaho
hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo
aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na
Solovava]
17 dia ny Fanahin'ny
fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na
fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary
ho ao anatinareo.
18 Tsy hamela anareo
ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
19 Vetivety foana dia
tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria
velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
20 Amin'izany andro
izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary
Izaho ao aminareo.
21 Izay manana ny
didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny
Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
22 Hoy Jodasy (tsy
Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy
amin'izao tontolo izao koa?
23 Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko
ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
24 Izay tsy tia Ahy
dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny
Ray izay naniraka Ahy.
25 Izany teny izany
dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
26 fa ny Mpananatra*,
dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra
anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay
nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]
27 Fiadanana no
avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao
tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
28 Efa renareo fa
Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia
Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe
noho Izaho.
29 Ary ankehitriny
efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa
tonga.
30 Tsy hilaza zavatra
maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy
manana na inona na inona ato amiko izy.
31 Fa mba ho
fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy,
dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
1 Izaho no tena
voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
2 Ny sampany rehetra
eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia
amboariny*, mba hamoa bebe kokoa. [*Gr dioviny]
3 Efa madio rahateo
ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
4 Tomoera amiko ary
Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray
amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
5 Izaho no voaloboka,
ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa
raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
6 Raha misy tsy miray
amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy
ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
7 Raha miray amiko
ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na
inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
8 Izany no ankalazana
ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
9 Tahaka ny
nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo.
10 Raha mitandrina ny
didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny
didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
11 Izany zavatra
izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho
tanteraka ny fifalianareo.
12 Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
13 Tsy misy manana
fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
14 Hianareo no
sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
15 Tsy hataoko hoe
mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa
efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no
nambarako taminareo.
16 Tsy ianareo no
nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa,
ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra
hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
17 Izany zavatra
izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
18 Raha halan'izao
tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
19 Raha naman*'izao
tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy
naman*'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo
izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. [*Gr. avy amin']
20 Tsarovy ny teny
izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha
nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy,
dia hitandrina ny anareo koa.
21 Fa izany rehetra
izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka
Ahy izy.
22 Raha tsy tonga Aho
ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna
azony atao ny amin'ny helony.
23 Izay
mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
24 Raha tsy
nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa
ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;
25 fa tonga
izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany
foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3).
26 Fa raha
tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny
Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho
vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16]
27 Ary ianareo koa
dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.
1 Izany teny izany
dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
2 Handroaka anareo
hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro*, ka hataon'izay rehetra
mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. [* Gr. ora]
3 Ary izany no
hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
4 Fa izany teny
izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny,
fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny
voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
5 Fa
ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany
Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
6 Fa satria nilaza
izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.
7 Fa Izaho milaza ny
marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho
avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo
Izy. [* Izahao 14.16]
8 Ary raha tonga Izy,
dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny
fitsarana:
9 ny fahotana, satria
tsy mino Ahy izy;
10 ny fahamarinana,
satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
11 ny fitsarana,
satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
12 Mbola manana
zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
13 Fa raha tonga ny
Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina
rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny
zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
14 Izy hankalaza Ahy;
fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
15 Izay rehetra
ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy
Izy ka hanambara izany aminareo.
16 Vetivety foana dia
tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy
ianareo.
17 Ary ny mpianany
sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia
tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary,
satria mankany amin'ny Ray Aho?
18 Ary hoy koa ireo:
Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
19 Ary Jesosy
nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo,
satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana
indray dia hahita Ahy ianareo?
20 Lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa
hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
21 Manam-pahoriana ny
vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia
tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho
ambonin'ny tany.
22 Ary ianareo dia
manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny
fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
23 Ary amin'izany
andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo
marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny
anareo amin'ny anarako izany.
24 Mandraka
ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo;
mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
25 Fanoharana no
nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro* izay tsy hilazako
fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray. [*Gr.
ora]
26 Amin'izany andro
izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa
Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo;
27 fa ny Ray dia tia
anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray
Aho.
28 Eny, nivoaka avy
tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo
izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.
29 Hoy ny mpianany:
Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
30 Ankehitriny dia
fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany
Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao.
31 Jesosy namaly azy
hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
32 Indro, avy ny
andro*, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary
hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. [*Gr
ora]
33 Izany teny izany
efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao
tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao
tontolo izao.
1 Rehefa nolazain'i
Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka
nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny
Zanaka Anao.
2 araka ny
nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay
ho an'izay rehetra nomenao Azy.
3 Ary izao no
fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady
marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
4 Izaho efa nankalaza
Anao tetỳ ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5 Ary ankehitriny,
Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana
taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
6 Nasehoko tamin'ny
olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka
nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
7 Fantany ankehitriny
fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
8 Fa ny teny izay
nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy
taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.
9 Izaho mangataka ho
azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy,
satria Anao izy.
10 Ary izay Ahy
rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
11 Ary tsy ho eto
amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo
izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao
izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
12 Raha mbola teo
aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary
notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany;
mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
13 Fa ankehitriny
mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao,
mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
14 Efa nomeko azy ny
teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao,
tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin']
15 Izaho tsy
mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy
amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy]
16 Tsy naman* izao
tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin']
17 Manamasina azy
amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.
18 Tahaka ny
nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho
amin'izao tontolo izao.
19 Ary ho an'ireto no
anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.
20 Nefa tsy ho
an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;
21 mba ho iray ihany
izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao
amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
22 Ary nomeko azy ny
voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
23 Izaho ao aminy,
ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo
izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
24 Ray ô, tiako mba
ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny
voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny
fanorenan'izao tontolo izao.
25 Ray marina ô, tsy
nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala
fa Hianao no naniraka Ahy.
26 Ary efa
nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao
aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.
1 Rehefa voalazan'i
Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny
lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran'izy sy ny mpianany.
2 Ary Jodasy koa,
ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika
Jesosy mbamin'ny mpianany.
3 Ary Jodasy, rehefa
nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny
mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4 Ary satria
fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo
hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5 Ary ireo
namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary
teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
6 Ary raha
Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin'ny
tany.
7 Ary Jesosy
nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any
Nazareta.
8 Jesosy namaly
hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo,
dia avelao handeha ireto;
9 mba
hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10 Ary Simona
Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe
ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
11 Dia hoy
Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka
nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
12 Ary ny
miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy
dia nisambotra an'i Jesosy ka namatotra Azy,
13 dia nitondra
Azy tany amin'i Anasy aloha, fa izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe
tamin'izany taona izany.
14 Ary Kaiafa
no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy
ny firenena.
15 Ary Simona
Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe
izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny
tranon'ny mpisoronabe izy.
16 Fa Petera nijanona
teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay
fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra
an'i Petera niditra.
17 Ary hoy ny
ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Petera: Moa ianao mba isan'ny mpianatr'io
Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
18 Ary ny mpanompo sy
ny mpiandry raharaha namelona afon'arina ka nijanona namindro teo, fa
nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
19 Ary ny mpisoronabe
nanadina an'i Jesosy ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany.
20 Jesosy namaly azy
hoe: Izaho niteny miharihary tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra
mandrakariva tao amin'ny synagoga sy ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny
Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin'ny takona;
21 koa nahoana no
manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo
no mahalala izay nolazaiko.
22 Ary rehefa nilaza
izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia
namely tahamaina* an'i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny
mpisoronabe? [*Na: tehina]
23 Jesosy namaly azy
hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa,
nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24 Ary dia nasain'i
Anasy nentina tamin'ny fatorany ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.
25 Ary Simona Petera
nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan'ny mpianany?
Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
26 Hoy ny anankiray
tamin'ny mpanompon'ny mpisoronabe havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: Tsy
efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
27 Dia nandà indray
Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
28 Ary Jesosy dia
nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova*; ary maraina koa ny andro
tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova*, fandrao ho voaloto, fa efa
hihinana ny Paska izy. [*Gr. pretoria]
29 Ary Pilato nivoaka
ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy
io?
30 Dia namaly ireo ka
nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
31 Ary hoy Pilato
taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy:
Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32 mba hahatanteraka
ny tenin'i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban'ny fahafatesana izay efa
hiaretany.
33 Ary niditra tao
anati-rova* indray Pilato, dia niantso an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao
va no Mpanjakan'ny Jiosy? [*Gr. pretoria]
34 Jesosy namaly hoe:
Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
35 Pilato
namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny
firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
36 Jesosy namaly hoe:
Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo
izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny
Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.
37 Ary hoy
Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa
mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo
izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko.
38 Hoy Pilato taminy:
Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny
Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory
aza.
39 Fa misy fanaonareo
amin'ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako
ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy?
40 Ary
ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy
Barabasy.
1 Ary tamin'izany dia
nalain'i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
2 Ary ny miaramila
nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba
volomparasy Izy,
3 dia nanatona Azy
ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina* Azy
izy. [*Na: tehina]
4 Dia nivoaka indray
Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo,
mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
5 Ary nivoaka Jesosy
misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny
vahoaka: Indro ny Lehilahy!
6 Ary rehefa hitan'ny
lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao
hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy
Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy
mahita izay helony.
7 Fa ny Jiosy namaly
azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty
Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.
8 Ary nony
ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,
9 dia niditra
tao anati-rova* indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa
tsy namaly azy akory Jesosy. [*Gr. pretoria]
10 Dia hoy
Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana
handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa?
11 Jesosy
namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao
avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
12 Ary
hatramin'izany* dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao
hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa
izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara.
[* Na: noho izany]
13 Ary rehefa
ren'i Pilato izany teny izany, dia nitondra an'i Jesosy nivoaka izy ka
nipetraka teo amin'ny seza fitsarana teo amin'ny fitoerana atao hoe Lampivato,
fa amin'ny teny Hebreo Gabata
14 ary andro
fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy
tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!
15 Fa niantso ireo
hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy:
Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona
namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
16 Ary tamin'izany
Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. Dia
noraisin'ireo Jesosy;
17 ary Izy nitondra
ny hazo fijaliany, dia nankany amin'ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao
amin'ny teny Hebreo hoe Golgota.
18 Teo no nanomboana
Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo
an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
19 Ary Pilato
nanoratra anarana, ka napetany teo amin'ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY
ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY.
20 Ary izany
anarana izany dia novakin'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay
nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny
Hebreo sy Romana sy Grika izany.
21 Ary noho
izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe; Aza
soratana hoe: Mpanjakan'ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny
Jiosy Aho.
22 Pilato namaly hoe:
Izay voasoratro dia voasoratro.
23 Ary rehefa
voahombon'ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany
ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony
koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.
24 Dia niresaka hoe
izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba
hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany
ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany zavatra izany no nataon'ny miaramila.
25 Ary nijanona teo
akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria,
vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena.
26 Ary nony hitan'i
Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny
reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
27 Ary hoy koa Izy
tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin'izany ora izany dia
noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
28 Ary rehefa afaka
izany, dia fantatr'i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin'izay, mba
hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
29 Ary nisy bakoly
feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny
tamin'ny hysopa ka nataony tamin'ny vavany.
30 Ary rehefa
nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany
Izy ka nanolotra ny fanahiny.
31 Ary satria andro
fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny
ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny
hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
32 Dia tonga ny
miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ny anankiray koa izay
niaraka nohomboana tamin'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana.
33 Fa nony nankeo
amin'i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny
ny ranjony.
34 Fa ny miaramila
anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy rà sy rano
nandeha.
35 Ary ilay nahita
dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza
ny marina izy, mba hinoanareo koa.
36 Fa tonga izany mba
hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany (Eks. 12.
46; Sal. 34. 20).
37 Ary hoy koa ny
teny iray ao amin'ny Soratra Masina: Hijery Izay nolefoniny izy (Zak. 12. 10).
38 Ary rehefa afaka
izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina
ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba
hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka
nanaisotra ny fatin'i Jesosy.
39 Ary tonga koa
Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka
nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
40 Dia noraisiny ny
fatin'i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin'ny zava-manitra, araka ny
fanaon'ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
41 Ary nisy saha teo
amin'ilay nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana; ary teo anatin'ilay saha nisy
fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.
42 Ary teo no
nandevenany an'i Jesosy noho ny andro fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny
fasana.
1 Ary tamin'ny andro
voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany
amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana.
2 Dia nihazakazaka
nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao
taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay
nametrahany Azy.
3 Dia nandeha Petera
sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana.
4 Ary
niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka
nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana.
5 Ary nony niondrika
nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao
izy.
6 Ary avy koa Simona
Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty
nipetraka teo,
7 ary ny mosara izay
nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona
mitokana.
8 Ary tamin'izay dia
niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary
nahita ka nino.
9 Fa tsy mbola
fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
10 Dia lasa indray ny
mpianatra nody tany aminy.
11 Fa Maria nijanona
nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika
ny tao am-pasana
12 ka nahita anjely
roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay
nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
13 Ary hoy ireo
taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria
nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
14 Rehefa
nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy
fantany ho Jesosy.
15 Hoy Jesosy
taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa
mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto,
lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
16 Hoy Jesosy
taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe:
Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
17 Hoy Jesosy
taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa
mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any
amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy
Andriamanitrareo.
18 Dia tonga
Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady
izany teny izany no nolazainy taminy.
19
Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny
varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga
Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
20 Ary rehefa
nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny
mpianatra, raha nahita ny Tompo.
21 Ary hoy
indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no
anirahako anareo kosa.
22 Ary rehefa
nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok'iza
na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no
tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
24 Fa Tomasy,
anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba
teo aminy raha tonga Jesosy.
25 Dia hoy ny
mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy:
Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo
amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny
lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
26 Ary nony
afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny
varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
27 Ary hoy Izy tamin'i
Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa
ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa
minoa.
28 Dia namaly Tomasy
ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
29 Hoy Jesosy taminy:
Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
30 Ary nisy
famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy
voasoratra amin'ity boky ity;
31 fa voasoratra
izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba
hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.
1 Rehefa afaka izany,
dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy teo amoron'ny Ranomasin'i
Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
2 Niaraka Simona
Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any
Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
3 Hoy Simona Petera
taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa
izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia
tsy nahazo na inona na inona akory izy.
4 Ary nony efa nazava
ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy
fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
5 Dia hoy Jesosy
taminy: Anaka, manan-kanina* va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. [*Gr. laoka]
6 Ary hoy Izy
taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia
hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny
habetsahan'ny hazandrano.
7 Ary hoy ny
mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren'i
Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy
niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy.
8 Fa ny
mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno
hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
9 Raha vao nikatra
teo an-tanety izy, dia nahita afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary
mofo.
10 Hoy Jesosy taminy:
Analao hazandrano amin'ireo vao azonareo teo.
11 Dia niakatra
Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy,
telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy
triatra ny harato.
12 Hoy Jesosy
taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa
Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
13 Ary tonga
Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
14
Izany no fanintelon'ny nisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianatra, rehefa nitsangana
tamin'ny maty Izy.
15 Ary rehefa
nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa
ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny,
Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny
ondrikeliko.
16 Hoy indray
Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy
izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy:
Andraso ary ny ondriko.
17 Hoy Izy
fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo
taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala
ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny
ondriko.
18 Lazaiko aminao
marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha
tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary
olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
19 Ary izany no
nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany
an'Andriamanitra. Ary
rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
20 Dia nitodika
Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina
tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika
Anao?
21 Koa rehefa nahita
azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity?
22 Hoy Jesosy taminy:
Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
23 Ary niely tamin'ny
rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy
tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy
mandra-pihaviko, ahoanao izany?
24 Izy no ilay
mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika
fa marina ny fanambarany.
25 Ary
misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay
avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny
boky voasoratra.
Accès direct aux
chapitres des Actes : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28
1 [Fitarihan-teny sy filazana
ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho
any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay
nataon'i Jesosy sy nampianariny,
2 hatramin'ny andro
nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay
nofidiny,
3 sady niseho koa tamin'ny
famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo
andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
4 Ary raha niara-niangona*
teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny
teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana]
5 fa Jaona nanao
batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina,
rehefa afaka andro vitsivitsy.
6 Koa izay tafangona
teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho
amin'ny Isiraely?
7 Fa hoy kosa Izy
taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray
amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany]
8 Fa hahazo hery
ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any
Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
9 Ary rehefa nilaza
izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona
nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
10 Ary raha mbola
nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa
lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11 izay nanao hoe: Ry
lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny
Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12 Ary izy ireo
niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
13 Ary rehefa
tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia
Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio,
Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak*'i Jakoba. [* Na:
rahalahin']
14 Ireo rehetra ireo
niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary
ny rahalahiny.
15 [Ny nifidianan'ny
Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany
dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no
isan'ny olona* vory teo) ka nanao hoe: [*Gr. anarana]
16 Ry rahalahy, tsy
maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina
rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra
an'i Jesosy;
17 fa izy dia
isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
18 Koa izany lehilahy
izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy,
dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19 Ary fantatr'izay
rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny
fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
20 Fa voasoratra eo
amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona
honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany
(Sal. 109. 8).
21 Koa amin'ireo
lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka
tamintsika Jesosy Tompo,
22 hatramin'ny
batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia
tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
23 Ary nanokana roa
lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24 Dia nivavaka izy
ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy
izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
25 mba hahazoany
anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy
hankanesany any amin'ny fitoerany.
26 Dia nanao filokana
ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny
Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
1 [Ny nilatsahan'ny
Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera
tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray
izy rehetra.
2 Ary nisy feo tonga
tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay
trano niangonany.
3 Ary nisy lela maro
mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra
isan-olona izany.
4 Ary samy feno ny
Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka
ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
5 Ary nisy Jiosy,
mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa
rehetra ambanin'ny lanitra.
6 Ary nony re izany
feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo
niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
7 Dia talanjona sady
gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny
ireo?
8 Koa ahoana no
andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
9 - dia
Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy
Kapadokia sy Ponto sy Asia
10 sy Frygia sy
Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny
avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
11 Kretana sy
Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny
asa lehibe ataon'Andriamanitra?
12 Dia
talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho
hevitr'izany?
13 Fa ny sasany
nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
14 Fa
nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka
nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka
ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
15 Tsy mamo
araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
16 Fa izao ilay
nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
17 Ary amin'ny
andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo
rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny
zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
18 Ary ny
mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany,
Ka dia haminany izy;
19 Ary hanisy
fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany,
Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka;
20 Ny masoandro
hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i
Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
21 Ary na zovy
na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
22 Ry lehilahy
Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy
nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny
famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny
fantatrareo ihany,
23 Izy efa
natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia
nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna;
24 fa
Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana,
satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
25 Fa Davida
milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo
ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
26 Dia izany no
nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny
fanantenana;
27 Fa tsy ho
foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao
ho tratry ny ḷ Hianao; [*Gr. Hadesy]
28 Nampahafantatra
ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16.
8-11).
29 Ry rahalahy,
aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty
izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
30 Ary satria
mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay
hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na:
hapetrany]
31 koa raha
nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any
amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny ḷ. [*Gr. Hadesy]
32 Izany Jesosy
izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
33 Ary rehefa
nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny
Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo
izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
34 Fa tsy
Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko
hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
35
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
36 Koa aoka ho
fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo
tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
37 Ary raha
nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny
Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
38 Ary hoy
Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy
Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny
fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
39 fa ny teny
fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza
na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
40 Ary nanambara
sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena
ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.
41 Ary izay
nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona
nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
42 Ary izy ireo
naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny
mofo ary ny fivavahana.
43 Dia raiki-tahotra
ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
44 Ary izay rehetra
nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
45 ary namidiny ny
taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
46 Ary dia niray
saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao
an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
47 nidera
an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny
olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
1 [Ny nahasitranan'i
Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona]
Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy
fotoam-pivavahana.
2 Ary nisy nitondra
lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro
teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka
fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
3 nony nahita an'i
Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba
homena fiantrana.
4 Ary Petera sy Jaona
nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
5 Dia nibanjina azy
roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
6 Fa hoy Petera: Tsy
manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
7 Ary noraisiny
tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka
tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8 Ary niantsambotra
izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo
an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera
an'Andriamanitra.
9 Ary ny vahoaka
rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
10 Ary fantany tsara
fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly
mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga
tamin-dralehilahy.
11 Ary raha nihazona
an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy
telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka
talanjona.
12 Ary Petera, nony
nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona
amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na
fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
13 Andriamanitr'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome
voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo
anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany]
14 Fa ianareo nandà
Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15 fa ny Tompon'ny
aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary
vavolombelon'izany izahay.
16 Ary ny anarany no
nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany;
eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara
eto imasonareo rehetra izao.
17 Ary ankehitriny,
ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka
ny mpanapaka anareo koa.
18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra
ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
19 Koa mibebaha
ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro
famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
20 ary mba hanirahany
ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21 Ilay tsy maintsy
horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay
nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany
indrindra.
22 Fa Mosesy nilaza
hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny
rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy
aminareo.
23 Ary izay rehetra
tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo.
18. 15, 19).
24 Ary ny mpaminany
rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia
nanambara izao andro izao.
25 Hianareo no zanaky
ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy
Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra
ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).
26 Andriamanitra,
rehefa nanangana ny Mpanompony*, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy
anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.
[*Na: ny Zanany]
1 [Ny namatorana an'i
Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny
tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny
lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
2 fa sosotra izy noho
ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy
ny fitsanganana amin'ny maty.
3 Dia nisambotra azy
izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva
ny andro tamin'izay.
4 Kanefa maro
tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny
lehilahy.
5 Ary nony maraina ny
andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny
mpanora-dalàna
6 sy Anasy
mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho
havan'ny mpisoronabe.
7 Ary rehefa nataony
teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na
anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
8 Ary Petera, feno ny
Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9 raha adinina izahay
anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10 dia aoka ho
fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy
avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa
natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy
io finaritra eto imasonareo.
11 Ity no vato izay
nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
12 Ary tsy misy
famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny
olona izay hahazoantsika famonjena.
13 Ary nony nahita ny
fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na
nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka
tamin'i Jesosy izy roa lahy.
14 Ary nony nijery ny
lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay
havaliny.
15 Ary rehefa nasainy
niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
16 ka nanao hoe: Hataontsika
ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary
fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
17 Fa mba tsy
hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy
hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
18 Ary niantso azy
izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
19 Fa Petera sy Jaona
kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na
tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
20 Fa izahay tsy
maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
21 Ary rehefa
norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho
ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny
amin'ny zavatra efa natao.
22 Fa efa tsy omby
efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy
izany.
23 Ary rehefa nalefa
izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny
lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24 Fa rehefa nandre
izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao
hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao anatiny,
25 ary ny Fanahy
Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no
mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
26 Ireo mpanjakan'ny
tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany
(Sal. 2. 1, 2).
27 Fa efa niangona
marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny
jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy
Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao]
28 mba hanao
izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
29 Koa
ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba
hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
30 omban'ny
aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana
amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao]
31 Ary rehefa
nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy
Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
32 [Ny
nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona
rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa
niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33 Ary tamin'ny
hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary
fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
34 Fa tsy nisy
olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany,
dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
35 ka napetrany
teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay
nilainy avy
36 Ary Josefa,
izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny
fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
37 dia
nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny
tongotry ny Apostoly.
1 [Ny amin'i
Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny
nivarotra tany,
2 ka nanafenany
ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola
sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
3 Ary hoy
Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy
Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
4 Fony tsy
namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay
sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga
tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
5 Ary Ananiasy,
nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia
raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6 Ary
nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7 Fa rehefa
afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa
nanjo teo.
8 Ary hoy
Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy
izy: Eny, izany ihany.
9 Ary hoy
Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo?
Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao
hivoaka koa izy.
10 Dia
nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy;
ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny
teo anilan'ny lahy.
11 Dia raiki-tahotra
indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12 [Ny fahagagana
nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no
nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra
niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
13 ary tsy nisy
tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14 Ary vao mainka
nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15 ka dia nentiny
teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana,
mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.
16 Ary ny olona maro
avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny
marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17 [Ny namatorana ny
Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary
nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo),
fa feno fialonana izy,
18 dia nisambotra ny
Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
19 Fa nisy anjelin'ny
Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka
ka nanao hoe:
20 Mandehana, ka
mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny
rehetra milaza izany fiainana izany.
21 Ary rehefa nandre
izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra.
Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy
ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny
tranomaizina haka ny Apostoly.
22 Fa nony tonga ny
mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka
nilaza hoe:
23 Ny tranomaizina
dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa
nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
24 Ary ny lehiben'ny
mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany,
dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
25 Dia nisy tonga ka
nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny,
dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26 Dia lasa ny
lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao
mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27 Ary rehefa
nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe
nanontany azy
28 ka nanao hoe: Efa
noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany;
kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo
hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
29 Fa Petera sy ny
Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny
olona.
30 Andriamanitry ny
razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo
teo amin'ny hazo.
31 Izy nasandratry ny
tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy
famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana
ankavanan'Andriamanitra]
32 Ary izahay dia
vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra
ny manaiky Azy.
33 Ary raha nandre
izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
34 Dia nitsangana teo
amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna,
izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona
ireo.
35 Dia hoy izy
tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo
olona ireo.
36 Fa nitsangana
fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny
lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra
nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37 Ary nanarakaraka
azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any
Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka
nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38 Ary ankehitriny
dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa
raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39 fa raha avy
amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho
mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
40 Dia nanaiky azy
izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy
hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41 Ary ireo dia niala
teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra
fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.
42 Ary tsy nitsahatra
nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny
tempoly sy tao an-trano izy.
1 [Ny nifidianana ny
fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa
nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista,
satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
2 Ary ny roa ambin'ny
folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao
ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3 Koa amin'izany, ry
rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy
fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4 Fa izahay kosa
haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
5 Dia sitraky ny
olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy
ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary
Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6 ireo dia narosony
teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana
taminy.
7 Dia nandroso ny
tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany
Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8 [Ny amin'i Stefana]
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana
lehibe teo amin'ny vahoaka.
9 Fa ny sasany, izay
avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny
Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady
hevitra tamin'i Stefana.
10 Fa tsy nahatohitra
ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
11 dia nisy olona
nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy* an'i Mosesy sy Andriamanitra
ity. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
12 Ary nampitaitra ny
olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka
nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;
13 ary izy nanangana
vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny
ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;
14 Fa efa renay izy
nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova
ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.
15 Ary izay rehetra
nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny
tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
1 Ary hoy ny
mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2 fa hoy
Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra
niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola
nonina tany Harana,
3 ka nanao
taminy hoe: Mialà amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany
izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
4 Dia niala
tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy,
dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo
ankehitriny.
5 Ary tsy
nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy
fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola
nanan-janaka akory aza izy.
6 Ary
nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena
hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
7 Nefa ny
firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa
afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13,
14).
8 Ary nomeny
fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy
tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny
patriarka roa ambin'ny folo lahy.
9 Ary nialona
an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra
nomba azy
10 ka nahafaka
azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo
imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any
Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
11 Ary nisy
mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita
hanina ny razantsika.
12 Fa nony
nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny
voalohany.
13 Ary tamin'ny
fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa
ny havan'i Josefa.
14 Ary Josefa
naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona
dimy amby fito-polo izy.
15 Ary Jakoba
nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
16 ary nentina
ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola
tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.
17 Fa rehefa ho
tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra
tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
18
mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
19 Ary izy
nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny
zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
20 Tamin'izany
andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy
ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
21 Fa rehefa
nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
22 Ary Mosesy
nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny
teniny sy ny asany izy.
23 Ary rehefa
ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'isiraely,
rahalahiny
24 Ary raha
nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana
ary namonjy ilay nampahorina.
25 Ary nataony
fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo
tsy fantany.
26 Ary nony
ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana
azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27 Fa ilay
namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy
ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28 Moa
ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly?
(Eks. 2. 13, 14.)
29 Ary
tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany
Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
30 Ary rehefa
afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny
tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
31 Ary Mosesy,
nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia
tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
32 Izaho no
Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks.
3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33 Ary hoy
Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao
io.
34 Hitako tokoa
ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy
azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
35 Izany Mosesy
izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy
mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy
mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
36 Izy no
nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy
teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
37 Izany no
Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no
hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo.
18. 15).
38 Izy ilay teo
amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany
an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona
mba homeny antsika.
39 Nefa ny razantsika
tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
40 ka hoy izy
tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay
Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy
fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
41 Ary dia
nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra
tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tànany.
42 Fa
Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra;
araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra
voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry
taranak'isiraely?
43 Tsia, fa
nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe
Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo
ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
44 Ny
trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka
ny voatendrin'izay niteny tamin'i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika
izay efa hitany.
45 Izany koa
dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka
tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay
noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i
Davida;
46 izy nahita fitia
anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
47 Fa Solomona kosa
no nanao trano ho Azy.
48 Kanefa ny Avo
Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona; araka ny nolazain'ny
mpaminany hoe:
49 Ny lanitra no seza
fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no
hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
50 Tsy ny tanako va
no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)
51 Ry olona mafy
hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina
mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52 Iza no
mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny
fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy
ianareo,
53 dia olona
izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany.
54 Ary nony
nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
55 Fa Stefana,
feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny
voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra,
56 dia nanao hoe:
Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo
ankavanan'Andriamanitra.
57 Ary ny olona
niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
58 dia nandroaka azy
ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia
nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe
Saoly.
59 Ary ny olona
nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny
fanahiko.
60 Dia nandohalika
izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao
ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
Chapitre 8. 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny
mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy
tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana
mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia
sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2 Ary mpivavaka tsara
no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3 Fa Saoly nampahory
mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na
ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4 Ary izay
niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
5 Ary Filipo
nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
6 Ary ny
vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre
azy sy nahita ny fahagagana nataony.
7 Fa ny fanahy
maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy;
ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8 Dia nisy
fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.
9 Ary nisy
lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka
nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10 ary nihaino
azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity
no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
11 Ary nihaino azy ny
olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.
12 Ary rehefa nino
an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny
anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13 Ary Simona koa mba
nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy,
raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14 Ary nony ren'ny
Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia
naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
15 Nony tafidina tany
izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16 Fa tsy mbola nisy
nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy
Tompo ihany izy.
17 Ary izy roa lahy
nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
18 Ary Simona, nony
nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia
nitondra vola homena azy
19 ka nanao hoe: Omeo
izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona
hametrahako tanana.
20 Fa hoy Petera
taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo
vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
21 Tsy manana anjara
na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo
anatrehan'Andriamanitra.
22 Koa mibebaha
amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany
izay noheverin'ny fonao.
23 Fa hitako fa mbola
mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
24 Ary Simona namaly
ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay
nolazainareo.
25 Ary rehefa
nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany
Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny
Samaritana.
26 Ary nisy
anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana
mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia
efitra izany.
27 Dia nitsangana izy
ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy,
mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany
Jerosalema izy mba hivavaka;
28 dia nody izy ka
nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
29 Dia hoy ny Fanahy
tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
30 Ary Filipo
nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany,
ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31 Fa hoy izy:
Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i
Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana]
32 Ary izao no
tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary
tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
33 Ny fietren-tena no
nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy
*? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany]
34 Ary ilay tandapa
namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany
amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
35 Ary Filipo
niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i
Jesosy taminy.
36 Ary raha nandeha
teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa:
Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37 * [* Ampio hoe: 37
Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary
namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]
38 Dia nasainy
najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo
amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
39 Ary rehefa
niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo
Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady
nifaly.
40 Fa Filipo hita
tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay
nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
1 [Ny niovan'i Saoly
ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny
mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
2 ka nangataka
taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra
ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy
na vavy. [*Gr: lalana]
3 Ary raha nandeha
izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra
nanelatretatra tampoka manodidina azy;
4 dia lavo tamin'ny
tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no
manenjika Ahy?
5 Ary hoy izy:
Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6 fa
mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety
hataonao.
7 Ary ny olona
izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo
izy, nefa tsy nahita olona.
8 Ary Saoly
nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na
inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9 Ary tsy
nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
10 Ary nisy
mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy
tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11 Ary hoy ny
Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka
izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa,
indro, efa mivavaka izy;
12 ary izy efa
nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba
hahiratra indray ny masony.
13 Ary Ananiasy
namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany
lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
14 Ary manana
fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny
anaranao.
15 Fa hoy ny
Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo
anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
16 fa hasehoko
azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17 Ary nandeha
Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry
Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana
nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny
Fanahy Masina ianao.
18 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny
masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
19 ary
nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy
Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany
Damaskosy.
20 Ary niaraka
tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa
Zanak'Andriamanitra.
21 Ary
talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay
niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra
azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
22 Ary Saoly
mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka
naneho marimarina fa Jesosy* no Kristy. [* Gr. Ity]
23 Ary rehefa
afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
24 nefa
fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro
aman'alina hamonoany azy.
25 Fa ny mpianany
naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
26 Ary rehefa
tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy
rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27 Fa Barnabasy
naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny
nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany
nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
28 Ary izy
niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
29 sady nitory
tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra
tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30 Ary rehefa
fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka
nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 Dia
nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady
nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny
Fanahy ka nihamaro.
32 [Ny
nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty]
Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona
masina nonina tany Lyda koa.
33 Ary izy
nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo
am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
34 Ary hoy
Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary
ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
35 Ary nahita
azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
36 Ary tany
Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy*;
ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [* Dorkasy
= Gazela; izahao 2 Sam. 2,18]
37 Ary narary
izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia
napetrany tao an-trano ambony.
38 Ary satria
Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia
naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39 Dia nitsangana
Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano
ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady
nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
40 Ary navoak'i
Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika
nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny
masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
41 Ary Petera
nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny
mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
42 Ary dia fantatra
eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
43 Ary Petera
nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
1 [Ny amin'i
Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio,
kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;
2 ary mpivavaka tsara
sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao
fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.
3 Ary izy nahita
miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro,
fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry
Kornelio.
4 Ary nony nibanjina
azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy
hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo
anatrehan'Andriamanitra.
5 Koa ankehitriny
maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa
Petera;
6 mitoetra ao amin'i
Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
7 Ary rehefa lasa ny
anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony
izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro.
8 Ary rehefa
nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
9 Ary nony ampitso,
raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia
niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho
tamin'ny ora fahenina.
10 Dia noana loatra
izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
11 ka nahita ny
lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina
tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
12 ary tao anatiny
nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka
etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
13 Ary nisy feo nanao
taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
14 Fa hoy Petera:
Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
15 Fa hoy ilay feo
taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
16 Ary intelo no
nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
17 Ary raha mbola
nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany,
dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka
nijanona teo am-bavahady,
18 dia niantso ka
nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
19 Fa raha mbola
nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo
lahy mitady anao;
20 fa mitsangàna
ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no
naniraka azy.
21 Ary Petera nidina
tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no
anton'ny ahatongavanareo atỳ?
22 Dia hoy ireo:
Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara
laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra
hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
23 Ary Petera
nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha
niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
24 Ary nony ampitso
indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona
ny havany sy ny tena sakaizany.
25 Ary raha vao
niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady
nitsaoka azy.
26 Fa Petera
nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
27 Ary nony niresaka
taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28 Dia hoy izy
taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano
amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa
tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
29 Ary amin'izany dia
tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana
moa no nampanalanareo ahy?
30 Dia hoy Kornelio:
Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto
an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo
akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
31 ka nanao hoe: Ry
Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny
fiantranao.
32 Koa maniraha
hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao
an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
33 Koa niaraka
tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa
ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay
rehetra nandidian'ny Tompo anao.
34 Ary Petera
niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona
Andriamanitra;
35 fa amin'ny
firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Hianareo mahalala
ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza
fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),
37 dia ilay teny
natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa
izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,
38 Izay
nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha
nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria
Andriamanitra nomba Azy.
39 Ary izahay no
vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy
tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;
40 nefa
natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony
marimarina,
41 tsy tamin'ny olona
rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia
taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty
Izy.
42 Ary Izy nandidy
anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho
Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran'ny
mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy
famelan-keloka.
44 Raha mbola nilaza
izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny
Fanahy Masina.
45 Ary talanjona ny
mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny
jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
46 Fa nandre azy
niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia
namaly Petera ka nanao hoe:
47 Moa misy olona
mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy
Masina tahaka antsika koa?
48 Dia nasainy natao
batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao
aminy andro vitsivitsy izy.
1 [Ny namalian'i
Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany
Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
2 Ary nony tafakatra
tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
3 ka nanao hoe: Efa
niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
4 Ary Petera dia
nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
5 Tany an-tanàna Jopa
aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro,
nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny
zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
6 ary raha nijery sy
nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra
efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
7 Ary nandre feo koa
aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
8 Fa hoy izaho:
Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy
madio.
9 Ary nisy feo avy
tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza
ataonao ho fady.
10 Ary intelo no
nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra
izany.
11 Ary tamin'izay
dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay
iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12 Dia nasain'ny
Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza.
Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao
an-tranon-dralehilahy izahay.
13 Ary nambarany
taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha
ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
14 izy hilaza
teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
15 Ary raha vao
niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
16 Dia
nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa
tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
17 Koa raha mba
homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i
Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
18 Ary rehefa
nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe:
Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19 [Ny
nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy
sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha
hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona
izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
20 Ary ny
sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany
Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa* koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [*
Gr. Grika; na Helenista]
21 Ary ny
tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny
Tompo.
22 Ary ren'ny
sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy
izy handeha hatrany Antiokia.
23 Ary rehefa
tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy
rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
24 Fa lehilahy
tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona
nanampy ho an'ny Tompo.
25 Dia lasa
Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
26 Ary rehefa
nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny
fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra
olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra
hoe.
27 [Ny
naminanian'i Agabo fa hisy mosary] Ary tamin'izany andro izany dia nisy
mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28 Ary
nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny
Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga
izany tamin'ny andron'i Klaodio.
29 Ary ny
mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay
nonina tany Jodia.
30
Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho
any amin'ny loholona*. [* Gr. presbytera]
1 [Ny amin'ny
nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina]
Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny
sasany tamin'ny fiangonana.
2 Ary izy
namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra.
3 Ary rehefa
hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy.
(Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
4 Ary rehefa
nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila
enina ambin'ny folo* hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka
izy, rehefa afaka ny Paska. [*
Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
5 Ary Petera
nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka
tamin'Andriamanitra ho azy.
6 Ary nony efa
hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera
tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina
niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
7 Ary, indro, nisy
anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary
izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna
faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.
8 Ary hoy ilay anjely
taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy
taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
9 Dia nivoaka izy ka
nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho
nahita fahitana ihany izy.
10 Fa rehefa nandalo
ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay
mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony
nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia
nandao azy i]ay anjely.
11 Ary rehefa
nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa
ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny
fanantenan'ny Jiosy rehetra.
12 Ary rehefa fantany
tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa
Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
13 Ary raha
nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo
hihaino.
14 Ary rehefa
nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa
lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15 Fa hoy ny olona
taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray
ny olona: Anjeliny izany.
16 Fa Petera
naharitra nanḍnḍna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka
talanjona.
17 Fa izy nanofa
tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao
an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany
zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
18 Ary rehefa nazava
ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19 Ary rehefa nitady
azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy
novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra
tany.
20 Ary Heroda tezitra
loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany
aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny
mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona
tamin'ny tanin'i Heroda*. [* Gr. ny mpanjaka]
21 Ary tamin'ny andro
voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny
seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.
22 Ary ny vahoaka
niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!
23 Ary niaraka
tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra
an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.
24 Ary nandroso sy
niely ny tenin'Andriamanitra.
25 Ary Barnabasy sy
Saoly niverina avy tany* Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra
an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [* Na: niverina tany]
1 [Ny nandefasana
an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo
amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy
Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono
tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2 Ary raha nanao
fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy
Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3 Ary rehefa nifady
hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4 Ary rehefa
nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka
niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5 Ary nony tonga tany
Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy;
ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
6 Ary rehefa namaky
ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy,
mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7 izay nitoetra tao
amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka
an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny
tenin'Andriamanitra.
8 Fa Elyma, mpanao
ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady
hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9 Fa Saoly kosa, izay
atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
10 ka nanao hoe:
Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny
devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny
lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
11 Ary, indro,
ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy
hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny
mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12 Ary ny governora,
nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny
Tompo.
13 Ary Paoly sy ny
namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga
any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
14 Ary rehefa niala
tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra
tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
15 Ary rehefa vita ny
famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza
taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny
olona, dia ataovy.
16 Ary Paoly
nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo
izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa;
17 Andriamanitr'izao
olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha
nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka
avy tany.
18 Ary Izy nandefitra
tamin'ny nataony* tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. [* Na: (nitondra azy
tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany; izahao Deo. 1.31)]
19 Ary rehefa
nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny
tanin'ireny izy
20 tokony ho
dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy
hatramin'i Samoela mpaminany.
21 Ary rehefa afaka
indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy
efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
22 Ary rehefa
nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady
nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny
foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20).
23 Avy tamin'ny
taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny
teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
24 rehefa notorin'i
Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy
mbola tonga Izy.
25 Ary Jaona, rehefa
nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho?
Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika
hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26 Ry rahalahy,
taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia
ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao.
27 Fa izay monina any
Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny
mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin'ny
nanamelohany Azy.
28 Ary na dia tsy
hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato
ihany izy hamonoana Ary.
29 Ary rehefa
nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy
tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
30 Fa Andriamanitra
kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
31 Ary Izy niseho
andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema,
ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.
32 Ary izahay mitory
ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
33 dia ny
nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i
Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao,
Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7).
34 Ary ny amin'ny
nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny ḷ intsony Izy, dia
izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i
Davida (Isa. 55. 3).
35 Fa hoy Izy ao
amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny ḷ Hianao
(Sal. 16. 10).
36 Fa Davida, rehefa
nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy,
dia nodi-mandry* ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny ḷ; [*Na.
Fa Davida, rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka
ny sitrapon'Andriamanitra]
37 fa Izay
natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny ḷ.
38 Ary aoka ho
fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka
aminareo;
39 ary ao aminy no
anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo
nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
40 Koa tandremo
fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe:
41 Izahaonareo
mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa
izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5)
42 Ary rehefa nivoaka
izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata
manaraka.
43 Ary rehefa nirava
ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo
an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka
namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
44 Ary nony tamin'ny
Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny
tenin'Andriamanitra.
45 Nefa ny Jiosy
kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny
nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy*. [* Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3]
46 Ary Paoly sy
Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy
nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao
ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika
mankany amin'ny jentilisa izahay;
47 fa izao no
nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba
ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).
48 Ary rehefa nandre
izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra*; ary izay
voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [* Na: ny tenin'ny Tompo]
49 Ary ny
tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
50 Fa ny Jiosy
nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna,
dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy
niala tamin'ny taniny.
51 Fa izy roa
lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany
Ikonioma.
52 Ary dia feno
fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
1 [Ny nitorian'i
Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany
nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia
niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona
betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]
2 Fa ny Jiosy izay
tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny
rahalahy.
3 Ary nitoetra ela
teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay
nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany
4 Fa ny vahoaka tao
an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny
Apostoly.
5 Ary raha niray
tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny
loholony,
6 ka fantany izany,
dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany
manodidina, izy,
7 dia nitory ny
filazantsara tany.
8 Ary nisy lehilahy
anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy
afaka namindra;
9 izy nahare an'i
Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa
nanam-pinoana hositranina io,
10 dia niteny
tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra
ralehilahy ka nitsangantsangana.
11 Ary nony
hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony
ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny
andriamanitra maka ny endrik'olona!
12 Ary ny
anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy
no mpitarika ny teny nalahatra. [* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy]
13 Ary ny
mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra
ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao
fanatitra.
14 Fa nony
nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany
izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:
15 Raondriana, ahoana
no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny
filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona
an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao anatiny,
16 Izay namela ny
firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa.
17 Kanefa tsy namela
ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny
ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky
ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
18 Nefa na dia nilaza
izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao
fanatitra aminy.
19 Ary nisy Jiosy
tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato
an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa
maty izy.
20 Fa nony nanodidina
azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy
sy Barnabasy ka nankany Derbe.
21 Ary rehefa
nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro,
dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
22 nampahery ny
fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa
tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny
fanjakan'Andriamanitra.
23 Ary rehefa
nanendry* loholona** teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady
hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na:
nampananga-tanana nifidy] [** Gr. presbytera]
24 Ary rehefa
nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
25 Ary nony efa
nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
26 Dia
niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho
amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.
27 Ary rehefa
tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra
nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho
an'ny jentilisa.
28 Dia nitoetra
elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
1 [Ny nifandiran'ny
sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany
Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia
nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo,
dia tsy azo vonjena.
2 Ary rehefa
nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia
nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho
any amin'ny Apostoly sy ny loholona* hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
[ Gr. presbytera]
3 Ary rehefa
nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka
nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4 Ary rehefa tonga
tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny
loholona*, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany
azy. [* Gr. presbytera]
5 Fa ny mino sasany,
izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy
forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
6 Ary dia nivory ny
Apostoly sy ny loholona* mba hihevitra izany zavatra izany. [* Gr. presbytera]
7 Ary rehefa nisy ady
hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy,
fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa
amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
8 Ary Andriamanitra,
Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina
tahaka antsika koa;
9 fa tsy nataony misy
hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
10 Koa nahoana
ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny
vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
11 Fa mino isika fa
ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12 Dia nangina ny
olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy
ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
13 Ary rehefa
nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry
rahalahy, mihainoa ahy:
14 Simeona efa
nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany
hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15 Ary mifanaraka
amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16 Rehefa afaka
izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera;
Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
17 Mba hitady ny
Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako,
hoy Jehovah,
18 Izay manao izany
zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
19 Koa dia izao no
hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa
izay miverina ho amin'Andriamanitra;
20 fa aoka hanoratra
epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy
sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
21 Fa hatramin'ny
razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa
vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
22 Ary sitraky ny
Apostoly sy ny loholona* mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny
namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia
Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo
amin'ny rahalahy; [* Gr. presbytera]
23 ary nanoratra
taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona
miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary
Kilikia. [* Gr. presbytera]
24 Satria efa renay
fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka
namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
25 dia sitrakay,
rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo
hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
26 lehilahy izay
nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy
Tompontsika.
27 Dia nirahinay Joda
sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
28 Fa sitraky ny
Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao
zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
29 dia ny
hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary
ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa.
Veloma ianareo.
30 Ary rehefa
nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy,
dia natolony ilay epistily.
31 Ary nony efa
namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
32 Ary satria
mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka
nampahery azy.
33 Ary rehefa
nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho
any amin'izay naniraka azy.
34 * [* Ampio hoe: 34
Nefa mbola sitrak'i Silasy ny hitoetra ao]
35 Ary Paoly sy
Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny
Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.
36 [Ny niaingan'i
Paoly fanindroany hitety vohitra tany Asia Minora] Ary rehefa afaka andro
vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny
rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo,
hahitantsika izay toetrany.
37 Ary tian'i
Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
38 Nefa nataon'i
Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia
ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny raharaha.
39 Ary nifanditra
mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana
an-tsambo nankany Kyprosy.
40 Fa Paoly kosa
nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny
fahasoavan'ny Tompo izy.
41 Dia nandeha namaky
an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
Chapitre 16. 1 Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra
anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa
jentilisa* rainy - [* Gr. Grika]
2 ary tsara laza teo
amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
3 Koa tian'i Paoly ho
entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany
amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa* rainy. [ Gr.
Grika]
4 Ary raha nandeha
nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky
ny Apostoly sy ny loholona* tany Jerosalema. [*Gr.presbytera]
5 Ary nihanahery
finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
6 [Ny
niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao
Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy,
dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
7 ka efa tonga tany
an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i
Jesosy.
8 Ary rehefa nandalo
an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
9 Ary nony alina dia
nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana
nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
10 Ary nony nahita ny
fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay,
satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara
amin'ny olona any.
11 Ary nony niondrana
an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony
ampitso dia nankany Neapolia.
12 Ary nony niala teo
izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i
Makedonia izany sady zana-panjakana*; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany
andro vitsivitsy izahay. [* Gr. kolonia]
13 Ary tamin'ny andro
Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay
nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka
tamin'ny vehivavy vory teo.
14 Ary nisy vehivavy
atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay
nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony
hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
15 Ary rehefa natao
batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha
ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia mid́ra ao an-tranoko ka mitoera
ao. Dia nanery anay izy.
16 Ary raha nandeha
ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray
nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no
nahazoan'ny tompony harena be.
17 Izy nanaraka an'i
Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra
Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
18 Ary nataony
tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny
fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia
nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
19 Ary nony
hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i
Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
20 ary rehefa nentiny
tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy
ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
21 ka mampianatra
fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
22 Ary ny vahoaka
niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka
nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
23 Ary nony efa nokapohiny
mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy
tsara ny mpiandry tranomaizina.
24 Ary rehefa nahazo
teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny
indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
25 Ary nony
mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy;
ary nihaino azy ny mpifatotra.
26 Ary nisy
horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny
tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha
avokoa ny fatoran'izy rehetra.
27 Dia nahatsiaro ny
mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia
nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra
ny mpifatotra.
28 Fa Paoly niantso
tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29 Ary izy niantso
jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i
Paoly sy Silasy.
30 Ary rehefa nentiny
nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba
hovonjena aho?
31 Dia hoy izy roa
lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
32 Ary izy roa
lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
33 Ary nandray
azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka;
ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
34 Ary rehefa
nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo
anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria
efa nino an'Andriamanitra.
35 Ary rehefa maraina
ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso
ireo olona ireo.
36 Ary ny mpiandry
tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa
naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa
aman-tsara.
37 Fa hoy Paoly
taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa
Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay
mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
38 Ary ny
mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy,
raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39 Dia tonga izy ka
nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao
an-tanàna.
40 Dia niala tao
an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny
rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
1 [Ny nankanesan'i
Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i
Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny
Jiosy tao.
2 Ary Paoly dia
niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny
Soratra Masina tamin'ny olona tao.
3 Dia nanambara izy
ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy;
ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
4 Ary ny sasany
tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro
be koa tamin'ny jentilisa* izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy
nanan-kaja. [* Gr. Grika]
5 Fa nialona ny Jiosy
ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia
nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa
lahy ho ao amin'ny olona.
6 Ary raha tsy nahita
azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny
lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao
tontolo izao ireo;
7 ary efa
nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara,
satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
8 Dia taitra ny
vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.
9 Ary rehefa nasainy
nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
10 Ary Paoly sy
Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany
Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
11 Ary ny
toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny
zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina
izany, na tsia.
12 Koa maro
tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa* nanan-kaja sy ny
lehilahy. [*Gr. Grika]
13 Fa raha ren'ny
Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia
nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
14 Ary niaraka
tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa
Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
15 Ary izay nanatitra
an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy
amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia
lasa nandeha ireo.
16 [Ny nataon'i Paoly
tany Atena] Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny
fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
17 Ary izy niady
hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay
tafavory tany an-tsena isan'andro.
18 Ary ny olon-kendry
sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany:
Inona no tian'io mpibedibedy* io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory
andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [*
Gr. mpitsindroka]
19 Ary ireo naka azy,
dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra
izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
20 Fa mampandre ny
sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay
hevitr'izany zavatra izany.
21 (Fa ny Ateniana
rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra
hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
22 Ary Paoly
nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa
amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra
ianareo.
23 Fa raha nandeha
aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy
izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay
ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
24 dia Andriamanitra
Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra
sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
25 sady tsy mba
tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra
izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;
26 ary ny firenena
rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa
notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
27 mba hitady an'Andriamanitra
izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika
rehetra Izy;
28 fa Izy no
ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao
tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
29 Ary satria
terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no
ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana
aman-tsain'olombelona.
30 Ary Andriamanitra
ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny
olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,
31 satria Izy efa
nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana
amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona
hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
32 Ary raha nahare ny
amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa
nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.
33 Ary Paoly dia
niala teo aminy.
34 Anefa ny olona
sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy
anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
1 [Ny nahatongavan'i
Paoly tao Korinto, sy ny nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa
afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
2 Ary izy nahita
Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia,
ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma),
dia nankeo amin'izy mivady Paoly.
3 Ary satria niray
raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no
raharahany.
4 Ary
niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy
ny jentilisa.
5 Ary rehefa tafidina
avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara
tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
6 Ary nony nanohitra
sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao
an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny
jentilisa aho.
7 Ary raha niala teo
izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka
tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.
8 Ary Krispo,
mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro
koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
9 Ary ny Tompo niteny
tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa
mitenena ihany, ka aza mangina;
10 fa Izaho momba
anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro
amin'ity tanàna ity Aho.
11 Ary izy nitoetra
teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.
12 Fa raha Galio no
governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary
nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana,
13 ka dia nanao hoe:
Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny
lalàna.
14 Ary raha
hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na
zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho;
15 fa raha ady
hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy
te-hitsara izany raharaha izany.
16 Ary nandroaka azy
hiala teo anoloan'ny fitsarana izy.
17 Ary izy rehetra
nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny
fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany.
18 [Ny niverenan'i
Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia,
ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola
nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia
niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny
volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
19 Ary tonga tany
Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny
synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy.
20 Ary nangataka azy
hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
21 fa nanao veloma
azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha
sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
22 Ary rehefa
tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina
nankany Antiokia.
23 Ary rehefa
nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy
Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24 Ary tonga tany
Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria,
lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina.
25 Izany lehilahy
izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy
nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no
fantany.
26 Ary izy niteny
tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy
Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny
amin'ny lalan'Andriamanitra.
27 Ary rehefa
ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra
taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy,
dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;
28 fa izy
nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina
tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
1 Ary raha mbola tany
Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia
nahita mpianatra sasany teo izy
2 ka nanao taminy
hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao
taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
3 Ary hoy Paoly: Ho
amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i
Jaona.
4 Fa hoy Paoly: Jaona
nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy
manaraka azy, dia Jesosy.
5 Ary
raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
6 Ary rehefa
nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary
niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
7 Ary tokony ho roa
ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.
8 Ary Paoly niditra
tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo
volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
9 Fa raha nikiribiby
ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo
imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra
nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.
[* Gr. lalana]
10 Ary naharitra roa
taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina
tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]
11 Ary ny tànan'i
Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
12 ka dia ny mosara
sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny
aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
13 Ary nisy Jiosy
sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy
Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo
amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
14 Ary nisy fito
mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
15 Ary ny fanahy
ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa
mba iza kosa moa ianareo?
16 Ary ny lehilahy
izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy
azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka
no voaratra.
17 Ary fantatry ny
Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra
ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.
18 Ary maro
izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
19 Ary maro ny
mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra;
ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
20 Fatratra toy izany
no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.
21 Ary rehefa vita
izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia
sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia
tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
22 Ary ny
roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany
Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
23 [Ny tabataba
nataon'i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia
nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana* izany. [* Gr. lalana]
24 Fa nisy lehilahy
anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i
Diana* tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [* Gr. Artemisy]
25 ireny mbamin'ny
mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe:
Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
26 Ary hitanareo sy
renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona
olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy
Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
27 Ka dia tsy izao
raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana,
andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra
ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
28 Ary rehefa nandre
izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
29 Ary nanerana ny
tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy
Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao
an-trano filalaovana.
30 Ary raha
te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.
31 Ary ny lehibe
sasany tany Asia*, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy
ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [* Gr. Asiarka]
32 Ary ny sasany
niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona
vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
33 Ary nisy nisarika
an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary
Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
34 Fa rehefa fantatry
ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe:
Lehibe Dianan'ny Efesiana!
35 Ary ny mpitahiry
ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no
olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy
ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera *? [* Gr. Zeosy]
36 Ary satria tsy azo
toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona
an-kamehana.
37 Fa nentinareo
etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny
andriamanitsika.
38 Koa raha
manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka
hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo
governora.
39 Fa raha mitady
zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny
lalàna.
40 Fa andrao
ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy
hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
41 Ary rehefa nilaza
izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
1 [Ny nankanesan'i
Paoly tany Grisia indray, sy ny niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny
tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy,
dia lasa nankany Makedonia izy.
2 Ary rehefa nitety
izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany
Grisia.
3 Ary nony efa
nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy
Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i
Makedonia.
4 Ary niaraka taminy
hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo
avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo
avy any Asia.
5 Ireo dia efa
nialoha ka niandry anay tany Troasy.
6 Dia niondrana
an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo
tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana;
ary tany no nitoeranay hafitoana.
7 Ary tamin'ny andro
voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia
nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny
mandra-paha-mamatonalina izy.
8 Ary nisy jiro maro
teo an-trano ambony izay niangonanay.
9 Ary nisy zatovo
anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary
raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay
zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary
nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
10 Ary Paoly nidina,
dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo,
fa mbola misy aina ihany izy.
11 Ary niakatra
Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela
ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.
12 Ary nitondra ilay
zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
13 Ary izahay nialoha
ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly,
satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety* izy. [* Na: handeha
tongotra]
14 Ary rehefa nihaona
taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
15 Ary rehefa
niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso;
ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka* tonga tany Mileto izahay
nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)]
16 Fa Paoly efa
nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa
maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
17 [Ny anatra
nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto
Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon*'ny fiangonana**
hankeo aminy. [* Gr. presbytera] [**Gr. eklesia]
18 Ary nony tonga teo
aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako
teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra
izany,
19 dia ny nanompoako
ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay
nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy,
20 ka tsy mba nafeniko
izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao
amin'ny isan-trano;
21 ary nambarako
tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny
finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika]
22 Ary ankehitriny,
indro, tery* am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy
any, [* mifatotra]
23 afa-tsy izay
ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy
fahoriana hanjo ahy.
24 Nefa tsy
ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana
izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny
fahasoavan'Andriamanitra.
25 Ary, indro,
ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay
nalehako nitoriako ny fanjakana.
26 Koa manambara
aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho.
27 Fa tsy nafeniko
anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.
28 Tandremo ny
tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho
mpitandrina*, hiandrasanareo ny fiangonan**'Andriamanitra***, izay novidiny
tamin'ny ràny. [*Gr. episkopo] [** Gr. eklesia'] [*** Na: [ny fiangonan'ny
Tompo]
29 Fantatro fa rehefa
lasa aho dia hisy amboadia* masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny
ondry. [* Gr. lopa]
30 Ary avy aminareo
no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra
hanaraka azy.
31 Koa miambena, ary
tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro
aman'alina tamin'ny ranomaso.
32 Ary ankehitriny
izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny
fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra
nohamasinina.
33 Tsy mba naniry
volafotsy na volamena na lamban'olona aho.
34 Fa fantatrareo
ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay
nilainay.
35 Efa nasehoko
anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba
hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe:
Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
36 Ary rehefa niteny
izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
37 Ary nitomany mafy
izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,
38 sady nalahelo
loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy
teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony
hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]
1 [Ary nahatongavan'i
Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany
Palestina azy] Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka
nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao
nankany Patara;
2 ary nony nahita
sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
3 Ary nony nahatsinjo
an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia
niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo.
4 Ary nony nitady ny
mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia
voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
5 Ary rehefa tapitra
izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny
vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika
teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
6 ary rehefa nifanao
veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
7 Ary ny niafaran'ny
nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba
ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
8 Ary nony ampitso
dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo
evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
9 Ary izany lehilahy
izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
10 Ary raha nitoetra
tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy
tany Jodia.
11 Ary rehefa tonga
tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra
aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no
hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka
hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
12 Ary raha vao renay
izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any
Jerosalema.
13 Fa Paoly namaly ka
nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona
aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho
voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
14 Ary nony tsy
nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no
hatao.
15 Ary rehefa afaka
izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
16 Dia niaraka
taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any
amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay
nokasainay hitoerana.
17 Ary nony
tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
18 Ary nony
ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny
loholona* rehetra. ]*Gr. presbytera]
19 Ary rehefa
niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa
nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.
20 Ary rehefa
nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i
Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary
fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
21 sady efa
novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay
any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na
hanaraka ny fanaon-drazana.
22 Ahoana ary
no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
23 Ary noho
izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay
nivoady;
24 raiso ireo
ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba
hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay
zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
25 Fa ny
amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy
azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny
fijangajangana.
26 Dia
noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany
niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny
fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny
isan-dahy.
27 [Ny
nisamborana an'i Paoly, sy ny teny nalahany tamin'izany] Ary rehefa ho tapitra
ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany
Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,
28 ka dia
niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona
rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity
fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa* teo an-kianjan'ny tempoly izy ka
nandoto ity fitoerana masina. [* Gr. Grika]
29 (fa efa
hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa
nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy).
30 Dia
nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny
olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly;
ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.
31 Ary raha
nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo
tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
32 ary niaraka
tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo
aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia
nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.
33 Ary ny
mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny
gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
34 Ary ny
sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa
zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana,
dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
35 Ary rehefa
tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny
fifanosehan'ny olona;
36 fa ny olona maro
nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
37 Ary rehefa nentiny
tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao
va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
38 Moa tsy ianao va
ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy
mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
39 Fa hoy Paoly:
Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely
laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.
40 Ary Paoly, rehefa
navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny
olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo
izy ka nanao hoe:
Chapitre 22. 1 Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny
hanala tsiny ny tenako.
2 Ary nony ren'ny
olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy
Paoly:
3 Izaho lehilahy
Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe
ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy
tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo
rehetra ankehitriny.
4 Nanenjika izay
nanaiky izany fampianarana* izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia
namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; [* Gr.
lalana]
5 ary ny mpisoronabe
sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho
amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany
Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
6 Ary raha nandeha
aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy
mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
7 dia lavo tamin'ny
tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no
manenjika Ahy?
8 Ary izaho
namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy
any Nazareta, Izay enjehinao.
9 Ary izay
niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon'izay niteny
tamiko izy.
10 Ary hoy
izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana
ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
11 Ary raha tsy
nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo
niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
12 Ary ny
lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara
laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
13 dia nanatona
ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary
tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
14 Ary hoy izy:
Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy
hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
15 fa ho
vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
16 Ary
ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary
aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
17 Ary rehefa
tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia
azon-tsindrimandry
18 ka nahita
Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa
tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
19 Dia hoy
izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao
an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;
20 ary raha
nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka
nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
21 Ary hoy Izy
tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny
jentilisa.
22 Ary ny olona
nihaino azy hatramin'izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe:
Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
23 Ary raha
niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin'ny rivotra izy,
24 dia
nasain'ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina
amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran'ny olona azy toy
izany.
25 Ary raha
namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay
hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola
nohelohina?
26 Ary ny
kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe:
Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
27 Dia nankeo
aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia
hoy izy: Eny.
28 Ary ny
mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy
Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
29 Dia nandao
azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa,
rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
30
[Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso,
satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo,
dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona
rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
1 Ary Paoly dia
nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo
an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany.
2 Ary Ananiasy
mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
3 Ary hoy Paoly
taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao
va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna
aho?
4 Ary izay nitsangana
teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
5 Ary hoy Paoly: Tsy
fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy
ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
6 Ary rehefa fantatr'i
Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny
Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo;
ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
7 Ary rehefa nilaza
izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona
maro.
8 Fa ny Sadoseo manao
hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny
Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
9 Ary nisy antsoantso
maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe
Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io
lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
10 Ary rehefa
nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao
hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila
mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any
anati-rova.
11 Ary ny Tompo
nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny
nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
12 [Ny namindrana
an'i Paoly nankany Kaisaria mba tsy ho azon'izay efa nianiana hahafaty azy] Ary
nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana
na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.
13 Ary tsy omby
efa-polo no niray tetika nanao izany.
14 Ary izy nankany
amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay
fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
15 Koa ankehitriny
dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy
hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay
nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky
izy.
16 Ary nony ren'ny
zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza
tamin'i Paoly.
17 Ary Paoly niantso
ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy
arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
18 Koa dia nandray
azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe:
Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo
ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
19 Ary ny mpifehy
arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia
nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
20 Dia hoy ilay
zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any
amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
21 Koa aza manaiky
azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly,
ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy;
ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
22 Ary ny mpifehy
arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa
nilaza izany tamiko ianao.
23 Ary niantso
kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato
lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria
anio alina amin'ny ora fahatelo;
24 ary itondray biby
koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa
mpanapaka.
25 Ary izy nanoratra
taratasy nisy izao teny izao:
26 Klaodio Lysia
miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
27 Ity lehilahy ity
dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy,
dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
28 Ary satria
ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny
Synedriona izy;
29 dia hitako fa ady
hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay
tokony hahafaty na hamatorana azy.
30 Ary rehefa voalaza
tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka
faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza
atỳ anatrehanao izay iampangany azy. [ Ampio hoe. [Veloma]
31 Dia nalain'ny
miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any
Antipatria.
32 Ary nony ampitso
dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any
anati-rova.
33 Rehefa tonga tany
Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i
Paoly ho eo anatrehany koa.
34 Ary rehefa
novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary
rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
35 dia
hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia
nasainy nambenana tao an-dapan'i* Heroda izy. [* Gr. pretoria]
1 [Ny nitsarana an'i
Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary
rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona
sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka
ny niampangany an'i Paoly.
2 Ary rehefa
nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
3 Hianao no ahazoanay
fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa
raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa
tsara indrindra ô.
4 Fa mba tsy
hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny
faharetana izahay.
5 Fa io lehilahy io
dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo
eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena.
6 Izy io koa nitady
handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy*; [* Ampio hoe: ka tianay hotsaraina
araka ny lalànay]
7 [Fa tonga Lysia,
mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy
nankaty aminao ny mpiampanga azy]
8 ary rehefa manadina
azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
9 Ary ny Jiosy koa
dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
10 Ary rehefa
notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa
ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny
hanala tsiny ny tenako;
11 fa azonao
fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no
niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12 Ary tsy nisy
nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba
ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
13 ary tsy hainy
hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
14 Fa izao no ekeko aminao,
fa araka ny fampianarana* izay ataony hoe fitokoana no anompoako
an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny
lalàna sy ny mpaminany, [*Gr. lalàna]
15 ary manantena
amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny
marina sy ny meloka.
16 Ary amin'izany dia
mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na
amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva.
17 Ary nony afaka
taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.
18 Ary tamin'izay dia
hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na
tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
19 - tokony hiseho
eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
20 Na aoka ireto
olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny
Synedriona aho,
21 afa-tsy izao teny
iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny
amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22 Ary satria
fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana* izany, dia
nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy
arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [* Gr. lalàna]
23 Ary izy nandidy ny
kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara
olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
24 Ary rehefa afaka
andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia
nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy.
25 Ary raha nitory ny
amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia
raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia
hampaka anao indray aho.
26 Sady
nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka
niresaka taminy.
27 Ary rehefa afaka
roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo
sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
1 [Ny hevitra
nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hotsarain'i
Kaisara] Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany
Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
2 Ary ny lohan'ny
mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay
niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
3 ka nangataka azy
hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny
amoron-dalana izy hamonoany azy.
4 Ary Festosy namaly
fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
5 Koa izay
manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga
an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
6 Ary rehefa nitoetra
teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany
Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy
halaina Paoly.
7 Ary nony tonga izy,
dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka
zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany
azy;
8 fa Paoly
nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny
lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara.
9 Nefa Festosy
ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va
hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra
izany?
10 Fa hoy Paoly: Eto
amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy
nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany
marina.
11 Koa raha mpanao
ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa
raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo
manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho.
12 Ary rehefa
niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny
handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany
ianao.
13 [Ny nandaharan'i
Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy Berenika] Ary rehefa afaka andro
vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i
Festosy.
14 Ary rehefa
nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i
Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa,
15 koa tamin'izaho
tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka
izay hanamelohana azy.
16 Fa namaly azy kosa
aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny
ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny
amin'izay niampangan'ireo azy izy.
17 Ary raha tonga
tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka
teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
18 Rehefa nitsangana
ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy
nampoiziko izy tsy akory,
19 fa nanana ady
hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty,
nefa nolazain'i Paoly ho velona.
20 Ary satria variana
ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na
tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra
izany, na tsia,
21 Ary rehefa
nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana
mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.
22 Dia hoy Agripa
tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia
handre azy ihany ianao.
23 Ary nony
ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny
fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy
arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i
Festosy.
24 Ary hoy
Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io
lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na
teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
25 Nefa nony
hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany
no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
26 Ny amin'io
lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia
nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa
mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.
27 Fa ataoko fa
tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana
azy.
1 Ary hoy
Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra
ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
2 Ny amin'ny
zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra
aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
3 indrindra fa
efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa
trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
4 Fantatry ny
Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny
fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany;
5 eny, fantany
hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny
antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika.
6 Ary
ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny
razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
7 dia ilay
fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao
fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana
izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
8 Nahoana no
ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
9 Ary izaho efa
nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra
ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,
10 sady nataoko tany
Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina,
rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina
ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
11 Ary nampijaly azy
matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy*; ary
satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy
hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza. [* Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
12 Ary tamin'izany,
raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny
lohan'ny mpisorona,
13 koa nony ilay
nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa,
indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy
mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
14 Ary rehefa lavo
tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny
teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra
aminao ny hanipaka ny fanindronana.
15 Dia hoy izaho: Iza
moa Hianao, Tompoko? Ary
hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
16 Fa
mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny
hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy*
sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)]
17 hamonjy anao
amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
18 hampahiratra
ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i
Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay
nohamasinina noho ny finoana Ahy.
19 Ary
amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra
aho;
20 fa nambarako
voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia
rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra
izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
21 Ary izany no
nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
22 Ary noho ny
fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka
manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona
afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
23 fa Kristy
tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory
fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
24 Ary raha
nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very
saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
25 Fa hoy
Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny
fahamarinana sy ny fahononana.
26 Fa fantatry
ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto
anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria
tsy natao tao amin'ny takona izany.
27 Ry Agripa
mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
28 Fa hoy Agripa
tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
29 Ary hoy Paoly:
Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy
ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy
amin'ireto gadra ireto ihany.
30 Ary nitsangana ny
mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy;
31 ary rehefa niala
teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy
akory izany lehilahy izany.
32 Ary hoy Agripa
tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny
handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.
1 [Ny nitondrana an'i
Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy
hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany
dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
2 Ary rehefa
nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i
Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy
any Tesalonika.
3 Ary nony ampitso
dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa
navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
4 Ary nony niala teo
izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria
nanohitra ny rivotra.
5 Ary rehefa namaky
ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
6 Ary tao no
nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana
teo aminy izahay.
7 Ary rehefa nandeha
niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria
nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
8 ary nony sahirana
nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe
Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea.
9 Ary rehefa lany ny
andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny
Andro Fifadiana*, dia nananatra azy Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany]
10 ka nanao taminy
hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy
fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika
koa aza.
11 Kanefa ny kapiteny
nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
12 Ary satria ny
fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny
maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny
ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana
sy mianavaratra-andrefana*. [*Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]
13 Ary raha nitsoka
malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia
niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.
14 Ary tsy ela rehefa
afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe
Eorakylona.
15 Ary raha
nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny
izy.
16 Ary raha nandeha
faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda* nihazo ny ilany takon-drivotra
izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; [* Na: (Klaoda)]
17 ary rehefa
nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao
hihatra any amin'ilay fasika mandrevo*, dia nampidina ny lay, ka navelany
handeha ho azy ny sambo. [* Gr. Syrtisy]
18 Ary raha nasian'ny
rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
19 ary nony
ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo;
20 fa rehefa tsy hita
ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay
namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
21 Ary rehefa tsy
nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry
tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba
tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
22 Ary ankehitriny
mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany
no ho very.
23 Fa nisy
anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako
halina
24 ka nanao hoe: Aza
matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao;
ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
25 Koa matokia, ry
tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany
tamiko izany.
26 Nefa tsy maintsy
fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.
27 Ary tamin'ny alina
fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony
namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
28 dia nanaka-drano
izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia
nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
29 Dia natahotra
izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra
teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
30 Fa raha nitady
handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo
amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
31 dia hoy Paoly
tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia
tsy azo vonjena ianareo.
32 Dia notapahin'ny
miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
33 Ary raha mbola tsy
nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina
ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady
nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
34 Koa mananatra
anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy
ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
35 Ary rehefa nilaza
izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny
olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
36 Dia nahazo toky
izy rehetra ka nihinana koa.
37 Ary izahay rehetra
teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
38 Ary rehefa voky
izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina* mba hanamaivana ny sambo.
[*Na: ny vary tritika]
39 Ary rehefa nazava
ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara
morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
40 Ary rehefa
nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary
novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho
azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
41 Ary raha tonga
tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny
sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo
kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
42 Ary ny miaramila
nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
43 Fa ny kapiteny
ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay
nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,
44 ary ny sisa dia
samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy
amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
1 Ary rehefa voavonjy
izahay, vao fantatray fa Melita no anaran'ilay nosy.
2 Ary tsy kely ny soa
nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay
rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
3 Dia namory kitay
hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana
nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany.
4 Ary raha hitan'ny
tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono
olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy
avelan'ny todin'aina ho velona.
5 Fa nakifiny ho eo
amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
6 Ary ny olona kosa
nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy
ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy
ka nanao hoe: andriamanitra io.
7 Ary teo akaikin'io
dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano
anay tsara hateloana.
8 Ary nararin'ny tazo
sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady
nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
9 Ary rehefa vita
izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
10 Ary
voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia
novatsiany tsara.
11 Ary rehefa afaka
telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany
ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana*. [* Gr.
Dioskory; dia Kastora sy Poloksa]
12 Ary rehefa nitody
tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
13 Ary nony niala teo
izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia
nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly
izahay;
14 tao no nahitanay
ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy
izany no nandrosoanay nankany Roma.
15 Ary nony nahare ny
dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'Apio
sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra
izy ka nahazo toky.
16 [Ny toetr'i Paoly
tany Roma, sy izay nataony tany] Ary rehefa tonga tany Roma izahay*, Paoly dia
navelany hitoetra mitokana teo amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy.
[* Ampio hoe: ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin'ny lehiben'ny
mpiambina; fa]
17 Ary rehefa afaka
hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy;
ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra
avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny
firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana;
18 ary rehefa
nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko
izay tokony hahafaty ahy.
19 Fa raha
notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara,
nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
20 Ary izany zavatra
izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny
fanantenan'ny Isiraely no ifatorako amin'ity gadra ity.
21 Ary hoy izy ireo
taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy
mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
22 fa
tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin'izany antoko izany dia fantatray
fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.
23 Ary rehefa nanao
fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy
nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka
hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no
nitaomany azy hino an'i Jesosy.
24 Ary ny sasany nino
izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.
25 Ary raha tsy niray
saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay
nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia mpaminany tamin'ny razanareo
26 manao hoe:
Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare
mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany
ianareo, fa tsy hahita;
27 Fa efa adala ny
fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny
masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony,
dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
28 Koa aoka ho
fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any
amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
29 * [*
Ampio hoe: [29 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra
fatratra]
30 Ary Paoly nitoetra
roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra
nankeo aminy,
31 dia
nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo
tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.
Accès direct aux
chapitres des Romains : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16
1 [Fitarihan-teny] Paoly,
mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
2 izay nampilazainy ny
mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina]
3 ny amin'ny Zanany, Izay
nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,
4 ary naseho* tamin-kery ho
Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny
maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho
Zanak'Andriamanitra mahery]
5 Izay nandraisanay
fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry
ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;
6 ary ianareo koa, izay
isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -
7 ho an'izay rehetra any
Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
8 Voalohany, misaotra
an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra,
satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
9 Fa Andriamanitra, Izay
tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy
mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10 dia mangataka
fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha
sitrapon'Andriamanitra.
11 Fa maniry hahita
anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina
ianareo,
12 izany dia ny mba
hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13 Ary tsy tiako tsy
ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ
aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra
atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
14 Ananan'ny Grika sy
ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15 koa raha izaho,
dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
16 Fa tsy menatra ny
filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany,
amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
17 Fa amin'izany no
anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny
finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab.
2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]
18 [Ny amin'ny
faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any
an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny
tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
19 satria izay
fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa
nasehon'Andriamanitra taminy.
20 Fa ny fombany tsy
hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho
hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony;
ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra]
21 fa na dia nahalala
an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho
an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany,
ary tonga maizina ny fony donto.
22 Nandoka tena ho
hendry izy ka tonga adala,
23 koa ny
voninahitr'Andriamanitra tsy mety ḷ dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny
olona mety ḷ sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra
mandady sy mikisaka.
24 Ary izany no
nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia
ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
25 ary ny
fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra
natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 Izany no nanoloran'Andriamanitra
azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny
fanaony ho amin'izay tsy fanaony;
27 ary tahaka izany
koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny
fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny
tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28 Ary araka ny
nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia
araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy
mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
29 ka dia feno ny
tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno
fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
30 mpibitsibitsika,
mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka
tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala
an'Andriamanitra]
31 tsy
manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 dia olona mahalala
tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no
miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao
koa.
1 [Ny amin'ny
tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna]
Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy
ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa,
fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona]
2 Nefa fantatsika fa
ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.
3 Ary ianao,
ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao,
moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr.
olona]
4 Sa hamavoinao ny
haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy
fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
5 Fa ny ditranao sy
ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro
fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra,
6 Izay hamaly
ny olona rehetra araka ny asany avy:
7 ho an'izay
maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary
tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
8 fa ho an'izay
mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka
ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
9 eny,
fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy,
amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;
10 fa
voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny
tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
11 Fa tsy misy
fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.
12 Fa izay
nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota
nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
13 Fa tsy ny mpandre
ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankaṭ ny lalàna no
hohamarinina;
14 fa na oviana na
oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny
lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia
lalàn-tenany ihany;
15 fa ireo maneho ny
asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no
vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa
aza,-
16 amin'ny andro izay
hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny
filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
17 Fa raha saingy
atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho
reharehanao
18 ary mahalala ny
sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina
ny lalàna ianao [* Na: samy hafa]
19 ary matoky ny
tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,
20 mpananatra ny
adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny
fahalalana sy ny fahamarinana:
21 ka moa ianao izay
mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay
mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
22 Hianao izay manao
hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta
ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
23 Hianao izay manao
ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va
ianao amin'ny andikanao ny lalàna?
24 Fa araka ny
voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra any amin'ny
jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3]
25 Fa ny famorana
mahasoa tokoa, raha mankaṭ ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa
ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
26 Ary raha mankaṭ
ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na
dia tsy voafora aza?
27 Ary tsy
hohelohin'ny tsy mifora izay mankaṭ ny lalàna va ianao, izay mpandika ny
lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
28 Fa tsy izay
araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;
29 fa izay
araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa
tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy
amin'Andriamanitra.
1 Koa inona ary
no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?
2 Be ihany amin'ny
zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho
adidiny.
3 Fa ahoana kosa ary?
Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny
fahamarinan'Andriamanitra?
4 Sanatria izany!
Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka
ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa
manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina]
5 Fa raha ny
tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no
holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany!
- miteny araka ny fanaon'ny olona aho -
6 Sanatria izany! Fa
raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7 Fa raha ny
fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny,
nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
8 Ary nahoana no tsy
hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny
filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
9 Ahoana ary?
Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota
avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [**
Gr. Grika]
10 araka ny
voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11 Tsy misy izay
mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
12 Samy nania avokoa
izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara
na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
13 Fasana
misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny
menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);
14 Feno ozona
sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
15 Ny tongony
mimaona handatsa-drà;
16 Fandravana sy
fandringanana no eo amin'ny alehany;
17 Ary ny
lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
18 Tsy misy
fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).
19 Ary
fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny
lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny
fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,
20 satria tsy
misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no
ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
21 [Ny
fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia
efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna
anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
22 dia ny
fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho
an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra
sy)]
23 fa samy efa
nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
24 nefa
hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao
amin'i Kristy Jesosy,
25 Izay
nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana
ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny
nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]
26 mba
hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay
manana finoana an'i Jesosy.
27 Aiza ary ny
fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny
asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.
28 Koa
amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny
lalàna.
29
Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny
jentilisa koa;
30 fa iray
ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy
voafora amin'ny finoana.
31 Koa mahafoana ny
lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna
isika.
1 Inona ary no
holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
2 Fa raha asa no
nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy
amin'Andriamanitra.
3 Fa ahoana hoy ny
Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho
fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
4 Ary ho an'izay
miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
5 Fa ho an'izay tsy
miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina
ho fahamarinana.
6 Dia araka izany koa
no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana
tsy amin'ny asa, hoe:
7 Sambatra izay
voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
8 Sambatra izay olona
tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).
9 Koa izany
fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa
lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.
10 Ary ahoana no
nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy
efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
11 Ary ny famorana,
izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana
izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay
mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,
12 ary ho rain'ny
voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i
Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
13 Fa tsy lalàna, fa
fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny
fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
14 Fa raha izay
amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny
teny fikasana;
15 fa ny lalàna
mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
16 Koa finoana no
andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahaṭ ny teny fikasana ho an'ny
taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny
finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -
17 araka ny
voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo
anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny
tsy misy toy ny misy.
18 Ary na dia efa tsy
nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena
maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).
19 Ary satria tsy mba
nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa
tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,
20 ary tsy
niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa
nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra
21 ary natoky
indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
22 Dia nisaina ho
fahamarinany izany.
23 Nefa tsy ho azy
ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
24 fa ho antsika izay
hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika
tamin'ny maty,
25 Izay natolotra
noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
1 [Ny soa ananan'ny
mino an'i Kristy, sy ny fihoaran'izany noho izay soa verin'i Adama] Koa
amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika
hanana* fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika. [* Na: (dia manana)]
2 Tamin'ny alalany
koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana
itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny
voninahitr'Andriamanitra.
3 Ary tsy izany
ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny
fahoriana mahatonga faharetana;
4 ary ny faharetana
mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha
toetra mahatonga fanantenana;
5 ary ny fanantenana
dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no
nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny
fitiavana an'Andriamanitra]
6 Fa fony mbola tsy
nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy
fanahy.
7 Fa saiky tsy misy
olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy
maty asa hamonjy ny manao soa.
8 Fa Andriamanitra
mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy
antsika Kristy.
9 Koa mainka aza ny
hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa
nohamarinina tamin'ny ràny isika.
10 Fa raha fony mbola
fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny
Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa
nampihavanina.
11 Ary tsy izany
ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
12 Koa izany dia
tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary
ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny
fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
13 fa hatrany
alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny
ota, raha tsy misy lalàna;
14 fa ny fahafatesana
nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota
tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy.
15 Nefa tsy tahaka ny
fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no
nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny
fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho
an'ny maro kosa.
16 Ary tsy tahaka ny
avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray
no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no
nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.
17 Fa raha ny
fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny
anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny
fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia
Jesosy Kristy.
18 Koa tahaka ny
nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no
nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra
noho ny fahamarinana iray.
19 Fa tahaka ny
nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana
ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.
20 Ary ny lalàna dia
niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no
nihoaran'ny fahasoavana be lavitra,
21 mba ho tahaka ny
nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa
amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika.
1 [Ny fahafahan'ny
maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no
holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny
fahasoavana?
2 Sanatria izany!
Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
3 Tsy fantatrareo va
fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao
batisa ho amin'ny fahafatesany?
4 Koa niara-nalevina
taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny
nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no
handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
5 Fa raha
nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka
izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena]
6 fa fantatsika fa ny
toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba
tsy hanompoantsika ny ota intsony.
7 Fa izay efa maty
dia afaka amin'ny ota.
8 Ary raha niara-maty
tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
9 ary fantatsika fa
rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy
manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
10 Fa ny amin'ny
nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny
ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.
11 Ary aoka ho tahaka
izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa
velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
12 Koa aza avela ny
ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
13 ary aza manolotra
ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa
atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny
momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na:
fiasan'] [** Na: fiasan']
14 Fa ny ota tsy
hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny
fahasoavana.
15 Ahoana ary? hanota
va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria
izany!
16 Tsy fantatrareo va
fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia
mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny
fanarahana ho amin'ny fahamarinana?
17 Ary isaorana anie
Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa
nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;
18 ary rehefa natao
afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.
19 Miteny araka ny
fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo
ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna
hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany
koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny
fahamasinana.
20 Fa fony
mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
21 Inona ary no
vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa
fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany.
22 Fa ankehitriny,
rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra,
dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana
mandrakizay.
23 Fa fahafatesana no
tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy
amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
1 Tsy fantatrareo,
va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia
manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
2 Fa ny vehivavy izay
manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa
raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.
3 Koa raha mbola
velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga
izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy
mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
4 Ary amin'izany
ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny
tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny
maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.
5 Fa fony tao amin'ny
nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao
amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.
6 Fa ankehitriny dia
efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika,
ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.
7 Inona ary no
holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota
aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha
tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).
8 Fa io didy io dia
nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny
ota, raha tsy misy lalàna.
9 Ary izaho dia
velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray
ny ota, ka dia maty aho.
10 Ary ny didy izay
natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
11 Fa io didy io dia nentin'ny
ota namitaka sy nahafaty ahy.
12 Ka dia masina
tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.
13 Koa ny tsara va no
nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa
ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny
nataon'ny lalàna.
14 Fa fantatsika fa
araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.
15 Fa izay ataoko dia
tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
16 Fa raha manao ny
tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
17 Ary amin'izany tsy
izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
18 Fa fantatro fa tsy
misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko
ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
19 Fa tsy ny tsara
izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
20 Fa raha ny tsy
sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay
mitoetra ato amiko.
21 Koa hitako izao
lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na:
koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina]
22 Fa mankasitraka ny
lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
23 nefa mahita lalàna
hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho
an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.
24 Indrisy!
olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?
25 Misaotra
an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny
amiko, dia mankaṭ ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota
kosa amin'ny nofoko.
1 [Ny famonjen'i
Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola
hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho
an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2 Fa ao amin'i Kristy
Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy
ny fahafatesana.
3 Fa izay tsy hain'ny
lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy
naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka
nanameloka ny ota tao amin'ny nofo,
4 mba hahatanteraka
ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa
araka ny Fanahy.
5 Fa izay araka ny
nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra
izay zavatry ny Fanahy.
6 Fa ny fihevitry ny
nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
7 satria fandrafiana
an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra,
sady tsy hainy akory izany.
8 Ary izay ao amin'ny
nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
9 Fa ianareo tsy ao
amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra
ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy
izy.
10 Fa raha Kristy no
mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia
fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny
ota, fa]
11 Ary raha ny
Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia
Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety
maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
12 Ary amin'izany, ry
rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny
nofo.
13 Fa raha velona
araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo
ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
14 Fa izay tarihin'ny
Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
15 Fa tsy nandray ny
fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny
fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
16 Ny Fanahy dia
miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
17 Ary raha zanaka,
dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy
koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
18 Fa ataoko fa ny
fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny
voninahitra izay haseho amintsika.
19 Fa izao zavatra
ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo
zanak'Andriamanitra;
20 fa izao zavatra
ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa
noho Izay nampanaiky azy,
21 sady nahazo
fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny
fahandevozana, dia ny fahaḷvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny
voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria]
22 Fa fantatsika fa
izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa
hiteraka mandraka ankehitriny;
23 ary tsy izany
ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza
dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny
tenantsika.
24 Fa ny fanantenana
no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony;
fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany?
25 Fa raha isika manantena
izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
26 Ary toy izany koa,
ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony
hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
27 Ary Izay mandinika
ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny
fifonany ho an'ny olona masina.
28 Ary fantatsika fa
ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay
voantso araka ny fikasany rahateo.
29 satria izay
fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho
Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.
30 Ary izay
notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay
nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
31 Inona ary no
holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no
hahatohitra antsika?
32 Izay tsy niaro ny
Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika
miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
33 Iza no hiampanga
ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
34 Iza no manameloka?
Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra
eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
35 Iza no hahasaraka
antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana,
sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
36 Araka ny
voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry
hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
37 Kanefa amin'izany
rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia
antsika.
38 Fa matoky aho fa
na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra
ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
39 na ny ambony, na
ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy
hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy
Tompontsika.
1 [Ny amin'ny
nandavan'Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy
mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny
fieritreretako,
2 fa mafy ny
alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko.
3 Fa efa saiky niriko
aza ho voaozona* ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny
rahalahiko, havako araka ny nofo, [* Gr. anatema]
4 izay Isiraelita
sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny
fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
5 azy koa ny razana,
sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra
isaorana mandrakizay*. Amena. [* Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana
mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin'izy rehetra]
6 Kanefa tsy lazaiko
fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no
Isiraely.
7 Ary na dia
taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'isaka no
hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
8 Izany hoe:
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no
isaina ho taranaka.
9 Fa izao no
filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary
hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
10 Ary tsy
izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka
razantsika;
11 fa raha tsy
mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny
fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy
amin'izay miantso),
12 dia
nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);
13 araka ny
voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3).
14 Ahoana ary no
holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany!
15 Fa hoy Izy tamin'i
Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo
(Eks. 33. 19).
16 Koa dia tsy avy
amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra
Izay miantra.
17 Fa hoy ny Soratra
Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny
heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16).
18 Koa izay tiany
hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamaf́na fo no hamafiny fo.
19 Hianao ary dia
hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny
sitrapony?
20 Tsia, ralehilahy,
fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao
amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
21 Ny mpanefy vilany
va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany
zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
22 Sa ahoana kosa
raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny
heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana
voavoatra hosimbana,
23 mba
hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po,
izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
24 dia isika izay
nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa,
25 araka izay lazainy
eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala
hoe malala (Hos. 2. 25);
26 Ary any amin'ny
tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe
zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).
27 Ary Isaia milaza
ny amin'ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny
isan'ny Zanak'isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
28 fa amin'ny
fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa.
10. 22, 23);
29 ary araka izay
nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka
ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika
(Isa. 1. 9).
30 Ahoana ary no
holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo
fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana?
31 fa ny Isiraely,
izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
32 Nahoana moa?
Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato
mahatafintohina izy;
33 araka ny
voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy
mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
1 Ry rahalahy, ny
irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.
2 Fa
vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny
fahalalana.
3 Fa satria tsy
nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny
tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.
4 Fa Kristy no
faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
5 Fa Mosesy nanoratra
milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany
(Lev. 18. 5).
6 Fa ny fahamarinana
izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no
hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)
7 na: Iza no hidina
any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty
izany.)
8 Fa ahoana no
lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30.
12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
9 satria raha
manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa
Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
10 Fa amin'ny fo no
inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11 Fa hoy ny Soratra
Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
12 Fa tsy misy hafa,
na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena
homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika]
13 Fa izay rehetra
miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
14 Hataony
ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona
tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15 Ary hataony
ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny
hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
16 Nefa tsy izy
rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny
nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
17 Koa ny finoana dia
avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
18 Fa hoy izaho:
Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony,
Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra
izao (Sal. 19. 4). [* Na: filazantsara]
19 Fa hoy
izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho
hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no
hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
20 Fa sahy
mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho
tamin'izay tsy nanontany Ahy.
21 Fa ny
amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako
tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
1 Dia hoy
izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba
Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina.
2 Andriamanitra
tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny
Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany
tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3 Jehovah ô,
efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany
no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
4 Fa ahoana no
navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy
mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
5 Dia toy izany
koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana
amin'ny fahasoavana.
6 Ary raha avy
amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany,
dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7 Ahoana ary?
Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany,
fa nohamaf́na ny fon'ny sisa;
8 araka ny
voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy
hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
9 Ary hoy
Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho
famaliana azy;
10 Aoka ny
masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).
11 Dia hoy izaho: Sao
dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny
fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.
12 Ary raha ny
fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga
haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13 Fa ianareo
jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny
fanompoako,
14 raha mba misy
hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany
aminy. [* Gr. ny nofoko]
15 Fa raha ny
fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin'ny
maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana]
16 Ary koa, raha
masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia
masina koa ny sampany.
17 Fa raha notapahina
ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no
natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky* ny hazo oliva [* Na:
(fakany sy ny menaky)]
18 dia aza mirehareha
amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa
ny fakany no mitondra anao.
19 Ary ianao
dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20 Marina ihany
izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21 fa raha ny tena
sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22 Koa indro ny
fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia
fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra
ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa
ianao.
23 Ary ireny kosa,
raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa
azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
24 Fa raha notapahina
tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara,
nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo
oliva nanapahana azy.
25 Fa tsy tiako tsy
ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny
tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely
sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
26 ary amin'izany dia
hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy
any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;
27 Ary izao no
fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
28 Raha ny amin'ny
filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana
kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
29 Fa ny
fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30 Fa tahaka anareo
tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no
nahazoanareo famindram-po,
31 dia toy izany kosa
ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny
famindram-po azonareo.
32 Fa Andriamanitra
nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
33 Endrey ny
halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny* ary ny fahalalany! ny
fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [* Na: ny haren'ny
fahendren'Andriamanitra]
34 Fa iza no nahalala
ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
35 Na iza no nanome Azy
aloha hamaliana azy indray?
36 Fa Izy no
nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no
antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
1 [Ny fitondran-tena
mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra
velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo
izany. [* Na: fanompoam-pivavahana]
2 Ary aza manaraka ny
fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo
ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr.
tanteraka].
3 Fa noho ny
fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo:
Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony
araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
4 Fa toy ny
ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra
momba ny tena,
5 dia toy izany koa
isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy
miara-momba ny tena isika rehetra.
6 Ary satria samy
manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena
antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7 raha fanompoana
amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka
ho amin'ny fampianarana;
8 raha mananatra, dia
aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay
manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho
amin'ny fifaliana.
9 Aoka ny fitiavana
ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny
tsara.
10 Mifankatiava araka
ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny
fifanomezam-boninahitra.
11 Mazotoa, fa aza
malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12 Mifalia amin'ny
fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
13 Miantrà ny olona
masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
14 Misaora izay
manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
15 Miaraha
mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
16 Miraisa saina. Aza
mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*.
Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo]
17 Aza mamaly ratsy
na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona
rehetra.
18 Raha azo atao, dia
ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
19 Ry malala, aza
mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny
famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
20 Fa raha noana ny
fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha
manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
21 Aza mety ho
resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
1 Aoka ny olona
rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy
amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.
2 Koa izay
manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay
manohitra dia hahazo fahamelohana.
3 Fa ny
mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny
tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera
avy aminy ianao;
4 fa
mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia
matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy,
dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
5 Koa tsy maintsy
manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny
fieritreretana koa.
6 Fa noho izany no
andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra
izany indrindra ireny.
7 Mandoava amin'izy
rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra,
fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay
tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
8 Aza avela hisy tsy
voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia
ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
9 Fa ny hoe: Aza
mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona
(Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao
teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
10 Ny fitiavana tsy
manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
11 Ary tokony hanao
izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora
tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika
dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika.
12 Efa ho lasa ny
alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny
maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava.
13 Aoka isika
hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na
amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy
amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.
14 Fa itafio Jesosy
Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
1 [Ny amin'ny
handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny
malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
2 Ny anankiray mino
fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana,
ka dia mihinana zava-maniry ihany.
3 Aoka ny mihinana
tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny
mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
4 Iza moa ianao izay
mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany
izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
5 Ny anankiray
manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray
kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy
izy.
6 Ny mitandrina
ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho
an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia
tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.
7 Fa tsy misy
velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.
8 Fa raha
velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny
Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.
9 Fa izany no
nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona
Izy.
10 Fa nahoana ianao
no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny
rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra.
11 Fa voasoratra hoe:
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny
lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23).
12 Koa samy
hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.
13 Koa aza
mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy
fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [* Gr. mitsara]
14 Mahalala sady
matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha
misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
15 Fa raha
mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana
intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy
azy.
16 Aoka ary tsy
mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3]
17 Fa ny
fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana
sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.
18 Fa izay manompo
an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona
fa tsara.
19 Koa dia aoka isika
hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
20 Aza izay hanina no
andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy
ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.
21 Fa tsara ny tsy
mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina* ny rahalahinao.
[* Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy]
22 Ny finoana izay
anananao dia haẓny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy
manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.
23 Fa izay
miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa
ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
1 Fa isika izay
matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay
hahafaly ny tenantsika ihany.
2 Aoka isika rehetra
samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
3 Fa Kristy aza tsy
nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa
nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
4 Fa izay rehetra
voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana
amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
5 Fa Andriamanitry ny
faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy
Jesosy,
6 mba ho saina iray
sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy
Tompontsika.
7 Koa mifandraisa
ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra.
[* Na: (antsika)]
8 Fa lazaiko fa
Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahaṭ
ny teny fikasana tamin'ny razana,
9 mba hankalazan'ny
jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe:
Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal.
18. 49).
10 Ary hoy koa Izy:
Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).
11 Ary koa:
Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena
rehetra (Sal. 117. 1).
12 Ary hoy koa Isaia:
Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no
hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).
13 Ary Andriamanitry
ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra
amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny
Fanahy Masina.
14 Fa izaho koa, ry
rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay
mifananatra koa.
15 Kanefa amin'ny
fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo
indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,
16 mba ho mpanompon'i
Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny
itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana
ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
17 Ka dia manana izay
hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.
18 Fa tsy sahiko
lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na
tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
19 dia tamin'ny
herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*,
dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny
fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)]
20 Koa dia nataoko ho
voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana
an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
21 fa araka ny
voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no
hahafantatra (Isa. 52. 15).
22 Ary izany no
nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
23 Fa ankehitriny,
satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa
naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,
24 raha mankany
Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any,
rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
25 Fa ankehitriny dia
efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
26 Fa efa
sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona
masina any Jerosalema.
27 Eny,
sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny
zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo
izy.
28 Ary rehefa
vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo
any aminareo aho, raha mankany Spania.
29 Ary fantatro
fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
30 Ary
mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika
sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny
fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,
31 mba ho
voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona
masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
32 mba
hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka
samy ho velombelona ny fontsika.
33 Ary Andriamanitry
ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
1 [Famangiana sy teny
farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana atỳ Kenkrea,
lazaiko tsara aminareo,
2 mba horaisinareo ao
amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy
amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako
koa.
3 Veloma amin'i
Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy;
4 izy mivady dia nanolotra
ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny
fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.
5 Ary veloma amin'ny
fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay
voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
6 Veloma amin'i
Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
7 Veloma amin'i
Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo
amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako.
8 Veloma amin'i
Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.
9 Veloma amin'i
Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako.
10 Veloma amin'i
Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i
Aristobolo.
11 Veloma amin'i
Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.
12 Veloma amin'i
Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa
malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo.
13 Veloma amin'i
Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko.
14 Veloma amin'i
Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy.
15 Veloma amin'i
Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra
izay ao aminy.
16 Mifanaova veloma
amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma
anareo.
17 Fa izaho mananatra
anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny
fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny
olona ireny.
18 Fa izy ireny tsy
mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady
tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.
19 Fa efa niely any
amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo;
satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy.
20 Fa Andriamanitry
ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho
aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
21 Manao veloma
anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
22 Izaho, Tertio,
izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.
23 Gaio, ilay
itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny
volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
24 * [* Ampio hoe:
[24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika Amena]
25 Ary ho an'izay
mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy
Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony
fahagola,
26 fa efa naseho
ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra
mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga
fanekena ny finoana,
27 ho an'Andriamanitra
tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
mandrakizay mandrakizay. Amena.
Accès direct
aux chapitres de 1 Corinthiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16
1 [Fitarihan-teny sy
fiarahabana ary fisaorana] Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny
sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
2 mamangy ny
fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy
Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i
Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
3 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
4 Misaotra
an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra
izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,
5 dia ny nampananana
harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny
fahalalana rehetra,
6 araka ny
niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo,
7 ka dia tsy latsaka
amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy
Kristy Tompontsika,
8 Izay hampiorina
anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i
Jesosy Kristy Tompontsika.
9 Mahatoky
Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana
amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10 [Anatra noho ny
fifampiandanian'ny fiangonana tao Korinto, sy filazana ny amin'ny
nitorian'Paoly ny filazantsara] Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny
anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy
fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy
hevitra.
11 Fa efa voalazan'ny
avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa
misy fifampiandaniana eo aminareo.
12 Izao anefa no
anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i
Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.
13 Voazarazara va
Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho
amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14 Misaotra
an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
15 fandrao misy
milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.
16 Nefa mba efa nanao
batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay
nataoko batisa.
17 Fa Kristy tsy
naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny
fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.
18 Fa ny teny ny
amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra
kosa amintsika izay hovonjena.
19 Fa voasoratra hoe:
Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa.
29. 14).
20 Aiza ny hendry?
Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy
nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?
21 Fa satria, na dia
naseho aza ny fahendren'Andriamanitra*, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao
tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no
sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; [* Na: Fa noho ny
fahendren'Andriamanitra]
22 fa ny Jiosy mila
famantarana, ary ny jentilisa* mitady fahendrena, [* Gr. Grika]
23 fa izahay kosa
mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana
amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa*, [* Gr. Grika]
24 fa amin'izay
voantso kosa, na Jiosy na jentilisa*, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy
fahendren'Andriamanitra. [* Gr. Grika]
25 Fa ny
fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny
fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.
26 Fa hevero ny
fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy
firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
27 fa ny adala
amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary
ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny
mahery;
28 ary ny iva razana
amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao
ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29 mba tsy hisy nofo
hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
30 Fa avy aminy no
nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra
fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
31 mba ho araka ny
voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).
1 Ary izaho koa, ry
rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena
marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay* an'Andriamanitra. [*Na:
[ny filazana]
2 Fa ninia tsy
hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa
Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana;
3 ary izaho, raha
tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4 ary ny teniko sy ny
toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny
Fanahy sy ny hery,
5 mba tsy niorenan'ny
finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
6 Anefa milaza
fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao,
na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
7 fa milaza ny
fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay
nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana
izao tontolo izao;
8 ary tsy nisy
nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy
nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra.
9 Fa araka ny
voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na
niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra
ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3),
10 dia isika no
nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra
rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
11 Fa iza no olona
mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany?
Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny
Fanahin'Andriamanitra ihany.
12 Fa isika tsy
nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra,
mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.
13 Izany koa no
lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny
ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona* araka ny
Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na
mampitaha zava-panahy]
14 Fa ny olona izay
araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa
fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana
izany.
15 Fa ny olona araka
ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy
fantarin'olona.
16 Fa iza no
nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay
manana ny sain'i Kristy. [* Na: azy]
1 [Ny amin'ny
raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry
rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa
tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i
Kristy.
2 Ronono no nomeko
anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola
tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
3 fa mbola araka ny
nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy
araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?
4 Fa raha hoy ny
anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy
olona ihany va ianareo?
5 Koa inona moa
Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino
ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.
6 Izaho namboly,
Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
7 Ka dia
tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo
no izy.
8 Ary iray ihany ny
mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny
fisasarany izy.
9 Fa mpiara-miasa
amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano
arafitr'Andriamanitra ianareo.
10 Araka ny fahasoavan'Andriamanitra
nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana,
ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay
arafiny eo amboniny.
11 Fa tsy misy mahay
manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
12 Ary raha misy
mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na
mololo, eo ambonin'ny fanorenana,
13 dia haseho avokoa
ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo
izany andro izany*, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona
rehetra. [* Na: izany]
14 Raha maharitra ny
asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
15 Raha ho levon'ny
afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena,
nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.
16 Tsy fantatrareo va
fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no
anatinareo?
17 Raha misy manimba
ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina
ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany*. [* Na: dia masina koa ianareo]
18 Aza misy
mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao,
aoka ho adala izy mba ho hendry.
19 Fa ny
fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa
voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5.
13).
20 Ary indray:
Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)
21 Ka dia aza misy
manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
22 na Paoly, na
Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny
zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
23 ary ianareo an'i
Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.
1 Aoka hataon'ny
olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay
an'Andriamanitra izahay.
2 Ary raha izany, dia
fantatrareo fa ny mpitandrina* dia tokony ho olona mahatoky. [* Gr: mpitandrina
fananana]
3 Fa raha ny amiko,
dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona* fa
ny tenako aza tsy mitsara ahy. [* Gr. andron'olona]
4 Fa tsy hitako izay
tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
5 koa amin'izany aza
mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay
hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny
fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
6 [Anatra noho ny
fiavonavonan'ny Korintiana] Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko
oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy
hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny
anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
7 Fa iza no mampihoatra
anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao,
nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
8 Efa afa-po sahady
ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy
izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo,
hiarahanay sy ianareo manjaka.
9 Fa ataoko fa
nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka
hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na
olona.
10 Izahay dia adala
noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa
ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
11 Mandraka
ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana
totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
12 Ary misasatra
miasa amin'ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha
enjehina, dia miaritra;
13 raha tenenina
mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao
izahay, dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
14 Tsy ny hahamenatra
anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny
zanako malalako aho.
15 Fa na dia manana
mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo;
fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara.
16 Koa mananatra
anareo aho: manahafa ahy ianareo.
17 Ary noho izany dia
nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo,
ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko* ao amin'i Kristy, tahaka ny
ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny. [* Gr. lalako]
18 Fa ny sasany
mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
19 Fa ho avy any
aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo
mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
20 Fa ny
fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery.
21 Inona ary no
tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny
fahalemem-panahy?
1 [Anatra noho ny tsy
nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy
fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka
azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
2 Ary ianareo indray
va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao
aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
3 Fa izaho, na dia
tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady
an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
4 amin'ny anaran'i
Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i
Jesosy Tompontsika -
5 hanolotra izany
anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy
amin'ny andron'i Jesosy Tompo.
6 Tsy mety ny
fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana
rehetra?
7 Esory ny masirasira
ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo.
Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
8 ka dia aoka isika
hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira
lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny
fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
9 Nanoratra taminareo
teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga;
10 nefa tsy ny
mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao
an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao
tontolo izao ianareo.
11 Fa ny nanoratako
taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy,
nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo,
na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.
12 Fa ahoako ny
hitsara ny any ivelany? Tsy
ny ao anatiny va no tsarainareo?
13 Fa ny any ivelany
dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
1 [Ny tsy
mahamety ny miady eo anatrehan'ny tsy mino] Misy aminareo va, raha manana ady
amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo
anatrehan'ny olona masina?
2 Sa tsy fantatrareo
fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo
izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va
ianareo?
3 Tsy fantatrareo va
fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
4 Koa raha misy
hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana
ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
5 Hampahamenatra anareo
no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory
aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny?
6 Fa ny rahalahy
mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza.
7 Ary ankehitriny dia
kilema aminareo ny anananareo* ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo
mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina
aza ianareo? [* Na: matiantoka mihitsy ny fanahinareo, raha manana]
8 Kanjo ianareo
indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
9 Moa tsy fantatrareo
va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety
hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka
vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22]
10 sy ny mpangalatra
sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy
mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
11 Ary efa mba toy
izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina
ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy
tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena]
12 [Ny amin'ny
fijangajangana tsy azo atao ho isan'ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny
hanina samy hafa] Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa
avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety
handevozin-javatra na inona na inona.
13 Ny hanina dia ho
an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy
roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary
ny Tompo ho an'ny tena.
14 Ary Andriamanitra
efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny.
15 Tsy fantatrareo va
fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy
va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany!
16 Moa tsy
fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy
Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
17 Fa izay miray
amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
18 Mandosira ny
fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena
ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.
19 Ahoana ary? Moa
tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao
anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo
ianareo.
20 Fa olom-boavidy
ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
1 [Ny amin'ny
fanambadiana] Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny
lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
2 Anefa noho ny
fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka
koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
3 Aoka ny lahy hanao
izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.
4 Ny vavy tsy
manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy
manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.
5 Aza
misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro
hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana
fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
6 Fandeferana anefa
no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
7 Fa tiako ho tahaka
ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana
nomen'Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy
izao kosa.
8 Fa hoy izaho
amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra
tahaka ahy izy.
9 Nefa raha tsy
maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho
maimay.
10 Ary ny manam-bady
dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy,
11 (nefa raha misy
efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny
lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy.
12 Fa amin'ny sisa,
dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary
mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
13 Ary raha misy
vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka
tsy hialany izy.
14 Fa ny lahy tsy
mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao
amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha
izany, dia masina izy.
15 Fa raha ny tsy
mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy
amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.
16 Fa ahoana moa no
ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no
ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?
17 Kanefa aoka ny
olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen'ny Tompo azy sy araka ny
niantsoan'Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin'ny fiangonana
rehetra.
18 Misy nantsoina
voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va?
Aoka izy tsy hoforana.
19 Tsinontsinona ny
famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny
didin'Andriamanitra no izy.
20 Aoka ny olona rehetra
samy hitoetra eo amin'izay toetra efa niantsoana azy ihany.
21 Nantsoina va ianao
raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy
hahafahanao, aleo izany*. [* Na: fa na dia misy hahafahanao, dia aleo manompo
ihany]
22 Fa ny andevo izay
voantso ao amin'ny Tompo dia olona afaka an'ny Tompo; toy izany koa, ny olona
afaka izay voantso dia mpanompon'i Kristy.
23 Fa olom-boavidy
ianareo, ka aza mety ho andevon'olona.
24 Ry rahalahy, aoka
ny olona rehetra samy hitoetra amin'Andriamanitra ao amin'izay niantsoana azy
avy.
25 Fa ny amin'ny
virijina dia tsy manana didy avy amin'ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro
tahaka izay niantran'ny Tompo ahy ho mahatoky.
26 Koa izao no ataoko
fa tsara amin'ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra
toy izao ihany.
27 Manam-bady va
ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
28 Nefa na dia
hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny
virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny;
fa izaho miantra anareo.
29 Fa izao no
lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy* ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny
manana amin'izao sisa izao; [* Gr. nohafohezina]
30 ary mba ho toy
izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary
mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
31 ary mba ho toy
izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny
fanaon'izao fiainana izao.
32 Fa tiako tsy ho
maro ahina ianareo. Izay
tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
33 Fa izay
manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
34 Ary tsy
mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady
mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny;
fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny
lahy.
35 Ary miteny
izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa
mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy
hivezivezen'ny sainareo.
36 Fa raha misy
mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra
noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka
izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy*. [* Gr. aoka
hivady ireo]
37 Fa raha misy
kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo
manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zananivavy virijina, dia
hanao tsara izy.
38 Ka izay
manome ny zanany virijina hampakarina dia manao tsara, ary izay tsy manome azy
hampakarina no manao tsaratsara kokoa.
39 Ny vavy
voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia
afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany.
40 Nefa raha
araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko
fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra.
1 [Ny amin'ny
hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] Ary ny amin'ny hena aterina
amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana
mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
2 Fa raha misy
manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory
izy.
3 Fa raha misy tia
an'Andriamanitra, dia izy no fantany.
4 Ary ny amin'ny
mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory
ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
5 Fa na dia misy aza
atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy
andriamanitra maro sy tompo maro);
6 nefa amintsika kosa
dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary
ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny
zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
7 Kanefa tsy ary
manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria
zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro
azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany,
satria malemy.
8 Fa ny hanina tsy
hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy
matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
9 Nefa tandremo,
fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy.
10 Fa raha misy
mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny
sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina
amin'ny sampy koa va izany?
11 Fa verin'ny
fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny
fahafatesana?
12 Fa raha manota toy
izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia
manota amin'i Kristy ianareo.
13 Koa raha ny hanina
no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay,
fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
1 [Ny nandeferan'i
Paoly tsy hovelomin'ny fiangonana tao Korinto] Tsy olona afaka va aho? Tsy
Apostoly va aho? Tsy efa nahita an'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao
amin'ny Tompo va ianareo?
2 Raha tsy Apostoly
ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase
mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
3 Izany no
avaliko izay manadina ahy.
4 Moa tsy mahazo
mihinana sy misotro va izahay?
5 Moa tsy mahazo
mitondra vady izay isan'ny mino* va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny
rahalahin'ny Tompo ary Kefasy? [* Gr. anabavy]
6 Sa izaho ihany sy
Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
7 Iza no mandeha
manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka
tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny
rononony?
8 Moa araka ny
fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
9 Fa voasoratra eo
amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary (Deo.
25. 4). Ny omby va no ahin'Andriamanitra?
10 Sa noho izahay
mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no
nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana,
ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo.
11 Raha izahay namafy
izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay
anananareo araka ny nofo kosa izahay?
12 Raha ny hafa aza
manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy
nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra,
fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.
13 Tsy fantatrareo va
fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary
izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?
14 Toy izany koa no
nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana
amin'ny filazantsara.
15 Nefa tsy nahavatra
izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba
hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
16 Fa raha mitory ny
filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany;
fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
17 Fa raha ny
sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny
sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
18 Inona ary no
valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako
fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny
filazantsara.
19 Fa na dia afaka
amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra
ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
20 Tamin'ny Jiosy,
dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny
lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna
aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna;
21 tamin'izay tsy
manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy
manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba
hahazoako izay tsy manana lalàna;
22 tamin'ny malemy
dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho
amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
23 Ary izany rehetra
izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
24 Tsy fantatrareo va
fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka
avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba
hahazoanareo.
25 Ary ny
mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny
dia mitady satro-boninahitra mety ho ḷ ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho ḷ.
26 Raha izaho ary, dia
mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa
tsy toy ny mamely ny rivotra;
27 fa asiako mafy ny
tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza
aho, dia holavina kosa ny tenako.
1 [Fananarana fandrao
misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho
fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary
izy rehetra namaky ny ranomasina,
2 ary izy rehetra dia
natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,
3 ary izy rehetra
nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
4 ary izy rehetra
nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy
izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
5 Nefa ny ankabiazany
dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6 Ary izany zavatra
izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny
nilan'ireny.
7 Ary aoka tsy ho
mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny
olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks. 32. 6).
8 Ary aoka tsy
hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina
no ringana indray andro.
9 Ary aoka tsy haka
fanahy ny Tompo* isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka
matin'ny menarana ireny. [* Na: [an'i Kristy]
10 Ary aoka tsy
himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.
11 Ary izany dia
nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay
niharan'ny faran'izao tontolo izao.
12 Koa izay manao azy
fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
13 Tsy misy
fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky
Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo;
fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo
izany.
14 Koa amin'izany, ry
malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
15 Miteny toy ny
amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
16 Ny kapoaky ny
fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny
mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy
**Na: fiombonana]
17 Satria iray ihany
ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy
mandray amin'izany mofo iray izany avokoa.
18 Indreo ny Isiraely
araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?
19 Inona ary no
holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra
va ny sampy?
20 Tsia, fa izay
zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy
amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia
ianareo.
21 Tsy mahazo misotro
amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana
amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
22 Mampahasaro-piaro
ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23 Ny zavatra rehetra
azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao,
nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24 Aoka tsy
hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25 Izay hena rehetra
amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26 fa an'i
Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal. 24. 1).
27 Ary raha
misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay
arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28 Fa raha misy
manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny
amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.
29
Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanano, fa ny an'ny olon-kafa; fa
nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?
30 Fa raha
amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay
anaovako fisaorana?
31 Koa
amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia
ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
32 Aza manao
izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra,
33 dia tahaka
ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka
tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
Chapitre 11. 1 Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny
anahafako an'i Kristy.
2 [Ny amin'ny
tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho,
satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny
fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
3 Ary tiako ho
fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no
lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
4 Ny lehilahy
rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny
lohany.
5 Fa ny
vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia
mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
6 Fa raha tsy
misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny
vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
7 Ny lehilahy
dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa
ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
8 Fa tsy ny
vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
9 Fa tsy ny
lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
10 Izany no
mahamety ny vehivavy hisaron-doha* noho ny amin'ny anjely. [*Gr. hanana
fahefana eo amin'ny lohany]
11 Kanefa ao
amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy
raha tsy misy vehivavy.
12 Fa toy ny
nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny
lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra
rehetra.
13 Hevero ao
am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny
vehivavy?
14 Tsy
mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny
lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
15 Fa raha lava volo
kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho
fisaronana.
16 Fa raha misy olona
toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny
fiangonan'Andriamanitra.
17 [Ny amin'ny
Fanasan'ny Tompo] Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy
akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.
18 Fa voalohany
indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana
eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
19 Fa tsy maintsy
misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
20 Koa raha miangona
ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory.
21 Fa raha mihinana
ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia
noana, fa ny anankiray kosa mamo.
22 Moa tsy
manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny
fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko
aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.
23 Fa izaho efa
nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny
alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
24 ary rehefa
nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy
ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina]
25 Dia araka izany
koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena
vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana
no misotro ianareo.
26 Fa na oviana na
oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia
manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
27 Koa na zovy an
zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy
mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.
28 Fa aoka ny olona
hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.
29 Fa izay rehetra
mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy
mamantatra ny tena izy.
30 Noho izany dia
betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
31 Fa raha mba
mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
32 Fa raha tsaraina
isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.
33 Koa raha miangona
hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa*. [* Na: mifampizarà]
34 Ary raha misy
olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho
fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.
1 [Ny amin'ny
fanomezam-pahasoavana samy hafa] Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia
tsy tiako tsy ho fantatrareo.
2 Fantatrareo fa fony
jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana
anareo.
3 Koa mampahafantatra
anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe:
Voaozona* Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy
amin'ny Fanahy Masina. [* Gr. anatema]
4 Zarazaraina ho samy
hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
5 Ary zarazaraina ho
samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
6 Ary zarazaraina ho
samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra
rehetra amin'ny olona rehetra.
7 Ary izy rehetra dia
samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan']
8 Fa ny anankiray
nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany
Fanahy izany ihany,
9 ary ny anankiray
finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana
ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,
10 ary ny anankiray
ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny
mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy
hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr.
hery]
11 Ireo rehetra ireo
dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny
sitrapony.
12 Fa tahaka ny tena
iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo,
na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
13 Fa Fanahy iray
ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*,
na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy
iray. [* Gr. Grika]
14 Nefa ny momba ny
tena tsy iray, fa maro.
15 Raha ny tongotra
hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy
momba ny tena va izy?
16 Ary raha ny sofina
hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia
tsy momba ny tena va izy?
17 Raha maso avokoa
ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary
izay fanimboloana?
18 Fa Andriamanitra
efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny
sitrapony.
19 Ary raha izay
rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
20 Fa maro ny momba
ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
21 Ary ny maso tsy
mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy
mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
22 Fa mainka
ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
23 Ary ny momba ny
tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe
kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
24 fa tsy mila izany
ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny
nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny
voninahitra bebe kokoa,
25 mba tsy hisy
fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
26 Ary raha mijaly ny
anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny
tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia
miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
27 Ary ianareo no
tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
28 Ary Andriamanitra
efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa
mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana*, dia
fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia
fiteny samy hafa tsy fantatra. [* Gr. hery]
29 Apostoly va izy
rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao
fahagagana va izy rehetra?
30 Manana
fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny
tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
31 Nefa maniria
fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana
tsara indrindra no atoroko anareo:
1 Na dia miteny
amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia
tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
2 Ary na dia manana
faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny
fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra
tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
3 Ary na dia omeko
hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza
ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
4 Ny fitiavana
mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy
mieboebo,
5 tsy manao izay tsy
mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
6 tsy mifaly amin'ny
tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
7 mandefitra* ny
zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra,
maharitra ny zavatra rehetra. [* Na: manarona]
8 Ny fitiavana tsy ho
levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy
fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
9 Fa
sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
10 fa rehefa
tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
11 Fony mbola
zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza;
fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
12 Fa ankehitriny
isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia
mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho
fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
13 Ary ankehitriny
dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa
ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
1 [Ny fihoaran'ny
fahaizana haminany noho ny fahaizana hanao fiteny tsy fantatra] Miezaha mitady
ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
2 Fa izay miteny
amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra;
fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
3 fa izay maminany
kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho
fampiononana.
4 Izay miteny amin'ny
fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa
mampandroso ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
5 Tiako raha samy
hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay
maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy
mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana* fampandrosoana. [* Gr. eklesia]
6 Nefa, ry rahalahy,
raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no
soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na
faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
7 Ary ny zavatra tsy
manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy
hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny
lokanga?
8 Fa raha manao feo
hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
9 Dia toy izany koa
ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no
fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra
ianareo.
10 Misy fiteny maro
samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
11 Koa raha tsy
mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay
miteny ho vaka amiko kosa.
12 Ary toy izany
ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny
fiangonana* no tadiavo indrindra. [* Gr. eklesia]
13 Koa aoka izay
miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
14 Fa raha mivavaka
amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko
kosa tsy mahavanona.
15 Ahoana ary
no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira
am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
16 Fa raha
misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao
Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
17 Fa ianao dia
misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
18 Misaotra
an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho
ianareo rehetra aho;
19 nefa raha ao
am-piangonana*, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako
ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [*
Gr. eklesia]
20 Ry rahalahy, aza
mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza,
fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
21 Voasoratra amin'ny
lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no
hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy
izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12).
22 Koa ny fiteny tsy
fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny
faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino.
23 Koa raha vory ny
mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy
fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very
saina ianareo?
24 Fa raha samy
maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny
anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra;
25 ka dia miseho ny
zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra
sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
26 Ahoana ary
no izy, ry rahalahy? Raha
miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy
manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny.
Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
27 Raha misy miteny
amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra
noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
28 Fa raha tsy misy
mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana*; fa aoka hiteny
amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany izy. [* Gr. eklesia]
29 Ary aoka ny
mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
30 Fa raha misy
tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
31 fa mahazo maminany
tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy
rehetra;
32 ary ny
fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.
33 Fa Andriamanitra
tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny
fiangonan*'ny olona masina rehetra, [* Gr. eklesia]
34 dia aoka hangina
ny vehivavy raha ao am-piangonana*; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa
tsara araka ny lazain'ny lalàna koa. [* Gr. eklesia]
35 Ary raha misy
tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa
mahamenatra raha miteny ao am-piangonana* ny vehivavy. [* Gr. eklesia]
36 Avy aminareo va no
nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
37 Raha misy manao
azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa
didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
38 Fa raha misy tsy
mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
39 Koa amin'izany, ry
rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny
fiteny tsy fantatra;
40 kanefa aoka ny
zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
1 [Ny amin'ny
fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara
izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
2 izay amonjena
anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy
nino foana ianareo.
3 Fa natolotro anareo
ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty
noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,
4 dia nalevina, ary
natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
5 ary niseho tamin'i
Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa.
6 Rehefa afaka izany,
dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia
mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
7 Rehefa afaka izany,
dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.
8 Ary faran'izy
rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
9 Fa izaho dia ambany
indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa
nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra aho. [* Gr. eklesia]
10 Fa ny
fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato
amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa
ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
11 Koa na izaho na ry
zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
12 Ary raha Kristy no
torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa
tsy misy fitsanganan'ny maty?
13 Fa raha tsy misy
fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
14 ary raha tsy
natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
15 Ary dia hita ho
vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa
Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia
tsy mba natsangany Izy.
16 Fa raha tsy
hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
17 ary raha tsy
natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo
ihany ianareo;
18 dia very koa izay
efa nodimandry ao amin'i Kristy.
19 Raha amin'izao
fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho
ny olona rehetra isika.
20 Nefa tsy izany, fa
efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
21 Ary satria ny
olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny
fitsanganan'ny maty.
22 Fa tahaka ny
ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa
ao amin'i Kristy.
23 Nefa samy amin'ny
filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy
amin'ny fihaviany.
24 Ary rehefa afaka
izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny
fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny
hery rehetra.
25 Fa tsy maintsy
manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony
(Sal. 110. 1).
26 Ny fahafatesana no
fahavalo farany horesena.
27 Fa ny zavatra
rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony
hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba
isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
28 Ary rehefa
nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky
Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy
Andriamanitra ihany*. [* Gr. mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra
Andriamanitra]
29 Raha tsy izany,
hanao ahoana izay atao batisa ny amin*'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny
maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy? [* Na: nisolo]
30 Ary nahoana
izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
31 Lazaiko
marina*, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao
amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho. [* Na: Mianiana aho]
32 Raha araka
ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko
amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana* sy hisotro,
fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13). [* Na: inona no soa azoko, raha tsy atsangana ny maty? Aoka isika
hihinana]
33 Aza mety
hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena
tsara.
34 Mifohaza tsara*,
ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny
hampahamenatra anareo no ilazako izany. [* Na: Mifohaza ho amin'ny
fahamarinana]
35 Fa hisy hanao hoe:
Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
36 Ry adala,
izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
37 ary izay
afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany,
na voambary*, na voa hafa; [* vary tritrika]
38 fa
Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra
dia samy omeny ny tenany avy.
39 Tsy mitovy
ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny
nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.
40 Ary misy
tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny etỳ an-tany; fa hafa ny
voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny etỳ an-tany.
41 Hafa ny
voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny
voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny
kintana anankiray.
42 Dia toy
izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahaḷvana izy, atsangana
amin'ny tsi-fahaḷvana;
43 afafy
amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny
fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;
44 afafy tena
araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy
tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
45 Ary araka
izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7);
Adama farany natao fanahy mahavelona.
46 Anefa tsy
izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay
amin'ny fanahy.
47 Ny olona
voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
48 Izay amin'ny
tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any
an-danitra.
49 Ary toy ny
nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any
an-danitra koa.
50 Fa izao no
lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny
fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahaḷvana tsy mandova ny tsi-fahaḷvana.
51 Indro,
zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
52 fa vetivety, toy
ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika
rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho ḷ intsony,
ary isika hovana.
53 Fa ity mety ḷ ity
tsy maintsy hitafy ny tsi-fahaḷvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy
ny tsi-fahafatesana.
54 Fa rehefa mitafy
ny tsi-fahaḷvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety
maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka
levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy]
55 Ry fahafatesana ô,
aiza ny fandresenao? Ry
fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14).
56 Fa ny ota no
fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
57 Fa isaorana
anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy
Kristy Tompontsika.
58 Koa
amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be
mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory
ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
1 [Ny amin'ny
famoriam-bola ho an'ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy
fanaovam-beloma] Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba
manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia.
2 Amin'ny andro
voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na
amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny
famoriam-bola mandra-pahatongako.
3 Ary rehefa tonga
aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny
fiantranareo ho any Jerosalema.
4 Ary raha tokony
handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
5 Hankatỳ
aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho -
6 ary angamba
hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy
amin'izay halehako.
7 Fa tsy mikasa
hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo
aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo.
8 Nefa hitoetra any
Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta;
9 fa varavarana
lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
10 Ary rehefa tonga
Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo
no ataony, tahaka ny ataoko koa.
11 Koa aza avela hisy
olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga
atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho.
12 Ary ny amin'i
Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy
hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany*;
nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [* Na: saingy tsy
sitrapon'Andriamanitra ny handehanany ankehitriny]
13 Miambena* ianareo,
tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta
tory]
14 Izay rehetra
ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.
15 Fantatrareo ny
ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho
amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
16 mba hanaiky tsara
ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
17 Faly aho noho ny
fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy
vitanareo;
18 fa namelombelona
ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
19 Manao veloma
anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny
tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony.
20 Manao veloma
anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
21 Ny tanako, izaho
Paoly, no anaovako veloma.
22 Raha misy tsy tia
ny Tompo, aoka ho voaozona* izy. Maran ata**. [* Gr. anatema] [** Maran ata =
Avy ny Tompontsika (?)]
23 Ho aminareo anie
ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo;
24 ny fitiavako dia
ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.
Accès direct
aux chapitres de 2 Corinthiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13
1 [Fiarahabana sy fisaorana
nataon'i Paoly noho ny nampiononan'Andriamanitra azy. Ny amin'ny nahasampona
an'i Paoly tsy hankany Makedonia, sy hafatra ny amin'ny handraisana ilay efa
nesorina, ary fisaoran'i Paoly an'Andriamanitra noho ny nitahiany ny
tori-teniny] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra,
ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto
mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:
2 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
3 Isaorana anie
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady
Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
4 Izay mampionona
anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra
fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
5 Fa araka ny
haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa
amin'ny alalan'i Kristy.
6 Ary raha ampahorina
izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina
izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo
fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
7 Ary miorina tsara
ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana
no iombonanareo ny fampiononana koa.
8 Fa tsy tianay tsy
ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa
novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na
dia ny ainay aza;
9 eny, tsy nanampo
izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa
amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
10 Ary Izy no
nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany;
eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
11 satria ianareo koa
miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho
ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
12 Fa izao no ataonay
ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana
sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa
tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo
izao, mainka fa teo aminareo.
13 Fa tsy manoratra
teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary
manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,
14 toy ny efa
fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no
voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.
15 Ary tamin'izao
fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo
soa fanindroany),
16 ary hankany
Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ
aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
17 Koa raha nikasa
izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko
araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
18 Fa raha mahatoky
koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
19 fa ny
Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho
sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
20 Fa na firy na firy
ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny
Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.
21 Fa Izay
mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia
Andriamanitra,
22 Izay nanisy
tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
23 Ary izaho miantso
an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina
aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
24 Kanefa tsy mihambo
ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo,
satria finoana no itoeranareo.
1 Fa ninia toy izao
tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin'alahelo.
2 Fa raha mampalahelo
anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
3 Ary nanoratra izany
indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin'izay tokony hifaliako,
satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
4 Fa tamin'ny
haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny
ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny
fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
5 Fa raha nisy efa
nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy
loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
6 Ampy ho amin'izany
olona izany ny fampijaliana nataon'ny maro,
7 ka dia aleo mamela
heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin*'ny fitomboan'alahelo
izany olona izany.[*Gr. atelin']
8 Koa mananatra
anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin'ny fitiavana izy.
9 Fa izany koa no
nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin'ny zavatra rehetra
ianareo,na tsia.
10 Fa izay avelanareo
heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa,raha nisy heloka navelako,
dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason*'i Kristy,[*Na: nisolo anay]
11 fandrao ho resin'ny
fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
12 Ary rehefa tonga
tany Troasy hitory ny filazantsaran'i Kristy aho, ka novohana varavarana ao
amin'ny Tompo,
13 dia tsy tafandry
ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny
olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
14 Fa isaorana anie
Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny
fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny
tontolo eny izahay.
15 Fa hanitr'i Kristy
ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very:
16 amin'ny sasany dia
hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany
kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no
antonona ho amin'izany zavatra izany?
17 Fa tsy mba toy ny
maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny
amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo
anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.
1 [Ny amin'ny
voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran'izay noho
ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka
mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
2 Hianareo no
epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra;
3 eny, aseho ho
epistilin'i Kristy izay entinay* ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty
anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato
fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[*Na: soratanay; Gr.
anompoanay]
4 Ary manana izany
fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy.
5 Kanefa tsy mihambo
hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa
ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra,
6 Izay efa nampahaleo
anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa
amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
7 Fa raha ny
fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy
voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny
voninahitry ny tavany izay nihalevona,
8 tsy mainka hisy
voninahitra ny fanompoana omban'ny Fanahy?
9 Fa raha nisy
voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka
hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
10 Ary izay nisy
voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra
izay manan-tombo.
11 Fa raha ny
nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
12 Koa amin'izany,
satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
13 ary tsy tahaka
an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy
hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona;
14 fa efa donto ny
sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana
izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany
no anesorana izany.
15 Fa misy
fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy.
16 Kanefa raha
miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
17 Ary ny Tompo izany
Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.
18 Fa isika rehetra
kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny
amin'ny fitaratra*, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny
voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny
Fanahy.[*Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]
1 Ary amin'izany,
satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po,
dia tsy ketraka.
2 Fa efa nolavinay ny
zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny
tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena
amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
3 Fa raha miafina ny
filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
4 izay nohajambain'ny
andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny
fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
5 Fa tsy ny tenanay
no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i
Jesosy.
6 Fa Andriamanitra, izay
nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny
fonay ho amin'ny fahazavan*'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo
amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[*Na: hampisehoana]
7 Fa manana izao
rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny
halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay.
8 Voageja manodidina
izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
9 enjehina, nefa tsy
nafoy, potraka, nefa tsy maty;
10 mitondra ny
fahafatesan*'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao
amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. [*Gr. ny famonoanana an']
11 Fa izahay izay
velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy,
mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.
12 Koa ny
fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
13 Ary satria manana
izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino
aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny;
14 fa fantatray fa
Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
15 Fa ny zavatra
rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho
voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.
16 Ary tsy ketraka
izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro
isan'andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay]
17 Fa ny fahorianay
maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka
mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,
18 raha tsy mijery ny
hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita
no haharitra mandrakizay.
1 Fa fantatsika fa
raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay
voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra
mandrakizay any an-danitra.
2 Ary misento
ao anatin'ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any
an-danitra koa;
3 fa ho hita mitafy
isika, fa tsy mba mitanjaka.
4 Fa isika izao
amin'izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika
ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty.
5 Ary Izay efa
namboatra antsika ho amin'izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome
antsika ny santatry ny Fanahy.
6 Koa matoky
mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin'ny tena, dia tsy
mitoetra any amin'ny Tompo
7 (fa finoana no
andehanantsika, fa tsy fahitana);
8 eny, matoky isika,
ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin'ny tena, fa ny hitoetra any amin'ny
Tompo.
9 Koa dia ataontsika
ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
10 Fa isika rehetra
dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy,
mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay
nataony, na tsara na ratsy.
11 Koa amin'izany,
satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa
amin'Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa
voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa.
12 Tsy midera tena
indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba
hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho* ihany, fa tsy amin'ny
fo.[*Gr. tava]
13 Fa raha very saina
izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
14 Fa ny fitiavan'i
Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny
olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
15 ary maty hamonjy
ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa
ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
16 Koa dia tsy
mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i
Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany
intsony Izy.
17 Koa raha misy
olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha,
indreo, efa tonga vaovao ireo.
18 Fa izany rehetra
izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny
alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
19 dia izao :
Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy
nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
20 Koa dia iraka*
solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i
Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra
anie ianareo.[*Gr. ambasadôra]
21 Izay tsy nahalala
ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra
ao aminy kosa isika.
1 Ary izahay
mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny
fahasoavan'Andriamanitra
2 fa hoy Izy:
Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena
no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana;
indro, ankehitriny no andro famonjena;
3 fa tsy manao izay
mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
4 fa amin'ny zavatra
rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny
faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana,
5 amin'ny kapoka,
amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy
fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina,
6 amin'ny
fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy,
amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
7 amin'ny teny
fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na
amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia,
8 amin'ny voninahitra
sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny
mpamitaka, nefa marina ihany;
9 tahaka ny tsy
fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro,
velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
10 tahaka ny
ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa
mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa
manana ny zavatra rehetra.
11 [Fanarana ny
Kristiana tao Korinto mba tsy hikamba amin'ny ratsy, sy filazana ny hafalian'i
Paoly noho ny nibebahan'ireo, rehefa nahazo ny epistily nampitondrainy] Ry
Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
12 Tsy tery
aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany.
13 Ary mba ho
valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mihalalaha
kosa ianareo.
14 Aza mety hasiana
zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny
fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?
15 Ary inona no
ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny
tsy mino?
16 Ary inona no
ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no
tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo
aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).
17 Koa mivoaha eo
aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra
tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
18 Ary ho Rainareo
Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa.
52. 11, 12).
Chapitre 7. 1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika
hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na
amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana
an'Andriamanitra.
2 Ataovy omby anay ny
fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin'ny olona izahay, tsy nanimba olona,
tsy nanambaka olona.
3 Tsy miteny izany ho
fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba
hiara-maty sy hiara-belona isika.
4 Be ny fahatokiako
anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana
indrindra amin'ny fahorianay rehetra.
5 Fa na dia efa tonga
tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny
zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
6 Fa Andriamanitra,
Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i
Titosy,
7 ary tsy tamin'ny
nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa,
raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny
fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.
8 Fa na dia nampalahelo
anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina
ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany,
kanefa vetivety ihany.
9 Ary mifaly kosa aho
ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny
nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra
ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona.
10 Fa ny alahelo
araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa
fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.
11 Fa, indro, izany
nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga
fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana!
fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana!
zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany
rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany
ianareo.
12 Koa na dia
nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny
niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny
fahazotoanareo hanaiky anay.
13 Ary noho izany dia
nampiononina izahay, ary tamin'ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly
izahay noho ny fifalian'i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny
fanahiny.
14 Ary raha nisy
nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka
ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny
reharehanay tamin'i Titosy ny aminareo.
15 Ary vao mainka
miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy,
dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.
16 Ary faly aho fa
matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.
1 [Ny amin'ny famorian-bola
ho an'ny Kristiana malahelo tany Jodia] Ary ampahafantarinay anareo, ry
rahalahy, ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena tao amin'ny fiangonana any
Makedonia;
2 fa tamin'ny
fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin*'ny
fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony**. [* Gr.halalin'] [** Na: fahafoizany]
3 Koa vavolombelona
aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny
sitrapony ihany, no nanomezany,
4 sady nangataka mafy
taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona
masina izany;
5 ary tsy araka ny
nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia ho anay koa
noho ny sitrapon'Andriamanitra;
6 ka dia nangataka
an'i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa,
araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
7 Fa araka ny
itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na
amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo
anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
8 Tsy milaza izany ho
didy aho, fa noho ny zotom-pon'ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan'ny
fitiavanareo koa.
9 Fa fantatrareo ny
fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia
tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
10 Ary dia ambarako
izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana
ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry
ny taon-itsy.
11 Ataovy tanteraka
ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany
koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
12 Fa raha misy ny
fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy
ananany.
13 Kanefa tsy ny
hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
14 fa ny mba hisy
fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny
alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba
hisy fitoviana,
15 araka ny
voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy
nanana ny tsy ampy (Eks. 16. 18).
16 Fa isaorana anie
Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon'i Titosy ho anareo mitovy
amin'ny ahy.
17 Fa nanaiky ny
fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany
nankany aminareo.
18 Ary ilay rahalahy
izay nalaza amin'ny filazantsara any amin'ny fiangonana rehetra no nirahinay
hiaraka aminy;
19 ary tsy izany
ihany, fa efa notendren*'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay
hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay** ho voninahitry ny Tompo sy ho
vavolombelon'ny fahazotoanay. [* Na: Nofidina tamin'ny fananganan-tanana] [**
ataonay amin'ny fanompoanay]
20 Ary mitandrina
izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao harena be angoninay izao;
21 fa miomana hanao
izay mahamendrika izahay, tsy eo imason'ny Tompo ihany, fa eny imason'ny olona
koa.
22 Ary nirahinay
niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny
zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany
anareo.
23 Raha ny amin'i
Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay,
dia iraky* ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.[*Gr.apostoly]
24 Koa amin'izany
asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo
sy ny reharehanay ny aminareo.
1 Fa ny amin'ny
fiantrana* ho an'ny olona masina, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;[*Gr.
fanompoana]
2 fa fantatro ny
fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe : Efa
vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
3 Kanefa naniraka
ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo
amin'izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
4 fandrao, raha
tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola
vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany
fahatokiana izany.
5 Koa nataoko fa tsy
maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita
rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny
fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
6 Fa izao no
lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be
kosa no hojinjany.
7 Aoka ny olona
rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na
amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra
(Oha. 22. 8, LXX.).
8 Ary
Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo
ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa
tsara rehetra;
9 araka ny voasoratra
hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra
mandrakizay (Sal. 112. 9).
10 Ary Izay
manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa
afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11 dia
hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny
hitsim-po*,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.[*Na: fahafoizana]
12 Fa ny
fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny
olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,
13 satria ny
fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany
an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i
Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona
rehetra;
14 ary amin'ny
fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny
fahasoavan'Andriamanitra aminareo.
15 Isaorana anie
Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.
1 [Teny nentin'i
Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly
marina] Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy
sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo
anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
2 Dia mangataka aho
mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana
amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
3 Fa na dia velona
amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
4 (fa tsy avy amin'ny
nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana
mafy);
5 fa mandrava ny
fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana
an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,
6 ary vonona hamaly
ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
7 Mijery zavatra
araka ny fisehony ihany va ianareo*? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i
Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no
mah'an'i Kristy anay koa.[*Na: Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo]
8 Fa na dia bebe
ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay
hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
9 mba tsy hisehoako
toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily.
10 Fa ny epistiliny,
hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary
tsinontsinona ny teniny.
11 Aoka izany olona
izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo
izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
12 Fa izahay tsy sahy
hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay
aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy
mampitaha ny tenany amin'ny tenanay.
13 Fa izahay tsy mba
hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho
anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
14 Fa tsy toy izay
tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany
aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;
15 tsy mirehareha tsy
amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay
fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka
ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
16 ka hitory ny
filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa
vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.
17 Fa izay
mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23)
18 Fa tsy izay midera
tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
1 Enga anie ka mba
handefitra amiko amin'ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra* amiko ihany
ianareo.[*Na: Eny, mandefera]
2 Fa fahasaro-piaro
araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny
lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.
3 Fa matahotra aho,
fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana
amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny.
4 Fa raha misy tonga
ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay
tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany!
5 Fa ataoko fa tsy
misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra* ireo.[*Na: Fatratra
loatra]
6 Fa na dia olona tsy
nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin'ny fahalalana; fa
tamin'ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin'ny olona rehetra
izany hahasoa anareo.
7 Diso va aho, raha
nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny
filazantsaran'Andriamanitra taminareo?
8 Namabo ny
fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
9 Fa raha nitoetra
teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha
vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary
tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo
aho sady mbola hitandrina izany ihany.
10 Raha ato anatiko
koa ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any
amin'ny tany Akaia.
11 Nahoana? Satria
tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
12 Fa izay ataoko no
mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay mitady hamely, mba ho
hita fa tahaka anay ihany izay amin'ny izay ireharehany.
13 Fa Apostoly
sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny
Apostolin'i Kristy.
14 Ary tsy mahagaga
izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
15 Koa tsy zavatra
lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka
ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
16 Hoy izaho indray:
Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny
adala aho mba hireharehako kelikely koa.
17 Izao lazaiko izao
dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin'ny fahadalana amin'izao rehareha
matoky izao ihany.
18 Satria maro no
mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
19 Fa sitrakareo ny
handefitra amin'ny adala, satria hendry angaha ianareo.
20 Fa hay! mandefitra
ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy
misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny
tavanareo.
21 Manala-barà-tena
aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin'izay mahasahy ny olona (miteny toy
ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
22 Hebreo va izy?
Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa.
23 Mpanompon'i Kristy
va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny
fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be
efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika.
24 Indimy aho no
nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
25 Intelo nokapohina
tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray
andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina,
26 nandeha matetika
aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky
nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa,
saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho,
saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny
rahalahy sandoka aho,
27 tamin'ny
fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny
hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka
sy ny fitanjahana.
28 Afa-tsy ireo
zavatra ivelany* dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana
ny fiangonana rehetra.[*Na: izany rehetra izany]
29 Iza no
malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
30 Raha tsy
maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
31
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy
mandainga aho.
32 Tany
Damaskosy ny governora notendren'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna
Damaskosy mba hisambotra ahy;
33 fa avy teo
amin'ny varavarankely eo amin'ny mànda no nampidinana ahy tamin'ny sobiky, ka
dia afa-nandositra ny tànany aho.
1 Tsy maintsy
mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy
fanambaran'ny Tompo aho.
2 Mahalala
olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa
izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro,
Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra
fahatelo.
3 Ary mahalala
ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy
fantatro, Andriamanitra no mahalala -
4 fa nakarina
ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony
holazain'olona.
5 Ilay
anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin'ny tenako dia tsy hirehareha aho
afa-tsy amin'ny fahalemena ihany.
6 Fa na dia
te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao
izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy
na izay andrenesany ny teniko.
7 Ary fandrao
hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny
nofo*, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.[*Na: Notsatohana
hazo maranitra ny nofoko]
8 Izany no
nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.
9 Nefa hoy Izy
tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny
fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba
hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
10 Koa dia
finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena,
amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny
fahalemeko no fahatanjahako.
11 Efa tonga
adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy
latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra* ireo, na dia tsinontsinona aza
aho.[*Na: fatratra loatra]
12 Ny
famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana
rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe.
13 Fa inona moa
no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako
tratra anareo? Mamelà ahy ary amin'izany fahadisoana izany.
14 Indro, efa
fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra
anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no
tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony
hihary ho an'ny zanany.
15 Ary izaho
dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny
fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy.
16 Kanefa, na
dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia
nahazo anareo tamin'ny fihendrena.
17 Moa izay nirahiko
tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?
18 Nangataka an'i
Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo
ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany
va no dianay?
19 Efa ela izay no
nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no
itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho
fampandrosoana anareo.
20 Fa matahotra aho,
fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho
hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana,
fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana,
fikotranana, -
21 eny, fandrao,
rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary
izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka
tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.
1 Izao no fanintelon'ny
hankanesako atỳ aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no
hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15).
2 Efa nambarako
fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo
fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo
aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
3 satria ianareo
mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa
mahery ao aminareo kosa.
4 Fa voahombo tamin'ny
hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny
herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy
ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.
5 Diniho ny
tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny
tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy
Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ?
6 Nefa manantena aho
fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
7 Ary mangataka
amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay
ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy
ny olona nolavina aza izahay.
8 Fa tsy mahavita na
inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
9 Fa faly izahay,
raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny
fanatanterahana anareo.
10 Izany no anoratako
izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia
hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho
fandravana.
11 Farany, ry
rahalahy, mifalia*, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana,
miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho
aminareo.[*Na: veloma]
12 Mifanaova veloma
amin'ny fanorohana masina.
13 Ny olona masina
rehetra manao veloma anareo.
14 Ho aminareo
rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra
ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
Accès direct aux chapitres
des Galates : 1, 2, 3, 4, 5, 6
1 [Fiarahabana] Paoly
Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i
Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
2 mbamin'ny rahalahy rehetra
izay ato amiko, mamangy ny fiangonana* atỳ Galatia: [* Gr. eklesia]
3 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy
Tompontsika,
4 Izay nanolotra ny tenany
noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy
izao*, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao]
5 ho Azy anie ny
voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
6 [Fananarana ny
Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly]
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso
anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
7 izay tsy
filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka
ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [* Gr. anankiray koa]
8 Fa na izahay, na
anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy*
izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona** izy. [* Na: manohitra] [** Gr.
anatema]
9 Araka ny voalazanay
fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa
aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona* izy, [* Gr. anatema]
10 Ary ankehitriny,
olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha
mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
11 Fa ampahafantariko
anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny
fanaon'ny olona izany.
12 Fa izaho tsy
nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i
Jesosy Kristy ihany.
13 Fa efa renareo ny
toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny
fiangonan*'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [* Gr. eklesia]
14 ary nandroso
tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo
amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako
indrindra.
15 Fa raha
sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy
tamin'ny fahasoavany,
16 ny nampiseho ny
Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka
tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,
17 ary tsy niakatra
tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia,
dia niverina ho any Damaskosy indray.
18 Ary rehefa afaka
telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra
tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
19 Nefa ny Apostoly
sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba*, rahalahin'ny Tompo. [* Na: fa
Jakoba kosa]
20 Ary izay zavatra
soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21 Rehefa afaka
izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
22 ary tsy
mbola fantatry ny fiangonana* any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [*
Gr. eklesia]
23 Fa nandre
ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny
finoana izay noravany fahiny .
24 Ary dia
nankalazany an'Andriamanitra aho.
1 Ary nony afaka
efatra ambin'ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy
Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
2 Ary niakatra araka
ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin'ny
jentilisa, nefa nangingina ihany tamin'izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka
foana aho, na efa nihazakazaka foana.
3 Kanefa na dia
Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza
izy,
4 dia noho ny
rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny
fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany
antsika;
5 fa tsy nety nikoy
ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny
filazantsara aminareo.
6 Fa ny amin'ny olona
atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona
ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza
ireo saina na tamin'inona na tamin'inona.
7 Fa hafa kosa no
nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy
voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora
8 (fa Izay niasa ho
an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny
jentilisa),
9 ary nony fantatr'i
Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia
notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany
amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora.
10 Izao ihany no
tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra
rahateo ny hanao izany.
11 Ary nony tonga
tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa
nanan-tsiny izy.
12 Fa fony tsy mbola
tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa
ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra
ny momba ny famorana izy.
13 Ary ny Jiosy
sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny
fihatsaram-belatsihiny koa.
14 Fa rehefa hitako
fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho
tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza
no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy,
nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy?
15 Taranaky ny Jiosy
isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa,
16 nefa nony
fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny
finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba
hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria
tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
17 Fa raha mitady
hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa
mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
18 Fa raha ny zavatra
efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.
19 Fa raha izaho, dia
tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho
an'Andriamanitra aho.
20 Voahombo miaraka
amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa
Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia
ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra
ny tenany hamonjy ahy.
21 Tsy mahafoana ny
fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia
maty foana Kristy.
1 [Ny famonjena sy ny
fahafahan'ny mino an'i Kristy ampitahaina amin'ny fahamelohana sy ny
fahandevozan'izay miankina amin'ny lalàna] Ry Galatiana adala, iza no nanimba*
anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy
Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana? [* Gr. mamosavy]
2 Izao ihany no tiako
holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny
fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana amin'ny finoana]
3 Adala toy izany va
ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny
nofo va ankehitriny?
4 Moa izany zavatra
be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
5 Ary Izay manome
anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny
lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana
amin'ny finoana]
6 Dia tahaka an'i
Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15.
6).
7 Koa fantaro fa izay
amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.
8 Ary satria hitan'ny
Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny
jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe:
Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
9 ka dia izay amin'ny
finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.
10 Fa izay rehetra
amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe:
Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankaṭ ny zavatra rehetra voasoratra ao
amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26).
11 Ary hita
marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra
; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [* Na: ny marina ho
velon'ny finoana]
12 Ary ny lalàna tsy
araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
13 Kristy nanavotra
anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa
voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),
14 mba ho tonga
amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba
horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.
15 Ry rahalahy -
miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon'olona ihany
aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [* Na:
didim-pananana]
16 Ary tamin'i
Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho
an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho
an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
17 Ary izao no
lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny
lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny
teny fikasana.
18 Fa raha avy
amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i
Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.
19 Inona ary ny
lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena
ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
20 Ary ny mpanalalana
dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra
ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna
mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana
22 Fa ny Soratra
Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana
noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola
tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho
amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
24 Koa ny lalàna dia
mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
25 Fa rehefa tonga ny
finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.
26 Fa ianareo rehetra
dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
27 Fa na iza na iza
ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
28 Tsy misy intsony
na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany
ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
29 Fa raha an'i
Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
1 Ary hoy izaho: Raha
mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny
zavatra rehetra aza;
2 fa fehezin'izay
mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny
rainy.
3 Dia tahaka izany
koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo
izao;
4 fa rehefa tonga ny
fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy,
nateraka tao ambanin'ny lalàna,
5 hanavotany izay
ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka.
6 Ary satria zanaka
ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany,
miantso hoe: Aba, Ray ô.
7 Ka dia tsy mpanompo
intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny
ataon'Andriamanitra.
8 Kanefa tamin'izany,
fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay
andriamani-tsi-izy;
9 fa ankehitriny,
rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala
anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana
malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
10 Andro sy volana sy
fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11 Matahotra ny
aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
12 Ry rahalahy,
mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa
tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
13 nefa fantatrareo
fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay
voalohany;
14 ary ny teo amin'ny
nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na
nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo,
eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.
15 Aiza ary ilay
nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia
ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16 Koa efa tonga
fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17 Mazoto mila fitia
aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany,
mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18 Fa tsara raha
ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
19 Anaka, izay
aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
20 enga anie ka ho
tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny
aminareo.
21 Milazà amiko,
ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22 fa voasoratra hoe:
Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny
anankiray tamin'ny tsy andevo.
23 Kanefa ilay
tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo
kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
24 Ary izany dia azo
atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy
tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara
izany.
25 Ary* ny hoe Hagara
dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema
ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [* Na: (Fa)]
26 Fa Jerosalema any
ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
27 Fa voasoratra hoe:
Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy
mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny
manana-bady (Isa. 54. 1).
28 Fa isika, ry
rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka.
29 Kanefa tahaka ny
tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny
Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
30 Nefa ahoana no
lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny
zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
31 Ary amin'izany, ry
rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
1 Ho amin'ny
fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety
hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
2 [Famporisihana ny
Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena
tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia
tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
3 Ary lazaiko marina
indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankaṭ
ny lalàna rehetra izy.
4 Dia tafasaraka
amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna;
efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
5 Fa izahay amin'ny
Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na:
fanantenan']
6 Fa ao amin'i Kristy
Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay
miasa amin'ny fitiavana.
7 Hianareo
nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8 Izany
fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.
9 Ny masirasira kely
dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
10 Izaho matoky
anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay
mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
11 Fa izaho, ry
rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina?
Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
12 Enga anie ka
hiesotra* aza izay mampitabataba anareo. [* Na: hanakilema tena]
13 Fa efa nantsoina
ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo
hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
14 Fa tanteraka
amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny
tenanao (Lev. 19. 18).
15 Fa raha
mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
16 Fa hoy izaho:
Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
17 Fa ny nofo
manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy
roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
18 Fa raha tarihin'ny
Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
19 Fa miharihary ny
asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20 fanompoan-tsampy,
fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana,
fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 fialonana,
fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo
rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny
fanjakan'Andriamanitra.
22 Fa ny vokatry ny
Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy,
fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 fahalemem-panahy,
fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24 Fa izay an'Kristy
Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo
fijaliana.
25 Raha velon'ny Fanahy
isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26 Aoka isika tsy
handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
1 Ry rahalahy, raha
misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy
amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba
halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza]
2 Mifampitondrà izay
mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
3 Fa raha misy manao
ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
4 Fa aoka ny olona
rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny
tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;
5 fa samy hitondra ny
entany avy ny olona rehetra.
6 Aoka izay
ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
7 Aza mety hofitahina
ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no
hojinjany.
8 Fa izay mamafy ho
an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny
Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
9 Ary aza mba ketraka
amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy
reraka isika.
10 Koa araka ny
ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra,
indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
11 [Anatra farany]
Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo.
12 Na iza na iza
te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho
izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy.
13 Fa na dia ny
tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa
ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo.
14 Fa sanatria raha
mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika,
Izay* nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko,
ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. [* Na: izay]
15 Fa samy tsy
mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
16 Ary izay rehetra
mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny
famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra.
17 Amin'izao sisa
izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy
voatomboka eo amin'ny tenako.
18 Ho amin'ny
fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Amena.
Accès direct
aux chapitres des Éphésiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6
1 [Fiarahabana
nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra
nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra,
mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin'i Kristy Jesosy: [*
Na: mino an']
2 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
3 Isaorana anie
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i
Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
4 araka ny
nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo
izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
5 rehefa notendreny
rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny
alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny
fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]
6 ho fiderana ny
voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny
Malala.
7 Izy no ananantsika
fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny
fahasoavany,
8 izay nataony
be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
9 rehefa
nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny
izay nokasain'ny tenany,
10
hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry,
hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra,
na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray]
11 ao aminy koa
no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny
fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no
nandraisantsika ny lova]
12 mba ho
fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
13 Ao aminy koa
ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena
anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny
Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
14 Izany Fanahy
izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho
an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
15 [Fivavahana
ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny
famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary
noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay
hitan*'ny olona masina rehetra, [* Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny
fitiavanareo)]
16 dia tsy
mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
17 mba
homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo
ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
18 ary mba
hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy
amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona
masina,
19 ary ny
fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny
faherezany,
20 izay nataony
tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy
eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,
21 ambony
lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana
ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa
amin'ny ho avy koa,
22 dia
nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho
Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
23 izay tenany,
dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
Chapitre 2. 1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola
matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
2 izay
nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny
fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao
anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
3 teo amin'ireo
no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka
nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny
fahatezerana toy ny sasany koa isika.
4 Fa
Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny
fitiavany izay nitiavany antsika,
5 na dia fony
mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i
Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
6 ary
niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy
Jesosy,
7 mba hasehony
amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny
fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
8 Fa fahasoavana no
namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy
amin'Andriamanitra;
9 tsy avy
amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10 Fa asany
isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay
namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
11 [Ny
famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao
amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo,
ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -
12 eny, tsarovy
fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy
tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana,
dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao
tontolo izao;
13 fa
ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa
nampanakeken'ny ran'i Kristy.
14 Fa Izy no
fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
15 fa tao
amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao
hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho
olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
16 ary
hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo
fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17 Ary tonga
Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary
fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
18 Fa Izy no ananantsika
roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
19 Koa dia tsy mba
vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny
olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,
20 natsangana teo
ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro
indrindra;
21 ao aminy no
irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.
22 Ary ao aminy no
miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
1 [Ny nanendrena an'i
Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny
fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy
Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
2 raha mba renareo ny
fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3 fa fanambarana no
nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny
fohifohy teo.
4 Ary araka izany,
raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina
ny amin'i Kristy,
5 izay tsy mbola
nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny
fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny
ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny
teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
7 izay nanaovana ahy
ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy
araka ny fiàsan'ny heriny.
8 Eny, izaho, izay
kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao
fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita
lany,
9 ary ny hampahazava
ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay
voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay
nanao ny zavatra rehetra;
10 mba
hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao
ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny
fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
11 araka ny fikasana hatrizay
hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
12 Izay ananantsika
fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
13 Koa izany no
angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa
voninahitrareo izany.
14 Ary noho
izany no andohalehako amin'ny Ray
15 Izay
ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16 mba homeny
anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny
Fanahiny ny toe-panahinareo;
17 mba
hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy
amin'ny fitiavana ianareo,
18 mba
hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany
sy lavany ary hahavony sy halavany.
19 ary hahalala
ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho
amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.
20 Ary ho
an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra
noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa
ato amintsika,
21 ho Azy anie
ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny
taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]
1 [Fananarana
azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho,
mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika
ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin']
2 amin'ny
fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra
amin'ny fitiavana,
3 mazoto mitana
ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
4 Iray ny tena,
ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray
momba ny fiantsoana anareo;
5 iray ny
Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6 iray
Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy
rehetra ary ao amin'izy rehetra.
7 Fa samy
nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
8 Koa izany no
ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho
babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).
9 (Ary ny amin'ny hoe
niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina* ho any ambanin'ny tany koa?
[* Na: (nidina aloha)]
10 Izay nidina, dia
Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra
rehetra.)
11 Ary Izy no nanome
ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho
evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12 ho fanatanterahana
ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny
fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [* Gr. eklesia]
13
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana
tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny
halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
14 mba tsy ho zaza
intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny
fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny
fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15 fa mba hanaraka ny
marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay
Loha, dia Kristy;
16 Izy no itomboan'ny
tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny
isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho
anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
17 [Fananarana
enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny
toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny
tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny
fahafoanan'ny sainy;
18 fa efa tonga
maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny
tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,
19 dia olona tsy
mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay
fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
20 Fa ianareo kosa,
dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,
21 raha Izy tokoa no
renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao
amin'i Jesosy,
22 mba hialanareo ny
toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny
filan'ny fitaka; [* Gr. olonareo]
23 fa mba hohavaozina
kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,
24 ary mba
hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny
fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona]
25 Koa esory ny
lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny
momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
26 Tezera, fa aza
manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27 Aza manome
fitoerana ho an'ny devoly.
28 Aoka izay
nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara
amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29 Aoka tsy haloaky
ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay
tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
30 Ary aza
mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho
amin'ny andro fanavotana.
31 Esory aminareo ny
fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy
ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana]
32 ary aoka samy halemy
fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka
ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
Chapitre 5. 1 Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny
zanaka malala;
2 ary mandehana amin'ny
fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho
fanatitra sy ho fanavotana* amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana,
hamonjy antsika. [* Gr. fanatitra alatsa-drà]
3 Fa ny
fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela
hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
4 na fahavetavetana,
na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5 Fa fantatrareo
marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy
Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona
mierina (mpanompo sampy izany).
6 Aza mety
hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga
ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.
7 Koa aza mety ho
mpiombona aminy ianareo.
8 Fa maizina ianareo
fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny
zanaky ny mazava
9 (fa ny vokatry ny
mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny
fahitsiana),
10 mamantatra izay
ankasitrahan'ny Tompo.
11 Ary aza miray
amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
12 Fa izay ataony ao
amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
13 Fa ny zavatra
rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia
mazava.
14 Koa izany no
ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia
hampahazava anao Kristy.
15 Koa tandremo tsara
izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny
hendry,
16 ka hararaoty ny
andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17 Ary noho izany dia
aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
18 Ary aza ho
mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka
hofenoina ny Fanahy,
19 ka mifampilazà
amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo
ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
20 misaotra
an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i
Jesosy Kristy Tompontsika,
21 sady mifanaiky
amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
22 Hianareo vehivavy,
maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23 Fa ny lahy no
lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no
mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]
24 Fa tahaka ny
aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny
zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]
25 Hianareo lehilahy,
tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka
nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]
26 mba hahamasina azy
amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
27 mba horaisiny* ho
an'ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na
fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [*
Gr. hatolony] [** Gr. eklesia]
28 Dia tahaka izany
koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny
vadiny dia tia ny tenany.
29 Fa tsy mba nisy
olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy
amin'ny fiangonana*; [ Gr. eklesia]
30 fa momba ny tenany
isika.
31 Ary noho izany ny
lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho
nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
32 Zava-miafina
lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]
33 Na dia izany aza,
samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny
vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra]
1 Anaka, maneke ny
ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
2 Manajà ny ray
sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3 mba hahita soa
ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
4 Ary ianareo ray,
aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny
Tompo izy.
5 Hianareo mpanompo,
maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana,
amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
6 tsy amin'ny
fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny
mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
7 amin'ny sitrapo
manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
8 satria fantatrareo
fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy
andevo izy.
9 Ary ianareo tompo,
manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo
fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy
fizahan-tavan'olona aminy.
10 [Ny
adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany,
mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
11 Tafio avokoa ny
fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
12 Fa isika tsy mitolona
amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny
mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny
rivotra*. [* Gr. lanitra]
13 Ary noho izany,
dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny
andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
14 Mifahara ary, ka
sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15 ary kiraroy ny
fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
16 ary ho
fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo
hamono ny zana-tsiṕka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
17 Ary raiso ny
famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
18 ary mivavaha
mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka
miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona
masina rehetra,
19 ary ho ahy koa mba
homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina
momba ny filazantsara
20 (iraka* migadra
noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety
hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]
21 Fa mba ho
fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky
ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
22 izy no nirahiko
hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray,
ary mba hamporisihiny ny fonareo.
23 Fiadanana anie ho
an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy
Jesosy Kristy Tompo.
24 Ny fahasoavana
anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana
tsy mety levona. Amena.
Accès direct
aux chapitres des Philippiens : 1, 2, 3, 4
1 [Fitarihan-teny sy
fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy
ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina* sy ny
diakona izay any Filipy; [* Gr. episkopo]
2 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
3 Misaotra
an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo
4 mandrakariva aho
amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
5 noho ny
firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka
mandraka ankehitriny;
6 ary matoky
indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany
mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
7 fa marina izany
fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa
mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny
famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
8 Fa Andriamanitra no
vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i
Kristy Jesosy.
9 Ary izao no
angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny
fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
10 mba hamantaranareo
izay zavatra tsara indrindra*, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho
amin'ny andron'i Kristy ianareo, [* Na: samy hafa]
11 sady feno ny
vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho
voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
12 [Ny toetr'i Paoly
tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry
rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara
kosa;
13 ka ao amin'i
Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra* mbamin'ny
olona hafa rehetra; [* Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria]
14 ary ny
ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka
mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
15 Fialonana sy
fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny
sasany;
16 fitiavana ny an'ny
sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
17 fifampiandaniana
kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra
hanampy fahoriana ny fifatorako.
18 Ahoana ary
no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na
amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola
hifaly ihany aho.
19 Fa fantatro
fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana* ny
Fanahin'i Jesosy Kristy, [* Na: fanomezan']
20 araka ny
hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na
amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny
mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako,
na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
21 Fa Kristy no
anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
22 Kanefa raha
ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay
hofidiko;
23 fa
sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy,
satria tsara lavitra izany;
24 kanefa kosa
ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
25 Ary satria
matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho
hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
26 mba hitombo
noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako
atỳ aminareo indray.
27 Fa hany
ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba
handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga),
fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso
ny finoana ny filazantsara,
28 ka tsy ho
azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo
dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady
avy amin'Andriamanitra.
29 Fa ianareo
efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana
koa noho ny aminy,
30 dia manana
izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato
amiko ihany ankehitriny.
1 [Anatra
hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy
Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana
avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy
famindram-po sy fiantrana,
2 dia tanteraho
ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
3 tsy manao na inona
na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny
fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
4 Aza samy mihevitra
ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
5 Aoka ho ao aminareo
izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
6 Izay, na dia nanana
ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny
fitoviana amin'Andriamanitra,
7 fa nofoanany ny
tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho
manam-pitoviana amin'ny olona;
8 ary rehefa hita fa
nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny
fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
9 Koa izany no
nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay
ambony noho ny anarana rehetra,
10 mba ho
amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any
an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
11 sy haneken'ny lela
rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
12 Koa amin'izany, ry
malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho,
fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny
hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
13 Fa Andriamanitra
no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny
sitrapony.
14 Ataovy ny zavatra
rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
15 mba ho tsy
manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana
adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny
fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
16 mitana ny tenin'ny
fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho
nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
17 Eny, na dia
haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza
aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
18 Ary aoka
izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
19 [Ny amin'i
Timoty sy Epafrodito] Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka
an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro
ny toetrareo.
20 Fa tsy
manana olona mitovy fanahy amiko* aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy
anareo. [* Na: aminy]
21 Fa izy
rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
22 izy kosa dia
fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny
filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
23 Ary izy no
antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
24 Fa matoky ao
amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
25 Nefa nihevitra aho
fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady
mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo* sy mpanompo hanome izay
nilaiko. [* Gr. apostolinareo]
26 Fa manina anareo
rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
27 Eny, fa narary
saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy
ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
28 Koa nazoto kokoa
haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho
afaka alahelo kokoa aho.
29 Koa raiso ao
amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona
tahaka izany;
30 fa saiky maty izy
noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy
vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
1 [Anatra nataon'i
Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady
handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia* ao
amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara
anareo izany. [* Na: veloma]
2 Tandremo ny
tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo
ny tenanareo amin'ny voakilema.
3 Fa isika no
voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy
Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
4 kanefa mba manana
izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky
amin'ny nofo, mainka fa izaho;
5 fa voafora tamin'ny
andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i
Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
6 araka ny zotom-po,
dia nanenjika ny fiangonana*; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy
nanan-tsiny. [* Gr. eklesia]
7 Nefa izay azoko ho
tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.
8 Eny tokoa, fa
ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny
fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra
rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy;
9 ary mba ho hita ao
aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy
amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;
10 eny, mba ho
fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana
amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany,
11 raha mba misy
hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.
12 Tsy toy ny efa
nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay
nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
13 Ry rahalahy, tsy
mbola ataoko* fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino
izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [* Na:
(tsy nataoko)]
14 eny, miezaka
hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any
ambony* ao amin'i Kristy Jesosy. [* Na: ho any ambony]
15 Koa aoka isika
rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo
izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
16 Kanefa aoka ho
amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
17 Ry rahalahy, aoka
samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho
marika.
18 Fa maro no
mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo
amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy
ireny;
19 fahaverezana no
hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina
ny amin'ny tany izy.
20 Fa ny
fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy,
dia Jesosy Kristy Tompo,
21 Izay hanova
ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny,
araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
1 Ary
amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy
satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo ianareo, ry malalako.
2 Mananatra
an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo
izy.
3 Eny,
mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa
vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i
Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny
fiainana.
4 Mifalia*
mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma]
5 Aoka ho fantatry ny
olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
6 Aza manahy na
inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho
entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra
rehetra.
7 Ary ny
fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny
fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
8 Farany, ry
rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na
inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na
inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia
hevero izany.
9 Ataovy izay
efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko;
ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
10 [Saotra
nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito,
ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho,
satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa
noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
11 Tsy filan-javatra
anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na
manao ahoana.
12 Mahalala hietry
aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona,
dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
13 Mahay ny zavatra
rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
14 Kanefa nanao soa ianareo
no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
15 Ary fantatrareo
koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany
Makedonia aho, tsy nisy fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin'ny
fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia]
16 Fa fony tany
Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo
hamonjy ahy.
17 Nefa tsy toy ny
mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho
voninahitrareo aho.
18 Fa manana ny zavatra
rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i
Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra
tian'Andriamanitra sady ankasitrahany.
19 Fa Andriamanitro
hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra
no amin'i Kristy Jesosy.
20 Ary ho
an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
21 Manaova veloma ny
olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy
izay ato amiko.
22 Manao veloma
anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara.
23 Ho amin'ny
fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
Accès direct aux
chapitres des Colossiens : 1, 2,
3, 4
1 [Fiarahabana ny Kolosiana,
sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy
Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
2 mamangy ny olona masina any
Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.
3 Misaotra an'Andriamanitra,
Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho
anareo,
4 rehefa renay ny finoanareo
an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
5 noho ny fanantenana izay
tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny
tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
6 izay efa mby eo aminareo,
tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo
aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny
fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;
7 tahaka ny efa renareo
tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky
ho anay*, [* Na: (anareo)]
8 sady efa nanambara taminay
koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
9 [Fivavahan'i Paoly ho an'ny
Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy] Ary noho izany
izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy
mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo
amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
10 mba handehananareo
miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia
mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara
an'Andriamanitra,
11 ary ampahatanjahina
amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra
sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,
12 ka misaotra ny Ray, Izay
nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny
mazava,
13 sady nahafaka antsika
tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany
malalany,
14 Izay ananantsika
fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
15 Izy no
endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra
izao;
16 fa tao aminy no nahariana
ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy
ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no
nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana]
17 ary Izy no talohan'ny
zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
18 Ary Izy no Lohan'ny tena,
dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho
Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia]
19 Fa sitraky ny Ray ho ao
aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,
20 sady Izy no hampihavanany
ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no
nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny
etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
21 Ary ianareo, izay olon-ko
azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa
nampihavaniny ankehitriny
22 tao amin'ny tenan'ny
nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny
amam-pondro eo anatrehany,
23 raha maharitra amin'ny
finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala
amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina
eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho
mpanompo.
24 Ankehitriny dia mifaly
amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy
vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*, [* Gr.
eklesia]
25 izay nanaovana ahy
ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo,
hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,
26 dia ny
zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho
ankehitriny amin'ny olony masina,
27 izay efa
tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina
ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny
voninahitra;
28 Izy no torinay, ka
samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba
samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.
29 Ary ny hahatanteraka
izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay
miasa mahery ato anatiko.
1 [Fananaran'i Paoly
ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa
tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia
mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,
2 mba hampifalina ny
fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny
fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny
zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
3 Izay iafenan'ny
rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
4 Ary izany no
lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.
5 Fa na dia tsy
manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny
fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i
Kristy.
6 Koa tahaka ny
nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany
koa,
7 ka mamaka tsara sy miorina
mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo,
ka mazoto* amin'ny fisaorana. [* Na: (mitombo amin'izany)]
8 Tandremo fandrao
misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka
ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo
izao, fa tsy araka an'i Kristy.
9 Fa ao amin'ny
tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra;
10 ary ianareo dia
tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
11 ary tao aminy koa
no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny
tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
12 fa niara-nilevina
taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny
finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.
13 Ary ianareo, izay
efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka
tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
14 ary novonoiny ny
sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany
ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,
15 ary nesoriny tsy
ho eo amin'ny tenany* ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana
dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [*
Na: noreseny ka nobaboiny]
16 Koa aza avela hisy
hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana,
na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 aloky ny zavatra
ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
18 Aza mety
hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny
fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno
fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)]
19 ka tsy mihazona ny
Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara
amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
20 Ary raha
niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao
tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo
ka mety hodidiana hoe:
21 Aza mandray, aza
manandrana, aza manendry -
22 levona amin'ny
fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?
23 Izany rehetra
izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny
fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana
ny fampanaranana ny nofo.
1 [Ny tokony
hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa
raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any
ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana
ankavanan'Andriamanitra.
2 Saino ny zavatra
any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3 Fa efa maty
ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
4 Raha hiseho Kristy
fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.
5 Koa vonoy ny momba
ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana,
firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
6 fa izany zavatra
izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny
tsi-fanarahana;
7 izany koa no
nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
8 Fa ankehitriny,
esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo,
fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.
9 Aza mifandainga
ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona]
10 ary efa
notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka
ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona]
11 Fa amin'izany dia
tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy
Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny
rehetra. [* Gr. Grika]
12 Koa mitafia
famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy,
fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
13 Mifandefera,ka
mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny
namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na:
(Kristy)]
14 Ary aoka ho
ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.
15 Ary aoka hanapaka
ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho
tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
16 Aoka ny tenin'i
Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia
mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny
tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho
an'Andriamanitra.
17 Ary na inona na
inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i
Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
18 Hianareo vehivavy,
maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.
19 Hianareo lehilahy,
tiava ny vadinareo. ary aza sosotra* aminy. [* Gr. mangidy]
20 Hianareo zanaka, maneke
ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny
Tompo izany.
21 Hianareo ray, aza
mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
22 Hianareo mpanompo,
maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny
fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny
fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
23 ary na inona na
inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho
an'olona,
24 satria fantatrareo
fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo
ianareo.
25 Fa izay manao ny
tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy
fizahan-tavan'olona,
Chapitre 4. 1 Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety,
satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2 [Ny amin'ny naman'i
Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny
fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
3 ary mangataha koa
ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny
zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4 mba haharihariko
tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5 Mandehana amin'ny
fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6 Aoka ny fiteninareo
ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay
tokony havalinareo ny olona rehetra.
7 Ny toetro rehetra
dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky
ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
8 ny anton'ny
nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny
toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
9 ary Onesimosy,
rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy
hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .
10 Manao-veloma
anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy
dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
11 ary Jesosy, izay
atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko
hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12 Manao veloma
anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary
mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina,
ka hatoky tsara* amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [* Na: ho
tanteraka]
13 Fa vavolombelony
aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any
Hierapolia izy.
14 Manao veloma
anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
15 Manaova
veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
16 Ary rehefa
voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny
fiangonan*'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana.
[* Gr. eklesia]
17 Ary lazao
amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba
hahatanterahanao izany.
18 Ity no veloma
ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny
fahasoavana.
Accès direct aux
chapitres de 1 Thessaloniciens : 1, 2, 3, 4, 5
1 [Fiarahabana ny
Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny
filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy
Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao
amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana
sy ny fiadanana.
2 Misaotra
an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo
amin'ny fivavahanay,
3 sady tsy mitsahatra
mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny
fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy
Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
4 fa fantatray, ry
rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5 fa ny
filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery
koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay
toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
6 Ary ianareo efa
nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be
mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
7 ka dia tonga
fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
8 Fa avy taminareo no
nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo
eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy
holazainay intsony.
9 Fa ireny ihany no
milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny
nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo
an'Andriamanitra velona sy marina,
10 ary mba hiandry ny
Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay
Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
1 Fa ny tenanareo, ry
rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;
2 fa rehefa
nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo
ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny
filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
3 Fa ny fananaranay
dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
4 Fa tahaka ny
nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay
izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona,
fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
5 Fa tsy nanao teny
mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na
nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
6 ary tsy nitady
voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia
nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy
anay,.
7 Fa nalemy fanahy
teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
8 dia toy izany no
nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny
filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay
ianareo.
9 Fa tsaroanareo, ry
rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba
tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny
filazantsaran'Andriamanitra taminareo.
10 Hianareo no
vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny
tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
11 toy ny fantatrareo
fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo
isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
12 mba handehananareo
miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny
voninahiny.
13 Ary noho izany
izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray
ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho
tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa
anatinareo izay mino koa.
14 Fa ianareo, ry
rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i
Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia
sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,
15 izay namono an'i
Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny
sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
16 ka mandrara anay
tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny
tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
17 Ary izahay, ry
rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa
tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18 Koa naniry hankany
aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i
Satana izahay.
19 Fa inona moa no
fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo
eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?
20 Fa ianareo no
voninahitray sy fifalianay.
1 Ary amin'izany,
raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra
irery tany Atena,
2 ka dia nirahinay
Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i
Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
3 mba tsy hisy ho
taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no
nanendrena antsika.
4 Fa fony teo
aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina
isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
5 Ary noho izany
izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo,
fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay
aina.
6 Fa raha vao tonga
atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny
taminay ny amin'ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara
anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay
aminareo koa,-
7 noho izany, ry
rahalahy, dia nampionona anay teo amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra
ny finoanareo;
8 fa ankehitriny
velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny Tompo ianareo.
9 Fa manao ahoana no
saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra
izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,
10 amin'ny
fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny
tsy ampy amin'ny finoanareo?
11 Ary Andriamanitra
Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ
12 Ary ny Tompo anie
hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny
olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,
13 mba hampiorina ny
fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra
Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
1 [Fananarana ny
Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy,
mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho
araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny
sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo
bebe kokoa.
2 Fa fantatrareo ny
didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo.
3 Fa izao no
sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny
fijangajangana,
4 mba samy
hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana
sy ny voninahitra,
5 tsy amin'ny filàna
fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra,
6 mba tsy hisy hanao
saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany*; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany
zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [*
Na: amin'ny raharaha]
7 Fa Andriamanitra
tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
8 Koa izay mandà, dia
tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
9 Fa ny amin'ny
fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria
ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.
10 Fa manao izany
ihany ianareo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo
ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
11 ary mba
hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa
amin'ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
12 mba handehananareo
amin'izay fitondran-tena mahamendrika amin'ny eo ivelany, ary mba tsy
hanan-java-mahory ianareo.
13 [Ny hihavian'i
Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho
fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo
tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
14 Fa raha inoantsika
fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no
hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy.
[* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy]
15 Fa izao no
lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra
mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
16 Fa ny tenan'ny
Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely
ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana
aloha;
17 ary rehefa afaka
izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny
amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny
Tompo mandrakariva isika.
18 Koa dia
mifampioṇna ianareo amin'izany teny izany.
1 Fa ny amin'ny andro
sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
2 satria ianareo
mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny
Tompo.
3 Raha misy olona
manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana,
toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy
izy.
4 Fa ianareo, ry
rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra
izany andro izany.
5 Fa ianareo rehetra
dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina
isika.
6 Koa dia aza mba
matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr.
hiari-tory]
7 Fa izay matory dia
matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
8 Fa satria an'ny
andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho
fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9 Fa Andriamanitra
tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny
alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
10 Izay maty hamonjy
antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11 Koa mifananara sy
mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12 [Fananarana sy
fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay
mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
13 ary mba
hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
14 Ary mananatra anareo
izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina;
ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
15 Tandremo mba tsy
hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny
namanareo na amin'ny olona rehetra.
16 Mifalia
mandrakariva.
17 Mivavaha, ka aza
mitsahatra.
18 Misaora amin'ny
zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho
anareo.
19 Aza mamono ny
Fanahy.
20 Aza manao
tsinontsinona ny faminaniana.
21 Fantaro ny zavatra
rehetra; haẓny mafy izay tsara.
22 Fadio ny
fanao ratsy rehetra.
23 Ary
Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka
harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka
tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
24 Mahatoky
Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
25 Ry rahalahy,
mivavaha ho anay.
26 Manaova
veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.
27 Mampianiana
anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy* rehetra ity epistily
ity. [* Na: (rahalahy masina)]
28 Ho aminareo
anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Accès direct aux
chapitres de 2 Thessaloniciens : 1, 2, 3
1 [Ny hafalian'i Paoly noho
ny faharetan'ny Kristiana tao Tesalonika sy ny finoany ary ny fitiavany] Paoly
sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao
amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
2 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Tsy maintsy misaotra
an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa
mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny
fifankatiavanareo rehetra,
4 ka reharehan'ny tenanay
ianareo eny amin'ny fiangonan*'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny
finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay
iaretanareo- [* Gr. eklesia]
5 famantarana ny fitsarana
marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra
ianareo, sady izany koa no iaretanareo
6 fa zavatra marina
amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
7 ary ny hanome
fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy
Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny,
8 amin'ny afo
midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny
filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,
9 dia olona izay
hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny
fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
10 raha tonga Izy mba
hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin
izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
11 Ary izany no
angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika
ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara
rehetra sy ny asan'ny finoana,
12 mba hankalazaina
ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny
fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
1 [Fanitsiana ny
hadisoan-kevitry ny sasany ny amin'ny andron'ny Tompo] Ary mangataka aminareo
izahay, ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny
hanangonana antsika ho eo aminy,
2 mba tsy halaky
hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na
amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha
ny andron'ny Tompo.
3 Aza mety
hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny
fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
4 ilay manohitra ka
manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay
ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny
tenany ho Andriamanitra.
5 Tsy tsaroanareo va
fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany
taminareo?
6 Ary ankehitriny
fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny.
7 Fa miasa sahady ny
zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay
misakana ankehitriny ihany*. [* Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra
azy]
8 Ary dia haseho ilay
tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo* amin'ny fofonain'ny vavany
ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; [* Na:(holevonin'ny Tompo)]
9 ny fihavin'ilehiny
dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana
mandainga rehetra
10 ary ny famitahana
momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny
fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11 Koa izany no
ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 mba hohelohina
avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
13 [Fananarana sy
fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva
ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy
anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy
ny finoana ny marina,
14 sady ho amin'izany
koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i
Jesosy Kristy Tompontsika.
15 Koa tomoera tsara,
ry rahalahy, ka haẓny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na
tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.
16 Ary Jesosy Kristy
Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika
fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,
17 no hampionona ny
fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.
1 Farany, ry
rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka
hankalazaina toy ny eo aminareo,
2 ary mba hovonjena
ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana
finoana avokoa ny olona rehetra.
3 Fa mahatoky ny
Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny* ratsy. [* Na: Ilay]
4 Fa izahay matoky
anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady
mbola hataonareo ihany koa.
5 Ary ny Tompo anie
hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny
faharetan'i Kristy.
6 Ary mandidy anareo
izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo
amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny
fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
7 Fa ny tenanareo
mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
8 ary tsy nihinana
foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny
fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
9 tsy noho ny tsy
anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
10 Fa fony mbola teo
aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa,
dia aoka tsy hihinana izy.
11 Fa renay fa misy
ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana
miraharaha ny an'olona.
12 Ary izay manao toy
izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara
amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
13 Fa ianareo, ry
rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.
14 Ary raha misy olona
tsy manaiky ny teninay amin'ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza
mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
15 Anefa aza dia atao
fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
16 Ary ny Tompon'ny
fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho
aminareo rehetra anie ny Tompo.
17 Ity no veloma
ataon'ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin'ny epistily rehetra;
izao no soratro.
18 Ho aminareo
rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Accès direct aux
chapitres de 1 Timothée : 1, 2,
3, 4, 5, 6
1 [Fiarahabana sy anatra ny
amin'ny mpampianatra sandoka, ary filazana ny amin'ny lalàna sy ny filazantsara
ary ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'i Paoly] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy
araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy
fanantenantsika,
2 mamangy an'i Timoty, tena
zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Toy ny nangatahako anao
hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany
tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 na hitandrina ny
anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra,
fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia
toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Fa ny anton'ny didy dia fitiavana
avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy
mihatsaravelatsihy,
6 izay nivilian'ny sasany, ka
nania ho amin'ny taria foana izy,
7 dia olona izay te-ho
mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
8 Nefa fantatsika fa
tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,
9 ka fantany fa tsy
ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra,
dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina
sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
10 ny mpijangajanga,
ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy ṭ, ary na
inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema*, [* Gr. salama]
11 araka ny
filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
12 Misaotra an'i
Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka
notendreny ho amin'ny fanompoana,
13 dia izaho, izay
mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po
aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [*
Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
14 Fa be indrindra ny
fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i
Kristy Jesosy.
15 Mahatoky ka tokony
hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ
ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no
lohany.
16 Kanefa izao no
namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany,
ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana
mandrakizay.
17 Ary ho an'ny
Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra
tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
18 Izao didy izao no
omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao
ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
19 amin'ny itananao
ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny
olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana;
20 naman'ireny
Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny
ratsy. [ Gr. hanao blasfemia, izahao Mat. 9,3]
1 [Ny amin'ny
fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana
miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba
hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona
rehetra,
2 ho an'ny mpanjaka
mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay
amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
3 Izany no tsara ka
ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4 Izay tia ny olona
rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.
5 Fa iray no Andriamanitra,
ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay
olona,
6 sady nanolotra ny
tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao
androny izao.
7 Mba hanao izany no
nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga),
ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.
8 Koa tiako ny
lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny
fahatezerana na amin'ny fifandirana.
9 Ary toy izany koa
ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy
ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*,
na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila]
10 fa amin'ny asa
tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana
amin'Andriamanitra.
11 Aoka ny vehivavy
hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
12 Fa ny vehivavy tsy
avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
13 Fa Adama no natao
voalohany, vao Eva.
14 Ary tsy Adama no
voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
15 Nefa hovonjena
ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny
fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.
1 [Ny amin'ny olona
miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy
olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
2 Koa ny mpitandrina*
dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry,
tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo]
3 tsy mpimamo
lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
4 manapaka tsara ny
ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara
5 (fa raha misy olona
tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny
fiangonan*'Andriamanitra?), [* Gr. eklesia]
6 tsy izay zazavao
amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny
fahamelohan'ny devoly.
7 Ary tsy maintsy ho
tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny
sy ny fandriky ny devoly.
8 Ny diakona koa toy
izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena
maloto,
9 mitandrina tsara ny
zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
10 Ary aoka
hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy
manan-tsiny.
11 Ny vehivavy koa ho
toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny
zavatra rehetra.
12 Aoka ny diakona
samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
13 Fa izay efa
mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy
fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
14 Izany zavatra
izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza
aho;
15 fa raha tratra ela
aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao
an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady andry sy
fiorenan'ny fahamarinana. [* Gr. eklesia]
16 Ary iaraha-manaiky
mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny
anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao,
nakarina tamin*'ny voninahitra. [* Na: ho any amin']
1 [Ny amin'ny
hihemoran'ny sasany, sy fananarana an'i Timoty hazoto hanefa ny
anjara-fanompoany] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia
hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny
demonia,
2 amin'ny
fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny
fieritreretany,
3 izay mandrara tsy
hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino
sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
4 Fa ny zavatra
rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina,
raha raisina amin'ny fisaorana,
5 satria hamasinin'ny
tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
6 Raha manoro hevitra
ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i
Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay
efa narahinao.
7 Fa ny anganongano
ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny
toe-panahy araka an'Andriamanitra.
8 Fa mahasoa kely
ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa
amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana
ankehitriny sy ny ho avy koa.
9 Mahatoky izao teny
izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.
10 Fa izany no
ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona,
Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
11 Izany zavatra
izany no andidio sy ampianaro.
12 Aoka tsy hisy olona
hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho
an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana,
amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
13 Mandra-pihaviko
tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
14 Aza tsy mitandrina
ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny
faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera]
15 Mazotoa hihevitra
izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny
olona rehetra ny fandrosoanao.
16 Tandremo ny
tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao,
dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
1 [Ny amin'ny
fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary
anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa
anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
2 ny vehivavy
anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana
rehetra.
3 Omeo voninahitra ny
mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
4 Fa raha misy
mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay
toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy
aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Fa izay efa
mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka
maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina
6 Fa izay vehivavy
manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
7 Ary izany zavatra
izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
8 Fa raha misy tsy
mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka
ratsy noho ny tsy mino aza.
9 Aza soratana ho
isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady
indray mandeha ihany
10 ary tsara laza
amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa
ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto
nanaraka ny asa tsara rehetra.
11 Fa mandava ny
mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia
ta-hanam-bady
12 ka hahazo
fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
13 Sady mianatra ho
malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa
mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
14 Koa tiako ny
mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony
ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
15 Fa ny sasany efa
nivily sahady nanaraka an'i Satana.
16 Raha misy vehivavy
mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra
ny fiangonana*, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. [* Gr. eklesia]
17 Aoka ny loholona*
izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay
nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. [* Gr. presbytera]
18 Fa hoy ny Soratra
Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo.
25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).
19 Aza mandray teny
hiampangana loholona*, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. [* Gr.
presbytera]
20 Izay manota dia
anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
21 Mananatra anao
mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba
hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na
inona amin'ny fiangarana.
22 Aza malaky
mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany;
tehirizo madio ny tenanao.
23 Aza misotro rano
intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
24 Ny fahotan'ny
olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany
kosa manaraka ato aoriana.
25 Ary miharihary toy
izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
1 Aoka izay andevo
rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba
tsy hitenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana. [*Gr. hasiana
blasfemia, izahao Mat. 9.3]
2 Ary izay manana
tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao
mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa
atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
3 [Fananarana sy teny
farany ho an'i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka
tsy manaiky ny teny tsy misy kilema*, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy
ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, [* Gr.
salama]
4 dia mieboebo foana
izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin'ny fiadian-kevitra sy ny
fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana,
fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary]
5 fifandirana
lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana,
manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
6 Fa misy tombony
lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.
7 Fa tsy nitondra na
inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa* tsy hahatondra na
inona na inona hiala. [* Na: satria]
8 Fa raha
manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
9 Ary izay
ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna
maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny
fandringanana sy ny fahaverezana.
10 Fa ny
fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady
izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny
alahelo be.
11 Fa ianao kosa, sy
lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady
fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana,
faharetana, fahalemem-panahy.
12 Miadia ny ady
tsaran'ny finoana, haẓny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no
niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny
vavolombelona maro.
13 Izaho mananatra
anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo
anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i
Pontio Pilato,
14 mba hotehirizinao
tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika
izany didy izany;
15 ny Andriana
finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho
izany amin'ny fotoany;
16 Izy ihany no
manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay
tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny
fanjakana mandrakizay. Amena.
17 Anaro ny
mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky
ny harena miovaova*, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra
rehetra mba hifaliantsika, [* Gr. fiovavovan'ny harena]
18 mba hanao soa, mba
hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
19 ka dia hihary
fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny
tena fiainana.
20 Ry Timoty,
tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny
fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
21 izay neken'ny
sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Accès direct aux
chapitres de 2 Timothée : 1, 2,
3, 4
1 [Ny fahatsiarovan'i Paoly
an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny
sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay
ao amin'i Kristy Jesosy,
2 mamangy an'i Timoty, zanako
malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Misaotra an'Andriamanitra
aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa
tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro
aman'alina;
4 ary maniry hahita
anao aho* (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho [* Na: fa
andro aman'alina dia maniry hahita anao aho];
5 fa nisy nahatsiarovako
ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao
anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa
izany.
6 [Famporisihana an'i
Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra.
] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny
fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny
fametrahako ny tanako.
7 Fa tsy
nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
8 Koa aza menatra ny
ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho
mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,
9 Izay namonjy
antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika,
fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy
Jesosy hatry ny fony fahagola;
10 fa naharihary
ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana
ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana
sy ny tsi-fahaḷvana mandrakizay;
11 ny amin'io
filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra*. [*
Na: [mpampianatra ny jentilisa]
12 Ary noho izany koa
no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako,
ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy*
mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy]
13 Tano amin'ny
finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy
kilema, izay efa renao tamiko.
14 Ilay zavatra tsara
natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay
mitoetra ao anatintsika.
15 Fantatrao fa efa
nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
16 Homen'ny Tompo
famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko
matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
17 fa raha tany Roma
izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
18 (ny Tompo anie
hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny
hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
1 [Famporisihana
an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia
aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2 Ary izay zavatra
efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona
mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
3 Miaraha miaritra ny
mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.
4 Ny miaramila
manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao.
mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
5 Ary raha misy
manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy
manezaka araka ny lalàna.
6 Ny mpiasa tany izay
misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
7 Diniho izay
lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.
8 Tsarovy Jesosy
Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida,
araka ny filazantsarako,
9 izay iaretako
fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny
tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
10 Izany no iaretako
ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa
famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.
11 Mahatoky izao teny
izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12 raha miaritra
isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
13 fa na dia tsy
matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny
tenany.
14 [Ny mety hataon'i
Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no
ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny,
satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
15 Mazotoa manolotra
ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo
henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra
mahitsy amin']
16 Fa halaviro ny
fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
17 ary ny
teniny dia handany tahaka ny aretina mihady*; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [*
Gr. gangrena]
18 izay nania
tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia
mamadika ny finoan'ny sasany.
19 Kanefa ny
fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao
tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny
olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."
20 Fa ao
an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka
hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
21 Koa raha
misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka
homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho
amin'ny asa tsara rehetra.
22 Fa mandosira
ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana,
fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
23 Fa mandava ny
fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady
izany.
24 Ary tsy mety raha
miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay
mampianatra, mahalefitra,
25 mananatra ny
mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy
fibebahana hahalalany tsara ny marina,
26 ka hody ny sainy
ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny
sitrapony*. [* Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay
nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny
mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]
1 [Ny amin'ny
fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia
hisy andro mahory.
2 Fa ny olona
ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy*, tsy
manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao
blasfemia; izahao Mat. 9,3]
3 tsy
manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy
tia ny tsara,
4 mpamadika,
kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany
an'Andriamanitra,
5 manana ny
endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa
dia halaviro.
6 Fa isan'ireny
izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy
adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,
7 mianatra
mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
8 Ary tahaka ny
nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana,
dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
9 Kanefa tsy handroso
intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo
koa.
10 [Famporisihana
an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa
nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako,
ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
11 ny nanenjehana
ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia
ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra
izany.
12 Eny, izay rehetra
te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy
Jesosy, dia henjehina.
13 Fa ny ratsy fanahy
sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no
fitahina.
14 Fa ianao kosa dia
mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay
nampianatra anao izany;
15 fa hatry ny fony
vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho
amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
16 Izay soratra
rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana,
ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny
fahamarinana,
17 mba ho tanteraka
ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
1 Eo
anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty,
ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
2 mitoria ny teny,
mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra,
mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
3 Fa ho avy ny andro
izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy
sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]
4 ary hampiala ny
sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
5 Fa ianao kosa
mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny
evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
6 Fa izaho dia efa
hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho
fanatitra aidina]
7 Efa niady ny ady
tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
8 hatrizao dia
tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo,
Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho
an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
9 [Fanaovam-beloma sy
hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
10 fa Demasy efa
nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika;
Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
11 Lioka ihany no ato
amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana
izy.
12 Tykiko dia
nirahiko ho any Efesosy.
13 Ilay kapôty
navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny
boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
14 Aleksandro,
mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny
asany;
15 tandremonao ihany
izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
16 Tamin'ny
nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao
ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
17 Kanefa ny Tompo
nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko
ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho
novonjena tao am-bavan'ny liona.
18 Ary ny Tompo
hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany
any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
19 Manaova veloma
amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;
20 Erasto nitoetra
tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
21 Mazotoa
hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy
Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.
22 Ho amin'ny
fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Accès direct aux
chapitres de Tite : 1, 2, 3
1 [Fiarahabana] Paoly,
mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny
olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny
toe-panahy araka an'Andriamanitra,
2 amin'ny fanantenana ny
fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga
hatry ny fony fahagola;
3 fa tamin'izay andro
voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko,
araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4 ho an'i Titosy, tena zanako
araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 [Ny miendrika hotendrena ho
loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako
anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao
loholona* amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [* Gr. presbytera]
6 raha misy tsy manan-tsiny,
dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho
mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
7 Fa ny mpitandrina* dia tsy
maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo
teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia
harena maloto,
8 fa mampiantrano
vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
9 mitana mafy ny teny
marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana
tsy misy kilema* sady handresy lahatra ny mpanohitra. [* Gr. salama]
10 Fa maro no
maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora -
11 tsy maintsy
hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay
tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
12 Hoy ny anankiray
amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana,
biby ratsy, kamo be tenda".
13 Marina izany
vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny
finoana, [* Gr. salama]
14 tsy mitandrina ny
anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny
fahamarinana.
15 Madio avokoa ny
zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady
tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na
ny fieritreretany.
16 Manaiky fa
mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta
sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na
inona.
1 [Ny mety hataon'ny
anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy
hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy
misy kilema*; [* Gr. salama]
2 ny lehilahy
anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka* amin'ny
finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. [* Gr. salama]
3 Ny vehivavy
anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho
mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra
tsara,
4 mba hampianarany ny
vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
5 hahonon-tena, ho
madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba
tsy hitenenana ratsy* ny tenin'Andriamanitra. [* Gr. hanaovana blasfemia;
izahao Mat. 9,3]
6 Ny lehilahy tanora
fanahy koa anaro hahonon-tena;
7 ka amin'ny zavatra
rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao
maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
8 ny teny tsy misy
kilema*, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy
ratsy hitenenany anareo. [* Gr. salama]
9 Ny mpanompo koa dia
anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa
tsy hamalivaly,
10 tsy
hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba
hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra
rehetra.
11 Fa efa miseho ny
fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
12 mampianatra
antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao
tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka
an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
13 miandry ny
fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe
sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy
Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
14 Izay nanolotra ny
tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy
hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa
tsara izany.
15 Izany no lazao sy
ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao
tsinontsinona anao.
1 Mampahatsiarova azy
hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa
tsara rehetra,
2 tsy hiteny ratsy
olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra
amin'ny olona rehetra.
3 Fa isika koa dia
adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny
fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala
no nifankahala.
4 Fa rehefa niseho ny
fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5 dia tsy avy
tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po
kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny
fanavaozan'ny Fanahy Masina,
6 Izay naidiny
betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7 mba hohamarinina
amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana
mandrakizay.
8 Mahatoky izany teny
izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay
efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona
izany zavatra izany.
9 Fa halaviro ny
fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny
ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
10 Izay mpanao
hevi-diso*, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [* Na: olona
mitokana ho azy]
11 satria fantatrao
fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
12 Rehefa maniraka
an'i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any
Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
13 Mazotoa hamoaka
an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
14 Ary aoka ny
antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy
vokatra izy.
15 Manao veloma anao
izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny
finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
1 [Fiarahabana an'i
Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra
an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay
sy mpiara-miasa aminay,
2 ary mamangy an'i
Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao
an-tranonao:
3 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
4 Misaotra
an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
5 satria reko ny
fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona
masina rehetra, [* Na: ny finoanao]
6 mba hiasa mafy ho
an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny
zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7 Fa nanana fifaliana
sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny
olona masina, ry rahalahy.
8 Koa na dia manana
fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
9 nefa noho ny
fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy* sady mpifatotra an'i Kristy
Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [* Na: ambasadôra]
10 Eny, miangavy
aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia
Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa]
11 ilay tsy nahasoa
anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12 izay
nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;
13 saiky
nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako
noho ny filazantsara;
14 nefa raha
tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba
tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
15 Fa izany
angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
16 tsy toy ny
andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala,
indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
17 Koa raha ataonao
ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18 Nefa raha nanao
izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19 izaho Paoly no
manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao
fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20 Eny, ry rahalahy,
aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao
amin'i Kristy.
21 Noho ny
fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra
noho izay lazaiko aza ianao.
22 Ary izao koa: Mba
anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka
ataonareo.
23 Manao veloma anao
Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,
24 sy Marka sy
Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
25 Ho amin'ny
fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
Accès
direct aux chapitres des Hébreux : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13
1 [Fampitahana
an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana
fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;
2 dia amin'izao
andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny
ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
3 Izy koa no
famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny
zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka
ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any
amin'ny avo
4 ka natao
tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
5 Fa anjely iza
no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"?
(Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam.
7.14.)
6 Ary raha
mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary
aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).
7 Ary ny anjely
dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho
lelafo" (Sal.104. 4).
8 Fa ny Zanaka
kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia
mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
9 Tianao ny
fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa
nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7).
10 Ary izao
koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny
tananao ny lanitra;
11 Ireo dia ho
levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
12 Ary toy ny lamba
no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy
miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).
13 Fa anjely iza no
mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny
fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)
14 Tsy fanahy
manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova
famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana]
1 Ary amin'izany dia
tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina
hiala aminy isika.
2 Fa raha mafy ny
teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana
rehetra mbamin'ny fahotana,
3 hataontsika ahoana
no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay
nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika
kosa,
4 sady Andriamanitra
koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny
asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny
sitrapony.
5 Fa tsy anjely no
nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
6 Fa ny anankiray
nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao
azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
7 Nataonao ambany
kely* noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary
nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao; [* Na: vetivety]
8 Ny zavatra rehetra
dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny
nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa
ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
9 Fa Ilay natao
ambany kely* noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany
ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana
fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. [*Na:
vetivety]
10 Fa miendrika Izay
anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha
mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny
famonjena ireo amin'ny fahoriana.
11 Fa iray no
nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy
mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"
12 ka manao hoe:
"Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no
hiderako Anao" (Sal 22.22). [* Gr. eklesia]
13 Ary koa:
"Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza
nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).
14 Koa satria manana
nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny
fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
15 ary mba hanafahany
izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra
ny fahafatesana.
16 Fa hita marina fa
tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.
17 Koa amin'izany dia
miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho
Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany
fanavotana noho ny heloky ny olona.
18 Fa satria
nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay
alaim-panahy koa Izy. [*
Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]
1 [Fampitahana
an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny
fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay
ekentsika, dia Jesosy,
2 Izay mahatoky
ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra
rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7]
3 Fa Izy dia
natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano
voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
4 Fa ny trano rehetra
dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia
Andriamanitra.
5 Ary Mosesy dia
mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay
zavatra mbola holazaina;
6 fa Kristy kosa dia
Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha
hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba
ny fanantenana.
7 Koa araka izay
lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
8 Aza manamafy ny
fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany
an-efitra,
9 Izay nakan'ny
razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo
taona izy.
10 Koa tezitra
tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony
mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
11 Ary araka izany no
nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy
izy" (Sal. 95.7-11).
12 Tandremo, ry
rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala
amin'Andriamanitra velona;
13 fa mifananara
isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho
tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
14 Fa efa tonga
mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny
fahatokiantsika hatramin'ny farany;
15 raha atao hoe:
"Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny
tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
16 Fa iza moa no
nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany
Egypta va?
17 Ary iza no
nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany
an-efitra ny fatiny?
18 Ary iza no
nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
19 Ka dia
hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
Chapitre 4. 1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra
any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy
eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2 Fa isika koa
dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia
tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria
tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy]
3 Fa isika izay
nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy
ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy
izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao
aza ny asa.
4 Fa nilaza ny
andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary
Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito"
(Gen. 2.3).
5 Ary amin'izao
koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11].
6 Koa satria
mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny
voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 dia mametra
andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i
Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha
hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)
8 Fa raha Josoa no
nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
9 Koa dia mbola misy
sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
10 Fa izay niditra
tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka
an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy]
11 Koa aoka isika
hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny
tsi-finoana tahaka izany koa.
12 Fa velona sy
mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka
manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny
tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
13 Ary tsy misy
zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra
rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.
14 [Fampitahana an'i
Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa
namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay
efa nekentsika.
15 Fa isika tsy
manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa
nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16 Koa aoka isika
hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba
hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay
andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany]
1 Fa ny mpisoronabe
rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny
raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
2 dia olona izay
mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba
hodidinin'ny fahalemena ihany;
3 ary noho izany dia
tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony
ho an'ny olona ihany.
4 Ary tsy misy maka
izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra,
tahaka an'i Arona.
5 Dia toy izany koa
Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy
hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
6 ary toy ny lazainy
eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny
fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
7 Tamin'ny andron'ny
nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny
ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino
noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka
afaka tamin'ny fahatahorany]
8 dia nianatra
fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
9 ary rehefa natao
tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra
manaraka Azy,
10 fa
notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i
Melkizedeka."
11 [Anatra sy
famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro
izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
12 Fa na dia tokony
ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay
hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa
toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
13 Fa izay rehetra
mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria
mbola zaza-bodo.
14 Fa ho an'izay efa
lehibe* ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina
tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [* Na: tanteraka]
1 Koa aoka
hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny
tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana
amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
2 ary fampianarana ny
amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny
fitsarana mandrakizay.
3 Ary izany no
hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
4 Fa izay efa
nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra
sy efa nandray ny Fanahy Masina
5 ary efa nanandrana
ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
6 nefa nihemotra, dia
tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny
Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
7 Fa izay tany mifoka
ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona
iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;
8 fa izay maniry
tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia
ny hodorana.
9 Nefa, ry malala, na
dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay
momba ny famonjena.
10 Fa Andriamanitra
tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho
voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo
ihany.
11 Ary mbola irinay
ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana
be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany;
12 mba tsy hiketraka
ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny
faharetana.
13 Fa Andriamanitra
nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany
izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
14 ka nanao hoe:
"Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17).
15 Ary araka izany,
rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
16 Fa ny olona dia
mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba
hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17 Ary amin'izany,
raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny
tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,
18 mba ho zavatra roa
loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika
famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka
eo anoloantsika,
19 izay ananantsika
ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny
efitra lamba;
20 tany no nidiran'i
Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny
fanaon'i Melkizedeka" Izy.
1 [Fampitahana an'i
Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy
mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa
niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
2 sady nomen'i
Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny
anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany
hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
3 tsy manan-dray, tsy
manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na
faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra
ho mpisorona mandrakariva.
4 Ary hevero ny
halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay
tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
5 Ary izay avy
tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny
fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany,
na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
6 nefa izay tsy
isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy
nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
7 Ary tsy azo lavina
akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
8 Ary etỳ dia
izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay
nambara fa velona.
9 Ary toa azo lazaina
fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny
fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
10 satria mbola tao an-kibon-drainy
ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
11 Koa raha nisy
fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona
ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i
Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
12 Fa raha ovana ny
fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
13 Fa Izay nolazaina
amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona
manompo eo amin'ny alitara.
14 Fa hita marimarina
fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia
tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
15 Ary hita
marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i
Melkizedeka,
16 izay natao tsy
araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy
manam-pahataperana.
17 Fa Izy dia nambara
hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka"
(Sal.110.4).
18 Fa misy
fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
19 (fa ny lalàna dia
tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana
tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
20 Ary tahaka an'i
Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana
21 - fa ireny kosa
dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana
nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina:
Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)
22 - dia tahaka izany
koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23 Fa natao maro
ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24 fa Izy kosa dia
manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
25 koa amin'izany dia
mahavonjy tokoa* izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria
velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany]
26 Fa Mpisoronabe
tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy
loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
27 Izay tsy mila
hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny,
voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany
dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
28 Fa ny lalàna dia
manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana
kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho
mandrakizay.
1 [Fampitahana ny
fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any
an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana
Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny
seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,
2 Mpanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay
naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
3 Fa ny mpisoronabe
rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy
maintsy mba manan-katerina koa Izy.
4 Koa raha etỳ
ambonin'ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo
manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
5 dia ireo manao
fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra,
tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy;
fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao
tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40).
6 Fa ankehitriny efa
mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana
Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny
fikasana tsara lavitra.
7 Fa raha tsy
nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana
hotadiavina ho an'ny faharoa.
8 Fa manome tsiny ny
olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako
fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda,
9 Nefa tsy araka ny
fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny
fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
10 Fa izao no
fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy
Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary
Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
11 Ary samy tsy
hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i
Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka
hatramin'ny lehibe indrindra;
12 Fa hamindra fo
amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany"
(Jer. 31. 31-34).
13 Amin'ny anaovany
hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela
sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
1 Koa na dia ny
fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary
nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany.
2 Fa nisy tabernakely
voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina",
izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
3 Ary ao anatin'ny
efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana
masina indrindra,"
4 izay nisy lovia*
volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka
takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay
nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny
fanekena; [* Na: alitara]
5 ary teo ambonin'io
koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra
fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
6 Ary rehefa
voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin'ny
tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
7 Fa ny faharoa kosa
no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia
tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny
fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
8 koa izany no
anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin'ny
fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
9 fanoharana izany
amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy
fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
10 (fa naman'ny
zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia
fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
11 Fa Kristy kosa,
rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo
amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana,
izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,
12 ary tsy mba
nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra
indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana
mandrakizay.
13 Fa raha ny
ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay
voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo,
14 mainka fa ny ran i
Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny
alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny
asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
15 Ary noho izany dia
Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho
fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba
hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
16 Fa raha misy
didim-pananana*, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. [* Na:
fanekena]
17 Fa mafy ny
didim-pananana*, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha
mbola velona ilay nanao azy. [* Na: fanekena]
18 Koa na dia ny
fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
19 Fa rehefa
voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia
nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry
jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20 dia hoy izy; Ity
no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).
21 Ary ny tabernakely
sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy
izany koa.
22 Ary saiky diovina
amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà
alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
23 Koa dia tsy
maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny
tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
24 Fa Kristy tsy mba
niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena
fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo
anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ary tsy niditra
Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny
fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
26 fa raha izany, dia
tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa
ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha
hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
27 Ary tahaka ny
nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy
fitsarana,
28 dia tahaka izany
koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia
hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
1 Fa ny lalàna, izay
misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia
tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny
mandrakariva isan-taona.
2 Raha izany, dia tsy
ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny
mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3 Fa amin'ireo dia
misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 Fa tsy mahaisotra
ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
5 Koa nony niditra
tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy
ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6 Ny fanatitra
odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7 Dia hoy Izaho: Inty
Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao,
Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).
8 Rehefa nolazainy
teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra
odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna)
"no tsy ilainao ary tsy sitrakao",
9 dia hoy
indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny
voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10 Amin'izany
sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy
Kristy indray mandeha.
11 Ary ny
mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy
manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12 fa Izy kosa,
rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa
mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa
mipetraka mandrakizay]
13 ka
hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14 Fa ny
fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona
hamasinina.
15 Ary ny
Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16 "Izao
no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko
ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,"
17 dia hoy koa
Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33,
34).
18 Ary rehefa
misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 [Teny
famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa
amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana
masina isika noho ny ran'i Jesosy,
20 amin'izay
lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny
efitra lamba, dia ny nofony,
21 sady manana
Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
22 dia aoka isika
hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana,
manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa
tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy]
23 aoka
hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa
mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24 ary aoka isika
hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
25 aza mahafoy ny
fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka
satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26 Fa raha minia
manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy
fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa fiandrasana
mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny
fahavalo rehetra kosa.
28 Izay manohitra ny
lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy
asiana famindram-po;
29 manao ahoana kosa
ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny
Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho
zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
30 Fa fantatsika Izay
nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa:
"Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).
31 Zavatra
mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
32 Fa tsarovy ny
andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa
nohazavaina ianareo;
33 indraindray raha
natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary
indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany.
34 Fa sady
niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny
fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra
sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara
lavitra sady maharitra]
35 Koa aza
manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36 Fa tokony
hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana,
rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
37 Fa "rehefa
afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra"
38 Ary "ny oloko
marina* dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky
ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)]
39 Fa isika tsy mba naman'izay
mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny
fanahy.
1 [Filazan-tantara
mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny
amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2 Fa izany no
nahatsara laza ny ntaolo.
3 Finoana no
ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka
dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4 Finoana no
nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka
izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny
amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola
miteny ihany.
5 Finoana no
namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria
nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa
nankasitrahan'Andriamanitra izy.
6 Fa raha tsy amin'ny
finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona
an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto
mitady Azy.
7 Finoana no
nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa
notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no
nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana
araka ny finoana.
8 Finoana no
naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony
ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9 Finoana no
nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any
an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany
teny fikasana izany aminy;
10 fa nanantena
hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao
izany.
11 Ary na Saraha aza,
dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy,
satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
12 Koa dia avy
tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana
eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13 Ireo rehetra ireo
dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa
nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa
vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.
14 Fa izay milaza
izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15 Ary raha tàhiny
nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
16 Fa amin'izany ny
tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia
tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo
Izy.
17 Finoana no
nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy
tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18 dia ilay nilazana
hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen.
21.12).
19 Fa nihevitra izy
fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany
no nandraisany azy.
20 Finoana no nitsofan'isaka
rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.
21 Finoana no
nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka
nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny.
22 Finoana no
nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany
ny amin'ny taolany.
23 Finoana no
nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy,
satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.
24 Finoana no
nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe
izy,-
25 nifidy mantsy
hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana
vetivety amin'ny fahotana,
26 nanao ny
fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta,
satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27 Finoana no
nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa
naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28 Finoana no
nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay
nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny]
29 Finoana no nitana
ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana,
ka dia voatelina izy.
30 Finoana no
nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31 Finoana no tsy
nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny
mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
32 Ary inona koa no
holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona
ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
33 izay nandresy
fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana,
nanakombona ny vavan'ny liona,
34 namono ny
fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia
nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny
firenena hafa.
35 Ny vehivavy
nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany
nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany
fitsanganana tsara lavitra;
36 ary ny sasany
niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
37 notoraham-bato
izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny
nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana
38 (nefa izao tontolo
izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany
an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
39 Ary ireo rehetra
ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny
teny fikasana,
40 fa Andriamanitra
efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha
tsy efa mby eo koa isika.
1 [Fananarana
hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany,
satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona,
dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota
izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana
amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
2 mijery an'i Jesosy,
Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy
nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa
mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.
3 Fa hevero tsara
Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy*, fandrao ho ketraka
ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [* Na: ireo mpanota manimba tena]
4 Hianareo tsy mbola
nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.
5 Ary hadinonareo ny
fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza
atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha
resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
6 Fa izay tian'i
Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha.
3.11,12).
7 Famaizana no
anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza
moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
8 Fa raha tsy faizana
tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
9 Ary koa, isika dia
nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka
va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?
10 Fa ireny dia nanao
izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia
ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
11 Fa ny famaizana
rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa
afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay
nanaovana azy izy.
12 Koa hatanjaho* ny
tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [* Na: ahitsio]
13 ary manaova
lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny
mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
14 Miezaha mitady
fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy
manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
15 Ary mitandrema
tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka
mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;
16 fandrao hisy
mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay
nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.
17 Fa fantatrareo fa
rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy
nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.
18 [Ny halehiben'ny
fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà
izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady
mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny
tafio-drivotra
19 sy ny fanenon'ny
trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy
hasian-teny intsony izy;
20 fa tsy tohany ilay
nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia
hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),
21 ary satria loza
indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra
indrindra aho" (Deo]. 9.19).
22 Fa ianareo kosa
efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia
Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
23 amin'ny fihaonana
fifaliana* sy ny fiangonan**'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy
amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona
marina izay efa natao tanteraka, [* Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny
fivorian'ny anjely] [** Gr. eklesia]
24 sy amin'i Jesosy,
Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara
lavitra noho ny an'i Abela.
25 Tandremo mba tsy
holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany
ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa
isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,
26 Izay nampihorohoro
ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe:
"Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra
koa" (Hag. 2.6).
27 Ary ny hoe
"indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra
ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy
ampihorohoroina.
28 Koa satria mandray
fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana* ho
entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny
fahatahorana; [* Na: hanana fanahy misaotra]
29 fa Andriamanitsika
dia afo mandevona (Deo. 4.24).
1 [Anatra sy
fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
2 Aza manadino ny
fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa
tsy fantany.
3 Tsarovy izay
mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria
mbola eo amin'ny tena koa ianareo.
4 Aoka hanan-kaja
amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa
ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
5 Aoka tsy ho amin'ny
fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy:
"Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).
6 Ka dia sahy manao
hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no
azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).
7 Tsarovy ny
mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny
niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.
8 Jesosy Kristy
no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
9 Aza mety havilin'izay
fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny
fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
10 Isika manana
alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
11 Fa rehefa nentin'ny
mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny
ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.
12 Ary amin'izany
Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny
ràny.
13 Koa aoka isika
hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
14 Fa etỳ isika
tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
15 Koa aoka isika
hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva,
dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
16 Fa aza manadino
hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.
17 Manekè ny
mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay
tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny
fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
18 Mivavaha ho anay;
fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara
amin'ny zavatra rehetra.
19 Nefa mainka
mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho
aminareo.
20 Ary Andriamanitry
ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe,
hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay*, [* Na: Mpiandry
ondry lehibe amin'ny ran'ny fanekena mandrakizay hiala amin'ny maty]
21 Izy anie
hahatanteraka anareo amin'ny tsara* rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao
anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho
Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [* Na: asa tsara]
[**Na: (anatintsika)]
22 Ary mangataka
aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily
fohifohy ihany ho aminareo aho.
23 Aoka ho
fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha
faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
24 Manaova veloma
amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia
dia manao veloma anareo.
25 Ho aminareo
rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
Accès direct aux
chapitres de Jacques : 1, 2,
3, 4, 5
1 [Ny amin'ny fakam-panahy,
sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy
Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any
am-pielezana.
2 Ry rahalahiko, ataovy ho
fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na:
fizahan-toetra]
3 satria fantatrareo
fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4 Ary aoka ny
faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy
hisy tsy ampy na inona na inona.
5 Ary raha misy
ianareo tsy manam-pahendrena*, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay
manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy
izany. [* Na: kely fahendrena]
6 Nefa aoka hangataka
amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny
alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
7 Fa aoka tsy hanampo
handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
8 olona miroa saina
izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
9 Aoka ny
rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
10 fa ny manan-karena
kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
11 Fa miposaka ny
masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana
ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny
manan-karena amin'ny alehany.
12 Sambatra izay
olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny
satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
13 Raha misy
alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa
Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona
Izy;
14 fa samy
alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
15 Ary ny filàna,
rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka
fahafatesana.
16 Aza mety
hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
17 Ny fanomezan-tsoa
rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy
amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny
fihodinana.
18 Tamin'ny sitrapony
no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra
noforoniny isika.
19 Fantatrareo izany,
sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho
malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20 fa ny fahatezeran'ny
olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.
21 Koa ario ny
fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny
nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22 Fa aoka ho
mpankaṭ ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny
tenanareo.
23 Fa raha misy
mpihaino ny teny, nefa tsy mpankaṭ, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo
amin'ny fitaratra izy;
24 fa mijery ny
tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.
25 Fa izay mandinika
ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha
tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany
olona izany.
26 Raha misy
manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia
zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
27 Izao no
fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy
ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy
pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
1 [Ny tsy
mahamety ny fizahan-tavan'olona] Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana
fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny
voninahitra.
2 Fa raha misy
olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny
rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo
miakanjo ratsy,
3 koa mijery
ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha
ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha
etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-
4 moa tsy miangatra*
va ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? [* Na: miahanahana]
5 Mihainoa, ry
rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao
fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana
nolazainy homena izay tia Azy?
6 Fa ianareo efa
nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary
tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
7 Tsy izy koa va no
miteny ratsy* ny anarana tsara izay niantsoana anareo? [* Gr. manao blasfemia;
izahao Mat.9.3]
8 Kanefa raha mankaṭ
ilay didy ambony indrindra* ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava
ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [*
Gr. andriana]
9 Fa raha mizaha
tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.
10 Fa na iza na iza
mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy
rehetra.
11 Fa Ilay nanao hoe:
"Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona"
(Eks. 20.13, 14). Fa raha tah́ny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona
ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
12 Aoka ianareo
hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny
lalàn'ny fahafahana.
13 Fa fitsarana tsy
misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa
dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
14 [Ny fahafoanan'ny
finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa
manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
15 Raha misy rahalahy
na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro,
16 ka misy aminareo
manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy
omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo
amin'izany?
17 Ary mba toy izany
koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
18 Fa angamba hisy
hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny
asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
19 Hianao manao fa
iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba
mino izany ka dia mangovitra.
20 Moa tsy fantatrao
va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
21 Tsy nohamarinina
tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo
ambonin'ny alitara?
22 Hitanao fa
niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina
tamin'ny asa;
23 ary tanteraka ny
Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina
ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe
"Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8).
24 Koa dia hitanareo
fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.
25 Ary toy izany koa
Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny
iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa?
26 Fa maty ny tena,
raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
1 [Anatra ny
amin'izay mety hataon'ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin'ny
lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy
ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no
hitsarana anay mpampianatra.
2 Fa tafintohina
amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny
teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
3 Ary raha asiantsika
lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny
tenany rehetra isika.
4 Indreo koa ny
sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny
familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra.
5 Dia toy izany koa
ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny
antontan-kazo* arehitry ny afo kely! [* Na: ala]
6 Ary afo ny lela,
dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no
mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra
izao, sady arehitry ny helo* izy; [* Gr. Gehena]
7 Fa folaka avokoa ny
karazan*'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka
mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [* Gr.
fomban']
8 fa tsy misy olona
mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody
mahafaty.
9 Izy no isaorantsika
ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao
araka ny endrik'Andriamanitra.
10 Ny vava iray ihany
no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
11 Moa ny
loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?
12 Ry
rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa
voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.
13 Iza eo
aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena
tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.
14 Fa raha misy
fialonana mirehitra* sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na
mandainga manohitra ny marina. [* Gr. mangidy]
15 Izany fahendrena
izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny
nofo, araka ny an'ny demonia.
16 Fa izay misy
fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy
rehetra.
17 Fa ny fahendrena
izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora
alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana* na
mihatsaravelatsihy. [* Na: miangatra]
18 Ary ny vokatry ny
fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny
fihavanana*. [* Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny
fahamarinana amin'ny fihavanana]
1 [Fananarana ny tia
ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny
fitondran'Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo
aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny
momba ny tenanareo?
2 Mila ianareo, nefa
tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra* ianareo, nefa tsy mahazo ihany;
mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [*Na:
mialona]
3 Mangataka ianareo,
nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny
filanareo.
4 Ry mpisintaka
mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana
amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia
fahavalon'Andriamanitra izy.
5 Ary ataonareo va fa
miteny foana ny Soratra Masina*? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika**
dia iriny amin'ny fahasaro-piaro***. [* Na: ny Soratra Masina hoe] [** Na: izay
mitoetra ato anatintsika] [*** Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato
anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay
nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana]
6 Nefa manome
fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny
mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34].
7 Ka dia maneke an
Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
8 Manaṭna
an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary
ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
9 Oria, sy mitomania,
ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody
fanjoretana ny fifalianareo.
10 Manetre tena eo
anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
11 Aza mifanaratsy,
ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny
lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankaṭ
ny lalàna, fa mpitsara.
12 Iray ihany no
Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao,
no mitsara ny namanao?
13 He! ianareo izay
manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any
herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
14 kanefa tsy
mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo,
izay miseho vetivety, dia levona.
15 Fa aleo manao
izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
16 Fa izao dia
mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy
izany.
17 Koa izay mahalala
hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
1 [Fanamelohana ny
mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy
midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
2 Ny harenareo efa
simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao.
3 Ny volamena sy ny
volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona
hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena
amin'ny andro farany ianareo.
4 Indro, ny
karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny
fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.
5 Efa velona tamin'ny
fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana;
efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.
6 Efa nanameloka
namono ny marina* ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [* Na. Ilay marina . .
. Izy]
7 [Toky ho an'ny
Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta
tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny
voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana
aloha sy aoriana.
8 Mahareta koa
ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
9 Aza
mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara
efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.
10 Ry rahalahiko,
aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho
fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
11 Indro, ataontsika
fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa
hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo
sady be famindram-po.
12 Fa mihoatra noho
ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny
tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho
"Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny
fitsarana ianareo.
13 Misy
azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira
fiderana.
14 Misy marary va eo
aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra
diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr.
presbytera] [** Gr. eklesia]
15 ary ny fivavaky ny
finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota
izy, dia havela ny helony.
16 Koa mifaneke
heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny
fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
17 Elia dia olona
tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana;
dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
18 Ary nivavaka
indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
19 Ry rahalahiko,
raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray
mampibebaka azy,
20 aoka ho fantany fa
izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy
fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
Accès direct aux
chapitres de 1 Pierre : 1, 2,
3, 4, 5
1 [Fiarahabana, sy filazana
ny amin'ny fahatsaran'ny fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy
ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy
Bitynia, dia olom-boafidy
2 araka ny fahalalana
rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny
fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie
ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3 Isaorana anie
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray
araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny
nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
4 ho amin'ny
lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra
ho anareo,
5 izay
arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona
haseho any am-parany.
6 Izany no
iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny
fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7 mba ho hita
ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo
(izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra
tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
8 Izay, na dia
tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny
aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo
tononina sady be voninahitra,
9 mandray ny
anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10 Ny
amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra,
dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11 eny,
nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy
ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra
manaraka izany.
12 Ary naseho
tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra
izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny
filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany
an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
13
[Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany
sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho
entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
14 tahaka ny
zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny
tsi-fahalalanareo;
15 fa araka ny
fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny
fitondran-tena rehetra,
16 satria voasoratra
hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).
17 Ary raha Ilay tsy
mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe
Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny
fivahinianareo etỳ ;
18 fa fantatrareo fa
tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana
anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
19 fa ny rà soan'i
Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20 Izay fantatra
rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho
tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
21 Izay mino
an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka
nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo
amin'Andriamanitra.
22 Satria efa
nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny
fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo*; [*
Na:(amin'ny fo madio)]
23 fa efa teraka
indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho ḷ, fa tamin'ny tsy mety ho ḷ, dia ny
tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
24 Fa "ny nofo
rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny
vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
25 Fa ny tenin'ny
Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny
filazantsara izay notorina taminareo.
1 Koa esory ny
lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny
fanaratsiana rehetra,
2 fa tahaka ny zaza
vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo
amin'izany ho amin'ny famonjena,
3 raha tàhiny
"nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;"
4 Izay hatoninareo
toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady
soa,"
5 ka dia atsangana koa
ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra
fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
6 Fa misy teny ao
amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho,
dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa.
28.16).
7 Koa ny fahatsarana
dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay
nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22),
8 "Ary vato
mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy
nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena
azy.
9 Fa ianareo kosa dia
taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6),
olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay
niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
10 dia ianareo izay
tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy
namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).
11 [Fananarana
hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny
mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy
mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
12 ary aoka ho tsara
ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra
amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay
anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
13 Ary noho ny Tompo
dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14 na ny mpanapaka,
satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15 Fa toy izany no
sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny
fanaovan-tsoa;
16 fa olona afaka
ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy
ny mpanompon Andriamanitra.
17 Manajà ny olona
rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
18 Hianareo mpanompo,
maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy
fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
19 Fa izao no
ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina
noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.
20 Fa inona no laza,
raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa
raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia
izany no sitrak'Andriamanitra.
21 Fa ho amin'izany
no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela
fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
22 "Izay
tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);
23 raha
notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa
nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; [* Na: ny tenany]
24 ary Izy
nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba
ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary
"ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).
25 Fa efa nania toy
ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny
Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo.[* Gr. Episkopo]
1 Ary toy izany koa,
ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny
vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2 rehefa hitany ny
fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.
3 Ary aoka ny
firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena
na ny fiakanjoana;
4 fa aoka ho toetra
miafina ao am-po, izay tsy mety ho ḷ, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay
soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
5 Fa tahaka izany no
niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady
nanaiky ny vadiny;
6 dia tahaka an'i
Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia
zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona
na inona.
7 Ary toy izany koa,
ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy,
tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny
fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
8 [Famporisihana mba
hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa
saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy,
mifamindrà fo, manetre tena,
9 tsy mamaly ratsy ny
ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho
amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
10 "Fa na iza na
iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny
ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
11 Ary aoka izy hiala
amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12 Fa ny mason'ny
Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny
tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).
13 Ary iza no hanisy
ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
14 Fa raha tàhiny
mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza
matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
15 fa manamaśna an
i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona
mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny
fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
16 ka manàna
fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo
tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
17 Fa raha
sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny
fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.
18 Fa Kristy koa aza
efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba
hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa
novelomina tamin'ny fanahy,
19 izay
nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 dia izay tsy
nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa,
raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo
mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21 izay mamonjy
anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny
fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara
eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny
maty. [* Na: fanontanian']
[** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]
22 Izay eo amin'ny
tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa
nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
1 Koa satria niaritra
tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay
niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina]
2 mba tsy
handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona
intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
3 Fa ampy izay ny
andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny
fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy
ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
4 ary amin'izany dia
gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany
fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
5 nefa
hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
6 Fa noho izany no
nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona
amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
7 Fa antomotra ny
faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahoṇna tena ho amin'ny fivavahana.
8 Ary mihoatra noho
ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana
maro" (Oha 10.12)
9 Mifampiantranoa, ka
aza mimonomonona.
10 Samia mifanompo
araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina
tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
11 Rana misy olona
miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona
manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy;
mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i
Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
Amena,
12 [Fananarana mba
hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny
fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho
zavatra mahagaga manjo anareo izany,
13 fa araka ny
iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra
amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
14 Sambatra ianareo,
raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny
Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
15 Fa aoka tsy hisy
aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na
mpiraharaha ny an'olona.
16 Fa raha misy
mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza
an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
17 Fa tonga ny andro
hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha
miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky
ny filazantsaran'Andriamanitra? [* Gr. tranony]
18 Ary "raha
saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny
mpanota? (Oha 11. 31).
19 Koa izay mitondra
fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no
hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
1 [Fananarana ny
loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra
mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny
amin'ny loholona* izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona* sy
vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa,
dia mananatra azy hoe: [* Gr. presbytera]
2 Andraso ny
ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny
sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa
amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay andraikitrareo]
3 tsy ho mpanjakazaka,
amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.
4 Ary rehefa miseho
ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
5 Ary ianareo izay
mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina
fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny
miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [*
Gr. presbytera]
6 Koa amin'izany
manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo
amin'ny fotoan'andro;
7 ary apetraho aminy
ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).
8 Mahoṇna tena,
miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona
mitady izay harapany;
9 tohero izy, ka
miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana
izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
10 Ary Andriamanitry
ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny
mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia
Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
11 Ho Azy anie ny
fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
12 Efa manoratra teny
fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy
mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena
fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.
13 Izay any Babylona,
voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
14 Mifanaova veloma
amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny
fiadanana.
Accès direct aux
chapitres de 2 Pierre : 1, 2,
3
1 [Fiarahabana, sy fananarana
mba hitondra tena mendrika ny Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i
Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny
fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: [* Na: ny
fahamarinan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
2 hampitomboina ho anareo
anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra
sy Jesosy Tompontsika.
3 Efa nomen'ny
herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny
toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika
tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin'ny voninahitra sy ny
fahatsarana]
4 ary izany no
nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba
ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa
afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
5 koa noho izany dia manaova
izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa
fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6 ary amin'ny fahalalanareo
dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny
faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
7 ary amin'ny toe-panahinareo
araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny
rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
8 Fa raha anananareo izany
zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy
hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 Fa izay tsy manana izany
zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny
nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy.
10 Ary amin'izany dia mazotoa
kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha
manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
11 fa toy izany no hanomezana
malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i
Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
12 [Fananarana mba hiorina
tsara amin'ny fampianarana marina] Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo
ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina
tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
13 Fa raha mbola eto
amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny
fampahatsiarovana anareo,
14 satria fantatro fa
ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy
Tompontsika tamiko koa.
15 Ary dia hataoko
izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa
maty aho.
16 Fa tsy nanaraka
izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra
anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny
masonay ny fiandrianany.
17 Fa nahazo laza
amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny
voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako
izay sitrako" (Mat. 17.5).
18 Ary renay io feo
avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra
masina izahay.
19 Ary manana ny teny
faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia
manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany,
mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
20 fa fantatrareo
voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra
Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
21 fa tsy nisy
faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy
tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina
azy.
1 [Ny hahafantarana
ny mpampianatra sandoka, sy faminaniana ny handringanana azy] Efa nisy
mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka
tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary
handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny
tenany. [* Na: fitokoana]
2 Ary maro no
hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy* ny lalan'ny
fahamarinana. [* Gr. hanaovana blasfemia, izahao Mat.9.3]
3 Ary amin'ny
hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny
mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy
rendremana ny fahaverezany.
4 Fa raha tsy
navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo
ka natolony ho ao an-davaka maizina* mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [*
Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)]
5 ary raha tsy namela
izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy
ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao
tontolo izao,-
6 ary raha nataony
nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony
fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,-
7 fa Lota marina,
izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho
afaka
8 (fa izany lehilahy
marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina
isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny
lalàna):
9 dia fantatry ny
Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny
olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-
10 indrindra fa izay
mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana
fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy
matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
11 Fa ny anjely aza,
izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana
hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo.
12 Fa ireo kosa izay
miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa
zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia
haringana tokoa amin'ny fahalotoany,
13 ary
hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny
velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona
amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany*, raha miara-mihinana aminareo, [*
Na: [amin'ny famitahany].
14 manana maso
feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny
tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany
harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
15 efa niala
tamin'ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i
Beora*, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana, [*Na: Bosora].
16 nefa
voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana
ny hadalan'ilay mpaminany.
17 Ireo efa
loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny
fahamaintisan'ny maizina.
18 Fa mandoka
fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no
entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny
fahadisoana intsony*; [* Na: Satria velona amin'ny filan'ny nofo ireo, dia ny
fandokafany fatratra ny zava-poana no entiny mitaona ny olona izay saiky afaka
tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony ho amin'ny fijejojejoana]
19 fahafahana
no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa
izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.
20 Fa raha misy
efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i
Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny
farany dia ratsy noho ny voalohany.
21 Fa tsara
aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy
masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
22 Efa mihatra
aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny
loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia
mihosim-potaka indray."
1 [Ny amin'ny
hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa
soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny
sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana,
2 mba
hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny
Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
3 efa
fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira
avy haniratsira, mandeha araka ny filany
4 ka manao hoe:
Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry
dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao
tontolo izao aza.
5 Fa minia
jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany
koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,
6 ary rano koa
no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy;
7 fa izao
lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka
tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
8 Nefa, ry
malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro
amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
9 Ny Tompo tsy
mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po
aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy
rehetra,
10 Fa ho avy
tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa
amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*,
ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny
volana ary ny kintana]
11 Koa raha ho
levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa
ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
12 sady
manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay
sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*!
[* Na: maniry mafy]
13 Kanefa
isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao,
izay itoeran'ny fahamarinana.
14 Koa
amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa
mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny
fihavanana.
15 Ary ny
fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly,
rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
16 tahaka ny
ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao
aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona
kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany
amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
17 Koa, satria
fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny
fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;
18 fa mitomboa
amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy
Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra
ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
Accès direct aux
chapitres de 1 Jean : 1, 2, 3, 4, 5
1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra,
ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany,
dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa
notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana
2 (fa efa naseho ny fiainana,
ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny
fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), -
3 izay efa hitanay sy renay
no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay
dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany.
4 Ary izao zavatra
izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo]
5 Ary izao no teny
renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy
maizina akory ao aminy.
6 Raha hoy isika:
Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga
isika ka tsy manao ny marina.
7 Fa raha mandeha eo
amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika,
ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.
8 Raha hoy isika: Tsy
manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9 Raha miaiky ny
fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy
manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
10 Raha hoy isika:
Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
1 Anaka, izany
zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy
manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay
Marina; [* Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16]
2 ary Izy no avotra*
noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo
izao koa. [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana; izahao Rom. iii, 25]
3 Ary izao no
ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
4 Izay manao hoe:
Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy
ao anatiny.
5 Fa na iza na iza
mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana
an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny
fitiavan'Andriamanitra]
6 Izay* milaza fa
mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na:
Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc]
7 Ry malala, tsy didy
vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny
voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.
8 Ary koa, didy
vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria
miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
9 Izay milaza fa ao
amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny
maizina ihany.
10 Izay tia ny
rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao
aminy.
11 Fa izay mankahala
ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy
mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
12 [Fananarana mba
tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara
ao amin'i Kristy] Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo
noho ny anarany.
13 Manoratra aminareo
ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Manoratra
aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra
taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
14 Nanoratra
taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo.
Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao
anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
15 Aza tia izao
tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia
izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
16 Fa ny zavatra
rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary
ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao
tontolo izao ihany.
17 Ary mandalo izao
fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no
maharitra mandrakizay.
18 Rankizy, izao no
ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny* antikristy, sady maro no
antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora
farany. [* Na: ilay]
19 Avy tamintsika
ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika
izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy
isantsika izy rehetra.
20 Fa ianareo kosa
manana hosotra avy amin'ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 Tsy noho ny tsy
ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo
izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.
22 Iza no mpandainga,
afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny
Zanaka. [* Na: ilay antikristy]
23 Izay rehetra
mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny
Ray koa.
24 Ary ny aminareo,
dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha
mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao
amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
25 Ary izao no teny
fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
26 Izany zavatra
izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.
27 Ary ny aminareo,
dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila
hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo
ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy
ianareo, araka ny nampianarany anareo.
28 Ary ankehitriny,
anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy
ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.
29 Raha fantatrareo
fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.
Chapitre 3. 1 [Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Ramy sy
hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany] Endrey! manao ahoana ny
fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra,
sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo
izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen']
2 Ry malala,
ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho
toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa
ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
3 Ary izay rehetra
manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio
tahaka Azy.
4 Izay rehetra manota
no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
5 Ary fantatrareo fa
Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na:
hitondra]
6 Izay rehetra
mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na
nahalala Azy.
7 Anaka, aza avela hisy
hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
8 Izay manota dia avy
amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no
nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.
9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra
no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy,
satria naretak'Andriamanitra.
10 Izany no mampiseho
miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy
amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny
rahalahiny.
11 Fa izao no teny
nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia
isika,-
12 tsy mba tahaka
an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no
namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an'ny rahalahiny.
13 Aza gaga, ry
rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo.
14 Fantatsika fa efa
tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny
rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.
15 Izay rehetra
mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy
mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
16 Izao no
ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika;
ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
17 Ary izay rehetra
manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny
ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao
anatiny?
18 Anaka, aoka tsy ho
tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
19 Izany no
hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika
eo anatrehany,
20 na amin'inona na
amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho
ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 Ry malala, raha
tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo
anatrehan'Andriamanitra isika.
22 Ary na inona na
inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy
manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23 Ary izao no
didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny
hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
24 Ary izay mitandrina
ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no
ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny
antsika.
1 [Ny amin'ny
fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika
ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra,
fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria
maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
2 Izao no
ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa
tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra;
3 ary ny fanahy
rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary
izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo
amin'izao tontolo izao sahady izy.
4 Anaka,
ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay
ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
5 Isan'izao
tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary
mihaino azy izao tontolo izao.
6 Avy
amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay
tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny
fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.
7 Ry malala,
aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra
tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
8 Izay tsy tia dia
tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
9 Izao no nanehoana
ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana
tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
10 Izao no fitiavana:
tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny
Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.
11 Ry malala, raha
izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
12 Tsy mbola nisy
olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia
mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny
fitiavany*. [* Na: ny fitiavana Azy]
13 Izao no
ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny
nanomezany antsika ny Fanahiny.
14 Ary izahay efa
nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo
izao.
15 Na iza na iza
manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary
izy kosa ao amin'Andriamanitra.
16 Ary isika efa
mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia
fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao
amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
17 Izany no
ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin'ny
andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin'izao tontolo izao.
18 Tsy manan-tahotra
ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny
tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.
19 Isika tia, satria
Izy efa dia antsika taloha.
20 Raha misy manao
hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga
izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia
an'Andriamanitra Izay tsy hitany?
21 Ary izao no didy
efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny
rahalahiny koa.
1 Izay rehetra mino
fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay
niteraka dia tia izay naterany koa.
2 Izao no
ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika
an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
3 Fa izao no
fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy
mavesatra ny didiny.
4 Fa izay rehetra
naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay
enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
5 Iza moa no maharesy
izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
6 Izy ilay avy
tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny
rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
7 Fa misy telo izay
manambara,
8 dia ny Fanahy sy ny
rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
9 Raha mandray ny
fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny
fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
10 Izay mino ny
Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino
an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay
nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
11 Ary izao no
fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny
Zanany izany fiainana izany.
12 Izay manana ny
Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy
manana ny fiainana.
13 [Ny amin'ny
fivavahana ary ny tsi-fitovian'ny zanak'Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy]
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba
ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
14 Ary izao no
fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny
sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
15 ary raha
fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia
fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
16 Raha misy mahita
ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary
Andriamanitra no hanome azy fiainana* ho an'izay manao ota tsy mahafaty*. Misy
ota mahafaty**; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy. [* Gr.
ota tsy ho amin'ny fahafatesana] [** Gr. ota ho amin'ny fahafatesana]
17 Ota avokoa ny
tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty*. [* Gr. ota ny ho amin'ny
fahafatesana]
18 Fantatsika fa izay
rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra,
dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay
naterak'Andriamanitra no miaro azy]
19 Fantatsika fa avy
amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay
ratsy avokoa.
20 Ary fantatsika fa
tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho
fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy
Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
21 Anaka, arovy ny
tenanareo amin'ny sampy.
1 [Anatra ny amin'ny
faharetana amin'ny marina, sy ny tsy handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho
loholona* mamangy an'itompokovavy** voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny
fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) [*
Gr. Ny presbytera] [** Na: an'i Kyria]
2 noho ny
fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:
3 ho amintsika ny
fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy
Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana.
4 Faly indrindra aho,
satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny
nandraisantsika didy tamin'ny Ray.
5 Ary mangataka
aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao,
fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria]
6 Ary izao no
fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa
renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
7 Fa maro ny
mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa
tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
8 Mitandrema
ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo
valim-pitia tanteraka.
9 Izay rehetra
mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an
Andriamanitra. Izay mitoetra
ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10 Raha misy olona
mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na
miarahaba azy akory;
11 fa izay miarahaba
azy dia miombona amin'ny ratsy ataony.
12 Manana zavatra
maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny
ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny
mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
13 Ny zanaky ny
rahavavinao voafidy manao veloma anao.
1 [Fisaorana an'i
Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio]
Izaho loholona* mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny
fahamarinana. [* Gr. Ny presbytera]
2 Ry malala,
mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao,
tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
3 Fa faly indrindra
aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny
andehananao araka ny fahamarinana.
4 Tsy manana
fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny
fahamarinana ny zanako.
5 Ry malala, manao
asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo,
na dia vahiny aza izy,
6 izay nanambara ny
fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana*; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka
azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [* Gr.
eklesia]
7 fa noho ny Anarana
no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.
8 Koa isika dia
tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny
fahamarinana.
9 Nanoratra tamin'ny
fiangonana* Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray
anay. [* Gr. eklesia]
10 Koa amin'izany,
raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy
anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo
rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny
fiangonana*. [* Gr. eklesia]
11 Ry malala, aza ny
ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy
amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.
12 Demetrio dia tsara
laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa
manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
13 Nanana zavatra
maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny
penina*; [* Gr. volotara]
14 fa manantena
hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika.
15 Ho aminao anie ny
fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza
tsirairay araka ny anarany avy.
1 [Fananarana ny
amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i
Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy
voatahiry ho an'i Jesosy Kristy;
2 hampitomboina ho
anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
3 Ry malala, raha
manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena
iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba
hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho
an'ny olona masina.
4 Fa misy olona
sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany
fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny
fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia
Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy
Tompontsika]
5 Ary
ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra
rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia
naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.
6 Ary ny anjely izay
tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny
fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.
7 Ary toy izany koa,
Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy
koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany
fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
8 Kanefa toy izany
koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana
ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX
3]
9 Fa Mikaela
arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i
Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra
anao anie Jehovah".
10 Fa ireo kosa dia
miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany
fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny
tenany. [* Na: andotoany]
11 Hahita loza izy!
fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny
fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora
izy.
12 Ireo no harambato
voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana
aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy
rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty,
voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina]
13 onjan-dranomasina
mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho
azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
14 Ary Enoka koa,
ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny
ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina
15 hitsara ny olona
rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy
rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra
izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
16 Ireo dia
mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny
miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
17 Fa tsarovinareo,
ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18 fa efa nilaza
taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny
filan'ny haratsiam-panahiny.
19 Ireo no mahatonga
fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na:
tsy mba manana fanahy]
20 Fa ianareo kosa,
ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra,
ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;
21 ary tehirizo ny
tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy
Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
22 Ary amindrao fo ny
sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy]
23 ary ny sasany kosa
sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo
amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
24 Ary ho an'izay
maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo
anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,
25 ho
an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy
Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny
fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.
Accès direct
aux chapitres de l’Apocalypse : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22
1 [Fitarihan-teny] Ny
Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny
mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny
Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
2 Izay nanambara ny
tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra
izay efa hitany.
3 Sambatra izay
manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay
voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
4 Jaona mamangy ny
fiangonana* fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo
anoloan'ny seza fiandrianany; [* Gr. eklesia]
5 ary avy amin'i
Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny
mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha* antsika ho afaka
amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Gr. nanasa]
6 sady efa nanao
antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny
voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
7 Indro Izy avy
amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza;
ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
8 Izaho no Alfa sy
Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia
ny Tsitoha.
9 [Ny fisehoan'ny
voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana
ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy
atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
10 Voatsindrin'ny
Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny
feon'ny trompetra,
11 nanao hoe: Izay
zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny
fiangonana* fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy
Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.[Gr. eklesia]
12 Dia nitodika aho
nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita
fanaovan-jiro volamena fito;
13 ary teo afovoan'ny
fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava
hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na:
toa zanak'olona]
14 Ary ny lohany sy
ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary
ny masony tahaka ny lelafo;
15 ary ny tongony
tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana
iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.
16 Ary nitana kintana
fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka
avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra
amin'ny heriny.
17 Ary raha nahita
Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy
nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no
Voalohany sy Farany,
18 dia Ilay velona;
efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny
fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades]
19 Koa soraty izay
zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy
rahatrizay,
20 dia ny
zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana
sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny
fiangonana* fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana* fito. [* Gr.
eklesia]
1 [Ny Epistily ho
an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny
fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny
an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [*
Gr. eklesia]
2 Fantatro ny asanao
sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao
ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy
izy, ary hitanao fa mpandainga izy;
3 ary manana
faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
4 Kanefa manan-teny
aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.
5 Koa tsarovy izay
nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa
raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala
amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
6 Kanefa izao no
toetranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao]
7 Izay manan-tsofina,
aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia
havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny
Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia]
8 [Smyrna] Ary soraty
ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny
Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [* Gr. eklesia]
9 Fantatro ny
fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny
fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa
synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3)
10 Aza matahotra izay
efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao
an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana.
Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny
satro-boninahitra fiainana.
11 Izay
manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay
maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia]
12 [Pergamosy] Ary
soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain'ilay
manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia]
13 Fantatro izay
onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy
ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy
martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo
amin'izay onenan'i Satana.
14 Kanefa manan-teny
kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay
nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely,
hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.
15 Ary toy izany koa,
misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.
16 Koa dia mibebaha;
fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny
sabatry ny vavako.
17 Izay
manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay
maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato
dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray
azy ihany. [* Gr. eklesia]
18 [Tyatira] Ary
soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny
Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny
varahina manganohano: [* Gr. eklesia]
19 Fantatro ny asanao
sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny
asanao farany dia be noho ny voalohany.
20 Kanefa manan-teny
aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny
tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga
sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy.
21 Ary nomeko andro
hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy.
22 Indro,
hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao
amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.
23 Ary hovonoiko
amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no
mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [*
Gr. eklesia]
24 Fa aminareo izay
sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba
mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no
lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
25 kanefa izay
anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
26 Ary izay maharesy
ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny
jentilisa;
27 ary hiandry azy
amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka
izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.
28 Ary homeko azy ny
kintana fitarika andro.
29 Izay manan-tsofina,
aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
1 [Sardisy] Ary
soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay
manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa
manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia]
2 Miambena*, ka
aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny
asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)]
3 Dia tsarovy ny
amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha
tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho
fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory]
4 Kanefa misy olona*
vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary
hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr.
anaranana]
5 Izay maharesy dia
hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny
bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo
anatrehan'ny anjeliny.
6 Izay manan-tsofina,
aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
7 [Filadelfia] Ary
soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay
masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy
hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia]
8 Fantatro ny asanao
(indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina
azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba
nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina,
etc]
9 Indro, alaiko ny
sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy,
fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka
ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10 Satria efa
nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho
voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho
fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11 Ho avy faingana
Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
12 Izay maharesy no
hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy;
ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny
tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra
avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
13 Izay
manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [*
Gr. eklesia]
14 [Laodikia] Ary
soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena,
dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra
noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia]
15 Fantatro ny
asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana
ianao.
16 Fa satria matimaty
ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao;
17 fa hoy ianao:
Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy
fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
18 dia manoro hevitra
anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary
fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana,
ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
19 Izay* rehetra
tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha
Izaho, dia izay]
20 Indro, efa
mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandonḍna; raha misy mihaino ny feoko ka
mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy
amiko.
21 Izay maharesy dia
havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny
nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza
fiandrianany.
22 Izay
manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [*
Gr. eklesia]
1 [Fideran'ny any
an-danitra an'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra] Rehefa afaka izany, dia
hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo
voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe:
Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy
rahatrizay.
2 Ary niaraka
tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka
tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
3 Ary ny tarehin'ilay
nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no
nanodidina ny seza fiandrianana.
4 Ary manodidina ilay
seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo
ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona* efatra amby roa-polo
nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [*
Gr. presbytera]
5 Ary nisy helatra sy
feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito
nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra
ireo.
6 Ary teo anoloan'ny
seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly;
ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina
efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
7 Ary ny
zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa
dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava
tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny
voromahery manidina.
8 Ary ny
zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny
tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro
aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra
Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
9 Ary raha ny
zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'ilay mipetraka
eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay,
10 dia hiankohoka eo
anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona* efatra amby
roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny
satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:
11 Hianao, Tomponay
sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery;
Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy
nahary azy.
1 [Ny nandraisan'ny
Mpanavotra ny boky izay nisy tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy]
Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony,
voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka
teo ambonin'ny seza fiandrianana.
2 Ary hitako fa,
indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika
hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
3 Ary tsy nisy
tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny
boky na nahajery azy.
4 Ary nitomany
mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
5 Ary ny
anankiray tamin'ny loholona* nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona
avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka
hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. [* Gr. presbytera]
6 Ary hitako
fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary
teo afovoan'ny loholona* dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono,
nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina
hankany amin'ny tany rehetra. [* Gr. presbytera]
7 Ary tonga Izy
ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza
fiandrianana.
8 Ary rehefa
nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona* efatra amby
roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga
sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina
izany. [* Gr. presbytera]
9 Ary nihira
fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny
tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho
an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa
fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
10 Ary efa
nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka
ambonin'ny tany izy.
11 Ary nahita
aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny
zava-manan'aina ary ny loholona*, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, [*
Gr. presbytera]
12 nanao
tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray
hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
13 Ary izao
zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny
tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao
anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana
sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny
fanjakana mandrakizay mandrakizay.
14 Ary ny
zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona* dia niankohoka ka
nivavaka. [* Gr. presbytera]
1 [Ny namahana ny
tombo-kase enina] Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray
tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina
efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia*. [* Ampio
hoe: (ka izahao)]
2 Ary hitako fa,
indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsiṕka; ary
nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
3 Ary rehefa novahany
ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan'aina faharoa nanao hoe: Avia*. [*
Ampio hoe: (ka izahao)]
4 Dia nisy soavaly
hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny
fihavanana amin'ny tany mba hifamonoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
5 Ary rehefa novahany
ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia*.
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra
mizàna teny an-tànany. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
6 Ary nahare aho, ka
toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: venty* ny vary
tritika eran'ny fatam-bary kely**, ary venty* koa ny vary hordea intelon'ny
fatam-bary**; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao. [* Gr. denaria] [**
Gr. koiniksa]
7 Ary rehefa novahany
ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao
hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
8 Ary hitako fa,
indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe
Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita* nanaraka azy. Ary nomena fahefana
tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny
fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. [* Gr. Hadesy]
9 Ary rehefa novahany
ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay
voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
10 Ary niantso
tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana
no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
11 Ary samy nomena
akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy
mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina
tahaka azy koa.
12 Ary nahita aho,
rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga
mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà
avokoa ny volana.
13 Ary ny kintana
tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany
manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy.
14 Dia lasa tahaka ny
taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia
nafindra niala tamin'ny fitoerany.
15 Ary ny
mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny
lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao
amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
16 ary hoy izy
tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay
amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny
fahatezeran'ny Zanak'ondry;
17 fa tonga ny andro
lehiben'ny fahatezeran'ireo*, ka iza no mahajanona? [* Na: ny fahatezerany]
1 [Ny niarovana ny
Isiraely marina mba tsy hosimban'ny loza ho avy, sy ny fahasambaran'ny tonga
any an-danitra ka afaka amin'ny fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia
hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra,
nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny
tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
2 Ary hitako fa,
indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro,
nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely
efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao
hoe:
3 Aza manimba ny
tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny
handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
4 Ary nahare ny
isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy
no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra.
5 Avy tamin'ny
firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny
firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa
arivo amby iray alina.
6 Avy tamin'ny
firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa
arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina.
7 Avy tamin'ny
firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa
arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina.
8 Avy tamin'ny
firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa
arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray
alina no voaisy tombo-kase.
9 Rehefa afaka izany
dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny
firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny
nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry,
niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
10 dia niantso
tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika,
Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry.
11 Ary ny anjely
rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona* sy ny
zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka
nivavaka tamin'Andriamanitra [* Gr. presbytera]
12 nanao hoe: Amena!
Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery
ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
13 Ary ny anankiray
tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo
fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr. presbytera]
14 Fa hoy iraho
taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny
fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny
Zanak'ondry.
15 Ary noho izany ny
akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy
ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo
ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
16 Tsy ho noana na
hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana
akory.
17 Fa ny Zanak'ondry
Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho
amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra
amin'ny masony (Isa. 25. 8).
1 [Ny namahana ny
tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] Ary rehefa novahany
ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany
an-danitra.
2 Ary hitako ny
anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra
fito ireo.
3 Ary nisy anjely anankiray
koa tonga ka nitsangana teo ambonin*'ny alitara ary nitondra lovia volamena
fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry,
hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara
volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.
[* Na: amin']
4 Ary ny fofon'ny
ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo
an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Ary ny anjely
nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo
amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy
helatra ary horohorontany.
6 Ary ny anjely
fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
7 Ary ny
voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny
tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary
may koa ny ahi-maitso rehetra.
8 Ary ny anjely
faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany
an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina;
9 ary maty ny
ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny
sambo.
10 Ary ny
anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka
avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny
loharano izany;
11 ary ny
anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny
ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy
izany.
12 Ary ny
anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny
ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny
ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny
alina.
13 Dia nahita
ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao
tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany
noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
1 [Ny nitsofana
ny trompetra fahadimy, sy ny nahatongavan'ny loza voalohany] Ary ny anjely
fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany
an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny
lavaka tsy hita noanoa.
2 Ary nanokatra
ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka,
tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy
ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
3 Ary nisy
valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery* ireny,
tahaka ny herin*'ny maingoka amin'ny tany. [* Gr. fahefana]
4 Ary nilazana
izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory
aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny
handriny ihany.
5 Nefa tsy
navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny
fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
6 Ary
amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary
haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
7 Ary ny
endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny
lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny
tavan'olona.
8 Ary
nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
9 Ary
nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny
elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra
ho amin'ny ady.
10 Ary
manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony
no misy ny heriny* hampahoriany ny olona dimy volana. [* Gr. fahefana]
11 Ary manana
ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny
Hebreo dia Abadona*, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona** no anarany. [*
Abadona = Fandringanana] [** Apolyona = Mpandringana]
12 Lasa ny loza
anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
13 [Ny
nitsofana ny trompetra fahenina, sy ny nahatongavan'ny loza faharoa] Ary ny
anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara
volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,
14 nanao
tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra
izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
15 Dia novahana
ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny
taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona.
16 Ary ny
isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
17 Ary toy izao
no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy:
manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny
lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary
solifara mivoaka ary amin'ny vavany.
18 Ireo loza
telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary
tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona.
19 Fa ny
herin*'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka
ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
20 Nefa ny
olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny
asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy
volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na
afa-mamindra;
21 ary tsy
nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na
tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
1 [Ny teny
nentin'ny anjely anankiray, ary ny amin'ny kotrokorana fito sy ny boky kely]
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany
an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny
tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
2 ary nitàna
boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny
ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin'ny tany;
3 ary niantso
tamin'ny feo mahery izy, tahaka ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia
nikotroka ny kotrokorana fito.
4 Ary rehefa
nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany
an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana
fito, fa aza soratana.
5 Ary ny
anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo
ambonin'ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin'ny lanitra
6 ary nianiana
tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao
aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy
andro* intsony; [* Na: tsy ho ela]
7 fa amin'ny
andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny
zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany
tamin'ny mpaminany mpanompony
8 Ary ny feo
izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana,
raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny
ranomasina sy eo ambonin'ny tany.
9 Dia nankany
amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy
tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo
am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
10 Dia
noraisiko ilay boky kely teny an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha
nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko,
dia nangidy ny kiboko.
11 Ary nisy
nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy
ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
1 [Ny
nandrefesana ny tempoly, sy ny amin'ny vavolombelona roa] Ary nomena volotara
tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny
tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
2 Fa ny kianja eo ivelan'ny
tempoly dia avelao* ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany,
ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy. [* Gr. atsipazo eny
ivelany]
3 Ary homeko hery ny
vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy,
sady hitafy lamba fisaonana.
4 Ireo ilay hazo oliva roa sy
ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
5 Ary raha misy ta-handratra
ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana
misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
6 Ireo dia manam-pahefana
handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro
aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely
ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
7 Ary rehefa tanteraka ny
filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin'ny lavaka tsy
hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
8 Ary ny fatiny hiampatra eny
an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma
sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
9 Ary ny olona sy ny
fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny
fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny
fatiny.
10 Ary ny mponina ambonin'ny
tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny
mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
11 Ary rehefa afaka ny
hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra
tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra
izay nahita azy.
12 Ary nahare
feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia
niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny
fahavalony.
13 Ary tamin'izany ora izany
dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty
tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona
sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.
14 Lasa ny loza
faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
15 [Ny
nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny Joza fahatelo] Ary ny
anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny
fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny
Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.
16 Ary ny loholona* fatra
amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo
anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra [*
presbytera]
17 nanao hoe: Misaotra Anao
izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria
nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.
18 Ary tezitra ny firenena
maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana
valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny
anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
19 Ary novohana
ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo
anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany
ary havandra vaventy.
1 [Ny amin'ny vehivavy mitafy
ny masoandro, izay nenjehin'ny dragona] Ary nisy famantarana lehibe hita tany
an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny
tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
2 sady bevohoka
izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
3 Ary nisy
famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe
manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
4 Ary ny
rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny
ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa
hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
5 ary niteraka zazalahy izy,
izay efa hanapaka* ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany
novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza
fiandrianany. [* Gr. handry]
6 Ary ravehivavy kosa
nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba
hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
7 Ary nisy ady
tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay
dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,
8 nefa tsy
naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
9 Ary nazera
ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay
mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa
niaraka nazera taminy.
10 Dia nahare
feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy
ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria
nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo
anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
11 Ary izy ireo
naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary
tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
12 Ary noho
izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany
sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana
lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
13 Ary rehefa
hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy
niteraka ny zazalahy izy.
14 Ary ilay
vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any
an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy
fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy.
15 Ary ilay
menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy,
mba hindaosin'ny riaka iry.
16 Nefa ny tany
namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny
dragona tamin'ny vavany.
17 Dia tezitra
tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay
mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary
nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
Chapitre 13. 1 [Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny
dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina,
nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo;
ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy*. [* Gr. blasfemia;
izahao Mat. IX, 3]
2 Ary ny
bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny
bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny
heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
3 Ary hitako ny
lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky
nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
4 Ary dia
niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho
an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe:
Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
5 Dia nomena
lela* miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy** izy, ary nomena
fahefana mba hiasa*** roa amby efa-polo volana. [* Gr. vava] [** Gr. manao
blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [* Na: haharitra]
6 Ary nanokatra
ny vavany hiteny ratsy* an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy* ny anarany
sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [* Gr. manao blasfemia;
izahao Mat. IX. 3]
7 Ary navela
hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny
fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
8 Ary
hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy
manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay
voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
9 Raha misy
manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10 Raha misy
mamabo, dia mba hobaboina* kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia
tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny
finoan'ny olona masina. [* Na: Raha misy ho amin'ny fahababoana, dia ho amin'ny
fahababoana izy]
11 Ary hitako
fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary
nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
12 Ary ny
fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary
ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia
voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
13 Ary manao
famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany
eo imason'ny olona aza.
14 Ary mamitaka
izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo
imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao
sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
15 Ary navela
hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary
hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia.
16 Ary ny olona
rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy
andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na
eo amin'ny handriny avokoa,
17 mba tsy hisy
hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny
bibi-dia, na ny isan'ny anarany.
18 Indro ny
fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona
izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
1 [Ny amin'ny
Zanak'ondry sy ny mpanaraka Azy] Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry
nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina
sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy
voasoratra eo amin'ny handriny.
2 Ary nahare
feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny
fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny
mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 Ary mihira
toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny
zava-manan'aina efatra sy ny loholona* izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany
fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay
navotana niala tamin'ny tany. [* Gr. presbytera]
4 Ireo no tsy
voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na
aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho
voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.
5 Ary tsy nisy
lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
6 [Ny amin'ny
anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny
andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo
afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina
ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny
ary ny olona rehetra,
7 nanao
tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa
tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy
ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora]
8 Ary nisy iray
koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe!
izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny
fijangajangany.
9 Ary nisy iray
koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha
misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo
amin'ny handriny na amin'ny tànany,
10 dia izy koa
no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny
kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy
solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;
11 ary ny
setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy
manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy
ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
12 Indro ny
faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny
finoana an'i Jesosy.
13 Ary nahare
feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty
ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay
nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
14 Ary, indro,
nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'Olona* nipetraka teo
ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana
fijinjana maranitra teny an-tànany. [* Na: toa zanak'olona]
15 Ary nisy
anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka
nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka
mijinjà*, satria tonga ny andro* fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny
tany. [* Gr. ora]
16 Dia
naroson'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona tamin'ny tany ny fijinjany, ka
voajinja ny tany.
17 Ary nisy
anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa
nanana fijinjana maranitra.
18 Ary nisy
anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny
afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery
hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka ang̣ny ny sampahom-boaloboka eo amin'ny
tany; fa masaka tsara ny voalobony.
19 Ary
naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny
tany ka nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny
fahatezeran'Andriamanitra.
20 Ary
voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana
dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny
enin-jato amby arivo stadio.
1 [Ny amin'ny
lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny
tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady
lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny
no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
2 Ary nahita
aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka
tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo
amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [* Na: tao
amin]
3 Ary mihira ny
fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy
manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha;
Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
4 Iza no tsy
hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no
masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa
naharihary ny fitsarana marina nataonao.
5 Ary rehefa
afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia* ny
tabernakelin'ny vavolombelona** tany an-danitra; [* Na: tao amin'] [* Dia ny
Didy Folo]
6 ary ny anjely
fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka
vato soa madio sy mamirapiratra* izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo
amin'ny tratrany. [* Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no
mangatsakatsaka)]
7 Ary ny
anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena
fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.
8 Ary ny
tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka
tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito
nentin'ny anjely fito.
1 Ary nahare
feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe:
Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny
fahatezeran'Andriamanitra.
2 Ary ny
voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay
ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy
niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
3 Ary ny
faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny
ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.
4 Ary ny
fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà
ireny.
5 Ary nahare ny
anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia
ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;
6 fa ny ran'ny
olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy;
ary tandrifiny ho azy irany.
7 Ary reko ny
alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny
fitsaranao.
8 Ary ny
fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro
ny olona tamin'ny afo izy.
9 Ary main'ny
hafanana be ny olona, dia niteny ratsy* ny anaran'Andriamanitra, Izay
manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome
voninahitra Azy. [* Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
10 Ary ny
fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia;
dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny
fanaintainana,
11 dia niteny
ratsy* an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady
tsy nibebaka tamin'ny asany. [* Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
12 Ary ny
fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny
ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny
masoandro.
13 Ary nahita
aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay
dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany
sandoka.
14 Fa
fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka
amin'izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin'ny adin'ilay andro
lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
15 (Indro, avy
toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina* ka miaro ny fitafiany, fandrao
mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.) [* Gr. miari-tory]
16 Ary
nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
17 Ary ny
fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery
nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe:
Vita.
18 Dia nisy
helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy
toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy
horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
19 Ary ny
tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary
Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny
kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany.
20 Ary ny nosy
rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
21 Ary nisy
havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho
lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny
loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
1 [Ny amin'ilay
vehivavy janga (dia Babylona), izay nitaingina ny bibi-dia nivolon-jaky] Ary
tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny
tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy
janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
2 dia ilay
nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany
ny mponina tamin'ny tany.
3 Dia nentiny
tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia
mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka
folo.
4 Ary
ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato
soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta,
dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;
5 ary nisy
anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA
LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.
6 Ary hitako
fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i
Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
7 Ary hoy ilay
anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny
amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka
folo.
8 Ny bibi-dia,
ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny
lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina
ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana
hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay
bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
9 Indro ny
hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay
ipetrahan-dravehivavy.
10 Ary mpanjaka
fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola
tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
11 Ary ny
bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary
ka lasa ho amin'ny fandringanana.
12 Ary ny
tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana;
fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.
13 Ireo dia
miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.
14 Ireo dia
hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny
tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia
olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
15 Ary hoy izy
tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy
vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny.
16 Ary ny
tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay
vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny
nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.
17 Fa Andriamanitra
efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny
fanjakany ho an'ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
18 Ary
ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny
tany.
1 [Ny amin'ny
nandravana an'i Babylona, sy ny nisaonan'ny olona azy] Rehefa afaka izany, dia
hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana
fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.
2 Ary niantso
tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga
fonenan'ny demonia sy fieren*'ny fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona
rehetra izay maloto sy ankahalaina. [* Gr. tranomaizina]
3 Fa tamin'ny
divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan*'ny firenena
rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto
amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny
zava-mahafinaritra ny tena. [* Na: (nisotrohan')]
4 Ary nahare
feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko,
mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo
azy.
5 Fa ny
fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny
ratsy nataony.
6 Mamalia azy
araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay
nofenoiny*, dia fenoy** indroa heny ho azy. [* Gr. noharoharoiny] [* Gr.
haroharoy]
7 Toraka itsy
niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana
sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho
mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
8 koa noho
izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia
fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny
Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
9 Ary ny
mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny
zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny
setroky ny fandoroana azy;
10 eny,
hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao
hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa
tamin'ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao.
11 Ary ny
mpandranto amin'ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy
intsony ny entany:
12 dia entana
volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba
volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra
mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary
vato sanga,
13 sy
havozomamy sy zavatra mani-pofona* sy ditin-kazo sy menaka manitra sy
ditin-kazo mani-pofona**, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary
tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain'olona. [* Gr.
amoma] [** lebona: izahao Eks. xxx. 34]
14 Ary ny
vokatra soa* nirin'ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra
sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony
mandrakizay ireo. [* Na: voan-kazo]
15 Ny
mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia
hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy
hisaona
16 ary hanao
hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika
sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila!
17 Fa tamin'ny
ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo
rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay
rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
18 ary raha
nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no
misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
19 Ary nanopy
vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka
nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay
rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy;
fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.
20 Mifalia noho
izay zavatra nanjo azy ianao. ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo
Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy
noho ny taminareo.
21 Ary nisy
anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia
nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho
fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.
22 Ary ny
feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny
mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay
zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon'ny vato
fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;
23 ary ny fahazavan'ny
jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny
ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa
ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.
24 Ary teo
anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra
novonoina teny ambonin'ny tany.
1 [Saotra
ataon'ny any an-danitra noho ny nitsarana an'i Babylona] Rehefa afaka izany,
dia nahare hoatra ny feon'ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe:
Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika;
2 Fa marina sy
mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia
ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran'ny
mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
3 Dia niteny
fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra
mandrakizay mandrakizay.
4 Ary ny
loholona* elatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka
nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana,
ka nanao hoe: Amena; Haleloia! [* Gr. presbytera]
5 Ary nisy feo
koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà
an'Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy,
na ny kely na ny lehibe.
6 Dia nahare
feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be,
ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo
Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
7 Aoka isika hifaly
sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny
Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny.
8 Ary nasaina
nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany
rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina.
9 Ary hoy koa
izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana
fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny
marin'Andriamanitra.
10 Dia
niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko:
Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo
rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no
ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.
11 [Ny
amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia
sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy
soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary
amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
12 Ary ny
masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana
anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
13 Ary miakanjo
akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra.
14 Ary ny
antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly
fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
15 Ary misy
sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary
Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny
divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
16 Ary manana
anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY
MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.
17 Ary hitako
fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary
niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo
afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miang̣na ho amin'ny fanasana
lehiben'Andriamanitra,
18 mba
hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny
mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona
rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
19 Ary hitako
ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady
amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany.
20 Ary
nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny
famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny
bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any
amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
21 Ary ny olona
sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly;
ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.
1 [Ny amin'ny
namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo
taona] Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny
fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
2 dia
nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany)
ka namatotra ary arivo taona,
3 dia nanipy
ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase
teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny
arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha
izy.
4 Ary nahita
seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena
fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny
filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka
teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho
eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka
tamin'i Kristy arivo taona.
5 Fa ny sisa
amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no
fitsanganana voalohany.
6 Sambatra sy
masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba
ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy
ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
7 Ary rehefa
tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina
nitoerany
8 ka hivoaka
hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba
hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
9 Ary niakatra
namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna
malala; ary nisy afo* nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. [* Na: (afo
avy amin'Andriamanitra)]
10 Ary ny devoly
izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy
ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina
mandrakizay mandrakizay ireo.
11 Ary hitako
fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny;
ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
12 Ary nahita
ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza
fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny
bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra
voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
13 Ary ny
ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny
fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany
izy. [* Gr. Hadesy]
14 Ary ny
fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany
no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy]
15 Ary raha
nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany
amin'ny farihy afo izy.
1 [Ny amin'i
Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny
lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
2 Ary nahita aho
fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra
tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny
vadiny.
3 Ary nahare
feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra
dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary
Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra
an-day]
4 Ary hofafany
ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy
hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
5 Ary hoy Ilay
mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.
Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
6 Ary hoy koa
Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny
fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay
mangetaheta.
7 Izay maharesy
no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
8 Fa ny osa sy
ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao
ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany
ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
9 Ary tonga ny
anankiray tamin'ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra* ny
loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny
ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry. [* Gr. feno]
10 Ary nitondra
ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho
ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any
an-danitra,
11 sady manana
ny voninahitr'Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa
indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly;
12 ary manana
mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny
vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia
ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'isiraely;
13 eo
atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo;
eo andrefana vavahady telo.
14 Ary ny
màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa
ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry.
15 Ary ilay
niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna
sy ny vavahadiny ary ny màndany.
16 Ary ny
tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna
tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy
ny sakany ary ny hahavony.
17 Ary nandrefy
ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny
olona, dia ny an'ny anjely.
18 Ary ny
màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra
madio.
19 Ary ny
fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny
fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny
fahefatra emeralda,
20 ny fahadimy
sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny
fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta,
ny faharoa ambin'ny folo ametysta.
21 Ary ny
vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo; perila iray avy ny
isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra
manganohano.
22 Ary tsy
nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny
Zanak'ondry no tempoliny.
23 Ary ny
tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny
voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana
azy*. [* Gr. jirony]
24 Ary ny
firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia
mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
25 Ary ny
vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).
26 Ary ny
voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.
27 Ary tsy mba
hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga,
fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
1 Ary izy
naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy
teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
2 teo
afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa
voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo
dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3 Ary tsy hisy
ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo
aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4 ka hahita ny
tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
5 Ary tsy hisy
alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro
izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay
mandrakizay izy.
6 [Teny farany]
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo,
Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny
mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
7 Ary, Indro,
avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity
boky ity.
8 Ary izaho
Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho,
dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo
zavatra ireo.
9 Dia hoy izy
tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny
mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity;
Andriamanitra ihany no ivavaho.
10 Ary hoy izy
tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa
antomotra ny andro.
11 Izay manao
ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka
mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina
ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.
12 Indro avy
faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka
ny asany.
13 Izaho no
Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14 Sambatra
izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany
amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.
15 Fa any ivelany
ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny
mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
16 Izaho Jesosy
naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana.
Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
17 Ny Fanahy sy
ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka
ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny
ranon'aina.
18 Izaho dia
manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity:
Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto
anatin'ity boky ity ho azy;
19 ary raha
misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia
hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina,
dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
20 Hoy Izay
manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
21 Ho amin'ny
olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy* Tompo. Amena. [* Na: (Jesosy Kristy)]